“Aza matahotra … ao Amiko dia feno ny fifalianareo” (F&F 101:36)
Takariva niarahana tamin’ny Loholona Quentin L. Cook
Fampaherezam-panahy maneran-tany ho an’ny tanora mpitovo sy mpivady vao herotrerony • 11 septambra 2016 • Foiben’ny Tsatòka ao Washington D.C.
Feno fankasitrahana aho noho ny fahafahako miaraka aminareo ry tanora mpitovo sy mpivady vao herotrerony izay manaraka ity fampaherezam-panahy ity avy amin’ny toerana maro maneran-tany. Araka ny fanamarihana nomena dia miainga avy amin’ilay trano fiangonana mifanila avy hatrany amin’ny Tempolin’i Washington D.C. ity fampaherezam-panahy ity. Fanahy iniako nofidiana ity toerana ity satria akaiky ny tempoly. Mankasitraka aho fa miaina amin’ny vanim-potoana izay isian’ny tempoly manerana izao tontolo izao isika. Mila ireo fitahiana entin’ny tempoly isika ato anatin’izao fotoana tena sarotra izao.
Toa tafiditra ara-bakiteny ao anaty korontana izao tontolo izao.1 Misy fifandirana mafy tsy nisy toa azy. Ny fiadanan-tsaina sy ny fahatsapana fandriampahalemana dia mety ho toa sarotra ananana ary tsy azo tratrarina mihitsy aza. Ny hafatro ho anareo anio hariva dia ny tsy tokony hatahorantsika na dia ao anatin’ny tontolo mampidi-doza sy mikorontana aza isika. Ny soratra masina dia manome toky antsika fa afaka manana fifaliana feno isika noho ny Mpamonjy.2
Misy ireo trangan-javatra mahatalanjona sasany izay nataon’ny maro aminareo lalim-paka tanteraka tao amin’ny fo sy ny saina amin’ny fomba tena tsara. Tsaroanareo tsara ny antsipiriany tsirairay amin’ilay trangan-javatra. Anisan’izany ohatra ny fanokafana ilay valopy mirakitra ny antso hitory ny filazantsara amin’ny fotoana feno, ny famehezana tamin’ny vady tany amin’ny tempoly, ny fahafantarana fa ny Fanahy Masina dia nijoro ho vavolombelona tamin’ny fanahinao ny amin’ny fahamarinan’ny Bokin’i Môrmôna. Ireo no karazana trangan-javatra sarobidy indrindra izay mitondra fifaliana, tsy hoe mahafa-po ihany fa maharitra ihany koa. Mahaliana tokoa fa ireo trangan-javatra manokana izay misy ifandraisany amin’ny Mpamonjy no mazàna mitondra fifaliana lehibe indrindra.
Fa misy koa anefa ireo trangan-javatra sasany izay tena mampivarahontsana, na tena mamela taketra, hany ka miantraika lalina amintsika.
Ny firodanan’ny Mandan’i Berlin, sy ny famonoana an’i John F. Kennedy, Filohan’i Etazonia, ary ny fanafihan’ireo mpampihorohoro tamin’ny 11 septambra 2001 dia ohatra amin’ireo trangan-javatra mampivarahontsana izay ahatsiarovan’ny olona tsara hoe taiza izy ireo tamin’izany ary inona no fahatsapana nananany rehefa nahare ilay vaovao.
Ny ankamaroanareo dia mety tena mbola kely tamin’ny fotoana nitrangan’ilay fanafihana ny World Trade Center tao New York sy ny Pentagone, taty amin’ny faritra Washington D.C., izay nitranga tamin’ny 11 septambra 2001, 15 taona katroka izay. Mino aho fa ny ankabeazanareo (na aiza na aiza misy anareo eto amin’izao tontolo izao) dia afaka mahatsiaro ny toerana nisy anareo sy ny fahatsapana nivarahontsana sy kivy niainanareo sy ireo olona nanodidina anareo. Izy io dia trangan-javatra iray izay nandrava ny fahatsapana filaminana ary nampitombo avo heny ny fahatsapana ho tsy voaro ho an’ny olona maro. Araka ny efa nofariparitako taloha dia nisy dikany manokana ho tamiko sy tamin’i Mary vadiko izy io.
Ny zanakay lahimatoa sy ny vadiny dia teo am-piandrasana ny fahaterahan’ny zanak’izy ireo voalohany ary nipetraka vondron-trano telo niala avy teo amin’ny World Trade Center tao New York rehefa nianjera tao anatin’ny Tilikambo Avaratra ny fiaramanidina voalohany izay nalain’ireo mpampihorohoro an-keriny. Namonjy ny tafon’ny trano fonenany izy ireo ary nihorohoro rehefa nijery ny vokatry ny zavatra noheverin’izy ireo fa karazana loza tsy nampoizina mahatsiravina. Rehefa nanatri-maso ny fianjeran’ny fiaramanidina faharoa izay nalaina an-keriny tao anatin’ny Tilikambo Atsimo izy ireo dia tonga saina fa tsy loza tsy nampoizina no nitranga ary nino izy ireo fa nitohy ny fanafihana ny ampahany atsimon’i Manhattan. Rehefa nirodana ny Tilikambo Atsimo dia voasarona tao anatin’ny potipoti-javatra izay nirotsaka manerana ny atsimon’i Manhattan ny trano fonenan’izy ireo.
