Fihaonamben’ny Mpanabe ara-pivavahana ao amin’ny DFF
Maharitra ny fahamarinana


Maharitra ny fahamarinana

Takariva hiarahana amin’ny Loholona D. Todd Christofferson

Lahateny natao ho an’ireo mpanabe ara-pivavahana ao amin’ny DFF • 26 janoary 2018 • Salt Lake Tabernacle

Misaotra ny Raiko any An-danitra aho noho ny fahafahana ananako miaraka aminareo anio alina. Feno fankasitrahana aho noho ny Loholona Kim B. Clark sy Rahalahy Chad H Webb. Mankasitra an’ireo rehetra izay voatonona anarana tamin’ity takariva ity na ireo izay voatanisa ao amin’ny fandaharam-potoana voatonta aho. Mankasitraka tanteraka ny Departemantan’ny Fampianarana an’ny Fiangonana sy ny seminera sy institiota aho. Mankasitraka feno an’ireo rehetra izay manompo aho: dia ireo mpiara-miasa sy mpirotsaka an-tsitrapo ary ireo rehetra izay mandray anjara. Mino aho fa ny fanompoana ataonareo dia tena manan-danja sy sarobidy indrindra ho an’ny mpikamban’ny Fiangonana, indrindra fa ho an’ny taranaka vao misondrotra tsirairay, ary feno fankasitrahana anareo aho.

Amin’ity takariva ity aho dia te hiresaka aminareo mikasika ny fahamarinana. Ny Sampan-draharaha misahana ny Fampianarana an’ny Fiangonana dia natokana amin’ny fampianarana sy ny fampiharana ny fahamarinana, indrindra ireo fahamarinana tena manan-danja sy fototra izay iorenan’ny fiainana mandrakizay. Zava-dehibe foana hatrizay ny mampianatra ny fahamarinana, tsy ny mampianatra irery ihany fa ny miaro izany ihany koa, ary amin’izao androntsika izao dia toa mitombo ny filana izany.

Tadidintsika rehetra ny resaka ao amin’ny Jaona raha nadinina teo anoloan’i Pilato i Jesoa ka nanambara fa tonga teto amin’izao tontolo izao Izy mba “hanambara ny marina. Izay rehetra avy amin’ ny marina,” hoy i Jesoa, “dia mihaino ny feoko.”1 Tsy dia nino loatra i Pilato no namaly hoe: “Inona no marina?”2 Toa fanontaniana tsy mitady valiny akory ny fahitana izany. Mety tsy nino izy hoe misy ny fahamarinana, na angamba rehefa avy niaina tao anatin’ny komiberaka ara-politika dia tsy nanantena intsony ny ho afaka mahafantatra hoe inona no tena marina. Na izany aza dia tsara ny fanontaniany, fanontaniana izay tokony hoeritreretintsika.

Tao anatin’ilay vavaka fanalalanana nataony nandritra ilay Fanasana Farany ny Tompo dia nanamarina fa ny tenin’ny Ray dia fahamarinana.3 Nambarany fa ny rakitsoratra na ny tenivavolombelon’ny Fanahy Masina dia fahamarinana, ary “ny fahamarinana dia mitoetra mandrakizay mandrakizay.”4 Ny Ray sy ny Zanaka dia samy nambara ho “feno fahasoavana sy fahamarinana.”5 Tamin’ny alalan’ny faminaniana nomena ny Mpaminany Joseph Smith ny Mpamonjy dia nanome famaritana, angamba ny famaritana farany tsotra sy mazava indrindra azo omena momba ny fahamarinana: “Ary ny fahamarinana dia fahalalana ny zavatra araka ny maha-izy azy, sy araka ny naha-izy azy ary araka ny haha-izy azy.”6

Na dia tsotra aza izany famaritana izany, ny zava-misy dia ny hoe raha tsy misy ny fanampian’ny lanitra dia tsy afaka ny ho mivelatra be ny fahatakaran’ny olombelona ny fahamarinana. Toy izao no nanazavan’i Chauncey C. Riddle, profesora tao amin’ny BYU, azy:

“Tsy misy olombelona afaka manana ny fahamarinana momba ny fandehan-javatra amin’izao sy taloha ary amin’ny hoavy raha tsy ampahany kely ihany. Ary satria amin’ny alalan’ny fifan-draisan-javatra no ahatakarantsika zavatra, dia tsy afaka ny hahatakatra tanteraka izany [ampahana fahamarinana] kely izay atao hoe fantatsika izany isika amin’ny maha-olombelona antsika, satria rehefa ampifandraisina amin’ny zava-drehetra sy ny zavatra rehetra lasa sy ankehitriny ary ho avy ihany ilay ampahany kely vao misy dikany feno.

“Ny fahamarinana noho izany dia zavatra izay ireo andriamanitra, izay mahay ny zavatra rehetra sy izay mahita sy mahafantatra ny zavatra rehetra lasa sy ankehitriny ary ho avy irery ihany no mahazo azy.”7

Dia notohizan’ny Profesora Riddle ihany hoe:

“Mba hanavotana ny olombelona amin’izany fahafahana voafetra hahafantatra ny fahamarinana izany dia nanome antsika an’i Jesoa Kristy Mpamonjy antsika sy ny Fanahy Masina ny Raintsika. Ny Mpamonjy antsika dia manome ny olona rehetra teraka eto amin’ity izao tontolo izao ity ny Fahazavan’i Kristy, izay manome fahafahana azy ireo manavaka ny tsara amin’ny ratsy. … Raha mandray sy mitia ny Fahazavan’i Kristy ny olona iray, ary mianatra mizatra mampiasa izany ho fanavahana ny tsara amin’ny ratsy, dia ho vonona izy ny handray ny tenivavolombelon’ny Fanahy Masina. … Ny olona iray izay nahazo [ny fanomezana ny Fanahy Masina] dia manan-jo hanana ny Fanahy Masina ho namana lalandava. Ny olona rehetra izay manana izany finamanana tsy tapaka izany dia manana ny fahamarinana rehetra. -Ary amin’ ny herin’ny Fanahy Masina dia azonareo fantarina ny fahamarinan’ny zava-drehetra [Môrônia 10:5].-”8

