Fampaherezam-panahy maneran-tany
Manandrana ilay fahazavana


Manandrana ilay fahazavana

Takariva iarahana amin’ny Loholona LynnG. Robbins Fampaherezam-panahy maneran-tany ho an’ny tanora tokan-tena sy mpivady vao herotrerony • 3mey 2015 • Tabernakely ao Salt Lake

Ry rahalahy sy rahavavy, tonga soa eto amin’ity fampaherezam-panahy maneran-tany ho an’ny tanora tokan-tena sy mpivady vao herotrerony ity, ary miarahaba manokana anareo izay hahavita ny fianarana seminera amin’ity taona ity aho—izay fahatontosana mendri-piderana sy porofon’ny finoana sy ny fitiavanareo ny Tompo. Manasa anareo aho hanaraka ny ohatry ny olona maro hafa izay manatrika eto izao hariva izao ary hanohy ny fikatsahanareo ny fianarana ara-panahy izay ataonareo ao amin’ny kilasin’ny institiota fianarana filazantsara eo an-toerana na any amin’ny oniversiten’ny Fiangonana iray. Mampanantena anareo aho fa hitohy ny fahazoanareo fitarihana manan-danja ho an’ireo fanapahan-kevitra manan-danja hafa rehetra eo amin’ny fiainanareo, ary hitohy ihany koa ny fihaonanareo amin’ireo olona izay hitondra fiantraikany manan-danja eo amin’ny fiainanareo.

Anio hariva ianareo dia handre ahy hizara ny tenivavolombelona mikasika an’i Jesoa Kristy Tompo sy ny filazantsarany. Handre ahy hampiasa ilay teny hoe “fantatro” ianareo. Tiako hotantaraina anareo ny fomba nahafantarako fa Izy ilay Zanak’ Andriamanitra ara-bakiteny, ilay Mpanavotra sy Mpamonjy an’izao tontolo izao, ary marina ny filazantsarany.

Tiako ihany koa ny hanampy anareo hahafantatra fa matanjaka lavitra noho izay mety hiheveranareo azy ny fijoroana ho vavolombelona anananareo mikasika an’i Jesoa Kristy Tompo sy ny filazantsarany.

Aiza no misy ny fijoroana ho vavolombelona ananako eo amin’ilay fandrefesana ny finoana?

Tiako ny hanomboka izany amin’ny alalan’ny fangatahana anareo hanao tombantombana ara-tsaina mikasika ny tenanareo manokana. Jereo ilay tsipika ao amin’io sary io ary omeo isa eo amin’io fandrefesana ny finoana io ny fijoroana ho vavolombelona anananareo.

Sary
Slide from a Powerpoint presentation given by Elder Lynn G. Robbins for May 3, 2015 CES Devotional.

Ireo tsy mpino no eo ambany. Omentsika isa aotra ny tsy mpino. Isa 10 no eo amin’ny faratampony, na manana fahalalana tomombana momba an’i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany. Aiza no hasianareo ny tenanareo eo amin’io fandrefesana io? Tsinjoko eto fa maro aminareo no hanome ny tenanareo isa ambany kokoa noho izay mendrika anareo.

Tadidio ilay isa nomenareo ny tenanareo mba hijerena raha mitombo izany mandritra ity famelabelarana ity eo am-piresahantsika ireo fomba isan-karazany hampatanjahan’ny finoana ny fijoroana ho vavolombelona iray sy ny fomba hanampian’ny tsirairay amin’izany antsika hahazo isa tsara kokoa eo amin’ilay fandrefesana ny finoana ka hahatsapantsika fiadanana sy fifaliana lehibe kokoa.

Manasa ny olona tsirairay i Almà mba hanao ny dingana voalohany androsoana eo amin’ilay fandrefesana ny finoana amin’ny alalan’ny “fanandramana ny teniko …, ary hampihatra sombiny amin’ ny finoana, eny, na dia tsy afa-manao mihoatra noho ny maniry ny hino aza ianareo” (Almà 32:27; nampiana fanamafisana).

Sary
Slide from a Powerpoint presentation given by Elder Lynn G. Robbins for May 3, 2015 CES Devotional.

Faniriana

Ity hevi-baovao manaraka ity dia maneho ny maha-fahendrena ny fanaovana io dingana voalohany hanana faniriana io.

Teraka tamin’ny 1623 ilay manam-pahaizana manokana sy matematisiana ary mpamorona Frantsay Blaise Pascal. Anisan’ireo zavatra hitany ny tsangan-kevitra ara-matematika mikasika ny voavina, izay nanome ny fahalalana ao ambadiky ny tsangan-kevitra momba ny fahaiza-misafidy—fomba ara-lôjika mba handraisana fanapahan-kevitra tsara indrindra. Nanao fanamarihana tamim-paharanitan-tsaina tamin’ny alalan’ny tsangan-kevitry ny fandraisana fanapahan-kevitra i Pascal fa eo amin’ny lalaon’ny fiainana dia tsy afaka miala amin’ny fanamby lehibe indrindra eo amin’ny fiainana ny olombelona: na misy Andriamanitra na tsy misy. Nanjary fantatra tamin’ny hoe Fanambin’i Pascal izany, ka ny fiainan’ny olona iray—na raha faritana bebe kokoa, dia ny fiainan’izy ireo mandrakizay—no lalaovina amin’izany araka izay haseho eto amin’ity ohatra ity:

Sary
Slide from a Powerpoint presentation given by Elder Lynn G. Robbins for May 3, 2015 CES Devotional.

Misy safidy roa ao amin’ireo lohatenin’ireo tsanganana: na misy Andriamanitra na tsy misy Izy. Misy safidy roa ihany koa ao amin’ireo tsivalana: Afaka misafidy aho, na ny hino na ny tsy hino.

Ireto manaraka ireto ireo vinavina azo atao avy amin’izany:

  • Raha misy Andriamanitra ary mino sy manao asa mifanaraka amin’izany aho, dia afaka ny handova ny fiainana mandrakizay.

  • Raha mino aho kanefa tsy misy Andriamanitra, dia tsy very na inona na inona aho.

  • Raha tsy mino aho na tsy manaja na tsy mankatò an’ Andriamanitra kanefa misy Izy, dia tsy mandova ny fiainana mandrakizay aho.

  • Raha tsy mino aho ary tsy misy Andriamanitra dia tsy mahazo na inona na inona aho.

  • Ny Fanambin’i Pascal dia milaza fa ny fanapahan-kevitra tsara indrindra dia ny hino ny fisian’ Andriamanitra ary ny olona adala ihany no hisafidy ny tsy hanaiky ny fisian’ Andriamanitra satria hamery ny zavatra rehetra izy ary tsy hahazo na inona na inona.

Ilay zanaka adala dia mety hanambara fa ny zavatra mety ho nariany dia ny fahafahana “[hihinana], [hisotro] ary [hifaly]” (2 Nefia 28:7)—izay tombontsoa kely dia kely tokoa raha heverina ny zavatra lalaovina amin’izany. Mety “manam-pifaliana amin’ ny asany [izy] mandritra ny vanim-potoana iray, [saingy] tsy ho ela dia tonga ny farany” (3 Nefia 27:11). Ireo nofonifiny hanao fiaraha-mifaly sy hanao fety dia lasa nofy ratsy rehefa voatery mifoha izy ka mahatsapa ny voka-dratsy ara-panahy izay iainany eto amin’ity fiainana ity ary hitany fa “ny faharatsiana dia tsy fahasambarana na oviana na oviana” (Almà 41:10) ary any aoriana any, amin’ny andron’ny fitsarana, rehefa “hiaiky eo anoloan’ Andriamanitra [izy] fa marina ny fitsarany” (Môsià 16:1). Hianatra izy amin’ny fotoana mahamety izany fa voafitak’ilay tompon’ny fitaka amin’ny tolotra tsara ivelany izay arosony, izay fahoriana voasarontsaron’ny fahafinaretana. Noho izany dia “aoka tsy hialona ny mpanota ny fonao” (Ohabolana 23:17).

