Ny soratra masina
Abrahama 2


Toko 2

Nandao an’i Ora i Abrahama ary nankany Kanana—Niseho taminy tao Harana i Jehovah—Ireo fitahian’ny filazantsara rehetra dia nampanantenaina ny taranany ary amin’ny alalan’ny taranany ho an’ny rehetra—Nandeha nankany Kanana izy ary nanohy hatrany Egypta.

1 Ankehitriny dia nataon’ny Tompo Andriamanitra nihamafy ny mosary teo amin’ny tanin’i Ora, hany ka maty i Harana rahalahiko; fa i Tera raiko kosa dia mbola nonina teo amin’ny tanin’i Oran’ny Kaldeana.

2 Ary ny zava-nitranga dia nalaiko izaho Abrahama ho vady i Saray, ary Nahora rahalahiko dia naka an’i Milka izay zanakavavin’i Harana ho vady.

3 Ankehitriny dia efa niteny tamiko ny Tompo hoe: Ry Abrahama, mandehana miala amin’ny taninao sy ny havanao ary ny tranon’ny rainao hankany amin’ny tany izay hasehoko anao.

4 Koa nilaozako hankany amin’ny tany Kanana ny tanin’i Oran’ny Kaldeana; dia nalaiko i Lota zana-drahalahiko sy ny vadiny ary i Saray vadiko; ary ny raiko koa dia nanaraka ahy hankany amin’ny tany izay nataonay hoe: Harana.

5 Ary nihena ny mosary; ary nijanona tao Harana ny raiko ka nonina tao, satria nisy andiana biby fiompy betsaka tao Harana; ary niverina indray tany amin’ny fanompoan-tsampiny ny raiko, koa dia nonina tao Harana izy.

6 Fa izaho Abrahama sy i Lota zana-drahalahiko dia nivavaka tamin’ny Tompo, ary niseho tamiko ny Tompo ary nanao tamiko hoe: Mitsangàna ary raiso i Lota hiaraka aminao; fa efa nikasa ny haka anao hiala ao Harana Aho ka hahatonga anao ho mpanompo hitondra ny anarako any amin’ny tany vahiny izay homeko ho an’ny taranakao any aorianao ho lova maharitra mandrakizay, rehefa mihaino ny feoko izy.

7 Fa Izaho no Tompo Andriamanitrao; mitoetra any an-danitra Aho; ny tany no fitoeran-tongotro; maninjitra ny tanako eo amin’ny ranomasina Aho, dia mankatò ny feoko izany; mahatonga ny rivotra sy ny afo ho kalesiko Aho; lazaiko amin’ny tendrombohitra hoe—Mialà eto—ary indro entin’ny tadio izany, amin’ny indray mipi-maso, tampoka.

8 Jehovah no anarako, ary fantatro hatramin’ny voalohany ny farany; koa homba anao ny tanako.

9 Ary Izaho hahatonga anao ho firenena lehibe, ary hitahy anao izaitsizy Aho ka hahatonga ny anaranao ho lehibe any anivon’ny firenen-drehetra, ary ianao dia ho fitahiana ho an’ny taranakao any aorianao, ka eo an-tanany no hitondrany ity asa fanompoana ity sy ny Fisoronana ho any amin’ny firenen-drehetra;

10 Ary Izaho hitahy azy ireo amin’ny anaranao; fa izay rehetra mandray ity Filazantsara ity dia hantsoina araka ny anaranao ary hisaina ho isan’ny taranakao, ka hitsangana sy hitso-drano anao ho toy ny rainy;

11 Ary Izaho hitahy izay mitso-drano anao ary hanozona izay manozona anao; ary ao aminao (izany hoe, ao amin’ny Fisoronanao) sy ao amin’ny taranakao (izany hoe, ny Fisoronanao), satria omeko anao ny fampanantenana fa io zo io dia hitohy ao aminao sy ao amin’ny taranakao avy aorianao (izany hoe raha lazaina, ny taranaka ara-bakiteny, na ny taranaka ara-nofo) no hitahiana ny fianakaviana rehetra eto an-tany, dia amin’ny fitahian’ny Filazantsara, izay fitahian’ny famonjena, dia ny fiainana mandrakizay.