Nohamafisin’ny Mpamonjy izany tao anatin’ny filazana iray nandritra ilay Fanasana Farany: “Fa raha tonga ny Fanahin’ ny fahamarinana, dia Izy no hitari-dàlana anareo ho amin’ ny marina rehetra.”9 Hoy Izy tamin’i Joseph Smith, “Izay mitandrina ny [didiko] dia mandray fahamarinana sy fahazavana ambara-pahatonga azy hankalazaina ao amin’ ny fahamarinana sy hahafantatra ny zava-drehetra.”10

Ny zavatra voalohany tokony ho takatsika momba ny fahamarinana izany dia ny hoe, ny fahalalana ny fahamarinana na amin’ny ambaratonga inona na amin’ny ambaratonga inona dia mitaky ny fanampian’ny lanitra, na izany amin’ny alalan’ny Fahazavan’i Kristy na amin’ny alalan’ny fanampian’ny Fanahy Masina. Raha tsy ampian’ny fanambarana isika, amin’ny fahafahana sy ny loharano ananantsika amin’ny maha-olombelona antsika, dia tsy afaka ny hahazo fahalalana momba ny zavatra araka ny naha-izy azy na araka ny maha-izy azy na araka ny haha-izy azy tsotra izao isika.

Na izany aza, dia nanoro hevitra an’i Joseph Smith Mpaminany ny Tompo mba “handinika sy hianatra ary hifankazatra amin’ny boky tsara rehetra, ary amin’ny fiteny sy ny teny ary ny olona.”11 Ary nitariny ho antsika izany torohevitra izany manao hoe “katsahonareo ao amin’ny boky tsara indrindra ny teny fahendrena [na koa azontsika lazaina hoe “fahamarinana”]; katsahonareo ny fianarana amin’ny alalan’ny fandinihana ary koa amin’ny alalan’ny finoana.”12 Ary izany hoy Izy dia tokony hataontsika “fatratra.”13  Tsy maintsy manao ny ezaka tsara indrindra azontsika atao isika, ary tafiditra amin’izany ezaka tsara izany ny fampiharana finoana, ny mangataka sy mitady ary mandondona mba hovohana amintsika ny fahamarinana sy ny fahazavana izay azo avy amin’ Andriamanitra.14 Izany dia “fianarana lalina,” araka ny nofaritan’ny Loholona Kim Clark azy anio hariva.

Mino aho fa ny ankamaroan’ny fahamarinana, raha tsy izy rehetra, izay mety ho hitantsika dia azo avy amin’ny alalan’ny fanampian’ny lanitra, na ho tsapantsika izany na tsia. Hoy ny Filoha Boyd K. Packer raha nanoratra momba ny Fahazavan’i Kristy na ny Fanahin’i Kristy:

“Ny Fanahin’i Kristy dia afaka manazava ny mpamoron-javatra, ny mpahay siansa, ny mpanao hosodoko, ny mpanao sary sokitra, ny mpamorona tiona, ny mpandrindra sehatra, ny mpanao mari-trano, ny mpanoratra, mba hanao zavatra lehibe ary mety ho zavatra nentanim-panahy mihitsy mba ho fitahiana sy soa ho an’ny olona rehetra.

“Io Fanahy io dia afaka mitaona ny mpamboly ao amin’ny sahany na ny mpanjono eny ambonin’ny sambony. Izany dia afaka manentana ny fanahin’ny mpampianatra ao amin’ny kilasiny, ny misiônera rehefa maneho ny fampianarany. Afaka manentana ny fanahin’ireo mpianatra izay mihaino izany. Ary ny tena manan-danja indrindra dia afaka manentana ny fanahin’ny mpivady sy ny ray aman-dreny izany.”15

Isika, raha ampitahaina amin’ny olona rehetra, dia tokony hanetry tena sy hiaiky fa tsy ny fanavotana ihany no tonga amin’ny alalan’ny fahasoavana “rehefa ataontsika ny zavatra rehetra azontsika atao” fa toy izany koa ilay ampahana fahamarinana kely izay ananantsika dia tonga amin’ny alalan’ny fahasoavana “rehefa ataontsika ny zavatra rehetra azontsika atao.”16 “Fa fahamarinana ny tenin’ny Tompo, ary izay rehetra fahamarinana dia fahazavana, ary izay rehetra fahazavana dia Fanahy, dia ny Fanahin’i Jesoa Kristy.”17

Vakiako izao ny nolazain’ny Mpamonjy: “ny fahamarinana dia mitoetra mandrakizay mandrakizay.”18 Ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana fizarana 93 ny Tompo dia milaza hoe: “Ny fahamarinana rehetra dia mahaleo tena ao amin’ ilay sehatra efa nametrahan’ Andriamanitra azy mba hihetsika ho azy, toy izany koa ny faharanitan-tsaina rehetra; fa raha tsy izany dia tsy misy ny fisiana.”19 Raha ny fahazoako azy dia midika izany fa ny fahamarinana rehetra, tafiditra amin’izany ny fahamarinana izay mitantana ny sehatra misy antsika amin’izao, dia manana fisiana sady mahaleo tena no mitokana. Tsy voakasiky ny zavatra tiako na ny hevitrao izany. Tsy miankina amin’ny izay ezaka hifehy sy hanova azy izany. Tsy afaka ny ho voasarika na ho voataona izany na amin’ny fomba ahoana na amin’ny fomba ahoana. Zava-misy tsy miova izany.

