Fihaonamben’ny Mpanabe ara-pivavahana ao amin’ny DFF
Hoy Jesoa taminy: Izaho no mofon’Aina


Hoy Jesoa taminy: Izaho no mofon’Aina

Takariva hiarahana amin’ny Loholona Gerrit W. Gong

Lahateny natao ho an’ireo mpanabe eo amin’ny sehatry ny fivavahana ao amin’ny DFF • 17 Febroary 2017 • Salt Lake Tabernacle

Rahalahy sy anabavy malala, tombontsoa miavaka ny tafavory amin’ity takariva ity. Misaotra an’ny maro be aminareo noho ny hafatra feno fitiavana sy fankaherezana tamin-katsaram-panahy avy taminareo. Koa satria isika amin’ity takaraiva ity dia miresaka an’i Kristy, mifaly amin’i Kristy,1 mianatra an’i Kristy, dia mivavaka aho ny mba hanatonantsika amim-panajana akaiky Azy bebe kokoa.

Ianareo fianakaviana sy ianareo vady, voninahitra ho ahy ny miaraka aminareo. Raha ao anatina sakafo angamba ny vady, dia izy ireo no manome tsiro. Ny vady no mampatsiro ny fiainantsika. Mifoha maraina be ianareo, alindalina ianareo vao matory, ary miaina amim-pinoana amin’izay dingana rehetra ianareo. Misaotra anareo noho ny toetranareo sy ny zavatra rehetra ataonareo.

Ny fanendrena handray anjara amina Takariva hiarahana amin’ny Manampahefana Ambony dia tonga amin’ny alalan’ny taratasy izay soniavin’ny Filoha Thomas S. Monson sy ny Filoha Henry B. Eyring, ary ny Filoha Dieter F. Uchtdorf. Tsapako ny fitiavan’ny Fiadidiana Voalohany anareo tsirairay avy rehefa mangataka ny Tompo izy ireo mba hitahy sy hanentana ny ezaka ataontsika amin’ity takariva ity.

Raha vao nandray ity fanendrena ity aho dia nanasa ny Loholona Kim B. Clark sy Rahalahy Chad Webb mba hampianatra ahy momba anareo mpampianatra seminera sy institiota antsika sy misiônerantsika, ary mpiasan’ny DFF manerana izao tontolo izao.

Nianatra aho fa mpampianatra seminera sy institiota voantso miisa 45.731 no mampianatra ao amin’ny firenena miisa 133: ny 34.527 aminareo dia manompo ivelan’i Etazonia; 11.204 aminareo dia manompo eto Etazonia. Raha atambatra dia mahavita 20.807.605 ora amin’ny fanompoana amin’ny filazantsara ianareo isan-taona. Misaotra anareo!

Nianatra aho fa mpiasa miisa 2.878 ao amin’ny seminera sy institiota fianarana ny filazantsara no manompo ao amin’ny firenena miisa 129: ny 1.849 aminareo dia eto Etazonia ary ny 1.029 aminareo dia ivelan’i Etazonia. Manompo amim-pinoana ao amin’ny firenena maro manerana izao tontolo izao ianareo—ao anatin’izany i Botswana, i Bulgarie, i Hongrie, i Lithuanie, ary i Mozambique sy ny maro hafa. Misaotra anareo!

Ny sasany aminareo dia efa nampianatra nandritra ny taona maro. Ranabavy Enid May, ao Colombie Britanique, ohatra dia vao tsy ela izay no nisaorana rehefa avy nampianatra seminera nandritra ny 35 taona. Ranabavy May dia nampianatra ny 9 tamin’ireo zanany miisa 10, 2 tamin’ireo zafikeliny, ary ny evekany amin’izao fotoana izao. Nilaza Ranabavy May fa nivavaka izy mba handeha foana ny fiarany nandritra ny taom-pianarana tsirairay. Ny andro farany nampianaran-dRanabavy May seminera, rehefa izy niverina hiditra amin’ny lalana mankao aminy iny, dia nijanona tsy nandeha ihany farany ny transmission amin’ny fiarany.

Ny sasany aminareo dia vao manomboka mampianatra mihitsy. Ohatra: Ranabavy Jang Dongran ao Corée sy Ranabavy Johanna Mercader ao République Dominicaine, izay vao nanomboka nampianatra tamin’ity taona ity taorian’ny enina herinandro monja naha-mpikamban’ny Fiangonana azy.

Ranabavy Margaret Masai ao Kenya dia nanomboka nampianatra herinandro vitsy monja taorian’ny nahalasa mpikambana azy. Ranabavy Masai dia milaza amim-panetrentena fa ireo mpianany, izay teraka tato am-piangonana ny ankamaroany, dia nampianatra azy sy nanampy azy hanorina fototra ara-pilazantsara izay nitahy ireo 17 taona nampianarany seminera.

