Fampaherezam-panahy tamin’ny 2018
Mpitarika ianareo


Mpitarika ianareo

Takariva hiarahana amin’ny Loholona Dieter F. Uchtdorf

Fampaherezam-panahy maneran-tany ho anʼny tanora tokan-tena sy ny mpivady vao herotrerony • 14 janoary 2018 • Ivon-toeran’ny Fihaonamben’ny Fiangonana

Ry rahalahy sy anabaviko malala isany, ry tanora namako malala isany!

Mahafinaritra ianareo! Tsara tarehy ianareo! Mahavariana ianareo! Endrey! Satriko ery ny hamihina mafy anareo tsirairay avy.

Ny herinandro lasa teo dia fotoana nisin’ny alahelo sy ny fankasitrahana. Tiako ny Filoha Monson. Halahelo azy aho. Azoko antoka anefa fa faly izy miaraka indray amin’i Frances vadiny mandrakizay.

Mahafinaritra ny miaraka aminareo eto androany. Tiako ihany koa ny miaraka amin’ilay Apôstôly tiako indrindra. Fantatro fa tsy tokony hanana Apôstôly tiana manokana toy izany isika. Kanefa ho ahy dia toa tsy maninona izany satria vadiko izy.

Vao avy nankalaza ny faha-55 taona nivadianay izahay, ary mbola mifankatia foana!

Aoka fotsiny raha ireo fitahiana azonay avy amin’ny filazantsara no resahina! Rehefa maharay hafatra feno fitiavana sy fiarahabana amin’ny fotoana tahaka izany avy amin’ireo zafikely sy zafiafinay izahay dia fantatray fa tena sarobidy ny fitahiana avy amin’ny maha-mpikamban’ny Fiangonana sy ny filazantsara.

Ho anareo tokan-tena, na nisara-bady, na miaina ao anatin’ny toe-javatra sarotra ao amin’ny fianakaviana, dia fantaro fa mahafantatra sy tia anareo Andriamanitra, ary rehefa mahatoky amin’ny fanekempihavananareo ianareo dia tsy hahena na hoe tsy ho azonareo ny fifaliana avy amin’ny fananana fianakaviana. Tsy fantatro tsara ny fomba hahatanterahan’izany, kanefa fantatro fa ampy ho antsika rehetra ny fahasoavana sy ny famindrampo ary ny fitiavan’ny Tompo. Hotanterahiny araka ny fombany sy ny fotoany izany.

Niara-lehibe tao amin’ny sampana iray tao Francfort Allemagne izaho sy i Dieter. Fantatro fa tena tia be ahy izy, saingy tsy tena liana taminy aho. Nahafinaritra izy, ary mpinamana izahay. Niara-nianatra nandihy tany amin’ireo fiaraha-mientana natrehanay tao amin’ny Fiangonana izahay. Ny foxtrot sy ny boogie-woogie, ary ny rock and roll no nalaza tamin’izany.

Taorian’ny nidirany tao amin’ny Tafika ana habakabaka mba ho lasa mpanamory fiaramanidina mpiady dia tsy nahita azy nandritra ny roa taona latsaka kely aho. Raha ny marina dia tsy nanaitra ahy firy izy tamin’ny voalohany rehefa niverina tao Francfort. Izy dia somary nitovitovy tamin’ireo lehilahy tao amin’ilay horonan-tsary Top Gun.

Saingy rehefa niresaka tamiko izy dia somary taitra kely aho. Hita nibaribary fa nihamatotra izy tao anatin’ireo roa taona ireo. Fantany ny fomba tiany hitondrany ny fiainany, ary tena nanolo-tena tokoa ny hiaina ny filazantsara izy.

Tena tapa-kevitra sy nahita hevitra tsara izy tamin’ny fiezahany hambabo ahy, ary volana vitsivitsy taty aoriana dia nivady izahay ka niova ho Uchtdorf ilay anarako hoe Reich. Tsy mbola nanenenako mihitsy ny nandinihako tsara ny momba azy na dia teo aza ny fiheverana tsy dia tsara nananako momba azy tamin’ny voalohany.

I Dieter no tiako indrindra eo amin’ny fiainako sy ray ary raibe tena mirehareha ny amin’ireo zanakay sy ireo zanaky ny zanakay.

