Fitsofan-drano ny Marary Jereo koa Diloilo; Fametrahan-tanana; Fisoronana; Manasitrana; Manosotra Tsodrano omen’ny lehilahy izay mihazona ny Fisoronana Melkizedeka ny marary miaraka amin’ny fampiasana diloilo nohamasinina. Mametraha ny tananao aminy, Mat. 9:18. Nametraka ny tanany tamin’ny olona marary vitsy i Jesoa ka nahasitrana azy, Mar. 6:5. Nohosoran’ireo Apostolin’i Kristy tamin’ny diloilo ny marary maro ka nositraniny, Mar. 6:13. Tokony hanosotra diloilo ny marary ny loholona ary hanasitrana, Jak. 5:14–15. Tsy hanasitrana ny marary ianareo raha tsy mangataka izany ireo izay maniry ny hositranina, F&F 24:13–14. Hametra-tanana amin’ny marary ny loholona, F&F 42:44. Ametraho ny tananareo ireo marary dia ho sitrana, F&F 66:9.