Mampianatra sy manompo any amin’ny toerana rehetra, ao anatin’ny toe-javatra rehetra, miaraka amin’ny mpianatra avy amin’ny fiaviana rehetra, ao anatina kilasy lehibe sy kely ianareo.

Rahalahy Benjamin Hadfield dia mampianatra any amin’ny Pôle Nord, Alaska. Ary Ranabavy Lorena Tossen dia mampianatra any Ushuaia, akaikin’i Antarctique izay misy ny Pôle Sud.

Isaky ny alarobia ao amin’ny Institiotan’ny Oniversiten’ny Salt Lake i Rahalahy Jared Halverson no mampianatra mpianatra efa ho 400 isa. Nanontany an-dRahalahy Halverson aho hoe ahoana no hahavitany an’izany. Hoy izy: “Mampianatra ilay vondrona aho saingy mifandray amin’ny tsirairay aminy, sms iray isan’olona.”

Any Pologne, Ranabavy Dagmara Martyniuk, izay tanora tokan-tena, dia mifoha maraina be mba hiasa ao amin’ny fivarota-mofo, ary mijanona tara avy eo mba hampianatra institiota.

Ny kilasin’ny seminera an-dRanabavy Myra Flores-Aguilar any Honduras, dia manomboka amin’ny 5 ora maraina. Ary ny kilasin’ny institiota an-dRahalahy Reuben Adrover any San Juan, Argentine, dia manomboka amin’ny 10 ora alina.

Ianareo koa dia mampianatra sy misahana kilasy ambaratonga voalohany sy faharoa any Mexique, Kiribati, Fiji, Tonga ary Samoa.

Noho ianareo dia tanora sy zatovo maro tsy mitovy amin’izay efa nisy hatrizay no mamaky soratra masina sy ny tenin’ireo mpaminany velona.

Noho ianareo dia tanora maro no mianatra mba hahazo fahalalana ara-panahy sy hamaly ireo fanontaniana izay ananan’izy ireo manokana amin’ny alalan’ny fahatakarana ny fotopampianarana.

Ary noho ianareo dia mitondra ireo mpianatra ho akaiky kokoa an’i Jesoa Kristy, ilay Fehizoro Indrindra, ireo fandaharam-pianarana vatofehizoro maro manerana ireo sekolintsika sy ny institiotantsika ato am-piangonana.

Dia mbola midera anareo sy ny fanompoanareo indray izahay. Na aiza na aiza misy anareo, na manao ahoana na manao ahoana toe-javatra iainanareo, dia misaotra anareo noho ny fahatongavanareo mivory izao takariva izao miaraka amin’ny fo sy saina misokatra—na iray na roa na mihoatra izany amin’ny anarany.2

Indray mandeha, rehefa avy nahavita iraka naharitra ela iray izahay, rehefa nidina tao amin’ny seranam-piaramanidin’i Salt Lake, dia nilaza tamin-kafanam-po ny Filoha Boyd K. Packer hoe: “Gerrit a! mampiditra ny mofo ao amin’ny lafaoro izao i Donna vadiko. Vao mafana tsara izao ilay mofo rehefa tonga any an-trano aho.”

Afaka manao sary an-tsaina na mitadidy mofo matsiro ve ianareo? Tsapanareo ve ny fofony—vao vita sy mafana mihitsy? Tsapanareo ve ny tsirony—mety mamy kely angamba e, masirasira kely?

Ny mofo dia sakafo fihinan’ny olona rehetra. Efa nihinana mofo avokoa ny olona amin’ny taona sy fiainana isan-tsokajiny. Marina tokoa, amin’izao vondrona maneran-tany misy antsika izao, ny mofo dia samy amin’ny habeny sy endriny ary fangarony isan-karazany, manana anarana maro samihafa mihitsy aza.

Angamba satria ny olona rehetra dia mahafantatra sy miankina amin’ny mofo avokoa, dia nilaza ny Mpamonjy antsika hoe: “Izaho no mofon’aina.”3

Eto amin’izao tontolo izao, eo anivon’ireo tsilo sy songosongo, dia mihinana mofo amin’ny hatsembohan’ny tavantsika isika, tahaka ny nataon’i Adama sy i Eva. Ny safidi-pitondrantena dia miaraka amin’ny safidy tena atao. Ny fitomboana ara-panahy dia avy amin’ireo fanamby tena misy. Saingy ny Mpamonjy antsika dia tsy mamela antsika hahita ireo tsora-kazo sy vaton’izao tontolo izao fotsiny, ny tsy fahafahana sy ny tsy fisiana fotsiny. Ny Mpamonjy antsika dia manome antsika mana, mofo isan’andro, ilay fampanantenany amin’ny fanasan’ny Tompo fa isika dia hanana fiainana, fanantenana, fifaliana, ary hanana izany be dia be.4

Nanambara ny Tompontsika hoe:

“Izaho Tompo no namelatra ny lanitra sy nanorina ny tany, izay tena asan’ny tanako; ary ny zavatra rehetra eo aminy dia Ahy.

