Fampaherezam-panahy tamin’ny 2018
Ny toetra iray mampiavaka hatrany ny Fiangonan’ny Tompo izay marina sy velona


Ny toetra iray mampiavaka hatrany ny Fiangonan’ny Tompo izay marina sy velona

Takariva hiarahana amin’ny Loholona Patrick Kearon

Fampaherezam-panahy maneran-tany ho anʼny tanora tokan-tena sy ny mpivady vao herotrerony • 6 mey 2018 • Ivon-toeran’ny Oniversiten’i Brigham Young–Idaho

Feno fankasitrahana aho noho i Jen, izay miaina tanteraka ny zavatra ampianariny. Fantany hoe iza izy ary mifaly izy amin’ny fahafantarana hoe iza izy. Tsy mihambahamba izy mizara izany amin’ny hafa, na aiza na aiza misy azy. Tena feno fankasitrahana aho noho ny nihaonanay roa taona taorian’ny nahalasa mpikamban’ny Fiangonana ahy. Maodely feno fitahiana ho ahy hatramin’izay sy mbola hatramin’izao hatrany izy.

Mahavariana ny mieritreritra anareo tafavory manerana izao tontolo izao. Mivavaka aho, ao anatin’ny fanahin’ny vavaka fanokafana mahafinaritra nataon’i Landon teo, ny mba hanomezana anareo ny zavatra ilainareo, ka raha mila fanentanam-panahy ianareo dia ny mba hahazoanareo izany. Raha toa mila zavatra miavaka ianareo dia ny mba hahazoanareo izany. Tena misy hery lehibe tokoa rehefa tafavory toy izao isika, rehefa miomana ho an’ny fotoana toy izao. Ahitana hery ny hoe tafavory. Raha mila fanasitranana ianao dia enga anie hahita fanasitranana. Raha mila fampiononana ianao dia enga anie hahita fampiononana. Raha mila fiadanana ianao dia enga anie hahita fiadanana. Raha mila fanampiana ianao amin’ny fanadinana—ataoko angamba fa aloha loatra izao ny amin’izany raha ny ankamaroan’ny fandaharam-pianarana, saingy rehefa tonga izany fotoana izany dia enga anie hahazo izany koa ianao.

Mivavaka aho mba rehefa mahazo fanentanana ianao, rehefa mandray hafatra ho anao, ny mba hanananao ny hery sy ny fahavononana hampihatra izany, fa tsy hiverina indray fotsiny amin’izay mety ho fahazaran-dratsinao amin’izao fotoana. Raha mila fotoana iray hiovana ianao, raha toa mila fotoana iray hanavaozana tanjaka sy finoana, dia enga anie izany no ho fanomezana ho anao.

Fony aho 15 na 16 taona dia tsy mba mpiraharaha ny hafa loatra ary nandalo ireny fihetsehampo feno ahiahy sy tsy azo antoka ary marefo ireny izay mety ho tonga amin’ny maha-zatovo ny olona iray. Mbola nitohy hatrany ny sasany tamin’ireo fihetsehampo ireo saingy tamin’ireo taona naha-zatovo izany no tena nahery. Nahatsiaro ho very sy menatra ary hafahafa aho. Tsy nanampy ny naha-tao amin’ny sekoly kilasy mandry ahy tany amin’ny toerana nitokana iray tany amin’ny amorontsirak’i Angletera. Nipetraka lavitra teo ny ray aman-dreniko, tany Arabia Saodita. Raha oharina amin’ilay sekoly dia mety mbola nahafinaritra kokoa ny tao Poudlard izay nisy an’i Rogue.

