Fihaonamben’ny Mpanabe ara-pivavahana ao amin’ny DFF
“Aoka ny fonareo hilofo amin’ny fahatakarana”


“Aoka ny fonareo hilofo amin’ny fahatakarana”

Takariva hiarahana amin’ny Manampahefana Ambony • 8 febroary 2019 • Tabernakelin’i Salt Lake City

Ry rahalahiko sy ranabaviko malala, fifaliana ny miara-manompo aminareo ato anatin’ity asa lehibe ity. Maneho ny fitiavako sy ny fankasitrahako aho amin’ireo asa mahatalanjona rehetra izay ataonareo amin’ny fanampiana ny taranaka vao misondrotra ahitana zatovo sy tanora mba hianatra lalina ny filazantsaran’i Jesoa Kristy.

Rehefa lalim-paka ny fianarana ny filazantsara dia voalohany, mitombo ny fahalalana sy fahatakaran’ny mpianatsika; faharoa, mitombo ny fahafahany manao asa araka ny fahamarinana izay mahomby; ary fahatelo, lasa miha-mitovy bebe kokoa amin’ny Mpamonjy izy ireo.

Ny fahatakarana ny filazantsara dia rohy manan-danja eo amin’ny fahalalana ny filazantsara sy ny asa araka ny fahamarinana izay mahomby. Tiako ny hizara aminareo anio alina hevitra fohy sasantsasany mikasika ny azontsika atao mba hanampiana ireo mpianatsika hitombo amin’ny fahatakaran’izy ireo ny filazantsaran’i Jesoa Kristy.

Atomboko amin’ilay fehezan-teny mahafinaritra nampiasain’i Abinadia mba hibedesina ireo mpisoron’ny Mpanjaka Nôà: “Tsy nilofo tamin’ny fahalalana ny fonareo; noho izany ianareo dia tsy manam-pahendrena.”1

Nanana ny soratra masina ireo mpisorona, ary nahafantatra momba ny lalàna sy ireo mpaminany, kanefa tsy nilofo tamin’ny fahatakarana ny fon’izy ireo. Ny fo dia ivon’ny fanehoana ny sitrapontsika, ireo faniriantsika, fanolorantenantsika, soatoavina sy laharampahamehana eo amintsika, fahatsapantsika, ary ny fijoroana ho vavolombelona ananantsika momba ny fahamarinana.2

Mihoatra noho ny traikefa ara-tsaina ny fahatakarana ny filazantsara.3Traikefa ara-panahy izany, ka ao anatin’izany, ny Fanahy Masina dia mijoro ho vavolombelona momba ny fahamarinana, sy manazava ny saintsika, ary manova ny fontsika.4Fanomezam-pahasoavana avy amin’ny Fanahy ny fahatakaran’ny fo.

Rehefa maniry ny nilofo amin’ny fahalalana ny fitsipiky ny filazantsara toy ny finoana an’i Jesoa Kristy ny fon’ny mpianatrao iray, dia tsy maintsy mampihatra ny fahafahany misafidy izy mba hisafidy an’i Jesoa Kristy sy hiaina izany fitsipika izany. Vavahady mankao amin’ny fony ny zavatra iainany amin’io fitsipika io. Ny asa ataony dia manome lalana ny Fanahy Masina hijoro ho vavolombelona sy hanazava, ary hanova ny fomba hankamamiany ny Tompo sy izany fitsipika izany.5Rehefa manohy miaina ilay fitsipika izy, sy misaintsaina ny zavatra niainany, ary mijoro ho vavolombelona ny amin’ny zavatra fantany fa marina, dia hitombo ny fahalalany momba ny finoana, ary hiova ny fony:

  • Ny sitrapony sy faniriany ary laharampahamehany momba ny fanaovana asa amin-pinoana amin’ny Mpamonjy dia manjary mifanitsy akaiky kokoa amin’ny Tompo.

  • Ny fanekempihavanana nataony tamin’ny Tompo dia mamaritra lalindalina kokoa ny fanolorantena ao am-pony mba hanao asa amim-pinoana Aminy.

  • Ny fahatsapany fitiavana, fahazotoana, fifaliana, ary finoana ny Tompo dia lasa lalindalina kokoa sy matanjaka kokoa.

  • Ary hitombo ny fijoroana ho vavolombelona ananany momba ny fahamarinan’ny finoana an’i Jesoa Kristy sy ny herin’ny Tompo ary ny fitiavany.6

Inona ary izany no azontsika atao amin’ny maha-mpampianatra ny filazantsara antsika mba hanampiana ny fon’ny mpianatsika hilofo amin’ny fahatakarana ny fotopampianaran’i Jesoa Kristy? Mamelà ahy ianareo hizara aminareo tantara iray izay inoako fa manan-danja, tantara ahitana hevitra manan-danja ho antsika.