“Ary ny tanjoko dia ny hamatsy ny olomasiko. …

“Fa feno ny tany ary manana ny ampy sy ny hotehirizina aza.”5

Raha lazaina amin’ny teny hafa, ny tontolony dia tsy tontolon’ny tsora-kazo sy vato. Ny tontolony dia tontolo feno mofo sy hazandrano.

Tadidinareo ve ny fomba nampihinanan’i Jesoa ny vahoaka mofo sy hazandrano vitsy? Andeha hojerentsika izany dia alaivo sary an-tsaina hoe teo isika.

[Horonantsary]

Jesoa: “Jereo ireto vahoaka.”

Mpianatra 1: “Tany foana ity, ary efa mandroso hariva be izao ny andro. Ravao izy ireo mba hankanesany eny amin’ireo tanàna ka hividy mofo ho azy. Tsy manan-kohanina izy ireo.”

Jesoa: “Omeonareo hanina izy.”

Mpianatra 2: “Handeha hividy mofo izay azon’ny denaria roan-jato va izahay, ka homenay azy hohaniny?”

Jesoa: “Misy mofo firy any aminareo?”

Mpianatra 1: “Dimy sy hazandrano roa.”

Jesoa: “Ento aty amiko izany. Zarao ho toko dimampolo avy ny vahoaka, fa hofahanana izy ireo. … Ray ô, Tompon’ny lanitra sy ny tany, misaotra Anao Aho noho ny hatsaranao. Amena.”6

[Tapitra]

Fitantara efatra ao amin’ny Testamenta Vaovao7 no milazalaza ny nanomezan’ny Mpamonjy antsika sakafo vahoaka miisa 5.000. Fitantara roa fanampiny ao amin’ny Testamenta Vaovao,8amin’ny fotoana iray hafa, no milazalaza ny Mpamonjy antsika nanome sakafo vahoaka miisa 4.000. Ireo vahoaka sesehena ireo dia toa ahitana lehilahy, miaraka amin’ny vehivavy ary ankizy ihany koa.9

Matetika isika dia milaza fa manao zavatra amin’ny antsipiriany Andriamanitra. Vao tsy ela aho dia nanambatra ireo antsipiriany ara-tsoratra masina momba ny nanomezan’ny Mpamonjintsika sakafo ny vahoaka 5.000 ao amin’ireo Filazantsaran’i Matio, Marka, Lioka ary Jaona, anisan’izany ireo fanamarihana ao amin’ny Baiboly, mba hanome tantara ara-tsoratra masina tokana sy tena marina.

Azonareo atao ve ny manasa ny Fanahy Masina mba hanampy antsika hahatakatra rehefa mandalina ireo tantara ara-tsoratra masina sy ireo fitsipiky ny filazantsara hita ao amin’ny ohatra nasehon’ny Mpamonjy antsika?

Ny vavaka ataontsika dia ny hoe ny fitomboan’ny fankasitrahana ny fanompoan’ny Mpamonjy antsika dia hitondra antsika sy ny fianakaviantsika ary ny mpianatsika hanatona akaiky kokoa Azy.

Toy izao ilay andinin-tsoratra masina natambatray:

“Ary ny Apostoly niangona teo amin’i Jesoa ka nilaza taminy izay rehetra efa nataony mbamin’izay nampianariny.

“Ary hoy Jesoa taminy: Avia hianareo hitokana any an-tany foana [izany dia toerana mitokana na mangina], ka mialà sasatra kelikely (fa maro no nifamoivoy, ka tsy nisy hihinanana aza). …

“Ary ny olona nahita azy mandeha, sady betsaka no nahalala an’i Jesoa, dia niala avy teny amin’ny tanàna rehetra ny olona ka nihazakazaka nandeha an-tanety, dia tonga talohany.

“Ary nony niala Jesoa, dia nahita vahoaka betsaka Izy ka onena azy, fa tahaka ny ondry tsy manana mpiandry ireo.”10

“Ary Izy nandray azy tsara ka nilaza taminy ny amin’ny fanjakan’ Andriamanitra; ary izay marary dia nositraniny.”11

“Ary nony hariva ny andro, dia nanatona Azy ny mpianatra ka nanao hoe: Tany foana ity, ary efa hariva ny andro izao; ravao ny vahoaka,”12 “mba hankanesany eny an-tsaha sy eny amin’ny vohitra manodidina hividy hanina ho azy, [fa tsy manan-kohanina izy].”13

“Fa hoy Jesoa taminy: Tsy tokony handeha izy; omeonareo hanina izy.”14

“Fa hoy kosa izy ireo taminy: Handeha hividy mofo izay azon’ny denaria roan-jato va izahay, ka homenay azy hohaniny?”15