Noho izy ireo nikorontan-tsaina sy natahotra avy amin’ireo zavatra hitan’izy ireo maso, ary noho ny fiahiahiana ny hisian’ny fanafihana hafa dia nandeha tany amin’ny faritra nisy filaminana kokoa izy ireo ary avy eo dia tany amin’ny trano fiangonan’ny tsatòka ao Manhattan ao Lincoln Center. Rehefa tonga tao izy ireo dia nahita fa mpikambana am-polony hafa tao Manhattan atsimo no nandray fanapahan-kevitra mitovy amin’ny an’izy ireo mba hivondrona ao amin’ny foiben’ny tsatòka. Nahatsiaro ho maivamaivana izahay rehefa niantso izy ireo mba hampahafantatra anay ny toerana nisy azy ireo sy hoe nieren-doza izy ireo. Tsy nahagaga anay ny toerana nisy azy ireo satria ny fanambarana maoderina dia mampianatra fa ireo tsatòkan’i Ziona dia “fiarovana sy … fialofana amin’ny tafio-drivotra sy amin’ny fisafoahana, rehefa haidina tsy misy fangarony amin’ny tany manontolo izany.”3 Tsy navela niverina tao amin’ny trano fonenany izy ireo nandritra ny herinandro mahery ary ketraka noho ny nahafatesan’ny olona tsy nanan-tsiny, saingy tsy nianjadian’ny fahavoazana maharitra izy ireo.
Ilay fiaramanidina nianjera tao amin’ny Pentagone izay toerana akaiky antsika anio hariva aty Washington D.C., dia asan’ny mpampihorohoro nanao vy very ny aina ihany koa izay nitondra vokatra nahatsiravina tahaka izany koa.
Ny tanjoko anio hariva dia tsy ny hifantohanareo be loatra amin’ireo zava-nitranga nahatsiravina tamin’ny lasa. Tiako ianareo hanantitrantitra ireo karazana trangan-javatra mitondra fifaliana izay nofariparitako tany am-boalohany. Tiako ihany koa anefa ny hanampy anareo hisaintsaina ireo fitsapana, sy fijaliana, ary loza izay atrehanareo amin’izao na ireo izay mbola hatrehanareo eo amin’ny fiainanareo manokana. Ny sasany amin’izany dia mety ho tranga izay manana fiantraikany amin’ny olona maro, ny sasany hafa dia hahakasika ny fiainanareo manokana. Nanapa-kevitra aho ny hiresaka karazana tranga telo: ireo mahakasika ny loza ara-batana; ireo izay mahakasika ireo olana manokana, ny sasany amin’izy ireo dia tsy hita afa-tsy amin’ny andronareo; ary farany, ireo izay mahakasika ny loza sy olana ara-panahy.
Ireo loza na olana ara-batana
Ireo loza ara-batana no mora hita sy fantarina indrindra. Na amin’ny fomba ahoana na amin’ny fomba ahoana ary na aiza na aiza no handraisanareo ny vaovao isan’andro, dia ireo loza, sy herisetra, na tranga mampalahelo ara-batana no taterina voalohany—indrindra indrindra amin’ny fahitalavitra sy amin’ny Internet. Ny antony iray amin’izany dia satria ny herisetra sy ny fahafatesana dia tena mampalahelo ary matetika mora aseho amin’ny alalan’ny sary sy amin’ny alalan’ny soratra ihany koa. Ny herisetra sy ny fahafatesana, na mitranga akaiky na lavitra, dia misarika ny saintsika ary mety handrava ny fiadanana sy ny filaminana ao amintsika. Rehefa tsy mahatsiaro ho voaro ara-batana isika dia mahatsapa ny tenantsika manokana ho tandindomin-doza.
Tamin’ny 22 martsa lasa teo dia nanapoaka baomba tamin’ny alalan’ny famonoana tena ny mpampihorohoro iray tany amin’ny seranam-piaramanidina tao Bruxelles, Belgique. Efatra tamin’ireo misiônerantsika no teo amin’ny toeram-pisavàna mialoha ny fiondranana an’ny zotra Delta. Nianjady faharatrana lehibe izy rehetra ireo; ny sasany tamin’izany dia tena goavana. Ny ratran’i Elder Norby, izay misiônera zokiolona iray dia tena goavana tokoa. Vao tsy ela izy no nilaza fa tsy ho lasa tahaka ny nahazatra azy intsony ny fiainany, “nisafidy ny hiantehitra amin’ny Tompo fa tsy amin’ny tahotra izy.” Nampiany ihany koa hoe: “Hanohy ny fiainako aho, ary hampianatra ny zanako sy ny zafikeliko aho fa [tsy maintsy] mametraka ny fahatokisantsika amin’ Andriamanitra isika.”4
Nanantitrantitra ny Tompo fa na dia ireo izay manary ny ainy, ka nahatoky tao amin’ny fanekempihavanany, “dia hahazo izany indray, dia fiainana mandrakizay.”5
Nanohina ahy ny zavatra nolazain’i Sister Fanny Clain, iray tamin’ireo misiônera hafa izay tojon’ny faharatrana noho ilay baomba nipoaka tao amin’ny seranam-piaramanidina tao Bruxelles. Hoy izy: “Ny fiatrehana ireny karazana zavatra ireny dia mahatonga ahy hahatakatra ny olombelona bebe kokoa, satria dia tena misy zavatra sarotra tokoa eo amin’ny fiainan’ny olona, koa tojo zavatra sarotra ihany koa ny tenako izao, mba hahafahako mahatakatra misimisy kokoa.” Rehefa nodiaviny ny dingana fanasitranana azy dia hoy izy hoe, “Rehefa misafidy ny hahatoky an’ Andriamanitra isika, dia afaka mahita fa manampy antsika Izy ary mahatalanjona ny fanampiany. Mahatoky Azy mihoatra noho ny teo aloha aho ankehitriny.” Ankasitrahany manokana ny nahafahany manohy ny asa fitoriany amin’ny fotoana feno.6
Tao amin’ny fisiana talohan’ny nahaterahana dia nahafantatra isika fa ny fahafahana misafidy sy ny fifanoherana dia ilaina mba hahafahana mitombo, mivoatra, ary mandray ny fisandratana amin’ny farany.
Nandritra ilay filankevitra tany an-danitra talohan’ny nahaterahana dia tafiditra ho singa manan-danja tao amin’ny drafitry ny Ray ny fahafahana misafidy. Nikomy i Losifera “ary nikatsaka ny handrava ny safidin’ny olona.”7 Noho izany dia nolavina tamin’i Satana sy tamin’ireo izay nanaraka azy ny tombotsoa hahazo vatana mety maty.