Ary aoka ho fantatrareo fa mbola tia miara-mandihy izahay, eny fa na hatramin’izao aza.

Mamelà ahy hitondra anareo hiverina any amin’ny fotoana iray tamin’izaho 12 taona. Fotoana nampalahelo teo amin’ny fiainako fony aho mbola kely izany. Nodimandry noho ny homamiadana ny raiko volana vitsivitsy talohan’izay. Ray tena nahafinaritra izy, vady be fitiavana, ary lehilahy tena tsara. Nahita fianarana tsara izy, nahay tenim-pirenena miisa dimy, matihanina tamin’ny fitendrena zava-maneno samy hafa tao anatina andiana mpilalao rodoben-javamaneno mpitendry amboaram-peon-kira, ary avy amin’ny fianakaviana mpitendry zava-maneno fanta-daza tao Francfort.

Nanana drafitra tena tsara ho anay ny ray aman-dreniko. Toa namiratra sy nampanantena zavatra lehibe ny hoavy, eny fa na dia taorian’ireo taona nandrava zavatra maro tao anatin’ny Ady Lehibe Faharoa aza. Saingy ireo taona nahararian’ny raiko dia namadika ny tokantranonay ho toeran’ny fijaliana, ny alahelo ary ny hakiviana.

Taorian’ny nahafatesan’ny raiko dia tratran’ny harerahan-tsaina amam-panahy lehibe ny reniko. Namonjy ny fivoriam-bavaka prôtestanta falehanay izahay isaky ny alahady, saingy tsy nahita ny balsaman’i Gileada. Toa tsy nisy zavatra na olona afaka nitondra fampiononana ho an’ny reniko.

Eny e! Tsy dia marina loatra izany! Ny Raintsika any An-danitra, noho ny fitiavany lehibe, dia tsy nanadino anay.

Valo volana taorian’ny nahafatesan’ny raiko dia nisy misiônera Amerikana roa nandondona ny varavaranay tao Francfort. Nahafanatra tsara ny zavatra nilain’ilay fianakaviana kelinay ireo misiônera roa ireo, izay notarihin’ny Fanahy sy tsara fiomanana . Nomen’izy ireo ilay Bokin’i Môrmôna sarobidy ny reniko.

Tia namaky boky ny reniko. Ary tiany ny Baiboly. Avy hatrany izy dia liana tamin’io bokin-tsoratra masina vaovao io. Rehefa nanomboka namaky ny Bokin’i Môrmôna izy dia tsy afaka nijanona intsony raha tsy nahavaky ilay boky iray manontolo. Nientanentana ery ny reniko tamin’ny votoatin’ny Bokin’i Môrmôna sy ny hafatra ao aminy ka matetika izy no nanasa ahy sy ny rahavaviko hipetraka dia hihaino teo am-pamakiany andininy vitsivitsy, izay toy ny hoe nosoratana ho anay mihitsy.

Nandritra ireo herinandro farany niainan’ny raiko dia matetika aho no nijoro teo am-baravarankelin’ny tranonay nivavaka tamin’ Andriamanitra mba hahazo fanamaivanana ny fanaintainanay.

Dia tonga ilay valim-bavaka. Tonga tamin’ny alalan’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy naverina tamin’ny laoniny izany. Tena tiako ny Bokin’i Môrmôna. Tena tiako ny hafatra entiny momba ny drafitry ny famonjena, ny drafitry ny fahasambarana. Tena hafatra tsara sy mahery vaika mitondra fanantenana sy fifaliana no nomen’ny Ray any An-danitra anay. Rehefa nanaiky sy nandalina ny Bokin’i Môrmôna izahay dia nanamaivana ny ratram-ponay sy nanasitrana ny fahakivianay sy ny alahelonay noho ny fahafatesan’ny raiko izany.

Taorian’ny nahatongavan’ny Bokin’i Môrmôna tao an-tranonay dia tsy nisy haizina intsony tao amin’ny fianakavianay, satria ny hazavana sy ny haizina dia tsy afaka miara-mitoetra amin’ny toerana iray amin’ny fotoana iray. Nahatsapa ny Fanahy tamin’ny fomba mahery vaika tokoa izahay, ary fantatray tamin’ny fonay sy ny sainay manontolo fa marina ny hafatra nentin’ireo misiônera ireo.