Nilaza ny Mpamonjy fa raha tsy misy ny fisian’io fahamarinana io “dia tsy misy ny fisiana.”20 Mino aho fa ity no tao an-tsain’i Lehia raha nampianatra izy hoe:

“Raha milaza ianareo fa tsy misy lalàna [ny lalàna izay ampiasaina eto dia mitovy hevitra amin’ny hoe fahamarinana, fahamarinana izay –mahaleo tena ao amin’ilay sehatra efa nametrahan’ Andriamanitra azy–], dia milaza koa ianareo fa tsy misy ota [ota izay tsy fankatoavana ny lalàna]. Raha milaza ianareo fa tsy misy fahotana, dia milaza koa ianareo fa tsy misy fahamarinana [fahamarinana izay fankatoavana ny lalàna; raha amin’ny teny hafa dia hoe raha tsy misy ny lalàna na ny fahamarinana dia tsy misy zavatra hankatoavina na dikaina]. Ary raha tsy misy fahamarinana dia tsy misy fahasambarana [fahasambarana izay vokatry ny fahamarinana]. Ary raha tsy misy na fahamarinana na fahasambarana, dia tsy misy na famaizana na fahoriana [famaizana sy fahoriana izay vokatry ny fahotana]. Ary raha tsy misy ireo zavatra ireo, dia tsy misy Andriamanitra. Ary raha tsy misy Andriamanitra, dia tsy misy na isika na ny tany; satria tsy ho nisy ny fahariana ny zavatra na ny mihetsika na ny hetsehina izany; noho izany dia tsy maintsy ho nanjavona ny zava-drehetra.”21

Noho ireo zavatra ireo izany dia fantatsika fa misy ny fahamarinana, izay maneho zava-misy tsy miova sy tsy azo hozongozonina, ary raha tsy misy fanampiana dia kely ny fahamarinana izay azon’ny olombelona fantarina. Fantatsika fa isika dia miankina amin’ny fanampian’ny fanambarana avy any an-danitra raha hianatra “ny fahamarinan’ny zava-drehetra”22 ary miankina amin’ny fahamarinana isika sy Andriamanitra raha hanao zavatra na hamorona zavatra, “fa raha tsy izany dia tsy misy ny fisiana.”23 Mianatra ihany koa isika any amin’ny toerana hafa fa ny fahamarinana dia tsy mifanohitra amin’ny fahamarinana, fa ny fahamarinana rehetra dia azo atambatra ho zavatra lehibe iray manontolo.

Aiza ary izao no misy antsika amin’izao tontolo izao ankehitriny rehefa mikatsaka ny hampianatra sy hilaza ny fahamarinana isika, indrindra fa ny fahamarinana ara-panahy?

Any amin’ny toerana maro amin’izao tontolo izao dia lasa mahazo vahana kokoa ny fisainana mpandala ny fifandraisan-javatra. Ny tiako holazaina amin’ny hoe mpandala ny fifandraisan-javatra dia ilay fijery hoe ny fahamarinana ara-pitondrantena dia mifandray amin-javatra, miankina amin’ny toetra sy ny fahatsapan’ireo izay manana azy, ary tsy misy olona afaka mitsara ny maha-tena misy ny “fahamarinana” any amin’ny hafa. Mahare resaka imbetsaka ianareo tato ho ato mikasika ny hoe “fahamarinako” sy ny hoe “fahamarinany.” Nofaritan’ilay mpanao gazety David Brooks io karazana fisainana io, raha namaky ny boky Lost in Transition nosoratan’i Christian Smith, mpandalina momba ny fiaraha-monina tao amin’ny Notre Dame sy ny hafa izy. Tatitra avy amin’i Brooks:

“Ny valinteny matetika misy, izay averin’ny ankamaroan’ [ireo izay nohadihadian’i Smith] ombieny ombieny, dia hoe ny safidy ara-pitondran-tena dia miankina amin’izay tian’ny tsirairay fotsiny. -Zavatra mahakasika ny tena manokana izany,- hoy ny famalin’ireo anontaniana. -Safidin’ny tsirairay izany. Fa iza moa aho no hitsaratsara?-

“Raha nandà ny fanoavana an-jambany ny fahefana, dia maro tamin’ireo tanora no nirona tany amin’ilay zavatra mihoapapana iray: -Ho ataoko izay neritreretiko fa hahafaly ahy na izay fahatsapana nananako. Tsy mahalala fomba hafa aho hahafantarana ny tokony ho ataoko ankoatry ny zavatra tsapako ao anatiko.-

“Maro no mailaka ery niresaka ny fahatsapany ara-pitondrantena kanefa nisalasala ny hampifandray ireo fahatsapana ireo amin’ny fisainana mivelatra kokoa mahakasika ny sehatra na adidy ara-pitondrantena iraisana iray. Araka ny nolazain’ny olona iray izay hoe: -Ny tiako holazaina dia hoe, mieritreritra aho fa ny mampety ny zavatra iray dia ny fahatsapako mahakasika an’io zavatra io. Fa ny olona hafa dia manana fahatsapana hafa, koa tsy afaka ny hilaza eo amin’ny toeran’ny hafa mihitsy aho ny amin’ny hoe inona no mety ary inona no tsy mety.-”24

Mihevitra aho fa ianareo dia samy hanaiky avokoa fa ny filôzôfia momba ny toe-tsaina ara-pitondrantena mandala ny fifandraisan-javatra dia mahazo bahana be amin’izao androntsika izao. Lasa fenitra tsy azo iadian-kevitra amin’ny resadresaka sy ny fitondrantena ny hoe “tsy hoe mitsara.” Nefa raha ny marina dia mitsara avokoa isika rehetra ny amin’ny hoe inona no mety sy ny tsy mety, ary tsy amin’ny tenantsika manokana ihany fa amin’ireo olona sy ny fiarahamonina manodidina antsika. Ny lalàna sy ny rafitry ny lalàna, eny fa na dia ny rafitra ara-pôlitika aza, dia ahitana taratra ny soatoavina ara-pitondrantena sy ny fahamarinana ekena. Ao anatin’ny fiarahamonina misy fahalalahana amin’ny zavatra inoana dia mety hiady hevitra isika momba ny hoe inona no soatoavina tokony ho tafiditra ao anatin’ny lalàna na ny fitsipika ary inona no mety na tsy mety na marina, saingy amin’ny farany, amin’izay resaka mandeha, dia ny fijerin’olona iray na ny fijerin’ny vondron’olona iray no hanan-kery ka ho voafatotr’izany ny tsirairay.