Ny mpampianatra iray dia nanangona andiana mpianatra tao amin’ny kilasy fahefatra ka nilaza tamin’izy ireo tao anatin’ny minitra vitsy ny momba an’i Martin Luther, pretra Katolika alemana izay olona manan-danja tao amin’ny Fanavaozana Protestanta tany Eorôpa.7Nomeny fitsapam-pahaizana kely ireo ankizy avy eo. Ny mpianatra anefa dia namaly ireo fanontaniana toy ny hoe izy ireo dia nampianarina momba an’i Martin Luther King Zanany, izay mpitarika amerikanina niady ho an’ny zon’ny olom-pirenena. Tsy nisy fanontaniana voavalin’izy ireo tsara.

Dia nanangona andiana mpianatra tao amin’ny kilasy fahefatra iray hafa ilay mpampianatra. Kanefa tamin’ity indray mitoraka ity dia nanomboka nanontany izy hoe: “Firy aminareo no mahafantatra hoe iza i Martin Luther King Zanany?” Nitsangana avokoa ny tanana rehetra. Nahafantatra betsaka momba an’i Martin Luther King Zanany ireo mpianatra ireo. Dia nanontany ilay mpampianatra avy eo hoe: “Fantatrareo ve ny antony nanomezan’ny ray aman-drenin’i Martin Luther King Zanany azy ny anarana hoe Martin Luther—King?” Tsy nisy nahafantatra. Dia niteny izy avy eo hoe: “Hoteneniko aminareo ny antony.” Avy eo dia nampianatra azy ireo momba an’i Martin Luther izy, nampiasa ny fampahalalana mitovy izay nampiasainy tamin’ilay andiana mpianatra voalohany. Rehefa nomeny fanontaniana mitovy tamin’ny teo aloha izy ireo, dia nahavaly ireo fanontaniana rehetra ny vondrona faharoa.

Ilay andiana mpianatra voalohany dia tsy nahalala na inona na inona momba an’i Martin Luther.8Fa tamin’ilay vondrona faharoa dia nampifandraisin’ilay mpampianatra tamin’i Martin Luther King Zanany, izay olona iray tena fantatr’ireo mpianatra sy nananan’izy ireo fahatsapana mahery vaika i Martin Luther.

Ny fanontaniana napetraky ny mpampianatra sy ny fifanakalozan-kevitra nataony tamin’izy ireo dia nanokatra ny saina sy ny fon’ireo mpianatra ho amin’ny fampahalalana vaovao sy fahatsapana vaovao. Tsy nianatra momba an’i Martin Luther fotsiny izy ireo, fa nanatsara ny fahatakaran’izy ireo momba an’i Martin Luther King Zanany ilay fianarana.

Io tantara io dia misy fifandraisana amin’ny famoronana traikefa izay hanampy ireo mpianatsika mba hampilofo ny fon’izy ireo amin’ny fahatakarana ireo fitsipiky ny filazantsara. Misy zavatra roa manan-danja:

  1. Voalohany, misy hery lehibe ao amin’ny fampifandraisana ilay fitsipika amin’ny zavatra niainan’izy ireo manokana sy amin’izay efa fantan’izy ireo sy takatr’izy ireo. Tena vavahady mankao amin’ny fon’izy ireo tokoa ny zavatra niainan’izy ireo manokana.

  2. Faharoa, tena manan-danja tokoa ny mampiasa fanontaniana—na ireo fanontaniana apetratsikana ireo fanontaniana apetraky nympianatra Ny fanontaniana dia manokatra ny sain’izy ireo sy ny fon’izy ireo.

Hevitra mahery vaika ireo. Manasa anareo aho mba hampiasa azy ireo miaraka amin’ny anankiroa hafa:

  1. Ampianaro amin’ny nahim-po ilay lamina. Lamina ara-panahy ny filofosan’ny fo amin’ny fahatakarana; fanomezam-pahasoavan’ny Fanahy ny fahatakaran’ny fo. Mba ampianaro ny mpianatra ny fomba hiasan’izany lamina izany. Ampio izy ireo hahatsapa ny andraikiny mba hampiasa ny fahafahany misafidy mba hisafidy ny Tompo sy hiaina ireo fitsipika. Ampianaro izy ireo hisaintsaina momba izay zavatra iainan’izy ireo, dia hizara izay nianarany, ary hijoro ho vavolombelona momba ny fahamarinana. Ny fahasoavan’i Jesoa Kristy dia hanampy azy ireo rehefa mifampianatra izy ireo.9

  2. Mifantoha amin’ny Mpamonjy. Ny fotopampianarany sy ny fahazavany, ary ny fitiavany sy ny heriny no ilain’izy ireo. Ny zava-drehetra dia tafaraka ao Aminy. Rehefa mijoro ho vavolombelona momba Azy isika ary mampifandray ireo fitsipika Aminy, dia hijoro ho vavolombelona momba ny fahamarinana, sy hampianatra, ary hanazava ny Fanahy Masina.

Rehefa manao ireo zavatra ireo ianareo, sy ny zavatra maro hafa, dia hijoro ho vavolombelona momba ny fahamarinana ny Fanahy Masina, indrindra fa i Jesoa no Kristy. Hampianatra tsirairay ireo mpianatrao Izy. Hanova ny fon’izy ireo Izy, ary hitombo fahatakarana ny filazantsaran’i Jesoa Kristy izy ireo. Fantatro fa marina izany. Apetrako aminareo ny fitiavako sy ny fijoroana ho vavolombelona ananako, amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.

