Filazana Ôfisialy 1
Mampianatra ny Baiboly sy ny Bokin’i Môrmôna fa ny fanambadiana olon-tokana no fenitry ny fanambadiana ho an’ Andriamanitra raha tsy hoe manao fanambarana hafa izy (jereo ny 2 Samoela 12:7–8 sy ny Jakoba 2:27, 30). Taorian’ny fanambarana ho an’i Joseph Smith, dia nampidirina teo anivon’ny mpikamban’ny Fiangonana ny fampakarana vady maro taona vitsy taorian’ny 1840 (jereo ny fizarana 132). Nanomboka tamin’ny taona 1860 ka hatramin’ireo taona vitsy taorian’ny taona 1880 dia nandany lalàna maro ny fitondram-panjakana tany Etazonia mba handrarana io fomba fanao ara-pivavahana io. Neken’ny Fitsarana Avon’i Etazonia ireo lalàna ireo tamin’ny farany. Rehefa avy nandray fanambarana ny Filoha Wilford Woodruff dia namoaka izao fanehoan-kevitra an-tsoratra manaraka izao izay neken’ny Fiangonana ho zavatra ôfisialy sy tsy maintsy hajaina tamin’ny 6 ôktôbra 1890. Izany no nitarika tany amin’ny fiafaran’ny fampakarana vady maro tao amin’ny Fiangonana.
Ho an’izay Mety ho Voakasik’Izao:
Koa satria efa nalefa avy teto Salt Lake City, noho ny antony pôlitika, ireo vaovao an-gazety efa naely fatratra tokoa, izay nilazana fa ny Vaomieran’i Utah, tamin’ny tatitra farany nataony ho an’ny Ministry ny Atitany, dia manambara fa ny fampakarana vady maro dia mbola hamasinina, fa efapolo na mihoatra ny fampakaram-bady toy izany vao noraiketina tao Utah hatramin’ny volana jona lasa teo na tamin’ny taona itsy, fa ireo mpitondra ny Fiangonana, tamin’ny lahateniny ampahibemaso koa dia nampianatra sy nanentana ary nandrisika ny hanohizana ny fomban’ny fampirafesana—
Koa izaho, amin’ny maha-Filohan’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany ahy, dia milaza etoana, amin’ny fomba tena hentitra, fa ireny fiampangana ireny dia diso. Izahay dia tsy mampianatra fampirafesana na fampakarana vady maro na mamela ny hisian’ny olona hanaraka izany fomba izany, ary laviko fa niisa efapolo na isa hafa ireo fampakarana vady maro nohamasinina nandritra io fotoana io tao amin’ny tempolinay na tamin’ny toeran-kafa teto amin’ny Faritany.
Raharaha iray no nanaovana tatitra ka nilazan’ireo mpanao tatitra fa notanterahina tao amin’ny Tranon’ny Fanafiana Masina, tao Salt Lake City, ilay fampankaram-bady ny lohataonan’ny taona 1889, saingy tsy nety ho fantatro izay nanatanteraka ny lanonana; na inona na inona zava-bita tamin’ity raharaha ity dia tsy nampahafantarina ahy. Noho ity fisehoan-javatra voalaza ity, dia noravana tsy nisy hataka andro, araka ny toromariko, ny Tranon’ny Fanafiana Masina.
Koa satria efa nolanian’ny Kongresy ny lalàna mandrara ny fampakarana vady maro, lalàna izay efa notapahin’ny fitsarana faratampony fa mifanaraka amin’ny lalàm-panorenana, dia ambarako etoana ny fikasako hanoa ireo lalàna ireo sy hampiasa ny fahefako amin’ireo mpikambana amin’ny Fiangonana izay iadidiako, mba hanaovany toy izany koa.
Tsy misy na inona na inona ao amin’ny fampianarako ny Fiangonana na ao amin’ny an’ireo mpiara-miasa amiko, nandritra io fotoana voatondro io, izay azo raisina amim-piheverana tokoa ho fanentanana na fandrisihana ny fampirafesana; ary raha nisy loholon’ny Fiangonana nampiasa fiteny izay toa nampiditra fampianarana toy izany, dia nanarina faingana izy. Ary ankehitriny, dia ambarako ampahibemaso fa ny torohevitro ho an’ireo Olomasin’ny Andro Farany dia ny hifehezany ny tenany ka tsy handraiketany fanambadiana voararan’ny lalàn’ny tany.