Tsy mandeha tsotra izao ny toe-tsaina ara-pitondrantena mandala ny fifandraisan-javatra raha natao hisy filaminana sy fahamarinana ny fiarahamonina. Mety ho ratsy amin’ny olona ve ny famonoana olona nefa tsara amin’ny sasany? Mahazo mitazona ny zavatra angalariny ve ny mpangalatra iray ary mbola manohy mangalatra hatrany satria mino izy fa ny fangalarana dia mety aminy, indrindra fa satria izy lehibe tao anatin’ny toe-piainana tsy zarizary? Na raha mijery ny zavatra tena miseho amin’ny vaovao amin’izao dia azon’ny lehilahy iray atao ve ny manao herisetra amin’ny vehivavy iray satria hitany mifanaraka tsara amin’ny fijeriny manokana ny mety sy ny tsy mety izany?

Mety hiteny ianareo hoe “zavatra efa ekena amin’ny ankapobeny ho tsy mety no resahinao. Misy ny soatoavina ara-pitondrantena izay tsy noforonina tsy misaraka amin’ny fisian’ny olombelona, izay fototra iorenan’ireo lalàna manohitra ny famonoana olona, ny fanolanana, ny halatra, ary ireo fihetsika hafa izay mandratra olona na manakana ny fikatsahany ara-dalana ny fahasambarana. Izany dia ny zon’olombelona izay tena manan-danja sy iraisam-pirenena, izay mandà ny zon’ny olona iray ho amin’ny mifanohitra amin’izany. Ambonin’ireo zon’olombelona nekena ireo ihany vao mihatra ny toe-tsaina ara-pitondrantena mandala ny fifandraisan-javatra, izay ahafahan’ny olona tsirairay mamaritra ho an’ny tenany ny mety sy ny tsy mety.” Saingy io fomba fisainana io dia manasongadina ny hoe misy tokoa ny fitsipi-pitondrantena tsy miankina, na antsoinareo hoe zon’olombelona iraisam-pirenena izany na zavatra hafa. Farafaharatsiny misy ny fahamarinana sy ny fomba fijery ara-pitondrantena sasany izay tsy miankina amin’ny zavatra irin’ny tena na tian’ny tena. Ny hany adihevitra raha ny tena marina dia ny hoe inona izy ireo ary hatraiza ny fetrany. Ny lazaintsika amin’ny hoe toe-tsaina ara-pitondrantena mandala ny fifandraisan-javatra raha ny marina dia adihevitra mitohy momba ny fandeferana: Fihetsika inona sy tsy fitoviana inona eo amin’ny fiarahamonina sy ny fifandraisan’ny olombelona no tokony ho leferina?

Ny antsontsika, izay mihamanan-danja hatrany amin’ity sehatra ity, dia ny mampianatra ny fahamarinana momba ny toetra ara-pitondrantena: inona izy ireo ary hatraiza ny fetrany. Manome lanjany ny fahamarinana isika raha ny amin’ny lohahevitra sasany, saingy fahamarinana mandrakizay, indrindra fa rehefa mitondra fiantraikany amin’ny lanja sy ny tanjon’ny fiainana sy ny fitondrana izany izay tokony ho azontsika amin’ Andriamanitra izany. Amin’ny ankapobeny ny olona manana toe-tsaina ara-pitondrantena mandala ny fifandraisan-javatra dia tsy mahita ny anjara asa na ny maha-zava-dehibe an’ Andriamanitra amin’ity resaka ity ary matetika misalasala ny amin’ny fisiany. Hafahafa be amin’izy ireo raha misy Izy ary vao mainka mihoatra izany raha toa ka miresaka amin’ny olona Izy. Rehefa tsy misy ihany Andriamanitra izay vao mety hieritreritra ny fahamarinana ho mifandray amin-javatra ny olona iray.

Vao tsy ela ny Pew Research no nitatitra fa vao sambany ny ankamaroan’ny amerikana (56 isan-jato) no milaza fa tsy ilaina ny manana finoana ara-pivavahana mba hahatongavana ho olona tsara. “-Andriamanitra dia tsy zavatra takiana mba hananana soatoavina sy toe-tsaina tsara,- hoy i Greg Smith, tale mpanampy misahana ny fikarohana ao amin’ny Pew, tao amin’ny famoahana iray momba ireo zavatra hita.”25

Azoko antoka fa isika dia hanaiky fa ny olona izay tsy mino an’ Andriamanitra na raha tsy izany dia tsy ao anatina antokom-pinoana na antokom-pivavahana, dia afaka ny ho olona tsara sy marina, ary ny ankamaroany dia toy izany. Saingy tsy hanaiky isika raha hoe mitranga tsy misy an’ Andriamanitra izany. Araka ny voalaza teo aloha, na ho tian’ny olona iray izany na tsia, na hinoany izany na tsia, na fantany izany na tsia, izy dia feno ny Fahazavan’i Kristy ka noho izany dia manana fomba fijery mitovy ny zavatra mety sy tsy mety izay antsointsika matetika hoe ny feon’ny fieritreretana. Hoy ny Mpamonjy, “Izaho no fahazavana marina izay manazava ny olona rehetra izay tonga eo amin’izao tontolo izao.”26 Mamaky ihany koa isika hoe: “Ary ny Fanahy dia manome fahazavana ho an’ny olona rehetra izay tonga eo amin’izao tontolo izao; ary ny Fanahy dia manazava ny olona rehetra manerana izao tontolo izao, izay mihaino ny feon’ny Fanahy”27

