Ny herin’i Jesoa Kristy sy ny fotopampianarana madio
Ny herin’i Jesoa Kristy sy ny fotopampianarana madio, miaraka amin’ny Loholona Neil L. Andersen
Alahady 11 jona 2023
Loholona Neil L. Andersen: Misaotra anao ry Loholona Gilbert. Misaotra Rahalahy Webb. Roa amin’ireo namana sy mpiara-miasa mamiko. Tena tiako be izy roa ireo.
Nahafinaritra ny amboaram-peo teo e? Ary tena naneho fanajana tokoa! Tena mahatalanjona ianareo. Misaotra betsaka anareo!
Nieritreritra ireto teny ireto aho rehefa nampiara-peo tamin’ny andininy fahatelo ianareo: “Ny Tompo no fahazavako; ny Tompo no tanjako. Fantatro fa handresy ny sarotra aho rehefa manana ny tanjany.”1 Raha vitantsika ny mampiditra lalina ny fahatsapana ireo teny ireo ao am-po sy ao an-tsain’ireo izay ampianarintsika, dia hitondra fiarovana ho an’ny olona anankiray izany.
Tena mahatalanjona ny miditra ato anatin’ny Tabernakely e? Tsy dia manam-pahafahana ho ato matetika intsony isika. Ny sasany aminareo dia mety tsy mbola tato mihitsy; mbola kely loatra ianareo. Ny sasany amintsika dia manana fahatsiarovana maro avy amin’ity Tabernakely lehibe efa tranainy ity. Firy aminareo eto no manana fahatsiarovana tsara mikasika ny nankanesanareo tato tany aloha tany? (Fananganan-tanana.)
Telopolo taona lasa izay, izaho sy ny Loholona Christofferson dia voantso nandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany aprily. Nipetraka izahay, araka ny fitadidiako azy, teo ambany teo mihitsy talohan’ny nifindranay teo amin’ireo seza mena ireo. Ny iray tamin’ireo Apôstôly, ny Loholona Marvin Ashton, dia narary nandritra ny fotoana nanaovana io fihaonambe io, koa dia nizara ny fijoroana ho vavolombelona feno fanetrentena nataonay izaho sy ny Loholona Christofferson. Tsy nanana fotoana betsaka hiomanana izahay.
Manana fahatsiarovana hafa tato izay hozaraiko aminareo aho.
Tsy nandahateny tato amin’ny Tabernakely aho haramin’io fijoroana ho vavolombelona tamin’ny 1993 io. Tonga teto indray izahay tamin’ilay fihaonambe farany izay handeha hatao tato amin’ny Tabernakely; tamin’ny ôktôbra 1999 izany.
Nisy zavatra iray nitranga izay tena tsy nampoiziko mihitsy. Zoma maraina talohan’ny fihaonambe tamin’izany, tamin’ny 7 ora sy sasany maraina. Tao amin’ny biraoko aho no naneno ny telefaona. Hoy ilay olona niantso ahy hoe: “Ry Rahalahy Andersen, ny Filoha Hinckley ity.” Manampahefana Ambony aho tamin’izany, saingy kely dia kely ihany no fotoana nahafahako niaraka tamin’ny Filoha Hinckley. Ny teny voalohany nolazainy tamiko—ary tena marina ity—dia hoe: “Inona no anjara toeranao amin’ny baseball?” Tena tsy aiko mihitsy hoe inona no havaly azy, saingy nahavita niteny zavatra moramora ihany aho. Notohizany hoe: “Marary ny Loholona Robert Hales. Hodidiana izy amin’ny alatsinainy ka tsy afaka hitondra lahateny rahampitso maraina. Mba tianay ianao hisolo ny toerany handahateny ny sabotsy maraina. Izany a! Veloma!” Niteraka tebiteby nandritra ny ora maro izany. Izany no hany fotoana nanaovako lahateny nasaina nataoko nandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany tato amin’ny Tabernakely.
Raha nanam-potoana isika dia mba tianay ny hihaino ny zavatra rehetra niainanareo tato.