Soa ihany fa nisy fahafahana faharoa nomena ilay zanaka adala—iray amin’ireo lesona lehibe andrandrain’ny Mpamonjy mba hianarantsika avy amin’io fanoharana io (jereo ny Lioka 15:11–32).

Amboleo ilay voa—Atombohy ny fianarana

Nofariparitan’i Almà ny dingana manaraka:

“Avelao izany faniriana izany hiasa ao aminareo, ambara-pinoanareo amin’ ny fomba izay hahafahanareo manisa toerana ho an’ ny ampahany amin’ ny teniko.

“Ankehitriny, dia hampitahaintsika amin’ ny voa iray ny teny. Ankehitriny, raha manisa toerana ianareo [dia avelao ilay] voa [haniry] … ao am-ponareo” (Almà 32:27–28) nampiana fanamafisana).

Sary
Slide from a Powerpoint presentation given by Elder Lynn G. Robbins for May 3, 2015 CES Devotional.

Ny fambolena ilay voa dia midika hoe izao dia nanomboka namboly ilay faniriana miaraka amin’ny fahalianana nentanim-panahy ao anatin’ilay andrana ianareo. Nanomboka ilay dingan’ny fianarana ianareo izao.

Araka ny voalazan’ny soratra masina dia tokony hizotra amin’ny fomba roa ity dingan’ny fianarana ity: “Ary satria tsy manana finoana ny rehetra, dia mikatsaha fatratra sy mifampianara ny teny fahendrena ianareo; eny, katsahonareo ao amin’ ny boky tsara indrindra ny teny fahendrena; katsahonareo ny fianaranaamin’ ny alalan’ ny fandinihana ary koa amin’ ny alalan’ ny finoana” (F&F 88:118; nampiana fanamafisana).

Ny soratra masina ihany koa dia mampianatra antsika ireo fitaovana enti-mianatra roa izay hampianaran’ny Fanahy antsika:

“Eny indro, hiteny anao ao an-tsainao sy ao am-ponao Aho, amin’ ny alalan’ ny Fanahy Masina izay ho tonga ao aminao sy hitoetra ao am-ponao.

“Ankehitriny indro, io no fanahin’ny fanambarana” (F&F 8:2–3; nampiana fanamafisana).

Fampifanarahana ireo fomba fianarana sy ireo fitaovana enti-mianatra

Alohan’ny hiverenana amin’ilay fandrefesana ny finoana dia tiako ny hanazava ny fifampiankinan’ireo fomba fianarana roa sy ireo fitaovana enti-mianatra roa. Ny fampiasana azy ireo miaraka dia tokony hanome anareo hevi-baovao vitsivitsy izay manampy mikasika ny fomba hanohizantsika ny fivoarana eo amin’ilay fandrefesana ny finoana.

Sary
Slide from a Powerpoint presentation given by Elder Lynn G. Robbins for May 3, 2015 CES Devotional.

Rehefa nianatra mikasika ny vavaka tamin’ny alalan’ny fandinihana i Joseph Smith, dia namaky tao amin’ny Baiboly izy hoe: “Raha misy hianareo tsy manam-pahendrena, aoka izy hangataka amin’ Andriamanitra, Izay manome malalaka ho an’ny olona rehetra sady tsy mandatsa; ary dia homena azy izany” (Jakoba 1:5).

Nianatra mikasika ny vavaka tamin’ny alalan’ny finoana i Joseph rehefa nanao asa avy tamin’ny zavatra ninoany ka nandeha tao amin’ilay Alakely Masina dia nivavaka.

Hita eo amin’ny faratampon’ilay fanehoana an-tsary ireo fitaovana enti-mianatra roa—ny saina sy ny fo.

Fampifandraisana ny fianarana amin’ny alalan’ny fandinihana amin’ny saina

Rehefa mikatsaka ny hianatra amin’ny alalan’ny fandinihana isika dia miteny ao an-tsaintsika ny Tompo amin’ny alalan’ny eritreritra nentanim-panahy. Afaka manampy izao manaraka izao isika ho isan’ireo teny hafa azo ampiasaina mahakasika ny fifandraisan’ny “fandinihana” sy ny “Saina”: eritreritra, fahalianana, lian-kahafantatra, fanadihadihana, fandalinana, fikarohana, fandanjalanjana, fanontaniana, ary fisaintsainana.

Sary
Slide from a Powerpoint presentation given by Elder Lynn G. Robbins for May 3, 2015 CES Devotional.

Ireo fanontaniana avy amin’ny fitaomam-panahy dia mahatonga ny olona iray hisaintsaina, ary ny fisaintsainana ao anatin’ny fitaoman’ny Fanahy dia mampandroso anao amin’ny dingana manaraka amin’ny fianarana, izay hifandraisan’ny fandinihana amin’ny fo.

Fampifandraisana ny fianarana amin’ny alalan’ny fandinihana amin’ny fo

Rehefa misaintsaina ianareo dia mikolokolo ilay voa, dia manomboka mitsimoka izany, ary manomboka manana fahatsapana omen’ny Fanahy ianareo. Ny fo, na ireo fahatsapana nentanim-panahy, no manova ny eritreritra ho zavatra inoana.

Sary
Slide from a Powerpoint presentation given by Elder Lynn G. Robbins for May 3, 2015 CES Devotional.

Toy izao ny ilazan’i Almà izany: “Raha tena voa marina izany na voa tsara, raha tsy mandroaka izany hivoaka ianareo noho ny tsy finoanareo izay hanoheranareo ny Fanahin’ ny Tompo, dia indro hanomboka handrobona ao an-tratranareo izy; ary rehefa  tsapanareo ireo fihetsiny mandrobona, dia hanomboka hiteny anakampo ianareo hoe—Tsy azo ihodivirana ny maha tsy maintsy voa tsara azy, na ny teny dia tsara, satria manomboka mampivelatra ny fanahiko izy; eny, manomboka manazava ny fahazavan-tsaiko izy, eny manomboka ho fy amiko izy” (Almà 32:28; nampiana fanamafisana).

Raha mahazatra antsika ny manambatra ny teny hoe mahatakatra amin’ny saina, dia soratra masina maro no mampifandray ny fahatakarana amin’ny fo, toy ny hoe: “Ary nisokatra ny fony ary dia nahatakatra tao am-pony ny teny izay nivavahany izy” (3 Nefia 19:33). Rehefa niresaka ny Jakoba 1:5 i Joseph kely dia hoy izy hoe: “Na oviana na oviana dia tsy nisy andalan-tsoratra masina nanohina fon’olona tamin-kery kokoa noho ny nanohinan’izany ny foko tamin’izay fotoana izay” (Joseph Smith—Tantara 1:12).

Hoy i Almà mikasika ireo karazana fahatsapana ireo hoe: “Ankehitriny indro, moa va izany tsy hampitombo ny finoanareo? Lazaiko aminareo, Eny; kanefa, tsy nitombo izy ho lasa fahalalana tomombana” (Almà 32:29; nampiana fanamafisana).

Tsy mbola fahalalana tomombana izany. Kanefa, rehefa voakasika ny fontsika dia mitaona antsika izany mba hanao dingana iray hafa eo amin’ilay fandrefesana ny finoana. Ho an’i Joseph, dia nitaona azyhanao asa izany sy hanaiky ilay fanasan’ny soratra masina mba hivavaka. Tsy ho “[n]andray fijoroana ho vavolombelona [izy] raha tsy [t]aorian’ ny fizahan-toetra ny finoana[ny]” (Etera 12:6).

Fampifandraisana ny fianarana amin’ny alalan’ny finoana amin’ny saina

Ny fianarana amin’ny alalan’ny finoana dia mitaky ny fanaovana asa avy amin’ireo fahatsapana sy zavatra inoana.1 Nanome io fanasana hianatra amin’ny alalan’ny finoana io ny Mpamonjy rehefa nilaza hoe: “Raha misy olona ta-hanao ny sitrapony, dia hahalala ny amin’ny fampianarana izy, na avy amin’ Andriamanitra izany, na miteny ho ahy aho” (Jaona 7:17; nampiana fanamafisana). Ao amin’io andininy io ny Mpamonjy dia mampianatra antsika fa ny fanaovana no ilay asa fampiharana finoana izay mamadika ny zavatra inoana ho fahalalana. Ho an’ireo izay tsy manaiky izany dia manentana Izy hoe “Na dia tsy mino ahy aza hianareo dia minoa ny asa mba ho fantatrareo sy hekenareo fa ny Ray no ato Amiko, ary Izaho ao amin’ny Ray” (Jaona 10:38; nampiana fanamafisana).

