Fivoriana fampaherezam-panahy tamin’ny 2021
Maherifo amin’ny tenivavolombelon’i Jesoa


Maherifo amin’ny tenivavolombelon’i Jesoa

Fampaherezam-panahy maneran-tany ho anʼny tanora tokan-tena sy ny mpivady vao herotrerony an’ny S&I, 2021

10 janoary 2021

Ry rahalahy sy ranabavy malala, indro misy firarian-tsoa tena kanto ho an’ny taona vaovao, izay hiraina amin’ny fiteny Espaniôla: “fanantenana, mifaly izao tontolo izao—teraka ny fahazavan’ny andro iray vaovao!”1

Gaga sy sahiran-tsaina izaho sy i Rahavavy Gong rehefa nanao fitiliana ka nivaly fa voan’ny COVID-19 izahay. Misaotra anareo amin’ny hafatra sy ny vavaka mba hahasitrananay tanteraka. Na dia nihiboka aza izahay dia tsy nahatsapa hoe irery. Rahavavy Gong sy ny tenako izao dia mivavaka misimisy kokoa ho an’ireo rehetra izay mijaly noho ireo fahasarotana aterak’ilay valan’aretina.

Misy olon-dehibe eo amin’ny 1,47 lavitrisa eo anelanelan’ny 18 sy 30 taona amin’izao eto amin’izao tontolo izao. Ato amin’ny Fiangonantsika dia misy olon-dehibe eo anelanelan’ny 18 sy 30 taona miisa 2,3 tapitrisa any amin’ny kaontinanta 6 sy firenena sy faritany miisa 180. Mamaky ny Bokin’i Môrmôna amin’ny fiteny 114 ianareo.

Mahafinaritra be ahy sy Rahavavy Gong ny mihaona aminareo any Rexburg, Idaho; Manaus, Brésil; Bogota, Colombie; maneran-tany;2 any amin’ny kaontinanta rehetra, amin’ny toe-javatra rehetra.

Fantatrareo ve fa manana Tsatòkan’ny Tendrontany Avaratra, Alaska isika ankehitriny?

Amin’izao isika dia mivory amin’ny alalan’ny teknôlôjia. Mivavaka aho ny mba hampiraisan’ny Fanahy Masina antsika ao amin’ny finoana, ny hikasihany ny fonareo ary ny hanokafany ny lalanareo mandritra izao fotoana tena sarotra izao.

Ry rahalahy sy ranabavy, velona Andriamanitra. Aoka ianareo hahatsapa ny fitiavany sy ny heriny hampivoatra sy hanova. Aoka Izy hamihina anareo “amin’ny sandrin’ny fiantohana,”3 miaraka amin’ny fanomezan-tokiny fa tsara ianareo. Manana fahafahana goavana ho lasa tahaka an’ Andriamanitra izay azonareo ampitomboana isan’andro ianareo.

Anio aho dia hizara fanasana telo izay nanampy ahy ho voasarika mba 1) hampalalim-paka kokoa ny fifandraisako amin’ Andriamanitra, 2) hanova ny hoavy dieny ankehitriny, ary 3) ho lasa tsaratsara kokoa. Mivavaka aho ny mba hankaherezan’ireo fanasana ireo ny finoanareo rehefa raisinareo miaraka izy ireo, ary hampanakaiky anareo an’ Andriamanitra sy ireo manodidina anareo eo am-pahitanareo fifaliana eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanany.

Fanasana voalohany: amin’ny fitiavany izay tena tsy manavakavaka dia mampanantena ny Ray any An-danitra hoe, “Mitsahara, ka aoka ho fantatrareo fa Izaho no Andriamanitra.”4

Tany amin’ny tanan-dehibe aho no lehibe, saingy nankafiziko ny fandehanana an-tendrombohitra miaraka amin’ny kitapo fitondra amin’ny lamosina. Nalalaka aho sy ny namako ka nitsangatsangana nandritra ny manontolo andro, dia nanao lasy teo amorom-parihin’ny tany foana eo ambanin’ny kintana sady mihaino ny feon’ny alina avy eo.

Vao tsy ela izay, nandeha fiara teny amina toerana tena maizin-kitroka izaho sy Rahavavy Gong hany ka afaka nahita ny Lalana Mandronono izahay. Tena nazava be mitovitovy amin’ity amin’ny sary ity izany.

Ny Lalana Mandronono dia zavatra mahavariana sy mahatalanjona ary mifono mistery. Amin’ny fiteny Sinoa, ny Lalana Mandronono dia “Tian He” (“reniranon’ny lanitra”). Amin’ny fiteny biélorusse, estonnien, ary finlandais dia “lalan’ny vorona” izany. Ny olona sasany dia miantso ny Lalana Mandronono hoe “lalana mankany Santiago.” Amin’ny fiteny Cherokee dia “ny lalana nitsoahan’ny alika izany”; amin’ny fiteny Hebreo, “ny reniranon’ny hazavana.”5

“Tamin’ny voalohany Andriamanitra nahary ny lanitra sy ny tany. … Ary hitan’ Andriamanitra fa tsara izany.”6 Mahafanta-javatra, manan-kery ary tsara Andriamanitra. Ny tanjona sy hatsarana ary firindran’ireo zavatra nohariany dia mijoro ho vavolombelona ny amin’ny fitiavany mandrakizay sy ny drafiny ho an’ny fahasambarantsika tsirairay avy. Mijoro ho vavolombelona i Almà fa, “Ny zava-drehetra dia maneho fa misy Andriamanitra; eny na dia ny tany aza sy ny zavatra rehetra eo amboniny, eny, ary ny fihodiny, eny, ary ny planeta rehetra koa izay mihodina araka ny laminy ara-dalàna dia vavolombelona fa misy ny Mpahary Faratampony.”7

Mitaky ezaka feno fahatogavan-tsaina ny mampiadana ny hafainganam-pandeha ka “mitsaha[tra].” Mitaky fisokafana ara-panahy sy fanetrentena ny “[maha]fantatr[a] fa [Andriamanitra] no Andriamanitra.”8 Indraindray ny fampihenana ny zavatra izay tsy manan-danja firy dia manampy antsika hahita ireo zavatra izay tena manan-danja.

