Fananana tanjona eo amin’ny fiainana: Ny lanjan’ny “finiavana marina.”
Takariva hiarahana amin’ny Rahalahy RandallL. Ridd Fampaherezam-panahy maneran-tany ho an’ny Tanora Tokan-tena sy Mpivady Vao Herotrerony • 11 Janoary 2015 • Brigham Young University–Idaho
Tombontsoa manokana ny miaraka aminareo eto anio hariva. Voninahitra lehibe ho ahy sy ny vadiko ny fahatongavana eto anio hariva. Tena nahavariana ahy tokoa fa fantatry ny findaiko hoe nisy ity diako mankaty Rexburg ity tao anatin’ny kalandrieko androany. Nolazainy ahy ny mety ho toetry ny andro ary nomeny ahy ny lisitr’ireo hôtely sy trano fisakafoanana eto an-tanana. Nolazain’ny findaiko mihitsy aza ireo fialamboly maro misy eto Rexburg mandritra ity faran’ny herinandro ity.
Rehefa mieritreritra izany aho izao a—dia tsy nataony lisitra ho isan’ireo fialamboly ny lahateniko. Izay angamba no hahafantarana fa tena telefaonina avo lenta tokoa izy ity!
Na dia tsy nanome torohevitra anareo aza ny finday avo lentanareo dia nifidy ny handany adiny iray amin’ny fotoanareo hiarahana amiko ianareo anio hariva—adiny iray izay tsy hahafahanareo hanao zavatra hafa intsony. Koa dia raisiko ho andraikitra lehibe ny hampahatonga izany ho tombontsoa. Kanefa fantatro koa fa ny zavatra lazaiko dia tsy hanan-danja loatra raha oharina amin’ny zavatra ampianarin’ny Fanahy anareo, ary ny hahatonga izany ho sarobidy dia ny fanoloran-tenanareo hanaraka izany bitsika izany.
Heveriko fa miombon-kevitra amiko ianareo ny amin’ny hoe mahatalanjona ny miaina amin’izao fotoana izao. Nantsoin’ny mpandalina fiarahamonina hoe Baby Boomers ireo olona teraka tamin’ny andronay, na dia zara raha ampiasaina aza izany teny izany aimn’izao. Ny taranaka manaraka an’izay kosa dia nataony hoe Taranaka X, ary nantsoiny tamin’ny anarana hoe Taranaka Y na ny taranaka Millénaire (Arivo taona) ianareo. Ianareo dia malaza noho ny tsy fanananareo fahasahiranana amin’ny fampiasana teknôlôjia sy ny fanekenareo ny tambazotra ifaneraserana ka marani-tsaina sy nahita fianarana bebe kokoa noho ny taranaka teo aloha. Tsy vitan’ny hoe mahatonga anareo ho sarobidy fatratra eo amin’ny fiarahamonina ankehitriny fotsiny ihany ireo toetoetra ireo fa eo amin’ny fanaovana ny asan’ny Tompo ihany koa.
Manana safidy sy fahafahana misimisy kokoa ianareo amin’izao fotoana izao raha oharina amin’ny taloha. Tahaka ny zava-drehetra eo amin’ny fiainana dia sady fitahiana izany no ozona. Maro loatra ireo safidy, ary matetika ny tahotra ny handray fanapahan-kevitra diso dia mitarika amin’ny tsy fahafahana manapa-kevitra, izay anisan’ireo fanambin’ny taranaka misy anareo. Sarotra kokoa noho ny teo aloha ny mifantoka amin’izao fotoana izao! Raha ny teknôlôjia no asian-dresaka, raha vao mividy zavatra iray ianao dia ho lany andro afaka fotoana fohy izany vao miala ilay fivarotana ianao. Maro loatra ireo olona izay matahotra ny hanolo-tena hanao zavatra satria manontany tena izy ireo sao dia misy safidy tsara kokoa azo atao. Koa dia miandry izy ireo—ary ny hiafarany dia tsy mifidy na inona na inona. Ao amin’io toetra mipetra-potsiny io dia mora voarebireby izy ireo. Ny fanefitr’izany, ry rahalahy sy rahavavy, no zavatra tiako horesahina androany hariva—fananana tanjona eo amin’ny fiainana: ny lanjan’ny finiavana marina.
I. Tanjona
Alaivo sary an-tsaina vetivety hoe ao anaty lakana mpamonjy aina iray ianareo eo amin’ny ranomasimbe, izay tsy misy na inona na inona afa-tsy onjan-dranomasina amin’izay jeren’ny maso rehetra. Misy fivoy ilay lakana, kanefa hivoy hankaiza ianareo? Dia alaivo sary an-tsaina izao hoe nahatsikaritra tany ianareo. Fantatrareo izao ny làlana tsy maintsy izoranareo. Moa ve tsy mitondra faharisihana sy tanjona ho anareo ny fahitana ilay tany? Ny olona izay tsy mifantoka mazava tsara amin’ny tanjona iray no atao hoe mpirenireny. Ny mpirenireny dia mamela ireo hevitra mahazo laka eto amin’izao tontolo izao hanapa-kevitra amin’izay toerana halehany.
Leo Tolstoy
Maneho izany zavatra izany ny fiainan’ilay mpanoratra Rosiana fanta-daza antsoina hoe Leo Tolstoy, izay nanoratra ny War and Peace. Sarotra ny fiainan’i Leo Tolstoy tamin’ny fahatanorany. Nodimandry ny ray aman-dreniny fony izy tokony ho 13 taona. Ireo zokiny lahy no nampianatra azy mikasika ny toaka sy ny filokana ary ny fahavetavetana ka tsy nazoto tamin’ny fianarany loatra i Leo. Rehefa feno 22 taona izy dia nanomboka nahatsapa fa tsy nisy tanjona mazava tsara ny fiainany ka nanoratra tao amin’ny diariny izy hoe: “Miaina tahaka ny biby aho.” Roa taona taty aoriana dia nanoratra izy hoe: “24 taona aho izao fa mbola tsy nahavita na inona na inona ihany.” Ny tsy fahafaham-pon’i Tolstoy no nanosika azy hanomboka ezaka mandritra ny fiainana amin’ny fitadiavana ny tanjon’ny fiainany, izay ny ankabeazany dia tamin’ny alalan’ny fisedrana sy fahadisoana—dia ilay antony. Talohan’ny nahafatesany teo amin’ny faha-82 taonany dia namarana ny teniny tao amin’ny diariny izy hoe: “‘Ny tena dikany sy ny fifaliana eo amin’ny fiainana,’ … dia afaka ny ho hita avy amin’ny fikarohana ny fahalavorariana sy ny fahatakarana ny sitrapon’Andriamanitra”1—ary ampiako hoe: manao ny sitrapon’Andriamanitra.
