Ny soratra masina
Almà 49


Toko 49

Tsy nahafaka ny tanàna mimandan’i Amônihà sy i Noà ny mpanani-bohitra Lamanita—Nanozona an’ Andriamanitra i Amalikià ary nianiana ny hisotro ny ran’i Môrônia—Nanohy ny fampaherezana ny fiangonana i Helamàna sy ny rahalahiny. Tokony ho 72 taona talohan’i Kristy.

1 Ary ankehitriny ny zava-nitranga, tamin’ny volana fahiraika ambin’ny folon’ny taona fahasivy ambin’ny folo, tamin’ny andro fahafolon’ny volana, dia tazana nanatona ny tanin’i Amônihà ny miaramilan’ny Lamanita.

2 Ary indro, efa narenina ny tanàna, ary efa nametraka miaramila tao akaikin’ny sisintanin’ny tanàna i Môrônia, ary efa nanangana ampiantany manodidina izy ireo hiaro azy ireo amin’ny zana-tsipika sy ny vaton’ny Lamanita; satria indro, niady tamin’ny vato sy tamin’ny zana-tsipika izy ireo.

3 Indro, nolazaiko fa efa narenina indray ny tanànan’i Amônihà. Lazaiko aminareo, eny, fa efa narenina ampahany izany; ary satria efa noravan’ny Lamanita indray mandeha izany noho ny heloky ny mponina, dia noheveriny fa hanjary haza mora ho azy indray izany.

4 Nefa indro, akory ny halehiben’ny fahadisoam-panantenany; satria indro, efa natsangan’ny Nefita manodidina azy ny fefy tany, izay avo loatra ka tsy nahafahan’ny Lamanita nanipy ny vatony sy ny tsipikany tany aminy mba hisy vokany ireny, sady tsy nahafahany nanafika azy raha tsy teo amin’ny toerana fidirana.

5 Ankehitriny, tamin’izay fotoana izay ny lohan’ny kapitenin’ny Lamanita dia talanjona izaitsizy tokoa, noho ny fahendren’ny Nefita tamin’ny fanomanany ny toeram-piarovany.

6 Ankehitriny dia noheverin’ny mpitondra ny Lamanita, noho ny hamaroan’ny isany, eny, noheveriny fa hanan-tombo amin’ny fanafihana azy izy toy ny efa nataony hatrizao; eny, ary efa nomaniny koa ny tenany niaraka tamin’ny ampinga, sy niaraka tamin’ny saron-tratra; ary efa nomaniny ny tenany niaraka tamin’ny fitafiana hoditra, eny, fitafiana tena matevina mba hanarona ny fitanjahany.

7 Ary satria efa vita omana toy izany izy, dia noheveriny fa ho resiny sy hofeheziny mora foana amin’ny ziogan’ny famatorana ny rahalahiny, na hovonoiny sy haripany araka ny sitrapony.

8 Nefa indro, akory ny fitalanjonany tanteraka, fa vita omana izy hiatrika azy tamin’ny fomba izay tsy fahita na oviana na oviana teo anivon’ny zanak’i Lehia. Ankehitriny dia vita omana izy hiatrika ny Lamanita, hiady araka ny torolalan’i Môrônia.

9 Ary ny zava-nitranga dia talanjona izaitsizy tokoa ny Lamanita sy ny Amalikiahita tamin’ny fomba fiomanany ho amin’ny ady.

10 Ankehitriny, raha i Amalikià mpanjaka no nidina nivoaka ny tanin’i Nefia, nialoha lalana ny miaramilany, dia angamba ho efa nasainy notafihan’ny Lamanita ny Nefita tao an-tanànan’i Amônihà; satria indro, tsy nahoany ny ran’ny olony.

11 Nefa indro, izy Amalikià tenany dia tsy nidina mba hiady. Ary indro, ny lohan’ny kapiteniny dia tsy sahy nanafika ny Nefita tao an-tanànan’i Amônihà, satria efa novan’i Môrônia ny fitantanan-draharaha teo anivon’ny Nefita, hany ka diso fanantenana noho ny toerana fialofany ny Lamanita ary tsy afaka nanafika azy izy.

12 Koa nisintona tany an-tany foana, sy nitondra ny tobiny ary nandeha nankany an-tanin’i Noà izy, noho ny fiheverana fa izany no toerana manaraka tsara indrindra ho azy hanafihana ny Nefita.

13 Satria tsy fantany fa i Môrônia dia efa nanamafy, na efa nanorina mandam-piarovana ho an’ny tanàna tsirairay tany amin’ny tany rehetra manodidina; noho izany dia nandeha izy nankany an-tanin’i Noà niaraka tamin’ny fahatapahan-kevitra hentitra; eny, nandroso sy nanao fianianana ny lohan’ny kapiteniny fa hofongorany ny mponin’izany tanàna izany.

14 Nefa indro, akory ny fitalanjonany, ny tanànan’i Noà izay efa toerana malemy hatrizao, noho ny ezak’i Môrônia dia efa tonga matanjaka, eny, manoatra noho ny tanjaky ny tanànan’i Amônihà aza.

15 Ary ankehitriny, indro, izany dia fahendrena tao amin’i Môrônia; satria efa noeritreretiny fa ho raiki-tahotra eo anoloan’ny tanànan’i Amônihà izy; ary satria ny tanànan’i Noà no efa faritra malemy indrindra teo amin’ny tany hatrizao, noho izany dia nandeha nankany izy hiady; ary izany dia araka ny faniriany.

