Fampaherezam-panahy tamin’ny 2017
Fibebahana sy fiantrana


Fibebahana sy fiantrana

Takariva hiarahana amin’ny Loholona Kim B. Clark

Fampaherezam-panahy maneran-tany ho an’ny tanora tokan-tena sy ny mpivady vao herotrerony, mey 2017 • 7 Mey, 2017 • Salt Lake Tabernacle

Ny Loholona Clark sy ny tenako dia faly miaraka aminareo mandritra ity fampaherezam-panahy maneran-tany ity.

Te hizara hevitra sasantsasany akaiky ny foko aminareo aho izay antenaiko fa hanampy anareo ihany koa.

Voalohany, dia tiako ny haneho fitiavana: Lasa nanana fahatsapana miavaka tao am-poko aho ho an’ireo tanoran’ny Fiangonana. Eo amin’ny fotoana izay handraisanareo fanapahan-kevitra manan-danja eo amin’ny fiainanareo izao no misy anareo, fanohizana ny fianaranareo, fiatadiavana asa, fanompoana amin’ny fotoana feno, fitadiavana ilay ho namana mandrakizay, fanambadiana, ary fanorenana fianakaviana. Nahatsapa sy niaina ny hery mahery vaika izay tsy hoesorina aminareo mandrakizay aho rehefa manao sy mitandrina ireo fanekempihavanana masina ianareo ary mikatsaka ny sitrapon’ny Tompo amin’ny fandraisanareo ireny fanapahan-kevitra ireny. Mahatalanjona ianareo! Ary ianareo dia tian’ny Tompo. Fantatro izany.

Tiako ihany koa ny hizara aminareo ny fijoroako ho vavolombelona sy ny teny fankaherezana vitsivitsy. Tiako ho fantatrareo fa fantatro fa Andriamanitra no Raintsika velona any An-danitra. Fantatro fa nomeny antsika ny drafitry ny famonjena sy ilay fanomezana mahagaga ny Zanany, Jesoa Kristy, Mpanavotra sy Mpamonjy antsika. Fantatro fa ny Mpaminany Joseph Smith no mpaminanin’ny fitantanan’ny fotoam-pahafenoana. Fantatro fa ho avy indray i Kristy ary isika dia mila miomana ho amin’izany izany.

Ahoana no hiomanantsika ho amin’ny fotoana goavana toy izany? Mety mahatrotraka ny mieritreritra izany! Be ny zavatra tsy maintsy atao! Tiako ny hanome fankaherezena sy fanantenana amin’ny alalan’ny fitsipika roa izay hanampy antsika ho vonona, dia ny fibebahana sy ny fiantrana izany.

Nampianatra antsika ny Filoha Monson nandritra ny fivoriam-be manaren-tany tamin’ny Ôktôbra farany teo fa: “Ampahany tena manan-danja amin’io drafitra io i Jesoa Kristy, Mpamonjintsika. Raha tsy nisy ny sorona fanavotana nataony dia ho very avokoa ny rehetra. Tsy ampy anefa ny mino fotsiny Azy sy ny asa nanirahana Azy. Mila miezaka sy mianatra isika, mikatsaka sy mivavaka, ary mibebaka sy mihatsara.”1

Tsy maintsy mibebaka isika. Fitahian-dehibe izany! Afaka ny handresy ny fahalemena, ny fijaliana, ny fahoriana, ary ny fahotana rehetra isika amin’ny alalan’ny Sorompanavotana sy ny herin’i Jesoa Kristy. Nianatra aho fa raha toa ka hoe ny fahotana dia matetika no mikasika ny fanatsaharana zavatra iray ataonao, dia afaka ny ho fanombohana ny zavatra izay tsy mbola nataonao hatrizay ihany koa izany.

Iray amin’ireo zavatra tena manan-danja indrindra mila atombontsika atao izay tafiditra ao anatin’ny fibebahana ny manompo ny hafa. Amin’ny alalan’ny fanompoana ny hafa, sy ny fiaraha-miasa akaiky amin’ny Tompo, ary ny fiainana ny fitiavany madio no tena ahafahantsika mahafantatra marina ny Mpamonjy. Nanatri-maso ny herin’ny fitiavana izay tonga amin’ny alalan’ny fanompoana ny hafa aho nandritra ny fivoriana fanasan’ny Tompo iray, vao iray volana lasa izay.

Niditra ny efitrano fanasan’ny Tompo aho niaraka tamin’ny namako iray izay nihato niarahaba ny iray tamin’ireo zazavavy kely tao amin’ny kilasin’ny Kilonga niandraiketany. Nandritra ilay fivoriana ny namako dia notohanana ho filoha vaovao an’ny Fikambanana Ifanampian’ny tsatoka. Nierikerika nitodika tany aoriana tany amin’ilay namako ilay zazavavy kely noharabainy tamin’izahay niditra ny efitrano fanasan’ny Tompo. Fantatr’ilay tovovavy kely mahafinaritra fa hisaorana amin’ny antsony ilay mampianatra azy ka dia nanomboka nitomany izy. Nidina faingana avy teo am-pitoerany izy ka niantoraka teo an-tsoroky ny reniny! Nitodika tany amin’ilay namako aho, ilay filoha vaovao an’ny Fikambanana Ifanampian’ny tsatoka, ka hitako izy latsa-dranomaso ihany koa! Nahery vaika ho ahy izany porofom-pitiavana izany. Tsapako ho nanomboka nanganohano ihany koa ny masoko. Nanatri-maso ny fanomezam-pahasoavan’ny fitiavana madion’i Kristy omen’ny Mpamonjy ireo mpanara-dia Azy marina aho noho ny fanompoan’izy ireo ao amin’ny fanjakany.

Ao amin’ny Môrônia toko faha 7, i Môrmôna dia mampianatra antsika hoe:

“Noho izany ry rahalahiko malala, raha tsy manana fiantrana ianareo dia tsinontsinona, fa ny fiantrana tsy ho levona mandrakizay. Koa, mifikira amin’ny fiantrana izay ny lehibe indrindra amin’ny zavatra rehetra, fa ny zavatra rehetra dia tsy maintsy ho levona—

“Fa ny fiantrana kosa dia ny fitiavana madion’i Kristy ary maharitra mandrakizay izany.”2

Ry anadahiko sy rahavaviko isany, mivavaka aho mba hampiharan’ny tsirairay avy amintsika ny finoana an’i Jesoa Kristy mba hitodihana any Aminy, hibebahana amin’ny fahotantsika, ary hanompoana Azy amin’ny fontsika manontolo. Fantatro fa raha manao izany isika dia tena ho lasa mpanara-dia Azy marina. Ary raha toa isika ka “mivava[ka] amin’ny Ray amin’ny herin’ny fontsika manontolo, mbahahazoana mameno ny [antsika] amin’[ny] fitiava[ny],”3 dia fantatrao fa hanana finoana, fanantenana, ary fitiavana bebe kokoa, eny dia ny fitiavana madion’i Kristy. Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.

Fanamarihana

  1. Thomas S. Monson, “Ilay lalana tonga lafatra mankany amin’ny fahasambarana,”Ensign na Liahona, nôv. 2016, 80–81.

  2. Môrônia 7:46–47.

  3. Môrônia 7:48.

Hamoaka printy