Ireo fanahy hafa tao amin’ny tontolo talohan’ny nahaterahana dia nampiasa ny fahafahany misafidy tamin’ny fanarahana ny drafitry ny Ray any An-danitra. Ireo fanahy izay notahiana tamin’ny fahafahana ho teraka dia mbola manana fahafahana misafidy hatrany. Malalaka isika ny hisafidy sy hanao zavatra saingy tsy malalaka kosa amin’ny fifehezana ny vokatry ny safidintsika. Araka izany dia ny safidy ataontsika no mamaritra ny fahasambarana na ny fahoriana amin’ity fiainana ity sy amin’ny fiainana ho. “Ny fisafidianana ny tsara sy ny fahamarinana dia mitondra fifaliana, fiadanana ary fiainana mandrakizay, raha toa ka mitondra fahoriana sy fanaintainana kosa amin’ny farany ny fisafidianana ny ota sy ny faharatsiana.”8
Tsy azontsika atao ny manameloka ny toe-javatra na ny hafa noho ny fanapahan-kevitra hanao zavatra mifanohitra amin’ny didin’ Andriamanitra. Tompon’andraikitra sy ho voahadina eo anatrehan’ Andriamanitra avokoa isika rehetra ny amin’ny fikolokoloantsika ireo toetra sy talenta ary fahaiza-manao tahaka ny an’i Kristy, ary tompon’andraikitra isika ny amin’ny fampiasantsika ny fotoana nomena antsika mandritra izao fiainana izao.
Ny fotopampianaran’ny fifanoherana dia mifandray akaiky ary matetika raisina ho ampahan’ny fotopampianaran’ny fahafahana misafidy. Saingy noho ny fifanoherana izay matetika tonga avy amin’ny loharano ivelany na avy amin’ny lafiny tsy miandany, dia manampy ny mandinika azy amin’ny fomba misaraka. Io fotopampianarana io dia nazavain’ny mpaminany Lehia tamin’ny fomba mazava sy fohy ao amin’ny 2 Nefia 2:11: “Satria tsy maintsy ilaina ny hisian’ny fifanoherana amin’ny zava-drehetra. Raha tsy izany, … dia tsy ho azo notanterahina ny fahamarinana na ny faharatsiana na ny fahamasinana na ny fahoriana na ny tsara na ny ratsy.”
Avy eo i Lehia dia nanazava fa tena manan-danja io fotopampianarana io, raha tsy misy izy io dia “tsy ho nisy zava-kinendry tamin’ny … [famoronana]” ary “ny fahendren’ Andriamanitra sy ny fikasany mandrakizay, ary koa ny hery sy ny famindram-po ary ny fahamarinan’ Andriamanitra” dia ho rava.9
Notohizan’i Lehia hoe: “Koa nomen’ny Tompo Andriamanitra ny olombelona ny fahafahana hanao araka ny safidiny.”10
Nahafantatra isika tany amin’ny fisiana talohan’ny nahaterahana fa ny fampiasana ny fahafahana misafidy dia mety hiteraka fifanoherana sy fifandirana—ilay ady tany an-danitra dia maneho izany fahamarinana izany. Nahafantatra isika fa ankoatra ny ady sy ny herisetra dia hisy fitondrantena feno fahotana mihoapampana eran’izao tontolo izao manontolo. Nahafantatra ihany koa isika fa i Jesoa Kristy dia vonona ny hanefa ny vidin’ireo fahotana ireo. Ny fijaliany, izay tsy hay takarina, dia hahatonga ny fandresena ny fahotana sy ny fahafatesana ara-panahy. Ny Fitsanganany tamin’ny maty dia handresy ny fahafatesana ara-batana. Nahazo fahatokisana isika fa aorian’ny fahafatesana ara-batana dia ho velona indray isika rehetra. Araka ny vakintsika ao amin’ny Torio ny filazantsarako:
“Ny fandresen’i Jesoa Kristy ny fahafatesana ara-panahy tamin’ny alalan’ny fijaliany ary ny fahafatesan’ny vatana tamin’ny alalan’ny Fitsanganana tamin’ny maty no antsoina hoe Sorompanavotana. …
“Raha miantehitra amin’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy isika dia afaka manampy antsika hahazaka ny fitsapana sy ny aretina ary ny fanaintainana Izy. Afaka ho feno fifaliana, sy fiadanana ary fiononana isika. Ireo zavatra rehetra tsy rariny eo amin’ny fiainana dia afaka hahitsy amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy.”11
Ny zavatra niainan’ireo mpikambana, fotoana fohy taorian’ny nanorenana ny Fiangonana tao Missouri dia maneho mazava tsara ny fiasan’ireo fitsipika momba ny Sorompanavotana ireo. Ny soatoavintsika ara-potopampianarana dia notsipahin’ireo mpiorim-ponenana tao Missouri mivantana, izay tsy mpiray finoana tamintsika. Betsaka tamin’ireo mponina tao Missouri no nandray hatrany ireo Indiana Amerikanina ho fahavalo ary naniry ny tsy hitoeran’izy ireo intsony tao amin’ny faritra. Ankoatra izany dia mpiorim-ponenana betsaka tao Missouri no tompon’andevo ary nahatsapa ho norahonan’ireo mpanohitra ny fanandevozana. Betsaka no nitady tany, harena, ary fahefana mihitsy aza.
