Fampaherezam-panahy tamin’ny 2017
Ianao no Joseph


Ianao no Joseph

Takariva hiarahana amin’ny Loholona Kim B. Clark

Fampaherezam-panahy maneran-tany ho anʼny tanora tokan-tena sy mpivady vao herotrerony • 7 mey 2017 • Tabernakelin’i Salt Lake

Ry rahalahiko sy anabaviko malala, feno fankasitrahana aho miaraka aminareo amin’izao alina izao. Mahatsapa fitiavana lehibe ho anareo aho. Isaky ny miaraka amin’ireo tanoran’ity Fiangonana ity aho dia mahatsapa fitiavana sy mahatsapa fifaliana!

Manasa anareo aho mba hanaraka ahy amin’ity takariva ity amin’izay antenaiko fa ho dia feno fianarana sy finoana ary aingam-panahy. Te hitondra anareo hiverina any amin’ireo fotoana voalohandohan’ny nitrangan’ny Famerenana amin’ny laoniny aho, raha mbola tanora i Joseph Smith. Manasa anareo hiroboka amin’ny dia anankiray izay efa nataoko aho. Nandany ny ankabeazan’ny fiainako tamin’ny fandalinana sy ny fampianarana momba ny mpitarika sy ny fikambanana tarihan’izy ireo aho. Fitahiana ho ahy ny nahafantarako mpitarika lehibe maro sy ny nahafahako niara-niasa tamin’ireo fikambanana tsara indrindra natsangan’olombelona manerana ny tany. Saingy ity fotoana anankiray hiverenantsika hijery ireo zavatra niainan’i Joseph tany am-piandohan’ny Famerenana amin’ny laoniny ity dia nanamafy ny fahareseko lahatra fa izaho sy ianao dia mpikambana ao amin’ilay fikambanana mahavariana indrindra eto ambonin’ny tany, dia ny Fiangonan’ny Tompo izay marina sy velona.

Tiako ny hisarika anareo amin’ny fotoana iray tamin’ny fiainan’i Joseph raha niatrika fotoana maloka sy sarotra izy. Fotoana iray izay nianarany momba ny tenany izany sy momba ny hoe iza ny Tompo ary momba ny fomba hiasan’ny Tompo miaraka aminy.

Ho avy ny fotoana hahatonga an’i Joseph ho ilay mpaminany lehiben’ny Famerenana amin’ny laoniny, hananarany ireo mpiambina tao amin’ny fonjan’i Richmond amin-kery lehibe izay hampangovitra ireo mpiambina ireo, hanorenany ny Fiangonana, hanatanterahany fahagagana lehibe, hitoriany ny filazantsara miaraka amin’ny fampianaram-baovao mahavariana, hanorenany tanàna sy tempoly, ary hametrahany ny fototry ny fanangonana an’i Isiraely sy ny asa famonjena eo amin’ny lafiny roa an’ny voaly. Saingy te hitondra anareo amin’ny fotoana iray talohan’izany aho, raha mbola tsy lasa ilay olona tokony hahatongavany i Joseph. Tiako ny hiresahantsika mikasika ireo fotoana ireo satria izany fotoana izany ho an’i Joseph dia tahaka izao fotoanareo izao ho anareo. Mino aho fa mirakitra lesona manan-danja azonareo ianarana momba ny Tompo Jesoa Kristy sy ny fotopampianarany ary momba an’i Joseph Smith mpaminaniny, ireo fotoana naha-tanora an’i Joseph. Fantatro fa rehefa mihaino miaraka amin’ny Fanahin’ny Tompo ianareo anio alina dia hitombo ny fitiavanareo ny Tompo sy ny Ray any an-danitra, ny finoanareo Azy ireo, ary hatanjaka kokoa ny fijoroanareo ho vavolombelona momba ny Famerenana amin’ny laoniny sy ny Mpaminany Joseph Smith.

Ilay Tantara

Atomboko amin’ireo takelaka volamena ilay tantara. Nandray ireo takelaka avy tamin’ny Anjely Môrônia i Joseph Smith, izay 21 taona, tamin’ny volana septambra 1827, niaraka tamina vato roa ao anaty tandro-bolafotsy izay nantsoin’ny Nefita hoe fandikan-teny, na ny Orima sy Tomima.1 Taty aoriana, tamin’ny fararanon’io taona io dia nifindra monina tany Harmony, Pennsylvanie i Joseph sy i Emma vadiny, izay tanàna nahalehibe an’i Emma, noho ny fanenjehana mahavaivay nisy tao Palmyra, New York. 2

Tao Harmony dia nandika ny soratra sasany tao amin’ireo takelaka i Joseph ary nandalina izany. Nangataka an’i Martin Harris namany izy mba hitady olona handika teny ny takelaka saingy tsy nahita olona hanao izany i Martin.3

Rehefa tonga ny volana febroarin’ny taona 1828 dia nihanazava tamin’i Joseph fa izy tenany no handika teny ny takelaka miaraka amin’ny fanampian’ireo fitaovana fandikan-teny.4 Rehefa nandeha ny fotoana dia nianatra ny handika ilay rakitsoratra “tamin’alalan’ny fanomezana sy herin’ Andriamanitra”5 i Joseph.

I Emma, izay bevohoka ny zanak’izy ireo voalohany no mpitantsoratr’i Joseph voalohany. Efa niasa tamin’ny fandikana ilay rakitsoratra izy sy i Joseph hatramin’ny aprily 1828, rehefa tonga tao Harmony mba ho mpitantsoratr’i Joseph i Martin Harris.

Tamin’ny volana jona dia vitan’i Joseph ny fandikana ny ampahany voalohany tamin’ilay rakitsoratra, tafiditra tamin’izany ilay nantsoiny hoe ny bokin’i Lehia. Naniry mafy ny hitondra ireo pejy voadika tany New York i Martin Harris mba hasehony ny vadiny sy ny fianakaviany. In-droa i Joseph no nikatsaka fahazoan-dalana avy tamin’ny Tompo, saingy “tsia” hatrany no valinteny azony. Mbola nangataka ihany i Martin ka nangataka tamin’ny Tompo fanintelony i Joseph. Tamin’io indray mitoraka io dia nanome lalana ny Tompo raha toa ka vonona ny hanome toky i Martin Harris fa tsy hampiseho izany afa-tsy amin’ny vadiny sy olona vitsy voafantina. Nientanentana erỳ i Martin nandeha avy hatrany nankany Palmyra niaraka tamin’ireo pejy voadika.

