Izao Tontolo Izao Jereo koa Babela, Babylona; Mety maty; Tany Ny tany, toerana fizahan-toetra ho an’ny olona mety maty. Amin’ny heviny nitarina: ireo olona izay tsy mankatò ny didin’ Andriamanitra. Fiainana an-tany Eto amin’izao tontolo izao no hahitanareo fahoriana, Jao. 16:33. Aza matahotra na dia ny ho faty aza; fa eo amin’izao tontolo izao dia tsy feno ny fifalianareo, F&F 101:36. Ny olona izay tsy mankatò ny didin’ Andriamanitra Izaho hanafay izao tontolo izao noho ny faharatsiany, Isa. 13:11 (2 Ne. 23:11). Raha halan’izao tontolo izao hianareo, dia aoka ho fantatrareo fa izaho efa halany talohanareo, Jao. 15:18–19. Io trano lehibe sy malalaka io no fieboeboan’izao tontolo izao, 1 Ne. 11:36. Masaka amin’ny faharatsiana izao tontolo izao, F&F 18:6. Arovy ny tenanao tsy ho voapentimpetin’izao tontolo izao, F&F 59:9. Izay mahatoky sy maharitra no handresy izao tontolo izao, F&F 63:47. Tsy hiaina araka ny fomban’izao tontolo izao ianareo, F&F 95:13. Faran’izao Tontolo Izao Izaho mahary lanitra vaovao sy tany vaovao, ka dia tsy ho tsarovana intsony ny taloha, Isa. 65:17 (Apôk. 21:1; Fp. 1:10). Ny tsimparifary dia hangonina ary hodorana amin’ny afo, amin’ny fahataperan’izao tontolo izao, Mat. 13:40, 49 (Mal. 3:19; Jkb. 6:3). Hasaiko dorana amin’ny afo ny tanimboliko, Jkb. 5:77 (F&F 64:23–24). Horavan’ny Tompo i Satana sy ny asany amin’ny fiafaran’izao tontolo izao, F&F 19:3. Ho faty ny tany, saingy hovelomina indray, F&F 88:25–26. Nasehon’ny Tompo an’i Enoka ny fiafaran’izao tontolo izao, Mos. 7:67.