Toko 27
Nandrara ny fanenjehana i Môzià ary nandidy ny hisian’ny fitoviana—Nikatsaka ny handrava ny fiangonana i Almà zanany sy ny zanak’i Môzià efa-dahy—Niseho ny anjely iray ary nandidy azy hampitsahatra ny asa ratsiny—Nanjary moana i Almà—Tsy maintsy ateraka indray ny olombelona rehetra hahazoany ny famonjena—Nilaza vaovao mahafaly i Almà sy ny zanakalahin’i Môzià. Tokony ho 100–92 taona talohan’i Kristy.
1 Ary ankehitriny ny zava-nitranga dia nanjary lehibe loatra ny fanenjehana izay nampiharin’ny tsy mpino tamin’ny fiangonana hany ka nanomboka nimonomonona ny fiangonana, ary nitaraina tamin’ny mpitondra azy momba izany raharaha izany; ary izy kosa dia nitaraina tamin’i Almà. Ary i Almà dia nanazava ny toe-javatra teo anoloan’i Môzià mpanjakany. Ary niara-nidinika tamin’ny mpisorony i Môzià.
2 Ary ny zava-nitranga dia nandefa filazana eran’ny tany manodidina i Môzià mpanjaka mba tsy hisy tsy mpino hanenjika na iza na iza amin’ireo izay anisan’ny fiangonan’ Andriamanitra.
3 Ary nisy didy henjana eran’ny fiangonana rehetra mba tsy hisian’ny fifanenjehana eo aminy fa ny mba hisian’ny fitoviana kosa eo anivon’ny olon-drehetra;
4 Mba tsy hamelany ny avonavona sy ny fiamboniana hanelingelina ny fiadanany; mba hiheveran’ny olona tsirairay ny namany ho toy ny tenany, ka hampiasany ny tanany ihany ho fivelomany.
5 Eny, ary ny mpisorona sy ny mpampianatra rehetra dia tokony hampiasa ny tanany avy hivelomany amin’ny lafiny rehetra afa-tsy amin’ny aretina na ao amin’ny fahasahiranana be; ary ny fanaovana ireo zavatra ireo dia nampitombo azy tao amin’ny fahasoavan’ Andriamanitra.
6 Ary nanomboka nisy fandriampahalemana be indray teo amin’ny tany; ary nanomboka ho maro tokoa ny mponina ary nanomboka niely patrana lavitra tambonin’ny tany, eny, tany avaratra sy tany atsimo, tany atsinanana sy tany andrefana, nanorina tanàn-dehibe midadasika sy tanàna kely tany amin’ny faritra rehetra teo amin’ny tany.
7 Ary ny Tompo dia namangy azy sy nanambina azy ary tonga firenena lehibe sy manan-karena izy.
8 Ankehitriny ny zanakalahin’i Môzià dia noraisina ho isan’ny tsy mpino; ary anisan’ireo koa ny anankiray tamin’ny zanakalahin’i Almà, izay nantsoina hoe Almà toa an-drainy; kanefa dia nanjary lehilahy tena mamohehatra sy mpanompo sampy izy. Ary izy dia olon’ny teny maro, ary nanao teny nanasohaso be ny vahoaka izy; noho izany izy dia nitarika ny maro tamin’ny vahoaka hanao araka ny fomban’ny helony.
9 Ary nanjary sakana lehibe ho an’ny fandrosoan’ny fiangonan’ Andriamanitra izy; tamin’ny fangalarana ny fon’ny vahoaka; ny famelomana fifandirana be teo anivon’ny mponina; ny fanomezana lalana ny fahavalon’ Andriamanitra hanampatra ny fahefany taminy.
10 Ary ankehitriny ny zava-nitranga, raha mbola nandeha tetsy sy teroa izy handrava ny fiangonan’ Andriamanitra, fa nandeha an-tsokosoko tetsy sy teroa izy niaraka tamin’ny zanakalahin’i Môzià nikatsaka ny handrava ny fiangonana sy ny hitarika ny vahoakan’ Andriamanitra haniasia ary hanohitra ny didin’ Andriamanitra, na koa ny mpanjaka—
11 Ary toy ny efa nolazaiko taminareo, fa raha mbola nandeha tetsy sy teroa izy ireo nikomy tamin’ Andriamanitra, dia indro, niseho taminy ny anjelin’ny Tompo; ary nidina toy ny tao anaty rahona izy; ary niteny izy miova tsy ny feon’ny kotrobaratra, izay nahatonga ny tany hihorohoro teo amin’ny toerana nijoroan’izy ireo.