Nanahy anefa i Joseph. Tamin’io fotoana io  dia namangy an’i Joseph i Môrônia ary nibedy azy noho ny fangatahana im-betsaka nataony mba hamelana an’i Martin haka ireo pejy voadika. Nila namerina ireo fitaovana fandikan-teny sy ny takelaka tamin’i Môrônia i Joseph.6

Ho fanampin’ireo zavatra efa nanahiran-tsaina ireo dia teraka zazalahy kely i Emma, saingy tsy velona ilay zazakely. Saika maty i Emma ary nijanona teo an-doham-pandriany nandritra ny roa herinandro i Joseph. Rehefa nanomboka nihatsara ny toe-pahasalamany dia nanainga an’i Joseph mba hanadihady izay zavatra nitranga tamin’i Martin sy ireo pejy voadika i Emma.

Ny andro niverenan’i Joseph tany Palmyra dia nohamafisin’i Martin Harris ny zavatra ratsy indrindra nahian’i Joseph, dia ny nahaverezana ireo pejy voadika. Toy izao no namariparitan’ny renin’i Joseph ny zava-nitranga:

“Nitsangana avy teo an-databatra … i Joseph ka nihiaka hoe, -Ry Martin, narianao ve ilay dikanteny natao sora-tanana?  …-

“-Eny; very izany,- hoy i Martin namaly, -ary tsy fantatro hoe aiza.-

“-Hay … !- … hoy Joseph namikitra mafy ny tanany, ‘Very ny zavatra rehetra! Very ny zavatra rehetra! Inona no hataoko? Nanota aho. … Tokony ho nionona tamin’ilay valinteny voalohany izay azoko tamin’ny Tompo aho.  …- Nitomany izy sady nigogogogo ary nivezivezy tao amin’ilay efitra. …

-Inona no fanamelohana tsy ho azoko avy amin’ireo anjelin’ilay Avo Indrindra?-

“… Inona no azoko nolazaina hampiononana azy? Ny hany hitany dia ny fianakaviana rehetra tao anaty famoizam-po tahaka ny tenany; ranomaso sy gogogogo ary ny alahelo nangidy indrindra no nandrakotra ny trano. … Ary nitohy hatrany izany tomany sy alahelo izany mandrapiletiky ny masoandro izay nandraisany sakafo maivana rehefa noresena lahatra izy.

“Nandeha nody izy ny ampitson’izany. Nisaraka tamin’ny fahatsapana alahelo lehibe izahay, satria hita izao fa ny zavatra rehetra izay nandrasanay tamim-piravoana … dia nanidina tao anatin’ny fotoana iray, ary nanidina mandrakizay.” 7

Ilay dia naharitra efatr’andro niverenana tany Harmony dia tena mety ho sarotra tokoa ho an’i Joseph. Sahiran-tsaina izy momba an’i Emma, ary mbola nisaona ny nahalasan’ny zanak’izy ireo voalohany izy. Very ireo pejy voadika ary tsy teo am-pelan-tanany intsony ireo takelaka sy ireo fitaovana fandikan-teny. Mafy tokoa ilay dia fodiana.

Nanapa-kevitra ny hitodika tany amin’ny Tompo i Joseph.8 Nolazalazainy tahaka izao ny zava-nitranga taorian’ny nodiany tany Palmyra:

“Fotoana fohy taorian’ny nahatongavako dia nanomboka nanetry ny tenako tamin’ny alalan’ny vavaka mafy teo anoloan’ny Tompo aho ... [Nitalaho] tamin’ Andriamanitra ho an’ny fanahiko aho, raha toa azo natao ny hahazoako ny famindram-pony sy hahazoako famelana tamin’ireo zavatra rehetra nataoko izay nifanohitra tamin’ny sitrapony.”9

“Nandeha tongotra elaela aho dia … niseho tamiko sy nanolotra ahy ny Orima sy Tomima [ireo fitaovana fandikan-teny] indray ilay mpitondra hafatra avy any an-danitra. … Nanontany ny Tompo tamin’ny alalan’ireo zavatra ireo aho dia nandray izao fanambarana manaraka izao.”10

Voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana fizarana 3 ilay fanambarana. Izany dia fananarana mangirifiry sy antso mba hanohy ny fibebahana miaraka amina fampanantenana. Voalohany, ilay fananarana:

“Ary indro impiry  akory no efa nandikanao ny didy sy ny lalàn’ Andriamanitra ka efa nanekenao ny fandresen-dahatry ny olona.

“Fa indro, tsy tokony ho natahotra  ny olona mihoatra noho Andriamanitra ianao. Na dia ataon’ny olona tsinontsinona aza ny torohevitr’ Andriamanitra ary amavoiny ny teniny—

“Dia tokony ho nahatoky ianao; ary dia ho namelatra ny sandriny Izy ka ho nanohana sy ho niaro anao tamin’ny zanatsipìka  mirehitra rehetra an’ny fahavalo; ary dia ho niaraka taminao Izy tamin’ny fotoan-tsarotra rehetra.”11

Natosiky ny fandresen-dahatra sy ny fatahorana ny olombelona i Joseph raha nangataka ny Tompo im-betsaka hanome lalana ny hitondran’i Martin Harris ireo pejy voadika. Efa nanomboka nibebaka i Joseph, saingy nampianatra azy ny Tompo fa mbola betsaka ny zavatra tokony natao:

“Indro, ianao no Joseph, ary ianao dia nofinidy hanao ny asan’ny Tompo, saingy noho ny fandikan-dalàna, raha tsy mitandrina ianao dia ho lavo.