Matetika ratsy ny toetrandro amin’iny moron-tsiraka iny, saingy indray ririnina dia nisy tafio-drivotra mahery nitsoka ny Ranomasin’i Irlandy izay nitondra tafiotra hatramin’ny 87 km/ora. Nandona ireo fiarovana ny ranomasina ary nisy fotoana nihoatra izany mihitsy. Dia trano teo amin’ny 5.000 teo avy eo no tratran’ny tondra-drano teo amin’ny faritra manodidina, ary nitokana ny olona, tsy nisy herinaratra na fomba hampafana sy hampazava ny tokantranon’izy ireo, ary tsy ampy ny vatsin’izy ireo.

Rehefa nanomboka nihena ny rano dia nirahin’ny sekoly izahay hidina an-toerana. Tsy mbola nahita loza voajanahary mafy toy izany aho taloha, ary talanjona aho niaina izany akaiky. Feno rano sy fotaka teny rehetra teny. Hatsatra sy trotraka ny endrik’ireo izay niharan’ny tondra-drano. Tsy natory nandritra ny andro maromaro izy ireo. Niasa izaho sy ireo mpiara-mianatra tamiko, namindra ireo fananana mando ho any ambony rihana mba ahafahan’izy ireo mitsika ary nisintona ireo karipetra izay efa simban’ny rano. Tadidiko tsara fa navesatra be ireo karipetra mando, ary tsy laitra ny fofona tao amin’ireo trano.

Ny nahatalanjona ahy avy eo dia ny finamanana nivoatra teo aminay izay nanampy sy ireo izay nandray ny fanampiana. Nisy fahatsapana nahafinaritra sy tsara tsotra izao teo amin’ireo olona niray hina tamin’ny fanaovan-tsoa nandritra ny toe-javatra sarotra. Nandinika aho taty aoriana fa ireo fihetsehampo feno ahiahy izay mpameno ny eritreritro tamin’ny fahatanorako rehetra ireo dia niala rehefa nirotsaka tamin’io ezaka fanampiana ny mpiara-belona taminay io aho.

Naniry ny haharetan’io fahatsapana io aho, saingy tsy naharitra izany. Tokony ho efa nampiova ilay fahitana fa ny fanampiana ny hafa no fanafan’ilay toe-poko matroka sy tsy mpiraharaha ny hafa. Saingy tsy izany anefa, satria tsy nilentika lalina izany fahatongavan-tsaina izany, sady tsy nisaintsaina lalina ny zavatra nitranga aho. Taty aoriana izany fahatakarana izany vao tonga. Mety efa nahatsikaritra io fahamarinana io ianao tamin’ny fiainanao. Mety hanampy anao ny mieritreritra ny fotoana nitrangan’izany taminao, sy ny fomba nitrangan’izany.

Ilay fanasana tamin’ny Fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany mba hanompo

Nieritreritra izany aho nandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany. Mahatsapa ho tena sambatra aho noho ity fahafahana miresaka aminareo ity aorina kelin’iny fihaonambe manan-tantara herinandro vitsy lasa iny. Mbola miaraka amiko ireo fahatsapana sy ny fiadanana ary ny hery noraisiko.

Zavatra iray nifantohana tamin’iny fihaonambe iny ilay antso niverimberina mba hanompo tahaka ny nanompoan’ny Mpamonjy, sy ny hanao izany noho ny fitiavana, eo am-pahafantarana fa isika sy ireo rehetra manodidina antsika dia zanaky ny Raintsika any An-danitra. Hanompo isika tsy hoe satria isaina na refesina ny fanompoantsika, fa satria tia antsika ny Raintsika any An-danitra ary entanin’ny zavatra atao izay ambony sy mihaja kokoa isika, sady manampy ny namantsika hahita sy hijanona eo amin’ilay lalana mody any Aminy. Mitia sy manompo ny mpiara-belona amintsika isika tahaka ny hataon’i Jesoa raha eo amin’ny toerantsika Izy, miezaka marina mampivoatra ny fiainan’ny olona ary manamaivana ny enta-mavesatr’izy ireo. Avy amin’izany no iavian’ny fifaliana sy ny fahatanterahana maharitra, na ho an’ny mpanome izany na ho an’ny mpandray, rehefa mizara ny vokatry ny fahafantarana sy ny fahatsapana ny lanjantsika mandrakizay sy ny fitiavana mandrakizain’ Andriamanitra ho antsika tsirairay isika.