Voalaza fa “ny andro roa manan-danja indrindra eo amin’ny fiainanao dia ny andro izay nahaterahanao sy ny andro izay hahafantaranao hoe nahoana” ianao no teraka.2 Satria manana ny filazantsara isika dia tsy voatery handany ny androm-piainantsika iray manontolo amin’ny fiezahana hitady ny tanjon’ny fiainana. Ho solon’izay dia afaka mifantoka amin’ny fanatanterahana izany tanjona izany isika.
Mamaky isika ao amin’ny Matio 5:48 hoe: “Koa amin izany aoka ho tanteraka ianareo toy ny fahatanterahan’ny Rainareo Izay any an-danitra.”
Heveriko fa manana faniriana voajanahary ny hivoatra ny tsirairay amintsika. Saingy noho isika samy manao fahadisoana dia maro amintsika no resy lahatra fa tsy azo tratrarina ny tanjon’ny fahalavorariana. Ary tsy ho tratra tokoa izany—raha tsy noho ny Sorompanavotana. Mahatonga ny fahalavorariana ho azo tanterahina ny sorona nataon’ny Mpamonjy antsika. “Eny, manatòna an’i Kristy, ary aoka hatao tanteraka ao Aminy, ary holavin’ny tenanareo ny toetra tsy araka an’Andriamanitra rehetra; ary raha mandà ny toetra tsy araka an’Andriamanitra rehetra ny tenanareo, ary tia an’Andriamanitra amin’ny herinareo, ny sainareo ary ny tanjakareo rehetra ianareo, amin’izany dia ampy ho anareo ny fahasoavany, fa amin’ny fahasoavany no hahatonga anareo ho tanteraka ao amin’i Kristy” ( Môrônia 10:32; nampiana fanamafisana).
Ny Mpamonjy antsika dia nanome antsika ny fanantenana izay mitaona antsika ho lasa tahaka ny Raintsika any An-danitra. Hitanareo, araka ny hitan’i Leo Tolstoy dia misy fifaliana ao anatin’ny fikatsahana ny fahalavorariana. Tonga eo amin’ny fiainanareo ny tanjona lehibe rehefa misafidy ny hanaraka ny sitrapon’ny Tompo ianareo.
Nanontany ny Loholona Tad R. Callister hoe: “Nahoana no zava-dehibe ny manana fahatakarana mazava tsara an’io fiafarana masin’ny toetra araka an’Andriamanitra izay hijoroan’ny soratra masina ho vavolombelona sy ambaran’ireo vavolombelona hafa mazava tsara io? Satria arakaraka ny hitomboan’ny fahitana no hitomboan’ny faharisihana koa.”3
Asa fitoriana
Fony aho mbola zatovolahy dia saika nanapa-kevitra ny tsy handeha hanao asa fitoriana aho. Rehefa nahavita heritaona teny amin’ny oniversite sy heritaona tany amin’ny tafika aho dia nanana asa tsara ho teknisiana momba ny radiôgrafia tao amin’ny hôpitaly iray teo an-toerana. Indray andro dia nanasa ahy hisakafo antoandro hiaraka aminy ny Dokotera James Pingree, izay iray amin’ireo mpandidy tao amin’ilay hôpitaly. Nandritra ny resaka nifanaovanay dia nahita ny Dokotera Pingree fa tsy niomana ny handeha hitory ny filazantsara aho ka nanontany hoe fa nahoana no tsy handeha? Nolazaiko azy fa efa somary bebe taona aho ary angamba efa tara koa. Namaly ahy izy fa tsy dia antony tsara loatra izany ary na izy aza dia nandeha nanao ny asa fitoriany taorian’ny nahavitany ny fianarana mikasika ny fitsaboana. Avy eo dia nijoro ho vavolombelona momba ny maha-zava-dehibe ny asa fitoriana izy.
Nisy fiantraikany lehibe teo amiko ny fijoroany ho vavolombelona. Nahatonga ahy hivavaka tsy nisy toy izany—tamin’ny finiavana marina. Maro ireo antony izay azoko neritreretina tsy handehanana hanao asa fitoriana. Saron-kenatra aho, tena saron-kenatra ka na ny mieritreritra ny hanao lahateny fanaovam-beloma mandritra ny fanasan’ny Tompo fotsiny aza dia ampy tsy handehanako. Nanana asa izay tena tiako aho. Nanana fahafahana ny hahazo vatsim-pianarana izay mety tsy ho hisy intsony aorian’ny asa fitoriana aho. Ary ny tena zava-dehibe indrindra dia ny hoe nanana sakaiza izay niandry ahy aho fony aho mbola tany amin’ny tafika—ka fantatro fa tsy hahandry roa taona fanampiny indray izy! Nivavaka mafy aho mba hahazoana fanamafisana fa nitombina ny eritreritro ary marina ny nolazaiko.
Nahasorena ahy fa tsy nahazo valiny eny na tsia mora foana araka izay nantenaiko aho. Avy eo dia nisy eritreritra tonga tato an-tsaiko hoe: “Inona no tian’ny Tompo hataonao?” Voatery niaiky aho hoe tiany handeha hanao asa fitoriana aho, ka lasa fotoana lehibe nanapahako hevitra teo amin’ny fiainako izany. Moa ve handeha hanao ny sitrapoko aho sa hanao ny sitrapon’ny Tompo? Izany no fanontaniana tsara izay tokony hapetratsika matetika amin’ny tenantsika. Tena maodely lehibe tokoa izay tsara apetraka dieny mbola kely eo amin’ny fiainantsika izany ho an’ny tsirairay amintsika. Imbetsaka isika no manana ilay toe-tsaina hoe “Ny lalanao no lalako, Jesoa, n’aiza n’aiza misy Anao, ny sitrakao no sitrako—raha toa ka any no tiako haleha ary izay no sitrako.”
Soa ihany fa nifidy ny hanao asa fitoriana aho ka nalefa hiasa tany amin’ny Misionan’i Mexico Avaratra. Mba hanamaivanana ny fitaintainana izay mety tsapan’ny sasany aminareo—dia azoko lazaina aminareo fa tsy niandry ahy ilay sakaizako fa nanambady azy ihany aho anefa! Anisan’ireo fitahiana lehibe indrindra eo amin’ny fiainako izy. Rehefa fantatro fa ny tanjon’ny fiainantsika dia ny ho tonga tahaka ny Raintsika any An-danitra dia hitako fa tsy misy oniversite lehibe indrindra mihoatra noho ny hoe manambady sy manana fianakaviana mba hampianatra antsika ny fitiavan’Andriamanitra ho an’ny zanany. Raha mahafantatra ny zavatra fantatro ianareo dia hanao izay rehetra vitanareo mba hahatafiditra anareo ao amin’izany oniversite izany. Fantatro fa misy ny fisoratana anarana mialoha amin’izao fotoana izao.
