Fihaonamben’ny Mpanabe ara-pivavahana ao amin’ny DFF
I Jesoa Kristy no vahaolana


I Jesoa Kristy no vahaolana

Takariva hiarahana amin’ny Manampahefana Ambony • 8 febroary 2019 • Tabernakelin’i Salt Lake City

Ry rahalahy sy ranabavy malala, ianareo izay eto amin’ny Tabernakely eto Temple Square sy ianareo izay mivondrona manerana izao tontolo izao, voninahitra ho ahy sy Rahavavy Rasband ny miaraka aminareo. Mandinika ny fitaomana nanova fiainana nananan’ireo mpampianatra seminera sy institiota teo amiko aho. Mandraka anio dia hitako ny fitaoman’ireo mpampianatro eo amin’ny fomba fandalinako ny soratra masina ary, indrindra, eo amin’ny fitiavako ny Bokin’i Môrmôna.

Manan-danja amiko ihany koa ny traikefa ara-tsôsialy amin’ny hoe ao anatin’ny toerana voaro miaraka amin’ireo namana izay mankamamy ny fiarahana ao anatin’ny tontolon’ny filazantsara. Niresadresaka tao amin’ny trano ho an’ny seminera tany amin’ny lycée izahay ary koa tao amin’ny institiota tany amin’ny oniversite. Tsy andriko manokana ny hitondrana amin’i Melanie Twitchell tany amin’ireo fandihizana nokarakarain’ny institiota. I Melanie izao no vadiko, izay tena mahafinaritra.

Miasa mandritra ny ora maro ianareo mpampianatra seminera sy institiota mba hitondrana fanahy ho amin’i Jesoa Kristy. Mivavaka ho an’ireo mpianatrareo ianareo. Mandalina ianareo mba hahafahanareo mamaly ny fanontanian’izy ireo. Manomana ara-panahy ny tenanareo ianareo mba hampianatra araka ny Fanahy. Manandratra sy mandrisika ary manazava ireo fahamarinan’ny filazantsara ianareo.

Rehefa tadiavin’ny Tompo ireo izay afaka manampy mpianatra iray manana olana, zatovo iray eo an-tevana, iray amin’ireo zanany sarobidy izay mihena ny fijoroana ho vavolombelona ananany sy ny fahatakarany, dia nanomana anareo ekipa mba hiaraka hamindra amin’ireo ray aman-dreny sy ireo mpitarika ato amin’ny Fiangonana Izy. Mijoro eo anoloan’ireo mpianatrareo ianao ary manamafy indray ilay fahamarinana fa velona i Jesoa Kristy, fa tia antsika tsirairay ny Ray any An-danitra, ary isika dia manana toerana ao anatin’ny drafiny mandrakizay. Ary ny tsara indrindra dia inoanareo izany.

Ianareo no, araka ny nolazain’ny Loholona Jeffrey R. Holland matetika hoe: “mpampianatra avy amin’ Andriamanitra.”1

“Firy no … entina hihira ny fitiavana manavotra, ary izany dia noho ny herin’ny teniny izay ao ami[nareo], noho izany, moa va [ianareo] tsy manana antony lehibe hifaliana?

“Eny, manana antony hankalazana Azy mandrakizay [ianareo], satria Izy no Andriamanitra Avo Indrindra”2

Eny, misy fotoana saika ho mihoatra noho izay azonareo zakaina ny vesatry ny fankaherezana sy fampianarana ary famporisihana ny tanora. Fantatry ny Tompo fa mety ho sarotra ity asa fitondrana fanahy ity. Nianatra izany aho fony aho filohan’ny misiôna tao New York, rehefa nikasika ny fanahiko ity soratra masina ao amin’ny Almà ity: “Ankehitriny, nony efa kivy ny fontsika ary efa saika hiverina ilalana isika, dia indro, nampahery antsika ny Tompo ary nanao hoe: Mandehana any anivon’ ny … rahalahinareo ary zakao amim-paharetana ny fahorianareo, ary Izaho no hanome fahombiazana anareo.”3

Hatreto dia tsy afa-po amin’ny fitaomana ratsy hoentiny ao amin’ny fanjakan’ Andriamanitra eto ambonin’ny tany ilay fahavalo. Te hanao misimisy kokoa izy. Mahery setra sy masiaka be izy. Mikendry ireo olona nampiandraiketina anareo izy. Hitantsika ao amin’ny sasany amin’izy ireo fa “reraka ny fo[ny] noho ny fahatahorany.”4

Sary
zatovovavy mieritreritra

Manomboka mivily lalana ny mpianatra sasany, kanefa afaka manampy azy ireo hiverina ianareo, miaraka amin’ny Fanahin’ny Tompo. Tsarovy ny tenin’i Paoly: “Voageja manodidina izahay, nefa tsy tery; very hevitra, nefa tsy mamoy fo; enjehina, nefa tsy nafoy, potraka, nefa tsy maty.”5

Nahoana?

Satria ny tanjon’i Kristy dia miantso antsika miaraka amin’ity fampanantenana maharitra mandrakizay ity: “Mankanesa atỳ amiko hianareo rehetra izay miasa fatratra sy mavesatra entana, fa Izaho no hanome anareo fitsaharana.”6

Niteny ny Tompo hoe: “Koa mahereza, ary aza matahotra, fa Izaho Tompo dia momba anareo, ka hijoro eo anilanareo; ary ianareo dia ho vavolombelona hanambara Ahy, Jesoa Kristy, fa Izaho no Zanak’ilay Andriamanitra velona, fa Izaho ilay taloha sy ankehitriny ary ho avy.”7

Tsy afaka “[hahery]”8isika kanefa hikatso ao anatin’ny tahotra. Ireo roa ireo—mahery sy matahotra—dia tsy afaka ny samy ho ao anatintsika. Ary raha manaraka ny didin’ny Tompo isika—raha mahery isika—dia ho vonona ny hijoro ho vavolombelona momba Azy, ilay Mpamonjy izao tontolo izao. Ho fantatsika Izy araka ny maha-Izy Azy ary ho fantatsika ny anjara asany miavaka amin’ny fanampiany antsika handresy ireo olan’izao tontolo izao.