Nofintinin’ny Filoha Nelson toy izao ilay hafatra: “Ny toetra iray mampiavaka hatrany ny Fiangonan’ny Tompo izay marina sy velona dia ny asa iray izay voarindra sy misy mitarika hatrany hanompo ny zanak’ Andriamanitra tsirairay sy ny fianakavian’izy ireo avy. Koa satria Fiangonany ity, dia isika, amin’ny maha-mpanompony antsika, no hanompo ny tsirairay tsy misy hafa amin’ny nataony. Hanompo amin’ny anarany isika, miaraka amin’ny heriny sy ny fahefany, ary ilay hatsaram-panahiny feno fitiavana.”1

Rehefa nisaintsaina ny zavatra nampianarina antsika aho dia fantatro fa raha manaraka io antso mba hanompo io isika dia manana ny fahafahana ny hiala amin’ny tsy firaharahiantsika ny hafa, hitombo finoana sy fatokiana ary fiadanana, ary handresy ny fitiavan-tenantsika ary ny fahabangana sy ny alahelo mafy miaraka amin’izany. Tiako aho raha mba nahatakatra izany taloha kokoa tamin’ny fiainako. Saingy tena feno fankasitrahana aho fa nihanitombo ny fianarako izany tao anatin’ny taona maro, ary omena fampahatsiahivana tsy tapaka momba izany fahamarinana lehibe izany isika.

Ireo tombontsoa sy fitahiana avy amin’io karazana fanompoana io

Ny mahatsara io karazana fanompoana na fanarahan-dia io dia izy manampy ny hafa amin’ny fomba maro tsy tambo isaina, kanefa manova antsika ihany koa izany tsy hifantoka loatra amin’ny ahiahintsika, ny tahotsika, ny tebitebintsika, ary ny fisalasalantsika. Amin’ny voalohany ilay fanompoana dia mampiala tsotra izao ny fifantohantsika amin’ireo olantsika, saingy mivadika haingana ho zavatra lehibe kokoa sy tsara kokoa izany. Tsy tsikaritsika akory fa manomboka miaina fahazavana sy fiadanana isika. Tony sy malefaka ary nankaherezina isika. Ary mahatsapa fifaliana izay tsy misy fomba hafa ahazoana azy isika. Mitoetra amintsika mihoatra izay efa vitantsika ireo fanomezana ireo, raha amin’ny resaka fanampiana ny hafa.

Nanazava izany toy izao manaraka izao ny Filoha Spencer W. Kimball: “Ny fiainana miroborobo voalaza ao amin’ny soratra masina dia ny fitambarambe ara-panahy avy amin’ny fampitomboana ny fanompoantsika ny hafa amin’ny fampiasana ny talentantsika amin’ny fanompoana an’ Andriamanitra sy ny olombelona”2 “Lasa manana ny lanjany kokoa isika rehefa manompo ny hafa—raha ny marina dia mora kokoa ny manampy ny tenantsika satria maro amintsika tokoa no ilaina hampiana!”3

Ohatra amin’ny fiovana iainantsika rehefa manompo sy ny mifanohatra amin’izany rehefa tsy manao izany isika

