Fivoriana fampaherezam-panahy tamin’ny 2021
Ireo antony hananana fanantenana


Ireo antony hananana fanantenana

Fampaherezam-panahy maneran-tany anʼny S&I ho anʼny tanora tokan-tena sy ny mpivady vao herotrerony, taona 2021

10 janoary 2021

Ry rahavavy sy anadahy sarobidy malala, hafaliana lehibe ny miaraka aminareo! Aminʼny alalanʼny efijery no irahantsika mivory avy aminʼny kaontinanta sy nosin-dranomasina, ampiraisinʼny fitiavantsika anʼi Jesoa Kristy Mpamonjy antsika sy ny fanolorantenantsika hanampy aminʼny fanorenana ny fanjakany. Manome fanantenana ny aminʼny tontolo iray tsara kokoa ianareo. Ary mazava ho azy fa misy olona tsara an-tapitrisany maro hafa izay azontsika iarahana mivory sy iarahana miasa sy afaka manampy antsika hivoatra. Ny hoe “manantena,” araka ny nolazainʼny Eveka Desmond Tutu, dia ny “fahafahana mahita fa misy hazavana na dia eo aza ny haizina mandrakotra.”1

I Jesoa Kristy Mpamonjy antsika no fanantenantsika lehibe indrindra. Aminʼny alalany no ahitantsika fifaliana sy fiadanana. Fantany hatraminʼny voalohany ny farany. Mampanantena Izy hoe: “Mikatsaha amim-pahazotoana, mivavaha mandrakariva, ary minoa dia hiara-miasa ny zava-drehetra ho tombontsoanareo, raha mandeha araka ny hitsiny ianareo.”2

Saingy tsy mahita ny farany hatrany am-piandohana isika. “Sombintsombiny [ihany] ny fahalalantsika.”3 Mety ho hafa aminʼny nanantenantsika azy ny fomba fizotry ny fiainantsika. Mbola afaka “mibosesika handroso ao aminʼi Kristy aminʼny [fiorenana, sy] fanantenana mamirapiratra”4 anefa isika satria fantatsika fa ilay Raintsika any An-danitra be fitiavana dia manana drafitra ho antsika.

Tao anatin’ireo lamina mametra ny fivoahana ny trano nateraky ny valanaretina COVID dia nianatra fahaiza-manao vaovao aho, dia ny fanaovana bemiray izany. Izany dia fomba iray hamadihana tapa-damba hanome endrika mahavariana. Tsy dia azonao sary an-tsaina ilay izy amin’ny voalohany. Zairina miaraka amin’ny lafy ratsiny sy mitsombadika amin’ny endrika tiana hivoaka amin’ny farany ireo tapa-damba. Sarotra ny hahitana hoe ho toy ny ahoana ny fivoakan’ireo sombina loko maro mba hanome endrika mirindra. Saingy amin’ny alalan’ny fanetezana, sy fanjairana, ary fipasohina ombieny ombieny dia misy endri-javatra tsara tarehy mipoitra.

Mety hahatsapa isika hoe tsy mbola mazava ny drafitra ho an’ny fiainantsika. Tsy midika anefa izany hoe mbola hiandry ny fiainana hanomboka isika. Taona manan-danja izao na aiza na aiza ianareo eo amin’ny fiainanareo.

Fotoana izao hanovozana talenta. Nampianatra ny Filoha Nelson hoe: “Ny fianarana no tsy mampitovy ny hoe mangetaheta ny ho afaka hanampy ny hafa sy ny hoe afaka manampy ny hafa.”5 Ireo zavatra tsara sy manan-danja ianaranao amin’izay dia hamolavola sy hitahy ny fiainanao manontolo.

Izao no fotoana hikatsahana mpanoro hevitra hendry sy mandala fahamarinana toy ny ray aman-dreny na ray aman-dreny be, mpampianatra, namana, mpitarika ato amin’ny Fiangonana, ary indrindra indrindra an’i Jesoa Kristy mba hanampy antsika hanorina fiainana manan-danja. Mambole fifandraisana manan-danja amin’ireo izay afaka manampy anareo hianatra sy hivoatra.

Izao no fotoana hirotsahana amin’ny asa tsara. Ny Ray any An-danitra dia tsy miandry ny valanaretina ho tapitra, tsy miandry ahy hihena 5 kilao, na miandry anao hanambady ilay olona nofinofisinao vao ho lasa mpianatra marina isika, izany hoe hitandrina ireo didiny, indrindra ilay didy mba hitia ny Tompo sy ireo manodidina antsika.

Raha tiantsika ny hanana fanantenana sy hanome lanja lehibe kokoa ny fiainantsika dia mety raha hatombontsika isan’andro amin’ny vavaka maneho fankasitrahana sy fitalahoana toy izao ny tontolo androntsika: “Ray any An-danitra ô, avelao aho mba ho fitaovana eo an-tananao anio. Sokafy ny foko. Omeo fahendrena, fisainana, sy hery ary herim-po aho hanao izay vitako.” Avy eo dia mitadiava fahafahana ny ho lasa namana mahatoky kokoa, rahavavy tsara fanahy kokoa, zanakalahy tsara kokoa, mpiray vodirindrina malalatanana kokoa, mpanompo entanim-panahy kokoa, ray aman-dreny manam-paharetana kokoa. Nanoratra toy izao i Leo Tolstoy: “Na dia hoe izay tena manan-danja amin’ny olona mba hahavelona azy ihany aza no saintsaininy dia ny fitiavana irery ihany raha ny marina no hahavelona azy. Izay manam-pitiavana, no ao amin’Andriamanitra sy manana an’Andriamanitra ao aminy satria Andriamanitra dia fitiavana.”6

Tsy miandry antsika mba ho tonga lafatra na koa ho tonga any amin’ny tontolo ho avy ny Ray vao hitahy antsika. Rehefa manao “ny asan’ny fahamarinana” isika dia “handray ny valisoa[ntsika], hatramin’ny fiadanana eo amin’ity izao tontolo izao ity ary fiainana mandrakizay any amin’ny tontolo hoavy.”7

Azo antoka ny fitiavan’i Kristy. Nampianatra ny Apôstôly Paoly hoe:

“Na fahafatesana, na fiainana, na anjely, na ireo fanapahana, na zavatra ankehitriny, na zavatra ho avy,

“Na any ambony, na ny ambany, na inona na inona amin’izao zavatra ary rehetra izao, dia tsy hahasaraka antsika amin’ny fitiavan’ Andriamanitra izay ao amin’i Kristy Jesosy Tompontsika.”8

Ny “Andriamanitry ny fanantenana anie hameno anareo amin’ny fifaliana sy ny fiadanana rehetra”9 rehefa matoky Azy ianareo, mba ho heniky ny fanantenana ianareo amin’ny alalan’ny herin’ny Fanahy Masina.

Marina ny filazantsaran’i Jesoa Kristy. Mahery izany. Tsara sy manan-danja izany! Izany no lazaiko amin’ ny anaran’ i Jesoa Kristy, amena.

_______________________________________________

Hamoaka printy