Mamelà ahy hanomboka amin’ny fanehoako ny fitiavako sy ny fitiavan’ny Fiadidiana Voalohany ary ny an’ny Kôlejin’ny Roambinifololahy ho anareo tsirairay avy. Tena manaja sy midera fatratra ny finoanareo sy ny fanolorantenanareo amin’i Jesoa Kristy Mpamonjy sy ny asany masina izahay. Andro manan-tantara tena manan-danja izao. Ny fiainan’ny tanora Olomasin’ny Andro Farany aman’hetsiny maro dia vonona ny hahazo fitarihana ao anatin’ny sehatra izay ahafahanareo mitaona azy ireo. Na ianao voantso ho mpampianatra seminera sy institiota ao amin’ny paroasy na tsatòka misy anao na voafidy ho mpampianatra ao amin’ny iray amin’ireo institiota 638 manerana izao tontolo izao na ao amin’ireo seminera amin’ny andavanandro any an-tsekoly—vao nanontaniako Rahalahy Webb hoe manana kilasy firy isika, dia hoy izy hoe tokotokony ho eo amin’ny kilasina seminera 80.000 eo. Ireo seminera amin’ny andavanandro any an-tsekoly mazava ho azy dia misy ao Etazonia andrefana sy Kanadà ary ireo sekolin’ny Fiangonana. Na raha ohatra ka mitana izay mety ho toerana rehetra hanampiana amin’ny asa ao amin’ny Seminera sy Institiota ianao, dia misaotra anao eram-po amin’ny anaran’ny Fiadidiana Voalohany sy ny Kôlejin’ny Roambinifololahy ny tenako. Tia anareo izahay ary mivavaka ho anareo. Mandray anareo ho mpianatr’i Jesoa Kristy mitovy aminay izahay eo am-panomanantsika vahoaka marina manerana ireo firenena sy kolontsaina sy fiteny manerana izao tontolo izao, ho fanomanana ny fiaviana feno voninahitry ny Mpamonjy eto an-tany indray.
Mba hanomezana voninahitra anareo tsirairay avy sy ireo mpampianatra mendri-kaja izay nialoha anareo tato amin’ity asa lehibe ity, dia niresadresaka fohifohy tamin’ny Filoha Andy Diaz, filohan’ny tsatòka eto Salt Lake City aho vao tsy ela izay. Niresaka momba ny mpampianatra seminera vao maraina nampianatra azy fony izy mbola tanora izahay. Ary ity dia fifandraisana tena mahaliana. Taorian’ny nahalasa mpikamban’ny Fiangonana azy fony izy 13 taona tao amin’ny tanànan’i Tampa, Floride, ny Filoha Diaz dia nanomboka nanatrika, herintaona taty aoriana, ny kilasina seminera vao maraina izay nisy an’i Kathy vadiko malala ihany koa. Mety hahatsikaritra ianareo izao hoe toa efa zokin’i Kathy izy raha jerena. Samy hafa no itondran’ny fiainana antsika tsirairay avy. Rahavavy Martha Williams renin’i Kathy, izay ho lasa rafozako, no mpampianatra. Henoy kely ange ity resadresaka fohy nifanaovanay sy Filoha Diaz ity.
[video begins]
Loholona Andersen: Miaraka amin’ny Filoha Andy Diaz aho ankehitriny, filohan’ny tsatòkan’i Salt Lake Riverside. Izaho sy ny Filoha Diaz dia misy zavatra iombonana, dia i Kathy vadiko izany, izay tao amin’ny kilasina seminera nisy azy efa 50 taona mahery lasa izay, ary mbola mihoatra izay, dia ny Rahavavy Martha Williams renin’i Kathy no mpampianatra azy ireo. Vehivavy tena nahavariana izy io. Mazava ho azy fa fantatro tsara izy. Efa nodimandry moa izy. Saingy tiako ny haneho ireo zavatra tsapa sasantsasany mahakasika ny Rahavavy Martha Williams eto, 50 taona mahery aty aoriana, avy amin’ny lehilahy iray izay filohan’ny tsatòka amin’izao, izay niditra ho mpikamban’ny Fiangonana fony izy 13 taona ary nanao seminera herintaona taty aoriana. Mba zarao aminay amin’ny ankapobeny ry Filoha Diaz ny momba izany vehivavy izay mpampianatra seminera anareo izany.
Filoha Andy Diaz: Angamba izy no iray amin’ireo vehivavy telo nitondra fiantraikany be indrindra teo amin’ny fiainako—dia ny reniko sy ny vadiko ary Rahavavy Williams.
Loholona Andersen: Tsy manitatra loatra ve ianao izany?
Filoha Diaz: Tena tsy manitatra aho ka.
Loholona Andersen: Fa dia nahoana loatra izy no hoe tena manan-danja aminao?
Filoha Diaz: Nanampy ahy hitombo sy hianatra ny filazantsara izy, satria mbola mpikamban’ny Fiangonana vaovao be aho tamin’izaho 13 taona, ary avy eo nanomboka ny seminera tamin’izaho 14 taona. Ary izy indrindra indrindra no olona nanampy ahy hianatra ny filazantsara. Fony aho kilasy faharoa tao amin’ny lisea dia nahazo asa izay nitaky ahy handeha hiasa amin’ny roa maraina, ka aorian’io asa io aho dia mandeha avy hatrany any amin’ny seminera vao maraina amin’ny enina satria te hanatrika izany foana aho; nanan-danja tamiko ilay izy. Ary izy dia efa nanao izay hampisy tontolo hahavonona amin’ilay hoe “Andao isika hiaina zavatra ara-panahy,” ary dia naniry hiaina ireo zavatra ara-panahy ireo aho.