Io fiovana io no tsikaritr’ireo misiônera vaovao rehefa tsy miahiahy ny amin’ny tenany manokana intsony izy ireo ka manontany hoe: “Iza no azoko ampiana, ary amin’ny fomba ahoana?” Ny zavatra mitranga dia tsy mieritreritra ny amin’ny tenany manokana intsony izy ireo ary mifantoka amin’ny tanjony izay ny hitondra fanahy ho an’i Kristy. Matetika ny fahatsapana izany dia mila ezaka mafy vao azon’ireo misiônera. Mety ho reraka mafy izy ireo satria amin’ny toerana vavao miaraka amin’olona sy sakafo sy fomba amam-panao ary matetika fiteny vaovao manahirana ka sarotra be amin’izy ireo ny hifantoka amin-javatra hafa ka hanompo. Fa rehefa manao izy ireo dia miova ny zava-drehetra. Tsy miahiahy intsony izy ireo, mandeha miasa, ary manatanteraka ilay andraikitra tsy misy fitiavan-tena manoloana azy ireo, ary hanana fomba fijery vaovao tanteraka ny asa fitoriany sy ny fiainany, ao anatin’ny fiadanana sy fananana tanjona.

Indrisy anefa fa matetika loatra no mihatra amin’ireo misiônera ny mifanohatra amin’io fahatsapana io rehefa mody izy ireo ka manomboka miatrika ireo zavatra mila atao eo amin’ny dingana manaraka amin’ny fiainany, na izany fianarana na asa na olana manokana sy amin’ny fianakaviana. Nandany 18 volana ka hatramin’ny 2 taona izy ireo nianarana fa mahatsapa ny fifaliana ambony indrindra isika rehefa tsy mifantoka amin’ny tenantsika, na araka ny nolazain’ny Filoha Hinckley azy hoe, rehefa manadino ny tenantsika ka mandeha miasa. Matetika rehefa miverina avy manao asa fitoriana izy ireo ka miverina amin’ilay fiainana izay navelan’izy ireo dia miverina amin’ny maro amin’ireo fahazarana feno fitiavan-tena nananany tamin’izany fiainana izany ihany koa. Indrindra indrindra, miverina mifantoka loatra amin’ny tenany, sy amin’ny momba azy, sy amin’ny endriny ary amin’izay lazain’ny hafa momba azy izy ireo.

Tahaka ny maha-azo antoka ny hoe ny fifantohana any ivelany sy ny fanampiana ny hafa dia mitondra fahazavana sy fiadanana ary fifaliana no maha-azo antoka ny hoe ny fifantohana anaty amin’ny tenantsika dia mitondra fisalasalana sy tebiteby ary alahelo mafy.

Nisy zavatra iray niainako volana vitsivitsy lasa izay raha tsy nahita tory nandritra ny ora maro aho, niezaka natory saingy tsy nahita tory. Farany aho dia nitsangana ary nandeha nihodikondina kely ny trano, avy eo dia niverina tao am-pandriako nanandrana ka natory indray. Raha mbola tsy nety nahazo tory teo aho dia nisy eritreri-piovana tonga tampoka tamiko nanao hoe: “Atsaharo ny fieritreretana momba ny tenanao.” Dia tonga avy eo ilay fanontaniana hoe: “Iza no azoko ampiana?” Dia teo aho no nivavaka mafy nanao hoe: “Iza no azoko ampiana izao?” Nisy fahatsapana tonga tamiko ny hifandray sy hankahery ny namana iray. Tsy zavatra lehibe izany, sangy ny marainan’io dia nanao zavatra araka izany aho ary nanantena fa nanao zavatra tsara. Ny zavatra fantatro dia hoe raha vao nivavaka tamin’izay fomba izay aho, nanontany ny olona azoko ampiana, dia nahatsapa ilay fiadanana izay niala tamiko ary nahita tory tamin’ny farany.