Fomba iray lehibe hahafantarana fa Andriamanitra no Andriamanitra dia ny mahita ny tanany ao amin’ireo zavatra nohariany izay natao hampiravoravo ny fo. Mihira isika hoe:

Ho an’ny hakanton’ny tany,

Ho an’ny hakanton’ny lanitra,

Ho an’ny fitiavana izay manodidina antsika

Efa hatrany am-pahaterahana,

Ry Tompon’ny zava-drehetra, midera anao izahay

Izany no hiram-pankasitrahana hasandratray ho Anao.9

Ny fomba iray hafa hahafantarana an’ Andriamanitra dia ny mahita fahatsarana sy lanja ao amin’ireo fifandraisana araka an’ Andriamanitra—ny fanehoam-pitiavana, ny zavatra tsy nampoizina, ny fifampihavanana, ny famelana, ny fahafoizan-tena.

Vao tsy ela ny Filoha Russell M. Nelson no nanamarika fa ny zava-kanto, ny literatiora ary ny mozika dia afaka manatsara ny fiainantsika.10 Dia torak’izany koa ny siansa, rehefa takatra amim-pinoana.

Ireto misy sary roa malaza maneho ny lanitra amin’ny alina.

Avy amin’ny siansa, ity sary akaiky nalaina avy tamin’ny teleskaopin’i Hubble ity dia mampahatsiahy antsika, tahaka ny nahitan’i Mosesy sy Abrahama izay mpaminany lehibe, fa ny zavatra noharian’ Andriamanitra dia ahitana vahindanitra tsy hay isaina, na dia toa tsy misy na inona na inona aza ny lanitra amin’ny alina.

Avy amin’ny zava-kanto, nandoko mialoha kelin’ny fiposahan’ny masoandro ny Nuit étoilée tamin’ny huile sur toile i Vincent Van Gogh. Ny fanombatombanana ny kintana tamin’ny lanitra tamin’ny 1889 dia mandroso fa ilay kintan’ny maraina nataon’i Van Gogh dia ny planeta Venus. Ny zava-kanto tsara dia mampitsiry fomba vaovao hahitana ny fahatsaran’ Andriamanitra.

Ny fahatsaran’ Andriamanitra dia afaka manatsara ny fanahintsika. Ny tontolo be tabataba sy feno zavatra atao ary feno loto amin’izao ankehitriny izao dia mety hampananosarotra ny hoe “mitsahara” ary ny “[maha]fantatr[a] fa [Andriamanitra] no Andriamanitra.”11 Tsy voatsikaritsika fa tena mitabataba be ilay fampangatsiahana ao an-dakozia raha tsy efa novonoina ilay izy. Ny endrika ivelany, ireo zavatra natao hamitaka, na ny fifantohana be loatra amin’ny endri-javatra iray dia mandrebireby ary mampikorotan-tsaina. Ny (TTH) na Tahotra Tsy Haharaka dia tsy zava-baovao intsony, nefa mbola miraiky be loatra amin’ny fitaovana elektrônikantsika foana isika. Ny sasany dia mihevitra fa ny fanaovan-javatra be dia be ao anatin’ny fotoana iray mandritra ny manontolo andro dia hahatonga antsika ho manan-danja kokoa.

Ataontsika sy arafitsika mba ho “lafatra” ka azo zaraina ao amin’ny tambajotran-tserasera ny fiainantsika, na dia fantatsika aza fa ny “lafatra” dia sady tsy vita vetivety no tsy tena hoe lafatra fa mety ho narafitra ho toy izany fotsiny. Sahiran-tsaina amin’ireo fanatsaran’endrika vaovao isika, izay sady tsy voa-janahary no sarotra inoana, ka hisy fiantraikany amin’ny fahazoantsika “J’aime” izany.

Ao amin’ny fanadihadiana an-tsary hoe The Social Dilemma (Ny olana eo amin’ny resaka serasera), dia mampitandrina ny matihanina eo amin’ny sehatra teknôlôjia fa, “raha tsy novidianao ilay vokatra dia ianao izay no ilay vokatra.” Matahotra ny manam-pahaizana sasany amin’izao fa mety hitondra ratra tsy ampoizina eo amin’ny fiarahamonina sy ny mahasoan’ny olombelona ny tambajotran-tserasera. Manahy izy ireo fa ny kajikajy natao mba hanatsara ny fampiasana an-jotra, sy ny fifampizarana, ary ny fidiram-bola avy amin’ny dokam-barotra dia miteraka ihany koa tsy fahatokisana, fisaraham-bazana, ary fahaketrahana ara-tsaina.12 Ny tena mampiharihary izany angamba dia ny hoe ireo manam-pahaizana amin’ny teknôlôjia ireo dia miaro ny fianakaviany amin’ny fampiasana tambajotran-tserasera tafahoatra.

Ny hoe “mitsahara” sy ny mandinika dia tsy midika hoe irery. Nilaza i Leonard de Vinci hoe: “Na dia irery aza ianao dia mbola ianao foana ihany no eo amin’ny fiainanao manontolo.13 Ny fampihenana hafainganam-pandeha dia mampandamina ny ao an-tsaina sy ny ao am-po. Avy eo ny fankasitrahana sy ny fanetrentena, ilay toetra tsara kambana aminy, dia afaka manokatra ny maso sy ny sofina ara-panahy ny amin’ireo porofon’ny hatsaram-panahiny sesehena manodidina antsika.

