Ny fanambaran’ny Mpaminany Joseph Smith
Izao no tenin’ny mpaminany Joseph Smith momba ny niavian’ny Bokin’i Môrmôna:
“Ny harivan’ny … iraika amby roapolo septambra [1823] … dia nanomboka nivavaka sy nitalaho tamin’ Andriamanitra Tsitoha aho. …
“Raha mbola teo am-piantsoana an’ Andriamanitra toy izany aho dia nahita hazavana nipoitra tao an’efitranoko izay tsy nitsahatra nitombo mandra-pahatongan’ny efitranoko hazava bebe kokoa noho ny amin’ny mitataovovonana, ary niaraka tamin’izay dia nisy olona niseho teo anilan’ny fandriako ary nitsingevaheva izy ka tsy nandia tany ny tongony.
“Nanao akanjo lava, malalaka sy fotsy mangatsakatsaka fatratra izy. Ny hafotsiany dia mihoatra ny zavatra rehetra izay efa hitako hatrizao teto an-tany; sady tsy mino koa aho fa azo atao izay hahatonga ny zavatry ny tany ho lasa fotsy sy hamiratra fatratra toy izany. Nihanjaka ny tanany ary koa ny sandriny hatreo ambony kelin’ny hatotanany; tsy misarona ihany koa ny tongony sy ny ranjony hatreo ambony kelin’ny kitrokeliny. Tsy misarona ihany koa ny lohany sy ny tendany. Tsikaritro fa tsy nisy afa-tsy io akanjo lava io teny aminy, satria vaky anoloana izany ka hitako ny tratrany.
“Tsy ny akanjony ihany no fotsy izaitsizy, fa ny tenany rehetra dia mamirapiratra tsy hay tantaraina, ary toy ny tselatra marina tokoa ny tarehiny. Nazava fatratra tokoa ilay efitrano, kanefa mbola nanjelatra bebe kokoa noho izany ny faritra manodidina ny tenany. Raiki-tahotra aho raha vao nahita azy; nefa vetivety dia nisinda ny tahotra.
“Nantsoiny tamin’ny anarako aho, ary nilazany fa iraka avy teo anatrehan’ Andriamanitra izy hankaty amiko ary i Môrônia no anarany; fa manana asa hampanaovina ahy Andriamanitra; ary mety ho tsara na ho ratsy eo anivon’ny firenena, ny foko ary ny samy hafa fiteny rehetra ny anarako, na sady hindrahindraina no hotenenin-dratsy eo anivon’ny olon-drehetra.
“Nolazainy fa misy boky iray milevina, voasoratra amin’ny takela-bolamena izay mitahiry ny tantaran’ny mponina fahiny teo amin’ity kaontinanta ity sy ny loharano nipoirany. Nolazainy koa fa mirakitra ny fahafenoan’ny Filazantsara maharitra mandrakizay izany, araka ny nanoloran’ny Mpamonjy izany ireo mponina fahiny ireo;
“Ary misy koa vato roa, ao anaty tandro-bolafotsy—ary ireo vato ireo, mipetaka eo amin’ny saron-tratra iray, no manome ny antsoina hoe: Orima sy Tomima—miara-milevina amin’ireo takelaka; ary ny fananana sy ny fampiasana ireo vato ireo no maha-izy azy ny ‘mpahita’ tamin’ny andro fahagola na fahiny; ary ny zava-nokinendrin’ Andriamanitra tamin’ny nanomanany azy ireo dia ny fandikana ny boky. …
“Nolazainy ahy indray fa rehefa azoko ireo takelaka izay efa noresahiny—satria tsy mbola tonga ny fotoana tokony hahazoako azy ireo—dia tsy tokony hasehoko olona ireo, na iza na iza, torak’izany koa ny saron-tratra mbamin’ny Orima sy Tomima, afa-tsy ireo izay handidiany ahy hampisehoana izany ihany; fa raha manao izany aho dia hofongorana. Raha mbola teo am-piresahana tamiko ny momba ireo takelaka izy dia nisy fahitana nisokatra tao an-tsaiko, ary dia azoko nojerena ny toerana nilevenan’ireo takelaka, ary izany dia tena nazava sy nisongadina tokoa, hany ka fantatro indray ilay toerana nony efa notsidihiko.
“Taorian’izany filazana izany dia nahita ny hazavana tao an’efitrano nanomboka ho niangona nanodidina avy hatrany ny tenan’ilay olona avy niresaka tamiko aho, ary tsy nitsahatra izany mandra-pahatongan’ny efitrano ho tavela tanatin’ny haizina indray, afa-tsy ny manodidina azy ihany; ary tampoka teo dia hitako ho toy ny misy lalantsara misokatra miakatra mivantana any an-danitra, ary dia nandeha niakatra izy mandra-pidifiny tanteraka, ka dia niverina toy ny teo aloha indray talohan’ny nisehoan’io hazavana avy tany an-danitra io ny efitrano.