12 Ankehitriny rehefa avy niresaka tamiko ny Tompo ka nisintona ny tavany hiala ahy, dia hoy aho anakampo: Ny mpanomponao dia efa nitady Anao tamin-kafanam-po tokoa; ankehitriny dia hitako Ianao;

13 Ianao no naniraka ny anjelinao hanafaka ahy tamin’ireo andriamanitr’i Elkenà, ary tena mety amiko ny mihaino ny feonao, koa aoka hitsangana ny mpanomponao ary hiainga amim-piadanana.

14 Koa izaho Abrahama dia niainga araka izay efa nolazain’ny Tompo tamiko, ary niaraka tamiko i Lota; ary izaho Abrahama dia feno roa amby enimpolo taona raha niainga niala an’i Harana.

15 Dia naka an’i Saray aho, izay nalaiko ho vady fony aho tao Ora, tao Kaldea, sy i Lota zana-drahalahiko ary ny fanananay rehetra izay efa voangonay mbamin’ireo olona izay efa azonay tao Harana ary dia nizotra ny dianay nankany amin’ny tany Kanana, ka nitoetra tao anaty lay izahay nandritra ny dianay;

16 Koa ny mandrakizay no firakotray sy vatolampinay ary famonjena anay, raha niainga avy tao Harana, tamin’ny lalan’i Jerisôna izahay ka tonga teo amin’ny tany Kanana.

17 Ankehitriny, izaho Abrahama dia nanorina alitara teo amin’ny tanin’i Jerisôna ary nanao fanatitra ho an’ny Tompo sady nivavaka mba hahazoana mampiala ny mosary amin’ny tranon-draiko, mba tsy hahafaty azy ireo.

18 Ary rehefa izany dia niainga avy tao Jerisôna izahay ka namakivaky ny tany hatrany amin’ny toerana atao hoe Sekema; izany dia tao amin’ny lemak’i More, ary efa tonga sahady teo amin’ny faritry ny tanin’ny Kananita izahay, ka nanatitra fanatitra teo amin’ny lemak’i More aho ary nivavaka sady niantso ny Tompo, satria efa tonga sahady teo amin’ny tanin’ny firenena mpanompo sampy izahay.

19 Dia niseho tamiko ny Tompo ho valin’ny fivavako ka nanao tamiko hoe: Ny taranakao no homeko ity tany ity.

20 Ary izaho Abrahama dia nitsangana avy teo amin’ny toerana nisy ny alitara izay efa naoriko ho an’ny Tompo, ary nifindra avy teo hankany amin’ny tendrombohitra atsinanan’i Betela ka nanangana ny laiko teo, ka i Betela no tao andrefana ary i Ay no tao atsinanana; dia teo aho no nanorina alitara iray hafa ho an’ny Tompo ka niantso indray ny anaran’ny Tompo.

21 Ary izaho Abrahama dia nizotra nanohy ny dia nianatsimo; ary mbola nisy mosary teo amin’ny tany; ary izaho Abrahama dia nanapa-kevitra ny hidina any Egypta ka hitoetra any fa nihamafy indrindra ny mosary.

22 Ary ny zava-nitranga nony efa akaiky hiditra an’i Egypta aho, dia hoy ny Tompo tamiko: Indro, vehivavy tsara tarehy ka mateza jerena i Saray vadinao;

23 Koa izao no zavatra hitranga; rehefa mahita azy ny Egyptiana dia hanao hoe—Izy no vadiny; dia hovonoiny ianao fa hotsimbininy kosa izy ho velona; koa ezaho ny hanaovanao toy izao:

24 Aoka izy hilaza amin’ny Egyptiana fa anabavinao, dia ho velona ny fanahinao.

25 Ary ny zava-nitranga dia noteneniko izaho Abrahama an’i Saray vadiko izay rehetra efa nolazain’ny Tompo tamiko—Koa lazao aminy, iangaviako ianao, fa anabaviko ianao mba hasiany soa aho noho ny aminao, dia ho velona ny fanahiko noho ianao.