Ny filoha Boyd K. Packer tao amin’ilay lahatsoratra nolazaiko teo aloha dia nampianatra hoe:

“Ny lehilahy rehetra, ny vehivavy rehetra, sy ny ankizy avy amin’ny firenena, fivavahana, na volon-koditra rehetra—ny olon-drehetra, na aiza na aiza izy no mipetraka na inona inoany na inona ataony—dia manana ilay Hazavan’i Kristy tsy mety lo ao anatin’izy ireo. Eo anatrehan’izany zavatra izany dia nohariana mitovy avokoa ny olon-drehetra. Ny fisian’ny Hazavan’i Kristy ao amin’ny olon-drehetra dia fijoroana ho vavolombelona fa tsy mifidy tavan’olona Andriamanitra (jereo ny F&F 1:35). Raisiny amin’ny fomba mitovy ny olon-drehetra ao amin’izany fanafiana amin’ny Fahazavan’i Kristy izany.”28

Ny Fahazavan’i Kristy izay misy ao amin’ny olombelona rehetra no tao an-tsain’i Lehia raha nanambara izy hoe: “Ary ampy tokoa ny fahalalan’ ny olona mba hahalalany ny tsara amin’ ny ratsy.” … Ary satria avotana amin’ ny fahalavoana izy dia efa tonga afaka mandrakizay, mahalala ny tsara sy ny ratsy; mihetsika ho azy fa tsy etsehina.”29 Namporisika i Môrmôna hoe: “[Tadiavo] amim-pahazotoana tokoa ao amin’ ny hazavan’ i Kristy mba hahazoanareo manavaka ny tsara amin’ ny ratsy; ary raha hazoninareo avokoa ny zavatra tsara ary tsy melohinareo izany, dia ho tonga zanak’ i Kristy tokoa ianareo.”30

Tena manimba ny toe-tsaina ara-pitondrantena mandala ny fifandaisan-javatra rehefa manao zavatra hampihena ny feon’ny fieritreretana izany. Rehefa ekena sy arahina ny feon’ny fieritreretana dia hitondra antsika ho amin’ny fahazavana sy fahamarinana lehibe lavitra izany. Fa ny tsy firaharahiana sy ny fanesorana ny feon’ny fieritreretana dia mazava ho azy fa mitondra ny olona hanalavitra ny fahazavana sy ny fahamarinana ka hankany amin’ny fandavana sy fahadisoana ary fanenenana. Ilay fiheverana hoe tsy misy ny fahamarinana tsy miova sy tsy mitanila dia tsy inona akory fa fiezahana mitsoaka andraikitra sy ny fandraisana andraikitra. Tsy izany no mitondra mankany amin’ny fahasambarana.

I J. Budziszewski, mpampianatra momba ny governemanta sy ny filôzôfia ao amin’ny Oniversiten’i Texas, Austin, dia nanoratra lahatsoratra mahaliana iray ho an’ny gazetiboky Katolika First Things izay mitondra ny lohateny hoe “The Revenge of Conscience.” Niresaka momba ny feon’ny fieritreretana izay anisan’ny lalàna voajanahary izy: “lalàna voasoratra ao am-pon’ny olombelona tsirairay.” Isika mazava ho azy dia hamaritra izany ho ny Hazavan’i Kristy. Na amin’ny fomba ahoana na amin’ny fomba ahoana ny fandinihana nataony momba ny fiezahana manaisotra ny feon’ny fieritreretana dia misy heviny lehibe.

Nanoratra izy hoe “ny fahalalantsika momba ireo fitsipika fototra [toy ireo izay ao anatin’ny didy folo] dia tsy ho hadino mihitsy. Izy ireo no lalàna tsy maintsy fantatsika foana.”31 Ny toe-tsaina ara-pitondrantena mandala ny fifandraisan-javatra dia mandà ny fisian’ireo fitsipika fototra ireo, na raha misy izany dia laviny ny maha-mety izany ho an’ny rehetra. Ny toe-tsaina ara-pitondrantena manaiky ny zava-misy dia milaza fa tsy tena mahafantatra ny fahamarinana isika, saingy mikatsaka izany amin-kitsimpo ary manao izay tsara indrindra azontsika atao, miezaka mijery ao anaty haizim-pito. Hoy i Budziszewski: “Tena mahafantatra tsara kokoa isika. Tsy manao izay tsara indrindra azontsika atao isika. … Amin’ny ankapobeny isika dia mahay manavaka ny mety amin’ny tsy mety, saingy tiantsika tsy ho fantatra izany. Manao izay hampinoana antsika ho mitady ny fahamarinana isika, mba hahafahantsika manao ny tsy mety, na mandefitra amin’ny ratsy, na manala ny nenina noho ny tsy mety natao tamin’ny lasa. Ny fitotonganantsika dia tsy noho ny tsy fahalalana ara-pitondrantena fa noho ny fandavana ny toe-tsaina ara-pitondrantena tsara. Tsy hoe tsy ampy fampianarana isika, fa -mpandà.- Tsy hoe tsy ampy fahalalana isika, fa tsy te handray izany.”32

