Fihaonamben’ny Mpanabe ara-pivavahana ao amin’ny DFF
Fifehezana fotopampianarana sy fianarana lalina


Fifehezana fotopampianarana sy fianarana lalina

Takariva hiarahana amin’ny Loholona Gerrit W. Gong

Lahateny ho an’ireo mpanabe ara-pivavahana ao amin’ny DFF • 17 Febroary 2017 • Tabernakelin’i Salt Lake

Ry rahalahy sy anabavy, fifaliana ho ahy no hahafahako miaraka aminareo amin’izao takariva izao. Alohan’ny hampahafantarako anareo momba ny Loholona Gong dia te hizara aminareo zavatra iray aho izay antenaiko fa hanampy anareo sy ny mpianatrareo.

Voalohany dia tiako ny haneho ny fitiavako anareo ary ny fankasitrahako anareo noho ny zavatra ataonareo. Manatanteraka asa lehibe ao amin’ny fanjakan’ Andriamanitra sy eo amin’ny fiainan’ny mpianatrareo ianareo. Tiako ianareo ary mivavaka aho ny mba hanomezan’ny Tompo anareo sy ny fianakavianareo ny fitahiana tsara indrindra.

Te hiresaka mikasika ny Fifehezana fotopampianarana aho anio alina. Ny zavatra holazaiko dia mihatra manokana amin’ireo izay mampianatra seminera, kanefa raha ny marina dia tena mihatra amintsika rehetra izany.

Ny Fifehezana fotopampianarana dia lamina ao amin’ny seminera izay mirakitra tanjona miisa telo: voalohany, hanampy ny mpianatsika hianatra ny fomba fahazoana fahalalana ara-panahy; faharoa, hanampy ny mpianatsika hahafantatra sy hahatakatra ny fotopampianaran’ny Mpamonjy—izany dia midika hoe sady mahafantatra ny fotopampianarana marina ao an-tsainy no mahatakatra ny fotopampianarana marina ao am-pony, ary tiantsika ho lalim-paka ao am-pony izany; ary fahatelo, hanampy ny mpianatra hianatra ny fomba hampiharana ny fotopampianarana eo amin’ny fiainany, sady miaina izany eo amin’ny fiainany no mampiasa izany mba hamaliana ny fanontaniana mety hananan’ny namany na hampianarana sy hanampiana ny hafa hahafantatra ny fahamarinana.

Ny Fifehezana fotopampianarana dia nanomboka nampiharina tamin’ny fararano lasa teo. Tiako ho fantatrareo sy tsapanareo ao am-ponareo fa izy io dia nivoaka tamin’ny alalan’ny fanambarana avy amin’ny Tompo; fahagagana izany. Nisaintsaina matetika aho momba ny fomba nipoiran’izy io sy ny fotoana nipoiran’izy io ary ny antony nipoiran’izy io. Lasa hitako amin’ny sahan-kevitra mivelatry ny fanabeazana ao amin’ny Fiangonana sy ny asa lehiben’ny Tompo eto an-tany ny Fifehezana fotopampianarana.

Mino aho fa ny Fotopampianarana fehezina dia manampy ny mpianatsika hitombo ao amin’ny fahafantarana sy ny fahatakarana ny fotopampianarana ary manampy azy ireo hianatra ny fomba fampiasana izany fahalalana sy fahatakarana izany eo amin’ny fiainan’izy ireo. Kanefa mihoatra izany no hoentin’izy io. Mampianatra ny mpianatsika ihany koa izy io ny fomban’ny Tompo mba hianatra lalina amin’izay karazana fahalalana rehetra ary amin’izay fotoana rehetra eo amin’ny fiainan’izy ireo.

Lalina ny fianarana iray rehefa mampitombo ny fahafahantsika hanao ireto zavatra telo ireto: (1) mahafantatra sy mahatakatra; (2) manao zavatra mahomby sy amim-pahamarinana; (3) ary lasa tahaka ny Raintsika any An-danitra kokoa sy i Jesoa Kristy Zanany.1

Ny fianarana lalina dia tsy maintsy atao araka ny fomban’ny Tompo, amin’ny alalan’ny herin’ny Fanahy Masina sy amin’ny alalan’ny fandalinana sy fifampianarana mavitrika sy amim-pahazotoana, miaraka amin’ny fahasoavan’i Jesoa Kristy. Izany dia marina ho an’ny karazana fahalalana rehetra sy amin’izay mety ho fotoana rehetra eo amin’ny fiainana.