12 Ary lehibe loatra ny fitalanjonany ka nianjera tamin’ny tany izy ireo ary tsy nahatakatra ny teny izay nolazainy taminy.
13 Kanefa dia niantso indray izy, nanao hoe: Ry Almà, miarena ary mitsangàna, fa nahoana ianao no manenjika ny fiangonan’ Andriamanitra? Fa efa niteny ny Tompo hoe: Inty no fiangonako ary Izaho no hanorina azy ary tsy hisy na inona na inona handrodana azy, afa-tsy ny fandikan-dalàn’ny oloko.
14 Ary hoy indray ilay anjely: Indro, ny Tompo dia efa nandre ny fivavaky ny olony ary koa ny fivavak’i Almà mpanompony izay rainao; fa efa nivavaka tamim-pinoana be momba anao izy hahazoana mitondra anao mankamin’ny fahalalana ny marina; koa, noho izany antony izany no efa nahatongavako mba handresy lahatra anao ny amin’ny hery sy ny fahefan’ Andriamanitra, hahazoana mamaly ny fivavaky ny mpanompony arakaraka ny finoany.
15 Ary ankehitriny indro, moa afaka manohitra ny herin’ Andriamanitra va ianao? Fa indro, moa va ny feoko tsy mampihorohoro ny tany? Ary moa va tsy azonao jerena koa aho manoloana anao? Ary izaho dia iraka avy any amin’ Andriamanitra.
16 Ankehitriny dia lazaiko aminao hoe: Mandehana, ary tsarovy ny fahababoan’ny razanao tany an-tanin’i Helama sy tany an-tanin’i Nefia; ary tsarovy ny mahalehibe ny zavatra efa nataony ho azy; fa tao amin’ny famatorana izy, ary Izy dia efa nanafaka azy. Ary ankehitriny, lazaiko aminao ry Almà, zory ny lalanao, ary aza mikatsaka ny handrava ny fiangonana intsony mba hahazoana mamaly ny fivavany, ary izany na dia sitrakao aza ny hanariana ny tenanao.
17 Ary ankehitriny ny zava-nitranga dia ireo no teny farany izay nataon’ilay anjely tamin’i Almà, ary dia lasana izy.
18 Ary ankehitriny lavo tamin’ny tany indray i Almà sy ireo izay niaraka taminy, fa lehibe ny fitalanjonany; fa tamin’ny masony mihitsy no efa nijereny ny anjelin’ny Tompo iray; ary ny feony dia toy ny kotrobaratra izay nampihorohoro ny tany; ary nahalala izy ireo fa tsy misy na inona na inona afa-tsy ny herin’ Andriamanitra ihany no afaka mampihorohoro ny tany sy mahatonga azy hihovotrovotra miova tsy ny hitresaka.
19 Ary ankehitriny lehibe loatra ny fitalanjonan’i Almà ka nanjary moana izy ka tsy afaka nanokatra ny vavany; eny, ary nanjary osa izy fa tsy afa-nampihetsika ny tanany; noho izany dia nalain’ireo izay niaraka taminy izy ary nentina, tsy naharay tena, ambara-pahametrahana azy teo anoloan-drainy.
20 Ary notanisainy tamin-drainy avokoa izay efa nanjo azy; ary dia faly ny rainy, satria nahalala izy fa herin’ Andriamanitra izany.
21 Dia nasainy niara-nifamory ny valalabemandry mba hahazoany manatri-maso ny zavatra izay efa nataon’ny Tompo tamin-janany, ary koa tamin’ireo izay niaraka taminy.
22 Ary nasainy niara-nifamory ny mpisorona; ary nanomboka nifady hanina izy ireo ary nivavaka tamin’ny Tompo Andriamaniny mba hanokafany ny vavan’i Almà mba hahazoany miteny ary koa mba hahazoan’ny rantsam-batany mandray hery—hahazoana manokatra ny mason’ny vahoaka ka hahita sy hahafantatra ny hatsaram-po sy ny voninahitr’ Andriamanitra.
23 Ary ny zava-nitranga, rehefa avy nifady hanina sy nivavaka nandritra ny roa andro sy roa alina izy ireo, dia nahazo hery ny rantsam-batan’i Almà, ary nitsangana izy ary nanomboka niteny taminy, nandrisika azy ireo hanana fahatokiana:
24 Fa, hoy izy, izaho dia efa nibebaka tamin’ny fahotako sy efa navotan’ny Tompo; indro, ateraky ny Fanahy aho.
25 Ary hoy ny Tompo tamiko: Aza gaga fa ny olombelona rehetra, eny, na lahy na vavy, ny firenena, ny foko, sy ny samy hafa fiteny, ary ny mponina rehetra, dia tsy maintsy ateraka indray; eny, aterak’ Andriamanitra, ovaina avy amin’ilay toetra manaram-batana sy lavo, ho amin’ny toetry ny fahamarinana, rehefa navotan’ Andriamanitra ka tonga zanany lahy sy vavy;
26 Ary dia toy izany no mahatonga azy ho olom-baovao; ary raha tsy manao izany izy, dia tsy mahazo mandova ny fanjakan’ Andriamanitra mihitsy.