Ny zavatra nofaritan’i Almà tamin’i Kôriantona zanany lahy amin’ny hoe “fanenenan’ ny fieritreretana”33 dia tena misy; ary i Budziszewski dia nilaza fa ny fiezahana mamafa ny feon’ny fieritreretana na manaisotra ny nenina, tsy misy fibebahana, dia tsy hahomby amin’ny farany. Hitantsika izany amin’ny olona izay milaza fa ny zavatra fantany fa ratsy dia tsy ratsy. Mety minia mamerimberina fahotana foana izy ireo sady miezaka manala ny feon’ny fieritreretana. Ny sasany dia mety hanaraka zava-mahavariana tsy tapaka amin’ny firotsahana tanteraka ao amin’ny tambazotra ifaneraserana, na ny jeux vidéo na ny fihainoana hira tsy tapaka eo amin’ny sofiny mba hialana amin’ny fotoana mangina izay mety hiresahan’ny fireritreretany. Hitantsika izany amin’ny fanamarinan-tena izay toa tsy misy fiafarany, na amin’ny isa na amin’ny famoronana. Nilaza izao iray izao i Budziszewski: “Milaza amin’ny tenako aho fa ny firaisana [ivelan’ny fanambadiana] dia mety satria hovadiako ilay olona miaraka amiko, na satria tiako hanambady ahy ilay olona miaraka amiko, na satria tiako hojerena raha toa ka mety ho sambatra izahay rehefa mifanambady, … [na] -Tsy mila fifanomezan-toky izahay satria mifankatia.-Lasa midika izany mazava ho azy fa ireo izay maniry [na mila] fampanantenana dia mitia amin’ny fomba maloto.”34

Ankoatra ny fihamboana sy ny fanalana andro ary ny fanamarinan-tena dia mety hisarika ny hafa handray anjara amin’ny heloka ny olona ho fomba fanamarinana ny tenany. Izy ireo dia “tsy manota miafina. Maka namana izy ireo.”35 Azontsika lazaina hoe i Satana no lehiben’ny mpampiditra, “satria katsahiny ny hahatonga ny olon-drehetra ho ory tahaka azy.”36 Ny tena mampanahy dia ireo izay manizingizina fa “tokony hovana ny fiarahamonina mba tsy hijoroana eo amin’ny fitsarana mahatsiravina intsony. Dia toy izany no hanovany ny lalàna, hisovohany any amin’ireo sekoly, ary hamoronany sampan-draharaha miaro ny fiarahamonina izay tsy nilaina.”37 Izany tokoa no nampitandreman’i Isaia hoe “Lozan’izay milaza ny ratsy ho tsara ary ny tsara ho ratsy! Izay manao ny maizina ho mazava ary ny mazava ho maizina! Izay manao ny mangidy ho mamy ary ny mamy ho mangidy!”38

Noho izany dia namintina i Budziszewski fa ny fiezahantsika mamafa ireo hery matanjaky ny fieritreretana sy hanamarina ny fahamelohana no manosika ny fiarahamonina hiala amin’ny fahamarinana ara-pitondrantena.39 Hampiako hoe, izany koa dia manazava ny fahatezerana izay tsy mitsaha-mitombo amin’izay adihevitra atao momba fitsipika sy ny fenitra ara-piarahamonina.

Hoy i Jesoa raha niresaka tamin’i Nikodemosy:

“Ary izao no fanamelohana, fa tonga amin’izao tontolo izao ny mazava, nefa aleon’ny olona ny maizina toy izay ny mazava, satria ratsy ny asany.

“Fa izay rehetra manao ratsy dia mankahala ny mazava sady tsy manatona ny mazava, fandrao hita miharihary ny asany.

“Fa izay manao ny marina kosa dia manatona ny mazava, mba haseho ny asany, fa atao amin’Andriamanitra izany.”40

Ny fiezahana manala ny feon’ny fieritreretana dia tsy hoe zava-poana fotsiny; fa raha mba mahatakatra ny zavatra amin’ny tena maha-izy azy marina ny olona, dia tsy hisy olona te hanandrana izany mihitsy. Nolazaiko tany am-piandohana ny zavatra nampianarin’i Lehia mikasika ny fiezahana mandositra ny famaizana sy ny fahoriana amin’ny fandavana ny fisian’ny fahotana: “Raha milaza ianareo fa tsy misy lalàna dia milaza ianareo … fa tsy misy ota.”41 Raha azontsika foanana ny lalàna, na ny fahamarinana, tahaka ny ezahin’ireo mpiady amin’ny feon’ny fieritreretana atao, dia afaka manaisotra tokoa ny fahamelohana na ny fanasaziana na ny fahoriana isika. Saingy tadidio, araka ny nampitandreman’i Lehia, fa raha tsy misy ny lalàna dia tsy hisy dikany ny fiainantsika. Mety hanafoana ny mety hisian’ny fahamarinana sy ny fahasambarana isika. Mety hanafoana ny famoronana sy ny fisiana isika. Mazava ho azy fa tsy misy dikany ilay hevitra hoe manafoana na manaisotra fahamarinana, saingy misy fomba iray hanesorana ny fahoriana sady mihazona ny fahafahana ho sambatra. Izany dia antsoina hoe ny fotopampianarana na ny filazantsaran’i Kristy: finoana an’i Kristy, fibebahana ary ny batisa, ny an’ny rano sy ny fanahy.42

Tsy maintsy manampy ny mpianatsika isika, amin’ny filazan’ny Mpamonjy azy hoe, “manao ny marina”43, izany dia manaiky amin’ny fo feno ny Fahazavan’i Kristy izay ao anatin’izy ireo ary mandray ilay fahazavana sy fahamarinana fanampiny izay avy amin’ny Fanahy Masina. Tsy hanao izany ny fanoherana sy ny fanamarinan-tena ary ny fihamboana. Ny fibebahana sy ny fankatoavana ny fahamarinana ihany no afaka manome ilay “fahamarinana” irin’ny maro. Ny fibebahana sy ny fankatoavana ny fahamarinana ihany no afaka miaro sy mampitombo ny fahasambarantsika sy ny fahafahantsika.