Ny mpamakafaka ny fiteny Hebreo dia nanazava fa ny teny hoe mitsahara dia mety hidika koa hoe “avelao.” Ny Aoka ho fantatrareo fa Izaho no Andriamanitra dia azo adika hoe “mahita ny heriny mamonjy eo amin’ny fiainantsika.”14 Raha amin’ny fiteny hafa ny hoe “mitsahara ka aoka ho fantatrareo fa Izaho no Andriamanitra” dia ny mamela an’ Andriamanitra hanjaka eo amin’ny fiainantsika.15

Nilaza ny Filoha Nelson hoe: “Tsy misy na inona na inona manokatra ny lanitra tahaka ny fitambaran’ny fahadiovana lehibe, ny fankatoavana marina, ny fikatsahana amin-kitsimpo, ny fivokisana isan’andro amin’ny tenin’i Kristy ao amin’ny Bokin’i Môrmôna, ary ny fanokanana fotoana matetika hanaovana asa any amin’ny tempoly sy tantaram-pianakaviana”16—lalan’ny fanekempihavanana mitondra amin’ny fifaliana maharitra.

Rehefa mandeha miadana kokoa isika ka mikatsaka finoana dia miova ny fomba fijerintsika. Tamin’ny andro fiomanan’ny misiônera iray fony izy tanora misiônera tany Australie dia nandinika ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76 ny Loholona Marion G. Romney (izay lasa Apôstôly sy mpikambana ao amin’ny Fiadidiana Voalohany taty aoriana).

“Taorian’ny namakiany dia gaga izy rehefa tonga saina fa alina ny andro. … Nibanjina ny habakabaka izy, ka namiratra tsy araka ny mahazatra ny kintana la Croix du Sud sy ireo kintana hafa. Rehefa nandinika sady nitolagaga izy dia toa noentin’ny Fanahy hahatakatra ireo zavatra izay novakiany. Tamin’ny fomba feno fahagagana dia natao hahafantatra ireo zavatra izay tsy angano fa zava-misy tena manan-danja indrindra izy.”17 Ny boky tantaram-piainany dia milaza hoe, “Nanomboka tamin’izay dia lasa nanana fomba fijery mandrakizay izy.”18

Ny fomba fijery mandrakizay dia afaka mampiorim-paka antsika ankehitriny. Araka ny efa naminaniana dia, “hisamboaravoara ny zava-drehetra.”19 Nilaza ny Tompo fa ho re ao amin’ny horohoron-tany, ny tafio-drivotra, ny areti-mandringana, ary ny onjan-dranomasina miantoraka any ankoatra ny morony ny feony.20 Amin’izao andro izao dia misy ireo milaza ny tsara ho ratsy ary ny ratsy ho tsara;21 ary ireo izay manao hoe: “Mihinàna, misotroa ary mifalia, fa ho faty isika rahampitso.”22 Fa ny fahazavana sy fahamarinana ara-panahy kosa dia mandroaka ny haizina hiala eo anivontsika.23

Manome toky ny Tompo hoe, “mangina, mitsahara.”24 “[Mijoroa] omban’ny fahatokian-tena lehibe indrindra fa hahita ny famonjen’ Andriamanitra ary ny fampisehoana ny sandriny.”25 Ry rahalahy sy ranabavy malalako isany, “mitsahara, ka aoka ho fantatrareo fa [Andriamanitra] no Andriamanitra.”26

Izao ilay fanasana faharoa: manorina fifandraisana izay hanova ny hoavy dieny ankehitriny.

Vao tsy ela izay dia feno fankasitrahana aho naneho fisaorana olona iray izay tsy mbola nihaona tamiko tany aloha nefa nanova ny hoaviko.

Melba Oakes no anarany (tsy havan’ny Filoha Dallin H. Oaks izy akory).

Fony Melba 21 taona dia vady vao herotrerony izy ary nipetraka tany San Mateo, Californie. Lasa mpinamana i Melba sy ny mpikambana vaovao 17 taona iray antsoina hoe Jean.

I Jean izay hany olona ao amin’ny fianakaviany mpikamban’ny Fiangonana dia nandeha tamina sekoly lavitry ny tranony. Ny olona sasany ao amin’ny fianakavian’i Jean dia nanantena fa hanadino ny Fiangonana izy rehefa any amin’ilay toerana vaovao hisy azy.

Kanefa tamin’ny fomba kely sy tsotra dia teo i Melba sy ny olona hafa nanohana an’i Jean. Rehefa afaka baccalauréat i Jean dia teo i Melba nanotrona azy. Mbola manana ny fanasan’i Jean ho amin’ny fanambadiany i Melba Oakes.

Niraiki-pitia sy nanambady lehilahy mahafinaritra antsoina hoe Walter i Jean. Raha ny marina dia nanambady in-telo izy ireo—araka ny fombafomba Sinoa, araka ny fombafomba Amerikana, ary famehezana ho an’ny fotoana sy ny mandrakizay tao amin’ny tempoly masina. Tamin’ny fotoana nihaonan’izy ireo dia nanana fijoroana ho vavolombelona matanjaka ny amin’ny maha-Kristiana i Walter saingy tsy nahafantatra Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany. Koa dia nampianarin’i Jean sy olona hafa ny filazantsara naverina tamin’ny laoniny izy. Lasa mpikambana mahatoky ao amin’ny Fiangonana sy patriarikan’ny tsatòka izy.

Mety efa fantapantatrareo ihany fa rehefa nanambady an’i Walter Gong i Jean dia lasa Jean Gong—dia ny reniko malala izany. 94 taona izao ny reniko. 98 taona i Melba Oakes. Mpinamana ao amin’ny filazantsara nandritra ny 77 taona izy ireo.

