Fampaherezam-panahy tamin’ny 2018
Ilay dia mahafinaritry ny fiainana an-tany


Ilay dia mahafinaritry ny fiainana an-tany

Takariva hiarahana amin’ny Filoha Dieter F. Uchtdorf

Fampaherezam-panahy maneran-tany ho anʼny tanora tokan-tena sy ny mpivady vao herotrerony • 14 janoary 2018 • Ivon-toeran’ny Fihaonamben’ny Fiangonana

Ry zandriko malala, ry rahalahiko sy anabaviko, ry namako malala, mitondra ny fitiavana sy ny tsodrano avy amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo aminareo aho.

Malahelo ny Filoha Thomas S. Monson aho. Izy dia namako sy mpampianatra ary mpitarika ahy izay tena mamiko sy sarobidy amiko tokoa. Azoko omena toky anefa ianareo fa ny Tompo mihitsy no lohan’ity Fiangonana ity, ilay Fiangonany, dia Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany izany. Nanomana drafitra masina ny Tompo mba hahafahan’ny Fiangonany hotarihan’ny mpaminany sy mpahita ary mpanambara hatrany.

Ao anatin’ny eritreritray foana ianareo. Mivavaka ho anareo izahay, ary tianay sy ankasitrahany ianareo.

Ny fivoriana sy hetsika fizarana maneran-tany izay nialoha ity fivoriana ity sy mbola hitohy aorian’izany dia ohatra iray fotsiny amin’ny hatsaranareo. An’aliny maro aminareo no efa nandray anjara tamin’ny fomba miavaka, nanomboka tamin’ny fanampiana ireo izay tra-pahoriana, ka hatramin’ny fanandratana ny fanahin’ny hafa tamin’ny alalan’ny hira. Ary ianareo dia voalahatra hizara ny vaovao mahafalin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy amin’ny alalan’ny fandefasana hafatra amin’ny tambazotra ifaneraserana sy amin’ny fomba hafa ary amin’ny alalan’ny ohatrareo manokana. Misaotra anareo noho ny fanehoanareo fahavononana hanompo an’ Andriamanitra sy ny mpiara-belona aminareo.

Tena mahafinaritra ny miaraka aminareo androany sy ny mahatsapa ny fanahinareo ny herinareo ary ny fahavitrihanareo. Tena faly aho fa nanana fahafahana nandre ny vadiko isika. I Harriet tokoa no masoandro mamiratry ny fiainako. Ireo rehetra izay mahafantatra azy dia tia azy. Izy dia karazan’olona izay manao ny hahatsaratsara kokoa sy hahafalifaly kokoa ny manodidina azy. Izany tokoa no nentiny tamiko.

Vao nankalaza ny tsingerintaona faha-55 taonan’ny fanambadianay mihitsy izahay. Rehefa mijery ireo zanakay roa sy ny vadin’izy ireo avy, ireo zafikelinay enina miaraka amin’ny fianakaviany avy, ary ireo zafiafinay telo izahay dia tena talanjona amin’ny dia mahafinaritry ny fiainanay.

Vanim-potoana fahazoana valiny eo no ho eo

Nieritreritra zavatra mahaliana iray aho raha nanomana ity fivoriana ity. Eny, marina fa ireo taona izay naha-18 ka hatramin’ny naha-30 taona ahy dia efa dila hatry ny ela, saingy na dia amin’ny taonako amin’izao aza aho dia mbola mahatsapa ho tanora hatrany ao anatiko. Raha ny marina, ny ankamaroanay antitra dia mihevitra ny tenanay ho olona tanora izay efa niaina ela be fotsiny.

Ireo taranaka efa talohanareo dia manana zavatra itovizana betsaka aminareo izay tsy araka ny mety hoheverinareo. Mino aho fa ny fahasamihafana misy eo amin’ny samy zanaky ny Ray any An-danitra, na manao ahoana na manao ahoana ny taonany, dia vitsy lavitra noho ny zavatra hitovizana. Ohatra, maro aminareo no manana fanontaniana momba an’ Andriamanitra sy momba ny tenanareo, dia fanontaniana lalina sy fototra izay mitovy amin’ny fanontaniana napetraky ny olona lehibe kokoa noho ianareo:

“Tena misy marina ve Andriamanitra? Miraharaha ve Izy?”

“Eo amin’ilay lalana tokony ho izy ve aho?”

“Nahoana aho indraindray no mahatsiaro ho tsy misy dikany, na resy, na tsy raharahiana, na irery?”

“Nahoana Andriamanitra no tsy nanao zavatra teo amin’ny fiainako?

“Nahoana no tsy novaliany ny vavaka nataoko?”

“Nahona Izy no mamela ahy hiaina izao alahelo na aretina na loza izao?”

Ireo dia mety ho fanontaniana tena saro-baliana.

