Ny soratra masina
Almà 47


Toko 47

Nampiasa fivadihana, vonoan’olona sy fiokoana i Amalikià mba ho tonga mpanjakan’ny Lamanita—Ratsy sy lozabe kokoa noho ny Lamanita ny mpiendaka Nefita. Tokony ho 72 taona talohan’i Kristy.

1 Ankehitriny isika dia hiverina ao amin’ny rakitsoratsika any amin’i Amalikià sy ireo izay efa nandositra niaraka taminy nankany an-tany foana; fa, indro, efa naka ireo izay nandeha niaraka taminy izy ary nandeha niakatra tany an-tanin’i Nefia teo anivon’ny Lamanita, sy namoky ny Lamanita ho tezitra tamin’ny vahoakan’i Nefia izy, hany ka nandefa filazana eran’ny taniny manontolo ny mpanjakan’ny Lamanita, tany anivon’ny olony rehetra, fa tokony hiara-mivory indray izy mba handeha hiady amin’ny Nefita.

2 Ary ny zava-nitranga, rehefa nandeha tany anivony ny filazana, dia natahotra izaitsizy tokoa izy; eny, natahotra izy ny hampahasosotra ny mpanjaka, ary natahotra koa izy ny handeha hiady amin’ny Nefita fandrao hafoiny ny ainy. Ary ny zava-nitranga dia tsy nety izy, na ny ankamaroany dia tsy nety nankatò ny didin’ny mpanjaka.

3 Ary ankehitriny ny zava-nitranga dia nisafoaka ny mpanjaka noho ny tsy fankatoavany; koa nomeny an’i Amalikià ny fibaikoana ilay ampahany tamin’ny miaramilany izay nankatò ny baikony ary nodidiany izy handeha sy hanery azy handray fiadiana.

4 Ankehitriny, indro, izany no fanirian’i Amalikià; fa tena famantsilahy tamin’ny fanaovan-dratsy izy, noho izany dia novolavolainy anakampo ny tetika hanonganana ny mpanjakan’ny Lamanita.

5 Ary ankehitriny izy dia efa nahazo ny fibaikoana ireo ampahan’ny Lamanita izay nankasitraka ny mpanjaka; ary nikatsaka ny hahazo ny fankasitrahan’ireo izay tsy nankatò izy; koa nandeha izy nankany amin’ny toerana izay nantsoina hoe Ônidà, fa tany no efa nandosiran’ny Lamanita rehetra; satria hitany ny fiavian’ny miaramila, ary noho ny fiheverany fa tonga izy mba hamongotra azy ireo, dia nandositra tany Ônidà izy ireo, tany amin’ny toeran’ny fiadiana.

6 Ary efa notendreny ho mpanjaka sy ho mpitondra azy ireo ny lehilahy iray, rehefa nohamafisiny tao an-tsainy ny fahatapahan-kevitra hentitra fa izy ireo dia tsy hoterena handeha hanohitra ny Nefita.

7 Ary ny zava-nitranga dia efa niara-nivory teo an-tampon’ny havoana izay nantsoina hoe Antipasy izy ireo, ho fiomanana amin’ny ady.

8 Ankehitriny dia tsy fikasan’i Amalikià ny hamaky ady aminy araka ny didin’ny mpanjaka; fa indro ny fikasany kosa dia ny hahazo ny fankasitrahan’ny miaramilan’ny Lamanita mba hahazoany mametraka ny tenany ho filohany ary manongana ny mpanjaka sy mandray ny fizakana ny fanjakana.

9 Ary indro, ny zava-nitranga dia nasainy nanangana ny lainy tao an-dohasaha izay akaikin’ny havoanan’i Antipasy ny miaramilany.

10 Ary ny zava-nitranga nony alina dia nandefa iraka miafina tany amin’ny havoanan’i Antipasy izy, naniry ny mpitondra an’ireo izay teo amin’ny havoana, izay i Lehôntia no anarany, hidina eo am-pototry ny havoana, fa naniry ny hiresaka aminy izy.

11 Ary ny zava-nitranga, nony nandray ny hafatra i Lehôntia dia, tsy sahy nandeha nidina teo am-pototry ny havoana izy. Ary ny zava-nitranga dia naniraka fanindroany indray i Amalikià, naniry azy hidina. Ary ny zava-nitranga dia tsy nety i Lehôntia; ary naniraka fanintelony indray izy.