Tany am-piandohan’ny asako tamin’ny maha-mpahay lalàna ahy dia hitako manokana ny vokatry ny tsy firaharahiana ny feon’ny. Mpiraki-draharahan’ i John J. Sirica izay Mpitsaran’ny Distrika tany Etazonia tao Washington D.C. aho tamin’izay. Vao nanomboka taloha kelin’ny nanombohan’ny fiofanako ilay olana nitranga tamin’ny firenena izay fantatra amin’ny hoe Watergate, ary nameno ny fotoan’ny Mpitsara Sirica ny raharaham-pitsarana mahakasika ny Watergate, ary noho izany dia ny fotoako ihany koa, efa ho taona roa sy tapany manontolo mihitsy. Tsy hamerina ny antsipiriany momba izany aho fa hilaza fotsiny aho hoe tamin’ny fampielezan-kevitry ny Filoha Richard Nixon tamin’ny 1972, ny Komitim-pifidianana hifidianana indray ilay Filoha dia nangalatra fampahalalana tamin’ny Komity Nasionaly Demokratika, tamin’ny fampiasana fandrobana sy fihainoana an-tsokosoko. Nisy ny fisamborana, ary nanomboka avy hatrany ny ezaka natao mba hanafenana izay nifandray tamin’io zavatra tsy ara-dalàna natao tamin’ny fampielezan-kevitry ny Filoha Nixon io na izay mpiandraikitra tao amin’ny Maison Blanche. Io fanafenana io dia mirakitra fandikan-dalàna voaheloka ary nitombo izany ka tonga hatrany amin’ny Filoha Nixon.

Tamiko dia toa nisy fotoana maro nandritra ny taona roa manaraka izany, mialoha ny nametrahany fialana, izay nahafahan’i Nixon, miaraka amin’ny fahatongavan-tsaina, ho afaka nanakana ka nilaza hoe: “Tsy mety izao, tsy hotohizantsika izany, avelao any hitranga izay hitranga,” ary afaka ny ho tafavoaka amin’ny henatra ara-pôlitika sy ny tsikera izay tsy azony ialana ary nahavita ny fe-potoany. Saingy tsy nanakana izany mihitsy izy. Fa vao mainka tafiditra lalina tao amin’ilay tsikombakomba ratsin’ny fanafenana. Ny tena sarotra tamiko dia izaho sy ny Mpitsara Sirica nihaino raki-peo nisy resaka nifanaovan’ilay filoha sy i John Dean, mpanolotsaina ara-dalàna tao amin’ny Maison Blanche, ao amin’ny Bureau Oval.

I Dean no niraharaha ilay fanakonana tao amin’ny Maison Blanche, ary nahatsapa izy fa nanomboka hirodana izany. Dia lasa nangataka fitarihana tamin’i Nixon izy. Tao anatin’io resaka io dia nanazava ny zavatra vita nandritra ny volana maro talohan’izay i Dean, tafiditra tamin’izany ny fandrindrana ny vola izay hozaraina amin’ny havan’ireo izay niaiky heloka tamin’ny famakiana ny Watergate. Ny vola dia nomena mba handoavana ny fahanginan’izy ireo ny amin’ireo mpikambana ambony tao amin’ilay Komitim-pifidianana hifidianana indray ny filoha izay nanao ilay tetika sy nibaiko ilay famakian-trano, saingy izao izy ireo dia voarahona amin’ny fitorohana satria tsy nisy ilay vola ho an’ny fianakaviany na kely mihoatra ny nampanantenaina azy ireo izany.

Taitra izaho sy ny Mpitsara Sirica raha naheno fa sady tsy taitra i Nixon no nanontany hoe; “Mety ho ohatrinona izany?” Hita tamin’ny feony fa gaga tamin’io valinteny io i Dean, ary niaraka tamin’ny isa izay toa nosafidifidiana fahatany dia namaly hoe: “Iray tapitrisa dolara.” Namaly i Nixon fa tsy hisy olana ny amin’ny fanangonana izany vola izany, saingy natahotra ny amin’ny fomba hatao hizarana izany ka tsy ho araka. Tsy nino ary tsy nety nino ny zavatra renay mihitsy izaho sy ilay mpitsara, ary nampilaza ahy izy ny mba hamerenanay ny fihainoana indray ilay horonam-peo. Novitainay ny fihainoana ilay fifanakalozan-dresaka ary avy eo dia sady tsy dia nifampiteny firy no nody aloha izahay. Na izao aza dia mbola tsaroako ilay fahatsapana ho diso fanantenana sy malahelo. Volana vitsivitsy talohan’ny fametraham-pialan’i Nixon izany, saingy fantatray tamin’izay fa ho voampanga ilay filoha raha tsy nametra-pialana aloha.

Mbola gaga foana aho, ary nanontany tena foana nanomboka tamin’izay hoe nahoana i Nixon no namela io tranga io hitombo sy hiharatsy hatrany. Mbola gaga foana aho hoe rehefa nandeha ny fotoana dia voafafa tanteraka ny feon’ny fieritreretany ka na dia ny fiezahana hanao tery an-kolaka ny filohan’ny Etazonia aza dia tsy mba nanohina azy akory. Ny lesona ho an’ny fiainana izay noraisiko tamin’io trangan-javatra io dia hoe ny fanantenako hisoroka ny mety hitrangan’ny loza toy izany amin’ny fiainako dia miankina amin’ny tsy fanasiana fanavahana amin’ny hoe: manaraka foana ny feon’ny fieritreretana ary tsy miova amin’izany. Ny tsy fanarahana ny fahamarinan-toetra, na dia amin’ny zavatra atao toa kely amin’ny resaka toa kely aza, dia mametraka ny olona ho eo amin’ny lozan’ny mety tsy hahazoany tombontsoa sy fiarovana avy amin’ny feon’ny fieritreretana. Matoky aho fa ny sasany dia efa “votsotra” tamin’izany, tamin’ny fanaovana zavatra tsy ara-drariny sy tsy ara-dalàna teo amin’ny fiainany ara-pandraharahana na arak’asa na ara-pôlitika ary tsy mbola voapanga mihitsy (farafaharatsiny amin’ity fiainana ity). Fa ny feon’ny fieritreretana malemy, ary mety ho feon’ny fieritreretana rava mihitsy, dia mahatonga antsika ho any amin’ny “Watergates,” na kely izany na lehibe, na iraisana na manokana, dia loza izay mety handratra sy hanimba ny meloka sy ny tsy manan-tsiny.