Ny hoe mahery dia matoky Azy rehefa tsy mandeha araka ny drafitra nataontsika izay nokasaintsika. Izany dia midika hoe mandroso rehefa manova ny fiainantsika ireo toe-javatra mitranga tsy ampoizina, rehefa mandrava ireo nofintsika ny loza sy fitsapana. Kanefa ny Tompo dia mampahatsiahy antsika hoe: “Ao amin’izao tontolo izao dia tsy feno ny fifalianareo, fa ao Amiko dia feno ny fifalianareo.”9

Azonareo fantarina hoe iza amin’ireo mpianatra ao amin’ny kilasinareo no “[mahery].” Mbola manana fanamby sy olana izy ireo, saingy miatrika izany amim-pinoana sy fitokisana an’ Andriamanitra. Mipetraka ao an-dakilasy izy ireo, maika hamaly fanontaniana, manantena ny hahafantatra ireo fahamarinana ampianarina, ary matoky ny maha-izy azy ireo. Ho azy ireo, ny hoe “Zanaky ny Ray Aho”10dia sady fahalalana no fiarovana, fa tsy fahatsiarovana hatry ny ela fotsiny ny fihirana tao amin’ny Kilonga. Tonga izy ireo mba hikatsaka traikefa, sy fomba fijery, ary sahan-kevitra ara-panahy izay hanampy azy ireo hahita valinteny ho an’ireo fanontanian’izy ireo. Maniry izy ireo ny hanamafisana ny fanantenan’izy ireo eo am-pandehanany ao anatin’ny tontolo feno ady. Ary eo anivon’ny fanerena maro andalovan’izy ireo dia mandresy ny olan’izy ireo isan’andro ny hazavana eo amin’ny mason’izy ireo.

Tamin’ny andro nanaovako seminera sy institiota—azoko lazaina fa toa efa ela tokoa izany—dia tonga tamim-pinoana nanatrika ny fianarana ny mpianatra. Tsynameno ahiahyazy ireo izay hitany tao amin’ny internet, satria tsy nisy internet tamin’izany. Tsy nanana ireo ahiahy izay ampieritreretin’izao tontolo izao mikasika ny fivavahana, fanambarana, mpaminany, na finoana an’ Andriamanitra izy ireo.

Manao ahoana ny momba ireo mpianatra izay mipetraka any aoriana sady matory ao ambadiky ny bokiny? Na ilay zazavavy vao nanapaka ny volony rehetra ka tsy sahy mifanojo amin’ny masonao? Ireo anankiroa izay mpiresaka rehefa hiditra ny kilasy kanefa zara raha mifampiresaka ankehitriny? Manao ahoana ny momba ilay mpianatra miavaka izay toa tsy liana intsony amin’ny fifanakalozan-kevitra momba ny filazantsara ary betsaka kokoa ny tsy fanatrehany ny fianarana? Manao ahoana ny momba ny endrika tsy liana asehon’ny sasany izay tsy manao ezaka ny hianatra ihany koa? Ny mpianatra sasany dia tonga ao an-dakilasy, mipetraka … ary avy eo mivoaka ny varavarana, tsy mitondra na inona na inona miaraka amin’izy ireo—na ny Fanahy aza. Nandresy ny fiainana sarobidin’izy ireo ny rarin-tsaina, tahotra, fakam-panahy, olana, ary fahadisoam-panantenana.

Sary
zatovolahy rera-tsaina

Mba manontany tena ve ianareo hoe: “Fa inona ary no mitranga?” Izaho dia manontany tena momba izany!

Tahotra sy fahadisoam-panantenana: Izany no mitranga. Tahotra ny tsy hoeken’ny namana. Tahotra ny amin’ny fitakiana ara-pianarana, ny fanerena, ary ireo olana any an-tokantrano izay tsy voavahan’izy ireo. Tahotra ny tsy afaka hitoky na amin’iza na amin’iza ary tsy misy matoky azy ireo. Tahotra ny ho irery, ary tahotra ny ao anaty vondrona. Tahotra ny ho enta-mavesatra ho an’ny hafa. Tahotra momba ny fivavahana misy rafitra na izay mety ho fivavahana. Tahotra ny tsy hisy vahaolana na fanampiana ho an’ny fanaintainan’izy ireo. Mitondra amin’ny fahakiviana sy fahadisoam-panantenana, tebiteby sy fahaketrahana ny tahotra. Mampitombo ny fahasosorana izay tsy mitondra amin’ny vokatra tsara ny tahotra. Ny tahotra dia mahatonga ny olona hino fa tsy misy na iray aza hahatakatatra, ary mbola loza kokoa aza, tsy misy manontany akory hoe: “Inona no olana?”

Ny tahotra amin’ny endriny maro dia mampalahelo fa hita ao amin’ny fiafarana mahatsiravina indrindra, dia ny famonoan-tena.