Raha niresaka mikasika ny fahafantarana i Almà dia hoy izy hoe:

“Ary ankehitriny, indro, satria efa nandramanareo ny nizaha sy ny namboly ny voa, ary mandrombona sy mitsimoka izy ary manomboka mitombo, dia tsy azo ihodivirana ny tsy maintsy ahalalanareo fa tsara ny voa.

“Ary ankehitriny, indro, moa va ny fahalalanareo tomombana? Eny, ny fahalalanareo dia tomombana amin’ izay zavatra izay, ary ny finoanareo matoritory; ary izany dia noho ianareo mahafantatra, … fa ny fahazavan-tsainareo dia manomboka ho nihamazava, ary ny sainareo dia manomboka miitatra” (Almà 32:33–34; nampiana fanamafisana).

Ny fanaovana asa avy amin’ny finoanareo dia nanome anareo fahalalana.

Azontsika anampiana ireo teny hafa mety ampiarahantsika amin’ny fianarana amin’ny alalan’ny finoana sy ny saina izao manaraka izao: fahalalana tomombana (amin’izay zavatra izay), mivavaka, mibebaka, manova fihetsika, mankatò, mahazo traikefa, ary manandrana.

Sary
Slide from a Powerpoint presentation given by Elder Lynn G. Robbins for May 3, 2015 CES Devotional.

Nampiasa ny matoanteny hoe manandrana tamin’ny fomba tena miavaka i Almà—rehefa niresaka mikasika ny hoe manandrana fahazavana. Henoy anie e!

“Ô amin’ izany, moa va izany tsy zava-misy? Lazaiko aminareo, Eny, satria izany dia fahazavana; ary na inona na inona fahazavana dia tsara, satria azo avahana izy, noho izany dia tsy maintsy fantatrareo fa tsara izany; ary ankehitriny indro, rehefa avy nanadranaizany fahazavana izany ianareo, moa va ny fahalalanareo tomombana?

“Indro, lazaiko aminareo, Tsia; sady tsy tokony havelanareo koa ny finoanareo, satria ianareo dia tsy nanao afa-tsy ny nampihatra ny finoanareo hambolena ny voa mba hahazoanareo manao ny fanandramana hahafantarana raha tsara ny voa” (Almà 32:35–36; nampiana fanamafisana).

Ny fanandramana ilay fahazavana sy ny fankafizana izany no nanome anareo fahalalana tomombana ny amin’ izany zavatra izany, na ny fahafantarana fa tsara ny tsimoka. Ilay fahazavana dia manasa anareo hanatona an’i Jesoa Kristy, “ary ny herin’ Andriamanitra [dia manao] fahagagana ao [aminareo] ... sy [mampiova fo anareo] ho an’ny Tompo” (Almà 23:6).

Fampifandraisana ny fianarana amin’ny alalan’ny finoana amin’ny fo

Notohizan’i Almà hoe: “Ary indro, rehefa manomboka mitombo ny hazo, dia hiteny ianareo hoe: Aoka hofahanantsika amin’ ny fanolokoloana be izy, . . . miaraka amin’ ny fahazotoana be sy miaraka amin’ ny faharetana, sady miandrandra ny voany. …

“… Indro, raha afaka kelikely ianareo dia hioty [na hanandrana] ny voany izay tena sarobidy” (Almà 32:37, 41–42; nampiana fanamafisana).

Sary
Slide from a Powerpoint presentation given by Elder Lynn G. Robbins for May 3, 2015 CES Devotional.

Ny fanandramana ilay voa dia manampy antsika hahatakatra ny zavatra mampifandray ny fianarana amin’ny alalan’ny finoana sy ireo fahatsapana avy amin’ny fitaomam-panahy. Eto isika dia mahafantatra ho an’ny tenantsika fa ilay voa dia tena mamy sy sarobidy tokoa. Ny fanarahana an’i Jesoa Kristy sy ny fanaovana ny sitrapony dia hanome antsika fahafahana ny hanandrana ny Sorompanavotany sy ny filazantsara amin’ny fomba maro. Tany alohaloha tany tao anatin’ilay dingana dia voakasika lalina tokoa ny fontsika. Ankehitriny dia “[m]isy fiova[mpo] mahery vaika” [m]itranga, araka izay nofaritan’i Almà (Almà 5:12), ary ny Fanahy dia mamadika ny traikefantsika sy ny fahalalantsika ho fiovampo.

Rehefa “niova ho an’ny Tompo” isika (Almà 23:8), dia manaraka ny Mpamonjy amin’ny alalan’ny fanaovana batisa sy ny fandraisana ny fanomezana ny Fanahy Masina. Rehefa “manandrana ireo voa” an’ny filazantsara isika dia mahazo ireo fitahiana sy fifaliana ary fahasambarana lehibe izaitsizy hany ka maniry ny hizara izany amin’ny hafa, tahaka ny nataon’i Lehia: “Ary raha nihinana tamin’ ny voany aho, dia nofenoiny fifaliana mitafotafo tokoa ny fanahiko; koa nanomboka nangetaheta aho ny mba hihinanan’ ny ankohonako amin’ izany koa; satria nahalala aho fa mampilendalenda lavitra noho ny voankazo hafa rehetra izany” (1 Nefia 8:12).

Ny hoe “niova ho an’ny Tompo,” raha amin’ny heviny ara-bakiteny, dia ilay fiovana mahery vaika sy fiovana ho tonga tahaka an’i Jesoa Kristy, amin’ny alalan’ny “[fanekena] ny fitaoman’ ny Fanahy Masina ... ary [fanesorana] ny maha olona araka ny nofo ... sy [fahatongavana] olomasina amin’ ny alalan’ ny sorompanavotan’ i Kristy Tompo” (Môsià 3:19). Raha lazaina amin’ny heviny feno kokoa ilay teny, dia tsy ho feno ny fiovampontsika raha tsy efa nitombo ara-panahy isika ka “mahatratra ny ohatry ny halehiben’ny fahafenoan’i Kristy” (Efesiana 4:13). Ho fikatsahana sy fampiharana ny finoana Azy mandritra ny fiainana izany ary miaraka amin’ny fahasoavany na ny fanampiany masina (jereo ny 2 Nefia 25:23).

Io fiovampo mandritra ny fiainana io dia hitaky mazava tsara ny famahanantsika izany hatrany mba hisorohana ilay fahasimbana izay faritan’i Almà hoe: “Fa raha tsy miraharaha ny hazo ianareo sy tsy manana eritreritra ny amin’ ny famahanana azy, dia indro tsy hiorim-paka izy; ary rehefa tonga ny hafanan’ ny masoandro, dia mandazo azy, … ka maina” (Almà 32:38).

“Noho izany dia tsy maintsy mibosesika handroso amin’ ny fiorenana ao amin’ i Kristy ianareo, amin’ ny fanananareo fanantenana mamirapiratra sy lavorary omban’ ny fitiavana an’ Andriamanitra sy ny olon-drehetra. Koa raha mibosesika handroso ianareo ka mivoky amin’ ny tenin’ i Kristy ary maharitra hatramin’ ny farany, dia indro, izao no lazain’ ny Ray: Hahazo ny fiainana mandrakizay ianareo” (2 Nefia 31:20; nampiana fanamafisana).

Sary
Slide from a Powerpoint presentation given by Elder Lynn G. Robbins for May 3, 2015 CES Devotional.

