Fihaonamben’ny Mpanabe ara-pivavahana ao amin’ny DFF
Fahavelomana ara-panahy


Fahavelomana ara-panahy

Ny herin’i Jesoa Kristy sy ny fotopampianarana madio, niarahana tamin’ny Loholona Neil L. Andersen

Alahady 11 jona 2023

Hafatra fanokafana

Ranadahy sy rahavavy isany, miarahaba anareo amin’izao hariva izao. Ry mpampianatra filazantsara ato amintsika, izay tafavory maneran-tany, mamelà ahy haneho ny fankasitrahana avy amin’ny fo ny amin’ny fomba ampianaranareo sy anompoanareo ireo mpianatsika. Tena ara-bakiteny mihitsy ny hoe ao amin’ny kilasy ampianarinareo no misy ireo tena hoavin’ny Fiangonana. Raha nitsidika ireo kilasin’ny seminera sy institiota ary ny eny amin’ny oniversite manerana izao tontolo izao aho, dia nentanin’ny fomba fikolokoloanareo ny mpianatra sy ny fomba fanampianareo azy ireo hampifantoka ny fiainany amin’i Jesoa Kristy. Tamin’i Maria Magdalena niresaka voalohany tamin’ilay Mpamonjy nitsangana tamin’ny maty, dia “Rabôny”1 no anarana fiantsoana nosafidiny. Naverina nosoratana hoe “Tompo” izany, saingy “Mpampianatra” kosa izany amin’ny dikanteny Grika. Antso be voninahitra tokoa ny antsika mpanabe amin’ny fitarihana ireo mpianatsika hankany amin’ilay Mpampianatra Lehibe, dia i Jesoa Kristy.

Aorian’ny teny fanolorana ataoko dia handray torohevitra avy amin’ny Apôstôly iray an’i Jesoa Kristy Tompo isika mikasika ny fomba hampianarana fahamarinana eo anivona tontolo iray ahitana fisafotofotoana sy fitaka izay mihamitombo. Vao haingana aho no niaina zavatra izay nampitombo ny fahatakarako manokana io fanamby io. Niara-nanatanteraka iraka tamin’ny Filoha Henry B. Eyring nankany BYU–Hawaii aho, ka nisy mpianatra iray niteny ilay teny nambaran’ny Filoha Nelson hoe: “Ao anatin’ireo andro ho avy, dia tsy azo heverina ny ho velona ara-panahy raha tsy misy ny fitaoman’ny Fanahy Masina izay mitarika, sy manoro hevitra, ary mampionona tsy tapaka.”2 Nanontanian’ilay mpianatra ny fiantraikan’izany eo amin’ny tanora. Nanomboka nanazava ny amin’ny fomba hanampian’ny Fanahy azy ireo handray fanapahan-kevitra aho, toy ny safidy manan-danja eo amin’ny fiainana momba ny fianarana hatao, ny olona hifankahafantarana sy hovadiana, ary ny toerana honenana sy hiasana.

Saingy namaly izany Loholona Eyring taorian’izay tamin’ny alalan’ny famerenana nilaza ilay mpamaritra toetra manan-danja iray tao amin’ilay teny nambaran’ny Filoha Nelson izay nanoritsoritany ny maha-manan-danja ny “[hahavelomana] ara-panahy.” Nampahafantariny fa ny fahavelomana ara-panahy izay hilaintsika dia hihoatra noho ireo safidy tsotra atao eo amin’ny fiainana nolazaiko teny aloha. Nohazavainy fa ireo zatovo sy tanorantsika dia hiaina ao anatina vanim-potoana izay hanafenan’ilay fahavalo ny fahamarinana amin-kafetsena tokoa, hany ka raha tsy misy ny Fanahy Masina dia vao mainka tsy ho vita, eny hihasarotra hatrany, ny hanavaka ny tsara amin’ny ratsy, ny marina amin’ny diso. Noho izany ny hoe fahavelomana ara-panahy dia lasa niompana tamin’ny famantarana ny fahamarinana.