Loholona Andersen: Moa ve izy nijanona tamin’ny fahadiovan’ny filazantsara sy ny fahatsoran’ny filazantsara, sa ve—Tadidiko mantsy 50 taona lasa izay tany amin’ny kilasy nisy ahy sasany, nianatra zavatra izay tena tsy hay mihitsy izahay.
Filoha Diaz: Tena ny fotopampianarana madion’i Kristy mihitsy no nampianariny ahy. Niresaka momba ny finoana sy ny fibebahana sy ireo zavatra izay mila ataontsika mba hiverenana indray any amin’ny Raintsika any An-danitra izy, ny faharetana hatramin’ny farany.
Loholona Andersen: Nanampy anao tamin’ny fiovamponao manokana amin’ny Mpamonjy Jesoa Kristy, izay naharitra nandritra ny fiainanao manontolo ve izy?
Filoha Diaz: Tena izany mihitsy. Koa satria nanampy ahy hanana fifandraisana amin’ny Raintsika any An-danitra sy ny Mpamonjy izy. Nianatra momba ny Mpamonjy avy taminy aho. Ary ny zavatra rehetra izay ao amin’ny soratra masina izay azony nanampiana ahy mba ho takatro sy ireo fotopampianarana izay nampianarin’ny Mpamonjy. Nanana fijoroana ho vavolombelona izy, ary dia—tsy mbola tsaroako hoe namarana fotoam-pianarana izy ka tsy nijoro ho vavolombelona momba ny filazantsaran’ny Mpamonjy sy ireo zavatra izay nampianariny tamin’izany andro izany; tena zava-dehibe izany. Ary izy dia olona tena navitribitrika. Nataony nahatsapa ny fitiavany avy amin’ny filazantsara izay tao aminy izahay. Ary rehefa mijery azy aho dia te haka tahaka ny zavatra nataony.
Loholona Andersen: Rehefa manao jery todika ianao, raha hiteny zavatra amin’ny mpampianatra seminera sy institiota ianao—ho an’olona tahaka anao, vaovao ao amin’ny Fiangonana, vao miditra—inona no zavatra ho amporisihanao mba hoataon’izy ireo ry Filoha Diaz?
Filoha Diaz: Tiavo ny mpianatrareo. Ataovy fantany ny fitiavanao ny Ray any An-danitra sy ny hoe tia azy ireo ny Ray any An-danitra. Tia azy ireo ny Mpamonjy. Ary raha toa ianao ka manaraka an’ Andriamanitra sy ireo mpaminaniny, dia afaka ny hiverina sy hiaina indray miaraka amin’ny Raintsika any An-danitra.
Loholona Andersen: Azoko antoka fa tena faly be momba izany ny ray aman-dreninao. Ary fantatro fa Rahavavy Williams, izay efa nifindra tontolo hafa 25 taona lasa izay, dia faly be ihany koa aminao.
Filoha Diaz: Tena izany no zavatra tsara indrindra henoko androany.
Filoha Andersen: Misaotra betsaka anao. Ary misaotra anao nizara ireny zavatra ireny taminay.
Filoha Diaz: Tsy misy hisaorana.
[video ends]
Loholona Andersen: Miaraka amintsika amin’izao takariva izao Rahalahy sy Rahavavy Diaz. Afaka mitsangana ve ianareo ry Rahalahy sy Rahavavy Diaz mba hahafahanay mankasitraka anareo? Misaotra betsaka.
Ny Filoha Diaz dia solon-tena maneho ny fitaomana anananareo ary mbola hanananareo amin’ny taranaka vao misondrotra noho ny finoanareo ny Mpanavotra sy ny fihazonanareo Azy ho ny fahazavana amin’ny zavatra rehetra lazainareo sy ataonareo.
Koa satria tena efa mendri-piderana tokoa ny fanompoana ataonareo, dia mivavaka aho androany mba hahafahako mizara hevi-baovao iray na roa izay hankahery anareo ara-panahy ka hanampy anareo, araka izay vita, hanamafy ny asa am-pahamarinana efa ataonareo.
Inty ny zavatra voalohany hodinihinareo: Aoka isika hampianatra sy hijoro ho vavolombelona matetika kokoa sy amin-kery kokoa momba an’i Jesoa Kristy.