Vao tsy ela no nandrenesako fa monina ao St. George, Utah ny Rahavavy Melba Oakes. Nantsoiko tamin’ny telefaonina izy nisaotra azy tamin’ny nanovany ny hoaviko sy ny an’ny fianakaviako. Tamin’ny alalan’ny fanampiany an’i Jean Gong fony izy mbola mpikambana vaovao dia nitahy efa ho taranaka Gong miisa 4 izao eto amin’ity lafin’ny voaly ity i Melba Oakes, ary taranaka Gong miisa 34 fantatra any am-pitan’ny voaly, ka tonga efa any amin’ny Dragona Gong Voalohany, izay teraka tamin’ny 837 taorian’i J.K.

Mampalahelo anefa fa ireo naman’ny mamako hafa dia tsy ato amin’ny Fiangonana intsony. Ny iray dia niala rehefa nanilika azy noho ny firazanany ny mpikamban’ny Fiangonana sasany. Ny iray hafa kosa dia niala rehefa nahatsapa fa nila nisafidy na ny Fiangonana na ireo namany tsy ao amin’ny Fiangonana izy. Ny fahatelo hafa dia namela ny faneriteren’izao tontolo izao nampitsiry fisalasalana tao aminy momba ny fampianaran’ny Fiangonana. Mazava ho azy fa miatrika olana mbola mahery noho izany ianareo ankehitriny.

Feno fankasitrahana mandrakizay an’i Melba Oakes sy ireo rehetra nanampy ny reniko fony izy mbola vaovao tao amin’ny filazantsara aho. Ary tafiditra ao anatin’izany koa ny reniko. Nahatoky tao amin’ny finoany izy ary maherifo amin’ny tenivavolombelona ananany. Nanapa-kevitra ny hitoetra ho mahery ao amin’ny Fiangonana marin’ Andriamanitra izy sy ny raiko. Nahavita izany izy ireo na dia teo aza ny faneriterena ara-piarahamonina sy ireo mpikamban’ny Fiangonana sasany nanavakavaka noho ny firazanana.

Ry rahalahy sy ranabavy, misy ireo Jean Gong sy Melba Oakes manodidina antsika—ireo mpiray monina, any am-piasana, any amin’ny paroasy na sampana, ireo namana sy any amin’ireo fikambanana misy antsika. Tsy misy te hahatsapa ny tenany hoe mila ampiana. Fa samy mikatsaka fahafahana ifandraisana sy itondrana anjara biriky isika tsirairay. Mila toerana azo antoka ikatsahana sy anontaniana avokoa isika, toerana azo antoka ianarana sy iainana ny fotopampianaran’ny filazantsara sy ny kolontsain’ny Fiangonana. Te ho raisina ho olon-dehibe sy ho tompon’andraikitra ary hitondra anjara biriky amin’ny maha-olon-dehibe antsika isika.

Tiantsika ny Fiangonana ho toerana tsy ifampitsarantsika ary ibebahantsika raha toa ny olona iray ka mahatsapa fa mitsara azy amin’ny fomba mandratra isika. Nilaza ny tomponandraikitra vavy ao amin’ny tempolin’i Guadalajara Meksika fa ny tempoly masina dia manentana azy “tsy hitsara firy ary hitia kokoa.” Marina izany. Tongava fotsiny. Mila anareo izahay. Rehefa lasa be fangoraham-po sy tsy manavaka isika, ary manasa ny hafa mba hanao toy izany koa, dia hisokatra kokoa sy ho mora ekena kokoa ary hisarika kokoa ny fiarahamonintsika ato amin’ny filazantsara. Azo lazaina fa lasa mpikambana vaovao daholo isika, lasa mpikambana miverina, mpikambana vao nifindra, maniry ny hanao ny tokony atao.

Eny amin’ny fiarahamonina misara-bazana dia afaka manana Andriamanitra sy fanomezana hasina ny maha-olombelona itovizana izay lehibe noho izay fahasamihafana rehetra ny mpianatr’i Jesoa Kristy. Amin’ny fotoana isian’ny haizina, izay hihibohana indraindray dia mamirapiratra ny fahazavany sy ny fahamarinany mitondra fanafahana ireo mpino. Rehefa misy mosary ara-panahy ao amin’ny tany,27 dia mankalaza Azy ho ny rano velona sy ny mofon’aina isika.

Eto amin’ity tontolo karakaina izay mangetaheta tsikitsiky sy noana fandraisana ity dia azontsika faritana indray ny zavatra izay ahazoantsika aina ny fanaovana azy. Mipetraha eo akaikina olona irery. Raiso an-tanan-droa ny hafa, dokafy, ankaherezo, na mivantana izany na amin’ny internet. Aza mitsara. Mihainoa, manaova zavatra, aoka ho eo ianao. Manompoa amin’ny alalan’ny teny na soratra masina. Aoka hahatsikaritra ranomaso na tsiky. Mivavaha mandrakariva.

Androany ianao manampy ahy. Rahampitso aho manampy anao. Mifampitsinjo isika. Izany no ataon’ny namana sy fianakaviana ato amin’ny filazantsara.

Fantatro fa ny maro aminareo no hany mpikambana, na mpikambana mazoto, ao amin’ny fianakavianareo. Mahery fo sy mahatoky ianareo, nefa sarotra ilay izy matetika. Hazony mafy ilay anja-by. Raiso ny fanapahan-kevitra ny hiorina tsara sy tsy azo ahetsika, ny ho rohy matanjaka ho an’ny taranakao. Hahaleo ny sarany ny vidiny.