Io fiovana mahery vaika sy fiovampo io dia tsy midika hoe tsy hanana fanontaniana intsony isika. Kanefa rehefa avy nanandrana ny fahazavana isika dia tokony hametraka faniriana ao anatintsika mba hanohy hianatra ireo fanontaniana fa tsy hiteraka fisalasalana izay hanimba ny finoantsika izay mitombo. “Ary na zovy na zovy no hino ny anarako, tsy miroanahana akory, dia izy no hanamafisako ny teniko rehetra” (Môrmôna 9:25).

Tsara ny fanontaniana. Mahatonga antsika hisaintsaina sy hikaroka ary hivavaka izy ireny. Mbola nanana fanontaniana hatrany i Joseph Smith nandritra ny fiainany. Saika ireo fizarana rehetra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana no nambara tamin’ny alalany vokatry ny fanontaniana napetrany tamin’ny Tompo tamin’ny alalan’ny vavaka, andalan-tsoratra anampy andalan-tsoratra, ary fitsipika anampy fitsipika. Toy izany koa ny fomba nianaran’ny Mpamonjy: “Ary tsy nandray hatramin’ ny voalohany ny fahafenoana Izy fa nanohy ny fahasoavana niampy fahasoavana ambara-pandraisany ny fahafenoana” (F&F 93:13).

Fahalalana tomombana

Raha hiverenana ilay fandrefesana ny finoana nataontsika dia nomentsika anarana hoe “fahalalana tomombana mikasika an’i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany” ilay faritra ambony.

Sary
Slide from a Powerpoint presentation given by Elder Lynn G. Robbins for May 3, 2015 CES Devotional.

Andeha hodinihintsika ilay andian-teny hoe “fahalalana tomombana.” Raha niresaka ny hoe “manandrana fahazavana” i Almà dia nampianatra izy fa “ny fahalalanareo dia tomombana amin’izay zavatra izay” (Almà 32:34). Jereo ao amin’ny andininy manaraka ny fampiasan’ny mpaminany Môrmôna io andian-teny hoe “fahalalana tanteraka,” io rehefa nizara ny fijoroana ho vavolombelona nananany mikasika io fahazavana io ihany koa izy:

“Fa indro, ry rahalahiko, omena anareo ny hitsara mba hahazoanareo manavaka ny tsara amin’ ny ratsy; ary ny fomba hitsarana mba hahalalanareo amin’ ny fahalalana tanteraka, dia miavaka toy ny hazavan’ ny andro amin’ ny haizin’ ny alina.

“Fa indro, omena ny olona tsirairay ny Fanahin’ i Kristy mba hahazoany manavaka ny tsara amin’ ny ratsy; koa asehoko anareo ny fomba hitsarana; fa ny zavatra tsirairay izay manainga hanao ny tsara sy handresy lahatra mba hino an’ i Kristy dia alefan’ ny hery sy ny fanomezam-pahasoavan’ i Kristy; koa dia azonareo fantarina amin’ ny fahalalana tanteraka fa avy amin’ Andriamanitra izany. …

“Ary ankehitriny, ry rahalahiko, satria fantatrareo ny hazavana izay ahazoanareo mitsara, hazavana izay hazavan’ i Kristy, dia ataovy izay tsy hitsaranareo diso” (Môrônia 7:15–16, 18; nampiana fanamafisana).

Samy mijoro ho vavolombelona ireo mpaminany roa ireo fa ny Fahazavan’i Kristy no manome antsika ny fahalalana tanteraka ny fahamarinana. Na ny olona eto amin’izao tontolo izao aza dia miaiky fa manana fahatsapana ao anaty mikasika ny marina sy ny diso izy ireo. Manaiky ny Fahazavan’i Kristy izy ireo amin’ny fampiasana ilay teny hoe fahatsiarovan-tena, izay avy amin’ny teny Latina hoe conscientia, na “fahalalana ao anaty.”2

Rehefa manana io fahazavana io isika mba ho tombokasen’ny fahamarinana ho antsika dia manohy mivoatra eo amin’ilay fandrefesana ny finoana isika, andalan-tsoratra anampy andalan-tsoratra, ary fitsipika anampy fitsipika (jereo ny 2 Nefia 28:30; F&F 98:12; 128:21), “ary amin’ ny herin’ ny Fanahy Masina dia azonareo fantarina ny fahamarinan’ ny zava-drehetra” (Môrônia 10:5; nampiana fanamafisana).

Tena handramantsika afaka fotoana fohy ny fanandramana nataon’i Almà mba hahafahanareo mahatsiaro ny hatsaran’ilay hazavana sy ny hanomezan’izany antsika fahalalana tomombana.

Mampahafantatra ny fahamarinana ny fifanoherana

Alohan’ny hanohizana ilay fanandramana dia zava-dehibe ny miresaka singa iray tena ilaina ao anatin’ilay dingana. Ampianarina isika ao amin’ny 2 Nefia 2 fa “tsy maitsy ilaina ny hisian’ny … fifanoherana amin’ny zava-drehetra” (2 Nefia 2:11). Ny olombelona dia “[manandrana] ny mangidy mba hahaizany mankamamy ny tsara” (Mosesy 6:55). Ny fahasalamana, ohatra, no antom-pisiana voalohan’ny fandalinana ny mifanohitra aminy, dia ny tsy fahasalamana sy ny aretina.Ny fahafahana no antom-pisian’ny fandalinana ny faneriterena sy ny fanandevozana. Ny fahasambarana no antom-pisian’ny fandalinana ny alahelo; sy ny sisa. Ary tahaka ny fahagagana bitika dia bitika eo amin’ireo angamenavava dia tsy afaka ankafizina ny fahazavana raha tsy ao anatin’ny haizina.

Tena ilaina amin’ny fanabeazana antsika sy ny fahasambarantsika ny fifanoherana. Raha tsy misy izany dia mijanona ho eo ambany maso nefa tsy hita ny fahamarinana, tahaka ny hoe tsy tia rivotra mandra-pahatonga anao ho tsy afa-miaina. Koa satria eo foana ny Fahazavan’i Kristy dia maro ny olona tsy mahatsikaritra ny Fanahy eo amin’ny fiainany, tahaka ireo Lamanita ao amin’ny ao amin’ny 3 Nefia 9:20 izay “natao batisa tamin’ ny afo sy ny Fanahy Masina …, ary tsy fantany izany.”

Ny fifanoherana dia tsy vitan’ny hoe mampahafantatra na mampiseho ny fahamarinana fotsiny ihany fa maneho ny heriny sy ny fifaliana ary ny fahatsarany ao anatiny ihany koa. Ohatra, nigoka ny mangidy aloha ilay zanaka adala vao nahafantatra ny fiainana mamy nafoiny tany an-trano sy noheveriny ho tsinontsinona tamin’ny fahatanorany.

Amin’ny alalan’ny fanaintainana sy ny aretina ihany no hanomezantsika lanja ny fahasalamana. Raha efa niharan’ny tsy fahamarinan-toetra isika dia mankamamy ny fahamarinan-toetra. Rehefa iharan’ny tsy rariny sy ny halozan-toetran’ny olona isika vao mankamamy ny fitiavana sy ny halemem-panahy—ireo rehetra ireo dia miaraka amin’ny “fahalalana tomombana,” rehefa nanandrana ny voan’ny tsirairay avy amin’izy ireo tamin’ny alalan’ilay fahazavana ao anatintsika. Tonga toy ny voa mandeha tsirairay ny fahalalana tomombana, amin’ny alalan’ny fifanoherana amin’ny zava-drehetra. Ny fankatoavana ireo didin’ Andriamanitra dia mampanantena fahasambarana sy fitomboana ary fivoarana faratampony amin’ny alalan’ny fifanoherana, fa tsy amin’ny alalan’ny tsy fandalovana amin’izany. “Tsy ho lasa kinga sy mahay mihitsy ny tantsambo raha tsy miatrika ranomasina mahery vaika.”3

Eritrereto ity teny nambara manome hevi-baovao avy amin’ny Mpaminany Joseph Smith ity: “Rehefa manaporofo isika fa diso ny zavatra tsy marina dia miseho ny fahamarinana.”4