II. Finiavana marina
Fony vao nianatra niteny ny zanakay lahy dia lian-javatra foana izy ary tsy nety afa-po. Tao anatin’ny voambolana fampiasany, izay voafetra ihany, dia ny teny hoe “Fa maninona?” no tena tiany indrindra. Raha miteny aho hoe “Fotoana hatoriana izao,” dia hamaly izy hoe: “Fa maninona?”
“Handeha hiasa aho.”
“Fa maninona?”
“Andao hivavaka.”
“Fa maninona?”
“Fotoana handehanana any am-piangonana izao.”
“Fa maninona?”
Nahafatifaty ery izany—ny in-500 voalohany nilazany izany. Kanefa na dia efa lasa tsy nahafatifaty intsony aza ilay izy ka lasa somary nankaleo kely dia feno fankasitrahana aho noho ny fampahatsiahivana matetika ny hoe tokony handalina ilay antony (ara-bakiteny) ao ambadiky ny zava-drehetra izay nataoko aho.
Tsy dia azoko antoka hoe misy hevitra lehibe fonosin’ilay litera Y izay anarana hiantsoana ny taranaka misy anareo, nefa mieritreritra kosa aho fa misy soatoavina avy amin’ny fandraisana anareo ho toy ny taranaka tia manao hoe “fa maninona.” Ankehitriny dia tena zava-dehibe ho an’izao tontolo izao ny manao fanahy iniana ny amin’ny hoe fa maninona ianao no manao ny zavatra ataonao.
Ny hoe miaina amin’ny finiavana marina dia midika hoe mahatakatra ny hoe “fa maninona” sy mahatsapa ny anton’ny zavatra ataontsika. Hoy i Socrates: “Tsy mendrika ny hiainana ny fiainana tsy voalanjalanja.”4 Saintsaino ny fomba handanianareo ny fotoanareo, ary manontania tena matetika hoe “Fa maninona?” Hanampy anareo hampitombo ny fahaizana mahita lavitra mihoatra ny amin’izao fotoana izao izany. Tsara kokoa ny mijery aloha sy manontany tena hoe: “Fa maninona aho no hanao izany?” toy izay hanao jery todika ka hilaza hoe: “Fa naninona loatra re aho no nanao an’izany?” Raha ny tian’Andriamanitra hataonareo no hany anton’ilay hoe fa maninona, dia ampy izany.
Kintana
Fony aho mbola mpianatra seminera tamin’ny fahatanorako dia nianatra ny lanjan’ny “finiavana marina” aho. Nanao fanamby ny mpampianatra anay mba hamakinay ny Bokin’i Môrmôna. Mba hanampiana amin’ny fanaraha-maso ny fivoaranay dia namorona tabilao iray izy, izay nahitana ny anaranay tamin’ny sisiny ambany ary ny boky voatanisa kosa teo amin’ny sisiny ambony. Isaky ny namaky boky iray ianao dia nasiana kintana teo akaikin’ny anaranao. Tamin’ny voalohany dia tsy niezaka loatra aho namaky, kanefa tsy ela taorian’izay dia hitako fa nihalasa farany hatrany hatrany aho. Noho izaho natosiky ny fahamenarako sy ny toetrako ara-boajanahary tia mifanina dia nanomboka namaky aho. Isaky ny nahazo kintana aho dia nahatsiaro faly. Ary arakaraka ny habetsahan’ny kintana azoko no namporisika ahy hamaky bebe kokoa—teo anelanelan’ny fotoam-pianarana, taorian’ny fianarana, isaky ny misy fotoana malalaka.
Mety ho tantara tsara tokoa izany raha toa aho ka afaka hilaza aminareo hoe lasa voalohany tao an-dakilasy—kanefa tsy izay no izy. (Fa tsy farany koa anefa aho.) Moa fantatrareo ve ny zavatra azoko tamin’ny famakiana ny Bokin’i Môrmôna? Fantatro fa mieritreritra ianareo hoe “fijoroana ho vavolombelona,” sa tsy izany? Saingy tsy izay no azoko. Nahazo kintana aho. Nahazo kintana aho satria izany no antony namakiko ny boky. Izany no finiavana marina tato anatiko.
Mazava tsara ny zavatra nolazain’i Môrônia rehefa nanoritsoritra ny fomba tokony hataontsika izy mba hahafantarana raha marina ny Bokin’i Môrmôna: “Ary rehefa handray ireto zavatra ireto ianareo, dia ta hamporisika anareo aho ny mba hanontanianareo an’ Andriamanitra, Ilay Ray Mandrakizay, amin’ ny anaran’ i Kristy, raha tsy marina ireto zavatra ireto; ary raha manontany amin-kitsimpo ianareo, omban’ ny tena finiavana, sady manam-pinoana an’ i Kristy, dia haneho ny fahamarinan’ izany aminareo Izy amin’ ny herin’ ny Fanahy Masina” Môrônia 10:4; nampiana fanamafisana).
Rehefa atao jery todika ny lasa dia hitako fa tena tsy niangatra tamiko ny Tompo. Nahoana aho no tokony hanantena ny hahita zavatra ankoatra izay notadiaviko? Tsy mbola tena hoe nijanona mihitsy aho ka nanontany tena hoe fa maninona aho no namaky ny Bokin’i Môrmôna. Nirenireny aho ary namela ny fandrisihan’izao tontolo izao hitarika ahy, ka taty aoriana aho vao nahatsapa fa namaky ilay boky marina tamin’ny antony diso aho. Ny finiavana marina dia ny fanaovana zavatra marina noho ny antony marina.
Taona maro taty aoriana, rehefa avy niady saina lalina momba ny fanapahan-kevitra ny handeha na tsy handeha hanao asa fitoriana aho vao namaky ny Bokin’i Môrmôna tamin’ny finiavana marina. Raha handany roa taona hijoro ho vavolombelona momba ilay boky ihany aho dia tokony nanana fijoroana ho vavolombelona ny amin’izany aloha.
Fantatro fa manatanteraka ny tanjony masina mikasika ny fijoroana ho vavolombelona momba ny fiainana sy ny iraka nampanaovina an’i Jesoa Kristy ny Bokin’i Môrmôna satria namaky izany tamin’ny finiavana marina aho.