Tsy manan-danja kokoa noho ny hoe maherifo ao amin’ny fijoroana ho vavolombelona ananantsika momba an’i Jesoa ny hoe taranaka voalohany na fahaenina ato amin’ny Fiangonana isika. Aoka hamboly, hikolokolo, ary hiaro ireo voa sarobidin’ny finoana. Avelao izany hiorim-paka tsara ary hamelana ao aminao sy ny fianakavianao mandrakizay.

Aoka ianao ho Melba Oakes na Jean Gong—manorena dieny androany fifandraisana izay hanova ny hoavy ho an’ny taona ho avy, na ireo 5 taona ho avy, na ireo 77 taona ho avy mihitsy aza.

Izany dia mitondra antsika amin’ilay fanasana fahatelo: ny ho lasa ilay ianao tsaratsara kokoa amin’ny fiasana miaraka sy eo akaikin’ny Tompon’ny fijinjana.

Eo am-pianarantsika miasa amim-pinoana sy amim-pahazotoana, ny Tompon’ny fijinjana dia afaka mitahy antsika amin’ny alalan’ny lalàn’ny fijinjana mba “hanam-pifaliana amin’ny vokatry ny asanareo.”28 Rehefa miasa mafy sy mampiasa tsara ny faharanitan-tsaintsika isika dia hisokatra ireo fahafahana. Izay antsoin’ny sasany hoe vintana dia raisintsika ho fitahiana. Fantatsika fa ny vavaka amim-panetrentena ampiarahana amin’ny fikirizana avy amin’ny fo dia miteraka fahagagana amin’ny fotoany sy amin’ny fombany.

Ny bokin’ny Galatiana ao amin’ny Testamenta Vaovao dia mamaritra ny lalàn’ny fijinjana hoe: “fa izay afafin’ny olona no hojinjany.”29 Tsy tokony ho “ketraka amin’ny fanaovan-tsoa isika; fa amin’ny fotoan’andro no hijinjantsika, raha tsy reraka isika.”30 Raha lazaina amin’ny teny hafa dia hijinja izay nambolentsika isika—ny tsara no ho valisoan’izay tsara, torak’izany koa ny fahamarinana, ny rariny, ary ny famindram-po.31

I London sy Luke Brockbank, misiônera mahatoky efa nody izay nofehezina tany amin’ny tempoly masina vao tsy ela izay dia nilaza fa nianatra ny lalàn’ny fijinjana niaraka tamin’ny fianakaviany tao amin’ny saha fambolena fony izy ireo mbola kely.

[Manomboka ny maribolan’ny horonan-tsary]

London: Mifoha vao maraina be izahay mialoha ny tantely sy mialoha ny hafanana sy hain’andro ka miezaka manala izay ahi-dratsy betsaka indrindra vitanay, mamboly zava-maniry betsaka indrindra vitanay, sy miezaka mihazona ny zavatra haniry amin’ny alalana zezika, ary mihazona ny zava-drehetra hizotra tsara fotsiny amin’ny vanim-potoany manokana.

Hita fa tia sy mankafy mioty voankazo—ary mihinana kely eo am-piotiana izany—ny rehetra, saingy azo lazaina angamba fa ny manala ahi-dratsy no sarotra indrindra satria miondrika sy mandohalika foana ianao ary rehefa ela ny ela dia manomboka marary izany. Ary maloto ny tananao. Lasa feno loto ny rantsan-tananao ary maitso mihitsy ny ankihibe noho ny fisitonana ahi-dratsy.

Loholona Gong: Azo lazaina izany fa lasa manana tanana tantsaha ise.

London: Eny, mety hihevitra ianao hoe izay no izy satria naniry tsara ireo zava-maniry; noho ny fanalana ahi-dratsy anefa no antony.

Luke: Niresaka momba ny hoe manao izay zavatra fototra rehetra amin’ny asan’ny tantsaha i London. Fantatrao fa mila mampiasa zezika sy mamboly ianao. Tsy afaka ny hoe handeha ao an-tsaha indray mandeha isan-kerinandro fotsiny ianao dia manantena fa hizotra tsara avokoa ny zava-drehetra.

[Mifarana ny maribolan’ny horonan-tsary]

Loholona Gong: Nanontaniako an’i London sy Luke momba ny hoe ny Mpamonjy no tena voaloboka izay mamelona antsika ara-panahy.32

[Manomboka ny maribolan’ny horonan-tsary]

London: Rehefa mikarakara ireo zava-maniry ao an-tsaha isika dia mila mamafy zezika mba hahazoan’izy ireo ny otrikaina araka ny tokony ho izy ilainy mba hitomboana. Mitovy amin’ny fijoroana ho vavolombelontsika izany amin’ny hoe tsy afaka ny hivelona avy amin’ny traikefa ara-panahy tokana iray fotsiny isika. Mila manavao hatrany amin’ny fananana traikefa vaovao isika. Ny fahatsiarovana ireo traikefa ara-panahy—tena mahatalanjona ny mitadidy azy ireny, saingy mila bebe kokoa hatrany isika.

Luke: Ny hany azontsika ianteherana 100 isan-jato dia ny Mpamonjy. Ary heveriko avy amin’izany fa Izy no ilay tena voaloboka, afaka miantehitra Aminy foana isika. Ary raha manao ny ezaka tsara indrindra ny hampifanaraka ny sitrapontsika amin’ny Azy isika araka ilay voalaza—fa hitoetra ao Aminy isika ary Izy ao amintsika—ny Mpamonjy dia eo foana ho antsika amin’ny fotoana rehetra.

London: Tiako ny Mpamonjy ary manana fijoroana ho vavolombelona tena matanjaka momba Azy sy ny zavatra ataony ho antsika aho. Tena ilay namana akaiky indrindra Izy, ilay tsy handao anao mihitsy. Satria inoako fa manana namana tsara daholo isika izay nandao antsika, na izany tampoka na efa nampoizina. Na izany na tsy izany dia zavatra tsy mahafinaritra izany. Saingy tena mahafinaritra ny mahafantatra fa ny Mpamonjy dia tsy handao mihitsy ary ho eo foana ho antsika, ary eo Izy hampionona antsika sy hanampy antsika rehefa mila izany isika.