Ary avy amin’i Brigham Young: “Voaporofo sy asehon’ny zavatra mifanohitra aminy ny zava-drehetra.”5

Ilay fanandramana ny finoana

Izao ary—tiako ny handraisanareo anjara amin’ilay fanandramana amin’ny alalan’ny fanasana anareo hieritreritra didy maro mikasika ny hoe “tokony ho toy ny ahoana” isika, na hatsaran-toetra tahaka ny an’i Kristy, ary mampitaha ny tsirairay amin’izany amin’izay mifanohitra aminy. Rehefa mieritreritra ny tsirairay amin’izany ianareo dia tokony hilaza ao an-tsainareo sy ao am-ponareo ny Fahazavan’i Kristy fa ny hatsaran-toetra tsirairay tahaka ny an’i Kristy dia mamy, fa ny mifanohitra amin’izany kosa dia mangidy:

  • Fitiavana ampitahaina amin’ny hoe fankahalana, fandrafiana, fanoherana

  • Fahamarinan-toetra ampitahaina amin’ny hoe lainga, fitaka, halatra

  • Famelan-keloka ampitahaina amin’ny hoe valifaty, hatezerana, lolompo

  • Hatsaram-panahy ampitahaina amin’ny hoe haratsiam-panahy, hatezerana, haratsiam-panahy

  • Faharetana ampitahaina amin’ny hoe fahaladiana ho tezitra, tsy fandeferana

  • Fanetrentena ampitahaina amin’ny hoe avonavona, tsy azo ampianarina, be ambompo

  • Mampihavana ampitahaina amin’ny hoe tia ady, mpampiady olona, mpandrangitra

  • Fahazotoana ampitahaina amin’ny hoe faharerahana, filavoana lefona, mafy loha

Vitsy dia vitsy amin’ireo hatsaran-toetra tahaka ny an’i Kristy ihany ireo, kanefa ampy mba hanehoana mazava tsara ny fahombiazan’ilay andrana mikasika ilay voa.

Rehefa misaintsaina io lisitra io ianareo dia mahita fa lasa nahafantatra ny hery sy ny fahamarinana ary ny hamamian’ny toetra isan’isany, tsirairay avy, amin’ny alalan’ireo “andrana hampanan-kery” an’arivony araka ny niantsoan’ny Loholona Neal A. Maxwell izany. Tonga miaraka amin’ny porofo sy fampananan-keriny ara-boajanahary ny voa tsara—ny tsirony. Hita amin’ny fihinanana izany ilay porofo, isaky ny voankazo sy andalan-tsoratra anampy an-dalan-tsoratra, ary miaraka amin’ny “fahalalana tomombana” ny tsirairay avy amin’izany. Izay angamba no tian’ny Apôstôly Paoly nolazaina rehefa niteny izy hoe: “Fantaro ny zavatra rehetra; hazony mafy izay tsara” (1 Tesaloniana 5:21; nampiana fanamafisana). Raha toa ka nampihatra ireo zavatra ireo sy ireo hatsaran-toetra hafa teo amin’ny fiainanareo ianareo, dia efa lasa lavitra noho izay noheverinareo fa nisy anareo ianareo eo amin’ilay fandrefesana ny finoana.

Fijoroana ho vavolombelona terestrialy ihany anefa, na voninahitry ny volana, no ho iantsoako izany. Ny olona tena matahotra an’ Andriamanitra any amin’ny fivavahana rehetra dia manana io fijoroana ho vavolombelona io satria manana ny Fahazavan’i Kristy izay noresahin’i Môrmôna ihany koa izy ireo, ary nanaiky ny ampahany tamin’ny filazantsarany.

Ilay fanandramana ny finoana—Dingana manaraka

Ny fijoroana ho vavolombelona selestialy, na voninahitry ny masoandro, dia tonga rehefa mikatsaka ny “ny fahafenoan’ny Ray” ny olona iray (jereo ny F&F 76:75–78; 93:19). Rehefa atao batisa ny olona iray ary mendrika ny homena ny fanomezana ny Fanahy Masina, dia omena bebe kokoa ny Fahazavan’i Kristy izy, araka izay voalaza ao amin’ilay andininy ao amin’ny Bokin’i Môrmôna hoe: “Raha izany no fanirian’ ny fonareo, inona no misakana ny tsy anaovana batisa anareo amin’ ny anaran’ ny Tompo, … mba hahazoany mampidina bebe kokoa ny Fanahiny aminareo” (Môsià 18:10, nampiana fanamafisana).

Nampianatra antsika ny Filoha Dieter F. Uchtdorf fa mitombo ny fahazavantsika: “Arakaraka ny hampanatonantsika ny fontsika sy ny saintsika an’ Andriamanitra no hirotsahan’ny fahazavana avy any an-danitra ho amintsika.”6

“Ary izay mandray hazavana sy mitoetra ao amin’ Andriamanitra dia handray hazavana misimisy kokoa; ary izany hazavana izany dia mihamamiratra hatrany hatrany mandra-pitataovovonan’ ny andro” (F&F 50:24).

Tsy mila milaza aminareo aho fa manatsara ny fahitana ny habetsahan’ny hazavana—fantatrareo izany. Hoy ny Mpaminany Joseph Smith hoe: “Arakaraka ny hanakaikezan’ny olona ny fahatanterahana no hampahazava kokoa ny fomba fijeriny, ary hihalehibe ny fifaliany.”7

Andeha isika hampakatra ilay fanandramana amin’ny dingana selestialy, miaraka amin’ny hazavana bebe kokoa mba hahafahana mahita, ary hampitaha ny sasany amin’ireo fotopampianarana izay an’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany irery ihany amin’ireo izay hita amin’ny toeran-kafa izay tsy dia mazava kokoa:

  • Raintsika Andriamanitra, ary nohariana araka ny endriny isika, ampitahaina amin’ny hoe tsy Raintsika ara-bakiteny Izy, tsy takatry ny saina ary tsy azo fantarina.

  • Ny rafitra napetrany izay ahitana mpaminany sy apôstôly ampitahaina amin’ny hoe fialana tamin’ny lamina napetrany

  • Ny Tompo dia Andriamanitry ny filaminana, mitondra amin’ny alalan’ireo mpihazona ny fanalahidin’ny fisoronana ampitahaina amin’ny hoe fahaverezan-kevitra, feo misafotofoto, “fanahy sandoka” (F&F50:2)

  • Fisoronana; fahefana sy voantson’ Andriamanitra ampitahaina amin’ny hoe mari-pahaizana momba ny haifinoana, voafidy, nokaramaina, na nanendry tena.

  • Ordônansy sy fanekempihavanana ampitahaina amin’ny hoe miaina fiainana tsara fotsiny.

  • Tsy manan-tsiny ny zaza ampitahaina amin’ny hoe fanaovana batisa ny zaza

  • Ny Bokin’i Môrmôna, vavolombelona faharoa ampitahaina amin’ny hoe ny Baiboly, vavolombelona tokana

  • Asa atao any amin’ny tempoly ho an’ny maty ampitahaina amin’ny hoe mandrehitra labozia dia mivavaka ho an’ny maty.

  • Fanambadiana mandrakizay ampitahaina amin’ny hoe faty no hisarahana.

Manazava ny saina ny mampitaha ny fahamarinana amin’izay mifanohitra aminy. Manampy amin’ny fampahafantarana ny zavatra mazava izany, izay toa lasa ambany maso nefa tsy hita. Mahafantatra isika fa mahalala zavatra betsaka kokoa noho izay noheverintsika. Tokony hitaona antsika hanohy “[hitady] amim-pahazotoana tokoa ao amin’ ny hazavan’ i Kristy ... ary ... [hihazona] ny zavatra tsara [rehetra]” izany (Môrônia 7:19).

“Sambatra kosa izay tsy nahita, nefa nino” (Jaona 20:29)

Andeha isika izao handinika lafin-javatra iray hafa amin’ny finoana sy ny fijoroana ho vavolombelona.