Eritrereto ny maha tena ilain’ny mpianatra izay ampianarinareo amin’izao fotoana izao an’ireto teny avy amin’ny Filoha Russell M. Nelson tamin’ny fihaonamben’ny Fiangonana tamin’ny aprily farany teo ireto: “Na inona na inona fanontaniana na olana anananareo, ny valiny dia hita ao amin’ny fiainan’i Jesoa Kristy sy ny fampianarany. Mianara misimisy kokoa momba ny Sorompanavotany, ny fitiavany, ny famindram-pony sy ny fotopampianarany ary ny filazantsarany naverina tamin’ny laoniny izay mitory fanasitranana sy fivoarana. Mitodiha any Aminy! Manaraha Azy!”2
Tamin’izaho voantso ho Manampahefana Ambony 30 taona lasa izay tany amin’ny voalohandohan’ireo taona 1990 no niakatra, dia olon-dehibe sivy amin’ny anankifolo tao Etazonia no nilaza ny tenany ho Kristiana. Araka ny Pew Research Center, dia 64 isan-jaton’ny mponina ao Etazonia no Kristiana ary azo inoana fa hilatsaka ho ambanin’ny 50 isan-jato izany ao anatin’ireo taona maromaro ho avy. Niatrika na eo am-piatrehana olana ara-pinoana toy izany koa ny firenena hafa.
Mazava ho azy fa tsy avy amina firenena izay anjakan’ny fivavahana Kristiana daholo akory ianareo rehetra izay manatrika androany, ary maro aminareo no avy amina faritra izay mbola matanjaka ny finoana an’i Jesoa Kristy. Saingy na aiza na aiza no honenantsika dia fantatsika fa ny lalana mankamin’ny fiainana mandrakizay dia manomboka amin’ny fiovampo lalina sy matotra amin’ilay Mpamonjy antsika miaraka amin’ny fanajana ny fiainana sy iraka masina nampanaovina Azy.
“Hoy Tomasy taminy: Tompoko … hataonay ahoana no fahafantatra ny lalana? Hoy Jesoa taminy: Izaho no làlana sy fahamarinana ary fiainana; tsy misy olona mankany amin’ny Ray, afa-tsy amin’ny alalako.”3
Tao amin’ny hafatra fanokafana ny Ho zatovo mahery!, ny Fiadidiana Voalohany dia nanoratra ny hoe: “Ianareo dia tena isan’ireo fanahy tena tsara an’ny Ray any An-danitra izay nalefa ety an-tany amin’izao fotoana izao mba hanao zavatra manan-danja.…. … Mitodiha amin’ny Mpamonjy. Izy no -herin’ny zatovo.-”4
Vao haingana aho no tao amin’ny trano fianarana semineran’ny zafikeliko. Nanaitra ahy tokoa fa nisy sarin’ny Mpamonjy sy ny teniny ary soratra masina hafa maro mijoro ho vavolombelona momba Azy teny amin’ny rindrina.
Nampianatra ity fitsipika ity ny Rahalahy Chad Webb: “Ny fomba tokana manan-danja indrindra izay hahafahantsika manampy amin’ny fampitomboana ny finoana ao amin’ny taranaka vao misondrotra dia ny fametrahana bebe kokoa an’i Jesoa Kristy ho ivon’ny fampianarantsika sy ny fianarantsika.”5
Moa ve isika tsy nahatsapa zavatra mafonja tamin’ny fihaonambe maneran-tany ny aprily teo raha nindrana ny tenin’i Nefia ny Filoha Dallin H. Oaks, dia ny hoe “hivoky amin’ny tenin’i Kristy [ianareo]; fa indro hilaza aminareo ny zava-drehetra tokony hataonareo ny tenin’i Kristy,”6 ary avy eo izy dia nizara tao amin’ny ambin’ny lahateny nataony, “tenin’ny Mpamonjintsika izay nofantenana, dia ny zavatra nolazainy” tao amin’ny Testamenta Vaovao sy ny Bokin’i Môrmôna. Nofaranan’ny Filoha Oaks tamin’izao fanambarana ara-paminaniana tsotra izao izany: “Manambara ny fahamarinan’ireo fampianarana ireo aho amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.”7
Misy hery tena mahery vaika ao amin’ny tenin’i Jesoa Kristy:
“Mangataha dia hahazo ianareo; mitadiava dia hahita ianareo.”8
“Izaho no fananganana ny maty sy ny fiainana; izay mino Ahy, na dia maty aza, dia ho velona indray.”9
“Indro, izaho no Jesoa Kristy, Ilay Zanak’ Andriamanitra. … Izaho no fahazavana sy fiainan’izao tontolo izao.”10
Raha ohatra ka tsy hainareo izay tokony holazaina dia ny tenin’ny Mpamonjy no resaho. Resaho ireo zavatra niainany; resaho ireo fanoharany; resaho ireo teny ao amin’ny soratra masina sy avy amin’ireo mpaminany izay mijoro ho vavolombelona momba Azy.