Amin’izao vanim-potoan’ny fahazoana valiny eo no ho eo izao, izay amin’ny alalan’ny fikarohana Google fotsiny dia hita ny fahalalana izay toa tanteraka sy toa tsy takatry ny saina, dia matetika isika no sorena rehefa taraiky ny valin’ireo fanontaniana izay tena manokana sy manan-danja amintsika ary mahamaika antsika. Manandratra ny fontsika any an-danitra isika ary ny zavatra izay toa azontsika dia “korisa mampiandry” mihodina izay mahasorena.

Tsy tia miandry isika.

Rehefa voatery miandry segondra vitsivitsy isika mba hivalian’ilay fikarohana dia mety hieritreritra isika fa tapaka na misy olana ny tambazotra. Ao anatin’ny fahasorenantsika dia mety hohajanontsika mihitsy aza ilay fikarohana. Saingy rehefa mahakasika ireo fanontaniana iankinan’ny mandrakizay, momba ny fanahy, dia tsy maintsy maharitra bebe kokoa isika.

Tsy mitovy ny lanjan’ny valinteny rehetra. Ireo valim-panontaniana izay avy amin’ny fahendren’izao tontolo izao na avy amin’ny fihevitry ny besinimaro dia misy foana, saingy vetivety ihany dia very ny lanjan’izy ireny rehefa mipoitra ny firehana na fironana vaovao. Ny valim-panontaniana avy any an-danitra, izany hoe mandrakizay, dia tsy voavidim-bola. Ny fahazoana ireo valim-panontaniana ireo dia mitaky fahafoizantena sy asa ary faharetana.

Tsy hanenenana ny fiandrasana ireo valiny ireo.

Ny tanjoko anio dia ny hanolotra ny fijoroako ho vavolombelona azo antoka fa mahafantatra anareo ny Rainareo any An-danitra, maheno anareo Izy, ary tsy handao anareo na oviana na oviana Izy. Rehefa mampanatona ny fonareo Aminy sy miezaka ny hanaraka ny lalany ianareo dia hanao zavatra eo amin’ny fiainanareo sy hitarika ny lalanareo Izy eo am-pamakivakianareo ity dia mahafinaritra sy mampientanentan’ny fiainana an-tany ity.

Mampifandray ireo teboka

I Steve Jobs avy ao amin’ny orinasa Apple, iray amin’ireo mpamoron-javatra malaza amin’izao androntsika izao, dia nanana izao fisainana izao: “Tsy afaka ny hahatakatra ny zavatra mbola ho avy ianao,” hoy izy. “Rehefa avy nitranga taminao ihany ny zavatra iray izay vao mazava aminao. Noho izany dia mila matoky ianao fa mbola ho takatrao foana ny zavatra izay mitranga aminao.”1

Inona no tiany nolazaina? Mety hanampy angamba ny sary iray. Tamin’ny faraparan’ny taonjato faha-19 dia nanomboka nanao sary hosodoko tamin’ny endrika vaovao izay lasa fantatra tamin’ny hoe Néo-impressionisme ny mpahay kanto tahaka an’i Georges Seurat sy i Paul Signac. Ny teknikan’izy ireo dia ny fanisiana teboteboka ny hosodoko amin’ny alalan’ny tasina loko. Rehefa jerena akaiky dia toa tsy mifandray ary napetapetaka teny fotsiny ireo teboka Saingy rehefa jerenao ny sary manontolo dia afaka hahita ianao fa ireo teboka dia lasa loko ary ireo loko dia hanome endrika amin’ny farany ka haneho zavatra kanto iray. Ny zavatra izay toa napetapetaka teny fotsiny na nikorontana mihitsy aza dia lasa manomboka misy dikany. Indraindray ny fiainantsika dia mitovy amin’ny sary hosodoko néo-impressioniste. Ireo teboteboka miloko izay manefy ireo fotoana sy zavatra mitranga mandritra ny tontolo androntsika dia mety hiseho ho tsy mitohy na mikorontana amin’ny voalohany indraindray Tsy hitantsika ny fisian’ny lamina ao amin’izany. Tsy eritreretintsika mihitsy fa mirakotra tanjona ny amin’izany.

Saingy rehefa maka bahana kely isika ary mandinika amin’ny fomba fijery mandrakizay, rehefa mandinika ny fiainantsika amin’ny alalan’ny fijery ao amin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy isika, dia afaka manomboka mahita ny ifandraisan’ireo teboka rehetra eo amin’ny fiainantsika. Mety tsy mbola afaka ny hahita ilay sary manontolo isika, kanefa ho ampy izay hitantsika mba hatokiana fa misy tanjona kanto sy lehibe ao. Ary rehefa milofo isika hatoky an’ Andriamanitra sy hanaraka an’i Jesoa Kristy Zananilahy, dia hahita ilay vokatra vita isika indray andro any, ka ho fantatsika fa ny tanan’ Andriamanitra mihitsy no nitarika sy nanoro lalana ny dingana narahintsika.