Takatsika fa “ny finoana [marina] dia tsy maintsy miompana amin’i Jesoa Kristy mba hitarihan’izany ny olona ho amin’ny famonjena. …

“Anisan’[izany] ny fanantenana ny zavatra izay tsy hita nefa marina [jereo ny Hebreo 11:1].”8

Moa ve tsy mahaliana fa ny finoana marina an’i Jesoa Kristy dia ny “mino kanefa tsy mahita” raha toa ka ny mifanohitra amin’izany no inoan’izao tontolo izao, fa “ny fahitana no atao hoe finoana.”

Ny olona araka ny nofo dia mahafantatra izao tontolo izao amin’ny alalan’ireo retsi-pamantarana dimy, izay mitaky famantarana mba ho porofo. Ny soratra masina anefa dia feno ohatra mikasika ireo izay nahita ny fisehon’ny fisian’ Andriamanitra sy ny heriny tamin’ny alalan’ireo retsi-pamantarana dimy kanefa tsy nahazo fiovampo maharitra:

  • Nahita anjely i Lamàna sy i Lemoela (jereo ny 1 Nefia 3:29). Nahare ny feon’ny Tompo izy ireo, izay “nandevilevy azy ireo fatratra tokoa” (1 Nefia 16:39). Nahatsapa ny herin’ Andriamanitra izy ireo rehefa naninjitra ny tanany i Nefia ary “ny Tompo no nampangitakitaka azy ireo” (1 Nefia 17:54). Nanandrana sy nanimbolo izy ireo: “Izaho hahatonga ny haninareo ho mafilotra mba tsy handrahoanareo izany” (1 Nefia 17:12). Na dia teo aza ireo fisehoan-javatra tamin’ny alalan’ireo retsi-pamantarana dimy dia nikomy izy ireo. Finoana ve ny fahitana ho azy ireo?

  • Rehefa nitarika ny zanak’Isiraely niala tao Egypta i Mosesy dia nanatri-maso ireo loza, andry rahona, ny fisarahan’ny Ranomasina Mena, nihinana mana izy ireo—zavatra niainana tamin’ny alalan’ireo retsi-pamantarana dimy. “Ary na dia teo aza ny nitarihana azy, ka ny Tompo Andriamaniny sy Mpanavotra azy no nialoha lalana azy, nitarika azy nandritra ny andro sy nanome fahazavana ho azy tamin’ ny alina ary nanao ho azy ny zavatra rehetra izay tsara horaisina ho an’ ny olona, dia nanamafy ny fony sy nanajamba ny sainy ary nanevateva an’ i Mosesy sy Ilay Andriamanitra marina sady velona izy” (1 Nefia17:30). Azo antoka fa tsy finoana ny fahitana ho azy ireo!

  • Maro ireo ohatra mitovy amin’izany ao amin’ny soratra masina, fa ny ohatra tena mampitolagaga indrindra amin’izy rehetra dia ny mikasika ireo izay nahantra ara-panahy ka nandà ny Mpamonjy teo anatrehany mihitsy. “Nefa na dia efa nanao izany famantarana betsaka izany teo anatrehany aza Izy, dia tsy mba nino Azy ireo” (Jaona 12:37; jereo koa ny F&F 138:26).

Maro be tokoa ireo ohatra izay manohitra ilay hevitra hoe ny fahitana dia finoana. Ireo izay manantena zavatra iainana mahatalanjona iray monja mba hanampy azy ireo hamaritra ny fijoroana ho vavolombelona ananany dia tsy mahafantatra fa ny fijoroana ho vavolombelona lehibe kokoa sy ny tenivavolombelon’ny Fanahy dia tonga amintsika isan’andro, amin’ny fomba kely maro toy ny fotoana farany nanipihanareo ny soratra masinareo. Eritrereto izany. Ny antony nanipihanareo ny soratra masinareo dia noho ny fahazoanareo fahatsapana, hevi-baovao, fahitana zavatra tena nahaliana ka nilazana hoe “hay ve e?” Ny fahatsapana avy amin’ny fitaomam-panahy dia fanambarana.

Ohatra iray amin’ny fanambarana ny fotoana hahenoanareo bitsika mba ho tsara fanahy na hanao ny tsara, “fa ny zavatra tsirairay izay manainga hanao ny tsara … dia alefan’ ny hery sy ny fanomezam-pahasoavan’ i Kristy” (Môrônia 7:16). Eo foana ny Fahazavan’i Kristy! Manandrana izany isan’andro ianareo. Ary avy amin’ireo bitsika ireo dia ireo “zavatra madinika [ireo] no hivoahan’izay lehibe” (F&F 64:33).

“Ary amin’ ny herin’ ny Fanahy Masina dia azonareo fantarina ny fahamarinan’ ny zava-drehetra” (Môrônia 10:5)

Afaka mieritreritra olona ao amin’ny Bokin’i Môrmôna ve ianareo, izay nahita anjely ka nino? I Almà zanany izao no eritreretinareo. Niseho taminy sy tamin’ireo zanakalahin’i Môsià ny anjely iray ary “nidina toy ny tao anaty rahona izy; ary niteny izy miova tsy ny feon’ ny kotrobaratra” (Môsià 27:11). Fantatrareo ny tohin’ny tantara—ny fibebahan’i Almà sy ny asa fanompoana nataony taorian’izany.

Finoana ve ny fahitana ho an’i Almà? Tsia! Nahoana? Satria tsy mbola nampiasa ny fahafahany misafidy i Almà tamin’ny fianarana tamin’ny alalan’ny fandinihana sy finoana ary tsy mbola nivavaka izy mba hahalala ny fahamarinana. Tsy hitsin-dalana mankany amin’ny finoana na ny fijoroana ho vavolombelona ny fahitana, araka izay voaporofo ao amin’ireo ohatra maro izay vao avy nolazaiko teo. Nofaritan’i Almà ny fomba nahazoany ny fijoroana ho vavolombelona nananany, ary tsy nilaza izy fa avy amin’ny fisehoan’ny anjely iray izany. Raha ny marina dia tsy manonona ilay anjely mihitsy izy ao anatin’ny fijoroana ho vavolombelona nataony:

“Ary tsy izay ihany. Moa tsy heverinareo va fa mahalala ny momba an’ ireny zavatra ireny ny tenako? Indro, manambara aminareo aho satria fantatro fa ireny zavatra izay efa voalazako ireny dia marina. Ary ahoana no iheveranareo fa fantatro ny maha-azo antoka ireny zavatra ireny?

“Indro lazaiko aminareo fa ampahafantarina ahy amin’ ny alalan’ ny Fanahy Masin’ Andriamanitra ireny. Indro, efa nifady hanina sy nivavaka andro maro aho mba hahazoan’ ny tenako mahafantatra ireny zavatra ireny. Ary ankehitriny, mahalala ny tenako fa marina ireny; fa ny Tompo Andriamanitra dia efa naneho ireny tamiko tamin’ ny alalan’ ny Fanahy Masiny; ary izany no fanahin’ ny fanambarana izay ao amiko” (Almà 5:45–46; nampiana fanamafisana)

Ny “antso fanairana” sy ny fiovana tsy maharitra eo amin’ny fitondrantena dia mety ho vokatry ny zavatra avy any ivelany mankany anatiny, amin’ny alalan’ireo retsi-pamantarana dimy, saingy tsy maharitra izany, tahaka ny nitranga tamin’i Lamàna sy i Lemoela. Ny fijoroana ho vavolombelona maharitra dia tsy tonga raha tsy avy ao anaty mankany ivelany, rehefa mianatra amin’ny alalan’ny fandinihana sy finoana ny olona iray miaraka amin’ny fambolen’ny Fanahy Masina ny filazantsara “ao an-tsainy ... sady [fanoratana] ao am-pony” (Jeremia 31:33). Izay no antony nahatonga ny Nefita, izay, na dia efa nahita sy nandre ary nahatsapa ny Mpamonjy tamin’ny fotoana namangiany azy ireo aza, ary nanandrana sy nanimbolo ihany koa ny mofo sy ny divay izay nomeny tamin’ny alalan’ny fahagagana (jereo ny 3 Nefia 20:3–9), dia mbola “[nivavaka] ho an’ izay niriany indrindra; ary niriany ny hanomezana ny Fanahy Masina azy ireo” ihany (3 Nefia 19:9).