[Mifarana ny maribolan’ny horonan-tsary]

Loholona Gong: Misaotra anareo ry London sy Luke. Izaho sy i London ary i Luke dia niresaka momba ny fahamarinana sy ny famindram-po ao anatin’ny lalàn’ny fijinjana. Mijinja izay nafafintsika isika. Saingy Andriamanitra anefa dia manampy ihany koa ny famindram-pony ao amin’ny ezaka ataontsika. Araka ny nolazain’i Paoly hoe, “Izaho namboly, Apolosy nandena, fa Andriamanitra no nampitombo.”33 Rehefa mampitombo Andriamanitra dia manokatra ny varavaran’ny lanitra Izy ary mampidina fitahiana izay tsy hisy ny toerana ampy handraisana izany.34 Raha jerena amin’ny maso ara-panahy dia matetika ny famindram-po feno hatsaram-panahin’ny Tompo no mihoatra lavitra noho izay mendrika azontsika avy amin’ny asa vitantsika irery.

Indraindray dia toa tsy rariny ny fiainana noho ireo fotoana sarotra, maloka, irery. Miaraka amin’ny faniriana marina sy ny ezaka hankatò dia mety hahatsapa isika fa efa nanao izay rehetra nangatahana tamintsika. Kanefa mety tsy handeha araka izay nantenaina ny toe-draharaha. Tena sarotra ilay izy. Mety hahatsapa fahakiviana, fahasorenana, ary fahatezerana mihitsy isika. Amin’ny fotoana toy izany dia mba tsarovy fa tamin’ny fomba tsy takatsika dia “nidina tambanin’izany rehetra izany ny Zanak’ Olona.”35 Fantany tsara ny mahazo antsika satria efa niainany izany.36 “Indro,” hoy ny Mpamonjintsika, “Efa vitako tombokavatsa eo amin’ny felatanako ianao.”37 Mampanantena Izy fa: “Ireo zavatra ireo dia hanome anao traikefa ary ho soa ho anao izany.”38

Miandrandra be ny Tompo isika ary indraindray manahy. Azo antoka ny fampanantenany: “Fa izay miandry an’i Jehovah dia mandroso hery kosa; Elatra no hiakarany tahaka ny voromahery; Hihazakazaka izy, nefa tsy ho sasatra; Handeha izy, nefa tsy ho reraka.”39 “Amin’ny hariva dia misy fitomaniana tonga hivahiny miloaka alina; fa nony maraina kosa dia misy fihobiana.”40 “Fa tsy misy fahoriana an-tany, izay tsy ho sitran’ny Tsitoha.”41

Amin’ny fotoany sy ny fombany dia hanitsy ireo tsy fahamarinana sy alahelo ary fahakiviana Andriamanitra. Ho an’izay vonona sy manetry tena dia mamela hibebaka sy hivoatra ny filazantsarany, hatramin’ny impito amby fito-polo.42 Ireo izay mitandrina ny didin’ Andriamanitra dia “tahiana [ary ho tahiana] amin’ny zava-drehetra.”43

Amin’izao androntsika izao, eo anatrehan’ny fijaliana sy ny filana fanampiana amin’ny maha-olona tena goavana, dia mahatsapa faniriana mafy sy fananana tanjona masina ny hanolotra asa fanompoan’ny Kristiana isika. Ho antsika ny fitiavana an’ Andriamanitra sy ny namantsika dia midika hoe fahafahana hampihatra ny fanekempihavanana ary andraikitra ao amin’ny fanekempihavanana. Ny fanadihadiana nataon’ny Fiangonana vao tsy ela dia manambara fa ireo tanora olon-dehibe dia namantatra sy nandray andraikitra teo anoloan’ireo filana maika eo amin’ny maha-olona any Eorôpa, Amerika Afovoany sy Atsimo, ny Karaiba, Azia, Afrika, Amerika Avaratra, ny Pasifika, ary saika any amin’ny faritra rehetra manerana izao tontolo izao. Ianareo sy ireo namanareo, raha tsy hilaza afa-tsy ny vitsy ihany, dia:

  • manamboatra arotava,

  • manohana ireo toby fialofan’ny vehivavy,

  • manampy amin’ny fanadiovana sy fanarenana rehefa misy loza voa-janahary,

  • manome sakafo ho an’ny ankizy,

  • mampiorina ireo fiarahamonina ao an-toerana ary,

  • manatitra sakafo eny amin’ny toeram-pizarana sakafo.44

Mandritra ity valan’aretina COVID ity, ireo mpikambana ato amintsika, ireo namantsika, ary ny Fiangonantsika dia nanatontosa ny fandraisana andraikitra lehibe indrindra nataontsika mba hanasoavana ka nanatanteraka tetik’asa 1031 iadiana amin’ny COVID-19 any amin’ny firenena 151. Ireo sahirana dia nandray fitaovana fiaro ny tena manokana miisa 28,4 tapitrisa, sakafo miisa 3,5 tapitrisa, fitaovana fitandremam-pahasalamana miisa 1,8 tapitrisa, ary fanafody sy fitaovam-pitsaboana miisa 1,07 tapitrisa.