“Ny mpianany anankiray, dia Andrea, rahalahin’i Simona Petera, nilaza taminy hoe:

“Misy zazalahy aty manana mofo vary hordea dimy sy hazandrano madinika roa, fa ho ampy inona moa izany amin’izao olona betsaka izao?”16

“Ary hoy Izy: Ento eto amiko izany.”17

“Dia nasain’i Jesoa nampipetraka ny olona rehetra hatao an-tokotokony eny ambonin’ny ahi-maitso izy.”18 “Ary nisy ahitra be teo.”19 “Dia nipetraka an-tokony zato sy dimam-polo avy ny olona.”20

“Ary rehefa noraisin’i Jesoa ny mofo dimy sy ny hazandrano roa, dia niandrandra ny lanitra Izy, ka nanaovany fisaorana ireo, dia novakiny,”21 “ary rehefa nisaotra,”22 “dia natolony ny mpianatra; ary ny mpianatra kosa nanolotra ho an’ny vahoaka.”23 “Ary ny hazandrano roa nozarainy tamin’ny olona rehetra”24 “araka izay nilainy.”25

“Ary nihinana avokoa izy rehetra,” 26 “ka voky.”27

“Ary rehefa voky ny olona, dia hoy Jesoa tamin’ny mpianany: Angony ny sisa tsy lany, mba tsy ho very.”28

“Ary nangoniny ny sombintsombiny sisa tsy lany”29 “ka nahafeno harona roa amin’ny folo ny sombitsombin’ny mofo vary hordea dimy”30 “sy ny hazandrano”31 “izay ambiny tsy lanin’ny nihinana.”32

“Ary izay nihinana dia tokony ho dimy arivo lahy, afa-tsy ny zaza amim-behivavy.”33

“Ary rehefa nanao veloma ny olona Izy, dia lasa nankany an-tendrombohitra hivavaka.”34

“Ary hoy ireny olona ireny, rehefa nahita ny famantarana izay nataon’i Jesoa: Ity tokoa no Ilay Mpaminany izay ho tonga amin’izao tontolo izao.”35

Inona no zavatra tsikaritrareo na tsapanareo na nianaranareo rehefa namahana ny tsirairay amintsika sy isika rehetra tamin’ny mofo dimy sy hazandrano roa i Jesoa? Moa ve ireo mofo dia tahaka ny mana, mamy tahaka ny rafy sy ny tantely?36 Ary ahoana no nampihinanana antsika rehetra hazandrano kely anankiroa—ka nahavoky antsika?

Indreto misy zavatra sivy tsikaritro sy tsapako. Angamba mety hanampy antsika hahatakatra tsara kokoa ny Mpamonjy antsika sy hanatona Azy bebe kokoa ary hanasa antsika ho tonga tahaka Azy bebe kokoa izany.

Lohahevitra 1: Onena ny Mpamonjy antsika.

Maro amin’ireo fahagagana nataon’ny Mpamonjy antsika no manomboka amin’ny fahatakarany sy ny fangorahany. Fantany ny ao am-pontsika sy ny zavatra iainantsika. Onena amin’ny fanantenantsika sy ny zavatra mandratra antsika, ny faniriantsika sy ny filantsika Izy.

Fotoana sarotra tamin’izany. Notapahan-doha i Jaona Mpanao Batisa, ny lohany nentina teo an-dovia, ho fampanantenan’ny mpanjaka iray nalahelo ho an’ilay zazavavy nandihy izay zanaky ny reny iray ratsy fanahy. Nandeha tany amin’ny toerana iray izay nitokana ny Mpamonjy antsika sy ireo mpianany mba haka aina. Fa inona no zavatra tsapan’ny Mpamonjy antsika rehefa nahita ireo vahoaka betsaka Izy? “Onena azy” Izy.37 Noraisiny izy ireo. Nampianariny izy ireo. Nositraniny izy ireo. Ary tamin’ny lafiny azo tsapain-tanana dia fantany fa tsy nanan-kohanina izy ireo.38

Nandritra ny asa fanompoany dia onena ny Mpamonjy antsika—onena ilay boka,39 onena ilay zanakalahin’ny lehilahy iray izay nidiran’ny fanahy ratsy,40 onena ilay mpitondratena izay maty zanaka lahitokana.41 Ny Mpamonjy antsika dia mampianatra antsika mba ho tahaka ilay Samaritana tsara fanahy izay onena ilay lehilahy naratra sy novonoina.42

Toy izany koa, ny rain’ilay zanaka adala dia onena ary nihazakazaka tany amin’ilay zanany “raha mbola lavitra” ilay zanany.43 Mahavariana fa, raha miresaka mofo, rehefa “nody ny sain’” ilay zanaka adala, ny zavatra tsapany dia “Maro ny olona karamain’ny raiko manan-kanina be dia be.” 44

Manomboka amin’ny fangorahana ny Mpamonjy antsika. Faranany amin’ny hatsaram-panahy feno fiantrana izany.