Etsy andanin’izany kosa anefa ny fotopampianarantsika dia nanaja ireo Indiana Amerikanina ary ny faniriantsika dia ny hampianatra azy ireo ny filazantsaran’i Jesoa Kristy. Raha ny mahakasika ny fanandevozana dia mazava ny voalazan’ny soratra masintsika fa tsy tokony hisy olona hanababo ny olona iray hafa. Ireo mpikamban’ny Fiangonana mainty hoditra tany am-piandohana izay vitsy tokoa tamin’ny voalohany, dia niara-nitsoaka tamin’ireo mpikambana fotsy hoditra, tahaka ny mitranga amin’izao fotoana. Ary farany, ny tanjontsika dia tsy ny hangoron-karena fa ny hanangana fiarahamonina mpirahalahy sy mpirahavavy ary mpianadahy izay mifankatia sy miaina ireo fitsipika nampianarin’ny Mpamonjy. Ireo mpiorim-ponenana tao Missouri hafa dia nahatsiaro ho norahonana rehefa nifindra tao Missouri ireo Olomasina maro an’isa, izay nanaraka ny fanambaran’ny Tompo.12
Izany dia niteraka ady lehibe sy fanenjehana ny mpikamban’ny Fiangonana. Ny mpifanandrina tamin’ireo Olomasina dia nandrava ny volin’izy ireo sy ny tranon’izy ireo sasany, nandroba ny biby fiompin’izy ireo sy ny fananan’izy ireo manokana ary nandroaka azy ireo hiala ny fonenan’izy ireo. Ny Olomasina sasany dia nosorana tara sy volom-borona, nokaravasiana, na nokapohina. Nilaza i William W. Phelps raha nanoratra tamin’i Joseph Smith, izay nonina tany Kirtland, Ohio, hoe: “Izao dia fotoana feno fahavoazana, ireo lehilahy sy vehivavy ary ankizy, amin’ny toerana rehetra, dia mitsoaka na miomana [hitsoaka].”13 Tao anatin’ny korontan’ny fandroahana dia nisy fotoana ireo fianakaviana no tafasaraka ary Olomasina maro no tsy ampy sakafo na vatsy hafa. Sarotra tamin’ny mpikamban’ny Fiangonana ny nahatakatra ny antony nandroahana azy ireo taorian’ny nandidian’ny Tompo azy ireo mba hiara-hivondrona ao Missouri. Taorian’ny nandrenesany ny vaovao nampalahelo dia nivavaka mba hahafahany mahatakatra i Joseph Smith. Namaly tamin’ny alalan’izao hafatra mitondra fankaherezana izao ny Tompo, izay hita ankehitriny ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 101:35–36:
“Ary ireo rehetra izay miaritra fanenjehana noho ny anarako ary maharitra amin’ny finoana, na dia voantso hamoy ny ainy noho ny Amiko aza izy ireo, dia hanana anjara kosa amin’izany voninahitra rehetra izany.
“Koa aza matahotra na dia ny ho faty aza; fa eo amin’izao tontolo izao dia tsy feno ny fifalianareo, fa ao Amiko dia feno ny fifalianareo.”
Ny Tompo dia nampanantena antsika fa ny valisoan’ny fahamarinana dia “fiadanana eo amin’ity [fiainana] ity, ary fiainana mandrakizay any amin’ny tontolo ho avy.”14
Hita araka izany fa ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy dia mamela antsika hanana fiadanana sy filaminana na dia amin’ny fotoana isian’ny loza ara-batana aza.
Ireo olana manokana, ny sasany amin’izany dia tsy hita afa-tsy amin’ny andronareo
Amin’ny maha-tanora mpitovo sy mpivady vao herotrerony anareo, ankoatra ireo olana ara-batana dia miatrika olana manokana ianareo, ary ny sasany amin’izany dia tsy hita afa-tsy amin’ny andronareo. Sahiran-tsaina amin’ireo fanapahan-kevitra mikasika ny fianarana, ny asa, ny fanambadiana ary ny fianakaviana ianareo. Ny lafiny ara-potopampianarana mikasika ireo fanapahan-kevitra ireo dia efa noresahina nandritra ireo lahateny maro ary azo lazaina fa takatra tsara. Ny Mpamonjy, tamin’ny nanefany ny sazin’ny fahotantsika, dia tsy nanala ny maha-tompon’andraikitra antsika amin’ny tokony ho fomba fiainantsika. Ny lanjan’ny asa, ny fahazotoana, ny fiasana amin’ny herintsika, ny fampitomboana ny talentantsika, ary ny famelomana fianakaviana dia efa nambara maneran-tany tao amin’ny soratra masina hatrany am-boalohany. Milaza ny Tompo ao amin’ny Genesisy hoe: “Ny fahatsembohan’ny tavanao no hahazoanao hanina mandra-piverinao any amin’ny tany.”15
Mino aho fa eken’ny ankabezan’ny mpikambana ireo tolokevitra ara-potopampianarana ireo. Ao anatin’ny tontolo tena sarotra anefa dia tena manjavozavo ny mikasika ny fomba fampiharana ireo fitsipika ireo.
Nandritra ny lahateniko voalohany tamin’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany, 20 taona lasa izay, dia nizara tantara manokana izay nahatsikaiky ihany aho, izay mifandray avy hatrany amin’ireo olana ireo.16
Fony ny zanakay mbola kely dia nanapa-kevitra ny tenako sy i Mary vadiko ny hanaraka fombafomba iray izay nampianarin’ny raiko ahy fony aho mbola zaza. Nihaona manokana tamiko sy tamin’ireo mpiray tampo amiko izy mba hanampiana anay hametraka tanjona eo amin’ny lafin’ny maro amin’ny fiainanay sy hampianatra anay ny fomba ahafahan’ny zavatra atao any am-piangonana, sy any am-pianarana ary ireo hetsika ivelan’ny fianarana manampy anay hahatratra ireo tanjona ireo. Nanana fitsipika telo izy:
-
Mila nanana tanjona manan-danja izahay.
-
Azonay novaina tamin’ny fotoana rehetra ny tanjonay.
-
Mila niasa tamim-pahazotoana mba hanatratrarana izay tanjona nosafidianay izahay.