Wilford Woodruff
Filohan’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy
ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany.
Natolotry ny Filoha Lorenzo Snow izao fehin-kevitra manaraka izao:
“Noho ny fanekena an’i Wilford Woodruff ho Filohan’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany, ho hany lehilahy eto an-tany, izay mihazona ireo fanalahidin’ny ôrdônansin’ny famehezana amin’izao fotoana izao, izaho dia manolotra ny hiheverantsika azy ho nomena lalana feno, noho ny toerany, mba hamoaka ny Manifestô izay efa novakina ho rentsika ary mitondra ny datin’ny 24 septambra 1890, ny hanekentsika, amin’ny maha-Fiangonana tafavory antsika amin’ny Fihaonambe, fa manan-kery sy maningotra ny fanambarany momba ny fampakarana vady maro.”
Salt Lake City, Utah, 6 ôktôbra 1890.
Ampahany Tamin’ireo Lahateny Telo
Nataon’ny Filoha Wilford Woodruff
Mikasika ny Manifesto.
Ny Tompo dia tsy hamela na oviana na oviana ahy na ny lehilahy iray hafa izay mitana ny toeran’ny Filohan’ity Fiangonana ity hitarika anareo haniasia. Tsy ao anatin’ny fandaharam-potoana izany. Tsy ao an-tsain’ Andriamanitra izany. Raha manandrana manao izany aho dia hoesorin’ny Tompo hiala amin’ny toerako ary ho toy izany koa ny olona hafa izay manandrana ny hitarika ny zanak’olombelona hiala amin’ny tenin’ Andriamanitra sy amin’ny adidiny. (Fihaonambe Isan’enimbolan’ny Fiangonana, Fahiraika amby enimpolo, Alatsinainy 6 ôktôbra 1890, Salt Lake City, Utah. Navoaka tao amin’ny Deseret Evening News [Vaovao Takarivan’i Desereta] ny 11 ôktôbra 1890, t. 2).
Tsy mampaninona izay velona na izay maty na izay voantso hitarika ity Fiangonana ity, fa tsy maintsy tarihiny amin’ny alalan’ny fitaoman’ Andriamanitra Tsitoha izany. Raha tsy manao izany araka izany fomba izany izy ireo dia tsy afaka manao izany mihitsy. …
Nahazo fanambarana misimisy aho farany teo, ary tena zava-dehibe ho ahy ireny, ary hoteneniko anareo izay efa nolazain’ny Tompo tamiko. Mamelà ahy hisarika ny sainareo ho amin’izay lazaina hoe ny manifesto. …
Efa niteny tamiko ny Tompo mba hanao fanontaniana amin’ny Olomasin’ny Andro Farany ary efa niteny tamiko koa Izy fa raha te hihaino izay nolazaiko taminy izy ireo ary hamaly ny fanontaniana natao taminy, amin’ny alalan’ny Fanahy sy ny herin’ Andriamanitra, dia hitovy avokoa izay havaliny ary hitovy avokoa izay hinoany raha ny momba ity raharaha ity.
Ny fanontaniana dia izao: Inona no sori-dalana hendry indrindra mba harahin’ny Olomasin’ny Andro Farany—ny manohy sady manandrana ny mandraikitra fampakarana vady maro ve ka hanohitra ny lalàn’ny firenena, na dia eo aza ny fanoheran’ny vahoaka enimpolo tapitrisa ary na dia hiafara amin’ny famaboana sy ny fahaverezan’ny Tempoly rehetra aza izany, mbamin’ny fampitsaharana ny ôrdônansy rehetra ao anatiny, na ho an’ny velona na ho an’ny maty, ary ny fampidirana am-ponja ny Fiadidiana Voalohany sy ny Roambinifololahy ary ireo loham-pianakaviana ao amin’ny Fiangonana, ary ny famaboana ny fananan’ny vahoaka manokana (izany rehetra izany dia hampitsahatra ho azy ilay fomba); sa ny mampitsahatra ilay fomba taorian’ny fanaovana sy ny fiaretana izay efa niaretantsika noho ny fanarahantsika ity fitsipika ity, ary hanoa ny lalàna, ka amin’izany dia hamela ny Mpaminany, ny Apôstôly ary ireo ray, ao an-trano, hany ka afaka mampianatra ny vahoaka izy ireo ary misahana ireo andraikitry ny Fiangonana, ary mamela koa ireo Tempoly ho eo an-tanan’ireo Olomasina, hany ka afaka misahana ireo ôrdônansin’ny Filazantsara izy ireo, na ho an’ny velona na ho an’ny maty?
