Ny faharisihantsika hiaina ny filazantsara
Hisy foana ny “teny sarotra.” Saingy hisy foana ny fahafahana hisafidy ny finoana ankoatra izay mety ho ahiahy sy fisalasalana.
Ny lalan’ny maha-mpianatra dia feno fitahiana, na ny “hita maso na ny tsy hita maso.”1 Kanefa misy fotoana tsy maha-mora izany lalana izany na dia eo aza ireo fitahiana avy aminy. Mitaky asa sy fahafoizantena ny fahatongavana ho mpianatr’i Jesoa Kristy ary indraindray sarotra ny mahita ilay faharisihana hiaina ireo didy sy hanao ireo fahafoizantena ireo.
Amin’ny maha-tanora anao dia mety tena sahirana ianao mandrindra ireo andraikitra vaovao sy mandray fanapahan-kevitra manan-danja eo amin’ny fiainana ary mandrafitra ny ho endriky ny lalan’ny maha-mpianatra anao mandritra ny androm-piainanao. Ankoatra izany dia mety misy zavatra ao amin’ireo fitsipika na tantaran’ny Fiangonana na ao amin’ny fotopampianaran’ny filazantsara izay tsy dia takatrao loatra ary mety misy fakam-panahy izay manahirana anao ary koa fitahiana izay mbola andrasanao sy fanontaniana momba ny drafitr’ Andriamanitra ho anao.
Mety misy sasany amintsika manontany tena indraindray raha toa ka mendrika ny hiainana ny filazantsara, noho ireo fitahiana izay nampanantenaina antsika. Mety hanaporofo isika fa tsy mahazo aina ao anatin’izany na asa be loatra izany na toa betsaka kokoa ny fanontaniana noho ny valiny. Kanefa ny zavatra tena ifotoran’izany dia ny faharisihana. Nahoana ianao no manao ny zavatra ataonao sy miaina araka ny fomba fiainanao? Nahoana ianao no manohy mitandrina ny didy na dia tsy misy olona aza manodidina mahatsikaritra fa manao izany ianao?
Na iza na iza ianao ary na inona na inona toe-javatra iainanao, dia miankina aminao ny hisafidy hahita faharisihana amin’ny alalan’ny fikolokoloanao ny finoanao ny Mpamonjy sy ny filazantsara.
Hankany amin’iza moa isika?
Ny fahitana sy ny fanohizana ny faharisihana hiaina ny filazantsara dia tsy hoe fanamby tsy fahita raha tsy amin’izao androntsika izao ihany. Na fony ny Mpamonjy teto an-tany aza dia sahirana ny olona nanakatra ary avy eo nankatò ireo fitsipika nampianariny. Maro be tamin’ireo mpianany no nihaino raha nanazava ilay hevitra iray izay toa nanafintohina azy ireo Izy, dia ny andraikiny amin’ny maha-“mofon’aina” Azy (jereo ny Jaona 6:35–58). Namaly tamim-pisalasalana izy ireo hoe: “Sarotra izany teny izany, iza no mahahaino izany?” (Jaona 6:60).
Rehefa hitan’i Kristy fa sahirana izy ireo nino na nanaiky izany fotopampianarana izany, dia nanontany izy hoe: “Mahatafintohina anareo va izay?” (Jaona 6:61). Maro tamin’ireo mpianany no “nihemotra ka tsy niara-nandeha taminy intsony” (Jaona 6:66), raha tokony hiantehitra tamin’ny finoany izy ireo fa tsy tamin’ny fisalasalany.
Saingy rehefa nanontany ireo mpianany sisa i Kristy raha toa koa izy ireo “te-hiala,” dia nanome ilay hany valiny tena tokony nomena i Petera: “Hankany amin’iza moa izahay? Hianao no manana ny tenin’ny fiainana mandrakizay” (Jaona 6:67–68).