Rehefa mampianatra sy mijoro ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy isika, ny Fanahy Masina dia hanamafy ao am-pon’ireo mpianatra tanora ny fahamarinan’ny fiainany sy ireo fampianarany amin’ny hery izay haharitra lavitra kokoa noho ny herin’ny fampianarana avy amintsika manokana.
Ndeha isika handinika am-panetrentena raha toa ka manao izay tokony hataontsika rehetra amin’ny fampianarana sy ny fijoroana ho vavolombelona, araka ny nangatahan’ny Filoha Nelson, ny amin’ny Sorompanavotany, ny fitiavany, ny famindram-pony sy ny fotopampianarany ary ny filazantsarany naverina tamin’ny laoniny izay mitory fanasitranana sy fivoarana.
Koa satria ny lamina hoenti-mampianatra nampiasaintsika tamin’ny lasa dia mety tsy ho ampy ho an’ny ankehitriny sy izay zavatra amin’ny hoavy, dia aoka isika hampitombo ny fahatakarantsika ary, araka ny torohevitry ny Filoha Nelson hoe, “hianatra bebe kokoa” sy hamporisika ny zatovo sy ny tanoran’ny Fiangonana “hianatra bebe kokoa” momba “ny fiainana sy ny fampianaran’i Jesoa Kristy.”11
Toy izao indray ny zavatra tiako hodinihantsika faharoa: Aoka isika hihazona ny fotopampianarana ho madio sy tsotra.
Ny zavatra tena fantatsika momba ny Raintsika any An-danitra; i Jesoa Kristy Mpamonjy antsika; ny fiainantsika talohan’ny nahaterahana; ny drafitry ny fahasambarana nataon’ny Raintsika ho antsika; ireo fitsipiky ny finoana sy ny fibebahana; ireo ôrdônansin’ny famonjena, ireo didy, ny fanekempihavanana, ny fankatoavana, ary ny faharetana; ary ireo fitahiana nampanantenaina antsika any ankoatr’ity fiainana an-tany ity—ireo zavatra ireo dia tena mazava tsara tokoa, ary tsy tokony hahatsiaro hila “[hibanjina] ivelan’ny tanjona”12 isika, araka ny ampianarin’ny soratra masina.
Mampifantoka ny fampianarantsika amin’ny Raintsika any An-danitra sy i Jesoa Kristy ary ny fotopampianaran’ Izy Ireo izay nambara isika mba hanampiana ny zatovontsika hampitombo ny finoana Azy Ireo, ho lasa miova fo amin’ Izy Ireo, ary handray ireo fitahiana nampanantenain’ Izy Ireo.
Ny fotopampianaran’i Kristy dia hita ao amin’ny soratra masina sy ao amin’ny fampianaran’ireo mpaminany, izay manana andraikitra ny hampita ny sitrapon’ny Tompo.
Ny fotopampianarana ao amin’ny soratra masina sy ampianarin’ireo mpaminany dia ahitana ny fitsipiky ny fisian’ny vavolombelona maro, fitsipika izay henonareo matetika mandritra ny fihaonambe maneran-tany, ary fitsipika izay nozaraiko 10 taona lasa mahery izay: “Misy olona vitsivitsy izay misalasala ny amin’ny finoan’izy ireo rehefa mahita teny nambaran’ny mpitarika iray tato amin’ny Fiangonana am-polon-taonany maro lasa izay, izay toa tsy mifanaraka amin’ny fotopampianarantsika. Misy fitsipika iray manan-danja izay mitantana ny fotopampianaran’ny Fiangonana. Ampianarin’ireo mpikambana 15 ao amin’ny Fiadidiana Voalohany sy ny Kôlejin’ny Roambinifololahy izany fotopampianarana izany. Tsy miafina ao anatina andiam-pehezan-teny iray saro-takarina ao anaty lahateny iray izany. Ampianarina imbetsaka ary ampianarin’ny olona maro ny fitsipika marina. Tsy sarotra hita ny fotopampianarantsika.”13
Azonareo ve ny maha-zava-dehibe ny fitondrana tsy tapaka ny fampianaran’ireo mpaminany sy apôstôlintsika ho ao amin’ny resadresaka ataonareo ao an-dakilasy? Ny fitarihana avy amin’ny Tompo manoloana ireo fanontaniana sy olana amin’izao tontolo maoderina misy antsika izao dia tonga avy amin’ireo izay voatendry hahazo ny fahefan’ny apôstôly. Raha toa ka mihamarefo ny fahatokiana ireo mpaminany sy apôstôly, ireo zavatra mahavarimbariana, ireo fitaka, ary ireo filôzôfian’izao tontolo izao dia mety hampiala ny olona iray amin’ireo fototra ara-panahiny. Andrandrao amin-kafanampo ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany dia ifanakalozy hevitra ireo fampianarana manan-danja izay aroso ao amin’izany. Fantaro mazava tsara ny anjara asa masina ananan’ireo izay voahosotry ny Tompo. Rehefa mihamanalavitra hatrany ny didin’ Andriamanitra izao tontolo izao dia hitombo hatrany ny lanjan’ny anjara asa sahanin’ireo Apôstôly.
