Faharatsiana Jereo koa Fahalotoana; Fahotana; Haizim-panahy; Tsy an’ Andriamanitra; Tsy Fahamarinana Mamohehatra, heloka; Tsy fankatoavana ny didin’ Andriamanitra. Hataoko ahoana no hanao izany ratsy lehibe izany ka hanota amin’ Andriamanitra, Gen. 39:7–9. Ny Tompo dia lavitra ny ratsy fanahy, fa ny fivavaky ny marina no henoiny, Ohab. 15:29. Raha ny ratsy fanahy no manapaka dia misento ny vahoaka, Ohab. 29:2 (F&F 98:9). Esory aminareo ilay mpanao ratsy, 1 Kor. 5:13. Fa isika mitolona amin’ny mpanjakan’ny fahamaizinana eny amin’ny rivotra, Ef. 6:12. Mivoaha hiala amin’ny olon-dratsy, ary aza mikasika ny zavany tsy madio, Almà 5:56–57 (F&F 38:42). Ary dia izany no toetra faran’ny olon-dratsy, Almà 34:35 (Almà 40:13–14). Ny faharatsiana dia tsy fahasambarana na oviana na oviana, Almà 41:10. Ary amin’ny alalan’ny olon-dratsy no amaizana ny olon-dratsy, Môrm. 4:5 (F&F 63:33). Ary amin’io ora io, dia hitranga ny fisarahana tanteraka eo amin’ny olo-marina sy ny olon-dratsy, F&F 63:54. Tonga toy izany ny fiafaran’ny olon-dratsy, JS—M 1:55.