Ny soratra masina
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 98


Fizarana 98

Fanambarana nomena tamin’ny alalan’i Joseph Smith Mpaminany tao Kirtland, Ohio, ny 6 aogositra 1833. Tonga ity fanambarana ity ho setrin’ny fanenjehana nihatra tamin’ny Olomasina tao Missouri. Ny fitombon’ny isan’ireo mpikamban’ny Fiangonana izay nanorim-ponenana tao Missouri dia nanahiran-tsaina an’ireo mpanorim-ponenana hafa sasany, izay nahatsiaro fa nampatahotra azy ireo ny hamaroan’ny Olomasina sy ny hery ara-pôlitika sy ara-toekarena nentiny ary ny tsy fitoviana teo amin’ny kolotsaina sy ny fivavahana. Ny volana jolay 1833 dia nopotehin’ny olona-dratsy ny fananan’ny Fiangonana ary nisy andian’olon-dratsy namotika ny fananan’ny Fiangonana ka nanosotra tara sy volom-borona ny mpikambana anankiroa tao amin’ny Fiangonana ary nitaky ny hialan’ireo Olomasina tao amin’ny Fivondronan’i Jackson. Na dia tsy isalasalana aza fa efa henon’ny Mpaminany tany Kirtland (izay efapolo sy efajato sy arivo kilaometatra miala avy eo) ny vaovao sasantsasany momba ny olana tao Missouri, dia tamin’ny alalan’ny fanambarana ihany no nahafahany nahafantatra tamin’io daty io ny ny maha-sarotra ny toe-draharaha.

1–3, Ho tombontsoan’ny Olomasina ny fahoriany; 4–8, Tokony hanohana ny lalam-panorenan’ny firenena ny Olomasina; 9–10, Ny olona marina, hendry ary tsara dia tokony hotohanana hanana toerana ao amin’ny fitantanana ny firenena; 11–15, Ireo manolotra ny ainy noho ny amin’ny Tompo no hahazo ny fiainana mandrakizay; 16–18, Lavo ny ady ary torio ny fandriampahalemana; 19–22, Nanarina ny Olomasina tao Kirtland ary nodidina hibebaka; 23–32, Fanambaran’ny Tompo ny lalàny momba ny fanenjehana sy ny fahoriana nahatra tamin’ny olony; 33–38, Azo ekena ny ady rehefa ny Tompo ihany no mandidy izany; 39–48, Ny Olomasina dia tokony hamela ny fahavalony izay ho afa-mandositra ny famalian’ny Tompo koa raha mibebaka.

1 Lazaiko aminareo marina tokoa ry sakaizako, aza matahotra, aoka hionona ny fonareo, eny, mifalia mandrakariva ary misaora amin’ny zava-drehetra;

2 Eo am-piandrasana ny Tompo amim-paharetana, fa ny fivavakareo dia efa tonga eo an-tsofin’ny Tompon’ny Sabaota ary voarakitra miaraka amin’izao tombo-kase sy testamenta izao—efa nianiana sy nanapaka ny Tompo fa hotovina izany.

3 Koa Izy dia manome anareo izao fampanantenana izao, omban’ny fanekempihavanana tsy azo ovana fa hotanterahina izany; ary ny zava-drehetra izay efa nampahoriana anareo dia hiara-hiasa hahasoa anareo sy ho voninahitry ny anarako, hoy ny Tompo.

4 Ary ankehitriny dia lazaiko aminareo marina tokoa, momba ny lalàn’ny tany, dia sitrako ny hiezahan’ny oloko hanao ny zava-drehetra izay andidiako azy.

5 Ary izany lalàn’ny firenena izany, izay lalàm-panorenana sady manohana ny fitsipiky ny fahafahana amin’ny fiarovana ny zo sy ny tombontsoa, dia an’ny olombelona rehetra, ary azo hamarinina eo anoloako.

6 Koa Izaho Tompo dia manamarina anareo sy ny rahalahinareo ao amin’ny fiangonako, noho ny fanohanana izany lalàna izany, izay lalàm-panorenan’ny firenena;

7 Ary ny amin’ny lalàn’olombelona, izay rehetra mihoatra na latsaka izany dia avy amin’ny ratsy.

8 Izaho Tompo Andriamanitra dia manafaka anareo, koa afaka tokoa ianareo; ary ny lalàna koa dia manafaka anareo.

9 Kanefa rehefa manapaka ny olon-dratsy, dia mitoloko ny olona.

10 Koa tokony hokatsahina fatratra ny olona marin-toetra sy ny olona hendry, ary tokony hoezahanareo ny hanohana ny olona tsara sy ny olona hendry; fa raha tsy izany, izay rehetra latsaka izany dia avy amin’ny ratsy.