Fanoharana momba ny voasary
Te-hizara fanoharana maoderina izay hantsoiko hoe “Ny fanoharana momba ny voasary” aho. Eo am-pihainoanareo izany dia hevero ny zavatra ampianarin’io tantara io anareo momba ny herin’ny finiavana marina.
Nisy zatovolahy iray izay nanana faniriana mafy ny hiasa ao amin’ny orinasa iray satria tsara karama sy fanta-daza izany. Nanomana ny CV-ny izy ary nanao tafa sy dinika maromaro. Nony farany dia nomena toeran’ny vao mianatra asa izy. Avy eo dia nampifantohany tamin’ny tanjony manaraka ny faniriany—dia ny toeran’ny mpanara-maso izay hanome voninahitra sy karama bebe kokoa azy. Koa notanterahiny ny andraikitra nankinina taminy. Tonga vao maraina izy indraindray ary nijanona hariva mba ho hitan’ny lehibeny fa miasa mandritra ny ora maromaro.
Dimy taona taty aoriana dia nalalaka ilay toeran’ny mpanara-maso. Diso fanantenana tanteraka ilay zatovolahy raha nahita fa nomena ny mpiasa hafa iray izay vao niasa enim-bolana monja tao amin’ilay orinasa ilay fisondrotan-toerana. Tezitra mafy ilay zatovolahy ka nandeha nankany amin’ny lehibeny ary nitaky fanazavana.
Hoy ny lehibeny izay feno fahendrena: “Alohan’ny hamaliako ny fanontanianao dia mba afaka mangataka zavatra kely aminao ve aho?”
“Eny, tsy maninona mihitsy,” hoy ilay mpiasa.
“Mba afaka mandeha mankany amin’ny mpivarotra ve ianao hividy voasary?” Mila izany ny vadiko.”
Nanaiky ilay zatovolahy ka nandeha nankany amin’ny mpivarotra. Rehefa niverina izy dia nanontany azy ny lehibeny hoe: “Inona no karazam-boasary novidianao?”
“Tsy azoko antoka loatra,” hoy ilay zatovolahy namaly. “Nilaza fotsiny ianao hoe mandehana mividy voasary, ary indreto ny voasary. Indreto izany.”
“Ohatrinona no sarany?” hoy ilay lehibeny nanontany.
“Tsy fantatro,” hoy izy namaly. “Nomenao 30 dôlara aho. Indro ity ny rosianao sy ny famerim-bolanao.”
“Misaotra anao,” hoy ilay lehibeny. “Izao dia makà toerana kely azafady ary diniho tsara ny zavatra hiseho.”
Avy eo dia niantso ilay mpiasa izay nahazo ny fisondrotan-toerana ilay lehibeny ka nangataka azy hanao ilay asa teo ihany. Nanaiky tamim-pahavitrihina ilay zatovolahy ka nandeha nankany amin’ny mpivarotra.
Rehefa niverina izy dia nanontany azy ny lehibeny hoe: “Inona no karazam-boasary novidianao?”
“Hitanao,” hoy izy namaly, “maro ny karazam-boasary tao amin’ilay mpivarotra—nisy voasary navel, voasary Valencia, voasary mena, voasary mandarinina, sy ny maro samihafa, ka tsy fantatro izay karazany hovidiana. Kanefa tsaroako ianao nilaza fa nila voasary ny vadinao, ka dia niantso azy aho. Nilaza izy fa hikarakara fety ary hanao ranom-boankazo avy amin’ny voasary. Ka nanontany ilay mpivarotra aho hoe iza amin’ireo voasary ireo no tsara hanaovana ranom-boankazo. Nilaza izy fa ny voasary Valencia no be ranony sy mamy tsara, ka izay no novidiako. Nateriko tany an-tranonao izany alohan’ny niverenako taty amin’ny birao. Tena faly tokoa ny vadinao.”
“Ohatrinona no sarany?” hoy ilay lehibeny nanontany.
“Olana iray hafa indray izay. Tsy fantatro hoe firy no tokony hovidiana, ka nanontany ny vadinao indray aho ary nanontany azy hoe firy ny vahiny andrasany. Nilaza izy fa 20. Koa nanontaniako ilay mpivarotra hoe firy ny voasary ilaina raha hanao ranom-boankazo ho an’ny olona miisa 20. Tena maro tokoa no nilaina. Koa nanontaniako ilay mpivarotra raha toa ka afaka manome fihenambidy ho ahy izy noho ny hamaroan’ny voasary novidiako, ary nataony izany! Raha ny tokony ho izy dia 75 santima ny vidin’ny iray kanefa 50 santima fotsiny no naloako. Indro ity ny rosianao sy ny famerim-bolanao.”
Nitsiky ilay lehibe ka niteny hoe: “Misaotra anao, afaka mandeha ianao.”
Nijery ilay zatovolahy izay nitazana izy. Nitsangana ilay zatovolahy, nitanondrika ary nilaza tamim-pahakiviana hoe: “Azoko ny tianao ambara,” teo am-pandehanana nivoaka ny birao.
Inona no nahasamy hafa ireo zatovolahy roa ireo? Samy nasaina nividy voasary avokoa izy roalahy, ary samy nanao izany? Mety hilaza ianareo hoe ny iray nanao ezaka bebe kokoa, na niasa tsara kokoa, na nijery ny antsipiriany bebe kokoa. Nefa ny fahasamihafana lehibe indrindra dia nisy ifandraisany tamin’ny finiavana marina, fa tsy hoe nanao ilay asa tamin’izao fotsiny. Natosiky ny vola sy ny toerana ary ny voninahitra ilay zatovolahy voalohany. Fa ilay zatovolahy faharoa kosa dia nentanin’ny faniriana mafy hampifalifaly ny lehibeny sy ny fanoloran-tena anaty ho lasa mpiasa faran’izay tsara indrindra araka izay azony natao—ary hita miharihary ny vokany.
Ahoana no ahafahanareo mampihatra io fanoharana io eo amin’ny fiainanareo? Ahoana no hahasamy hafa ny ezaka ataonareo eo amin’ny fianakavianareo, any am-pianarana, sy any am-piangonana raha toa ka mikatsaka mandrakariva ny hampifaly an’Andriamanitra sy hanao ny sitrapony, izay entanin’ny fitiavanareo Azy, ianareo?