Noho izahay nahita tombontsoa tamin’izany fombafomba izany, dia nanapa-kevitra izaho sy i Mary ny hampihatra izany niaraka tamin’ny zanakay. Fony i Larry zanakay lahy dimy taona, dia nanontaniako azy ny zavatra tiany hatao rehefa lehibe izy. Nilaza izy fa maniry ny ho lasa mpitsabo tahaka an’i Joe Dadatoany izy.17 Niatrika fandidiana goavana i Larry ary lasa nanana fanajana lehibe ho an’ny mpitsabo toa an’i Joe Dadatoany izy. Avy eo dia nolazaiko tamin’i Larry ny fomba hahafahan’ireo zavatra manan-danja rehetra ataony manomana azy amin’ny fanaovana ny asan’ny dokotera.
Volana maro taty aoriana dia nanontaniako azy indray ny zavatra tiany hatao rehefa lehibe. Tamin’io fotoana io izy dia nilaza fa naniry ny ho lasa mpanamory fiaramanidina. Tsy nampaninona ny nanovany ilay tanjona, koa nazavaiko taminy ny fomba hahafahan’ny zavatra isan-karazany ataony manampy azy hahatratra io tanjona io. Taorian’ny resadresaka nataonay dia mba nilazalaza fotsiny aho hoe: “Larry ô, tamin’ny fotoana niresahantsika farany dia naniry ny ho lasa mpitsabo ianao. Inona no nampiova hevitra anao?” Namaly izy hoe: “Mieritreritra aho fa tsara ny dokotera, saingy nahatsikaritra aho fa miasa isaky ny Sabotsy maraina i Dadatoa Joe, ary tsy te hanapaka ny fijerena sarimiaina amin’ny Sabotsy maraina aho.”
Nanomboka tamin’izay fotoana izay dia nantsoin’ny fianakaviako hoe sarimiaina amin’ny Sabotsy maraina ny zavatra iray manelingelina ny fanatratrarana tanjona manan-danja.
Fitsipika anankiroa no tiako hantitranterina avy amin’izay tantara tena nitranga izay. Ny voalohany dia ny fomba hanaovanareo drafitra sy hiomananareo amin’ny fanatratrarana tanjona manan-danja ao anatin’izao tontolo misy antsika ankehitriny izao, ary ny faharoa dia ny fiantraikan’ny Internet sy ny tambazotra ifaneraserana amin’ireo tanjona feno fahamarinana napetrakareo. Ny tsirairay avy amin’izy ireo dia mety ho lasa sarimiaina amin’ny Sabotsy maraina izay hanelingelina antsika amin’ny fifaliana iriantsika.
Sahiran-tsaina manokana aho fa maro amin’ireo tanora no tsy mahavita mametraka tanjona feno fahamarinana na mamolavola drafitra mba hahatratrarana izany. Sahiran-tsaina koa aho fa betsaka no manambanimbany sy manamaivan-danja ny talentany sy ny fahaiza-manaony. Ny famahàna ireo olana anankiroa ireo dia hitondra fifaliana betsaka eo amin’ny fiainanareo.
Ny boky vao haingana iray nosoratan’ny Profesora Angela Duckworth, izay mitondra ny lohateny hoe Grit (Fikirizana), dia manolotra famelabelarana mandresy lahatra fa ny olona maro, ary ny ankamaroany mihitsy aza, dia manome lanja be loatra ny fahaiza-manao lazaina fa voa-janahary ary manamaivan-danja ny fiasana mafy sy ny fikirizana. Mamelabelatra izy fa ny karazana fahombiazana rehetra dia miavaka kokoa raha avy amin’ny fananana fitondran-tena arak’asa tsara sy matotra noho ny avy amin’ny faharanitan-tsaina sy fahaiza-manao fotsiny ihany. Nanamarika izy fa ny olona manana fahavononana tsy tapaka sy mahafantatra ny lalan-kalehany (izay antsoiny ihany koa hoe hafanam-po sy faharetana) dia miasa tsaratsara kokoa noho ireo izay manana fahaiza-manao voa-janahary izay tsy manana fikirizana mitovy amin’ny an’izy ireo.18
Fony aho tanora dia lasa nahafantatra tsy nahy ny isa azon’ny mpianatra iray tamin’ny fitsapana ny faharanitan-tsainy, izay somary avoavo kokoa noho ny an’ny ankabeazan’ny olona. Nandinika azy tao am-pianarana aho nefa tsy nilaza na inona na inona tamin’iza na iza. Nisafidy ireo fandaharam-pianarana sarotra izy ary nianatra tamim-pahazotoana. Tany amin’ny fianarana ambaratonga ambony dia indraindray izy nandray anjara tamina vondrona mpiara-mandalina roa na telo ao anatin’ny kilasy iray. Tamin’ny farany izy dia nahazo diplaoma avo lenta tamin’ny taranja nitaky asa mafy sy matotra ary namoaka voka-pikarohana betsaka manan-danja tao amin’ny taranja niasany.
Tsy manoro hevitra akory aho hoe ny tsirairay avy dia tokony ho lasa sangany amin’ny fianarana, manoro hevitra anareo kosa aho fa afaka mahatratra ny maro amin’ireo tanjona manan-danja sy feno fahamarinana napetrakareo ianareo rehefa manao drafitra, maneho fikirizana sy fahavononana, indrindra indrindra raha manala ireo sarimiaina amin’ny Sabotsy maraina eo amin’ny fiainanareo. Afaka mahita fifaliana sy fahasambarana bebe kokoa ihany koa ianareo eo amin’ny fiainanareo.