“Nefa tsarovy fa feno famindram-po Andriamanitra; koa mibebaha amin’izay efa nataonao ka mifanohitra amin’ny didy izay nomeko anao, dia mbola voafidy ihany ianao ary antsoina indray ho amin’ny asa.”12

Notakian’i Môrônia tamin’i Joseph ny namerenany ireo takelaka sy ireo fitaovana fandikan-teny saingy nampanantena izy hoe: “Raha toa tena manetry tena tokoa ianao ary mibebaka dia mety ianao no hahazo azy ireo indray.” 13 Nibebaka hatrany i Joseph ary tsy ela akory dia nandray ireo takelaka sy fitaovana fandikan-teny avy tamin’i Môrônia.14

Taty aoriana, noho ny fanahiana ny fiadanam-pandehan’ny fandikan-teny nandritra ny ririnina 1829 dia nangataka ny Tompo mba handefa mpitantsoratra ho azy i Joseph.15 Tamin’ny volana aprily dia nandefa an’i Oliver Cowdery ny Tompo hankany Harmony mba ho mpitantsoratr’i Joseph taorian’ny fiovampo mahagagan’i Oliver.16

Rehefa tonga i Oliver dia nandroso haingana ny asa fandikan-teny.

Feno fahagagana sy fitahiana ho an’i Joseph ny nanaovany ny fandikan-tenin’ny Bokin’i Môrmôna.

Ny zavatra tokony natao nanoloana ny bokin’i Lehia anefa dia azo antoka fa nanahiran-tsaina azy. Raha tsy nisy ny rakitsoratr’i Lehia dia tsy ho nisy ny tantaran’ny fianakavian’i Lehia, na ny dia nankany amin’ny tany nampanantenaina, na ny niavian’ny Nefita sy ny Lamanita.

Tamin’ny mey 1829 dia nanambara drafitra tamin’i Joseph ny Tompo, izay efa novolavolaina taon-jato maro lasa izay, mba hanoloana ny Bokin’i Lehia amin’ny rakitsoratra izay fantatsika ankehitriny amin’ny hoe ny takelaka kelin’i Nefia. Ireo takelaka ireo dia mirakitra famintinana ny bokin’i Lehia sy ireo faminaniana sy fampianaran’i Nefia ary mpaminany hafa. Izany rakitsoratra izany, izay hita ao amin’ny Bokin’i Môrmôna manomboka amin’ny 1 Nefia ka hatramin’ny Tenin’i Môrmôna dia avy amin’ny Tompo, narovana nandritra ny taon-jato maro, ary nampidirin’i Môrmôna tao amin’ny rakitsoratra teo ambany fitarihan’ny Tompo.17

Tsy namerina nandika ny bokin’i Lehia intsony i Joseph sy i Oliver. Nampitandrina an’i Joseph ny Tompo fa misy ireo olon-dratsy izay nanisy fiovana tao amin’ireo pejy voadika tamin’ny voalohany ary miandry fotsiny ny hanakorontana ny asan’ny Tompo. Nandika ny takelaka kelin’i Nefia i Joseph ary nampiditra ny dikantenin’izany amin’ny fiatombohan’ny Bokin’i Môrmôna.

Nahatonga traikefa mahavariana maro ny fandikana ny Bokin’i Môrmôna. Naverina tamin’ny laoniny ny fisoronana, natao batisa i Joseph sy i Oliver ary nandray ny fanomezana ny Fanahy Masina.18 Vavolombelona iraika ambin’ny folo no nahita ny takelaka ary nijoro ho vavolombelona ny amin’ny fisian’izany.

Ny Bokin’i Môrmôna, miaraka amin’ny tenivavolombelon’ireo vavolombelona dia navoaka tamin’ny taona 1830. I Martin Harris, izay anisan’ireo vavolombelona dia nanao antoka ny toeram-pamboleny sy fiompiany mba handoavana ny fanontana ilay boky.

Ireto dia zavatra sarobidy anankiroa avy amin’ireo zavatra manan-tantara notehirizin’ny Fiangonana izay tiako haseho anareo. Ny voalohany dia pejy iray ao amin’ilay boky sora-tanana voalohan’ny Bokin’i Môrmôna. Ity pejy ity dia ahitana ny dikanten’ny 1 Nefia 3:7 amin’ny teny Anglisy:

“ Handeha aho ary hanao ny zavatra izay efa nandidian’ny Tompo, satria fantatro fa tsy manome didy ho an’ny zanak’olombelona ny Tompo raha tsy efa nanomana lalana ho azy mba hahazoany manatontosa ny zavatra izay andidiany azy.”

Ilay zavatra sarobidy faharoa dia tahadikan’ny edisiôna voalohan’ny Bokin’i Môrmôna.

Ny zavatra azon’i Joseph tamin’ny alalan’ny fanambarana dia navoaka printy tany Palmyra ary ao anatin’ity Bokin’i Môrmôna ity izany. Ilay tantara nolazaiko taminareo momba an’i Joseph fony izy tanora, momba an’i Emma, Martin Harris, Oliver Cowdery, Môrônia, ary ny Bokin’i Môrmôna dia marina.

Ny dikan’izany tantara izany ho anareo

Manasa anareo aho, ry rahalahiko sy anabaviko malala mba handinika ny fiainanareo miaraka amin’ny fiheverana izany tantara izany. Manomana sy mampianatra anareo ny Tompo tahaka ny nataony tamin’i Joseph fony izy tanora. Maro ny lesona manan-danja ho anareo ao amin’ireo zavatra niainan’i Joseph. Anio alina aho dia te hifantoka amin’ny anakintelo amin’izany: finoana sy fatokisana an’i Jesoa Kristy, fibebahana, ary ny hery ara-panahin’ny Bokin’i Môrmôna.

Lesona 1: Finoana sy fatokisana an’i Jesoa Kristy

Atomboko amin’ny lesona 1: Finoana sy fatokisana an’i Jesoa Kristy.

Tiako ianareo handinika vetivety monja ny toetoetry ny zavatra niainan’i Joseph rehefa nangataka azy hangataka fahazoan-dalana fanintelony tamin’ny Tompo i Martin Harris. Efa namaly hoe “tsia” in-droa ny Tompo. Nanome olana an’i Joseph ny fangatahana fanintelony nataon’i Martin. Fitsapana ny finoany izany.