Rehefa mihazona ny fotopampianaran’ny Tompo ho madio sy mora takatra dia mitandrema mba hijanona ao amin’ireo arofanina izay napetrak’ Andriamanitra, ka hisoroka ireo zavatra diso izay tonga avy amin’ny fanombantombanana ny momba ny zavatra anankiray sy ny hevitry ny tena manokana izay tsy ara-potopampianarana. Ny hevitra toy izany dia mety tena hanintona tokoa ny sasany saingy izy ireny dia tsy mifono ny tanjaky ny fahamarinana izay hampahery ny finoana.
Tiako ny lesona nampianarin’ny Filoha Dallin H. Oaks ny zanany lahy rehefa nametraka fanontaniana izay tsy voazava mazava tsara ao amin’ny fotopampianaran’i Kristy izy. Ny valiny nomeny dia hoe: “Anaka, tsy fantatro ny valin’izany fanontaniana izany saingy hamaly fanontaniana anankiray izay ananako valiny aho.” Dia nijoro ho vavolombelona ny amin’ny Mpaminany Joseph Smith sy ny Fahitana Voalohany izy. Aoka isika hivonona hiteny hoe, “Tsy fantatro ny momba izany, fa ity kosa dia fantatro.”
Eritrereto ireto fanontaniana sy valim-panontaniana manaraka ireto:
“Ry Rahalahy Jones, inona no ifandraisan’ny Bing Bang amin’i Adama sy Eva?” “Tsy fantatro ny valin’izany fanontaniana izany saingy hilaza aminao ny zavatra fantatro momba an’i Adama sy Eva aho.”
“Rahavavy Gonzalez, nahoana isika no tsy mahalala firy momba ny Renintsika any An-danitra?” “Tsy fantatro ny valin’izany fanontaniana izany saingy fantatro fa ianao dia -zanakavavy tian’ny ray aman-dreny any an-danitra, ary manana toetra araka an’ Andriamanitra sy anjara mandrakizay.-14”
Diniho hoe ahoana no hahafahanareo mamadika fanontaniana tsara, kanefa fanontaniana mitondra fakam-panahy hanombantombana, ho lasa valim-panontaniana manorina finoana an’i Jesoa Kristy Mpamonjy antsika. Ary ity dia fanamby ho anareo. Ampio ho tafapetraka tsara ao an-tsain’ny mpianatra ny fahatakarana fa tsy mitovy lanja ny fanontaniana rehetra. Ny fahaizana mahatakatra sy ny fahamatorana ara-panahy dia manampy amin’ny fanasarahana ny fanontaniana manan-danja amin’ireo fanontaniana mahaliana.
Manasa ny fijoroana ho vavolombelona manamafy avy amin’ny Fanahy Masina am-pahamarinana sy mazava tsara ary am-pahatsorana isika. “Raha tonga ny Mpananatra, … dia ny Fanahin’ny fahamarinana, … dia Izy no ho vavolombelona hanambara Ahy.”15
Namariparitra ny fomba fampianaran’i Joseph Smith tahaka izao i Brigham Young: “Nalainy ara-tsarin-teny ny lanitra ka nentiny teto an-tany; nalainy izany ka narosony sy novelabelariny tamin’ny fomba mazava sy tsotra, dia ireo zavatr’ Andriamanitra izany.”16
Mitandrema mba tsy hanitatra ireo raki-tantara sy tantara efa nolazaina taminareo. Miezaha maka antoka fa ny soratra masina na ireo teny nambara indraminao dia mifanaraka tsara amin’ny sahan-kevitra natao ho an’izany.
Tena mora be ny ho voasarika amina zavatra vaovao na mahaliana be nefa mihoatra ny fahatakarantsika manokana. Mijanòna ao amin’ny fiarovana atolotry ny fotopampianarana madio sy tsotra.