27 Lazaiko aminareo fa raha tsy izany no mitranga, dia tsy maintsy lavina izy; ary izany no fantatro dia satria efa saika nolavina aho.
28 Kanefa, rehefa namakivaky fahasahiranana be aho ka nibebaka saika hatrany amin’ny fahafatesana aza, ny Tompo tao amin’ny famindram-po dia nahita fa mety ny handrombahana ahy hiala ny afo maharitra mandrakizay, ary aterak’ Andriamanitra aho.
29 Ny fanahiko dia efa navotana tamin’ny ngidin’ny afero sy ny famatoran’ny heloka. Tao amin’ny hantsana maizin-kitroka aho; nefa ankehitriny hitako ny fahazavana mahagaga izay an’ Andriamanitra. Nosamatsamahan’ny fijaliana mandrakizay ny fanahiko; nefa norombahana tao aho, ary tsy manaintaina intsony ny fanahiko.
30 Notsipahiko ny Mpanavotra ahy ary nolaviko izay efa nolazain’ny razantsika; nefa ankehitriny, mba hahitan’izy ireo mialoha fa ho avy Izy, ary tsaroany ny voary tsirairay nohariany, dia haneho ny tenany amin’ny rehetra Izy.
31 Eny, ny lohalika tsirairay dia hitsaoka ary ny lela tsirairay hiaiky eo anoloany. Eny, na dia amin’ny andro farany aza, rehefa hitsangana ny olon-drehetra mba hotsarainy, dia hiaiky izy ireo amin’izany fa Izy no Andriamanitra; hiaiky amin’izany ireo izay miaina tsy misy Andriamanitra eo amin’izao tontolo izao, fa rariny ny famaliana azy amin’ny famaizana maharitra mandrakizay; ary ho tora-kovitra sy hihorohoro ary hitakemotra ireo eo ambanin’ny fijerin’ny masony mahita ny zava-drehetra.
32 Ary ankehitriny ny zava-nitranga, hatramin’izay fotoana izay, dia nanomboka nampianatra ny vahoaka i Almà mbamin’ireo izay niaraka tamin’i Almà tamin’ny fotoana nisehoan’ilay anjely taminy, nandeha nitety ny tany rehetra manodidina nilaza tamin’ny olon-drehetra ny zavatra izay efa reny sy hitany, sady nitory ny tenin’ Andriamanitra tao anatin’ny fahasahiranana be rehefa nenjehin’ireo izay tsy mpino mafy tokoa, rehefa nokapohin’ny maro taminy.
33 Nefa na dia teo aza izany dia nitondra fampaherezana be ho an’ny fiangonana izy ireo, tamin’ny fanamafisan’orina ny finoany sy ny famporisihana azy tamin’ny fahari-po ary ny filofosana be mba hitandrina ny didin’ Andriamanitra.
34 Ary zanakalahin’i Môzià ny efatra taminy; ary ny anarany dia i Amôna sy i Aharôna, ary i Ômnera sy i Himnia; ireo no anaran’ny zanakalahin’i Môzià.
35 Ary ireo dia nandeha eran’ny tanin’i Zarahemlà manontolo, tany anivon’ny vahoaka rehetra izay teo ambany fitondran’i Môzià mpanjaka, niezaka tamin’ny faharisihana tokoa hanarina ny fanimbana rehetra izay efa nataony tamin’ny fiangonana, niaiky ny fahotany rehetra sy nilaza ny zavatra rehetra izay efa hitany sy nanazava ny faminaniana ary ny soratra masina tamin’ireo rehetra izay naniry ny handre izany.
36 Ary dia toy izany no naha-fitaovana azy ireo teo an-tanan’ Andriamanitra tamin’ny fitondrana ny maro ho amin’ny fahalalana ny fahamarinana, eny, ho amin’ny fahalalana ny Mpanavotra azy.
37 Ary endrey notahiana izy ireo! Fa notoriany ny fiadanana; notoriany ny teny soa mahafaly; ary nolazainy tamin’ny olona fa manjaka ny Tompo.