Arivotaona Jereo koa Fiavian’i Jesoa Kristy Fanindroany; Helo Arivo taona mandry fahalemana izay hanomboka amin’ny fiverenan’i Kristy tenany hanjaka eto an-tany (Fp. 1:10). Ny firenena tsy hanainga sabatra hifamely, na hianatra ady intsony, Isa. 2:4 (Mika 4:3; 2 Ne. 12:4). Ny tany efa lao dia tonga tahaka ny saha Edena, Ezek. 36:35. Velona sy niara-nanjaka tamin’i Kristy arivo taona izy ireo, Apôk. 20:4. Noho ny fahamarinana dia tsy manam-pahefana i Satana, 1 Ne. 22:26. Izaho dia hitoetra amim-pahamarinana eto an-tany arivo taona, F&F 29:11. Tsy hamindra fo amin’ny tany afa-tsy fotoana fohy Aho rehefa hifarana ny arivo taona, F&F 29:22. Ho avy ny Arivotaona Lehibe, F&F 43:30. Hitombo tsy manam-pahotana ny zanaky ny marina, F&F 45:58. Hitombo ny ankizy mandra-pahatonga azy ho antitra, hovana ao amin’ny indray mipi-maso ny olona, F&F 63:51. Amin’ny fiandohan’ny arivo taona fahafito no hanamasinan’ny Tompo Andriamanitra ny tany, F&F 77:12. Tsy velona indray ireo raha tsy efa mifarana ny arivo taona, F&F 88:101. Hofatorana i Satana mandritra ny arivo taona, F&F 88:110. Fitantarana ny Arivotaona, F&F 101:23–34. Mandritra ny arivo taona dia hitsahatra ny tany, Mos. 7:64.