Rehefa nanangana vondrona manokana mba hisahana ny kômitim-bahaolana amin’ny fitombon’ny famonoan-tena ataon’ny zatovo ny governoran’i Utah tamin’ny herintaona, dia nangataka ny Filoha Russell M. Nelson izy mba hanendry mpitarika ao amin’ny Fiangonana hanao izany asa fanompoana izany. Nampiandraiketin’ny Filoha Nelson ahy ilay andraikitra goavana. Nianatra aho fa mety hianjadian’izany avokoa ny olona rehetra. Mitranga manerana izao tontolo izao ny famoan-tena ataon’ny zatovo. Ny antontan’isa dia mampiseho fa eo anivon’ireo antony telo mitarika amin’ny fahafatesan’ny tanora 15 ka hatramin’ny 24 taona ny famonoan-tena. Hafa koa: “Ny fikasana hamono tena dia indroapolo mihoatra noho ny famonoan-tena tanteraka.”11Antontan’isa tena mampivarahontsana tanteraka ireo rahalahy sy ranabaviko.

Tsy maintsy miatrika io olana io isika rehetra. Amin’ny maha-mpikamban’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany antsika, dia tsy maintsy manolo-tena isika hanao ny zavatra rehetra azontsika atao mba hanova ny fiheverana fa ny famonoan-tena no vahaolana izay afaka hamaha ny olan’izy ireo. Tsy maintsy miresaka momba ny famonoan-tena amin’ny zatovo isika ary mitia azy ireo mba tsy hiheveran’izy ireo fa ny famoan-tena no vahaolana amin’ny fanaintainan’izy ireo. Ny fiainan’ny Filoha Thomas S. Monson dia ohatra lehibe ny amin’ilay teny hoe “manavotra.” Tokony ho raisintsika ho andraikitsika izany.

Izany no nataon’ny Mpamonjy ho antsika rehetra. Tonga nanavotra antsika Izy tamin’ny Sorompanavotana, ary manohy maneho izany fitiavana lalina izany Izy amin’ny alalan’ny fanasitranana antsika, fankaherezana antsika, ary fitondrana fiadanana ho antsika raha toa ka mitodika Aminy isika.

Sary
zatovovavy mifampitantana

Afaka maneho fitiavana isika raha toa ka izany no ilain’ny tanora, mitady namana ho azy ireo, mihaino azy ireo, ary mitady azy amin’ny teny sy fihetsika mamy. Mety mila miara-miasa amin’ny ray aman-dreniny sy ny eveka isika mba hahazoana toro-hevitra momba ny fikorontanana, rarin-tsaina, na aretin-tsaina hafa. Afaka mitondra fiovana eo amin’ny fiainan’izy ireo isika. Ny tena ianjadian’ny famonoan-tena dia ireo zatovo sy tanora tokan-tena izay sahirana amin’ny olana momba ny fiheverana ny tena ho lahy na vavy. Mila sakambinina amin’ny sandrim-pitiavan’ny Mpamonjy izy ireo ka hahafantatra fa tiana izy ireo. Matetika mihitsy ny Tompo no miantso antsika; manantena antsika ho sandriny mihinjitra sy be fitiavana. Mila manentana ny naman’izy ireo hanao toy izany koa isika.

Ny famonoan-tena dia tena mifandray be amin’ny fanaintainana avy amin’ny fanontaniana tsy voavaly, alahelo, fahoriana, fanontaniana momba ny zava-nitranga raha toa ka hafa ny toe-java-nisy sy fanontaniana momba izay tokony atao ankehitriny. Ireny famoizana aina ireny dia tena loza be ka isika, amin’ny maha-vahoaka antsika, dia tsy maintsy manolo-tanana amin’ny fomba mahomby kokoa mba hanoroana hevitra, hanehoana fiahiana sy fikarakarana, ary hijanonana ho akaiky sy hanohanana ireo tanorantsika. Ezaho tononina fotsiny ny anaran’i “Jesoa Kristy” ao anatin’ny toe-javatra sarotra. Afaka mampiova zavatra ao anatin’ny fotoan-tsarotra ny fiantsoana fotsiny Azy amin’ny anarany, amim-panajana lalina.

Ny vondrom-piarahamonina sasantsasany dia miatrika ilay antsoin’izy ireo hoe “vondrona” voataona amin’ny famonoan-tena, izay misy zatovo iray manao fihetsika henjana toy izany ary ny hafa dia mandray izany ho safidy arahina.

Mamelà ahy ianareo hizara aminareo ny tantaran’ny zatovo britanika iray izay nandeha tamin’ny BBC News tamin’ny aprily 2018. Izany dia tantaran’i Hati Sparey-South, 16 taona, izay “efa nanandrana namono ny tenany. Ary ho nanandrana indray izy ka mety ho nahomby izany raha toa ka tsy nahatsikaritra ny mpampianatra iray fa tsy faly ny endriny.” Telo tamin’ireo namany no efa namono tena. Voan’ny rarin-tsaina lehibe izy nandritra ny roa taona.

Nilaza i Hati hoe: “Nalahelo be aho ny ankamaroan’ny fotoana. Ary tsy nahita tory.” Nitohy ny haizina. Nisaraka ny ray aman-dreniny, ary niditra sy nivoaka ny hopitaly noho ny karazana olana ara-pahasalamana ny reniny. Noho ny fifantohan’ny rehetra tamin’ny reniny dia tsy nisy nahita ny fahakiviana tsapan’i Hati. Tsy nisy nanontany hoe: “Manao ahoana ianao izay? Inona no tsapanao?

Niditra tao an-dakilasy izy indray andro, nanao akanjo maharikoriko, ary vao notapahany ny volony. Nanontany ny mpampianatra azy hoe: “E, ao tsara ve ianao? Milamina ve?