Milaza ny tantara ao amin’ny filazantsara fa rehefa avy nampihinana ny vahoaka i Jesoa dia noravany izy ireo. Saingy ao amin’ny Marka dia ahitana fanazavana izany. Raha tokony hoe “noravany ny vahoaka,” ny ao amin’ny Marka dia milaza hoe “nanao veloma ny olona” Izy.45 Tsy renareo ve i Jesoa manao veloma amim-pangorahana ny vahoaka rehefa nandeha izy ireo taorian’ny nampihinanany azy ireo?

Lohahevitra 2: Niainga tamin’ny zavatra izay nananan’izy ireo ny Mpamonjy antsika.

Raha te hampihinana ny vahoaka ny Mpamonjy antsika dia nanomboka izany tamin’ny fanontaniana ireo mpianany ny zavatra izay nananan’izy ireo Izy. Mpamorona izao tontolo izao Izy, Tompon’ny lanitra sy ny tany, kanefa dia mbola niainga tamin’ny zavatra izay nananan’izy ireo, teo amin’ny toerana izay nisy azy ireo Izy

“Misy zazalahy aty manana mofo vary hordea dimy sy hazandrano madinika roa.”46

Niainga tamin’ny zavatra izay nananan’izy ireo ny Mpamonjy antsika: “Ento eto amiko izany.”47

Mba jerenareo akory ve hoe iza ianareo, inona na iza no ampianarinareo, ary mba manontany tena ve ianareo hoe ahoana no mety hahampy ny zavatra izay anananareo? Angamba, tahaka ireo mpianatra, dia mijery ireo mofo sy hazandrano kely isika dia gaga, “Fa ho ampy inona moa izany amin’izao olona betsaka izao?”48

Amin’ny maha-mpampianatra antsika, dia manasa ny mpianatra tsirairay isika mba handray anjara ao an-dakilasy. Ny mpianatra sasany dia manao betsaka, ny sasany kely. Amin’ny maha-mpianatra sy mpampianatra antsika dia miainga amin’izay ananantsika, amin’izay toetrantsika izao isika. Dia afaka mampivoatra sy mampitombo ny ezaka ataontsika Izy avy eo. Ilay fitsipiky ny fitomboana avy amin’izay misy antsika dia maneho ilay fahamarinana ao amin’ny Bokin’i Môrmôna hoe noho ny fahasoavany no hamonjena antsika, “rehefa ataontsika ny zavatra rehetra azontsika atao.”46

Mitsiky Izy rehefa entintsika izay ananantsika sy izay toetrantsika ka mankany Aminy.

Lohahevitra 3: Manao zavatra amin’ny fomba milamina ny Mpamonjy antsika.

Efa tratra tao anatina vahoaka betsaka mifanosika sy mifanesika maka zavatra ve ianareo? Izaho efa. Tsy miraharaha ny olona izay aoriany ny olona eo aloha. Natahotra aho fa raha misy mianjera dia ho voahitsakitsaka.

Mifanohitra amin’izany kosa fa nasain’ny Mpamonjy antsika “nampipetraka ny olona rehetra hatao an-tokotokony eny ambonin’ny ahi-maitso izy [ireo mpianatra].”50 Ireo tokotoko ireo dia nalamina “an-tokony zato sy dimam-polo avy.”51

Ato am-piangonana isika dia miresaka vondrona mpisava lalana. Miresaka andian’olona mitsaoka any amin’ny tempoly isika. Amintsika ilay teny hoe tokotoko na vondrona dia manondro andian’olona voalamina izay miara-manana tanjona ambony.

Ary na dia antsoina hoe tany foana aza izany dia tsy nasain’ny Tompontsika nipetraka tamin’ny tany feno vovoka ny vahoaka. Nasainy nipetraka “eny ambonin’ny ahi-maitso” ireo tokotokon’olona.51 Nifidy toerana izay “nisy ahitra be” Izy.52

Lohahevitra 4: Naneho fankasitrahana ny Mpamonjy antsika.

Noraisiny ny mofo sy ny hazandrano, “dia niandrandra ny lanitra Izy, ka nanaovany fisaorana ireo, dia novakiny.53

Ny Mpamorona ny tany sy ny lanitra, ilay Mpanjakan’ny mpanjaka mihitsy no manome fisaorana mialoha ny hamakiany ny mofo sy ny hazandrano sy ny nampitomboany izany teo anivon’izy rehetra, “araka izay nilainy” hohanina.54

Lohahevitra 5: Nampihinanin’ny Mpamonjy antsika ireo mpianany dia nasainy nampihinana ny vahoaka ireo.