Diniho kely anie, etsy andaniny dia nanam-pinoana an’i Jesoa Kristy sy ny Ray any an-danitra i Joseph ary notahiana tamin’ny traikefa ara-panahy mahavariana maro. Nahita sy niresaka tamin’ny Ray sy ny Zanaka izy. Nihaona tamin’i Môrônia sy mpaminany hafa izy. Vao niaina ny fahagagan’ny fandikana ny Bokin’i Lehia tamin’ny fampiasana ireo fitaovana fandikan-teny sy ny vaton’ny mpahita izy.19

Etsy ankilany kosa dia 22 taona i Joseph ary sahiran-tsaina. Nanana vady mahafinaritra be izy, izay bevohoka ny zanak’izy ireo voalohany. Tsy nanam-bola izy, ary tsy nahita fianarana na fomba hamelomana ny fiainakaviany. Olona tsy nanam-pinoana sy mpanenjika no nanodidina azy ary vitsy ny namany. Tsy nisy manam-pahaizana azony nantsoina, tsy nisy andiana mpitantan-draharaha azony nantonina, ary tsy nisy banky hamatsy vola sy hanoro hevitra azy. Fantany fa tokony nataony izay hamoahana ilay rakitsoratra saingy tsy mba fantany mihitsy ny fomba handoavana ny fanaovana printy raha toa ka handao azy i Martin Harris. Feno fisalasalana ny fiainany.

Na dia teo aza ireo zavatra ara-panahy maro niainany dia “natahotra ny olona mihoatra noho Andriamanitra”20 i Joseph ka nisafidy ny hangataka fanintelony, izay nahatonga ny tsy fifalian’ny Tompo ary ny fizorana tany amin’ny fahaverezan’ireo pejy efa voadika. Na dia teo aza izany dia namindra fo an’i Joseph ny Tompo. Nanampy an’i Joseph hibebaka Izy tamin’ny alalan’ny fitrandrahana ny finoana efa nananan’i Joseph, ary nanomana lalana Izy mba tsy hisian’ny voka-dratsy hateraky ny fahaverezan’ireo pejy voadika.

Amin’ny lafiny maro dia mitovy amin’ny an’i Joseph ny toe-javatra iainanareo. Tanora sahiran-tsaina sy feno fisalasalana mikasika ny fanambadiana sy ny fianakaviana, mikasika ny fianarana sy ny asa, ary ny fahazoana ny toerana sahaza anareo eo amin’izao tontolo izao sy ao amin’ny fanjakan’ Andriamanitra ianareo. Mety misy ireo olana sy fanamby hafa eo amin’ny fiainanareo.

Tahaka an’i Joseph dia efa manana loharano sy traikefa ara-panahy ianareo. Nahatsapa ny Fanahin’ny Tompo tao amin’ny vavaka, ny soratra masina, ary ny fanompoana ny hafa ianareo. Efa niaina ny fitiavana sy ny famindrampo ary ny herin’i Jesoa Kristy Tompo tao amin’ny fibebahana, sy ny fanasan’ny Tompo, ary ny tempoly masina ianareo.

Rehefa miatrika fitsapana ianareo, izay hitranga tokoa, dia aza avela ny tahotra no hamaritra ny fanapahan-kevitrareo na aza miantehitra amin’ny fandresehan-dahatry ny olombelona. Fa manasa anareo aho hanao ireo zavatra izay nanampian’ny Tompo an’i Joseph. Mampanantena anareo aho fa hitondra hery ara-panahy eo amin’ny fiainanareo izany.

Voalohany dia trandraho ireo traikefa sy loharano ara-panahy efa anananareo mba hitomboana finoana sy fatokisana an’i Jesoa Kristy. Miantehera amin’ireo fitahiana ara-panahy efa tsapanareo sy niainanareo mba hahazoana tanjaka handrosoana amim-pinoana ao amin’ny Mpamonjy. Izy no fitahiana lehibe indrindra. Tsy ho levona velively ny fitiavany. Hiaraka aminareo Izy amin’ny fotoana rehetra hisian’ny olana.

Faharoa, miandrandrà amin’ny masom-pinoana mba hahitana ny fiasan’ny Mpamonjy eo amin’ny fiainanareo. Tsarovy ny nanomanan’ny Tompo an’i Oliver Cowdery ho lasa mpitantsoratr’i Joseph ary ny nanampiany an’i Joseph mba tsy hisian’ny voka-dratsy nateraky ny fahaverezan’ireo pejy miisa 116 tamin’ny alalan’ny takelaka kelin’i Nefia.21 Niasa teo amin’ny fiainan’i Joseph ny Tompo ary miasa eo amin’ny fiainanareo koa Izy. Manana ny maha-izy anareo mandrakizay ianareo sy tanjona mandrakizay ary hoavy mandrakizay. Miasa eo amin’ny fiainanareo ny Tompo amin’izao fotoana izao. Eo anoloanareo Izy, manokatra varavarana ho anareo Izy, manomana olona hafa hanampy anareo Izy, ary manokatra ny lalana eo anoloanareo Izy.

Lesona 2: Fibebahana

Izao aho dia hiresaka momba ny lesona 2: Fibebahana.

Andao hiverina kely amin’ilay fotoana nahafantaran’i Joseph fa very ireo pejy efa voadika. Nahafantatra i Joseph fa nahavita fahotana tamin’ny Tompo izy ary nandika ny didiny. Heniky ny fanenenana sy ny alahelo izy. Saingy nitodika tamin’ny Tompo i Joseph ary nahita ny fahagagan’ny voavela heloka sy ny fifalian’ny fanavotana.

Fenitra avo dia avo no nametrahan’ny Tompo an’i Joseph, ary tsy azo niadiana varotra izany. Noraisiny ho tahaka ilay mpaminany tiany hahatongavany i Joseph. Natahotra ny olona mihoatra noho Andriamanitra i Joseph. Natoky ny fahatakaran’ny tenany manokana izy fa tsy ny an’ Andriamanitra. Ho an’i Joseph, ny fibebahana dia mihoatra lavitra noho ny fitenenana fotsiny hoe: “Diso aho. Miala tsiny aho fa nariako ireo pejy voadika.” Nila nandresy ny toe-tsaina sy tahotra ary fironana teo amin’ny fiainany izay fototry ny fahotany i Joseph. Ary nila nitombo sy nianatra ary niova nandritra ny fiainany manontolo izy.

Nila fiovan’ny fo izay tsy ho nisy raha tsy amin’ny alalan’ny famindram-po sy ny fitiavana ary ny herin’i Jesoa Kristy i Joseph. Dia izany mihitsy no azon’i Joseph. Nahafantatra ny Tompo fa afaka hanana toetra aman-panahy tsara i Joseph. Rehefa niteny tamin’i Joseph Izy hoe, “Ianao no Joseph. … Mibebaha … , dia mbola voafidy ihany ianao,”22 dia afaka mandre ny Mpamonjy manolotra ny fitiavany sy famindram-pony, sy maniry fatratra ny hiovan’i Joseph ianareo.