Te hanome toky anareo fa afaka mahavita zavatra sarotra ianareo. Ny Loholona John B. Dickson, izay Fitopololahy mahavariana efa nahavita ny asa tam-boninahitra amin’izao fotoana izao sy nanompo tamin’ny fomba niavaka nanerana an’izao tontolo izao dia naneho izany tamin’ny fomba mahafinaritra sy tsy dia mahazatra loatra. Ny Loholoha Dickson dia nantsoina hanompo amin’ny maha-misiônera Olomasin’ny Andro Farany tany Meksika tamin’ny taona 1962. Talohan’ny nandehanany dia nahitana homamiadana mpahazo ny taolana teo amin’ny sandriny ankavanana. Tsy neritreretina ny ho velona mihoatra ny iray volana izy. 10 volana taty aoriana anefa dia lasa izy ka nanompo tany amin’ny misiôna nampandraiketina azy, taorian’ny nandidiana ho tapaka ny sandriny.19 Tsy ho adinoiko mandrakizay ny nampianarany ireo misiônera tany amin’ny Foibe Fiofanan’ny Misiônera fa afaka mahavita zavatra sarotra izy ireo. Nanasa misiônera efatra izy mba hanatona teny anoloana ary hifaninana hamatotra kravaty aminy. Eritrereto anie izany hoe mamatotra kravaty amin’ny tanana ilany fotsiny izany e! Vao tsy ela aho no nangataka an’ny Loholona Dickson mba hampiseho izany. Andao jerena.
Loholona John B. Dickson:[Mamatotra kravaty.] Fantatrareo fa manana olana avokoa isika rehetra eo amin’ny fiainantsika. Indraindray izy ireny dia ara-batana na ara-pihetseham-po na ara-bola na karazany maro hafa, ary raha mijery ny lafiny tsara hatrany isika sy manaraka ireo fitsipika, manana finoana ny Tompo, manana finoana ny tenantsika, dia afaka hiatrika na inona na inona hiseho. Na dia ny mamatotra kravaty aza dia ho vitantsika. Misy aminareo ve te hifanenjika amiko na hifampitolona amiko?
Misaotra ry John!
Tany amin’ny FFM dia resiny daholo ireo misiônera efatra, tamin’ny alalan’ny fampiasany ny nifiny, ny sorony ary ny tratrany tamin’ny fomba mahavariana. Fantaro fa afaka mandresy ny fitsapana sy mahavita zavatra sarotra ianareo.
Ny Profesora Duckworth dia nanoratra fa “iraisan’ny rehetra ny faharisihana. Fa ny faharetana no mahalana.”20
Ny iray amin’ireo fikarohana nolazainy dia manantitrantitra ny maha-manan-danja ny fiomanana mavitrika amin’ny fiainana, tafiditra amin’izany ny faharetana, fikirizana, ny tsy milavo lefona ary tsy mitady hiala an-dalana amin’ny asa atao rehefa miseho ny sakantsakana.21
Nilaza ihany koa izy fa ny olona dia tokony hanana tanjona avo izay mitondra anjara biriky ho an’ny fanatsarana ny fiainan’ny hafa.22 Hoy izy:
“Sambatra ny olona rehefa manana tanjona avo izay tena manan-danja tokoa ho an’izao tontolo izao, hany ka mampisy dikany bebe kokoa ny zavatra rehetra ataony, na dia kely sy bitika ary manorisory aza izany. Diniho ilay fanoharana momba ny mpanao trano:
“Nanontaniana ny mpanao trano anankitelo hoe: ‘Inona izato ataonao?’
“Namaly ny voalohany hoe: ‘Manao trano aho.’
“Hoy ny faharoa hoe: ‘Manangana fiangonana aho.’
“Ary ny fahatelo dia nilaza hoe: ‘Manorina ny tranon’ Andriamanitra aho.’
“Ilay mpanao trano voalohany dia namita asa. Ilay faharoa dia nizotra tamin’ny lalan-kasany. Fa ny fahatelo kosa dia namita ny antsony.”23
Ny fanambiko ho anareo anio hariva dia ny mba handinihanareo ireo tanjona napetrakareo ary hamaritra ireo izay hamela anareo hanatanteraka ireo adidy ara-pianakaviana sy ireo izay hampijanona anareo eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana ary ireo izay hamela anareo mba hanana ilay fifaliana irian’ny Tompo ho anareo. Tsarovy fa ny fananana tanjona dia mamela anareo hitsitsy fotoana sy aina amin’ny alalan’ny fanaovana drafitra mialoha sy amin’ny tsy fanadinoana ireo dingana tsy maintsy atao mialoha sy ireo fetr’andro napetraka.
Izao dia hiresaka momba ny fiantraikan’ny Internet sy ny tambazotra ifaneraserana amin’ny fanapahan-kevitra ny tenako.
Ny Internet sy ny tambazotra ifaneraserana dia mandray anjara amin’ny zavatra tsara maro eo amin’ny fiarahamonina maoderina. Izy ireny dia manan-danja tokoa! Izy ireny koa dia mety ho lasa sarimiaina amin’ny Sabotsy maraina izay manembantsembana antsika amin’ny fanatanterahana ny tena antsontsika marina amin’ny fiainana an-tany.
Ny fiangaviako amim-kitsim-po ho antsika rehetra dia ny hanombatombanantsika ny fomba sy ny fotoana hampiasantsika ny Internet sy ny tambazotra ifaneraserana. Ilay tombatombana dia tokony hazava toy izao: Manampy ireo tanjona tsara sy manan-danja hafa napetratsika ve ilay izy sa tena mety hanakana ny fivoarantsika? Moa ve ny saintsika mirona foana any amin’ny tambazotra ifaneraserana noho ny fahatahorantsika ny tsy haharaka raha tsy mijery an’izany tsy tapaka isika? Mahatonga antsika tsy hahatoky ny tenantsika sy hahatsapa ho tsinontsinona ve ny fanandratan-tena ataon’ny olona sasany ao amin’ny tambazotra ifaneraserana sasany? Ary ny ratsy indrindra, mitondra antsika hahita sary sy votoatin-javatra maloto, tsy azo jerena, na mirakitra ampaham-pahamarinana natao hamitaka sy hanimba finoana ve ny Internet? Moa ve isika manafina ny mombamomba antsika ary maneho fanehoan-kevitra feno haratsiam-panahy? Moa ve ny tambazotra ifaneraserana manelingelina ny fotoana tokony hanaovantsika zavatra ara-pivavahana ao an-trano na ny fotoana tsara iarahan’ny mpianakavy? Moa ve ny fotoana lanintsika ao amin’ny Internet amin’ny filalaovana kilalao sy fanaovana zavatra tsisy dikany manakana antsika amin’ny fanatratrarana amim-pahombiazana ireo tanjona lehibe? Ireo no fanapahan-kevitra amporisihako ny tsirairay avy amintsika mba ho dinihana, mba hasiana fanovàna, ary mba hibebahana raha ilaina mba hitahiana ny fiainantsika.