Hahafantatra isika fa ilay Mpanakanto Lehibe dia nanana hatrany drafitra ho an’ireo teboka mitsitokotoko ireo. Hahita isika fa nampitombo ny talentantsika sy nanomana fahafahana ary nampahafantatra antsika fahafahana be voninahitra lavitra mihoatra izay azontsika eritreretina na tratrarina irery Izy.

Efa nahita izany tamin’ny fiainako aho.

Ilay dia mahafinaritry ny fiainako an-tany

Maro aminareo no mahafantatra fa tamin’ny izaho mbola kely dia noterena indroa hiala ny tokantranonay sy hamela ny zava-drehetra any aorianay ny fiainakaviako. Tamin’ireo fotoana roa ireo dia tena hita fa noraisin’ireo olona tany amin’ny toerana vaovao nalenay ho “ambany” noho izy ireo izahay. Raha teo anivon’ireo ankizy nitovy taona tamiko dia nanilika ahy ho tsy isan’izy ireo ny fomba fiteniko, ary izany dia nahatonga azy ireo hanaraby sy hananihany ahy.

Sahirana tamin’ny famelomana ny fianakavianay ny ray aman-dreniko. Nanomboka niasa ho mpanasa lamba ny reniko ary izaho, miaraka amin’ny bisikiletako sy ny saretiko, dia niasa ho “manampahaizana amin’ny fanaterana entana” tamin’izany orinasa izany taorian’ny fotoan-tsekoly.

Ny raritsaina sy fahaketrahana nateraky ny fiovaovanay toeram-ponenana dia nahatonga ahy ho tara taty aoriana tamin’ny fianarako, ary very taom-pianarana iray feno iray aho.

Tany Alemana Atsinanana dia nianatra fiteny Rosiana aho mba ho fiteny faharoa. Sarotra ilay izy saingy vitako. Ary tany Alemana Andrefana indray dia notakina ny hianarako ny fiteny Anglisy.

Toa tsy ho vitako izany! Nieritreritra aho fa tsy natao ho an’ny fiteny Anglisy tsotra izao ny lelako.

Nandritra ny naha-zatovo ahy dia tara tamin’ny vehivavy iray faran’izay mahafinaritra aho, ny masony dia tsara sady somary ngezangeza miloko volon-tany. Indrisy anefa fa tsy niraika kely tamiko akory i Harriet. Na inona na inona nandramako dia toa tsy nety nisy fahafahana niseho mihitsy. Eny, renareo teo ny fitantarany azy.

Koa dia toy izany aho tamin’izany, zatovolahy tsy dia nanana ny lanjany sy sahirana, izay niaina tao Alemana taorian’ny ady, izay toa tsy ho afaka ny hahazo fahombiazana loatra amin’ny fiainana.

Na izany aza, dia nisy zavatra vitsivitsy izay nampahomby ahy.

Fantatro fa tia ahy ny fianakaviako. Tany an-tsekoly sy tao am-piangonana dia nisy mpampianatra nankahery ahy mba hametraka tanjona ambony. Mbola tadidiko foana, nisy misiônera amerikana tanora izay nampianatra izao fitsipika avy amin’ny soratra masina izao hoe: “Raha momba [anao] Andriamanitra, iza no afaka hanohitra [anao]?” 2

Nisy zavatra tena nahery vaika tamiko mahakasika izany. Ary raha izany no izy, hoy aho, dia nahoana aho no tokony hatahotra?

Koa dia nino aho. Dia natoky an’ Andriamanitra aho.

Nisy fotoana aho tafiditra tao anatina fandaharam-pianarana iray. Nanome fanamby ahy ny iray tamin’ireo mpampianatro mba hikatsaka ny avoavo kokoa ary hanatrika sekoly amin’ny alina mba hianatra ingénierie mécanique. Nila asa fanampiny lehibe izany, saingy nitarika ahy hahita ny fitiavako fiaramanidina izany! Nandona mafy ahy ny nahafantarako fa mba hahafahako ho lasa mpanamory fiaramanidina dia nila nahay niteny Anglisy aho. Naniry ny ho lasa mpanamory fiaramanidina aho anefa, ary tamin’ny fomba mahagaga tokoa dia toa lasa niova ny lelako, ary tsy lasa fiteny tsy hay ianarana intsony ny fiteny Anglisy.

Niaraka tamin’ny fahavononana vaovao sy ny fanolorantena noavaozina mba hiasa mafy ary ny fitokiana ny Ray any An-danitra dia nanao dingana kely aho izay nanampy ahy hanorina fatokisan-tena fa ho vitako ilay izy.

Mazava ho azy fa tsy nidika izany hoe nandeha ho azy foana ny zava-drehetra.

Tamin’ny faha-19 taonako dia nandeha tany San Antonio, Texas, aho hanomboka ny fiofanako ho mpanamory fiaramanidina. Teny ambony fiaramanidina dia nipetraka teo akaikin’ny lehilahy iray izay niroky araky ny fiteny avy ao Texas aho. Nihovitrovitra ery aho rehefa nahita fa ilay fiteny Anglisy nianarako mafy dia tsy mitovy amin’ny fiteny Anglisy ampiasaina ao Texas!