16 Ary indro, efa nanendry an’i Lehia ho lohan’ny kapiteny tamin’ny lehilahin’izany tanàna izany i Môrônia; ary io Lehia io ihany ilay niady tamin’ny Lamanita tao an-dohasaha, tao atsinanan’ny renirano Sidôna.

17 Ary ankehitriny, indro, ny zava-nitranga, nony efa nahita ny Lamanita fa i Lehia no nibaiko ny tanàna, dia diso fanantenana indray izy, fa natahotra an’i Lehia izaitsizy tokoa izy; kanefa ny lohan’ny kapiteniny dia efa nianiana tamin’ny velirano fa hanafika ny tanàna; noho izany dia nentiny ny miaramilany.

18 Ankehitriny indro, ny Lamanita dia tsy afaka niditra tao amin’ny mandam-piarovany tamin’ny lalan-kafa afa-tsy teo amin’ny fidirana, noho ny haavon’ny ampiantany izay efa natsangana sy ny halalin’ny hadivory izay efa nohadiana manodidina, afa-tsy teo amin’ny fidirana.

19 Ary dia toy izany no niomanan’ny Nefita hamongotra izay rehetra manandrana ny hianika mba hiditra ny toerana mimanda amin’ny lalan-kafa, amin’ny alalan’ny fitorahana azy vato sy zana-tsipika.

20 Dia toy izany no niomanany, eny, ny andian’ny lehilahiny matanjaka indrindra, niaraka tamin’ny sabany sy ny antsamotadiny, handoboka izay rehetra manandrana ny hiditra ny toeram-piarovany eo amin’ny toeram-pidirana; ary dia toy izany no niomanany hiaro ny tenany amin’ny Lamanita.

21 Ary ny zava-nitranga, dia nitondra ny miaramilany teo anoloan’ny toeram-pidirana ireo kapitenin’ny Lamanita ary nanomboka niady tamin’ny Nefita mba hiditra ny toeram-piarovana; nefa indro, voatosika hiverina ombieny ombieny izy ireo ka naringana tamin’ny fandringanana goavana.

22 Ankehitriny, nony hitany fa tsy afaka ny hanana fahefana amin’ny Nefita eo amin’ny fidirana izy ireo, dia natombony ny fandabohana ny ampiantany mba hahazoany lalana ho an’ny miaramilany, ka hahazoany zara mitovy eo amin’ny ady; nefa indro, tamin’ireny andrana ireny izy ireo dia voalamaky ny vato sy ny zana-tsipika izay natoraka azy ireo; ary raha ampiantany nazera no tokony hameno ny hadivoriny, dia nofenoina tamin’ny maty teo aminy sy ny vatana naratra ny ampahany.

23 Dia toy izany no efa nananan’ny Nefita ny fahefana rehetra tamin’ny fahavalony; ary dia toy izany no nanandraman’ny Lamanita namongotra ny Nefita mandra-pamono ny lohan’ny kapiteny rehetra; eny, ary nihoatra ny an’arivony tamin’ny Lamanita no voavono; raha ankilany kosa dia tsy nisy na dia singan’olona iray aza tamin’ny Nefita voavono.

24 Nisy sahabo ho dimampolo no naratra satria nihanjahanja ho an’ny zana-tsipikan’ny Lamanita izy ireo teo amin’ny fidirana, nefa izy ireo dia narovan’ny ampingany sy ny saron-tratrany ary ny satrobiny, hany ka ny ratrany dia teny amin’ny ranjony, maro taminy no tena lalina.

25 Ary ny zava-nitranga, rehefa nahita ny Lamanita fa efa novonoina daholo ny lohan’ny kapiteniny, dia nandositra nankany an-tany foana izy. Ary ny zava-nitranga dia niverina tany an-tanin’i Nefia izy mba hampahalala an’i Amalikià mpanjakany izay Nefita ara-pahaterahana, ny momba ny famoizany lehibe.

26 Ary ny zava-nitranga dia tezitra izaitsizy tokoa tamin’ny olony izy, noho izy tsy nahazo izay niriany tamin’ny Nefita; tsy nahafehy azy tamin’ny ziogan’ny famatorana izy.

27 Eny, nisafaoka izaitsizy tokoa izy sy nanozona an’ Andriamanitra ary koa an’i Môrônia, niozonozona tamin’ny fianianana fa hosotroiny ny rany; ary izany dia noho i Môrônia efa nitandrina ny didin’ Andriamanitra tamin’ny fanomanana ny fiarovana ny olony.

28 Ary ny zava-nitranga an-daniny dia nisaotra ny Tompo Andriamaniny ny vahoakan’i Nefia, noho ny heriny tsy manan-tsahala tamin’ny nanafahany azy teo an-tanan’ny fahavalony.

29 Ary dia toy izany no nifaranan’ny taona fahasivy ambin’ny folon’ny fitondran’ny mpitsara teo amin’ny vahoakan’i Nefia.

30 Eny, ary nisy fandriampahalemana lalandava teo anivony sy fandrosoana be izaitsizy tokoa tao amin’ny fiangonana noho ny fitandremany sy ny fahazotoany izay nasehoany tamin’ny tenin’ Andriamanitra, izay nambara azy tamin’ny alalan’i Helamàna sy i Siblôna ary i Kôriantôna, ary i Amôna sy ny rahalahiny, eny, sy tamin’ny alalan’ireo rehetra izay efa notendren’ny lamina masin’ Andriamanitra, rehefa vita batisa ho amin’ny fibebahana sy nirahina mba hitory tany anivon’ny vahoaka.