Raha miresaka momba ireo zavatra ireo aho dia mahafantatra tanteraka ny tombontsoa goavana mety hoentin’ireo tambazotra ifaneraserana rehefa ampiasaina araka ny tokony ho izy. Ny anjara biriky hoentin’izy ireo manokana ho an’ny tantaram-pianakaviana fotsiny dia manazava amiko fa nentanin’ny Tompo io teknôlôjia io.
Aorian’ny famaranako ny lahateniko dia haeliko ao amin’ny pejiko ao amin’ny Facebook ny ampahan’ny lahateniko. Tiako ny hizaranareo amiko ny ahiahinareo momba ny tambazotra ifaneraserana ary koa ny fomba hitahian’izy ireny ny fiainanareo.
Tiako koa ny haneho eritreritra iray fanampiny momba io lohahevitra io. Maheno im-betsaka isika hoe tokony hilaza ny marina ao anatin’ny tambazotra ifaneraserana. Ny hoe tena tahaka an’i Kristy dia mbola tanjona manan-danja kokoa noho ny hoe milaza ny marina fotsiny. Aleo averiko indray fa: Ny hoe tena tahaka an’i Kristy dia mbola tanjona manan-danja kokoa noho ny hoe milaza ny marina fotsiny.
Ireo loza ara-panahy
Izao aho dia hiresaka momba ny loza ara-panahy.
Anisan’ny andraikitra tena manan-danja indrindra eo amin’ity fiainana ity ny manao sy mitandrina fanekempihavanana masina amin’ Andriamanitra. Izany dia mitaky ny handinihantsika ireo faniriana tsy mendrika sy ny hialantsika amin’izy ireo. Dinihantsika ihany koa ireo zavatra tsy araka ny tokony ho izy handrasantsika amin’ Andriamanitra, izay noheverintsika na tsy noheverintsika. Mikatsaka tsy tapaka ny hahafantatra ny sitrapon’ Andriamanitra ho antsika isika. Miverina mifantoka hatrany amin’ny finoana, ny fibebahana ary ny ôrdônansin’ny famonjena isika. Ny Mpamonjy, izay nanefa ny vidiny ho antsika rehetra mihoatra ny azontsika takarina tanteraka, dia tsy nahavita ny Sorompanavotana mba hahafahantsika mifantoka amina tanjona ara-materialy tsy maharitra mandrakizay, na raha ny marina no lazaina, fahafinaretana sy kilalao mandany fotoana sy mandalo fotsiny ihany. Eritrereto ny tanjon’ny Tompo rehefa nilaza Izy hoe: “Fa indro izao no asako sy voninahitro—ny manatanteraka ny tsy fahafatesana sy ny fiainana mandrakizain’ny olona.”24
Ny olona sasany dia toa miteny na milaza an-kolaka hoe: “Moa ve ny Ray any An-danitra be fitiavana tsy ho faly raha lasa latsaka kely noho izay tokony hahatongavako aho? Tena handà fitahiana amiko marina tokoa ve Izy satria tiako ny misotro zava-pisotro misy alikaola na kafe?” Malahelo aho milaza fa izany no fanontaniana tsy tokony apetraka ary mampiseho tsy fahampiana fahatakarana ny drafitry ny Ray. Ny fanontaniana tena izy dia ny hoe “Ahoana no hahafahako ho lasa olo-marina, olona feno fitiavana izay irian’ny Raiko sy ny Mpamonjiko?” Manambara ny soratra masina hoe: “Be no hotakiana amin’izay nomena be.”25
Ao anatin’ny tontolo izay handraisana matetika valisoa sy amboara na dia tsy dia nandray anjara firy aza dia mety ho toa tsy rariny sy mankarary ny fo mihitsy ireo fenitra napetraka sy ireo zavatra handrasana. Tena marina indrindra izany ho an’ireo izay minia mandeha amin’ny lalana tiany haleha nefa tsy manoa ny drafitr’ Andriamanitra, na inona na inona vokatr’izany.
Betsaka ireo manamarina fitondran-tena feno fahotana ary milaza mba hiarovana ny tenany hoe, “Nampianatra antsika mba hifankatia i Jesoa.” Mazava ho azy fa marina izany, fa matetika ireo izay mamporisika izany filazana izany no toa miròna amin’ny tsy firaharahiana ilay torohevitra iray hafa manan-danja mitovy amin’izany, izay manao hoe: “Raha tia Ahy hianareo, dia hitandrina ny didiko.”26
Tsy azontsika atao ny mifampiraharaha momba ireo fepetran’ny fifandraisantsika amin’ Ny Andriamanitra. Ny fananana fo torotoro sy fanahy manenina no fitakiana voalohany amin’ny fandehanana eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana izay nanomboka tamin’ny batisa. Ny mitalao amin’ Andriamanitra amim-panetrentena dia tsy maintsy ataontsika. Araka ny nampianarin’ny Mpanjaka Benjamina hoe: “Fa indro, moa tsy mpangataka avokoa va isika? Moa va isika rehetra tsy miankina amin’ Ilay Izy, dia Andriamanitra, amin’ny fananana rehetra izay ananantsika … isan-karazany?”27
Mety ho sarotra ny olana mianjady amintsika, ary ny sasany amin’izy ireo dia mety ho tsy rariny mihitsy aza. Mankarary ny fontsika izy ireo ary mahatonga antsika hanolo-tanana. Izany dia marina raha ny amin’ireo rofy sy aretina misy fiantraikany amin’ny fahasalamantsika ara-batana. Tafiditra ao anatin’izany ireo tsy manan-tsiny sy ireo izay nararaotina. Tafiditra ao anatin’izany ny fahantrana sy ny herisetra izay mameno ny tontolo nahaterahantsika. Tafiditra ao anatin’izany ireo filantsika sy ireo fironantsika voa-janahary izay mety tsy nosafidiantsika. Mampalahelo antsika ireo fiankinan-doha izay vokatry ny safidy ratsy iray monja; betsaka ny zavatra izay mety ho tsy rariny eto amin’ity izao tontolo izao ity.