Ilay loharanon’ny faharisihana
Fantatr’i Petera ny loharanon’ny faharisihany. Nifototra tany amin’ny antony anaovantsika ny zavatra ataontsika ao amin’ny filazantsara izany: ny fijoroana ho vavolombelona ananantsika sy ny finoantsika an’i Jesoa Kristy. “Ary izahay mino ka mahalala,” hoy ny nambaran’i Petera, “fa Hianao no Ilay Masin’ Andriamanitra” (Jaona 6:69; nampiana fanamafisana). Amin’ny alalan’ny fahazoana izany finoana matanjaka momba an’i Jesoa Kristy sy ny maha-Andriamanitra Azy ary ny asany izany, dia afaka koa isika mahita ilay faharisihana hanohy hiaina ny filazantsara, na dia rehefa toa sarotra aza izany sy na dia rehefa tsy matoky isika fa te hanao izany.
Hisy foana ny “teny sarotra.” Saingy hisy foana ny fahafahana hisafidy ny finoana ankoatra izay mety ho ahiahy sy fisalasalana. Hoy ny Loholona L. Whitney Clayton ao amin’ny Fiadidian’ny Fitopololahy hoe: “Ny fanapahan-kevitra hino no safidy faran’izay manan-danja horaisinao.”2
Noho izany, inona no ataontsika raha toa ka ilazana “teny sarotra” isika?
1. Araho ny ohatra nasehon’i Petera sy ireo mpianatra hafa izay nijanona ho mahatoky na dia mora aza ny “[niala].” Henoy ny torohevitr’ireo mpaminany sy apôstôly ary mpitarika hafa:
“Amin’ny fotoan’ny tahotra na ny ahiahy na ny tebiteby dia hazony ilay finoana izay efa anananao. … Mifikira amin’izay efa fantatrareo ary mijoroa mafy mandra-pahatonga ny fahalalana fanampiny.”3
“Mamindrà indray mandeha amim-pinoana, dia mamindrà indray avy eo. … Mifantoha amin’ireo fahamarinana izay [tena inoanao] ary avelao ireo fahamarinana ireo hameno ny sai[nao] sy ny fo[nao]. …
“… Atombohy amin’ireo fahamarinana fototry ny filazantsara izany.”4
2. Manakaikeza hatrany ny soratra masina ary araho ireo fampianarany:
“Halalino sy saintsaino ombam-bavaka isan’andro ny Bokin’i Môrmôna.”5
“Raha misy olona ta-hanao ny sitrapony, dia hahalala ny amin’ny fampianarana izy, na avy amin’ Andriamanitra izany, na miteny ho Ahy Aho” (Jaona 7:17).
“Aoka ho mpankatò ny teny hianareo fa aza mpihaino fotsiny ihany” (Jakoba 1:22).
3. Tandremo hatrany ireo didy.
“Tonga ireo valin’ireo fanontaniantsika amin-kitsimpo rehefa mikatsaka amim-pahamatorana isika sy rehefa miaina ireo didy. … Ny finoantsika dia afaka manampy antsika hino ireo zavatra izay tsy mitombina raha araka ny eritreritsika.”6
“Rehefa manohy mankatò ianao, … dia homena ny fahalalana sy ny fahatakarana katsahinao.”7
Amin’ny farany dia mifototra tsotra fotsiny amin’ilay zavatra nolazain’i Petera ny faharisihantsika. Moa ve isika mino fa i Jesoa no Kristy ary Izy no mitarika ny Fiangonany ary manana ny tenin’ny fiainana mandrakizay? Moa ve ny finoantsika lehibe kokoa noho ireo “teny sarotra” izay mety tsy takatsika amin’izao fotoana izao?