I Jaona dia nanoratra ilay fampanantenana mahery vaikan’ny Mpamonjy hoe: “Raha maharitra amin’ny teniko hianareo, dia ho mpianatro tokoa; ka ho fantatrareo ny marina, ary ny marina hahafaka anareo tsy ho andevo.”44 Ny fahafantarana sy ny fanarahana ny fahamarinana dia tena manafaka antsika: afaka amin’ny famatoran’ny tsy fahalalana sy ny fahotana45 aloha, dia avy eo afaka hikatsaka ny zavatra tsara rehetra mandrapahazoantsika ny fanjakan’ny Ray sy izay rehetra azony omena.45 Rehefa mahafantatra fa i Jesoa mihitsy no “lalana sy fahamarinana ary fiainana,”47 dia angamba ny tena dikan’ilay fahamarinana izay manafaka antsika izay manan-danja indrindra dia ny hoe amin’ny alalan’ny fahasoavany Izy dia manafaka antsika amin’ny fahafatesana sy ny helo.48

Nanambara ny Tompo hoe: “Ny fahazavana sy ny fahamarinana dia mahafoy ny ratsy [izay mamarana ny famatoran’ny fahotana]. … [Saingy] tonga ilay ratsy ka manaisotra amin’ny zanak’olombelona ny fahazavana sy ny fahamarinana amin’ny alalan’ny tsy fankatoavana sy noho ny fomban-drazany.”49

Misy ohatra lalina mikasika ny ratsy maka ny fahazavana sy ny fahamarinana amin’ny alalan’ny fomban-drazana diso sy tsy fankatoavana ao amin’ny Bokin’i Môrmôna. Tokony ho taonjato iray sy tapany talohan’ny nahatongavan’i Kristy dia nofaritana ho vahoaka novesaran’ny fomban-drazana diso sy “tsy nahalala na inona na inona ny momba ny Tompo”50 ny Lamanita.  Rehefa nandeha nanao ilay asa fitoriana mahavariana nataony ihany ireo zanakalahin’i Môsià izay vao nisy Lamanita maro nahare ny drafitry ny famonjena sy nianatra ny fahamarinana.51

Ho an’ny Mpanjaka Lamônia, dia nanenika azy ny hafaliana noho ny fivoahana avy tao amin’ny haizin’ny lainga ka nankany amin’ny fahazavan’ny fahamarinana. “Ary ny fahazavana izay nanazava ny sainy, izay fahazavan’ny voninahitr’ Andriamanitra, … dia efa nitondra fifaliana lehibe tokoa tao amin’ny fanahiny, rehefa nisava ny rahon’ny fahamaizinana, ary ny fahazavan’ny fiainana maharitra mandrakizay no narehitra tao amin’ny fanahiny, eny, … izany no efa nandresy ny toe-batany, ary efa nentina tao amin’ Andriamanitra izy.”52

Tena anankiroa ihany ny safidy. Ny iray dia ny fanarahana ny fahamarinana amin’ny alalan’ny fitandremana ny tenin’i Kristy: “Izay mitandrina ny didiny dia mandray fahamarinana sy fahazavana ambara-pahatonga azy hankalazaina ao amin’ ny fahamarinana sy hahafantatra ny zava-drehetra.”53 Ilay iray hafa dia ny voafitaky ny fahavalo ary miezaka manao izay azo atao, mba hahitana fahasambarana ao anatin’ny laingany. Tsy afaka ny hahomby amin’ity fiainana ity na amin’ny fiainanan-ko avy ny olona iray rehefa tsy miraharaha ny fisian’ny fahamarinana, fa ny sasany, olona betsaka mihitsy, dia manandrana izany, toa mora kokoa noho ny fibebahana tsotra izao izany. Saingy ny fibebahana sy ny fankatoavana ny fahamarinan’ Andriamanitra ihany no manafaka antsika amin’ny tontolo tsy tena izy izay natao ho resy, “ka [ho] loza ny fianjerany.”54

Ireto avy ny fahamarinana fototra, ny zava-misy marina ivon’ny fisiantsika, izay tsy maintsy ampianarintsika ombieny ombieny amin’ny fandresen-dahatra madio sy amin’ny hery rehetra izay omen’ Andriamanitra antsika:55

  1. Velona Andriamanitra, ilay Raintsika any An-danitra, ilay hany Andriamanitra marina sy velona.

  2. I Jesoa Kristy no ilay Zanaka Lahitokan’ Andriamanitra.

  3. Tonga teto an-tany i Jesoa Kristy mba hanavotra ny vahoakany. Nijaly sy maty Izy mba hanonitra ny fahotan’izy ireo.

  4. Nitsangana indray avy teo anivon’ny maty Izy, mba hahatanteraka ny Fitsanganana amin’ny maty.

  5. Hijoro eo anoloany ny olon-drehetra mba hotsaraina amin’ilay andro fitsarana farany, araka ny asany avy.

Enga anie isika hitia sy hiaina ireo fahamarinana ireo. Mijoro ho vavolombelona amin’ny fomba manetriketrika aho fa marina ireo. Enga anie isika hazoto sy havitrika amin’ny fikatsahana sy fampianarana ary fiainana amim-pahamarinana. Izany no vavaka ataoko amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.

Hamoaka printy