Fijangajangana Jereo koa Fahadiovam-pitondrantena; Fanitsakitsaham-bady; Manarana ny Filan’ny nofo Firaisana ara-nofo tsy ara-dalàna eo amin’ny olona roa tsy mpivady. Ampiasaina tsindraindray koa izany ao amin’ny soratra masina ho sarin’ny apôstazia. Fadio ny fijangajangana, Asa 15:20. Ny vatana dia tsy natao ho an’ny fijangajangana fa ho an’ny Tompo, 1 Kor. 6:13–18. Mba hisorohana ny fijangajangana, dia aoka ny lehilahy tsirairay samy hanana ny vadiny avy, 1 Kor. 7:2–3. Izao no sitrapon’ Andriamanitra dia ny hifadianareo ny fijangajangana, 1 Tes. 4:3. Nampitandrina ny vahoakan’i Nefia tamin’ny fijangajangana i Jakoba, Jkb. 3:12. Masaka ho amin’ny famongorana ianareo noho ny famonoanareo olona sy ny fijangajanganareo, Hel. 8:26. Tsy maintsy mibebaka ny mpijangajanga mba hilatsahany ho mpikambana ao amin’ny Fiangonana, F&F 42:74–78.