2020
Mihazona anao tsy handroso ve ny lasanao?
Aprily 2020


Mihazona anao tsy handroso ve ny lasanao?

Efa nefain’ny Mpamonjy ny sarany. Raiso ny tanany ary mandrosoa hatrany.

Vao tsy ela akory izay dia nasain’ny evekako ny paroasinay mba hieritreritra ireo fahalemena na fahotana sasantsasany izay heverinay fa azo apetraka ara-tsarinteny eo amin’ny latabatry ny fanasan’ny Tompo mba ho esorin’i Jesoa Kristy. Misy ireo fahotana nentiko nandritra ny fahatanorako izay nezahiko noresena kanefa tsy vitako tamin’ny alalan’ny vavaka na ny fandavantenako manokana. Na dia nivoatra aza aho nandritra ireo taona nifanesy dia fantatro fa nila nandresy izany aho mba hahafahako mivoatra hatrany.

Ny alahady taorian’ilay fanamby napetraky ny eveka dia nanapa-kevitra aho fa iray amin’ireo fahotako ihany no hapetrako eo amin’ny latabatry ny fanasan’ny Tompo izay fanehoana azo tsapain-tanana ny Mpamonjy sy ny sorompanavotany. Rehefa niomana handray ny fanasan’ny Tompo aho dia tsaroako fa ilay lamba mandrakotra izany dia maneho ilay lamba tamin’ny nandevenana Azy, ary ilay mofo sy ilay rano dia maneho ny tenany sy ny rany.

Tamin’ny fahatsoram-po sy ny fo manontolo dia nanavao ny fanekempihavanana nataoko tamin’ny batisako aho ary nanonona vavaka tao am-po, nangataka ny fanampian’ny Ray any An-danitra ary nanao fanolorantena ny hahafoy io fahotana io. Nisy zavatra nitranga avy eo izay tsy neritreretiko hitranga mihitsy. Niala tanteraka ilay faniriako hanota. Nanandrana nanao izany indray aho ary dia toy izany ihany koa no nitranga tamin’ireo fahotana hafa. Tsara loatra ve izany ka tsy nampino?

Mampifanaraka ny sitrapoko amin’ny Azy

Ny herinandro nanarak’izay dia fantatro ny fahotana tokony havelako eo amin’ny latabatry ny fanasan’ny Tompo, kanefa tsy nahatsapa ho vonona ny hiala tamin’izany aho. Rehefa manao jery todika aho dia tsapako fa tsy tamin’ny toerana tokony ho nisy azy ny foko. Tsy tena ampy ny fahatsoram-poko ka tsy afaka ny hanolo-tena ny hiova aho. Kanefa tsapako fa tena nandratra ny Ray any An-danitra ilay fahotana. Fantatro fa nila nampifanaraka ny sitrapoko tamin’ny Azy aho ary nampifantoka ny fiainako taminy raha te ho afaka. Noho izany dia nanao izay fara-heriko aho mba hahatanteraka izany.

Nialako avokoa izay fakam-panahy mety hitondra ahy tamin’izany fahotana izany. Novaiko ny fomba famakiko ny soratra masina isan’andro ary tena nisaintsaina azy ireny aho ary nampihariko tamin’ny fiainako izy ireny. Nifantohako ny mba ho hahitsy fo aman-tsaina amin’ny fanolorantena hiova ary nikatsaka isan’andro ny hahafantatra ny sitrapon’ny Tompo mihoatra ny sitrapoko manokana aho. Napetrako ho lohalaharana Izy satria fantatro fa tsy afaka ny hiala tamin’izany fahotana izany aho raha tsy nisy ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy. Rehefa nanohy nametraka Azy ho lohalaharana aho dia afaka namela ilay fahotana teo amin’ny latabatry ny fanasan’ny Tompo. Afaka tamina zavatra izay nangeja ahy an-taonany maro ihany aho tamin’ny farany.

Tamin’ny alalan’izany dingana izany dia nanatona kokoa ny Raiko any An-danitra sy ny Mpamonjiko aho. Naka sary an-tsaina Azy Ireo mijery ahy tamim-paharetana sy tamim-pitiavana avy any ambony nandritra izay taona maro izay aho, amin’ny fahafantarana fa hiala amin’ireo fahotana izay nanakana ahy tsy handroso ara-panahy aho amin’ny farany. Ary rehefa vonona ny hahafoy azy ireo aho dia ho eo i Jesoa Kristy hanandratra ahy, handray ahy amin’ny tanako ary hanolotra famelan-keloka sy tanjaka ho ahy. Efa nanolotra fomba iray hanafahana ahy amin’ny fahotako Izy tamin’ny alalan’ny Sorompanavotany. Efa nefainy ny saran’ny fahalemeko sy ny fahadisoako ary ny fahotako. Nila natoky Azy fotsiny aho.

Afaka mandroso ianao

Nandritra izay fotoana izay dia namaky ny tenin’ny Loholona Richard G. Scott (1928–2015) tao amin’ny Kolejin’ny Apôstôly Roambinifolo izay nanome ilay tosika kely nilaiko aho: “Raha toa ka mikorontana ny fiainanao ary mahatsiaro miferinaina sy tsy mendrika ianao … , dia aza manahy. Efa fantany avokoa ny momba izany. Miandry anao handohalika am-panetrentena Izy ary hanao ny dingana voalohany. Mivavaha mba hahazoana tanjaka … Mivavaha mba hirotsaka ao am-ponao ny fitiavan’ny Mpamonjy.”1

Rehefa nihira ny “Merveilleux l’amour” (izay hira ao amin’ny fihirana tiako indrindra) izahay, dia toy ny hoe marina avokoa ny teny rehetra. Tena talanjona tokoa aho, talanjona satria nesorina tamiko ireo zavatra nanahirana ahy nandritra ny folo taona mahery. Talanjona satria noho ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy dia afaka ny handroso aho. Satria afaka manasitrana ny fahotana sy ny ratra rehetra Izy ary tsy mamela takaitra izany. Satria tsy nila nohazonin’ny lasako aho.

Mbola betsaka ny zavatra ilaiko ianarana sy resena saingy ny fiainako dia lalana mitondra ahy hisondrotra hatrany. Mahatsapa fifaliana sy fiadanana kokoa aho. Maneho fankasitrahana kokoa aho. Manakaiky kokoa ny Ray any An-danitra sy ny Mpamonjy aho ary manamafy ny fijoroana ho vavolombelona ananako momba Azy Ireo. Isaky ny misafidy ny hanandrana indray aho isan’andro dia mahatsapa ho manatona kokoa Azy Ireo sy ilay karazan’olona izay fantatr’izy ireo fa mety hahatongavako.

Fanamarihana

  1. Richard G. Scott, “True Friends That Lift,” Ensign, nôv. 1988, 77.

Hamoaka printy