“Ao tsara” no navalin’i Hati. Fa tsy izay fotsiny no nolazainy. Nisy olona nahatsikaritra azy. “Tena tsy ao tsara mihitsy aho raha ny marina,” hoy izy. “Tena malahelo aho. Ary tsy mitsahatra mitomany aho.”

Dia nitomany foana izy avy eo, ary nitsonika tamin’ny tarehiny ny manjamasony. Tsy nampaninona anefa izany satria nisy olona nanolo-tanana azy.

Nametraka fanontaniana izay fametrany amin’ny ankizy maro fotsiny io mpampianatra io. Kanefa rehefa nandefa famantarana fa niahiahy izy, dia nanaiky ilay fanampiana i Hati. Ary dia nahazo fanampiana i Hati.

Nanazava i Hati taty aoriana hoe: “Toa tsy dia misy dikany loatra kanefa mahagaga fa rehefa miteny amin’ny ankizy iray ianao hoe: -Manao ahoana ianao?- rehefa miditra ao am-pianarana izy ireo, ary fantatrao, na dia hiteny aza izy ireo hoe -tsara- fa efa nandre anao izy ireo.”12

Niteny ny Loholona Jeffrey R. Holland hoe: “Na inona na inona ady atrehanareo ry rahalahy sy anabaviko isany—na ara-tsaina na ara-pihetseham-po na ara-batana na amin’ny lafiny hafa—aza misafidy hanohitra ny maha-sarobidy ny fiainana amin’ny alalan’ny fanaperana azy. Matokia an’ Andriamanitra. Mifikira amin’ny fitiavany. Fantaro fa indray andro any dia hiposaka ny masoandro mamirapiratra ary hisava ireo aloka maizin’ny fiainana an-tany. Na dia mety hahatsiaro tena ho toy ny -vilany ariana- aza isika, araka ny voalazan’ny mpanao Salamo, dia tsy maintsy mahatadidy isika fa eo am-pelatanan’ilay Andriamanitra mpanao vilany io vilany io.13 

Tsy misy fomba tsotra hilazana hoe iza no tandindomin-doza. Ireo tanora ireo dia mikalo zavamaneno, mihira ao amin’ny amboarampeo, milalao ao amin’ny ekipan’ny baolina kitra, na miantsena aorian’ny fianarana. Tonga any am-piangonana izy ireo, ny sasany amin’izy ireo, izy ireo dia naman’ireo izay tonga ao amin’ny kilasinao, na dia efa nisitaka tamin’ny fivavahana aza ny sasany. Saingy misy hatrany ny zavatra miverimberina: fahadisoam-panantenana, tsy fahombiazana, fisarahana, karazana fanesoesoana, fitaintainana ara-pianarana, ary izay azontsika antsoina hoe fahorian’ny zatovo.

Ny Fiangonana dia mandray am-pahamatorana ny momba ny famonoan-tena ataon’ny zatovo, ka namorona tranonkala iray misy fampahalalana, horonan-tsary en ligne, fanampiana ho an’ireo izay mahatsiaro ho irery, laharana antsoina raha mila fanampiana, ary lisitry ny famantarana mampitandrina izay fiantsoana vonjy, tahaka ny an’i Hati.

Miezaha mamantatra ireo loharano ireo dia hanatanteraka bebe kokoa ny antsonao amin’ny maha- “mpampianatra avy amin’ Andriamanitra”14 anao ianao.

Ahoana no ahafahantsika milaza amin’ny olona izay mijaly hoe fantatry ny Tompo ny zavatra tsapanao? Naka ny olanao sy ny fahadisoanao manokana teo Aminy Izy. Nozogainy ho anao ireny mba hanananao Olona Iray izay hanompo amin’ny fahatakarana tanteraka hoe aiza no maharary ary inona no antony.

Ny fahatakarana bebe kokoa an’i Jesoa Kristy dia hanampy ireo izay manary fanantenana. Ny fitiavany azy ireo sy ny toerana lafatra sy nasandratra izay nomaniny ho azy ireo any amin’ny mandrakizay dia hafatra mitondra fanantenana. Tia azy ireo Izy. Mila mahafantatra izany izy ireo. Milaza ny soratra masina hoe: “Izaho Tompo dia momba anareo, ka hijoro eo anilanareo.”15Ny fampanantenany hijoro eo dia tsy lahateny tsy voatokana fotsiny ho an’ireo izay tsy manana olana na mpikambana ao amin’ny filankevitry ny seminera. Hijoro eo anilan’ny tanorantsika tsirairay avy Izy, isika tsirairay mihitsy, ao anatin’ny fotoan-tsarotra indrindra lalovantsika. Izany no herin’ny Sorompanavotana, ary ilaintsika ampianarina amin-kery izany ka ho tonga any amin’ireo izay mijaly.

Sary
I Jesoa Kristy manasitrana vehivavy iray

Ampio ny mpianatra hamantatra “soratra masina miaro” iray izay azon’izy ireo tsaroana rehefa ao anatin’ny toe-javatra sarotra izy ireo na mila ny tanjaka mba hialana amin’izany. Anisan’ny tena tsara ny “Mahereza, ary aza matahotra, fa Izaho Tompo dia momba anareo”16.