Ohatra amin’ny fanompoan’ny Mpamonjy

“Nandehandeha nanao soa”4 ny Mpamonjy, nitady olona hampiana hatrany, ary “nahasitrana izay rehetra azon’ ny herin’ ny devoly.”5 Nitahy sy nampianatra ary nitarika ny hafa hatrany Izy mba hanova ny fijerin’izy ireo sy ny fiainany. Tena ahazoana fampianarana ny hoe rehefa niantso an’i Petera sy i Andreasy ary i Jakoba izy mba hanaraka Azy, dia teo noho eo ny fiovan-dalana sy fifantohan’izy ireo: “Dia nandao ny harato niaraka tamin’ izay izy ka nanaraka Azy.”6

Taty afara, taorian’ny Fanomboana Azy, rehefa nesorina teo amin’izy ireo tamin’ny fomba mahatsiravina ny Mpamonjy dia niverina tamin’ny asa fanjonoany izy ireo, tamin’ny zavatra izay tsapany fa efa fantany. Tamin’ny fotoana iray, dia tonga tamin’izy ireo ny Mpamonjy efa nitsangana tamin’ny maty, raha very maina nanjono izy ireo. “Ary hoy Izy taminy: Alatsaho eo amin’ ny sisiny ankavanan’ ny sambokely ny haratonareo, dia hahazo hianareo. Koa dia nalatsany izany, ka tsy zakany nakarina noho ny habetsahan’ ny hazandrano.”7 Izany dia naneho fa tsy nisy very ny heriny, ary naneho mazava tsara fa nijery tamin’ny toerana tsy izy ary nifantoka tamin’ny zavatra tsy izy izy ireo. Raha nihinana hazandrano teo amoron-dranomasina izy ireo dia nangataka intelo an’i Petera ny Mpamonjy raha toa ka tia Azy. Namaly foana i Petera fa tia Azy, sady nihanatahotra hatrany. Taorian’ny valinteny tsirairay nomen’i Petera dia nangataka an’i Petera mba hamahana ny ondriny i Jesoa.

Nahoana ny Mpamonjy no nanontany intelo azy raha toa ka tia Azy izy? Nantsoina mba hanaraka an’i Jesoa i Petera teo aloha, ary niaraka tamin’izay dia namaly izy, ka namela ny asa fanjonoany. Kanefa rehefa nesorina teo amin’izy ireo i Jesoa dia nalahelo i Petera, very izy. Niverina tamin’ilay hany zavatra fantany fa hainy izy, dia ny fanjonoana. Izao i Jesoa dia naniry an’i Petera mba handre Azy tsara sy hahatakatra ny halehiben’ilay fanasana tamin’ity indray mitoraka ity. Nilainy i Petera mba hahatakatra ny dikan’ny hoe mpianatra sy mpanaradia an’i Kristy tafatsangana tamin’ny maty, amin’izao fotoana izay tsy haha-eo anilan’izy ireo Azy intsony izao. Inona no tian’ny Tompo hataon’i Petera? Tiany hamahana ny ondriny sy ny zanak’ondriny i Petera. Izany no asa nilaina natao. Takatr’i Petera io antso malefaka sy mivantana avy tamin’ny Tompony io, ary namaly ilay filohan’ny Apôstôly, nanolotra tamim-kerimpo sy tamim-pahasahiana ny androm-piainany sisa tamin’ny fanompoana izay niantsoana azy.

Ny fomba hampiharana izany aminao

Tamin’ny alalan’ny famerenana amin’ny laoniny dia manana filohan’ny Apôstôly isika eto an-tany ankehitriny. Mizara amiko sy aminao ilay fanasana ny Filoha Nelson mba hamahana ny ondrin’i Jesoa. Rentsika izany tamin’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany tamin’ny fomba faran’izay mazava sy feno fitiavana indrindra. Nihetsi-po sy nentanim-panahy isika, saingy moa ve niova isika? Amin’ireo zavatra maro mahavarimbariana manodidina antsika sy ireo zavatra maro tsy misy dikany mandrebireby ny saintsika, dia ny mamaly io fanasana io sy ny manao zavatra, tena manao zavatra sy tena miova ary manova fiainana, no tena sarotra.

