Olona nomena lalana handova ara-batana na ara-panahy ireo fanomezam-pahasoavana. Ampanantenain’ny soratra masina ny olo-marina ny ho tonga mpandova izay rehetra fananan’ Andriamanitra.
Nanjary mpandova izao rehetra izao tamin’ny fahamarinan’ny finoana i Abrahama, Roma. 4:13 .
Zanak’ Andriamanitra isika ary raha zanaka dia mpandova, mpandova an’ Andriamanitra sady mpiray lova amin’i Kristy, Roma. 8:16–17 (F&F 84:38 ).
Zanaka ianao, mpandova an’ Andriamanitra amin’ny alalan’i Kristy, Gal. 4:7 .
Efa notendren’ Andriamanitra ny zanany ho mpandova ny zava-drehetra, Heb. 1:2 .
Ireo izay miandrandra ny famelana ny fahotany no mpandova ny fanjakan’ Andriamanitra, Môzià 15:11 .
Tonga zanak’i Kristy ny vahoaka ary mpandova ny fanjakan’ Andriamanitra, 4 Ne. 1:17 .
Ireo izay maty tsy manana fahalalana ny filazantsara dia mety ho tonga mpandova ny fanjakana selestialy, F&F 137:7–8 .
Ny maty izay mibebaka no mpandova ny famonjena, F&F 138:58–59 .