Feno olana hatrany ny fiainana eto ambonin’ny tany. Tsy misy mihitsy olona hoe tsy mba ianjadian’izany velively. Tsy ianao, tsy izaho ary tsy izy ireo koa. Misy ny tanora mijaly satria mieritreritra izy ireo fa izy ireo ihany no manana olana. Ny olon-drehetra dia toa manana ny zava-drehetra. Nihevitra izy ireo fa raha mandalina ny soratra masina ianao ary mitandrina ny didy sy mivavaka isan’andro, dia tsy handalo aminao intsony ny ratram-po, ny korontana, ny tsy fahampiana laza, ary ny loza. Tsy izany mihitsy no fizotrany. Tonga amintsika rehetra ny fitsapana.

Ny olana, ny fitsapana, ny fahoriana, ny fahasarotana, ny fahantrana, antsoy amin’izay hitiavanao azy izany, dia ampahany amin’ny traikefa eto amin’ity fiainana an-tany ity mba hahatonga antsika ho matanjaka. Ny fitahiana dia hoe: afaka ny ho “[mahery]”17 isika amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy.

Aza avela hibahana ny herin’ny Fanahy ny mba hikasika sy hampahery ny mpianatrao ireo fitakian’ny fianarana filazantsara. Omano izy ireo handray fitaomam-panahy ary hanao asa araka izany. Omano izy ireo handray fanambarana ho an’ny tena manokana araka ny nohamafisin’ny Filoha Nelson.18

Rehefa manao izany izy ireo dia hiaina ny fahagagana avy amin’ny torolalana sy fitarihan’ny Tompo, izay tena endriky ny fitiavany.

Nahoana aho no hisafidy ny hiresaka momba ny famonoan-tena sy ireo namany: tahotra, fanirery, fahadisoam-panantenana, fitaintainana, ary fanaintainana ao anatin’ny fotoana masina toy ity fivoriana ity? Satria ianareo dia ao anatin’ny vondron’ny “mpamaly voalohany,” ary raha tsy izany no izy dia manasa anareo aho mba ho mpamaly voalohany. Tena misy ny famonoan-tena sy ireo namany mahatsiravina. Mitombo eo anivon’ny tanorantsika izy ireny amin’ny loza izay misintona na dia ireo olom-boafidy mihitsy aza, izay mbola tanora sady mino fa tsy manana tanjona ho azy ireo ny fiainana. Tsy misy zavatra hafa ampiana intsony hanehoana ny fahamarinan’izany.

Sary
zatovo mifandray tanana ao anatin’ny faribolana iray

Marefo ny fiainana. Tsy fantatsika hoe rahoviana no hitranga amin’ny olona iray ny zavatra izay mamely tampoka antsika. Mahatsiaro ho tsy voaomana isika ary tsy fantatsika ny zavatra tokony hatao. Saingy raha avy amin’ny tokantrano manao vavaky ny mpianakavy, fandalinana ny soratra masina ary takarivan’ny mpianakavy ianao dia miorina mafy kokoa ireo fitaovana “hihazonana.” Aza disoana anefa, azafady, fa ny iray amin’ireo tanorantsika dia mety tsy ho tandindomin-doza na dia eo aza ireo rehetra ireo. Nisy zatovolahy iray namaly ny fiaraha-mientana iray nandritra ny takarivan’ny mpianakavy rehefa nangatahina ny olona tsirairay mba hanoratra zavatra iray izay tena manan-danja amin’izy ireo. Ilay zatovo efatra ambin’ny folo taona, izay toa nanana ny zavatra rehetra nilainy, dia nanoratra hoe: “Mba hahafantarako fa misy olona hanampy ahy eo.”

Manana namana iray aho izay tsy nanatrika ny seminera raha tsy efa tao amin’ny kilasy famaranana. Tsy nandeha tany am-piangonana izy hatramin’izy 13 taona. Satria izy mpihira dia nanapa-kevitra ny hanandrana ny amboarampeon’ny seminera, ka tafiditra tao. (Manao ny amboarampeon’ny seminera ny rehetra!) Tsy nisy tadidiny ireo lesona tao an-dakilasy. Isaky ny nihira anefa izy ireo dia nanenika ny efitrano ny Fanahy, ary fantany fa samy hafa tamin’ny amboarampeon’ny sekoly tetsy am-pitan’ny arabe izay nihirany izany. Nahatsapa zavatra izay tsy tsapany teo aloha izy. Nahatsapa ny Fanahy izy. Satria avy tao amin’ny tokantrano misy ray sy reny nisara-panambadiana, tsy nisy fampianarana ny filazantsara izy, dia tsy nahazatra azy ny Fanahy. Tonga izy mba hankamamy izany sy hiantehitra amin’izany. Natanjaka tao amin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy izy satria “nisy olona tao hanampy azy.” Ary ankehitriny, taona maro taty aoriana, dia mbola miresaka matetika amin’ny mpampianatra seminera azy izy, izay “mpampianatra avy amin’ Andriamanitra.”19

Ho an’ireo ampianarinareo izay tsy manana tambazotra mpanohana, ilay tanjaka ao an-tokantrano izany, dia lasa zava-dehibe mahasoa ny tenany ireo fampianaranareo. Mety ho ireo izay mametraka manokana fanontaniana mba handraisana anjara bebe kokoa fotsiny amin’ny fifanakalozan-kevitra momba ny filazantsara izy ireny satria izany no hany fotoana ananan’izy ireo io fifandraisana ara-panahy io ao anatin’ny tontolo androny. Ataovy sarobidy ireny fahafahana ireny, ary asio fotoana hanaovana izany.