“Nandrinandry teo aho lasa eritreritra noho iny tarehin-javatra tsy fahita iny, sady nitolagaga fatratra noho ny zavatra voalazan’ilay iraka hafakely; fa mbola teo am-pisaintsainana teo aho no nahita tampoka fa nanomboka ho nihanazava indray ny efitranoko, ary poa toa izay raha lazaina dia efa teo anilan’ny fandriako indray ilay iraky ny lanitra teo ihany.
“Nanomboka indray izy, ka ny zavatra teo ihany izay efa nolazainy tamin’ny fitsidihany voalohany tsy misy fiovana na dia kely aza no nolazainy; rehefa izany, dia nampahafantariny ahy ny amin’ny famaizana lehibe izay efa ho tonga eto an-tany miaraka amin’ny fandripahana lehibe amin’ny mosary, ny sabatra ary ny areti-mandringana; ary hihatra amin’ny tany, amin’ity taranaka ity, ireo famaizana mampangirifiry ireo. Rehefa avy nilaza ireo zavatra ireo izy dia niakatra toy ny efa nataony teo aloha indray.
“Tafalatsaka lalina tao an-tsaiko ireo teny ireo tamin’izay fotoana izay, ka nandao ahy ny torimaso, ary dia nandrinandry teo aho, ankon’ny fahagagana noho ny zavatra hitako sy reko. Akory anefa ny hagagako raha nahita io iraka io ihany indray aho teo anilan’ny fandriako ary nandre azy nanantitrantitra na namerimberina indray tamiko ny zavatra tetsy aloha ihany; saingy nampiany fampitandremana ho ahy ka nilazany tamiko fa hanandrana ny haka fanahy ahy i Satàna (noho ny ankohonan-draiko miaina ao anatin’ny fahantrana) hakako ireo takelaka ireo mba hampanan-karena ahy. Nandrara ahy izy tsy hanao izany, ka nilazany ny tsy hananako zavatra hafa banjinina, rehefa mahazo ireo takelaka ireo aho, afa-tsy ny voninahitr’ Andriamanitra sy ny tsy ho voataonan’ny hevitra hafa, afa-tsy ny fanorenana ny fanjakany; raha tsy izany dia mety tsy ho azoko ireo.
“Taorian’io fitsidihana fahatelo io, dia niakatra indray tany an-danitra toy ny teo aloha izy ary namela ahy hisaintsaina indray ny maha-hafa kely ity zavatra vao nodiaviko ity; fa saiky raha vantany vao tafakatra tany an-danitra ilay iraky ny lanitra rehefa nandao ahy fanintelony dia naneno ny akoholahy ary nahita aho fa efa mby akaiky ny maraina, izany hoe tsy maintsy ho nandany iny alina manontolo iny ny fihaonanay.
“Fotoana fohy taorian’izay dia niarina avy teo am-pandriana aho, ary toy ny mahazatra dia namonjy ireo asa fanao isan’andro. Nefa raha nanandrana ny hiasa toy ny isan’andro aho, dia nahita fa kely ny heriko, hany ka tsy nahefa na inona na inona. Tsikaritry ny raiko izay niara-niasa tamiko fa tsy dia tsaratsara aho ka dia nasainy nody. Dia niainga aho, ary ny fikasako dia ny hody any an-trano; kanefa raha iny handeha hihoatra ny fefin’ilay tanimboly izay nisy anay iny aho, dia nandao ahy tanteraka ny heriko, ary tsy afa-nanoatra fa dia niankarapoka tamin’ny tany ka tsy nahatsiaro tena mihitsy aho nandritra ny fotoana fohy.
“Ny zavatra tsaroako voalohany dia ny feo niresaka tamiko, niantso ahy tamin’ny anarako. Niandrandra aho ka tazako indray ilay iraka teo ihany nijoro teo ambonin’ny lohako sy voahodidina hazavana toy ny teo aloha. Tamin’izay dia naveriny tamiko indray izay rehetra efa nambarany ahy ny alina iny, ary nandidy ahy izy hankany amin-draiko mba hilaza aminy ny fahitana sy ny didy efa azoko.
“Nankatò aho, ka niverina tany amin-draiko tany an-tsaha ary namerina taminy ny zava-drehetra. Avy tamin’ Andriamanitra izany hoy ny navaliny ahy, dia niteny ahy izy ny mba handehanako sy ny hanaovako araka ny nandidian’ilay iraka. Nandao ny saha aho ka nankany amin’ny toerana izay efa nolazain’ilay iraka tamiko fa ilevenan’ireo takelaka; ary satria nazava tsara ilay fahitana efa azoko momba izany, dia fantatro ilay toerana raha vantany vao tonga tany aho.