Ny valisoa avy amin’ny fiainana ny filazantsara
Rehefa tena manapa-kevitra isika fa hitia sy hanaraka an’ Andriamanitra sy i Jesoa Kristy ary hitandrina ny didiny na dia tsy ho takatsika daholo aza izy ireo dia tsy hay refesina ny valisoa. Ny olona araka ny nofo dia manontany hoe: “Inona no tombony azoko amin’io?” Izao no avalin’ireo fampianaran’ ny filazantsara: “Fiadanana eo amin’ity izao tontolo izao ity ary fiainana mandrakizay any amin’ny tontolo ho avy”; fitoerana iray nomanina ho anao any amin’ny fonenan’ Andriamanitra; izay rehetra ananan’ny Ray any An-danitra; “fahasambarana tsy mifarana na oviana na oviana” (jereo ny F&F 59:23; Etera 12:34; F&F 84:38; Môsià 2:41); ary araka ny nambaran’ny Loholona Dieter F. Uchtdorf ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo hoe: “Ato [amin’ny Fiangonana] no hahitanareo zavatra sarobidy tsy hay sandaina. … Hahita ny tenin’ny fiainana mandrakizay, ny fampanantenana ny fanavotana masina ary ny lalana mankany amin’ny fiadanana sy ny fahasambarana ianao ato.”8 Raha tsy hitanisa afa-tsy vitsivitsy monja.
Rehefa manolo-tena ny hanaraka an’i Kristy sy hankatò ny didiny isika, dia ampanantenaina antsika ireo rehetra ireo ary ireo maro hafa koa. Tsy midika akory izany fa ho mora sy ho takatra foana ilay lalana, saingy ireo fitahiana nampanantenaina antsika rehefa mitoetra ho mafy orina dia hirotsaka hatrany mandritra ny fiainantsika ary eny fa na aorian’izao fiainana izao aza.
Na dia tena miavaka aza ireo fitahiana ireo dia tsy tokony ho ireo no mandrisika antsika voalohany hiaina ny filazantsara. Na inona na inona fanontaniana anananao, na inona na inona fotopampianarana tsy takatrao, dia ny finoanao an’i Jesoa Kristy sy ny Sorompanavotany no ho fanalahidin’ny faharisihanao hiaina ny filazantsarany, toy ny an’i Petera sy ireo hafa.
“Ny faharisihantsika sy ny eritreritsika amin’ny farany no hitarika ireo zavatra ataontsika,” hoy ny Loholona Uchtdorf. “Ny fijoroana ho vavolombelona momba ny fahamarinan’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy naverina tamin’ny laoniny no iray amin’ireo hery mandrisika tena mahery vaika eo amin’ny fiainantsika. Nohamafisin’i Jesoa foana ny hery avy amin’ny eritreritra tsara sy faharisihana madio:—Banjino Aho amin’ny eritreritra rehetra; aza miroanàhana, aza matahotra—(F&F 6:36).
“Ny fijoroana ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy sy ny filazantsara naverina tamin’ny laoniny dia hanampy antsika eo amin’ny fiainantsika mba hahafantatra ny drafitr’ Andriamanitra manokana ho antsika ary avy eo handray andraikitra mifanaraka amin’izany. Izany dia manome antsika fahatokiana ny amin’ny fisian’ Andriamanitra sy ny fahamarinana momba Azy ary ny hatsaram-panahiny, ny amin’ireo fampianaran’i Jesoa Kristy sy ny Sorompanavotany ary ny amin’ny antso masin’ireo mpaminanin’ny andro farany.”9
Raha ho ahy dia hanohy hiezaka aho na dia amin’ny fotoana maha-sarotra azy aza izany. Hanohy hivavaka sy handalina ny soratra masiko aho. Hanao ezaka mba hampatanjaka ny fijoroana ho vavolombelona ananako momba ny Mpamonjy aho isan’andro. Ary hiezaka hiaina toy ny tiany hiainako aho sy hiankina amin’ny teniny sy ireo mpaminaniny sy apôstôly velona mba hampianatra ahy ny fomba hanaovana izany, ary hiantehitra amin’ilay faharisihana izay tsy vokatry ny finoako sy ny fitiavako azy fotsiny fa vokatr’ilay sorona mandrakizay nataony sy ny fitiavany ahy.