12 Ary ny zava-nitranga, nony nahita i Amalikià fa tsy afaka nampidina an’i Lehôntia avy teny amin’ny havoana izy, dia nandeha niakatra teny amin’ny havoana izy, saiky hatreo amin’ny tobin’i Lehôntia; ary nandefa ny hafany faninefany ho an’i Lehôntia indray izy, naniry ny hidinany sy ny hitondrany ny mpiambina azy miaraka aminy.

13 Ary ny zava-nitranga, nony efa tafidina niaraka tamin’ny mpiambina azy hatreo amin’i Amalikià i Lehôntia, dia nirian’i Amalikià izy mba hidina miaraka amin’ny miaramilany mandritra ny alina sy hanemitra manodidina ireo olona ao amin’ny tobiny ireo, izay ny mpanjaka no efa nanome azy ny fibaikoana, fa hatolony ho eo an-tanan’i Lehôntia izy ireo, raha manao azy (i Amalikià) ho mpitondra faharoa amin’ny miaramila manontolo izy.

14 Ary ny zava-nitranga dia nidina niaraka tamin’ny olony i Lehôntia sy nanemitra manodidina ny olon’i Amalikià, hany ka talohan’ny nifohazan’izy ireo tamin’ny vao mangiran-dratsy io andro io, dia efa voatemitry ny miaramilan’i Lehôntia manodidina izy ireo.

15 Ary ny zava-nitranga nony hitany fa efa voatemitra manodidina izy ireo, dia nitalaho tamin’i Amalikià izy ireo mba hamelany azy ireo hiaraka amin’ny rahalahiny, mba tsy hamongorana azy ireo. Ankehitriny dia izany no tena zavatra izay nirian’i Amalikià.

16 Ary ny zava-nitranga dia natolony ny olony, izany dia nifanohitra tamin’ny baikon’ny mpanjaka. Ankehitriny dia izany no zavatra nirian’i Amalikià mba hahazoany manatontosa ny tetiny amin’ny fanonganana ny mpanjaka.

17 Ankehitriny dia fanao teo anivon’ny Lamanita, rehefa maty ny filoha mpitondra azy, ny manendry ny mpitondra faharoa ho filoha mpitondra azy.

18 Ary ny zava-nitranga dia nasain’i Amalikià nomen’ny iray tamin’ny mpanompony poizina tsikelikely i Lehôntia ka dia maty izy.

19 Ankehitriny, rehefa maty i Lehôntia, dia notendren’ny Lamanita i Amalikià ho mpitondra azy sy ho filoha mpifehy azy.

20 Ary ny zava-nitranga dia nandeha niaraka tamin’ny miaramilany i Amalikià (fa efa azony izay niriany) nankany an-tanin’i Nefia, nankao an-tanànan’i Nefia, izay tanàna renivohitra.

21 Ary nivoaka ny mpanjaka mba hitsena azy niaraka tamin’ny mpiambina azy, satria nihevitra izy fa efa notanterahin’i Amalikià ny baikony, ary i Amalikià dia efa naha-tafavory miaramila maro tokoa mba handeha hiady amin’ny Nefita.

22 Nefa indro, raha nivoaka ny mpanjaka mba hitsena azy, dia nasain’i Amalikià nandroso ny mpanompony mba hitsena ny mpanjaka. Ary nandeha ireo sy niankohoka teo anoloan’ny mpanjaka, toy ny hitsaoka azy noho ny halehibeny.

23 Ary ny zava-nitranga dia natolotry ny mpanjaka ny tanany hampitsangana azy ireo, toy ny fanao teo amin’ny Lamanita, ho famantaran’ny fandriampahalemana, izay fanao efa nalainy tamin’ny Nefita.

24 Ary ny zava-nitranga, raha nampitsangana ny voalohany tamin’ny tany ny mpanjaka, dia indro notrobarany teo amin’ny fony ny mpanjaka; ary dia lavo tamin’ny tany izy.

25 Ankehitriny dia nandositra ny mpanompon’ny mpanjaka; ary nanainga ny hiakany ny mpanompon’i Amalikià, nanao hoe:

26 Indro, efa notrobaran’ny mpanompon’ny mpanjaka teo amin’ny fony izy, ary lavo izy ary efa nandositra ireo; indro, avia ka jereo.