Tany amin’ny sekoly mpampiofana ho mpanamory fiaramanidina dia sarotra ihany koa ny zavatra rehetra. Ilay fandaharam-pianarana dia nisin’ny fifaninanana izaitsizy, ka ny olona tsirairay avy tamin’izany dia nikendry ny toerana avo indrindra teo amin’ny filaharana. Tonga dia fantatro avy hatrany fa nanana tombony kokoa ireo mpiray kilasy tamiko izay ny fiteny Anglisy no fiteniny voalohany.

Nampitandrina ahy momba ny zavatra iray hafa izay mety hahavariana ahy ireo mpampianatra fanamoriana fiaramanidina, dia ny fandaniako fotoana betsaka any am-piangonana izany. Ireo mpikambana tao an-toerana dia nandray ahy tsara tao amin’ny sampan’izy ireo sy tany an-tranon’izy ireo, ary niaraka nanorina trano fivoriana tao Big Spring mihitsy aza izahay. Sahiran-tsaina ireo mpampianatro fa izany karazana zavatra atao izany dia hanakana ny fahafahako hahazo toerana tsara eo amin’ny filaharana. Tsy izay anefa raha ny niheverako azy. Noho izany dia natoky an’ Andriamanitra aho ary nanao izay tsara indrindra azoko natao.

Nahay ny fiteny Anglisy ihany aho ny farany (na dia mbola miezaka amin’izany aza aho ankehitriny). Nahavita ny fiofanako aho (voalohany tao amin’ny kilasiko aho). Lasa mpanamory fiaramanidina mpiady aho ary lasa kapiteny an’habakabaka taty aoriana. Ary ilay vehivavy tsara tarehy manana maso somary ngezangeza miloko volon-tany izay nonofisako? Io izy io miaraka amiko io.

Manaova zavatra kely nefa tena tsara

Misy lesona ve ao anatin’izany? Mino aho fa misy maromaro mihitsy!

Mety ho izao ny iray amin’izany: Aza mety ho vesaran’ireo asa goavana sy sarotra maro amin’ny fiainana. Raha toa ianao manolo tena hanao ireo zavatra “mora,” izany hoe ireo zavatra “kely” asain’ Andriamanitra ataonao, ary dia ataonao amin’ny fomba tena tsara araka ny vitanao izany, dia hanaraka ho azy ny zavatra goavana.

Ny sasany amin’ireo zavatra “kely sy mora” azonao atao amin’ny fomba tena tsara dia ny vavaka isan’andro, ny fandalinana soratra masina, ny fiainana ny Tenin’ny Fahendrena, ny fandehanana any am-piangonana, ny fivavahana omban’ny tena finiavana, ary ny fandoavana fahafolonkarena sy fanatitra.

Ataovy ireo zavatra ireo na dia amin’ny fotoana tsy te hanaovanao izany aza. Izany “fahafoizantena” izany dia mety ho bitika, saingy manan-danja izy ireny, satria “ny fahafoizantena dia mitondra ny fitahian’ny lanitra.”3

Azo lazaina fa ny fahafoizantena “kely nefa tsotra” ataonao dia ireo teboky ny fiainana andavanandro izay mandrafitra ilay sary kanton’ny fiainanao. Mety tsy hitanao ny fomba ifandraisan’ireo teboka amin’izao, ary mbola tsy ilainao izany. Manàna finoana ampy fotsiny amin’izao fotoana iainanao izao. Matokisa an’ Andriamanitra, dia “amin’ny zavatra madinika [no hivoahan’] izay lehibe.”4

Matokia an’ Andriamanitra

Izao ianareo dia mety hihevitra hoe: “Eny ry Loholona Uchtdorf tena mety tsara izany ho anao. Fa ianao anie Apôstôly e! Tsy tahaka izany aho. Tsy mandan-danja amin’ Andriamanitra aho. Tsy misy mamaly ny vavaka ataoko. Tsy misy mitarika ny fiainako. Raha misy drafitra ho ahy dia drafitra efa tonta izany fa tsy mitovy amin’ny anao Drafitra toy ireny lamba nolovaina tamin-joky ireny. Drafitra natao hanehoana ny fisian’ Andriamanitra fotsiny dia ifaliana amin’izay.”

Ry namako malala, tsarovy ny zavatra nolazain’i Steve Jobs: “Tsy afaka ny hahatakatra ny zavatra mbola ho avy ianao, rehefa avy nitranga taminao ihany ny zavatra iray izay vao mazava aminao.”

Fony aho nitovy taona taminareo dia tsy haiko mihitsy izay hitranga amiko amin’ny fiainana. Tena tsy hitako mihitsy izay mety ho teboka hifandray eo anoloako.