III. Fampiharana
Ialao ny fandrebirebena—ny lanjan’ny fifantohana
Impiry ianareo no nipetraka teo anoloan’ny solosaina mba hanao ny enti-mody na asa nampanaovina, kinanjo mipoitra tampoka avy any ny dokambarotry ny zavatra mitovy amin’ilay novidianareo vao haingana? Avy eo, teo am-pijerena ireo fivarotana amin’ny internet ianareo dia nahatsikaritra fa “en ligne” ny sasany amin’ny namanareo, koa dia nanomboka nifampiresaka taminy ianareo. Avy eo, nahazo fanairana ianareo fa vao avy nametraka zavatra tao amin’ny Facebook ny namana iray, ary mila mijery fotsiny ianareo hoe inona izany. Tsy hitanareo akory dia lany fotoana sarobidy ianareo ka nanadino ny antony voalohany nandehananareo teo anoloan’ny solosaina. Imbetsaka tokoa isika no voarebireby raha tokony hanao zavatra. Mangalatra ny fotoanareo izay tokony hanaovanareo zavatra tsara ny fandrebirebena. Ny fahaizana mifantoka dia manampy antsika hiala amin’ny fandrebirebena.
Fantatro fa samy tia manao fitsapana avokoa ianareo. Ka anio hariva dia hanome fitsapana kely anareo aho mba hizahana ny fahaizanareo mifantoka. Hahita ekipa roa ianareo: ny iray mitafy fotsy ary iray kosa mitafy mainty. Hifanimpy baolina basikety izy ireo, ary tiako raha mba hisainareo ny isan’ny tsipy baolina hataon’ny ekipa manao akanjo fotsy.
Firy ny tsipy baolina voaisanareo?
Atsangano ny tananareo raha nahaisa tsipy baolina 19 ianareo. Iza no nahita 20? 21? 22?
Ny valiny marina dia 21.
Atsangano ny tanan’ireo izay nahita ny valiny marina 21. Ataovy ambony ihany ny tananareo raha nahita vehivavy lehibe iray nandeha namakivaky ny trano, sy nandihy moonwalk ianareo. Izao dia mbola ataovy ambony ihany ny tananareo raha nahita mpiady ninja nanolo ny toeran’ny iray amin’ireo mpilalao nitafy akanjo mainty ianareo. Hitanareo ve fa nanao satroka ireo mpilalao tao amin’ilay ekipa niakanjo mainty?
Jereo indray ary afantohy amin’ny zavatra mbola tsy hitanareo tamin’ny voalohany ny sainareo.
Hozaraina aminareo ity horonantsary ity aorian’izao ao amin’ny tambazotra ifaneraserana.
Zava-dehibe tokoa ny zavatra ifantohantsika eo amin’ny fiainana. Araka ny zavatra asehon’io fitsapana io dia mahita ny zavatra tadiavintsika isika amin’ny ankapobeny. Na araka ny filazan’ny soratra masina azy hoe: “mitadiava, dia hahita ianareo” (Lioka 11:9).
Raha mifantoka amin’ny zavatra eo amin’izao tontolo izao isika dia mety tsy hahita ny tontolo ara-panahy izay manodidina antsika. Mety tsy afaka ho tsapantsika ny bitsika ara-panahy izay tian’ny Fanahy Masina homena mafy antsika mba hitarika ny fiainantsika sy hitahiantsika ny hafa. Ary mifanohitra amin’izay, raha toa ka mifantoka amin’ny zavatry ny Fanahy sy ireo zavatra izay “mendrika, maha-te ho tia, tsara na mendrim-piderana” (Fanekempinoana 1:13) isika dia tsy ho variana noho ny fakam-panahy sy ny fandrebireben’izao tontolo izao. Ny fomba tsara indrindra hialana amin’ny fandrebirebena dia ny fampifantohana tsara ny saintsika amin’ny tanjontsika sy hazoto hirotsaka amin’ny tanjona tsara. Mitandrema tsara amin’ny zavatra hifantohanareo—aza mandany andro mifantoka amin’ny fianihana tendrombohitra iray kanefa avy eo vao hahita fa hay nihanika tendrombohitra diso ianareo.
Ny Herin’ny zava-madinika
Dimy amby telopolo taona taorian’ny nanovako ny zavatra nifantohako sy nanapahako hevitra handeha hanao asa fitoriana dia namporisika ahy ny zanako lahy mba hiaraka aminy hitsidika an’i Mexico, ka nanantena izahay fa hahita ny sasany amin’ireo olona izay nampianariko. Nanatrika ny fivoriana fanasan’ny Tompo tao amin’ny tanana kely iray izay nanombohako ny asa fitoriako izahay, ary nieritreritra fa mety hahalala olona tao kanefa tsy nisy na dia iray aza. Taorian’ny fivoriana dia nanontany ny eveka izahay raha toa ka nahalala ny olona tao amin’ny lisitry ny olona izay nampianarinay sy nataonay batisa izy. Tsy nisy na dia iray aza. Nanazava izy fa vao dimy taona monja izay no nahalasa azy ho mpikambana. Nanoro hevitra anay izy ny hiresahanay amin’ny lehilahy iray izay mpikambana nandritra ny 27 taona—kely ny fanantenana kanefa tsy maninona fa nandramana ihany aloha. Nojerenay niaraka ilay lisitra nentiko saingy tsy nahitam-pahombiazana izany raha tsy tonga teo amin’ny anarana farany izahay. Leonor Lopez de Enriquez.
“Eny,” hoy izy. “Mivavaka ao amin’ny paroasy iray hafa io fianakaviana io, fa ato amin’ity trano fiangonana ity ihany izy no mivavaka. Anjaran’izy ireo izao ny fivoriana fanasan’ny Tompo manaraka, tokony ho avy tsy ho ela izy ireo.”
Niandry 10 minitra monja izahay dia tonga niditra tao am-piangonana i Leonor. Na dia teo amin’ny faha-70 taonany aza izy izao dia fantatro avy hatrany, ary nahafantatra ahy koa. Nifamihina elabe tamin-dranomaso izahay.
Hoy izy hoe: “Nivavaka izahay, nandritra ny 35 taona, ny hiverenanao mba hahafahanay misaotra anao noho ny fitondrana ny filazantsara teo amin’ny fianakavianay.”