Afaka mandre ny Tompo mampianatra an’i Joseph ihany koa ianareo mikasika ny hoe iza marina moa izy. Mety ho nahantra izy tamin’ny fahazazany, zazalahy mpiompy sy mpamboly tsy nahita fianarana, saingy tsy izany no tena maha-izy azy. Izy no Joseph ilay Mpaminany, mpahita finidy izay amin’ny alalany no hamerenan’i Jesoa Kristy amin’ny laoniny ny fahafenoan’ny filazantsarany eto an-tany.

Rehefa niantso an’i Joseph mba hibebaka ny Tompo dia antso ho an’i Joseph mba hanao izay fiovana ilaina hitsanganana sy hijoroana amin’ny tena maha-izy azy amin’ny alalan’ny herin’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy izany. Efa nijaly ny zavatra rehetra nianjady tamin’i Joseph ny Mpamonjy, izay zavatra tena nisy tokoa sy sarotra ary tena nanahirana. Nanolotra an’i Joseph ny fomba fahazoana famelan-keloka sy fanavotana i Jesoa Kristy. Tao anatin’ny andro sy herinandro ary volana maro dia nikatsaka ny famelan-keloka avy tamin’ny Tompo ary ny heriny manavotra i Joseph, dia nahazo izany izy.

Ry rahalahy sy anabavy, mametraka fenitra avo dia avo ho anareo ihany koa ny Tompo, ary tsy azo iadiana varotra izany. Raisiny ho toy ilay mpianatra mahery fo sy feno fangorahana izay tiany hahatongavanareo ianareo. Saingy tiany koa anefa ianareo, tahaka ny nitiavany an’i Joseph. Misy fotoana isika rehetra ho lavo, ary isika tsirairay dia mila ireo fitahiana azo avy amin’ny fibebahana.

Araka ny hitanareo tamin’ny zavatra niainan’i Joseph , ny fibebahana dia mihoatra lavitra noho ny filazana amin’ny Tompo sy ny evekanareo fa nahavita zavatra tsy nety ianareo. Ny hoe manota dia miala amin’ny Tompo. Ny hoe mibebaka dia miverina Aminy indray. Mitaky fiovan’ny fo sy ny saina ny fibebahana, fiovan’ny fiainana izay voatefy araka ny toe-javatra misy anareo manokana.

Ankoatra izany anefa dia mitahy anareo hatrany hatrany ny fibebahana. Izany no fomba hanampian’ny Tompo antsika hihatsaratsara kokoa hatrany mandritra ny fiainantsika. Izany no fomba hitsangananareo sy hahatongavanareo amin’ny maha-izy anareo dia zanakalahy sy zanakavavin’ Andriamanitra ary mpanara-dia marina an’i Jesoa Kristy.

Marina ireo fampanantenana ry rahalahy sy anabavy. Mitodiha amin’i Jesoa Kristy Tompo, mibebaha amin’ny fahotanareo, ary tandremo ireo didy. Manana famindram-po tsy manam-petra Izy,23 ary taty aoriana i Joseph dia nampianatra hoe, “Ny Raintsika any an-danitra dia … tsy manisy fetra raha ny amin’ny famindram-pony sy ny fitahiany, mihoatra noho izay inoantsika na antenaintsika.”24 Nisafidy ny hijaly ho an’ny fahotanareo sy ny fanaintainanareo ary ny alahelonareo rehetra i Jesoa Kristy mba hahafahany mamela, manasitrana, manova, mampatanjaka, ary mitahy anareo amin’ny fifaliana. Mpamonjy sy Mpanavotra antsika marina Izy.

Lesona 3: Ny hery ara-panahin’ny Bokin’i Môrmôna

Izao aho dia hamelabelatra ny lesona 3: Ny hery ara-panahin’ny Bokin’i Môrmôna.

Rehefa voavela heloka i Joseph dia nifaly izy nandray indray ny takelaka sy ireo fitaovana fandikan-teny.25 Ny zavatra niainany tamin’ny nahaverezan’ireo pejy efa voadika dia nampiredareda tao anatiny ny maha-manan-danja ny Bokin’i Môrmôna ao amin’ny asan’ny Tompo. Ny hafatra fototr’ireo mpaminanin’ny Bokin’i Môrmôna dia ny fijoroan’izy ireo ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy sy ny fotopampianarany. Misy hery ara-panahy ao amin’io boky io.

Afaka mahita izany hery izany isika ao amin’ny fandikan-teny niainan’i Joseph. Tsy nandeha ho azy fotsiny izao ilay fandikan-teny. Zavatra ara-panahy izany, ary nampianatra an’i Joseph ny fomba fiasan’ny Tompo sy ny Fanahy Masina. Ny Bokin’i Môrmôna dia nahafahan’i Joseph nahazo fanambarana, nanomboka tamin’ny voalohany ka hatramin’ny farany. Nampianatra an’i Joseph ny fotopampianaran’i Jesoa Kristy ny Bokin’i Môrmôna, ary nanainga azy mba hiaina izany ny Tompo, izany hoe hanao zavatra amim-pinoana an’i Jesoa Kristy, hibebaka, hatao batisa, ary handray ny Fanahy Masina.26

Nitahy an’i Joseph ny Tompo tamin’ny fampitomboana ny heriny ara-panahy tao anatin’izany zavatra niainana izany. Ohatra, rehefa vita batisa izy dia nilaza fa “heniky ny Fanahy Masina,” ary “ny hevitra marina sy ny dikan’[ny soratra masina]” dia “nambara [azy].”27

Nampiasain’ny Tompo ny fiavian’ny Bokin’i Môrmôna mba hanandratana an’i Joseph sy hitondrana an’i Joseph ho akaiky Azy bebe kokoa. Nampiofana an’i Joseph sy nankahery azy ny Tompo tamin’ny namoahany io boky io tamin’ny herin’ny Fanahy Masina.

Ny Bokin’i Môrmôna dia mety hahafahanareo mahazo fanambarana, tahaka ny tamin’i Joseph.