27 Ary ny zava-nitranga dia nandidy ny miaramilany handroso i Amalikià sy hijery izay efa nanjo ny mpanjaka; ary nony efa tonga teo an-toerana ireo sy nahita ny mpanjaka nandry teo amin’ny rany, dia mody nisafoaka i Amalikià ary nanao hoe: Na zovy na zovy no tia ny mpanjaka, dia aoka izy handroso sy hanenjika ny mpanompony mba hahazoana mamono azy ireny.

28 Ary ny zava-nitranga, nony efa nandre izany teny izany ireo rehetra izay tia ny mpanjaka, dia nandroso sy nanenjika ny mpanompon’ny mpanjaka avy tato aoriana.

29 Ankehitriny nony nahita ny miaramila nanenjika azy ireo avy tato aoriana ny mpanompon’ny mpanjaka, dia raiki-tahotra indray izy ireo ary nandositra nankany an-tany foana, ka tonga tany an-tanin’i Zarahemlà sy nikambana tamin’ny vahoakan’i Amôna.

30 Ary niverina ny miaramila izay nanenjika azy ireo avy tato aoriana, rehefa sasa-poana nanenjika azy ireo avy tato aoriana; ary dia toy izany no nahazoan’i Amalikià ny fon’ny olona tamin’ny famitahany.

31 Ary ny zava-nitranga, nony ampitso, dia niditra ny tanànan’i Nefia izy niaraka tamin’ny miaramilany ary nandray ny fizakana ny tanàna.

32 Ary ankehitriny ny zava-nitranga nony efa nandre ny mpanjakavavy fa efa maty ny mpanjaka—satria i Amalikià dia efa nandefa iraka nankany amin’ny mpanjakavavy nampahafantatra azy fa ny mpanjaka dia efa novonoin’ny mpanompony, fa efa nenjehiny niaraka tamin’ny miaramilany izy ireny, nefa dia zava-poana izany, ary efa afa-nandositra izy ireny—

33 Koa nony efa nandray izany hafatra izany ny mpanjakavavy dia nampaniraka tany amin’i Amalikià, naniry azy mba hitsimbinany ny mponina ao an-tanàna; ary naniry azy koa izy mba hahatongavany ao aminy; ary naniry azy koa ny hitondrany vavolombelona miaraka aminy hanambara ny amin’ny fahafatesan’ny mpanjaka.

34 Ary ny zava-nitranga dia nalain’i Amalikià ilay mpanompo izay namono ny mpanjaka ihany sy ireo rehetra izay niaraka taminy, ary nankao amin’ny mpanjakavavy izy ireo, nankao amin’ny toerana izay nipetrahany; ary nanambara taminy izy rehetra fa efa novonoin’ny mpanompony ihany ny mpanjaka; ary hoy koa ireo: Efa nandositra izy ireny; moa va izany tsy vavolombelona miampanga azy ireny? Ary dia toy izany no efa nanomezany fahafaham-po ny mpanjakavavy momba ny fahafatesan’ny mpanjaka.

35 Ary ny zava-nitranga dia nikatsaka ny fankasitrahan’ny mpanjakavavy i Amalikià ary naka azy ho vadiny, ary dia toy izany, tamin’ny alalan’ny famitahany sy tamin’ny alalan’ny fanampian’ny mpanompony fetsy, no nahazoany ny fanjakana; eny, izy dia nekena ho mpanjaka nanerana ny tany manontolo, tany anivon’ny vahoakan’ny Lamanita rehetra izay nahitana ny Lamanita sy ny Lemoelita ary ny Ismaelita, ary ny mpiendaka rehetra tamin’ny Nefita, hatramin’ny nanjakan’i Nefia ka hatramin’ny fotoana ankehitriny.

36 Ankehitriny ireo mpiendaka ireo dia nahazo fampianarana iray ihany sy fahalalana iray ihany tamin’ny Nefita, eny, rehefa nampianarina tao amin’ny fahalalana iray ihany momba ny Tompo, na dia teo aza izany, dia hafahafa ny milaza fa tsy ela taorian’ny fiendahany dia nanjary mafy fo sy tsy valahara kokoa izy ireo, ary baribariana, ratsy sy lozabe kokoa noho ny Lamanita—nigoka ny fomban’ny Lamanita, nanome vahana ny hakamoana sy ny fomban’ny fahalotoam-pitondratena rehetra; eny, nanadino tanteraka ny Tompo Andriamaniny.