Saingy natoky an’ Andriamanitra aho. Nihaino ny torohevitry ny fianakaviako be fitiavana sy ireo namana hendry aho, dia nivoatra tsikelikely tamim-pinoana, sady nino fa raha toa aho nanao izay tsara indrindra vitako tamin’izany fotoana izany dia hokarakarain’ Andriamanitra ilay tena sary lehibe.

Nataony izany.

Fantany hatrany am-boalohany ny fiafarana raha toa aho ka tsy nahafantatra izany.

Tsy afaka nahita ny hoavy aho, fa Izy dia nahita.

Na nandritra ireo fotoan-tsarotra izay nieritreretako ny tenako ho nohadinoina aza dia niaraka tamiko Izy, hitako izany ankehitriny.

Ao amin’ny Ohabolana isika dia mahita izao fampanantenana lehibe izao: “Matokia an’ i Jehovah amin’ny fonao rehetra; fa aza miankina amin’ny fahalalanao. Maneke Azy amin’ny alehanao rehetra, fa Izy handamina ny lalanao.”5

Tsy mino aho hoe misy baraingo amin’ny faran’io andininy io.

Tsia, mieritreritra aho fa tokony ho tsoraka mihitsy no eo!

Koa tokony hanontany tena ianao hoe: “Afaka manangona finoana ampy ve aho hinoana an’ Andriamanitra? Vonona ny hatoky ve aho fa Izy dia tia ahy sy maniry ny handamina ny lalako?”

Raha ny marina dia mety ho mahomby ianao amin’ny lafin-javatra maro. Saingy mamporisika anao anefa aho mba hino fa ho tsara lavitra kokoa ny fiainanao raha toa ka ankininao amin’ Andriamanitra ny fitarihana ny lalanao. Mahafantatra zavatra maro izay tsy fantatrao Izy, ary efa nanomana hoavy ho anao izay tsy azonao eritreretina akory Izy. I Paoly, ilay Apôstôly lehibe, dia nijoro ho vavolombelona hoe: “Izay tsy mbola hitan’ny maso ary tsy mbola ren’ny sofina, na niditra tao am-pon’ny olona, na inona na inona no efa namboarin’ Andriamanitra ho an’izay tia Azy.”6

Irinao hitarika anao sy hitahy anao ary hanohana anao ve ny Rainao any An-danitra?

Minoa ary.

Tiavo Izy.

Katsaho amin’ny fonao rehetra Izy.

Mandehana amin’ny lalany, izany dia midika hoe: mitandrina ny didy, manaja ireo fanekempihavananao, manaraka ny fampianaran’ireo mpaminany, ary mihaino ireo bitsiky ny Fanahy.

Ataovy izany dia “hampitombo anareo ho arivo toraka izao ka hitahy anareo, araka izay efa nolazainy taminareo”7Andriamanitra!

Hifanazava amin’ Andriamanitra isika

Tsapako fa ho an’ny sasany dia mora ny miteny izany nefa sarotra atao. Manaiky aho fa tsy mila mandeha lavitra akory ianareo ao amin’ny kolontsaina ankehitriny dia maheno feo fanoherana izay manakivy na manaraby mihitsy ny finoana an’ Andriamanitra amin’ny ankapobeny ary ny fivavahantsika indrindra indrindra.

Izany feo izany dia mihamafy amin’izao fotoana izao noho ny fivoarana tsy manam-paharoa eo amin’ny lafiny serasera.

Fanamby ho anareo izany. Saingy tombontsoa ho anareo ihany koa.

Matoky aho fa hahita fomba hiatrehana izany amin’ny fomban’ny Tompo ianareo.

Tafiditra ao anatin’ilay dia mahafinaritry ny fiainanareo an-tany izany. Hisy fiantraikany be amin’ny hoavinareo sy amin’ny anjara asa sahaninareo amin’ny asan’ Andriamanitra ety an-tany ny fomba hanaovanareo izany.

Na dia izany aza dia tsy hoe miavaka be ahoana ny zavatra hiainanareo ety an-tany amin’ny fiainana amin’izao. Tsy ny taranaka misy anareo ihany no taranaka niatrika olana sy fanabirabiana teo amin’ny finoany an’ Andriamanitra. Raha ny marina dia toa ampahany amin’ny fitsapana ety an-tany ho an’ny zanak’ Andriamanitra rehetra izany.

“Raha naman’izao tontolo izao ianareo,” hoy Jesoa tamin’ny mpianany, “dia ho tia ny azy izao tontolo izao; fa satria tsy naman’izao tontolo izao ianareo, fa Izaho efa nifidy anareo tamin’izao tontolo, dia halan’izao tontolo izao ianareo.”8

Mety hanaiky ihany koa ianao fa raha vantany vao manolo-tena ny hanaraka ny Mpamonjy ianao dia tsy hanaiky izany, amin’ny fomba entitra mihitsy aza indraindray, ireo izay mipetraka ao amin’ilay trano mijoalajoala sy malalaka.9 Mety hiezaka ny hanery sy hanao izay hahamenatra anao mihitsy aza izy ireo.