Rehefa niditra tao am-piangonana ireo fianakaviana hafa dia nifamihina tamin-dranomaso izahay. Hitako teo anilako ny zanako lahy nijoro niaraka tamin’ny misiônera amin’ny fotoana feno roa, izay namafa ny ranomasony tamin’ny karavatony.
fa Rehefa nanatrika ny fivoriana fanasan’ny Tompo izahay dia talanjona raha nahita fa iray amin’ireo zanakalahin’i Leonor ny eveka, zafikeliny lahy ny mpitendry pianô, zafikeliny vavy iray no mpandrindra hira, zafikeliny ny sasantsasany tamin’ireo zatovolahy tao amin’ny Fisoronana Aharôna, nanambady ny mpanolotsaina tao amin’ny fiadidian’ny tsatòka ny iray amin’ireo zanany vavy. Nanambady eveka tao amin’ny paroasy teo akaiky teo ny zanany vavy iray. Nandeha nanao asa fitoriana avokoa ny ankamaroan’ny zanak’i Leonor, ary avy nandeha nanao asa fitoriana ihany koa ireo zafikeliny lahy.
Fantatray fa misiônera tsara kokoa i Leonor raha oharina taminay. Ankehitriny dia amim-pankasitrahana no ampahatsiahivan’ireo zanany ny ezaka nataony tamim-pahazotoana tamin’ny fampianarana azy ireo ny filazantsara: ny maha-zava-dehibe ny fahafolonkarena sy ny tempoly, ny fandalinana soratra masina sy ny vavaka ary ny finoana mba hametra-pitokisana amin’izany. Nampianariny azy ireo ny fanapahan-kevitra madinika ataon’ny tena manokana izay miafara amin’ny fiainana feno sy marina ary feno fifaliana rehefa mandeha ny fotoana, ary nampianarin’izy ireo ny hafa koa ireo zavatra ireo. Vokatr’izany rehetra izany dia misy 500 mahery ny olona nankao am-piangonana noho ny zavatra nataon’ity fianakaviana mahafinaritra ity. Izany no iray amin’ireo antony izay tian’ny Tompo handehanako hanao asa fitoriana. Nampianatra ahy ny vokatra mandrakizay ateraky ny fikatsahana ny sitrapon’ny Tompo izany.
Firesahana tsotra nandritra ny sakafo antoandro no niandohan’izany rehetra izany. Matetika aho no mieritreritra hoe raha nifantoka bebe kokoa tamin’ny asa aman-draharahany na ny fikatsahana ny zavatr’izao tontolo izao ny Dokotera Pingree dia mety tsy nanontany ny antony tsy handehanako hanao asa fitoriana izy. Saingy nifantoka tamin’ny hafa sy tamin’ny fampandrosoana ny asan’ny Tompo izy. Namboly voa iray izay nihalehibe izy ka namoa ary nihabetsaka, na nitombo be tokoa. Ny eritreritra nentanim-panahy dia miteraka asa tsara; ny asa tsara miteraka asa tsara hafa, ary dia toy izany hatrany hatrany, mandrakizay.
Hoy ny ao amin’ny Marka 4:20: “Ary ireto no ilay voafafy teny amin’ny tany tsara, dia izay mandre ny teny ka mandray azy dia mamoa: ny sasany avy telo-polo heny, ny sasany avy enim-polo heny, ary ny sasany avy zato heny.”
Hita mazava tsara ao amin’ny soratra masina ny hevitra mikasika ny hoe ny asa madinika sy tsotra be fa misy tanjona dia mety misy vokany lehibe. Nampianatra an’i Helamàna zanany lahy i Almà hoe:
“Amin’ny alalan’ny zava-madinika sy tsotra no anatanterahana ny zavatra lehibe. …
“… Ary amin’ ny alalan’ ny zavatra tena madinika no ampangaihaizan’ ny Tompo ny hendry sy itondrany ny famonjena ho an’ ny fanahy maro” (Almà 37:6–7).
Iray amin’ireo lesona izay tokony hianarana dieny mbola kely ny hoe: misy hery lehibe avy amin’ny fitambaran’ny vokatry ny zava-madinika izay ataontsika isan’andro. Zava-madinika sy tsotra no miasa eo amin’ny fiainanareo izao—na miasa ho anareo na miasa hanohitra anareo. Tahaka ny ampiasan’ny Tompo ny zavatra toy izany mba hampiorenana anareo no ampiasan’i Satana azy ireny hanelingelenana anareo sy hitarihana anareo hiala amin’ny lalana tsimoramora, ary izany dia zara raha hita.
Ny fanambintsika dia hoe rehefa mahita fianakaviana mahafinaritra na olona tafita eo amin’ny lafiny ara-bola na olona manana tanjaka lehibe ara-panahy isika dia tsy mahita ny asa madinika sy tsotra izay nahatonga azy ireo ho toy izany. Mahita atleta Ôlimpika isika fa tsy mahita ny taona maro nanaovan’izy ireo fanazaran-tena isan’andro ka nahatonga azy ireo ho tompon-daka. Mandeha any amin’ny mpivarotra isika ary mividy voankazo vaovao, fa tsy mahita ny fambolena ny voa sy ny fikolokoloana ary ny fiotazana tsara izany. Mijery ny Filoha Monson sy ireo Manampahefa Ambony isika ary tsapantsika ny hery sy ny hatsarana ara-panahiny, fa ny zavatra tsy hitantsika dia ireo asa tsotra atao isan’andro sy averimberina ombieny ombieny. Mora atao ireo zavatra ireo, kanefa mora ihany koa ny tsy manao azy ireo—ny antony manokana dia tsy hita eo no ho eo ny vokany.
Miaina ao anatin’ny tontolo izay mitaky vokatra eo no ho eo isika. Tiantsika ny handeha avy eo amin’ny fambolena hankamin’ny fiotazana avy hatrany. Zatra mahazo vokatra eo no ho eo isika—isaky ny voatery miandry mihoatra ny segondra vitsivitsy isika ao amin’ny Google amin’ny fanomezana ny valin’ny fanotaniana tsirairay apetratsika, dia tezitra —kanefa adinontsika fa vokatry ny fitambaran’ny asa sy fahafoizantena maromaro nandritra ny taona maro nifandimby izany.
Manome torohevitra ho an’i Helamàna, izay tsara ho antsika amin’izao fotoana izao, i Almà. Rehefa niresaka momba ny Liahona sy ny “zava-mahagaga maro hafa” izay nitarika ny fianakavian’i Lehia “isan’andro isan’andro” izy dia nilaza hoe:
“Kanefa, satria ireo zava-mahagaga ireo dia notontosaina tamin’ ny alalan’ ny fitaovana madinika, izany dia nampiseho asa mahatalanjona taminy. Raha kamo izy ka nanadino ny nampihatra ny finoany sy ny fahazotoany, tamin’ izay dia nitsahatra ireo asa mahatalanjona ireo, ary dia tsy nandroso izy tamin’ ny diany. …
“Ô Ry zanako, aoka isika tsy ho kamo noho ny fahamoran’ ny lalana; fa toy izany tamin’ ny razantsika; satria efa nomanina ho azy izany, ka raha mijery izy dia mety ho velona; dia torak’ izany koa amintsika. Efa voaomana ny lalana, ary raha mijery isika dia mety ho velona mandrakizay.