Lamina izany, saingy mihoatra ny lamina izany. Izany dia fankaherezana ny mpiandry ondry mba hahafahan’ny mpiandry ondry mankahery ny ondry. Izany dia fampianarana ireo mpampianatra mba hahafahan’ireo mpampianatra mampianatra ireo mpianatra. Fomba masina ao amin’ny Baiboly sy ny Bokin’i Môrmôna ary ao amin’ny Fiangonany tafaverina amin’ny laoniny izany: ary “natolony ny mpianatra [ny mofo]; ary ny mpianatra kosa nanolotra ho an’ny vahoaka.”56

Izany dia ilay fanomezana lehiben’ny fanomezana sy ny fandraisana ara-panahy. Ny fahafantarana hoe hampianatra isika dia manampy antsika hianatra. Rehefa mampianatra ny hafa mba hianatra isika dia mianatra mba hampianatra. Ny ohatry ny fianarana sy fampianarana izay asehontsika dia manampy ireo mpianatsika hahafantatra fa izy ireo koa dia afaka mianatra sy mampianatra.

Lohahevitra 6: Sady nampihinana ny vahoaka 5.000 ny Mpamonjy antsika no nampihinana ny tsirairay ihany koa.

Tamin’ny fomba mahagaga dia nozaraina sy nampitomboina ho an’ny olona tsirairay tao amin’ny vahoaka ireo mofo sy hazandrano: “Ary nihinana avokoa izy rehetra,”57 “ka voky.”58

Izany dia fahagagana izay katsahantsika mpampianatra—ny hampianatra ny kilasintsika manontolo sy ny olona tsirairay ao amin’ny kilasintsika. Izany dia mitaky ny firesahantsika amin’ireo 5.000 sy ny tsirairay. Mila ny firesahana ny zavatra misahana ny rehetra sy ny filan’ny tsirairay izany. Ary ankoatra izany, izany dia manasa ilay fahagagana ara-panahy hoe ho ampy izay zavatra entintsika hanombohana azy.

Lohahevitra 7: Nalain’ny Mpamonjy antsika antoka fa tsy misy ny zavatra ariana.

“Ary rehefa voky ny olona, dia hoy Jesoa tamin’ny mpianany: Angony ny sisa tsy lany, mba tsy ho very.”59

Tafiditra ao amin’ny hoe manomboka amin’ny fankasitrahana noho izay ananantsika ny maka antoka fa tsy misy zavatra very rehefa mamarana isika. Ny fiasan’ny lanitra dia tsy mandanindany foana. Ny zavatra rehetra dia efa voaomana hatrany am-boalohany, tsy misy zavatra natao ho very amin’ny farany izany.

Ny Loholona Richard G. Scott dia nampianatra hoe ahoana no ahafantsika mirakitra ireo fahatsapana sy mianatra raha mbola misy hatrany.60 Io dingana miverimberina fangatahana, fandraisana, firaketana, fisaintsainana, fankatoavana, fanontaniana raha mbola misy io dia maneho ilay fanambaran’ny Mpamonjy antsika hoe: “homena mihoatra aza hianareo.”61

Ary mbola misy foana. Raha nilaza ny tenany ho ilay mofon’aina ny Mpamonjy antsika dia hoy Izy: “Ary izao no sitrapon’Izay naniraka Ahy, dia ny tsy hamelako hisy very izay rehetra nomeny Ahy.”62 Hazoniny ireo izay nomen’ny Rainy Azy, mba tsy hisy very. Amin’ny maha-mpampianatra, misiônera, mpiasa antsika dia ataontsika amin’ny finoantsika sy ny herintsika avokoa ny zavatra rehetra mba hitandremana ireo izay nankinina tamintsika, mba tsy hisy very.

Lohahevitra 8: Miaraka amin’ny Mpamonjy antsika dia manana betsaka kokoa isika any amin’ny farany noho ny tamin’ny voalohany.

Rehefa naka antoka ireo mpianatra fa tsy nisy very dia nahatsikaritra fahagagana iray hafa izy ireo: “Ary nangoniny ny sombintsombiny sisa tsy lany”63 “ka nahafeno harona roa amin’ny folo ny sombitsombin’ny mofo vary hordea dimy”64 “sy ny hazandrano”65 “izay ambiny tsy lanin’ny nihinana.”66

Ny fahagagana iray amin’ny fampitomboana ara-panahy dia ny hoe rehefa miaraka amin’ny Mpamonjy antsika isika dia manana betsaka kokoa any amin’ny farany noho ny tamin’ny voalohany. Manana fitiavana bebe kokoa, fianarana bebe kokoa, aingam-panahy bebe kokoa, hatsaram-panahy bebe kokoa isika any amin’ny farany mihoatra noho ny tamin’ny nanombohantsika. Miverina indray ilay fampianarana feno fanahy toy ny mofo eo ambonin’ny rano—tahaka ny mofo sy ny hazandrano, betsaka kokoa noho ny tamin’ny voalohany.