Taona vitsy lasa izay dia nozarain’ny misiônera zokiolona tamiko ity tantara manaraka ity. Nitranga taminy izany fony izy zatovolahy tamin’ny taona 60 ary maneho ihany koa fa amin’ny alalan’ny fandinihana sy ny vavaka ihany no hanomezan’ny Fanahy Masina antsika tenivavolombelon’ny fahamarinana.

“Nipetraka irery tao Provo, Utah aho, tao amin’ny efitrano kely iray teo akaikin’ny renivohitra. Mpivarotra tao amin’ny tranombarotra kely iray mpivarotra fanaka tao Provo ny asako, ary nandritra ilay faran’ny herinandro lava be nanodidina ny andro tsy fiasana tamin’ny taom-baovao no niseho ny tantara.

“Nanana faran’ny herinandro tsy fiasana lava tokoa izahay. Alakamisy 31 desambra tamin’izany, faran’ny taona. Nomena andro tsy hiasana nanomboka ny alakamisy ka hatramin’ny alahady izahay, dia tao amin’ny efitranoko aho ary tsy nanana drafitra hankalazana izany. Nikarakara ny sakafo harivako aho, niandry izay hahamasaka izany tao amin’ny lafaoro, ary nitady zavatra hovakiana. Noho izaho tsy nanana na inona na inona tao amin’ny efitranoko dia nandeha tao amin’ny efitra ambadika aho mba hangataka amin’ireo tovolahy vitsivitsy nipetraka tao (mpianatra tao BYU) raha toa ka nanana boky izy ireo—ary nanantena ny hahazo ilay boky Field & Stream,, na boky sahalahala amin’izany. Nilaza izy ireo fa tsy nanana gazety boky mihitsy, kanefa nanana boky izay mety nahaliana ahy ny hamaky azy izy ireo. Nomen’izy ireo ny Bokin’i Môrmôna aho.

“Tamin’izaho nandre nikasika ny Fiangonana Môrmôna (iza moa no tsy nahalala izany tao Utah?), dia tsy nahafantatra ny mombamomba ilay boky aho. Nisaotra azy ireo aho dia nentiko tao amin’ny efitro izany. Namadibadika ny pejin’ilay boky aho nandritra ny sakafo hariva dia nanomboka namaky. Miaiky aho aloha fa notopazako maso vetivety fotsiny ny ampahany maro tamin’izany mba hahafahako mahalala ny zavatra resahina ao anatiny. Nisy anaran’olona sy toerana tsy mbola reko hatrizay tao anatiny, ka dia tsy nahaliana ahy tsotra izao ilay izy. Ka rehefa lany ny sakafoko dia nalaiko ilay boky dia naveriko sady niteny aho hoe “misaotra fa tsy mahaliana ahy ilay izy.”

“‘Nivavaka momba ilay boky ve ianao?’ hoy ny tovolahy iray nanontany. ‘Hivavaka momba ilay boky ahoana?’ hoy aho namaly. ‘Te hamaky boky fotsiny aho, fa tsy te hahazo zavatra hanaovana vavaka.’ Nanomboka tamin’ny alalan’izay ny fifampiresahana mahaliana mikasika ny votoatin’ny Bokin’i Môrmôna. Nolazain’izy ireo tamiko fa boky soratra masina ilay izy, boky izay raha anontaniako amin’ny alalan’ny vavaka aloha ary avy eo dia vakiko miaraka amin’ny faniriana marina tokoa mba hahafantatra raha marina izany na tsia, dia hampahafantarin’ Andriamanitra amin’ny alalan’ny herin’ny Fanahy Masina ny fahamarinan’izany.

“Finoana Katôlika no nitaizana ahy, ka na dia tsy navitrika aza aho tamin’izany dia nijanona tamin’ny naha-mpikambana ahy tao amin’ny Fiangonana Katôlika aho ary nifikitra mafy satria izay no hany fantatro hatrizay. Ny hany vavaka efa nataoko dia ny Vavaka nampianarin’ny Tompo, ny Arahaba ry Maria, ary mamaky ny bokin-damesako—zavatra izay tsy nataoko efa hatry ny ela be. Ary amin’izao aho dia asain’ny tovolahy vitsivitsy hivavaka amin’ny Andriamanitra izay tsy tena fantatro tsara sy hangataka Azy hilaza amiko raha marina ilay boky na tsia. Dia mampaninona tokoa moa? Tsy nanana zavatra hafa hatao aho, ary dia ho faran’ny herinandro lava dia lava tokoa izany. Nentiko nody ilay boky, naka labiera iray tavoahangy aho, nandrehitra sigara, ary nandohalika sy nangataka tamin’ Andriamanitra mba hilaza amiko raha marina io boky io. Dia nanomboka namaky aho avy eo: ‘Izaho Nefia, noho izaho nateraka ray aman-dreny tsongoin’olom-bolo.’

“Mitovy amin’ireo izay reko vao ora vitsivitsy teo aloha ireo anaran’olona sy toerana. Ny hany fahasamihafana nisy tamin’izay dia ny ‘fiatoan’ny fahatsapana tsy finoana’ izay tonga tamin’ny fomba mahagaga teo amiko. Toy ireny tena tao anatin’ilay tantara ireny aho! Afaka nahita an’i Nefia aho; afaka nahita ireo rahalahiny, ary tezitra aho rehefa nampijaly azy izy ireo. Tiako i Nefia! Nidera ireo lehilahy tsara fanahy aho ary nahatsapa alahelo ho an’ireo lehilahy ratsy fanahy. Namaky nandritra ny ora maro aho, ary tsy nijanona namaky ilay boky. Rehefa nijery ny famantaranandroko aho tamin’ny farany dia efa ho tamin’ny dimy maraina tamin’izay. Nirary taom-baovao sambatra ho an’ny tenako aho dia nandeha natory.

“Nifoha tamin’ny 8:30 teo ho eo aho dia naka ilay boky toy ny tamim-pahazarana. Dia izay no nandaniako ireo andro sisa tamin’ilay faran’ny herinandro. Tahaka an-dRahalahy Parley P. Pratt, dia tsy te hihinan-kanina aho, tsy tiako hisy zavatra hanelingelina ahy. Novonoiko ny telefaoniko dia namaky ilay boky aho nandritra ny tontolo andro, ary sakafo maivana nohanina haingankaingana no nanapaka izany. Tahaka ilay alina voalohany dia nahita aho tamin’ny farany fa maraina vao mangiran-dratsy foana ny andro, dia natory nandritra ny ora vitsivitsy aho, nandray ilay boky, ary nanohy ilay famakiana ela be tamin’ny sitrapoko. Tamin’ny farany, tokony ho tamin’ny dimy maraina ny alatsinainy, dia vitako ilay boky dia renoky ny tory aho—reraka tanteraka.

“Vao haingana talohan’ny Krisimasy tamin’io taona io dia nahalafo karipetra lehibe tamin’ny mpividy iray tao amin’ny faritr’i American Fork aho. Karazana karipetra mila fikarakarana manokana izy io, ka dia tian’ny lehibeko ny hanarahako maso ireo soson’ilay karipetra. Eveka teo aloha tao amin’ny faritr’i Provo ny lehibeko ary efa niresaka tamiko mikasika ny Fiangonana tao anatin’ny fotoana maro, saingy tsy liana tamin’izany aho. Mpampiasa tena tsara izy, saingy tsy azonao rangitina izy satria somary mora tezitra. Tamin’io alatsinainy maraina io, tamin’ny valo ora, no tokony nanarahako maso ny fametahana ilay karipetra. Tonga ilay fotoana nifanomezana, dia tsy tonga aho. Tonga ny tamin’ny sivy, dia avy eo tamin’ny folo.