“Ary ankehitriny anaka, dia ataovy izay hikarakaranao ireo zava-masina ireo, eny, ezaho izay hijerenao an’ Andriamanitra ka ho velona” (Alma 37:40–41, 46–47).
Zava-madinika sy tsotra telo
Te-hanamafy fomba madinika sy tsotra telo “[hijerena] an’Andriamanitra” aho izay hanampy antsika hijanona hifantoka amin’ny tanjontsika mandrakizay. Tsy hisy hahagaga anareo izy ireo—efa renareo matetika izy ireo tany aloha tany. Saingy mijoro ho vavolombelona aho fa ny fanaovana tsy tapaka sy amin’ny finiavana marina ireto zavatra ireto dia tsy vitan’ny hoe hampiavaka fotsiny fa hitondra fahasamihafana lehibe. Raha takatrareo—ny tiako hambara hoe raha tena takatra tsara—ny antony anaovana ireo asa tsotra kely ireo, tsy misy fisalasalana, dia ho ataonareo laharam-pahamehana eo amin’ny fiainanareo izy ireo.
Voalohany, rehefa mandray ny fanasan’ny Tompo isika dia matetika no manao izany ho fahazarana fotsiny. Rehefa mijery ity horonantsary ity isika dia jereo ny fifantohana atao amin’ny fahatsiarovana, ary eritrereto ny antony mahatonga izany ho manan-danja.
Loholona Jeffrey R. Holland: “Rehefa hifarana ilay fiaraha-misakafo farany sy miavakan’ny Andro Firavoravoana voaomana dia nandray ny mofo i Jesoa, ary rehefa avy nisaotra dia novakiany izany ary nomeny ny Apôstôly, sady nanao hoe:”
Jesoa Kristy: “Ity no tenako izay omena ho anareo; izao no ataovinareo ho fahatsiarovana Ahy. Ity kapoaka ity no fanekena vaovao amin’ny rako, izay aidina ho anareo.”
Loholona Holland: “Nanomboka teo amin’izany zava-nitranga tao amin’ny efitrano ambony izany, izay nandritra ny takarivan’i Getsemane sy Golgota dia teo ambany fanekempihavanana hahatsiaro ny sorona nataon’i Kristy amin’ny endriny vaovao, ambonimbony kokoa, masina sy amin’ny fomba mivantana aminy kokoa ny zanaky ny fampanantenana. Mahatsiaro ny rà nalatsak’i Kristy sy ny lanjan’ny fanaintainana ara-panahy lalina isika amin’ny fandraisana ny rano.
“Mahatsiaro ny vatana voalefona sy fo torotoro isika rehefa mandray ny silaky ny mofo, voavaky, nisaorana ary aroso voalohany.
“Ao anatin’ny teny tsotra sy mahafinaritra mandritra ny vavaky ny fanasan’ny Tompo izay ataon’ireo mpisorona tanora, ny teny miavaka izay manakoako sy re dia hoe hahatsiaro.
“Raha toa ka ny hahatsiaro ny andraikitra mivantana hazonintsika, inona nom mety ho tonga ao amin’ny fahatsiarovantsika rehefa handrosoana ireo tandindona tsotra sy sarobidy ireo?”
Jesoa Kristy: “Ary izany no hataonareo ho fahatsiarovana ny vatako izay efa nasehoko anareo. Ary izany dia ho vavolombelona amin’ ny Ray fa mahatsiaro Ahy mandrakariva ianareo. Ary raha mahatsiaro Ahy mandrakariva ianareo dia hanana ny Fanahiko miaraka aminareo.”
Text on screen: Ahoana no “hahatsiarova[nao] Azy mandrakariva”?5
Rehefa mahatsiaro Azy mandrakariva isika ka mitandrina ny didiny, dia eritrereto ny fitambaran’ny fiantraikan’ny fananana mandrakariva ny Fanahiny miaraka amintsika eo amin’ny sehatry ny fiainantsika tsirairay. Alaivo sary an-tsaina ny fiantraikan’izany eo amin’ny fanapahan-kevitra ataontsika isan’andro sy ny fahafantarantsika ny filan’ny hafa.
Marobe ireo fomba ahafahantsika manaja ny fampanantenana nataontsika ny hahatsiaro ny Mpamonjy mandritra ny andro iray. Ahoana no hahatsiarovanareo Azy mandrakariva?
Ny ankamaroany dia hilaza hoe: “Mivavaka sady mandalina soratra masina.” Ary marina ny voalazanareo, raha toa ka, ary raha amin’ny finiavana marina ihany no hanaovana izany.
Mivavaka sy mandalina ny soratra masina no zava-madinika sy tsotra izay tiako antitranterina manaraka.
Mazava tsara ny ambaran’ny Tompo momba ny tsy fahombiazan’ny vavaka ataontsika rehefa atolotsika amim-pahazarana fotsiny izany: “Ary dia toy izany koa no anisana ho ratsy ho an’ ny olona iray, raha mivavaka izy nefa tsy amin’ ny finiavan’ ny fo marina; eny, ary tsy mahasoa azy na amin’ inona na amin’ inona izany, fa tsy mandray ny toa azy Andriamanitra” (Môrônia 7:9).
Ny finiavana marina eo amin’ny vavaka dia manokatra ny fifandraisana ifanaovantsika amin’ny Raintsika any An-danitra, ombam-pikasana ny hanaraka ny torohevitra rehetra izay omeny. “Milà hevitra amin’ ny Tompo amin’ ny ataonao rehetra dia hotarihiny ho amin’ ny tsara ianao; eny, rehefa mandry ianao amin’ ny alina, mandria ao amin’ ny Tompo, mba hahazoany miambina anao ao amin’ ny torimasonao; ary rehefa miarina ianao amin’ ny maraina, aoka ny fonao ho feno fisaorana an’ Andriamanitra; ary raha manao ireo zavatra ireo ianao, dia hasandratra ianao amin’ ny andro farany” (Almà 37:37).
Mandeha miaraka ho azy ny vavaka sy ny fandalinana soratra masina. Rehefa mandalina ny soratra masina sy ny tenin’ny mpaminantsika maoderina isika dia manomana antsika hahazo fanambarana ho an’ny tena manokana izany. Ny ohatra sy ny fampitandremana hita ao amin’ny soratra masina dia mitaona ny faniriantsika. Ary izany no fomba hitomboantsika ao anatin’ny fahalalana ny saina sy ny sitrapon’ ny Tompo.