Saingy tsarovy fa tsy hifanazava amin’izy ireo ianao. Hifanazava amin’ Andriamanitra ianao. Indray andro any ianao dia hitsangana eo anoloany ka hanao tatitra ny fiainanao.

Hanontany anao ny zavatra nataonao mba handresena ireo fakam-panahin’izao tontolo izao sy hanarahana ny lalan’ny fahamarinana Izy. Hanontany Izy raha toa ianao nanaraka ny Mpamonjy, raha toa ianao nitia ny mpiara-belona taminao, raha toa ianao tena niezaka nijanona teo amin’ny lalan’ny maha-pianatra.

Ry namana zandriko malala, ry rahalahy sy ranabavy malalako, tsy afaka ny hahazo izany amin’ny fomba roa ianareo. Tsy afaka ny handray ireo fitahiana tsy takatry ny saina avy amin’ny maha-mpianatra isika nefa sady mijanona ho mpikambana ao amin’ny Paroasy Voalohan’i Babylona. Ry rahalahy sy ranabavy malalako, izao no fotoana hanolorana tena ho an’i Kristy ary hanarahana ny lalany.

Indray andro any dia hahafantatra ny marina ny zanak’ Andriamanitra rehetra, tafiditra amin’izany ireo izay manaraby ny fahamarinana. Handohalika izy ireo ary hiaiky fa i Jesoa no Kristy, ilay Mpanavotra, ilay Mpamonjin’izao tontolo izao.10 Ho fantatr’izy ireo fa maty ho azy ireo Izy.

Amin’izany andro izany dia ho fantatra fa ny Azy no ilay hany feo izay tena nanan-danja.

Ho fantatrao tsy misy fisalasalana ny fitahiana lehibe anananao noho ny fihazonanao ny finoana, ny fitandremanao ireo didin’ Andriamanitra, ny fanompoanao ny mpiara-belona aminao, ary ny fanorenanao ny fanjakan’ Andriamanitra teto an-tany. Ry namako malala, minoa, dia hiaraka aminareo Andriamanitra. Ampanatony Azy ny fonareo dia hitarika anareo Izy mandritra ny famakivakianareo ity dia lehibe mahafinaritry ny fiainana an-tany.

Tsy ahoako izany

Rehefa miresaka momba ny hoe mamela an’ Andriamanitra mitarika ny fiainantsika isika dia tiako ny hampazava ny zavatra iray. Mety tsy ho tianareo ny zavatra holazaiko aminareo izao. Rehefa manontany an’ Andriamanitra momba ana fanapahan-kevitra eo amin’ny fiainanao ianao, dia tafiditra amin’izany ireo fanapahan-kevitra manan-danja, dia mety tsy hanome anao valinteny mazava be Izy. Ny marina dia ny hoe indraindray tsy ahoan’ny Tompo izay safidy raisinao rehefa mijanona ao anatin’ireo fanakempihavanana sy fitsipika fototry ny filazantsara izany.

Amin’ny lafiny maro dia mety tsy dia hanan-danja loatra ny safidy ataonao mihoatra ny zavatra ataonao aorian’ny nanapahanao an’ilay safidy.

Ohatra, mety hisafidy ny hivady ny olona mpifankatia anankiroa na dia eo aza ny fiheveran’ny fianakavian’ny roa tonta fa tsy nisafidy ny olona tena tsara izy ireo. Saingy manana fanantenana lehibe aho ny amin’izany mpivady izany raha toa, aorian’ny fanapahan-kevitra noraisin’izy ireo, mijanona ho manolo tena tanteraka amin’ny tsirairay amin’izy ireo sy amin’ny Tompo amin’ny fo sy saina manontolo izy ireo. Amin’ny alalan’ny fandraisana ilay iray hafa amim-pitiavana sy amin-katsaram-panahy ary amin’ny fifantohana amin’ireo zavatra izay ilain’ilay hafa ara-pihetsehampo, ara-panahy, sy ara-nofo, amin’ny alalan’ny fanaovana zavatra “kely” tsy tapaka, dia lasa ilay olona tena tsara izy ireo.

Mifanohitra amin’izay kosa ny mpivady izay mihevitra fa nahazo ilay olona “tena mety” aminy ary milaza fa tapitra hatreo ny zava-tsarotra. Raha toa izy ireo mitsahatra mifanome teny mamy, tsy mifampiresaka mitokana intsony, miverina amin’ny avonavona sy ny fiainana feno fitiavan-tena, izany mpivady izany dia mandeha amin’ny lalana mety hitondra azy ireo mankany amin’ny alahelo sy nenina.

Marina ihany koa izany eo amin’ny lafiny ara-kasa. Manana fanantenana betsaka aho ny amin’ireo izay mandray asa tsy dia mampirehareha loatra saingy manao izay vitany ary mahita fomba hahatonga ny asany ho tena mahaliana sy feno fanamby.