Nahita ny androntsika ireo mpaminany nanoratra ny Bokin’i Môrmôna. Nanoratra ho antsika izy ireo. Ny tenin’izy ireo dia natokana ho an’ny fotoana iainantsika, ny zavatra ilaintsika, ary ny tanjontsika. Raha toa ka misokatra ny fonareo rehefa mamaky sy mivavaka momba ny Bokin’i Môrmôna, ny Fanahy Masina28 dia “haneho ny fahamarinan’ izany aminareo.”29 Hahafantatra ianareo fa ny i Jesoa Kristy Tompo no Mpamonjy sy Mpanavotra anareo ary i Joseph Smith no Mpaminanin’ny Famerenana amin’ny laoniny.

Na mbola tsy mpikamban’ny Fiangonana ianao na koa efa mpikambana efa ela na vao haingana, dia manasa anao aho hanao izay nataon’i Joseph, dia ny mamaky ny boky sy mivavaka momba izany ary manao zavatra amin’ny finoana an’i Jesoa Kristy mba hibebaka sy hatao batisa ary handray ny Fanahy Masina. Dia mandrosoa avy eo mba hahazo sy hitandrina ireo ôrdônansy sy fanekempihavanan’ny famonjena rehetra, anisan’izany ny ôrdônansin’ny famehezana any amin’ny tempoly.

Fantatro avy tamin’ireo zavatra maro dia maro izay niainako manokana ny herin’ny Bokin’i Môrmôna. Tiako ny hizara ny iray amin’izany anio alina, zavatra nitranga fony aho tanora. Roa volana aho tamin’izay no tao Alemana, nandritra ny asa fitoriana nataoko tamin’ny fotoana feno.   Sarotra izany roa volana izany ary kivy aho. Indray maraina dia nandohalika nivavaka aho ary nilaza ny Ray any an-danitra ireo olako. Nilaza taminy aho hoe, “Ry Ray any an-danitra ô, mba ampio aho azafady.” Teo am-pivavahana dia nahare feo miavaka sy mazava toy ny hoe nisy olona nijoro teo akaiko aho. Nilaza ilay feo hoe: “Minoa an’ Andriamanitra.”

Nipetraka teo amin’ny fandriana aho ary nanokatra ny Bokin’i Môrmôna tao amin’ny Môsià, toko 4, andininy 9 sy 10, dia namaky ireo tenin’i Benjamîna Mpanjaka:

“Minoa an’  Andriamanitra; minoa fa misy Izy, ary Izy no nahary ny zava-drehetra, na any an-danitra na etỳ an-tany; minoa fa Izy dia manana ny fahendrena rehetra sy ny fahefana rehetra, na any an-danitra na etỳ an-tany; …

“… Minoa fa ianareo dia tsy maintsy mibebaka amin’ny fahotanareo ary mandao izany sy manetry ny tenanareo eo anoloan’ Andriamanitra; … ary ankehitriny, raha mino izany zavatra rehetra izany ianareo dia ezaho izay anaovanareo izany.”30

Teo am-pamakiana izany teny izany dia nahatsapa aho fa niresaka tamiko i Benjamîna Mpanjaka. Nahatsapa ny herin’ny Fanahy Masina tao am-poko aho. Fantatro fa izay no valin’ny vavaka nataoko. Nila natoky ny Tompo, nibebaka, ary nandeha niasa aho. Nanomboka tamin’io andro io ka hatramin’izao dia loharanon’ny hery ara-panahy eo amin’ny fiainako ny Bokin’i Môrmôna.

Ry rahalahy sy anabaviko malala isany, fantatro fa ny Bokin’i Môrmôna dia hitarika anareo ho any amin’i Jesoa Kristy sy ny fotopampianarany. Vakio ny Bokin’i Môrmôna, halalino izany, ivavaho ny momba izany, tehirizo hatrany ao an-tsainareo sy ao am-ponareo isan’andro izany, araka ny torohevitra nomen’ny Filoha Monson. Amin’ny fotoana rehetra eo amin’ny fiainanareo, ny Tompontsika sy Mpamonjy antsika dia hitondra fiadanana eo amin’ny fanahinareo, hampitraka anareo sy hampatanjaka anareo, ary hampanakaiky anareo kokoa Azy, ao amin’io boky io, amin’ny alalan’ny herin’ny Fanahy Masina.

Fijoroana ho vavolombelona

Ireo lesona anakintelo avy amin’ny fiainan’i Joseph fony izy tanora ireo dia mijoro ho vavolombelona mikasika ny herin’i Jesoa Kristy sy ny fotopampianarany. Mijoro ho vavolombelona aho fa i Jesoa no Kristy, ilay Zanakalahy velon’ilay Andriamanitra velona. Manana Mpanavotra isika. Velona Izy!

Manantena sy mivavaka aho fa hianatra avy amin’ny fiainan’i Joseph isika. Na dia sahirana aza izy tamin’ny fotoana naha-tanora azy dia natoky ny Tompo izy, ary ny Tompo dia nitahy azy mba ho lasa ilay Mpaminany lehiben’ny Famerenana amin’ny laoniny. Nanao ny asa masin’ Andriamanitra i Joseph. Marina ny Famerenana amin’ny laoniny! Tadidio izao: I Jesoa no Kristy, ary i Joseph no mpaminaniny. Misy tohivakana tsy tapaka eo amin’ny fanalahidy sy ny fahefana ary ny herin’ny fisoronana izay mampitohy an’i Joseph Smith amin’i Thomas S. Monson. Mijoro ho vavolombelona aho fa ny Filoha Monson no mpaminanin’ny Tompo eto an-tany amin’izao fotoana izao. Marina avokoa izany rehetra izany.

Noho izany ry rahalahiko sy anabaviko malala isany manerana izao tontolo izao, milaza aminareo aho anio alina hoe: matokia ny Tompo Jesoa Kristy. Nahafantatra ny anaran’i Joseph Izy; mahafantatra ny anaranao Izy. Tiany ianao ary miasa eo amin’ny fiainanao Izy. Amin’ny alalan’ny famindrampony sy ny fahasoavany ary ny fitiavany dia afaka mitraka ianareo ary, tahaka an’i Joseph Mpaminany, afaka mandresy ny fitsapana tsirairay ary lasa ilay olona tokony hahatongavanareo: mahery fo, Olomasin’ny Andro Farany mahatoky, mpitarika ao amin’ny fianakavianareo mandrakizay sy ao amin’ny Fiangonany marina sy velona , tena mpianatr’i Jesoa Kristy, heniky ny fahazavany sy ny fitiavany, vonona handray ny Mpamonjy rehefa hiverina indray Izy. Izany no ijoroako ho vavolombelona amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.