Ahoana no asetrintsika izany? Tsy maintsy tsara fanahy sy feno fitiavana isika ary mandray ny tsirairay avy amim-panajana, na dia ireo izay nisafidy lalana fantatsika fa tsy mifanaraka amin’ny drafitry ny Ray sy ny fampianaran’ny Mpamonjy aza. Fa raha maniry ny ho tena tsara fanahy marina isika dia tsy maintsy mampianatra fibebahana ihany koa. Tsy fahatsaram-panahy, ary tsy mahasoa ny rehetra ny fanakanantsika ny tenantsika amin’ny famporisihana ireo izay tiantsika mba hanova ny fiainany sy hanaiky ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy. Misy ireo fitahiana mahagaga sy mandrakizay natokana ho an’ireo izay mibebaka.
Ny Mpamonjy Tenany mihitsy no nampianatra izany mazava tsara tamin’ireo Nefita, rehefa nilaza Izy hoe: “Izy no hotanako tsisy tsiny eo anoloan’ny Raiko amin’io andro io rehefa hitsangana Aho hitsara izao tontolo izao.”28 Nilaza ihany koa Izy avy eo hoe: “Ary tsy misy zavatra tsy madio afaka miditra ao amin’ny fanjakana; koa tsy misy na inona na inona miditra ao amin’ny fitsaharany afa-tsy ireo izay efa nanasa ny fitafiany tamin’ny rany, noho ny finoany sy ny fibebahana tamin’ny fahotany rehetra ary ny fahatokiany hatramin’ny farany.”29
Fantaro fa afaka ny ho lasa madio ianao. Afaka mahita ilay fifaliana irinao ianao mandritra ity fiainana ity. Tsy misy tokony handao ity fampaherezam-panahy ity ka hahatsapa fa tsy azo avotana intsony. Tsy marina izany. Raha ny fototra niavianao no jerena dia zanak’ Andriamanitra ianao. Afaka manana fanantenana sy fifaliana ianao. Afaka manova ny fonao ianao ary mibebaka. Afaka mamela ianao ary afaka ny ho voavela.
Ny fibebahana dia zava-dehibe ao anatin’ny drafitry ny Ray. Ao amin’ny Bokin’i Môrmôna dia mianatra isika ny fifandraisana misy eo amin’ny famindrampo sy ny fahamarinana. Nanorina ny fomba tokony ho fiaraha-miasan’ny famindrampo sy ny fahamarinana i Kristy.30
Tiako ireo teny feno fanantenana nosoratan’i Eliza R. Snow:
Ilay drafitry ny fahasambarana be voninahitra dia marina sy feno famindrampo. Fantatsika hoe avy taiza isika, nahoana isika no eto amin’ity fiainana ity, ary aiza isika no handeha aorian’ny fahafatesantsika.
Ianareo dia taranaka mahatalanjona. Mazava ny ao amin’ny soratra masina fa amin’ny andro farany dia hisy “faharatsiana sy fahavetavetana.”32 Ireo Olomasina, izay vitsy an’isa sy naely patrana tamin’ny lafin’ny tany rehetra anefa dia “nampirongoan[a] ho fiadiany ny fahamarinana sy ny herin’ Andriamanitra tamim-boninahitra lehibe.”33 Nampanantena ny Tompo fa “[hitsimbina] ny marina” Izy ary “tsy mila matahotra” isika.34
Tsy mila matahotra ianareo, na dia eo aza ireo loza sy olana hatrehanareo. Hotahiana sy harovana ianareo rehefa mikatsaka tanjona manan-danja sy feno fahamarinana. Manaova drafitra dia miasà amim-pikirizana sy amim-pahazotoana, hialao ny fampiasana tsy araka ny tokony ho izy ny tambazotra ifaneraserana sy ny Internet, miantehera sy mifantoha amin’ny finoana, ny fibebahana, ny ôrdônansin’ny famonjena, ary ny sorompanavotan’ny Mpamonjy eo am-paharetanareo hatramin’ny farany. Ny fifantohana amin’ny tempoly dia hanampy anareo hahatratra ireo tanjona ireo.
Raha lazaina amin’ny fomba hafa ny Romana 12:12, dia manao hoe “Mifalia ao amin’ny fanantenana, mahareta ao amin’ny fahoriana ary mahatokia ao amin’ny fivavahana.” Azonareo hialàna ireo sarimiaina amin’ny Sabotsy maraina eo amin’ny fiainanareo ary afaka miaina sy mahatratra izay rehetra nampanantenan’ny Mpamonjy antsika isika.
Mijoro ho vavolombelona amin’ny fomba manetriketrika aho ny amin’ny maha-Andriamanitra an’i Jesoa Kristy. Noho Izy dia tsy mila matahotra isika, satria ao Aminy dia feno ny fifaliantsika. Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.
© 2016 nataon’ny Intellectual Reserve, Inc. Zo rehetra voatokana. Fankatoavana ny tamin’ny teny Anglisy: 6/16. Fankatoavana ny fandikana: 6/16. Fandikana ny “‘Fear Not … in Me Your Joy Is Full’ (D&C 101:36).” Malagasy. PD60002153 654