Fihaonamben’ny Mpanabe ara-pivavahana ao amin’ny DFF
Mianara Amiko


Mianara Amiko

Takariva hiarahana amin’ny Loholona D. Todd Christofferson

Lahateny ho an’ireo mpanabe ara-pivavahana ao amin’ny DFF • 26 janoary 2018 • Tabernakelin’i Salt Lake

Feno fankasitrahana aho noho ny fahafahako miaraka aminareo anio alina. Mamelà ahy hanolotra fitiavana sy fankasitrahana ho anareo mpampianatra ny taranaka vao misondrotra ao amin’ny seminera sy ny institiota ary ny fanabeazana ara-pivavahana ao amin’ireo sekoly sy oniversiten’ny Fiangonana. Tiako ianareo, ary feno fankasitrahana aho noho ny asa mahafinaritra ataonareo. Feno fankasitrahana ihany koa aho amin’ny fianakavianareo sy ny fanohanana omen’izy ireo anareo. Fitahiana lehibe ho an’ireo zatovo sy tanora tokan-tena ampianarinareo ianareo.

Anio alina aho dia te hizara aminareo ny eritreritra iray izay inoako fa hanampy anareo eo am-pikatsahanareo ny fanampiana ny mpianatrareo hianatra lalina ao amin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy. Ny fianarana lalina ao amin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy, fianaran’ny fo sy ny fanahy manontolo, dia mitranga rehefa mampitombo ny fahafahany manao ireto zavatra anankitelo ireto ny mpianatra:

  1. Mitombo ny fahalalana sy fahatakarana ny filazantsara, amin’ny sain’izy ireo sy ny fon’izy ireo.

  2. Miorina avy amin’izany fahalalana izany mba hampitombo ny fahaizana manao zavatra mahomby sy ara-pahamarinana.

  3. Mikolokolo ireo toetra tahaka ny an’i Kristy mba hitovizana bebe kokoa amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy Zanany.

Manolotra fanasana mba hianatra lalina i Jesoa Kristy Tompo ao anatin’ny soratra masina anankiroa. Ny voalohany dia ao amin’ny Matio 11:28–29: “Mankanesa aty amiko, hianareo rehetra izay miasa fatratra sy mavesatra entana, fa Izaho no hanome anareo fitsaharana. Ento ny ziogako, ka mianara amiko; fa malemy fanahy sady tsy miavona am-po Aho; dia hahita fitsarahana ho an’ny fanahinareo hianareo.”1

Ny faharoa dia ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 19:23:  “Mianara Amiko ary henoy ny teniko; mandehana amin’ny fahalemem-panahiko, dia hanana ny fiadanana ao Amiko ianao.”2

Ireo andalan-tsoratra masina anankiroa ireo dia samy ahitana ilay fanasana omen’ny Tompo manao hoe: mianara amiko. Araka ny fanamarihana nomen’ny Loholona Neal A. Maxwell taona maro lasa izay, dia mifototra amin’ny hery manavotry ny Tompo Jesoa Kristy io fanasana io ary fanasana mba hianatra lalina izany. Nilaza ny Loholona Maxwell hoe: “Betsaka ny fomba voafaritra tsara hahafahantsika mampihatra amin’ny tenantsika manokana … ireo soratra masina momba an’i Jesoa Kristy sy ny Sorompanavotana, saingy ny rehetra amin’izany dia voarakotra ao anatin’izao manaraka izao: -Ento ny ziogako, ka mianara amiko-3 Raha ny marina dia tsy misy fomba hafa hahafahana mianatra lalina! ”4

Ny hany fomba hahafahana mianatra lalina dia ny fomban’ny Tompo, izany hoe avy amin’ny fanambarana sy aingam-panahy amin’ny alalan’ny herin’ny Fanahy Masina, amin’ny fandalinana sy fiezahana amim-pahavitrihana sy amim-pahazotoana, ary amin’ny fifampianarana hatrehan’ny fahasoavan’i Jesoa Kristy.5

Midika izany fa ny fanasan’ny Mpamonjy manao hoe “mianara amiko” dia mirakitra heviny anankiroa mifampiankina izay mifanaraka amin’ny fomba kanto tokoa amin’ny fomban’ny Tompo mahakasika ny fianarana lalina.

