Fiadanana Jereo koa Arivotaona; Fitsaharana; Mpampihavana Fahatoniana anaty sy fiononana ateraky ny Fanahy izay omen’ Andriamanitra ny Olomasiny mahatoky. Hantsoina hoe mpanjakan’ny fiadanana ny Mpamonjy, Isa. 9:6. Tsy misy fiadanana ho an’ny ratsy fanahy, Isa. 48:22. Nisy anjely marobe avy any an-danitra nidera an’ Andriamanitra nanao hoe: Voninahitra any amin’ny avo indrindra ho an’ Andriamanitra! ary fiadanana ho ety ambonin’ny tany, Lio. 2:13–14. Fiadanana no avelako ho anareo, Jao. 14:27. Ary ny fiadanan’ Andriamanitra mihoatra noho ny fahalalana rehetra, Filip. 4:7. Nahazo fiadanan-tsaina ny vahoakan’i Benjamina mpanjaka, Môzià 4:3. Akory ny hatsaran’ny tongotr’iry mitondra teny soa mahafaly ery an-tendrombohitra, Môzià 15:14–18 (Isa. 52:7). Nitalaho tamin’ny Tompo i Almà ary nahita fiadanana, Almà 38:8. Ny fanahin’ireo izay marina dia raisina ao amin’ny toetry ny fahasambarana, Almà 40:12. Tsy nilaza fiadanana ho an’ny sainao va Aho momba io toe-javatra io, F&F 6:23. Mandehana amin’ny fahalemem-panahiko, dia hanana ny fiadanana ao Amiko ianao, F&F 19:23. Izay manao ny asan’ny fahamarinana dia handray fiadanana, F&F 59:23. Atafio ny tenanareo ny famatoran’ny fiantrana, dia ny famatoran’ny fahatanterahana sy ny fiadanana izany, F&F 88:125. Anaka, fiadanana anie ho an’ny fanahinao, F&F 121:7. Noho ny fahitana fa nisy fiadanana bebe kokoa ho ahy tamin’izany, dia nokatsahiko ny fitahian’ireo ray, Abr. 1:2.