Nasehon’ny Tompo ahy, tamin’ny fahitana sy ny fanambarana, izay ho nitranga marina tokoa raha tsy natsahatsika ity fomba ity. Raha tsy najanontsika izany, dia tsy ho nilainareo ireo lehilahy ao amin’ity tempoly ao Logan ity; fa ho najanona avokoa ireo ôrdônansy manerana ny tanin’i Ziona. Ho nanjaka nanerana an’i Isiraely ny fifanjevoana ary lehilahy maro no ho natao sambobelona. Ho tonga tamin’ny Fiangonana manontolo ity korontana ity, ka dia ho voatery nampijanona ilay fomba isika. Ankehitriny ny fanontaniana dia: na tokony hijanona amin’ny alalan’io toe-javatra io izany, na araka ny toe-javatra nasehoan’ny Tompo antsika, izay hamela ny Mpamin’nynintsika sy ny Apostolintsika ary ny raintsika ho olona afaka, ary ny tempoly ho eo an-tanan’ny olona hany ka ho azo avotana ny maty. Marobe ireo efa navotan’ity vahoaka ity sahady tamin’ny tranomaizina, tao amin’ny tontolon’ny fanahy, ary tokony hitohy ve sa hijanona ny asa? Izany no fanontaniana ataoko eo anoloan’ireo Olomasin’ny Andro Farany. Tsy maintsy mandanjalanja ho anareo ianareo. Tiako ny hamalianareo ny tenanareo. Tsy hamaly izany aho; saingy lazaiko aminareo fa izany marina tokoa no ho toe-javatra nisy antsika vahoaka raha tsy nanaraka ny sori-dalana izay efa narahintsika isika.
… Hitako marina tokoa izay ho nitranga raha tsy nisy zavatra natao. Efa nanindry ahy nandritra ny fotoana ela ity fanahy ity. Fa ny tiako holazaina dia izao: ho navelako nesorina teo an-tanantsika avokoa ireo tempoly; ho naiditra am-ponja ny tenako ary ho navelako naiditra tany ny olona hafa rehetra, raha tsy nodidian’ilay Andriamanitry ny lanitra aho hanao izay nataoko; ary nony tonga ny ora nandidiana ahy hanao izany dia nazava tamiko izany. Niseho teo anoloan’ny Tompo aho ary nanoratra izay notenenin’ny Tompo ahy hosoratana. …
Avelako aminareo izany mba hodinihinareo sy hofakafakanareo. Miara-miasa amintsika ny Tompo. (Fihaonamben’ny Tsatòkan’i Cache, Logan, Utah, Alahady 1 nôvambra 1891, Navoaka tao amin’ny Deseret Weekly [ny Desereta, gazety mivoaka isan-kerinandro], ny 14 nôvambra 1891).
Ankehitriny dia holazaiko anareo izay nambara ahy sy izay nataon’ny Zanak’ Andriamanitra tamin’ity zavatra ity … Ho nitranga ireo zavatra ireo, raha velona koa ny Tompo Tsitoha, raha tsy teo ny manifesto izay navoaka. Koa vonona ny Zanak’ Andriamanitra ny hanolotra ity zavatra ity amin’ny Fiangonana sy amin’izao tontolo izao, noho ny tanjona izay Azy samirery. Efa notapahin’ny Tompo ny fananganana an’i Ziona. Efa notapahiny ny famitana ity tempoly ity. Efa notapahiny fa ny famonjena ny velona sy ny maty dia tokony homena eo amin’ireto lohasahan’ny tendrombohitra ireto. Ary Andriamanitra Tsitoha dia nanapaka fa tsy hahasakana izany ny devoly. Raha mahatakatra izany ianareo, dia izany no votoatin’ilay raharaha. (Nalaina tamin’ny lahateny natao nandritra ny fivoriana fahenina ho fanokanana ny Tempolin’i Salt Lake ny volana aprily 1893. Fandraisana amin’ny sora-milina ny Fivoriana Fanokanana ny Tahirin’ny Sampan-draharahan’ny Fiangonana momba ny Tantara, Salt Lake City, Utah).