Hatreto dia sakafo sy vatsy fototra ilaina amin’ny andavanandro noentina kamiô mihoatra ny 700 no notaterina nandia 2,5 tapitrisa kilaometatra avy any amin’ny trano fitahirizan’ny evekan’ny Fiangonana nankany amin’ireo trano fizaran-tsakafo sy toeram-pialofan’ny tsy manam-pialofana ary fikambanana mpanao asa soa miisa 380. Nanontaniako hoe inona no zakan’ny kamiô lehibe misy kodiarana 18 iray. Raha ny mahazatra, ny kamiô lehibe misy kodiarana 18 iray dia afaka mitondra hen’omby na henam-borontsiloza amin’ny boaty miiasa 3264; katsaka, tsaramaso maitso, na voatabia voatetika amin’ny boaty miisa 7488; lasopy, ragoût, na sakafo ronony amin’ny boaty miisa 6528; ary ny diberam-boanjo malaza vokarin’ny Fiangonana—sy ankafiziko indrindra— ao anaty bocal miisa 792, izay feno otrikaina sy nokarakaraina tamim-pitiavana.

Ny kamiôntsika ihany koa dia mitatitra voankazo sy legioma ary tsindrin-tsakafo mamy vokarina na karakaraina any amin’ireo toeram-pambolena sy fiompiana 19, saha fambolena 3, orinasa mpampiditra sakafo anaty boaty 4, toeram-pamokarana ronono 1, ary toerana fampiodinana vokatry ny fiompiana 3 an’ny Fiangonantsika. Mety monina any amina toerana niarahan’ny Fiangonana miasa amin’ireo fikambanana any an-toerana mba hanomezana sakafo sy vatsy fototra angamba ianareo.

Mampiahiahy antsika ny tsy fahampiana sakafo maneran-tany, ary andraikitsika ny manampy. Ny Firenena Mikambana dia naminavina fa ny fikorontanana nateraky ny COVID dia mety hahatonga isam-batan’olona fanampiny miisa 130 tapitrisa hiaina ao anaty tsy fahampian-tsakafo maharitra. Na dia mbola manomboka fotsiny aza isika dia efa mitohy, ilaina, ary raisina an-tanan-droa any amin’ireo toerana marefo toy ny Yemen, R.D. Congo, Haïti, sy Zimbabwe, ary any amin’ireo faritra misy ady any Syrie, Yemen, Soudan Atsimo, R.D. Congo, sy ny faritra Sahel ao Afrika ary ireo toerana hafa koa ny fandraisantsika anjara amin’ny asa fanasoavana.

Mila sakafo ireo ankizy noana. Amin’ny alalan’ny fiaraha-miasa amina fikambanana iray dia mandefa sakafo 30 tapitrisa ho ana ankizy an-tsekoly any amin’ny firenena an-dalam-pandrosoana miisa sivy isika. Ny sakafo iray ao amin’izany dia misy 482 kaloria fanohanan’aina ahitana voamaina, prôteina, legioma, ary voankazo.

Araka ny efa hitantsika dia manolotra vola hanasoavana manerana izao tontolo izao ny Fiangonantsika ary manolotra ihany koa fanohanana feno fahalalan-tanana any Amerika Avaratra sy Atsimo sy ireo faritra hafa hiainan’ny mpikamban’ny Fiangonana maro.

Ny mpitsoa-ponenana sy ireo olona voatery nandao ny tranony dia manana olana lehibe eo amin’ny maha-olona. Ny Fiangonantsika dia eo amin’ny voalohan-daharana amin’ny vonjy taitra maro misy mpitsoa-ponenana. Miaraka amin’ireo mpiara-miasa amintsika dia manolotra sakafo, fanadiovana, rano sy fidiovana, fitaovana fialofana, akanjo, fitaovana miaro ny tena manokana, ary fanohanana ara-pampianarana any Amerika Latina, Eorôpa, Afrika, Azia, ary ny Moyen Orient isika.

Manao izay hitondrana ireo zavatra ilaina ao an-toerana isika. Manaja ny fombafomba sy kolontsaina ao an-toerana isika. Ohatra, ilay tsunami nampivaloharika tamin’ny 2004 tany Indônezia dia namono na nanary olona tokony ho teo amin’ny 228000 teo ho eo. Ny Fiangonantsika maneran-tany dia nanampy haingana tamin’ny fanarenana ireo môskea, nividy milina fanjairana mba hanamboarana akanjo fanao ao an-toerana, ary nanorina indray trano sy sekoly. Nilaza taminay ireo mpitarika Silamo hoe, “Izahay ihany koa dia mifady hanina hany ka manan-danja manokana aminay ny fanatitra avy amin’ny fifadian-kanina. Ny fifadian-kanina sy fahafoizan-tena ataonareo dia hahitana taratra ny finoanareo sy ny fitiavanareo an’ Andriamanitra.”

Amin’ny maha-mpianatr’i Jesoa Kristy antsika, ny fiombonantsika ao anaty fanekempihavanana amin’ Andriamanitra sy amin’isika samy isika dia manasa antsika ho tsara sy hanao ny tsara. Araka ny fantatrareo dia manolotra fanampiana hanasoavana ka tsy mijery firazanana na fivavahana na firenena iaviana ny Fiangonantsika. Ny asa fanasoavana ataontsika dia tsy ampiasaina hitoriana ny zavatra inoantsika. Miara-miasa amin’ny finoana rehetra na amin’ireo izay tsy manana finoana isika. Mandray andraikitra amin’ireo zavatra ilaina maharitra sy ireo zavatra ilaina avy hatrany isika. Eo isika amin’ny fotoana isian’ny zavatra ilaina ary mbola eo foana isika na dia tsy eo intsony aza ireo mpampita vaovao. Mandrisika ny hasin’ny tena manokana sy ny fizakan-tena isika. Mahatsapa ny fitahian’ny Ray any An-danitra isika eo am-panehoana ny fitiavantsika an’ Andriamanitra amin’ny fanaovana izay rehetra vitantsika ho an’ireo rahalahintsika sy anabavintsika, ireo zanany, na aiza na aiza, ary amin’ny fomba rehetra azontsika atao.

