Fampaherezam-panahy tamin’ny 2016
Mitadiava fifaliana eo amin’ny fiainana andavanandro


Mitadiava fifaliana eo amin’ny fiainana andavanandro

Takariva niarahana tamin’ny Loholona Quentin L. Cook

Fampaherezam-panahy maneran-tany ho an’ny tanora tokan-tena sy mpivady vao herotrerony •  11 septambra 2016 • Ivontoeran’ny tsatòkan’i Washington D.C.

Raisiko ho fitahiana lehibe ny miaraka aminareo amin’ity takariva ity.

Rehefa tonga teto an-tany ity isika dia nentintsika niaraka tamintsika ny toe-panahy araka an’ Andriamanitra amin’ny maha-zanak’ Andriamanitra antsika. Avy any an-danitra ny maha-izy ny tsirairay avy amintsika. Rehefa takatsika ny toe-panahintsika araka an’ Andriamanitra sy ny tanjona maha-eto an-tany antsika dia afaka mandresy ireo fanamby sy ireo fitsapana isika ary mijanona ho marina amin’ireo fanekempihavanana nataontsika. Mamaritra ny ho fahombiazantsika eo amin’ny fiainantsika eto an-tany ny zavatra tsapantsika momba ny tenantsika. Mihatsara ny fiheverantsika ny tenantsika rehefa tratra ireo zavatra fototra ilain’ny olombelona. Hilaza anankitelo aho: ny fahatsapana fa mila tiavina, ny fahatsapana fa mila raisina tsara, ary ny fahatsapana fa mila mahomby na mahatontosa zavatra.

Rehefa tsy tratra ireo zavatra ilaina ireo dia mahatsapa ho tsy tiana, tsy noraisina tsara sy tsy mahomby isika. Izany dia mahatonga fahatsapana fahasorenana, fahakiviana, fahatsapana ho mahonena, fitokana-monina ary fahatsapana ho manirery. Miady amin’ireo fahatsapana ireo avokoa isika rehetra.

Vao haingana aho no niresaka tamin’ny namana iray izay naneho tamiko ny taratasim-panontaniana nomena ny mpianatra any amin’ny ambaratonga faharoa. Rehefa nanontaniana azy ireo izay neritreretiny ho olana lehibe indrindra ananan’izy ireo dia maro no nanoratra hoe “fanirery.” Mety hanirery isika na manambady na tokan-tena.

Samy mahatsapa ho manirery isika rehetra amin’ny fotoana samy hafa eo amin’ny fiainantsika. Nilaza ny Filoha Gordon B. Hinckley indray mandeha hoe: “Mino aho fa ho an’ny ankamaroantsika, ny fanefitra tsara indrindra ho an’ny fahatsapana ho manirery dia ny asa sy ny fanompoana ho an’ny hafa.”1

Amiko dia sosokevitra tsara izany.

Toy izao no nilazan’ny Filoha Thomas S. Monson izany: “Mety hanamaizina ny lalantsika ny fahakiviana indraindray; mety ho namana tsy tapaka ny fahasorenana. … Amim-patokiana ny Tompo dia aoka isika … haka antoka fa mijoro mafy tsara eo amin’ny lalan’ny fanompoana ny tongotsika ary manolo-tena hanaraka ny ohatra nasehon’ny Tompo ny fo sy ny fanahintsika.”2

Aoka isika hanao zavatra tsy tapaka sy hazoto hirotsaka ao amin’ny asan’ny Fiangonana. Mijanona akaiky ny Raintsika any An-danitra ao amin’ny vavaka sy ny fandalinana ny soratra masina. Tadiavo ireo ohatra ao amin’ny soratra masina izay nandresen’ny olona hafa na niadiany tamin’ny fanirery. Eritrereto i Môrônia sy ny fahatsapany ho manirery rehefa nanao ny rakitsorany momba ny fandravana ny vahoakany izy. Nanoratra izy hoe:

“Koa hanoratra sy hanafina ny rakitsoratra ao anaty tany aho; ary na aiza na aiza alehako dia tsy ahoako.

