Vavolombelona Jereo koa Fijoroana ho Vavolombelona Filazana na porofo hafa fa marina ny zavatra iray; fijoroana ho vavolombelona. Ny vavolombelona dia mety koa ho olona izay manao fanambarana na manome porofo mifototra amin’ny fahalalany manokana, izany hoe olona mijoro ho vavolombelona. Aza mety ho vavolombelona mandainga, Eks. 20:16. Hotorina amin’izao tontolo izao ity filazantsara ity ho vavolombelona amin’ny firenena rehetra, Mat. 24:14 (JS—M 1:31). Ho vavolombeloko ianareo, Asa 1:8. Ny fanahy dia miara-milaza amin’ny fanahintsika, Roma. 8:16 (1 Jn. 5:6). Hijoro ho vavolombelon’ Andriamanitra amin’ny fotoana rehetra ianareo, Môzià 18:8–9. Mandray ny fanasan’ny Tompo isika hijoro ho vavolombelona amin’ny Ray fa hitandrina ny didiny ary hahatsiaro an’i Jesoa mandrakariva, 3 Ne. 18:10–11 (Môrô. 4–5; F&F 20:77–79). Tsy mandray fijoroana ho vavolombelona ianareo raha tsy aorian’ny fizahan-toetra ny finoanareo, Ete. 12:6. Lalàn’ny vavolombelona: amin’ny tenin’ny vavolombelona roa na telo no hanorenana ny teny rehetra, F&F 6:28 (Deot. 17:6; Mat. 18:16; 2 Kor. 13:1; Ete. 5:4; F&F 128:3). Efa nanokana anareo Aho ho Apôstôly ary ho vavolombelona manokana amin’ny anarako, F&F 27:12 (F&F 107:23). Ny Fitopololahy dia antsoina koa ho vavolombelona manokana amin’ny Jentilisa sy eran’izao tontolo izao, F&F 107:25. Aoka hisy mpitamboky, ary aoka izy hanatri-maso ny batisanareo, F&F 127:6 (F&F 128:2–4).