Ny fanontaniana mety havalinareo ilay antso mba hanompo dia mety hoe: “Atomboko aiza izany?” Atombohy amin’ny vavaka. Nanome fanamby antsika ny Filoha Nelson mba “hampitombo ny fahafahan[tsika] ara-panahy amin’izao fotoana izao handray fanambarana ho an’ny tenan[tsika] manokana, satria ny Tompo dia nampanantena fa raha mangataka ianao dia handray fanambarana miampy fanambarana, fahalalana miampy fahalalana, mba hahafantaranao ireo mistery sy ireo zavatra mitondra fiadanana—izay mitondra fifaliana, izay mitondra fiainana mandrakizay- [F&F 42:61].”8

Angataho amin’ny Rainao any An-danitra ny zavatra azonao atao, sy ny olona hanaovanao izany. Ny fanehoana hatsaram-panahy kely dia mahatonga antsika hijery ny hafa ary mitondra fitahiana. Henoy izay fahatsapana voarainao, na dia toa tsy misy dikany aza izany. Araho izany. Mety ho fandefasana hafatra feno hatsaram-panahy amin’ny olona iray izay tsy hanampo izany ilay izy Mety ho hafatra amin’ny endrika isan-karazany izany. Mety ho fehezam-boninkazo na mofo mamy na teny feno hatsaram-panahy izany. Mety ho zavatra misimisy kokoa ilay izy, tahaka ny manadio zaridaina na tokontany, na manasa lamban’olona izay tsy dia afaka mihetsika firy toy ny taloha intsony, na manasa fiara, na manapaka bozaka, na manala ranomandry, na mihaino fotsiny namana iray izay miresaka momba ireo olana izay atrehiny.

Araka ny nolazain-dRahavavy Jean B. Bingham hoe: “Indraindray isika dia mieritreritra fa mila manao zavatra goavana sy mitaky herim-po vao -raisina- ho manompo ny hafa. Kanefa ny fanaovana asa fanompoana tsotra dia afaka ny hisy fiantraikany lalina amin’ny hafa, sy amintsika ihany koa.”9

Mety hisalasala ianao hanao ny dingana voalohany, satria mieritreritra fa tsy manam-potoana na tsy tena afaka manova zavatra, saingy ho talanjona ianao amin’ny mety ho vitan’ny zavatra tena kely.

Raha manahy ny amin’ny namana iray izay miala amin’ny Fiangonana ianao izay manary ny finoany sy ny fanantenany izay nisy fotoana natanjaka, dia asao izy hiaraka aminao hanao asa fanampiana na fanompoana. Tsy misy fomba tsara hampalefaka ny fo amin’ny zavatr’ Andriamanitra sy hahita indray ny fitiavany eo amin’ny fiainantsika mihoatra ny firotsahana amin’ny asa fanampiana manan-danja ny olona iray sahirana.

Ny anton’ny hanaovana asa fanampiana sy ny fanompoana ho antsika

Mila tsaroantsika tsy tapaka hoe nahoana isika no manampy sy manompo. Zanaky ny Raintsika any An-danitra isika, eto an-tany mba hianatra sy hivoatra amin’ny alalan’ireo traikefa isan-karazany, mba hahatonga antsika ho tanteraka kokoa rehefa miverina any Aminy. Ny fianarana mijery ny hafa fa tsy ny tena ihany, ary ny fifanampiana dia tena anisan’ny tanjontsika eto. Raha ny marina dia izany no ivony. Ny fahagagana amin’ny fijerena ny hafa sy fanompoana olona hafa sahirana dia ny hoe ao anatin’ilay dingana isika no mianatra fa isika dia afaka manadino ny tenantsika sy ny olantsika manokana.

Manorina fomba fanampiana ambony kokoa sy masina kokoa ho anao sy ho ahy ny Filoha Nelson. Rehefa mamaly izany isika dia hahita fa mahafinaritra sy manamaivana ary mampilamina izany, ary ho hitantsika fa afaka ny hitondra fiovana eo amin’ny fiainan’ny hafa isika.