Tsy dia manana fanantenana firy kosa aho ny amin’ireo izay misafidy asa tena ambony nefa rehefa nandeha ny fotoana dia very ny finiavana anaty ilaina mba hampahomby azy ireo amin’ny asany. Raha ny marina dia ho anisan’ny fahaiza-manao fototra mila kolokoloin’ny taranaka misy anareo ny fahaizana mampifanaraka ny tenanareo amin’izay fiovana eo amin’ny tontolon’ny asa mba hahafahana miatrika ny hoavy.

Ahoana ary izany no hanirian’ny Tompo ny fiatrehanareo ireo safidy tena manan-danja?

Tena nanampy be ahy ny torolalana nomeny an’i Oliver Cowdery sy i Joseph. Hoy ny Tompo tamin’izy ireo hoe: “Tokony handinika izany ao an-tsainao ianao; rehefa izany dia tokony hanontany Ahy ianao raha marina izany.”11

Ny Ray any An-danitra dia nanome anareo atidoha sy fo. Raha matoky ny Tompo ianao, dia hanampy anao Izy hampiasa azy roa amin’ny tokony ho izy rehefa mandray fanapahan-kevitra.

Raha ny amin’ny fanapahan-kevitra maro dia mihoatra ny anankiray ny safidy tsara azo raisina. Rehefa nitranga tamin’i Joseph sy ireo namany izany dia nampiasa andian-teny mahaliana iray ny Tompo raha nikatsaka ny fitarihany izy ireo. Izany andian-teny izany dia manao hoe: “Tsy ahoako izany.”12

Saingy nanampy avy hatrany anefa ny Tompo hoe: “Aoka ho mahatoky fotsiny ihany.”13

Ny asantsika dia ny mandray ny fanapahan-kevitra tsara indrindra izay miainga avy amin’ny fampahalalana misy ary izay mifototra amin’ireo soatoavina sy fitsipika ao amin’ny filazantsara. Dia avy eo isika miezaka amin’ny herintsika mba hahomby amin’ny zavatra ataontsika ary mijanona ho mahatoky.

Ataovy izany dia hifandray ireo teboka.

Mety hahakivy angamba ny fahenoana fa tsy voatery hanome antsika toromarika ahitana antsipiriany be momba ilay diantsika ety an-tany Andriamanitra. Mila fitarihana amin’ny zavatra tsirairay ataonao amin’ny fiainanao ve ianao anefa?

Tena mila olona hanome anao ny paika rehetra ilaina amin’ny fiainana ve ianao mialoha ny hanananao fahafahana hijery ny zavatra mitranga ao? Ho karazana dia mahafinaritra ahoana re izany e?

Ry tanora namako malala isany, indray mandeha monja ihany ianareo no handalo ity dia mahafinaritry ny fiainana an-tany ity. Tsy hiala ve ilay fahatsapana lehibe azonao rehefa avy nahavita zavatra ireny sy ny fitomboan’ny fatokianao14 ny Tompo sy ny tenanao raha aseho anao daholo ny zavatra rehetra miaraka amin’ny fambara ny hoavy sy ny valin’ireo fanontaniana lehibe rehetra amin’ny fiainana?

Satria nomen’ Andriamanitra anao ny fahafahanao misafidy, dia misy lalana maro azonao raisina izay samy hampahomby tanteraka ny fiainana. Tsy misy fetrany mamaritra ity fiainana an-tany ity, ianao no tompon-tsafidy amin’ny tantaram-piainanao. Manana ireo didy ianareo, manana ireo fanekempihavanana, manana ireo torohevitr’ireo mpaminany nentanim-panahy, ary manana ny fanomezanana ny Fanahy Masina ihany koa ianareo. Ampy sahaza tsara izany hitarihana anareo ho amin’ny fahasambarana ety an-tany sy ny fifaliana mandrakizay. Etsy ankilan’izany dia aza kivy raha toa mandray fanapahan-kevitra izay tsy dia tsara loatra ianao. Izany no fomba ianaranao. Tafiditra ao anatin’ilay dia izany!

Tsy misy izany dia izany ka mizotra tsara daholo ny zava-drehetra nanomboka tamin’ny voalohany ka hatramin’ny farany, saingy raha mahatoky isika, dia afaka mahazo antoka fa ho tsara be ny fiafarany. Saintsaino anie ny ohatr’i Josefa tany Egypta e! Tamin’ny lafiny maro dia feno fahavoazana ny fiainany. Namidin’ireo rahalahiny ho andevo izy. Natsipy tao am-ponja noho ny heloka izay tsy nataony izy. Na dia teo aza ireo toe-javatra mafy izay nihatra taminy dia nijanona tao amin’ny finoana izy. Natoky an’ Andriamanitra izy. Nanao izay tsara indrindra vitany izy tao anatin’izany zavatra rehetra izany. Taona maro no lasa, na dia toa tsy noraharahiana sy nohadinoina aza i Josefa, dia nino izy. Nampanatona ny fony tamin’ Andriamanitra foana i Josefa. Dia nampiseho Andriamanitra fa afaka mamadika ireo fahoriana sy fitsapana ho zavatra mitondra amin’ny tsara Izy.15

Ankehitriny, 4.000 taona aty aoriana, dia mbola afaka mahita fankaherezana avy amin’ny tantaran’i Josefa foana isika.