Mitandrema tsara rehefa misafidy haino vaky jery sy tantara avy amin’ny tena manokana ary lesona ampiasana zavatra azo tsapain-tanana. Raha ampiasaina amin’ny fomba mahomby izany dia afaka mampitsiry fahalianana sy tanjaka. Fa raha antitranterina mihoatra ny tokony ho izy kosa izany dia mety hanelingelina ny fampianaranareo. Lasa ilay fomba fampianarana indray no mibahan-toerana kokoa noho ilay hafatra.
Ny mpaminany Almà dia nijoro ho vavolombelona fa ny vaovao mahafalin’ny filazantsara dia “ampahafantarina antsika amin’ny teny tsotra, mba hahatakarantsika ka tsy hahafahantsika mandiso.”17
“Fa raha manao feo hafahafa ny trompetra, iza no hiomana hiady?”18
Diniho kely ny hakanton’ny fahatsoran’ireto soratra masina ireto:
“Mankanesa atỳ amiko.”19
“Raha misy ta-hanaraka Ahy, aoka izy handà ny tenany, dia hitondra ny hazo fijaliany isan’andro ka hanaraka Ahy.”20
“Fa raha mamela ny fahadisoan’ny olona hianareo, dia mba hamela ny anareo kosa ny Rainareo Izay any an-danitra.”21
“Dia hosedraintsika amin’izany izy ireo, hahitana raha toa izy ireo ka hanao ny zava-drehetra handidian’ny Tompo Andriamaniny azy ireo.”22
“Izao no didiko, dia ny mba hifankatiavanareo tahaka ny nitiavako anareo.”23
Tao amin’ny lahateny mafonja nataony izay mitondra ny lohateny hoe “Henoy Izy”, ny Filoha Nelson dia niteny hoe: “Mifandray amintsika [ny Ray any An-danitra] amin’ny fomba tsotra, amim-pahanginana, ary mazava tsara amin’ny fomba mahavariana tokoa ka tsy afaka ny ho diso fandray isika.”24
Mazava sy marina ary tsotra no fomba fampianarana avy amin’ Andriamanitra.
Manàna fahendrena amin’ny fandanjalanjana ny fotopampianarana ampianarinareo. Diniho ny lanjan’ny zavatra iray ao amin’ny fotopampianarana ao anatin’ny sahan-kevitr’ireo fahamarinana mifandraika aminy. Tsarovy ny torohevitry ny Mpamonjy momba ny fampianarana ireo didy: “Ireto tokony ho nataonareo, nefa tsy tokony havelanareo ireroana.”25
Nanazava ny Loholona Neal A. Maxwell hoe: “Ireo fitsipiky ny filazantsara dia toy ny hoe voatenona miaraka ka mifanohana sy mifandray.”26
Eritrereto ange: Ny fitiavan’ Andriamanitra sy ny lalàn’ Andriamanitra, ny famelan-keloka sy ny fibebahana, ny fitiavana an’ Andriamanitra ary ny fitiavana ny hafa, ny fahafahana misafidy sy ny maha tompon’andraikitra.
Araka ny efa nolazaina ombieny ombieny dia mampianara mba tsy ho takatry ny olona fotsiny ihany ny zavatra ampianarinao, fa mampianara koa mba tsy ho diso fandray ny zavatra ampianarinao ny olona.
Ary farany, araka ny efa fantatsika tsara, ireo fahamarinana ireo dia natao mba hozaraina ao anatin’ny tontolo izay manasa sy mamporisika ny Fanahy hiasa. Tsy afaka manery ny olona hahatsapa ny Fanahy isika. Mivavaka mba hanana ny Fanahy isika ary manasa ny Fanahy, saingy tsy afaka manandrana manamboatra zavatra iainana ara-panahy.
30 taona mahery lasa izay, ny Filoha Dallin H. Oaks dia nilaza tamiko ny zavatra iray nahazo azy sy i Jenny zanakavaviny izay mbola zatovo tamin’izany. Izao no teniny: “Nanatrika kilasy na fiaraha-mientan’ny Zatovovavy i Jenny fony izy zatovo. Rehefa tonga tao an-trano izy dia nanontany azy izaho sy ny vadiko hoe nanao ahoana ilay fivoriana, araka ny fanaon’ny ray aman-dreny. Hoy i Jenny hoe, -Hoy ny mpampianatra hoe: “Hisy zavatra ara-panahy hitranga aminay anio alina. Raha toa ka mifandray tanana ao anaty faribolana ny olona rehetra dia hiaina zavatra ara-panahy izahay.-”
Hotohizako ny findramana ny tenin’ny Filoha Oaks: “Nanontaniako i Jenny hoe, -Dia inona no tsapanao?- Dia hoy izy hoe, -Hafahafa be an!-” (Anio angamba, 30 taona taty aoriana, dia mety hiteny mihitsy aho hoe, “Tena hafahafa mihitsy an.” Tsy haiko loatra hoe inona no teny hilazana izany.) Notohizan’ny Filoha Oaks hoe: “Nilaza aho hoe, -Faly aho satria rehefa maheno zavatra tahaka izany aho dia hafahafa amiko koa izany.-” Dia niteny ny Filoha Oaks avy eo hoe, “Nampianariko azy fa ireo zavatra ara-panahy iainantsika dia tsy voalahatra ho tonga amin’ny fotoana voafaritra iray, fa mitranga kosa izy ireny rehefa mikatsaka ny fitaoman’ny Fanahin’ny Tompo isika.”