Rehefa vita fanafiana masina any amin’ny tempoly na nahavita asa fitoriana ianao dia misy ilay fakam-panahy hilaza hoe: “Vita ny ahy izay. Nanompo tamin’ny fotoana feno nandritra ny 18 volana na 2 taona aho. Anjaran’ny hafa indray izao.” Mety hilaza toy izany koa isika rehefa vita fanambadiana. Mety hieritreritra isika hoe: “Vitako izany iny. Fotoana hakana aina amin’izay izao.” Saingy tsy misy fiatoana ity karazana fanompoana ity. Fomba fiainana izany. Mety haka aina isika amin’ireo zavatra fanaontsika sy amin’ny fotoana fialan-tsasatra mba hitsahatra sy hanavao, “manalefaka tadin-tsipìka” hoy ny filazan’i Joseph Smith azy.10 Saingy ny andraikitsika ao amin’ny fanekempihavanana mba hifankatia tahaka ny nitiavany antsika ary ny hamahana ny ondriny dia tsy mitsahatra mihitsy.

Efa sady nahazo tombontsoa tamin’io karazana fanompoana io aho no efa nahita ihany koa ny fiadanana sy ny fifaliana avy amin’ny maha-fitaovana eo am-pelantanan’ Andriamanitra antsika ho an’ny hafa.

Noresahan’i Jen ny tolona nataonay ho an’ny zanakay lahy mbola kely. Taorian’ny nahafatesany dia nanontany tena izahay raha mba ho afaka ny alahelo nahazo anay. Nandritra izany fotoana izany dia nahazo fanehoam-pitiavana sy hatsaram-panahy ary fanampiana avy tamin’ny fianakaviana sy namana, ary koa olona izay tsy dia fantatray izahay. Nanompo tsy tapaka nandritra izany fotoana izany manontolo ny mpivady maminay iray izay efa tena namanay. Nijanona teo anilanay izy ireo, nivavaka niaraka taminay ary nivavaka ho anay, ary nanome tsodrano, sakafo, teny fankaherezana ary koa fahanginana. Tamy foana izy ireo raha vao nisy fampahalalana manan-danja nandeha na rehefa heniky ny fahaketrahana sy alahelo izahay. Nasehon’izy ireo nandritra ireo taona maro fa izany no fomba fiainany. Nanompo tsy tapaka sy tsy tamim-pisehosehoana izy ireo.

Ny fanompoana ataon’ny Fiangonana maneran-tany

Raha nanompo tany amin’ny vondrom-paritry ny Fiangonana ao Eorôpa aho nandritra ireo taona vitsivitsy lasa, dia nipetraka tany Alemana izahay, dia nanatri-maso ny nampiharana io fitsipika io tamin’ny fomba mahatalanjona rehefa nirotsaka mba hanampy ireo mpitsoa-ponenana tsy voaisa an’arivony maro izay namoy ny zava-drehetra rehefa nitsoaka ady sy faharavana noho ny ady izay mbola mandrava any Moyen Orient ireo mpikamban’ny Fiangonana sy ireo namantsika avy amin’ny finoana hafa. Tonga izy ireo, indraindray mandeha kilaometatra an’arivony miaraka amin’ny kitapo kely misy fananana. Raha nahita filàna, nahita rahalahy sy anabavy, nahita ny ondriny, ireo olontsika ireo dia nirotsaka mba hanampy, hampitafy, hikarakara, hanome fialofana, ary hankahery ireo mpitsoa-ponenana ireo izay namoy ny zava-drehetra. Tamin’ny alalan’ny fanaovana izany dia niova ireo izay nanampy. Nahazo hazavana sy hery ary hafaliana izy ireo izay tsy mbola niainany teo aloha, na izay efa nihena rehefa nifantoka tamin’ny tenany sy ny zavatra fanaony andavanandro izy ireo. Ny olona ao amintsika dia mbola manohy izany ezaka fanampiana mahavariana izany manerana an’izao tontolo izao.