Mety tsy ho manaitra be tahaka izany ny dianao, saingy tsy maintsy hisy ny mamy sy ny mangidy. Koa dia tsarovy ary ny ohatr’i Josefa: Mijanona ho mahatoky. Minoa. Aoka ianao ho marin-toetra. Aza lasa kivy ratsy. Aza mampijaly. Tiavo Andriamanitra, tiavo ny hafa. Matokisa an’ Andriamanitra, na dia toa mihamaloka aza ny fiainanao.

Mety tsy ho hitanao izany raha tsy efa any aoriana be any fa mbola hanao jery todika ianao dia hahafantatra fa tena nitantana sy nitarika ny lalanao tokoa ny Tompo.

Tena nifandray ireo teboka.

Zavatra dimy tokony hotadidiana

Inona ary izany ny zavatra izay antenaiko fa ho tsaroanareo avy amin’ny fotoana niarahantsika teto androany?

Voalohany, fantaro fa mety ho elaela kely ny valinteny avy amin’ Andriamanitra ny amin’ireo fanontaniana tena lalina anananao ary mety ho tonga amin’ny fomba tsy neritreretinao izany. Ny valintenin’ Andriamanitra dia manana lanjany mandrakizay. Tsy hanenenana ny fiandrasana azy.

Faharoa, manàna finoana kely. Ampanatony an’ Andriamanitra ny fonao. Minoa fa manan-danja amin’ Andriamanitra ianao, ary matokia fa afaka mampitombo ny fiainanao mihoatra lavitra noho izay mety ho vitanao irery Izy. Mianara Aminy. Tiavo Izy. Minoa Azy. Miresaha tsy tapaka sy betsaka Aminy. Henoy ny feony.

Fahatelo, ataovy izay tsara indrindra azonao atao amin’ny fandehanana eo amin’ny lalan’ny maha-mpianatra. Aza mora kivy. Ataovy araka izay tena tsara vitanao fotsiny ireo zavatra kely, dia hilamina tsara ireo zavatra goavana.

Fahefatra, ireo feo manakivy dia aza avela mandresy lahatra anao hiala amin’ilay dian’ny finoana lalovanao. Tadidio fa tsy hifanazava amin’ireo fitsikerana anao ianao. Amin’ny Rainao any An-danitra ianao ho hifanazava. Ny Azy no tena manan-danja.

Fahadimy, raiso ireo fanapahan-kevitra tsara indrindra azonao atao amin’ny fanarahana ireo bitsika izay tonga ao am-ponao sy ao an-tsainao. Ataovy izay tsara indrindra vitanao mba hitombo ezaka hatrany. Manàna finoana, dia hanokana ny ezaka tena vokatry ny fo ataonao ho an’ny hoavinao mandrakizay Andriamanitra.16

Ataovy izany dia ho tsara ny zavatra rehetra amin’ny farany.

Avelako aminareo ny tsodranoko amin’ity andro ity, amin’ny fiandohan’ity taona vaovao ity, fa rehefa miezaka mafy ny hahafantatra ilay Andriamanitrao ianao dia hitombo ny finoanao. Rehefa mikatsaka ny hanaraka ilay Mpamonjinao ianao dia hitombo ny fatokianao.17 Ary rehefa mandeha amim-pahatokiana sy manokatra ny fonao amin’ny Fahazavan’i Kristy ianao dia hihamatotra ny fitiavanao an’ Andriamanitra ary hihatsara ny fahafahanao hitia ny namanao.

Ary izany rehetra izany dia hitondra fahasambarana sy fifaliana ho anao.

Hitondra fiadanana ho anao izany.

Indray andro izany dia hitondra voninahitra mandrakizay ho anao.

Amin’ny andro hoavy iray dia hijery todika an’ity dia sarobidy sy mahafinaritra ary mampientanentan’ny fiainana an-tany ity ianao, ary dia hahatakatra. Hahita ianao fa ireo teboka dia tena nifandray tokoa mba ho lasa sary tena kanto, mahafinaritra lavitra noho izay azonao noheverina. Miaraka amin’ny fankasitrahana tsy hay lazaina, dia hahita ianao fa Andriamanitra, ao anatin’ny fitiavany sy ny fahasoavany ary ny fangorahany sesehena, dia teo foana niambina anao, nitahy anao, ary nitarika ireo dingana nataonao teo am-pandrosoanao nankany Aminy.

Mijoro ho vavolombelona momba izany aho ary manome anareo ny tsodranoko amin’ny maha-Apôstôlin’ny Tompo ahy, amin’ny anarana masin’ilay Tompo sy Mpanavotra antsika, Jesoa Kristy, amena.

Hamoaka printy