Izany mihitsy no ampianarintsika ny mpianatsika ao anatin’ny Fifehezana fotopampianarana (ary manantena aho fa ao anatin’izay zavatra rehetra ampianarintsika koa). Ny Fifehezana fotopampianarana, noho izany, no varavarana hahafahana miditra ao amin’ny fianarana maharitra sy lalina.

Tiako ho faranana amin’ny fanomezana fanasana anankiroa ny teniko. Ny voalohany dia ho anareo izay mampianatra seminera. Ry rahalahy sy anabavy malalako maneran’izao tontolo izao, manantena aho fa ny mpianatrareo dia mahita fa ianareo dia mampianatra azy ireo ny fomba fianarana araka ny fomban’ny Tompo. Ampianaro izy ireo fa mila mianatra lalina ny fahalalana ara-panahy sy ny fahalalan’izao tontolo izao mandritra ny fiainany manontolo izy ireo. Ampio izy ireo hahita fa tsy hoe rehefa mahazo diplôma amin’ny seminera dia mifarana hatreo. Tiantsika izy ireo hahazo diplôma amin’ny institiota, ary tiantsika izy ireo hanohy fianarana aorian’ny lycée. Ianareo dia manampy azy ireo hahavita izany zavatra rehetra izany ary hampiorina ny fototry ny fianarana maharitra sy lalina amin’ny alalan’ny fampianarana azy ireo ny fomba fianarana araka ny fomban’ny Tompo.

Ny fanasana faharoa omeko dia ho anareo izay mampianatra institiota. Ry rahalahy sy anabavy malala, mba ampio ny mpianatrareo hianatra araka ny fomban’ny Tompo. Mba ampio izy ireo hahita ny lanja sy ny herin’ny fahazoana diplôma amin’ny institiota eo amin’ny fiainan’izy ireo. Ny fahazoana diplôma amin’ny institiota dia midika fahavitana fandalinana lalina ny filazantsara izay natao araka ny rafitra napetraka. Ny fahazoana diplôma amin’ny institiota dia hahatonga ny fahatakaran’izy ireo ny filazantsara ho mafy orina, hahatonga ny fijoroana ho vavolombelona ananan’izy ireo sy ny fanolorantenan’izy ireo amin’ny Tompo ho lalindalina kokoa, ary manampy azy ireo hahafantatra sy hitia an’i Jesoa Kristy.

Fantatro fa raha manatanteraka ireo fanasana ireo ianareo dia hitahy anareo sy ny mpianatrareo ny Tompo sy Mpamonjy. Mijoro ho vavolombelona aho fa velona sy tia antsika ny Raintsika any An-danitra. I Jesoa Kristy, Zanany, no Mpamonjy sy Mpanavotra antsika. Fantatro fa velona Izy. Fantatro fa afaka mianatra lalina ao Aminy sy amin’ny alalany mandritra ny fiainantsika manontolo isika rehetra, satria Izy no Lalana, Fahamarinana, ary Fiainana. Amin’ny anarana masin’i Jesoa Kristy, amena.

Fanamarihana

  1. Ilay dingana manao hoe “mahafantatra zavatra iray, dia manao zavatra iray, ary lasa karazana olona iray” dia efa fampiasa hatrany ho dingana arahina amin’ny fikolokoloana ny fahaizana mitarika ary amin’ny drafitry ny Tompo ho fitomboan’ny zanany amin’ny lafiny ara-panahy. Jereo ny Thomas S. Monson, “To Learn, to Do, to Be,” Ensign na ny Liahona, nôv. 2008, 60–62, 67–68; ary ny Dallin H. Oaks, “The Challenge to Become,” Ensign, nôv. 2000, 32–34. Ho fandalinana misimisy kokoa ny singa tsirairay avy ao amin’io dingana io dia jereo ireo boky miisa telo nosoratan’i David A. Bednar: Increase in Learning (2011), ny Act in Doctrine (2012), ary ny Power to Become (2014).

Hamoaka printy