Andeha ho fintinintsika izay noresahantsika hatreto:

Fantatry ny Mpamonjy antsika ny ao am-pontsika sy ny toe-piainantsika. Onena antsika Izy ka mitahy sy mamoky antsika amin’ny fomba rehetra.

Avy amin’izay misy antsika sy izay ananantsika no iaingany, na dia mofo sy hazandrano kely avy tamin’ny zazalahy iray aza dia noraisiny.

Manao zavatra amin’ny fomba milamina Izy.

Feno fankasitrahana Izy. Miandrandra ny lanitra Izy alohan’ny mitsodrano sy mamaky.

Mizara amin’ireo mpianatra aloha Izy dia mangataka ny mpianatra mba hanome ireo vahoaka.

Hainy ny sady mikarakara sy mampianatra ireo olona 5.000 no manao izany amin’ny tsirairay.

Angoniny amim-pankasitrahana izay ananantsika mba tsy hisy very.

Manampy antsika Izy mba hahatakatra fa nanana bebe kokoa noho ny tamin’ny nanombohantsika isika amin’ny farany.

Ary mbola misy foana. Ny fampihinanana ny vahoaka dia sady tsy voalohany no tsy farany nampiasan’ny Mpamonjy ny mofo sy ny hazandrano mba hampianarana sy hanehoana ny halehibeny.

Noho izany ny lohahevitsika fahasivy sady farany dia:

Lohahevitra 9: Ho an’ireo izay manana maso hahita sy sofina handre, dia mampianatra sy mijoro ho vavolombelona momba ny halehiben’ny fanasan’ny Tompo ny Mpamonjy antsika.

“Ary hoy ireny olona ireny, rehefa nahita ny famantarana izay nataon’i Jesoa: Ity tokoa no Ilay Mpaminany izay ho tonga amin’izao tontolo izao.”67

Taty aoriana, rehefa niresaka manokana momba ny mofo sy hazandrano ny Mpamonjy antsika dia nanontany ny mpianany izy hoe:

“Tsy mahatadidy va hianareo?

“Raha ny mofo dimy no novakiko ho an’ny dimy arivo, firy harona moa ny sombintsombiny nangoninareo? Hoy ny mpianany taminy: Roa ambin’ny folo.

“Ary raha ny mofo fito ho an’ny efatra arivo, firy sobiky moa no sombintsombiny nangoninareo? Dia hoy ny mpianany: Fito.”68

Raha averina: Ny tontolony dia tontolo feno mofo sy hazandrano, tontolon’ny fahafenoana.

Tamin’ilay vehivavy teo am-patsakana ny Mpamonjy antsika dia nilaza ny tenany ho rano velona, izay manana heviny eo amin’ny tany maina. Hoy i Jesoa taminy: “Fa na iza na iza no misotro ny rano izay homeko azy dia tsy hangetaheta mandrakizay; fa ny rano izay homeko azy dia ho loharano miboiboika ao anatiny ho fiainana mandrakizay.”69

Ho an’ireo izay manontany an’i Jesoa hoe: “Ny razantsika nihinana ny mana tany an-efitra, afaka manome mofo avy any an-danitra ho anay ve ianao?”70 Dia hovalian’i Jesoa hoe: “Ny Raiko no manome … ny tena mofo avy any an-danitra.”71 “Izaho no mofon’aina.”72 “Izay mino no manana fiainana mandrakizay.”73

Tsy misy zavatra fototra kokoa na manan-danja kokoa na iraisana kokoa mihoatra ny mofo sy ny rano. Inona no raisintsika rehefa miaraka ny mofon’aina sy ny rano velona? Mazava hoa azy fa mandray ny fanasan’ny Tompo isika.

Tamin’ny fomba iray izay efa hitan’ireo mpianany ny Mpamonjy antsika tamin’ny fiafaran’ny asa fanompoany teto an-tany dia “nandray mofo Izy, ary rehefa nisaotra, dia novakiny ka natolony azy sady nataony hoe: … izao no ataovinareo ho fahatsiarovana Ahy.”74

Mbola tamin’ny fomba iray mahazatra ihany tamin’ny fiandohan’ny asa fanompoany taorian’ny nitsanganany tamin’ny maty ny Mpamonjy antsika dia nampiorina ny fanasan’ny Tompo teo anivon’ny Nefita, ireo ondriny hafa:

Nandidy ny mpianany Izy hitondra mofo sy divay.

Nasainy nipetraka tamin’ny tany ny valalabemandry.

Noraisiny ny mofo dia novakiany ary notsofiny rano.

Nomeny ny mpianany ary nodidiany izy ireo mba hihinana.

Ary rehefa nihinana sy voky ireo mpianatra dia nodidiany izy ireo mba hanome ny valalabemandry.