Fanamarihana

  1. Môzià 12:27.

  2. Jereo ny Rakibolana Merriam-Webster.com, “Heart,”merriam-webster.com.

  3. Mba hahitana fifanakalozan-kevitra bebe kokoa momba ny fifandraisan’ny fo sy ny fahatakarana ny filazantsara dia jereo ny David A. Bednar,Increase in Learning2011], 66–70.

  4. Mazava ho azy fa ampahany manan-danja amin’io lamina io ny saintsika. Kanefa raha ny saintsika fotsiny no ampiasaintsika, ary tsy “ampitandrema[ntsika] fahalalana ny fon[tsika]” (Ohabolana 2:2dia tsy tena hahatakatra ilay fitsipika isika. Hahafantatra momba izany isika, saingy tsy tena hahatakatra izany amin’ny fomba izay kasain’ny Tompo azy. Ankoatra izany, rehefa miresaka momba ny fahatakarana tsy mitsaha-mitombo ao am-pontsika isika, dia miresaka momba ny fiovan’ny fontsika.

  5. Ny Loholona Richard G. Scott (1928–2015) tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nampianatra ity fitsipika ity: “Ny Tompo dia tsy hanery anao hianatra. Tsy maintsy mampiasa ny fahafahanao misafidy mba hamela ny Fanahy hampianatra anao ianao. Rehefa ataonao fahazarana eo amin’ny fiainanao izany dia ho renao bebe kokoa ireo fahatsapana izay tonga miaraka amin’ny fitarihana ara-panahy” (“To Acquire Spiritual GuidanceEnsign,Nov. 2009, 8; jereo ihany koa ny 6–9).

  6. Misy fitsipika tena manan-danja sy mahery vaika miasa eto. Tahaka ny amin’ny zavatra rehetra, i Jesoa dia nampiseho antsika ny lalana. Nanana fahalalana tonga lafatra momba ireo fahalementsika sy rofintsika i Jesoa, kanefa mbola nisafidy ny hiaina azy ireny tao amin’ny nofo Izy (jereo nyAlmà 7:11). Nanao izany Izy mba hahafahany midina ambanin’ny zavatra rehetra sy mahatakatra ny zavatra rehetra tao am-pony, mba hahafahany ho feno famindram-po sy hanana fangorahana tonga lafatra sy hery mba hanavotra, hampatanjaka, ary hamonjena antsika. Ity hevitra ity, tamin’ny safidiny hitondra eo Aminy ny fahalementsika ao amin’ny nofony, dia nitombo fahatakarana mihoatra izay efa fantany ara-tsaina i Jesoa, dia voalaza tamin’ny fomba mahafinaritra tao amin’ny lahatenin’ny Loholona Neal A. Maxwell, “Willing to Submit” (Ensign,May 1985, 70–73).

    Tao Getsemane, tamin’ny alalan’ny fijaliany i Jesoa no nanomboka ho “talanjona” (Marka 14:33na raha amin’ny teny Grika dia hoe, “zendana” sy “gaga.” Alaivo sary an-tsaina hoe Jehovah izay nahary izao tontolo izao sy ireo tontolo maro hafa no “talanjona!” Fantatr’i Jesoa tao an-tsainy tsara izay tsy maintsy hataony, kanefa tsy mbola niaina izany Izy. Tsy mbola nahafantatra manokana ny hatsarana feno sy ny dingana mazava hizoran’ny Sorompanavotana Izy teo aloha. Koa rehefa tonga taminy tamin’ny fahafenoany ny fanaintainana, dia be loatra izany, ratsy lavitra noho izay efa noeritreretiny tamin’ny fahatakarana nananany izay tsy manam-paharoa! Tsy mahagaga raha nisy anjely niseho mba hampahery azy (jereo nyLioka 22:43)!

    Maro ireo soratra masina izay manazava fa isika dia tsy mahazo fitahiana (toy ny fanomezam-pahasoavan’ny fahatakarana fitsipiky ny filazantsara iray) raha tsy aorian’ny fanaovantsika asa mba hiaina ilay fitsipika (jereo nyJaona 7:17Jaona 8:31–32Efesiana 1:17–21Môsià 12:27Almà 32:28Etera 12:6Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:4Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 130:10–11

  7. Io tantara io dia araka an’i James E. Zull,The Art of Changing the Brain: Enriching the Practice of Teaching by Exploring the Biology of Learning(2002), 124–25.

  8. Ireo mpianatra tao amin’ilay vondrona voalohany dia nanivana ny zavatra rehetra henon’izy ireo tamin’ny alalan’ny seha-pahalalana efa voapetraka momba an’i Martin Luther King Zanany. Rehefa nandre ny teny hoe “Martin Luther” izy ireo, dia nampifandraisin’izy ireo tamin’ny hoe “King” ireo teny ireo ka nahatonga ilay seha-pahalalana napetrak’izy ireo. Tena tsy nahalala na inona na inona momba an’i Martin Luther izy ireo.

  9. Jereo nyFotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:77–78.

Hamoaka printy