Niangavy antsika ireo mpaminany fahiny sy amin’izao fotoana izao mba hanao ny zava-madinika sy tsotra tahaka ny hoe mivavaka sy mandalina ny soratra masina. Koa nahoana no tsy ataon’ny olona tsirairay avy izany? Angamba ny antony iray dia hoe tsy voatery mahita voka-dratsy miavaka be isika raha tsy manao izany ao anatin’ny iray na roa andro—tahaka ny tsy hahasimba sy hampihintsana ny nifinareo raha sendra adinonareo ny miborosy nify indray mandeha. Ho tonga amin’ny fotoana manaraka, rehefa mandeha ny fotoana, ny ankamaroan’ny vokatra, na izany tsara na izany ratsy. Kanefa ho avy izy ireo.
Taona maro lasa izay dia namboly hazo roa mitovy karazana sy mitovy haavo aho teo an-tokotaniko. Novoleko teo amin’ny toerana izay zara raha tratry ny masoandro isan’andro ny iray, fa ilay iray hafa kosa novoleko teo amin’ny toerana izay nahazo taramasoandro tsara. Nandritra ny taona vitsivitsy taorian’izay dia tsy nahatsikaritra fahasamihafana firy tamin’ny fitomboan’ireo hazo roa ireo aho, kanefa avy eo dia nandeha namita iraka nandritra ny telo taona izaho sy ny vadiko. Rehefa tafaverina izahay dia talanjona aho nahita ny fahasamihafana lehibe! Ny fitambaran’ny fiantraikan’ny masoandro tsikelikely isan’andro dia niteraka fahasamihafana lehibe—rehefa nandeha ny fotoana—teo amin’ny fitomboan’ireo hazo. Tahaka izany koa ny zava-mitranga eo amin’ny fiainantsika rehefa avelantsika ho azon’ny loharanon’ny hazavana rehetra ny tenantsika. Mety tsy hahita fiovana avy hatrany isika, kanefa matokia fa hiseho ao anatinareo ny fiovana, ary hiharihary ny vokatra amin’ny fotoana iray.
Afaka mampiova zavatra lehibe eo amin’ny sehatry ny fiainanareo rehetra io hevitra tsotra momba ny fitambaran’ny fiantraikan’ireo asa atao isan’andro io, izay omban’ny tanjona sy ny finiavana marina. Mety haneho ny fahasamihafana eo amin’ny fiadiana amin’ny fiainana mahazatra na ny fahombiazana mihoa-pampana sy ny fahatratrarana ny tanjona nahariana anareo izany.
Matetika aho no manao jery todika ny fiainako ary manontany tena hoe naninona no sarotra tamiko ny nanapa-kevitra handeha hanao asa fitoriana. Sarotra izany satria voaelingelina aho—tsy nifantoka tamin’ny tanjoko mandrakizay aho. Tsy nifanaraka tamin’ny sitrapon’ny Tompo ny faniriako sy ny sitrapako, raha tsy izany dia ho mora foana ny nandray ilay fanapahan-kevitra. Ary naninona no tsy nifanaraka izy ireo? Nandeha nankany am-piangonana sy nandray ny fanasan’ny Tompo isak’Alahady aho—fa tsy nifantoka tamin’ny tena dikany aho. Nivavaka aho, fa amin’ny ankapobeny dia nataoko tamim-pahazarana fotsiny. Namaky soratra masina aho, saingy tsy vitan’ny hoe indraindray ihany fa tsy nisy finiavana marina koa.
Raha nihaino ianareo androany dia manantena aho fa tsapanareo, tamin’ny alalan’ny bitsiky ny Fanahy, ny zavatra tokony hataonareo mba hananareo fiainana voalanjalanja sy misy tanjona. Mamporisika anareo aho hanaraka izany bitsika izany. Aza kivy noho ny eritreritra mikasika ny zavatra izay efa vitanareo na tsy nataonareo. Avelao ny Mpamonjy hanome anareo fahafahana vaovao hanomboka indray. Tsarovy ny zavatra nolazain’ny Tompo hoe: “Nefa arakaraka ny nibebahany sy ny nitadiavany famelana tamin’ ny finiavana marina no namelana azy” Môrônia 6:8, nampiana fanamafisana).
Atombohy dieny izao izany. Miainà fiainana misy tanjona. Apetraho eo amin’ny sehatra manan-danja eo amin’ny fiainanareo ny herin’ny fitambaran’ireo asa atao isan’andro. Mampanantena aho fa afaka heritaona dia, na ianao ho faly satria nanomboka nanao izany androany, na ianao hanenina hoe tahaka izay aho nanomboka.
Tiako ny hanasa anareo mba hisaintsaina ireto fanontaniana telo ireto: Te hanasa anareo aho hizara amin’ny tambazotra ifaneraserana ny valinteninareo amin’ny alalan’ny fampiasana ny #ldsdevo.
Voalohany: Azonareo atao ve izany? Mety azonareo atao ve ireo zava-madinika sy tsotra telo ireo? Azonareo atao ve ny miezaka mitandrina ny fanekempihavanana nataonareo ny “hahatsiaro azy mandrakariva” (F&F 20:77, 79)? Azonareo atao ve ny maka fotoana hivavahana amin’ny finiavana marina sy handalinana ny soratra masina isan’andro?
Faharoa: Handaitra ve izany? Moa ve ianareo tena mino ny fampanantenan’ny Tompo? Moa ve ianareo mino fa hisy vokany lalina eo amin’ny lafiny rehetra eo amin’ny fiainanareo ny fitambaran’ny fiantraikan’ny fananana mandrakariva ny Fanahiny miaraka aminareo?
Ary farany: Mendrika ny ho atao ve izany?
Mijoro ho vavolombelona aho fa mendrika ny ho atao izany. Rehefa manao ireo zavatra ireo ianareo dia hahafantatra fa ilay hoe “nahoana” manan-danja indrindra ao ambadiky ny zava-drehetra izay ataonareo dia ny hoe tia ny Tompo ianareo ary mahatsapa ny Fitiavany lehibe anareo. Enga anie ka hahita fifaliana lehibe ianareo eo am-pikatsahanareo ny fahalavorariana sy fahatakarana ary fanaovana ny Sitrapony. Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.
© 2015 an’ny Intellectual Reserve, Inc. Zo rehetra voatokana. Fankatoavana ny tamin’ny teny Anglisy: 12/14. Fankatoavana ny fandikana: 12/14. Fandikana ny “Living with Purpose: The Importance of “Real Intent.”” Malagasy. PD10053116 654