Dia nihinana ny valalabemandry ka voky.75

Taty aoriana ny Tompontsika dia nanatanteraka indray ny fanasan’ny Tompo niaraka tamin’ny Nefita. Tamin’ity indray mitoraka ity Izy dia nanome ny mofo sy ny divay tamin’ny fomba mahagaga:

“Ankehitriny dia tsy nisy mofo na divay… ;

“Fa Izy kosa no nanome azy ireo marina tokoa mofo hohanina sy divay koa hosotroina.”76

Nampanantena Izy fa ireo izay nandray ny mofo sy ny divay dia “tsy ho noana na hangetaheta na oviana na oviana ny fanahiny, fa hovokisana kosa.”77

Eny tokoa, “rehefa avy nihinana sy nisotro avokoa ny valalabemandry, dia indro, heniky ny Fanahy izy ireo.”78

Izany no fahatanterahan’ilay fampanantenana amin’ny fanasan’ny Tompo ho an’ny lehilahy sy vehivavy amin’ny sokajin-taona rehetra, amin’ny toe-piainana isan-karazany, ho antsika tsirairay izay miankina amin’ny mofo sy rano: “Sambatra izay rehetra noana sy mangetaheta ny fahamarinana, fa izy no hofenoina ny Fanahy Masina.”79

Rahalahy sy anabavy, misaotra anareo fa mpianatra sy mpampianatra miavaka ao anatina tontolo noana sy mangetaheta ara-panahy ianareo. Misaotra anareo noho ny fiezahanareo manao ny lesona tsirairay, ny fifanakalozana tsirairay eo amin’ny mpianatra, ho toy ny ao amin’ny fiarahana ara-panahy mihinana mofo sy hazandrano!

Rahalahy sy anabavy, efa nahatsapa ny loharano velona nanenika ny tato anatiko aho niaraka tamin’ny fahafenoan’ny fitiavana ho an’ny Mpamonjy.

Vao tsy ela izay, raha nanana fahafahana nizara ny mofo sy ny rano aho, dia nahatsapa ny fitiavana lehiben’ny Mpamonjy antsika ho an’ireo izay nandray izany tandindona masina izany. Nahatsapa fankasitrahana lehibe ihany koa aho ho an’ny Mpamonjy antsika noho ny nanorenany ny ôrdônansin’ny fanasan’ny Tompo.

Indraindray, rehefa misaintsaina aho (tafiditra amin’izany ny amin’ny andro sabata), dia mahatsapa fankatoavana fa manao izay rehetra azoko atao amin’izany. Matetika kokoa aho no mahatsapa fanantenana sy fankaherezana fa afaka “[manatona] an’ i Kristy, ary … hatao tanteraka ao Aminy,”80 na dia eo aza ny tsy fahalavorariako.

Manantena aho fa ho hitanareo tsirairay amin’ny fomba hafa ny mofo sy ny hazandrano, ny mofo sy ny rano.81

Manantena aho fa hahita fahafinaretana sy traikefa mahafinaritra ary fanentanam-panahy ianareo rehefa mampifandray ireo tantara ara-tsoratra masina sy ireo fitsipiky ny filazantsara ary ny tenin’ireo mpaminany sy apôstôly velona amin’ny fanatanterahanareo ny andraikitra masina nomena anareo mba hanampy ireo mpianatsika hahafantatra bebe kokoa ny Mpamonjy antsika, ary hanatona amim-panajana Azy.

Antenaiko fa tsaroanareo hoe “an’i Jehovah ny tany sy izay rehetra eo aminy.”82 Ny tontolony dia tontolo feno mofo sy hazandrano. Ny fampanantenany amin’ny fanasan’ny Tompo dia ny hananana be dia be.

Mijoro ho vavolombelona amim-pankasitrahana aho momba an’Andriamanitra, ilay Raintsika Mandrakizay sy ny Zanany Masina, dia i Jesoa Kristy Mpamonjy antsika, ary ny Fanahy Masina. Mijoro ho vavolombelona amim-pankasitrahana aho momba ireo fahamarinana naverina tamin’ny laoniny sy ny fifandimbiasana tsy tapaky ny fahefan’ny fisoronana nanomboka tamin’i Joseph Smith Mpaminany ka hatramin’ny Filoha Thomas S. Monson ankehitriny, ny soratra masina, ary ny fankaherezana sy ny fitarihana ary ny fifaliana azontsika rehefa manana ny Fanahiny miaraka amintsika isika rehefa mahatsiaro Azy mandrakariva.

Na aiza na aiza misy anareo, na manao ahoana na manao ahoana toe-javatra iainanareo, na manao ahoana na manao ahoana ny fifaliana sy ny fanamby anananareo, dia manantena aho fa nahatsapa ny fitiavan’ny Tompo sy ny Fiangonany anareo ianareo tato amin’ity takarivantsika ity. Tia antsika Izy. Tsapanay izany. Amin’ny anarana masin’ny Tompo sy Mpamonjy antsika, dia i Jesoa Kristy, amena.

Hamoaka printy