“Nony farany, teo ho eo amin’ny 10:30 teo, dia tezitra tokoa ilay lehibeko ka tonga tany an-tranoko. Niditra ny varavarana izy ary vonona ny hibedy ahy mafy, dia nahita ahy natory teo amin’ny seza lava niaraka tamin’ny Bokin’i Môrmôna teo an-tratrako, ka dia niova hevitra. Nakatony moramora ilay varavarana dia niverina tany am-pivarotana izy, ary nahatoky fa hanomboka ny asa fametahana ireo soson’ilay karipetra. Nifoha aho tamin’ny iraika ambin’ny folo sy sasany mahery kely teo (tsy nahalala ny fitsidihana nataon’ny lehibeko), nijery famantaranandro, dia nivavaka indray tao anatin’ny fotoana fohy dia fohy, ary izay no nivavahako fanindroany. Nisolo akanjo haingana aho (nieritreritra fa rehefa tonga tany dia tsy hanana asa atao intsony), niakatra tao anatin’ny fiarako ary namily haingankaingana nankany amin’ilay toerana nanaovana ilay asa.

“Hitako tany ny lehibeko dia nandeha teny aminy aho mba hiala tsiny. Nitodika izy. Nitsiky be izy dia nanontany hoe: ‘Nanao ahoana ny fahitanao ilay boky?’ Rehefa fantatro ny zavatra tsy maintsy efa niseho dia nahatsiaro ilay faran’ny herinandro teo aloha aho, ary tamin’ny maso nanganohano no nilazako ny zavatra iray hany azoko nolazaina hoe: ‘Marina ilay boky. Tenin’ Andriamanitra ny Bokin’i Môrmôna.’ Dia nanomboka nitomany aho, dia nanatona ahy izy ka nisakambina ahy ary namihina ahy. Natao batisa aho ka lasa mpikamban’Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany tamin’ny 22 janoary 1965.”

Nihaona tamin’io rahalahy mahafinaritra io aho taona maro taorian’ny nahalasanany ho mpikambana nandritra ny fotoana nanaovan’izy sy ny vadiny asa fanompoana tao amin’ny ivontoerana ho an’ny mpitsidika tao amin’ny San Diego Mormon Battalion. Ny antony tena hitiavako ity tantara ity dia ny fifanoherana nisy teo amin’ny andrana roa nataony hamaky ny Bokin’i Môrmôna. Tsy tamin’ny finiavana marina na tamin’ny vavaka no nanombohany namaky izany voalohany. Tamin’ilay andrana faharoa dia traikefa hafa tanteraka izany raha nampiarahana tamin’ny faniriana sy vavaka.

Tokana ihany ny fomba hahafantarana raha marina ny Bokin’i Môrmôna sy ny filazantsara, ary mila zavatra mihoatra ny fahalianana sy ireo retsi-pamantarana dimy izany. Mitaky fampiasana amin-kitsimpo ny fahafahana misafidy izany ary fanaovana asa avy amin’ny faniriana te hahafantatra:

“Ary rehefa handray ireto zavatra ireto ianareo, dia ta hamporisika anareo aho ny mba hanontanianareo an’ Andriamanitra, Ilay Ray Mandrakizay, amin’ ny anaran’ i Kristy, raha tsy marina ireto zavatra ireto; ary raha manontany amin-kitsimpo ianareo, omban’ ny tena finiavana, sady manam-pinoana an’ i Kristy, dia haneho ny fahamarinan’ izany aminareo Izy amin’ ny herin’ ny Fanahy Masina.

“Ary amin’ ny herin’ ny Fanahy Masina dia azonareo fantarina ny fahamarinan’ ny zava-drehetra” (Môrônia 10:4–5).

Izany fampanantenana izany dia tsy ahitana teny toy ny hoe “Mety” na “angamba Izy.” Ilay fampanantenana dia hoe: “Haneho ny fahamarinan’ izany aminareo Izy amin’ ny herin’ ny Fanahy Masina.”

Fitsipika hafa iray mitondra hevi-baovao izay hitantsika ao amin’io tantara io ny hoe tsy mila mamaky ny Bokin’i Môrmôna iray manontolo ianao vao ho tonga ny fijoroana ho vavolombelona. Ho an’ilay lehilahy ato amin’ity tantara ity dia nanandrana ilay fahazavana tao amin’ny pejy voalohany izy. Tsy nila nihinana ilay pizza iray manontolo izy vao nahafantatra fa matsiro izany. Ho an’ny hafa dia mety ho tiana tsikelikely arakaraka ny hanandramana azy izany rehefa miha-fy aminy tsikelikely ilay fahazavana. Toa izany no lazain’i Almà ao amin’ity andininy ity: “Eny, manomboka manazava ny fahazavan-tsaiko izy, eny manomboka ho fy amiko izy” (Almà 32:28).

Matanjaka kokoa noho izay niheveranareo azy ny fijoroanareo ho vavolombelona

Teny am-panombohana dia nanasa anareo aho ny hanome isa ny fijoroana ho vavolombelona anananareo teo amin’ilay fandrefesana ny finoana. Manantena aho fa hitanareo hoe lasa lavitra mihoatra izay noeritreretinareo ny fijoroana ho vavolombelona anananareo. Nahazo fahalalana tombombana mikasika ireo voan’ny filazantsara ianareo satria ny Fanahy Masina no mpampianatra anareo, ary niha-natanjaka isan’andro, andalan-tsoratra anampy an-dalan-tsoratra, ny fijoroana ho vavolombelona anananareo.

Sary
Slide from a Powerpoint presentation given by Elder Lynn G. Robbins for May 3, 2015 CES Devotional.

Arakaraka ny hianaran’ny olona iray sy hiainany ny filazantsara no hahazoany fahazavana bebe kokoa, ary mihalasa eken’ny saina ihany koa ny drafitr’ Andriamanitra. Ianarantsika avy amin’ny zavatra niainantsika manokana fa ny voan’ny hazon’aina dia tena sarobidy tokoa ary “tena mamy izany, manoatra noho izay rehetra efa [nandramatsika] hatramin’ izay” ary mameno ny fanahintsika amin’ny “fifaliana mitafotafo tokoa” izany (1 Nefia 8:11–12). Lasa miha-tia izany isika noho ireo fitahiana sy fifaliana ary ny fahazoana ireo vokatra tsara eo amin’ny fiainantsika izay omen’izany antsika, ary ny fanantenana ny fahasambarana tsy manam-petra amin’ny maha-fianakaviana mandrakizay.

Mijoro ho vavolombelona aho fa fantatro, ary fantatro fa fantatro amin’ny alalan’ny Fanahy Masina, fa tenin’ Andriamanitra ny Bokin’i Môrmôna. Mamy sy sarobidy ny manandrana izany. Tiako sy ankamamiako ny tsirony. Mijoro ho vavolombelona aho fa i Jesoa Kristy no ilay Zanak’ Andriamanitra ary nohomboina sy nijaly noho ny fahotan’izao tontolo izao Izy. Izy no Mpamonjy antsika ary manohy mitarika ny Fiangonany sy ny fanjakany eto an-tany Izy amin’ny alalan’ireo mpaminany sy apôstôly velona. Mijoro ho vavolombelona ny amin’ny anarany aho ary ny amin’ireo fahamarinana ireo, amin’ny anarana masin’i Jesoa kristy, amena.

Fanamarihana

  1. Jereo ny “Seek Learning By Faith” nataon’ny Loholona David A. Bednar, Ensign, Sept. 2007, 60–68.

  2. Jereo ny Wordsense.eu Dictionary, “conscientia,” www.wordsense.eu/conscientia/.

  3. Ohabolana Afrikanina.

  4. Joseph Smith, ao amin’ny History of the Church, 6:428.

  5. Brigham Young, Discourses of Brigham Young, sel. John A. Widtsoe [1954], 433.

  6. Dieter F. Uchtdorf, “Mandray fijoroana ho vavolombelona momba ny fahazavana sy ny fahamarinana,”Ensign na Liahona, nôv. 2014, 22.

  7. Joseph Smith, ao amin’ny History of the Church, 2:8.

  8. Torolalana ho an’ny soratra masina, “Finoana,” scriptures.lds.org.

Hamoaka printy