“Misy vohitra iray be velarana izay avo indrindra amin’ireo manodidina azy eo akaikin’ny tanàna kelin’i Manchester, fivondronan’i Ontario, New York. Nilevina tao amin’ny ilany andrefan’io vohitra io, tsy dia lavitra ny tampony, ary tao ambanin’ny vato iray ngezabe ireo takelaka napetraka tanatin’ny vata vato iray. Matevina io vato io ary boribory ny tampony afovoany, ary manifinify ny aty amin’ny sisiny, hany ka tazana eo ambonin’ny tany ny ampahany afovoany ary rakotry ny tany ny sisiny rehetra manodidina.
“Naka fanoitra iray aho rehefa avy nalako ny tany, ka natsofoko teo amin’ny sisiny ambanin’ilay vato, ary dia notsindriako kely mba hanaingako azy. Nojereko ny tao anatiny ary dia hitako tao tokoa ny takelaka, ny Orima sy Tomima ary ny saron-tratra, araka ny voalazan’ilay iraka. Ny vata izay nitoerany dia narafitra tamin’ny vato natambatambatra tamin’ny karazana simenitra. Nisy vato roa mitsivalana tao amin’ny fanambanin’ilay vata, ka nipetraka teo ambonin’ireo vato ireo ny takelaka sy ireo zavatra hafa niaraka taminy.
“Nanandrana ny namoaka azy aho, kanefa noraran’ilay iraka izay nilaza tamiko indray fa tsy mbola tonga ny fotoana hamoahana azy sady tsy mbola ho avy izany raha tsy efa afaka efa-taona manomboka amin’io andro io; nolazainy ahy kosa anefa ny tokony hivereneko eo amin’izany toerana izany rehefa afaka herintaona katroka, ary hihaona amiko eo izy, ary ny mbola hanohizako izany hatrany mandra-pahatongan’ny fotoana hahazoako ireo takelaka.
“Noho izany dia nankeo aho isaky ny faran’ny taona, araka ny efa nandidiany ahy, ary nahita ilay iraka teo hatrany, ary isaky ny nihaona izahay dia nandray torolalana sy fahalalana avy taminy aho momba izay handeha hataon’ny Tompo sy ny fomba hoenti-mitondra ny fanjakany amin’ny andro farany. …
“Rehefa ela ny ela dia tonga ny fotoana ahazoako ny takelaka, ny Orima sy Tomima ary ny saron-tratra. Nankeo amin’ilay toerana ilevenany aho ny faharoa amby roapolon’ny volana septambra fito amby roapolo sy valonjato sy arivo, toy ny efa mahazatra isaky ny mifarana ny taona iray, ka natolotr’ilay iraky ny lanitra ahy izany niaraka tamin’izao fepetra izao: zary tompon’antoka aminy aho, fa raha avelako ho very izany noho ny tsirambina na vokatry ny tsy fitandremako, dia hofongorana aho; fa raha manao izay tratry ny heriko rehetra kosa aho hitehirizana izany, ambara-pihaviny, izy ilay iraka, haka izany, dia tokony ho voaro izany.
“Tsy ela dia fantatro ny antony nanomezana ahy fepetra hentitra toy izany mba ho azo antoka ny fitehirizana azy, ary ny nahatonga ilay iraka hiteny fa rehefa tontosako ny zavatra angatahina amiko, dia ho avy izy hitaky azy. Satria raha vantany vao fantatra fa azoko izany, dia nampiasaina ny fanerena mahery vaika indrindra mba hanesorana azy amiko. Nampiasaina izay tetika rehetra azo foronina hanantanterahina izany. Nihanangidy sy nihamafy kokoa noho ny teo aloha ny fanenjehana, ary nanao andry maso tsy tapaka izany ny ankamaroany mba hakany azy aty amiko raha azony atao. Nefa noho ny fahendren’ Andriamanitra dia tafajanona soa aman-tsara teo am-pelatanako izany mandra-pahavitako taminy izay nangatahina tamiko. Nony tonga haka izany ilay iraka, araka ny fandaminana, dia natolotro azy izany; ka efa eo ambany fitahiany izany mason’andro androany faharoan’ny volana mey, valo amby telopolo sy valonjato sy arivo.”
Mba hahitana ny rakitsoratra feno kokoa dia jereo ny Joseph Smith—Tantara ao amin’ny Voahangy Lafo Vidy.
Io rakitsoratra tranainy izay nofongarina toy izany avy tao anaty tany io, toy ny feon’ny vahoaka iray miteny avy ao amin’ny vovoka, ka nadika tamin’ny fiteny ankehitriny noho ny fanomezam-pahasoavan’ Andriamanitra sy ny heriny, araka ny fanamarinan’ny fanambaran’ Andriamanitra, dia navoaka voalohany teto an-tany tamin’ny teny Anglisy, ny taona 1830 ho toy ny The Book of Mormon.