11 Ary omeko anareo ny didy mba hahafoy ny ratsy rehetra ianareo ary hifikitra amin’ny tsara rehetra, mba hivelona amin’ny teny rehetra izay miloaka ny vavan’ Andriamanitra ianareo.

12 Fa Izy no hanome ny mahatoky andalan-tsoratra anampy andalan-tsoratra, fitsipika anampy fitsipika; ary hosedraiko sy hozahako toetra amin’izany ianareo.

13 Ary na zovy na zovy no manolotra ny ainy noho ny foto-kevitro, noho ny anarako, dia hahazo izany indray, dia fiainana mandrakizay.

14 Koa aza matahotra ny fahavalonareo, satria efa notapahiko tao am-poko, hoy ny Tompo, fa hozahako toetra amin’ny zava-drehetra ianareo raha toa ka hitoetra ao amin’ny fanekempihavanako, na dia hatrany amin’ny fahafatesana aza, mba hahitana fa mendrika ianareo.

15 Fa raha tsy mitoetra ao amin’ny fanekempihavanako ianareo dia tsy mendrika Ahy.

16 Koa lavo ny ady ary torio ny fandriampahalemana ary katsaho fatratra tokoa ny hampitodika ny fon’ny zanaka ho amin’ny rainy ary ny fon’ny rainy ho amin’ny zanaka;

17 Ary ankoatra izany, ny fon’ny Jiosy ho amin’ny mpaminany ary ny mpaminany ho amin’ny Jiosy; fandrao ho avy Aho ary hamely ny tany manontolo amin’ny ozona ka ho levona eo anatrehako ny nofo rehetra.

18 Aoka tsy hitebiteby ny fonareo; fa ao an-tranon’ny Raiko misy toerana maro ary efa nanomana toerana ho anareo Aho; ary any amin’izay misy ny Raiko sy Izaho dia any koa no hisy anareo.

19 Indro, Izaho Tompo dia tsy mankasitraka ny maro izay ao amin’ny fiangonan’i Kirtland;

20 Fa izy ireo dia tsy mahafoy ny fahotany sy ny lalan-dratsiny, ny avonavon’ny fony sy ny fitsiriritany ary ny zavany maharikoriko, ary tsy mitandrina ny tenin’ny fahendrena sy ny fiainana mandrakizay izay efa nomeko azy ireo.

21 Lazaiko aminareo marina tokoa, fa Izaho Tompo dia hanafay azy ireo ary hanao izay rehetra tiako raha tsy mibebaka izy ireo ary mitandrina ny zava-drehetra izay efa nolazaiko azy ireo.

22 Ary ankoatra izany, dia lazaiko aminareo, raha miezaka ianareo ny hitandrina izay rehetra andidiako anareo, Izaho Tompo dia hampihodina ny fisafoahana sy ny fahavinirana rehetra hiala aminareo, ary ny vavahadin’ny helo tsy haharesy anareo.

23 Ankehitriny dia miteny aminareo momba ny ankohonanareo Aho—Raha mamely anareo na ny ankohonanareo indray mandeha ny olona, ary mizaka izany amim-paharetana ianareo ka tsy miteny ratsy azy na mitady hamaly faty, dia hovaliana soa ianareo;

24 Fa raha tsy mizaka izany amim-paharetana ianareo, dia hisaina ho toy ny famarana sahaza ho anareo izany.

25 Ary ankoatra izany, raha mamely anareo fanindroany ny olona, ary tsy miteny ratsy ny fahavalonareo ianareo fa mizaka izany amim-paharetana, dia ho avo zato heny ny valisoanareo.

26 Ary ankoatra izany, raha mamely anareo fanintelony izy, ary mizaka izany amim-paharetana ianareo, dia hitombo inefatra heny ny valisoanareo;

27 Ary ireo vavolombelona telo ireo dia hiampanga ny fahavalonareo ary tsy hofafana raha tsy mibebaka izy.

28 Ary ankehitriny, dia lazaiko aminareo marina tokoa, fa raha afa-miala ny famaliako izany fahavalo izany ka tsy nentina mba hotsaraina eo anoloako, dia hiezaka ianareo ny hampitandrina azy amin’ny anarako mba tsy ho avy intsony izy hanao herisetra aminareo, na amin’ny ankohonanareo, dia ny zanaky ny zanakareo hatrany amin’ny zafiafy sy ny zafindohalika.