“… Satria irery aho. Efa novonoina tamin’ny ady ny raiko sy ny ankohonako rehetra, ary tsy manana namana aho, na izay aleha; ary mandra-pahoviana no hamelan’ny Tompo ahy ho velona, izany dia tsy fantatro.”3

Amiko dia manan-danja ny mahatsiaro fa tsy tena irery na oviana na oviana isika. Nampanantena fiononana ho antsika ny Mpamonjy. Raha toa ka mendrika isika dia ho namantsika tsy tapaka ny Fanahy Masina. Manampy antsika mandritra ireo fotoana maha-irery ny fitaomany. Mety ho irery isika, saingy tsy voatery hanirery. Tiako ilay hira hoe: “Mila anao aho.”4

Tena misy ny fahatsapana hoe mila fitiavana sy fandraisana tsara.

Mijanona akaiky ny fianakavianareo, izay toerana hitiavana sy handraisana tsara anareo amin’ny fomba tsy hay lazaina. Mandraisa anjara ao amin’ny paroasy na sampana misy anareo. Aoka ho mendrika ny ho any amin’ny tempoly mandrakariva. Raha tokan-tena ianareo dia mampiaraha amin’ireo izay mendrika ny ho any amin’ny tempoly. Aza kivy amin’ireo tsy fahatomombanana eo amin’ireo izay mifanena aminareo; mitombo eo amin’ny fahaiza-manao sy mivoatra isika rehefa mandroso eo amin’ny fiainana.

Ny fahatsapana hoe mila mahomby dia mahery vaika sy tena mamporisika tokoa.

Ny olona rehetra dia manana fanomezam-pahasoavana iray avy amin’ Andriamanitra.5 Tadiavo ireo fanomezam-pahasoavana miavaka anananareo ary mifalia ao amin’izy ireny. Kolokoloy izy ireny. Jereo ny tsodranon’ny patriarika anareo, dia ianaro ny torohevitra, ireo fampitandremana, ireo fanomezam-pahasoavana ary ireo fampanantenana ao amin’izany.

Tsy nandeha tany amin’ny tempoly ny ray aman-dreniko raha tsy efa nanambady aho ary teraka ireo zanakay. Tsy nieritreritra aho hoe ho voafehy ho fianakaviana mandrakizay izahay. Nila naharitra sy niandry ny Tompo aho tamin’izany fitahiana izany.

Mieritreritra matetika momba ny toe-panahin’ny faharetana aho ary mieritreritra momba ireo fomba maro ampianaran’ny Tompo antsika mba hanana faharetana. Tiako ny fomba namariparitana izany ao amin’ny Torio ny filazantsarako: “Ny faharetana dia fahaizana miaritra tsy am-pahatezerana, na am-pahadisoam-panantenana, na am-piahiahiana ny fanemorana, ny olana, ny fanoherana, na ny fijaliana. Izany dia midika fahavitana manao ny sitrapon’ Andriamanitra sy fahaizana manaiky ny fandaminam-patoanany. Rehefa maharitra ianao dia mahazaka izay fitsapana mitranga ary afaka miaritra fahoriana amin’ny fo tony sy fanantenana. … Tsy maintsy miandry ny fahasoavana nampanantenain’ny Tompo ho tanteraka ianao.”6

Efa tiako hatrizay ny Salamo 27:14: “Miandrasa an’i Jehovah hianao; matokia, ary aoka hahery ny fonao; eny, miandrasa an’i Jehovah.”

Na inona na inona toe-javatra iainanareo amin’izao fotoana izao, mitadiava fifaliana eo amin’ny fiainana andavanandro. Tsy ho mahafinaritra ve ny mifoha isa-maraina sady miteny hoe: “Mahatsapa ho tiana aho, mahatsapa ho voaray tsara, ary mahatsapa ho mahomby.” Afaka manao izany isika rehetra!

Enga anie ianareo hahita fifaliana sy fahasambarana eo am-pandiavanareo ity dia eto an-tany ity. Enga anie ianareo hanana fiainana mendrika mba hanana ny Fanahy Masina ho namanareo mandrakariva ary ny vavaka ataoko dia hoe enga anie ianareo handray ny fitahiana rehetra izay natokan’ny Tompo ho anareo. Amin’ny anarana masin’i Jesoa Kristy, amena.

Fanamarihana

  1. Gordon B. Hinckley, “A Conversation with Single Adults,” Ensign, mar. 1997, 61.

  2. Thomas S. Monson, “The Path to Peace,” Ensign, mey 1994, 62.

  3. Môrmôna 8:4–5.

  4. “Mila anao aho,” Fihirana sy hiran’ny ankizy, lah. 98.

  5. Jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 46:11–12.

  6. Torio ny filazantsarako: Torolalana ho an’ny asa fanompoan’ny misiônera (2004), 145.

Hamoaka printy