Ny soratra masina
Tahadika 1


Tahadika avy amin’ny Bokin’i Abrahama

Lah. 1

Sary
Tahadika 1

Fanazavana

Sary 1. Ny Anjelin’ny Tompo.

Sary 2. Abrahama nifatotra teo amin’ny alitara.

Sary 3. Ny mpisorona mpanompo sampin’i Elkenà, nanandrana hanatitra an’i Abrahama ho fanatitra.

Sary 4. Ny alitara ho an’ny fanatitra ataon’ireo mpisorona mpanompo sampy dia mijoro eo anoloan’ireo andriamanitr’i Elkenà, andriamanitr’i Libnà, andriamanitr’i Mamakrà, andriamanitr’i Kôrasa ary andriamanitr’i Farao.

Sary 5. Ny andriamanitra sampin’i Elkenà.

Sary 6. Ny andriamanitra sampin’i Libnà.

Sary 7. Ny andriamanitra sampin’i Mamakrà.

Sary 8. Ny andriamanitra sampin’i Kôrasa.

Sary 9. Ny andriamanitra sampin’i Farao.

Sary 10. Abrahama tany Egypta.

Sary 11. Nokendrena mba haneho ny andrin’ny lanitra araka ny fahazoan’ny Egyptiana azy.

Sary 12. Raokianga, izay midika hoe velarana na habakabaka eo ambonin’ny lohantsika; saingy eto amin’ity lafin-javatra ity, ny hevitra nomen’ny Egyptiana azy dia ny hoe Saomao, na ny avo, na ny lanitra, ary mitovy amin’ny teny Hebreo hoe Saomahiema.

Hamoaka printy