Ny fanasitranana dia tonga amin’ny alalan’ny Mpamonjy izay “[nidina] ho ambanin’ny zava-drehetra”20mba hahafantarany “araka ny nofo ny fomba hanampiana ny vahoakany arakaraka ny rofiny.”21

Saintsaino ny fotoana namahanan’i Jesoa olona dimy arivo tamin’ny alalan’ny trondro vitsy sy tapa-mofo sakafo antoandron’ny ankizivavy iray ary avy eo dia niakatra irery tany an-tendrombohitra mba hivavaka. Niantsambo niampita ny ranomasin’i Galilia ireo mpianany, ary rehefa nandroso ny alina dia nanatona azy ireo i Jesoa, nandeha teny ambonin’ny ranomasina. Raha nahita Azy izy ireo dia “raiki-tahotra,”22dia novaliany hoe: “Matokia, fa Izaho ihany, aza matahotra.”23

Rehefa nitsambikina tamin’ny risi-po teo amin’ny ilan’ilay sambo i Petera tamin’io alina io rehefa niantso azy ny Tompo, dia nanomboka nandeha teo ambonin’ny rano izy, feno hery izy mandra-pijeriny ambany sy nahitany ilay ranomasina nasamboaravoaran’ny rivo-mahery. Dia raiki-tahotra izy.

Nanolo-tanana azy tsy tamim-pahatezerana fa tamin’ny indrafo i Jesoa. Nofariparitan’i Môrônia ny fiahiahiantsika tamin’ilay hoe: “Fa hanandratra anao kosa anie i Kristy, ary enga anie ny fijaliany sy ny fahafatesany, … ary ny famindram-pony sy ny fahari-pony ary ny fanantenana ny voninahiny sy ny fiainana mandrakizay hitoetra mandrakizay ao an-tsainao.”24

Niresaka tamintsika rehetra Izy satria isika rehetra dia eo ambony rano avokoa.

Tao anatin’ny toe-javatra iray hafa ao amin’ny Testamenta Vaovao dia tafangona nanodidina ny lehilahy iray “mararin’ny paralysisa nandry tamin’ny fandriana” ny vondron’olona iray. 25Nijery ilay lehilahy malemy i Jesoa Kristy Tompo ka nahatsapa ny finoan’ireo manodidina azy ka nilaza hoe: “Matokia.”26

Amin’izao fotoampitantanana farany izao dia niresaka tamin’ny alalan’i Joseph Smith tamin’ireo mpanompony izay nandeha nanao asa fitoriana sy niatrika loza sy atambo i Jesoa Kristy, niteny hoe: “Mahereza rankizy madinika; fa eo afovoanareo Aho.”27

Hitan’i Joseph Smith tao anatin’ny fahitana ireo Apôstôly tany amin’ny misiônan’izy ireo tany Angletera “niara-nijoro tao anaty faribolana iray, reraka fatratra, miaraka amin’ny akanjo misy loaka sy tongotra mivonto, miaraka amin’ny maso mijery ambany, ary i Jesoa nijoro teo afovoan’izy ireo, fa tsy nahita Azy izy ireo. Nibanjina azy ireo ny Mpamonjy dia nitomany.”28

Hitanareo ve ilay lamina? Ny herin’i Kristy hahafahana manao zavatra dia hita ao amin’ny fahatsoran’ny hoe eo Izy hanampy antsika. Avelao hitranga izay hitranga, hiaraka amintsika Izy, hankahery antsika, ary hanasitrana antsika raha toa ka manatona Azy isika sy misintona avy amin’ny heriny mba hamonjy antsika. Matetika Izy no manasitrana ny fo maratra. Amin’ny fomba ahoana no hitrangan’izany, hoy isika? Amin’ny alalan’ny herin’ny Sorompanavotana ampiasaina eo amin’ny fiainantsika ankehitriny, tsy amin’ny farany mialoha ny fitsarana farany, fa isan’andro rehefa mikatsaka ny ho tonga toa Azy isika, hitia ireo izay tiany, hanaraka ireo mpaminany nofinidiny.

Rehefa mandalina ny Sorompanavotana aho dia miezaka maka sary an-tsaina ny toetra mahatsiravin’ireo zavatra rehefa nandohalika tao amin’ny Sahan’i Getsemane ny Mpamonjy. Ary nivavaka Izy nanao hoe: “Raiko ô, raha sitrakao, dia esory amiko ity kapoaka ity; nefa aoka tsy ny sitrapoko anie no hatao, fa ny Anao.”29Hoy Izy raha ny mahakasika ny fijaliany hoe: “Mamaivay manao ahoana, tsy fantatrao, mangirifiry manao ahoana, tsy fantatrao, eny, sarotra zakaina manao ahoana, tsy fantatrao.”30Mila mahatakatra izany teny lalina izany ireo zatovontsika.

Sary
anjely mankahery an’i Jesoa Kristy tao Getsemane

“Ary nisy anjely avy tany an-danitra niseho teo aminy ka nampahery Azy.”31

Tao anatin’ny filàny izany, ny fitondrana ny vesatry ny fahotantsika teo Aminy, ireo andro ratsy indrindra eo amintsika, ireo fahalementsika sy fahadisoam-panantenantsika, dia nisy anjely niseho mba hampahery Azy. Ao anatin’ireo andro sarotra lalovantsika, ry rahalahy sy ranabavy, dia manolotra “[anjely manodidina] anareo mba hanohana anareo”32ny Tompo. Ry mpampianatra malala, mety ianareo izany anjely izany.

Nanazava ny asa nanirahana Azy ny Mpamonjy taloha kelin’izany nandritra ny Fanasana Farany ary nampanantena fiadanana niteny hoe: “Atỳ amin’izao tontolo izao no ahitanareo fahoriana: nefa matokia; Izaho efa naharesy izao tontolo izao.”33Azony antoka tanteraka ny zavatra ho avy, azony antoka tanteraka ny anjara asany amin’ny fanatontosana ilay drafitra lehiben’ny famonjena hany ka nankahery ireo mpianany Izy nanao hoe: “Matokia.”