Tadidinareo ve ny fitiavana izay tsapan’ny Filoha Diaz avy tamin’ny Rahavavy Williams ilay mpampianatra seminerany? Manasa ny Fanahy isika rehefa mampianatra amin’ny fitiavana, filaminana, fahatsaram-panahy, fahalemem-panahy, ary finoana.
Fantatrareo rehetra ity soratra masina ity: “Izay mandray ny teny amin’ny alalan’ny Fanahin’ny fahamarinana dia mandray izany araka izay itorian’ny Fanahin’ny fahamarinana izany. … Koa izay mitory sy izay mandray dia mifankahazo ka samy mahazo hery sy miara-mifaly.”27
Noho izany dia tsy miankina aminareo ihany fa miankina ihany koa amin’ireo izay ao an-dakilasinareo ilay izy. Hianatra avy aminareo ireo mpianatsika fa amin’ny alalan’ny fankatoavana sy ny fahatsiarovana Azy mandrakariva ihany no hahafahan’izy ireo manana ny Fanahiny miaraka amin’izy ireo mandrakariva.
Toy izao ny tenin’ny Filoha Eyring:
“Manana ilay heriny ny fotopampianarana, rehefa hamafisin’ny Fanahy Masina izany fa marina. Manomana an’ireo izay ampianarintsika amin’ny fomba tsara faran’izay vitantsika isika, mba handray ny bitsik’ilay feo tony sy malefaka. Mitaky finoana an’i Jesoa Kristy izany farafahakeliny. Mitaky fanetrentena sy fahavononana hanatanteraka ny sitrapon’ny Mpamonjy ho antsika izany farafahakeliny. Ilay olona hampianao dia mety manana kely amin’izy ireo ihany saingy afaka manosika azy ianao mba hanana faniriana ny hino. Ankoatra izany dia afaka mahazo fahatokiana avy amin’ny zavatra iray hafa ao amin’ireo herin’ny fotopampianarana ianao. Afaka manomana ny olona iray hanaiky azy ny fahamarinana. Ny fahenoana fotsiny ny tenin’ny fotopampianarana dia afaka mamboly ny voan’ny finoana ao am-po. Ary na dia voatsinapin’ny finoana an’i Jesoa Kristy tena kely aza dia manasa ny Fanahy.”28
Tena tsara tokoa izany teny izany. Tena naneho fanajana tokoa ianareo. Misaotra betsaka anareo namela ahy hiaraka aminareo. Tianay ianareo ary misaotra anareo rehetra izahay noho ny zavatra rehetra ataonareo mba hampatanjahana ny zatovontsika sy ny tanorantsika sy mba hampatanjahana ny finoan’izy ireo an’i Jesoa Kristy.
Amin’ny maha mpanompon’ny Tompo ahy, sy amin’ny alalan’ny fahefan’ny apôstôly ananako, dia mitsodrano anareo aho mba ho heniky ny fitiavana, ny famindram-po, ny fampianarana, ary ny fanajana lalina ho an’ilay sorona fanavotana tsy manam-paharoa nataon’i Jesoa Kristy Tompontsika ianareo. Mitsodrano anareo aho, raha sitrakareo izany, ny mba hitomboan’ny fahaizanareo mampianatra amin’ny fomba madio sy amin-kery ny fotopampianaran’i Kristy ary ny mba hahitanareo sy hahatsapanareo ny vavolombelona manamafin’ny Ray any An-danitra ho an’ireo mpianatra tsaranareo.
Avelako aminareo ny fijoroana ho vavolombelona azo antoka sy tena marina avy amiko fa i Jesoa no Kristy. Ary ijoroako ho vavolombelona aminareo ny fampanantenana nomeny rehefa nilaza Izy hoe, “Na zovy na zovy no hanaiky Ahy eo anatrehan’ny olona, dia hekeko … izy eo anatrehan’ny Raiko Izay any an-danitra.”29 Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.