Fanamarihana

  1. Nanoro hevitra sy nampiofana ary nampianatra an’i Joseph nandritra ny efa-taona i Môrônia. Nankeo amin’ilay havoanan’i Komôrà tamin’ny andro mitovy amin’ny volana septambra isan-taona i Joseph nanomboka tamin’ny taona 1823. Isan-taona izy dia  nanam-panantenana be hatrany fa handray ny takelaka amin’izay, saingy nilaza taminy foana i Môrônia fa mbola tsy vonona izy (i Joseph). Rehefa tonga ny volana septambra 1827 dia vonona izy. Mikasika ireo fitaovana fandikan-teny, jereo nyAlmà 37:21–24. Nilaza i Joseph Smith fa ireo vato anankiroa dia nandrafitra ireo zavatra nantsoina fahiny hoe Orima sy Tomima. Jereo ny Joseph Smith—Tantara 1:35; jereo koa ny Richard E. Turley Jr., Robin S. Jensen, and Mark Ashurst-McGee, “Joseph the Seer,” Ensign, ôkt. 2015, 49–55.

  2. Nanome an’i Emma sy Joseph toeram-pambolena sy fiompiana, tranohazo, ary zavatra tsara hafa i Isaac Hale raha toa ka hiverina any Harmony, Pennsylvanie izy ireo. (jereo ny The Joseph Smith Papers, Documents, Volume 1: July 1828–June 1831, ed. Michael Hubbard MacKay and others [2013], 29; Michael Hubbard MacKay and Gerrit J. Dirkmaat, From Darkness unto Light: Joseph Smith’s Translation and Publication of the Book of Mormon (2015), 32–33). I Martin Harris, namana ary mpiompy sy mpamboly niroborobo tao an-toerana dia nanome an’i Joseph sy Emma 50 dolara mba hanampiana azy ireo hanefa ny trosan’izy ireo sy hamatsiana vola ny fifindrana tany Pennsylvanie (jereo ny The Joseph Smith Papers, Histories, Volume 1, Joseph Smith Histories, 1832–1844, ed. Karen Lynn Davidson and others [2012], 15).

  3. Momba ny resadresaka mikasika ny nandikana an-tsoratra ireo tarehin-tsoratra sy ny dia nataon’i Martin Harris dia jereo ny Richard E. Bennett, “Martin Harris’s 1828 Visit to Luther Bradish, Charles Anthon, and Samuel Mitchill,” in The Coming Forth of the Book of Mormon: A Marvelous Work and a Wonder, ed. Dennis L. Largey and others (2015), 103–15.

  4. Fitantara vitsivitsy no manohana ny hoe ireo santionana tarehin-tsoratra dia noentin’i Martin Harris tamin’ny olona farafahakeliny miisa anakintelo “mba hanadihadiana ny fahafahana mahazo fandikan-teny ary i [Joseph Smith] dia tsy nanomboka ny fandikan-teny raha tsy efa tafaverina i Harris ka tsy nahita mpandika teny” (ao amin’ny The Joseph Smith Papers, Histories, Volume 1, Joseph Smith Histories, 1832–1844, 241). Tany am-boalohan’ny tantarany dia nanoratra i Joseph Smith fa i Martin Harris “dia nilaza fa ny Tompo dia naneho taminy fa tsy maintsy nandeha tany New York izy niaraka tamin’ireo tarehin-tsoratra sasany, koa nanao tahadikan’ny sasany tamin’izany izy ary nanao ny dia nankany amin’ireo tanàna tany atsinanana sy tany amin’ny manam-pahaizana ka nilaza hoe, -Vakio ity, miangavy anareo aho,- ary ny manam-pahaizana hilaza hoe, -Tsy afaka mamaky izany izahay,- fa raha toa hoentiny ny  … takelaka dia hamaky izany izy ireo, saingy ny Tompo dia nandrara izany, dia niverina taty amiko i [Martin Harris] ary nanome izany tamiko mba ho adikako, dia nilaza aho hoe, -Tsy afaka atao[ko] izany satria tsy manam-pahaizana aho,- saingy ny Tompo dia nanomana solomaso mba hamakiana ilay boky, noho izany dia nanomboka ny fandikana ireo tarehin-tsoratra aho” (ao amin’ny The Joseph Smith Papers, Histories, Volume 1, Joseph Smith Histories, 1832–1844, 15; capitalization, punctuation, and spelling standardized for clarity).

  5. Sasintenin’ny edisiôna 1830 an’ny Bokin’i Môrmôna. Mba hahitana topimaso momba ny nandikana ny Bokin’i Môrmôna dia jereo ny Lohahevitra ara-pilazantsara (Gospel Topics) “Book of Mormon Translation,” ao amin’ny topics.lds.org.

  6. Jereo ny Manuscript History of the Church, vol. A-1, p. 10, josephsmithpapers.org.

  7. Lucy Mack Smith, Biographical Sketches of Joseph Smith the Prophet and His Progenitors for Many Generations (1853), 121–22.

  8. Fitahiana ny nahateo anivon’ny fianakaviany an’i Joseph ho rehefa nitranga ilay vaovao ratsy. Talohan’ny nankanesany tany  Harmony dia nanoro hevitra azy ny reniny hoe “angamba mety havelan’ny Tompo izy aorian’ny fotoana fohy hanetrena azy sy hibebahany” (Smith, Biographical Sketches, 121.

  9. Smith, Biographical Sketches, 125.

  10. Joseph Smith, in Manuscript History of the Church, vol. A-1, p. 10, josephsmithpapers.org.

  11. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 3:6–8.

  12. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 3:9–10.

  13. Jereo ny Smith, Biographical Sketches, 125.

  14. Misy ireo fitantara mifanipaka momba ny fotoana namerenana ireo takelaky ny Bokin’i Môrmôna. Ny fitantaran’i Joseph dia milaza hoe tao anatin’ny andro vitsivitsy saingy ny fitantaran’i Lucy Mack Smith dia milaza hoe tamin’ny septambra izany. (jereo ny Manuscript History of the Church, vol. A-1, p. 11, josephsmithpapers.org; Lucy Mack Smith, Biographical Sketches, 126).