Ny Loholona Neal A. Maxwell dia niteny hoe: “Ny fahoriana tsy hay takarina tao Getsemane dia efa saika hidina teo amin’i Jesoa; nananontanona ny famadihan’i Jodasy. Avy eo dia ho tonga ny fisamborana sy ny fanagadrana an’i Jesoa; ny fampielezana ny Roambinifololahy toy ny ondry; ny fikapohana mahatsiravina ny Mpamonjy; ny fitsarana tsy ara-drariny; ny fiantsoan’ny vahoaka mafy an’i Barabasy fa tsy i Jesoa; ary avy eo ny fanomboana mahatsiravina teo amin’ny hazofijaliana teo Kalvary. Inona no tokony hifaliana tao? Ilay nolazain’i Jesoa hoe: nandresy an’izao tontolo izao Izy! Efa hivadika ho zava-misy marina ny Sorompanavotana. Nahazoana toky ny hitsanganan’ny zanak’olombelona rehetra amin’ny maty. “Hofoanana ny fahafatesana. Tsy nahavita nanakana ny Sorompanavotana i Satana.”34

Azontsika ampianarina ilay fahamarinana nolazain’ny Filoha Russell M. Nelson hoe: “Raha tsy nisy ny Sorompanavotana tsisy fetran’ny Mpanavotra antsika, dia tsy hisy olona na iza na iza ho nanana fanantenana ny hiverina any amin’ny Raintsika any An-danitra. Raha tsy nisy ny Fitsanganany tamin’ny maty, dia ho ny fahafatesana no hiafaran’ny fisiantsika. Ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy antsika dia nahatonga ny fiainana mandrakizay ho afaka ho azon’ny olona rehetra ary ny tsy fahafatesana ho zavatra efa azon’ny rehetra.”35

Saintsaino ny fomba hitondranareo ao am-pon’ny mpianatrareo ny tanjaky ny Mpamonjy, sy ny fitiavany antsika rehetra, ary ny fanajany ny drafitra masin’ny Ray. Mivavaha mba hanampiana azy ireo hahafantatra fa ho azy ireo ny Sorompanavotana sy ny hevitr’izany ao amin’ny fiainan’izy ireo izay miovaova.

Amporisiho ny fanompoana ao amin’ny fanjakan’ Andriamanitra izay mitondra ny Fanahin’ Andriamanitra.

Noho ny fanompoana sy fitarihana tao amin’ny Departemanta misahana ny Tempoly ato amin’ny Fiangonana nandritra ny taona maro dia finaritra aho amin’ny fandehanana any amin’ny tempoly sy fahitana laharan-jatovolahy sy zatovovavy miditra ao amin’ny tempoly mba hanao batisa ho an’ny maty. Rehefa antitranterinareo ao amin’ny fampianaranareo ny herin’ny tempoly dia manamafy io fahafahana lehibe io ianareo fa tsy maintsy mahafantatra an’i Jesoa Kristy izy ireo, mahafantatra fa Izy no loharanon’ny “[faherezan’]” izy ireo.

Ankasitrahako ny isa tsy mitsaha-mitombon’ireo tanorantsika vao nanao fanafiana masina izay manompo ao amin’ny tempoly. Miakanjo fotsiny avokoa ny rehetra, ao anatin’ny toe-javatra milamina, izy ireo dia mijoro eo amin’ny toerana masina mijoro ho vavolombelona momba Azy, fa nisy, ary misy, ary mbola ho avy Izy.36Ny fanompoantsika ny Tompo ao amin’ny tempoly dia fomba miavaka tokoa hahatsapana ho akaiky ny Mpamonjy.

Ankaherezo ny mpianatrareo mba hihazona mandrakariva ny fahazoan-dalana ho any amin’ny tempoly—na voafetra na tsia ny fampiasana izany arakaraka ny toe-javatra miseho—ary avy eo hizara ny fahatsapan’izy ireo momba izany hoe ao anatin’ny tempoly izany, sy ny fanambarana ary ny fitaomam-panahy izay tonga rehefa mihoatra ity fiainana ity izy ireo ka “hikatsaka ny zavatry ny tontolo tsara kokoa”37eo am-panompoana ireo izay tsy afaka manao ôrdônansy ho an’ny tenany.

Nilaza ny Filoha Nelson hoe: “Rehefa ny drafitry ny famonjen’ Andriamanitra, … sy i Jesoa Kristy ary ny filazantsarany no ifantohan’ny fiainantsika dia afaka mahatsapa fifaliana isika na inona na inona zava-mitranga—na tsy mitranga—eo amin’ny fiainantsika.”38

Rehefa notendrena ho Apôstôly aho dia nilaza ny Filoha Monson fa izaho dia ho vavolombelona manokan’ny anaran’i Jesoa Kristy amin’izao tontolo izao. Tsy nohamaivaniko izany andraikitra izany. Nandalina fatratra ny soratra masina aho namantatra ny Tompo tamin’ny anarany sy ireo fiantsoana Azy. Ireto rehetra ho zaraiko aminareo ireto dia avy ao amin’ny andinin-tsoratra masina izay mampahatsiahy antsika ny fanantenantsika izay ao Aminy. Izy no ilay:

  • Fanantenana ho an’i Isiraely.39

  • Kintana mamirapiratra fitarika andro.40

  • Mpiandry Tsara.41

  • Mpanolotsaina.42

  • Andrian’ny Fiadanana.43

  • Mpanafaka.44

  • Fahazavan’ izao Tontolo Izao.45

  • Mpisoronabe ny amin’ny zavatra tsara ho avy.46

  • Mahery ka mahavonjy.47

  • Ilay manana ny fahefana rehetra.48

Manenika ny rehetra ny fitaoman’i Kristy. Eo Izy rehefa sahirana sy miezaka ny handroso isika. Ary raha manao fahadisoana isika dia mazava noho ny teo aloha ilay “fahazavana izay mamirapiratra ao amin’ny haizina”49—anarana iray hafa fiantsoana Azy. Tia antsika Izy ao anatin’ny fotoana tsara indrindra sy maizina indrindra eo amintsika.

