Fizarana 80
Fanambarana nomena tamin’ny alalan’i Joseph Smith Mpaminany ho an’i Stephen Burnett, tao Hiram, Ohio, ny 7 martsa 1832.
1–5, Nantsoina i Stephen Burnett sy i Eden Smith hitory amin’ny toerana rehetra nofinidin’izy ireo.
1 Toy izao marina tokoa no lazain’ny Tompo aminao ry Stephen Burnett mpanompoko: Mandehana ianao, mandehana ianao mankany amin’izao tontolo izao ary mitoria ny filazantsara amin’ny olona rehetra izay manatona ka takatry ny feonao.
2 Ary satria mitady namana ianao, dia homeko anao i Eden Smith mpanompoko.
3 Koa mandehana ianareo ary mitoria ny filazantsarako, na any avaratra, na any atsimo, na any atsinanana, na any andrefana, tsy maninona izany fa tsy mety ho diso lalana ianareo.
4 Koa ambarao ny zavatra izay efa renareo sy inoanareo marina tokoa ary fantatrareo fa marina.
5 Indro izany no sitrapon’ilay efa niantso anareo, ny Mpanavotra anareo, dia i Jesoa Kristy. Amena.