29 Ary amin’izany, raha avy izy hanao herisetra aminareo na amin’ny zanakareo, na ny zanaky ny zanakareo hatrany amin’ny zafiafy sy ny zafindohalika, dia hatolotro ho eo an-tananareo ny fahavalonareo;

30 Ary raha mitsimbina azy ianareo amin’izany, dia hovaliana soa ianareo noho ny fahamarinanareo; mbamin’ny zanakareo koa sy ny zanaky ny zanakareo hatrany amin’ny zafiafy sy ny zafindohalika.

31 Kanefa dia eo an-tananareo ny fahavalonareo; ary raha valianareo araka ny asany izy, dia voamarina ianareo; raha nifofo ny ainareo izy, ary tandindomin-doza ny fiainanareo noho ny aminy, dia eo an-tananareo ny fahavalonareo ary voamarina ianareo.

32 Indro izany no lalàna nomeko an’i Nefia mpanompoko sy ireo razanareo, i Josefa sy i Jakoba ary i Abrahama, ary ireo mpamin’nyniko sy apôstôliko fahiny.

33 Ary ankoatra izany, dia izao no lalàna izay nomeko ireo oloko fahiny, dia ny tsy tokony handehanany miady amin’ireo firenena, foko, samy hafa fiteny na mponina raha tsy Izaho Tompo no nandidy azy.

34 Ary raha misy firenena na samy hafa fiteny na mponina mamaky ady aminy, dia tokony hatsangany amin’izany mponina na firenena samy hafa fiteny izany aloha ny fanevan’ny fandriampahalemana;

35 Ary raha tsy nanaiky ny famitranam-pihavanana izany mponina izany, na fanindroany, na fanintelony, dia hoentiny eo anoloan’ny Tompo ireny vavolombelona ireny;

36 Amin’izay, Izaho Tompo dia hanome azy didy sy hanamarina azy noho ny fandehanany miady amin’izany firenena, samy hafa fiteny na mponina izany.

37 Ary Izaho Tompo no hiady ny adiny sy ny adin’ny zanany ary ny an’ny zanaky ny zanany, ambara-pamaliany ny fahavalony rehetra, hatrany amin’ny zafiafy sy ny zafindohalika.

38 Indro, izany dia fianarana ho an’ny olon-drehetra, hoy ny Tompo Andriamanitrareo, ho fanamarinana eo anoloako.

39 Ary ankoatra izany, dia lazaiko aminareo marina tokoa fa raha taorian’ny nanaovany herisetra voalohany no mibebaka ny fahavalonareo ka manatona anareo mitalaho ny famelanareo, dia hamela azy ianareo ary tsy hihevitra izany intsony ho toy ny vavolombelona hiampanga ny fahavalonareo—

40 Ary dia toy izany hatrany amin’ny fanindroany sy ny fanintelony; ary isaky ny mibebaka amin’ny fahadisoana izay efa nandisoany taminareo ny fahavalonareo, dia hamela azy hatrany amin’ny fitopolo impito ianareo.

41 Ary raha mandiso aminareo ny fahavalonareo ary tsy mibebaka voalohany, dia hamela azy ihany anefa ianareo.

42 Ary raha mandiso aminareo fanindroany izy ka tsy mibebaka, dia hamela azy ihany anefa ianareo.

43 Ary raha mandiso fanintelony aminareo izy ka tsy mibebaka, dia mbola hamela azy ianareo.

44 Fa raha mandiso faninefany aminareo izy, dia tsy hamela azy ianareo fa hitondra ireny vavolombelona ireny eo anoloan’ny Tompo; ary tsy hofafana ireny ambara-pibebany ka hanonerany avo inefatra heny ny zava-drehetra izay efa nandisoany taminareo.

45 Ary raha manao izany izy, dia hamela azy amin’ny fonareo manontolo ianareo; ary raha tsy manao izany izy, dia Izaho Tompo no hamaly avo zato heny ny fahavalonareo ho anareo;

46 Ary hamaly ny zanany sy ny zanaky ny zanak’ireo rehetra izay mankahala Ahy hatrany amin’ny zafiafy sy ny zafindohalika.

47 Nefa raha mibebaka ny zanaka, na ny zanaky ny zanaka, ary mitodika amin’ny Tompo Andriamaniny amin’ny fony rehetra sy amin’ny heriny, ny sainy ary ny tanjany rehetra, ary manonitra avo efatra heny ny fahadisoany rehetra izay efa nandisoany na izay efa nandisoan’ny razany, na ny razan’ny razany, dia hahodina hiala ny fahaviniranareo amin’izany;

48 Ary tsy hihatra aminy intsony ny famaliana hoy ny Tompo Andriamanitrareo ary ny fahadisoany dia tsy hoentina na oviana na oviana intsony eo anoloan’ny Tompo ho toy ny vavolombelona hiampangana azy. Amena.