Ny hevitra voalohany ho an’ny hoe “mianara Amiko” dia: Mianara mahafantatra ahy.

Mianatra mahafantatra an’i Jesoa Kristy isika avy amin’ny fananana finoana Aminy sy ny fitodihana any Aminy mba hibebaka,  ny fikatsahana ny famelany sy ny heriny manavotra, ary  ny fitandremana ireo didiny. Ny mahafantatra Azy dia ny hoe naterany ara-panahy, niaina fiovan’ny fo mahery vaika, lasa zanakalahy sy zanakavaviny. Ny mianatra mahafantatra an’i Jesoa Kristy dia mampisokatra ny fontsika sy ny saintsika amin’ny fanentanan’ny Fanahy Masina ary manome antsika antoka ny amin’ny fitiavan’ ny Tompo.

Ny hevitra faharoa ho an’ny hoe “mianara Amiko” dia: mianara avy amiko.

I Jesoa Kristy Tompo dia mahafantatra tsara ny zavatra ilaintsika manokana. Ny fahalalany sy ny fahatakarany, ny faharanitan-tsainy sy ny toetrany dia samy tonga lafatra sy feno avokoa. Eo am-pilofosantsika tanteraka ao amin’ny soratra masina dia mianatra avy amin’ny ohatra tonga lafatra asehony isika. Noho Izy maneho ireo toetra amam-panahy tsirairay avy araka an’ Andriamanitra dia tokony hifantoka Aminy ny fandalinantsika ny filazantsara. Eo am-pahafantarantsika Azy bebe kokoa dia mampanantena ny hanampy antsika mba hianatra lalina avy Aminy Izy. Mazava ho azy fa tsy maintsy mandeha araka ny finoana an’i Jesoa Kristy isika rehefa manao ny anjarantsika, saingy rehefa manao izany isika dia mampanantena Izy fa hanome antsika fahalalana sy hampavitrika ny fahatakarantsika amin’ny alalan’ny Fanahy Masina. Mampanantena ny hampivelatra ny fahafahantsika manao asa araka ny fahamarinana sy manampy antsika mba ho lasa tahaka Azy bebe kokoa Izy. Izany no fianarana lalina.

Izaho sy ianao dia mahafantatra fa marina izany zavatra izany. Raha toa isika mahatoky dia hampianatra antsika andalana anampy andalana sy fitsipika anampy fitsipika mandritra ny fiainantsika manontolo ny Tompo.

Ry rahalahy sy anabaviko malala, manasa anareo aho handray tsara ao am-ponareo ny fanasan’ny Mpamonjy mba hianatra Aminy. Rehefa manao izany ianareo dia hianatra lalina, dia hanampy ny mpianatrareo hianatra lalina ihany koa ianareo. Manasa anareo ihany koa aho hijoro ho vavolombelona amin’ny anaran’ny tenanareo mihitsy ny amin’ireo fahamarinana mandrakizay ireo. Tena hahery vaika tokoa amin’ny mpianatrareo ny hahare anareo hijoro ho vavolombelona momba ny zavatra niainanareo manokana momba ny fahafantarana ny Tompo sy ny fianarana Aminy.

Koa faranako ny teniko anio alina amin’ny alalan’ny fijoroako ho vavolombelona manokana. Fantatro fa velona Andriamanitra, ary i Jesoa no Kristy! Fantatro avy amin’ireo zavatra niainako manokana sy avy amin’ny fanambarana amin’ny alalan’ny Fanahy Masina ny fitiavan’ny Mpamonjy sy ny heriny manavotra. Mampihetry sy mitondra fifaliana ny hoe ampianarin’ny Tompo Jesoa Kristy. Mijoro ho vavolombelona aho fa marina ireo fampanantenany. Tena misy ny fianarana lalina ary tombotsoa ho antsika sy tombontsoa ho an’ireo mpianatsika malala izany. Izany no ijoroako ho vavolombelona, amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.

Hamoaka printy