  15. Nandritra io fararano sy ririnina io dia nanao dikan-eny maromaro niaraka tamin’i Emma izay mpitantsorany i Joseph, saingy ny ankamaroan’ny fotoana dia voatery niasa tao amin’ny toeram-pambolena sy fiompiana ary nikarakara ny tokantranony izy ireo (jereo ny Smith, Biographical Sketches, 131).

  16. Tonga tany amin-dry Smith tany Manchester, New York i Oliver Cowdery fony izy mpampianatra tany an-tsekoly. Nahare ny tantaran’ny takelaka volamena sy ny Bokin’i Môrmôna izy, ary “indray alina rehefa naka aina tao am-pandriana, dia niantso ny Tompo mba hahafantarana raha toa ka tena nisy ireny zavatra ireny, ary dia nasehon’ny Tompo taminy fa marina izy ireny” (Joseph Smith, in Manuscript History of the Church, vol. A-1, p. 15, josephsmithpapers.org). Rehefa nahafantatra izany izy dia voatosika hanoratra ho an’i Joseph.

  17. Jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 10:38–42. Nentanim-panahy i Nefia hamorona ireo takelaka kely (Jereo ny 1 Nefia 9:3–6), ary tahaka izao no namariparitan’i Môrmôna ny fanentanam-panahy azony mba hampiditra izany ao amin’ilay rakitsoratra: “Indro, halaiko ireo takelaka ireo izay mirakitra ireo faminaniana sy fanambarana ireo, ka hapetrako miaraka amin’ny sisa tavela amin’ny rakitsoratro ireo, fa ireo dia finidy ho ahy… . Ary ataoko izany noho ny fikasana hendry; fa toy izany no ibitsibitsihany ahy araka ny fiasan’ny Fanahin’ny Tompo izay ato amiko” (Tenin’i Môrmôna 1:6–7).

  18. Rehefa nahavita ny fandikana ny rakitsoratra i Joseph sy i Oliver dia nahazo bitsika izy ireo hankany an’ala sy hivavaka momba ny batisa hahazoana famelan-keloka izay voatonona tao amin’ny fandikana ny 3 Nefia. (Jereo ny 3 Nefia 11:21–28; 19:9–13; 27:16–20) Novaliana ny vavak’izy ireo. Nandray ny Fisoronana Aharôna avy tamin’i Jaona Mpanao Batisa i Joseph sy Oliver ary nifampanao batisa izy ireo. (Jereo ny Joseph Smith—Tantara 1:68–73 Taty aoriana dia nandray ny Fisoronana Melkizedeka avy tamin’i Petera sy i Jakoba ary i Jaona izay nanome ny fahefana hanome ny fanomezana Fanahy Masina izy ireo. (Jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 27:12–13)

  19. Jereo ny The Joseph Smith Papers, Revelations and Translations, Volume 3, Part 1: Printer’s Manuscript of the Book of Mormon, 1 Nephi 1–Alma 35, ed. Royal Skousen and Robin Scott Jensen [2015], xvii–xix; MacKay and Dirkmaat, From Darkness unto Light, 67–69.

  20. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 3:7.

  21. Rehefa nahare i Joseph fa narian’i Martin Harris ireo pejy efa voadika dia tsy nahafantatra izy fa nentanin’ny Tompo i Môrmôna hampiditra ireo takelaka kelin’i Nefia tao amin’ilay rakitsoratra. Tsy nahafantatra izy fa ny Tompo dia hanentana an’i Martin Harris mba hibebaka, ho lasa vavolombelon’ny Bokin’i Môrmôna, ary handoa ny fanaovana printy. Tsy nahafantatra izany rehetra izany i Joseph. Ny Tompo dia teo anoloan’i Joseph, nanomana ny lalana ho azy.

  22. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 3:9–10.

  23. Jereo ny Môsià 28:4.

  24. Joseph Smith, ao amin’ny Manuscript History of the Church, vol. D-1, addenda, p. 4, josephsmithpapers.org.

  25. Tena hita taratra mihitsy ny haizina niainany nandritra ireo volana tsy nahafahany nanao dikanteny. Nanome an’i Joseph ny hery “handika amin’ny alalan’ny [fitaovana fandikan-teny]” ny Tompo. Saingy “namery [izany] … fanomezam-pahasoavana izany [i Joseph] ary nanjara maizina ny [sainy].” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 10:1–2). Nohazavaina ny sain’i Joseph tamin’ny alalan’ny herin’ny Fanahy Masina, ary niaina haizina ara-panahy tao an-tsainy izy rehefa very izany fahazavana izany. Izany fahaverezana izany dia nahatonga ny fanahin’ny fanambarana sy ny fitarihan’ny Fanahy ho mamy tamin’i Joseph.

  26. Ny fandikana ny tantaran’ny batisa sy ny fanomezana ny Fanahy Masina tamin’ny fotoana namangian’ny Mpamonjy ireo olona tao amin’ny tempoly tao Soafeno no nanosika an’i Joseph sy i Oliver hikatsaka fanambarana momba ny fahefana hanaovana batisa sy hanomezana ny fanomezana ny Fanahy Masina (jereo ny The Joseph Smith Papers, Histories, Volume 1: Joseph Smith Histories, 1832–1844, 42; jereo koa ny Oliver Cowdery, taratasy ho an’i W. W. Phelps, tamin’ny sept. 7, 1834, ao amin’ny Latter Day Saints’s Messenger and Advocate, ôkt. 1834, 15–16).

  27. Joseph Smith—Tantara 1:73–74.

  28. Ireo olona vita batisa ao amin’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany dia mandray ny fanomezana ny Fanahy Masina, izay zo hahafahana miaraka amin’ny Fanahy Masina mandrakariva. Ireo olona mbola tsy vita batisa dia mety handray ny herin’ny Fanahy Masina mba hijoro ho vavolombelona momba ny fahamarinan’ny Bokin’i Môrmôna amin’izy ireo, saingy tsy hitoetra amin’izy ireo ny Fanahy Masina.

  29. Môrônia 10:4.

  30. Môsià 4:9–10.

Hamoaka printy