Niverina tao an-tokantranonay ny fiadanana. Nitondra fahagagana marina tao amin’ny fianakavianay ny hafatry ny filazantsara sy ny maha-mpikambana anay ao amin’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany. Toy ireny hoe nisy anjely nirahina ho any aminay ireny.

Ireo misiônera anankiroa izay tonga tao an-tranonay dia mitovitovy taona aminareo. Tsy nanana tantara tena miavaka izy ireo. Fa izy ireo anefa dia toy ny anjely roa feno voninahitra nirahin’ Andriamanitra ho any aminay. Nitondra ireo fitahian’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy naverina tamin’ny laoniny taminay izy ireo.

Ry tanora namako malala isany, vita amin’ny akora masina tahaka ireo misiônera ireo koa ianareo. Ny sasany aminareo dia manambady, ny sasany tokan-tena, fa monina eo anivon’ny olona eto amin’ity tontolo ity ianareo rehetra. Ianareo no ireo izay voafidy amin’izao androntsika izao, izay mampianatra sy miaina ny hafatry ny filazantsara amin’ny alalan’ny teny sy ny asa eo anivon’ireo olona any aminareo. Noho io tanjona io dia napetraka any amin’ny tanàna kely na ny tanan-dehibe misy anareo ianareo, sy any amin’ny sekolinareo na ny toeram-piasanareo, ary any amin’ny firenenareo sy ny fianakavianareo. Aza hadinoina fa manana fahafahana ny ho lasa anjely feno voninahitra ho an’ireo izay eo akaikinareo ianareo.

Misolo tena ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ianareo, ary mpitarika matanjaka ianareo amin’ny fitoriana ny hafatry ny filazantsara amin’ny alalan’ny fiainana tsara iainanareo sy ny fijoroana ho vavolombelona ataonareo amim-kerimpo.

Ny mpitarika dia olona iray izay manampy ny hafa hahita, hahatsapa, ary hahita ny lalana marina. Mifanampia mba ho mafy orina tsara ao amin’ny Fiangonana sy ao amin’ny filazantsara. Napetrak’ Andriamanitra eo amin’ny toerana izay anananareo fahafahana maro ho lasa fitaovana eo am-pelatanan’i Jesoa Kristy Tompo ianareo. Miantehitra aminareo Izy, fantany ianareo, matoky anareo Izy, ary hanome hery anareo Izy. Velona Izy. Tena misy Izy!

Ny teny tsotra sy mazava rehetra na ny fanaovana asa soa, ny fahamarinana, ny fiantrana, ny hatsaram-panahy, ny asa fanompoana, ny fitiavana, ary ny fangorahana dia afaka ny ho lasa asa ataonareo amin’ny maha-mpitarika anareo ao amin’ny fanjakan’ Andriamanitra. Aza atao tsinontsinona ny fahafahanareo mitaona ho amin’ny tsara sy ny herinareo hanao ny tsara. Ireo misiônera tanora roa mitovy taona aminareo ireo no nanampy ahy hahita ny lalana izay mitondra mankany amin’ny Mpamonjy antsika sy miverina any amin’ny Ray any An-danitra.

Mazava ho azy fa nila nandeha irery tamin’io lalana io aho, nandresy ireo olana, nitady valim-panontaniana, niatrika safidy goavana, ary nandray fanapahan-kevitra. Dia toy izany koa ianareo! Ny Fiangonana sy ny Tompo dia manolotra loharanom-pitaovana mahery vaika ho anareo mba hanatanterahana ny tanjonareo eo amin’ny fiainana. Iray amin’izany ny Bokin’i Môrmôna, ary efa eo ambany masonareo izany. Ekeo sy araho amim-pahavitrihana ny fampianarana entiny. Manatona ny Ray any An-danitra dia hitarika anareo Izy. Matokia ny Tompo!

Ry tanora namako malala isany, fantaro fa tiako sy ankasitrahako ny tsirairay avy aminareo. Mivavaka sy mitsodrano anareo aho. Ampahany manan-danja amin’ity asa mahatalanjona sy masina an’ny Mpanavotra antsika ity ianareo. Izany no ijoroako ho vavolombelona amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.

Hamoaka printy