Tsy mitaky antsika hamantatra izay tokony na tsy tokony hataontsika ny maha-mpianatr’i Jesoa Kristy. Mora takarina izay andrasany amintsika satria efa nataony izany. Rehefa manaraka Azy isika dia manjary tia izay tiany. Rehefa manavao ny fanekempihavanantsika Aminy isika isan-kerinandro rehefa mandray ny fanasana masina, dia mitombo ny fahatakarantsika momba azy amin’ny maha-Mpanavotra izao tontolo izao 50sy Fanahin’ny Fahamarinana,51ary ilay Teny52Azy.

Ampianaro ny mpianatrareo ny herin’ny fanasan’ny Tompo, indrindra amin’ireo izay tsy matanjaka ny finoany sy tsy mahatakatra ny lanjan’io ôrdônansy masina io. Aoka ilay fitahiana avy amin’ny fanasan’ny Tompo, mba “hananantsika mandrakariva ny Fanahiny miaraka amintsika,”53mba ho zavatra resahinareo ka ho tena misy ny fampiasana ny hery manasitran’i Jesoa Kristy, amin’ny alalan’ny Sorompanavotany.

Ankoatra izany dia niantso ny Tenany tamin’ny fehezan-teny izay nanambara ny maha-Andriamanitra Azy sy ireo anjara asany mandrakizay ny Mpamonjy:

  • “Mitonia ary fantaro fa Izaho no Andriamanitra.”54

  • “Haiko ny hahatonga anareo ho masina.”55

  • “Ataoko ny sitrapo[n’ny Ray].”56

  • “Izaho Tompo dia … finaritra ny mankalaza ireo izay manompo Ahy.”57

  • “Ampy ho anareo ny fahasoavako.”58

  • “Hanana ny fiadanana ao Amiko ianao.”59

  • “Aza matahotra … fa Ahy ianareo.”60

Ry namako, rahalahiko sy anabaviko, Izany no Mpamonjy izay fantatro, izay tiako sy lalaiko amin’ny foko manontolo. Avy amin’ny fanahiko manontolo no hijoroako ho vavolombelona momba Azy sy ny hatsarany ary ny famindrampony. Nampanantena Izy hoe: “Satria ianareo no sakaizako ary hanana lova miaraka Amiko.”61

Raha ny marina, rahalahy sy ranabavy, dia mitoetra ho vahaolana hatrany i Jesoa Kristy. Manome tanjaka ho antsika ny fitiavantsika Azy, sy ny finoantsika Azy ary ny fianteherantsika Aminy rehefa mahatakatra ny asa nanirahany Azy sy ny filazantsarany isika.

Nofariparitan’i Helamana tsara izany manao hoe: “Ary ankehitriny, ry zanako, tsarovy, tsarovy fa eo amin’ ny vatolampin’ ny Mpanavotra antsika, dia i Kristy, Ilay Zanak’ Andriamanitra, no tsy maintsy anorenanareo ny fototrareo; ka rehefa handefa ny rivo maheriny ny devoly, eny, ny zana-tsipìkany ao amin’ ny tadio, eny, rehefa hamely anareo ny havandrany rehetra sy ny tafiotra maheriny, dia tsy hanan-kery aminareo izany mba hisintona anareo hidina any amin’ ny hantsan’ ny fahoriana sy ny loza tsisy farany, noho ilay vatolampy izay iorenanareo eo amboniny, izay fototra azo antoka, dia fototra izay tsy ahafahan’ ny olona mianjera raha miorina eo amboniny izy.”62

Sary
Jesoa mitrotro zanak’ondry

Avelako ny tsodranoko mba hahatsapanareo ny fitiavan’ny Tompo eo amin’ny fiainanareo sy hanampianareo ireo mpianatrareo hahatsapa izany koa. Mitsodrano anareo aho mba hanana fanantenana sy ho “[mahery]” ka hitoetra ao aminareo, sy hitaona fanahy anareo, ary hankahery anareo ny Fanahin’ny Tompo. Mitsodrano anareo aho mba hihaino ireo mpianatrareo, mba hahatsapa izay tsy aloaky ny vavan’izy ireo sy izay lazain’izy ireo, ary hanana fitaomam-panahy mba hahafantatra izay irian’ny Tompo ataonareo. Mitsodrano ny fianakavianareo sy ny vadinareo aho. Enga anie ho fantatrareo ny fanajana, fianteherana, ary fitiavana ananako sy ireo rahalahy namako ho anareo ary ny lanjan’ny asa izay ataonareo mba hitondrana fanahy ho amin’i Kristy. Ary enga anie ho tsapanareo ny Tompo izay mijoro eo akaikinareo eo am-pizaranareo fijoroana ho vavolombelona momba Azy, ilay Mpamonjy izao tontolo izao. I Jesoa Kristy mandrakariva no vahaolana.

Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.

Hamoaka printy