Ry rahalahy sy anabavy, rehefa mianatra, mivoatra, ary manompo ianareo, ary eo am-piezahanareo mba ho maherifo amin’ny tenivavolombelon’i Jesoa dia aoka ianareo hanana faharetana sy handefitra amin’ny tenanareo. Matetika loatra isika no hentitra loatra amin’ny tenantsika. Manasa antsika mba ho tonga fotsiny ny Tompo, hanao ny zavatra rehetra amin’ny “fahendrena sy ny filaminana.” Tsy manantena antsika hihazakazaka haingana kokoa noho izay hery ananantsika Izy, na dia mazoto sy be herim-po aza isika.45

Indraindray isika dia mety hahatsapa ho tsy dia irina firy na tsy ampy fanoloran-tena raha toa ka tsy mangataka antsika hanao “zavatra lehibe” ny Tompo.46 Kanefa matetika dia ny zavatra tena ilain’ny Tompo amintsika dia ny hamelantsika ny fahazavantsika mamirapiratra hamiratra isan’andro. Tsarovy, i Jesoa no tena voaloboka. Sarobidy Aminy ny fivoaranao ara-panahy sy ny fahasambaranao.

Raha fintinina dia manasa anareo aho, eto am-panombohan’ity taona ity, mba handray ny fitahiana fenon’ireo fanasana anakintelo:

  1. “Mitsahara, ka aoka ho fantatrareo fa [Andriamanitra] no Andriamanitra.47 Aoka ny fahatsarany sy ireo fahariany hamelombelona ny fahaizanareo mamorona, hampitony sy hanome toky ny fonareo, ary hijoro ho vavolombelona fa vonona ny hampalalim-paka ny fifandraisanareo manokana Aminy Izy.

  2. Hovay dieny izao ny hoavy. Mikolokoloa fifandraisana manerana taranaka maro izay hitahy anao sy ireo manodidina anao mandritra ny taona maro.

  3. Matokisa ny Tompon’ny fijinjana fa hanampy anao ho lasa ilay ianao tsaratsara kokoa Izy. Eo am-piasantsika miaraka Aminy sy eo akaikiny ao amin’ny tanim-boalobony dia hanome fitomboana lehibe ny Tompon’ny fijinjana. Avy Aminy ny fitahian’ny fifaliana feno.48

Zavatra telo fanampiny azo atao izay hanampy anareo hampatanjaka ny finoanareo sy mba ho maherifo amin’ny tenivavolombelon’i Jesoa Kristy:

  1. Mihazona am-pahamendrehana fahazoan-dalana ho any amin’ny tempoly manan-kery. Mba ataovy izay azafady na dia mbola tsy misokatra tanteraka aza ny tempoly. Mba ataovy izany azafady na dia mila mandamina zavatra eo amin’ny fiainanao ianao.

  2. Aoka ny evekanao na ny filohan’ny sampana misy anao hahafantatra hoe iza ianao ary aiza no misy anao. Raha toa ka tsy mihazona antso ato amin’ny Fiangonana ianao dia azonao atao ny miteny hoe, “Ry eveka (na ry filohan’ny sampana), rehefa manana antso ho ahy ny Tompo dia ho fifaliana ho ahy ny hanompo ato amin’ny Fiangonantsika.”

    Mila fahafahana hanaovana sy hianarana zava-baovao ary rafitra hiorenana isika tsirairay—namana betsaka sy fahafahana ifaneraserana ary sehatra kelikely kokoa ahafahantsika manompo tsy tapaka miaraka amin’ireo izay mitovy amintsika sy ireo mpitarika be fitiavana, ka tafiditra ao anatin’izany ny eveka izay mihazona fanalahidy.

  3. Rehefa mandondona sy mangataka ary mikatsaka ianareo dia manorena tontolo manokana hanjakan’ny finoana ary hanampy anareo hitandrina ny didin’ Andriamanitra. Ny didin’ Andriamanitra, izay omeny amim-pitiavana dia miaro sy mitahy. Manàna fiainana mendrika hahafahan’ny Fanahy Masina ho namanareo lalandava ary hanampy anareo hahita izay tena ilainareo sy katsahinareo. Aza avela mody hanolotra zavatra aminareo izay tsy afaka omeny anareo akory izao tontolo izao.

Ry rahalahy sy anabavy, Andriamanitra no Raintsika Mandrakizay. I Jesoa Kristy Mpamonjy antsika no Zanaka Malalany. Ireo ôrdônansy sy fanekempihavanana ary fotopampianarana mandrakizay dia ao anatin’ny Fiangonany naverina tamin’ny laoniny izay antsoina amin’ny anarany: dia Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany izany. Mbola an-dalam-pitohizana ny Famerenana amin’ny laoniny ny fahafenoan’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy, nanomboka tamin’ny Mpaminany Joseph Smith ka hatramin’ny Filoha Russell M. Nelson ankehitriny. Ny Bokin’i Môrmôna sy ny soratra masina hafa dia mijoro ho vavolombelona toy ny tenako, fa i Jesoa no Kristy.

Ry namana malala, aoka hamirapiratra ny fahazavanareo!49 Tohizo hatrany ny fahatokiana amin’ny fanekempihavananareo ary aoka ho maherifo hatrany amin’ny tenivavolombelon’i Jesoa Kristy. Enga anie Andriamanitra hamihina anareo ao amin’ny fangoraham-pony ary hanome anareo fanantenana sy faniriana araka ny fahamarinana. Enga anie ianareo hahita fiombonana ao anatin’ny fanekempihavanana sy fifaliana ao amin’ny filazantsarany, ary toerana sy anjara ao amin’ny Fiangonany, dia ny Fiangonantsika izany. Amin’ny anarana masin’i Jesoa Kristy Mpamonjy antsika, amena.

Hamoaka printy