Anio alina dia manantena aho fa hisaintsaina ny fomba hampianarantsika ny mpianatsika hamantatra fahamarinana isika. Manantena ihany koa aho fa hihevitra ny anjara asantsika amin’ny fampianarana fahamarinana amin’ny fomba mazava sy tsotra isika. Antenaiko fa rehefa mianatra avy amin’ny Loholona Andersen isika, ary mijoro ho vavolombelona aminareo aho fa rehefa miorina eo amin’i Jesoa Kristy ny fampianarantsika sy amin’ny fotopampianarana madio isika, dia hanorina lamina fakan-tahaka ho an’ireo mpianatsika isika mba hahitany sy hamantarany fahamarinana, tsy ao amin’ny kilasintsika irery ihany, fa mandritra ny fiainany manontolo. Izany dia ataoko amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.

Fampahafantarana ny Loholona Neil L. Andersen

Tombontsoa ho ahy izao ny mampahafantatra ny Loholona Neil L. Andersen. Maro no azo zaraina momba ny Loholona Andersen—ny fanambadiany izay mahatalanjona sy ny fianakaviana mahafinaritra ananany; ireo zava-bitany teo amin’ny lafiny ara-pianarana sy arak’asa; ny asa fanompoana ataony ho an’ny Fiangonana, tafiditra ao anatin’izany ny antson’ny fianakaviana Andersen tamin’ny naha-mpitarika ny misiôna azy ireo tao amin’ny Misiônan’i Bordeaux, France. Mahay miteny frantsay ny Loholona Andersen fa mahay miteny pôrtogey ary espaniôla koa. Ho an’ny sasany amintsika dia soa ihany fa hiteny anglisy izy anio hariva. Nipetraka tany amina toerana maro manerana izao tontolo izao izy ary mahafantatra ny Fiangonana na aiza na aiza ampianaranareo sy ankaherezanareo ireo mpianatsika.

Saingy rehefa mieritreritra ny Loholona Andersen aho dia toetra roa no antenaiko fa hotsaroanareo eo am-pihainoanareo azy anio hariva. Voalohany, ny Loholona Andersen dia mandinika sy manaraka ary miaro ny mpaminanin’ Andriamanitra. Nahatsikaritra izao aho, aorian’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany ny Loholona Andersen dia mamoaka printy ary mandalina ireo tenin’ny mpaminany ary avy eo dia ampidiriny mba handrafitra ny fampianarany manokana izany. Izaho manokana dia vavolombelon’ny nanamafisan’ny Loholona Andersen ny fampianaran’ny Filoha Nelson mba ho mpampihavana, mba ho tonga ray aman-dreny marin-toetra sy miraharaha, ary mba hanorina ireo fototsika eo amin’i Jesoa Kristy. Faharoa, ny Loholona Andersen izy tenany dia vavolombelona manokan’ i Jesoa Kristy. Lolohaviny ho toy ny andraikitra tena masina izany. Tamin’ny iraka niarahako tamin’ny Loholona sy ny Rahavavy Andersen tany amin’ny Akademian’ny tafika ana habakabaka tany Colorado iray taona mahery lasa izay, dia nahita azy aho nampianatra sy nijoro ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy tamin’ireo tanora mpiofana izay tonga mba hihaino azy mandaha-teny. Raha nandinika azy aho tamin’io hariva io dia nanana fahatsapana sy fanamafisana mahery vaika fa teo anoloana vavolombelona manokana an’i Jesoa Kristy aho.

Antenaiko fa ho tsapanareo ny tombontsoa ananantsika izao ankehitriny izao mba hihaino amin’izao fotoana izao Apôstôlin’ny Tompo iray, olona iray izay manaraka ny mpaminany sy mijoro ho vavolombelon’i Jesoa Kristy Mpamonjy. Ry Loholona Andersen, miandrandra ny fampianaranao izahay.

Hamoaka printy