Ny mpitsoa-ponenana dia manana filàna maika sy tena mora fantatra, saingy misy ireo olona hafa manodidina antsika izay manana olana tsy dia mora fantatra toy izany kanefa mila ny fanampiantsika, ary mila manampy azy ireo toy izany koa isika. Tsy voatery ho any an-tany hafa ny fanompoana sy ny fanampiana ataontsika. Amin’ny ankapobeny dia tsara kokoa izany raha akaikin’ny misy ny tena.

Tena mampirehareha ahy ny maha-mpikambana ahy amin’ny fiangonana izay mampihatra izany. Tamin’ny taona lasa fotsiny dia ora maherin’ny 7 tapitrisa no omena an-tsitrapo mba hampitomboana sy hijinjana ary hizarana sakafo ho an’ny mahantra sy ny sahirana. Mbola tamin’ny taona lasa ihany, ny Fiangonana dia nanome rano fisotro madio ho an’ny olona amana hetsiny maro izay tsy afaka nahazo izany tamin’ny fomba hafa. Olona sivy arivo sy efatra alina tany amin’ny firenena miisa 41 no nahazo seza misy kodiarana. Mpirotsaka an-tsitrapo maro no namerina ny fahitana ary nanofana mpikarakara teo amin’ny 97.000 ho an’ireo izay manana fahasahiranana amin’ny fahitana tao amin’ny firenena miisa 40. Mpikarakara miisa telo arivo sy telo alina tany amin’ny firenena 38 no nampiofanina teo amin’ny sehatry ny fampiterahana sy ny fikarakarana zazakely menavava. Manginy fotsiny ireo Manome Tanana izay, tao anatin’ireo taona lasa, olona aman’hetsiny avy ao amintsika nanokana ora aman-tapitrisany. Tonga farany izay haingana izy ireo mba hanampy ireo izay tratran’ny loza lehibe sy kely, sady mampivoatra ny manodidina azy ireo sy ny fiarahamonina misy azy ireo.

Ny hetsiky ny Fiangonana atao hoe JustServe izay vao manomboka mivelatra, izay fahafahana mahita asa fanompoana raha toa monina tsy lavitra ny misy izany ianao, dia efa ahitana mpirotsaka an-tsitrapo miisa 350.000 nisoratra anarana, izay efa nanokana ora aman-tapitrisany amin’ny fanampiana ireo fiarahamonina ao an-toerana.

Fiangonana miasa ity. Izany no ataontsika. Izany no ataonao. Aoka izany no ho toetra mamaritra anao. Izany no fomba ahitantsika fifaliana sy fiadanana, satria izany no fomba lehibe sy tsara ary azo tsapain-tanana indrindra hanarahana ny ohatry ny Mpamonjy.

Nilaza ny Filoha M. Russell Ballard hoe: “Zava-dehibe no tanteraka amin’ny alalan’ny zavatra tsotra sy madinika. Tahaka ireo poti-bolamena madinika izay voangona mandritra ny fotoana ela ka tonga harem-be, ireo fihetsika kely sy tsotra ataontsika maneho hatsaram-panahy sy fanompoana dia hangonina ka ho tonga fiainana iray heniky ny fitiavana ho an’ny Ray any An-danitra sy ny fanoloran-tena ho amin’ny asan’ Andriamanitra sy Jesoa Kristy, ary ho tonga fahatsapana fiadanana sy fifaliana isaky ny mifanolo-tanana isika.”11

Karazana fanompoana telo

Te hanasongadina karazana asa fanampoana telo lehibe aho izay azontsika tsirairay irotsahana.

Ny voalohany dia ilay karazana asa fanompoana izay nanirahana na nanasana antsika mba ho tanterahina ho andraikitra ato am-piangonana. Noresahina tamin’ny fomba mahafinaritra sy tamim-panentanam-panahy tokoa izany tamin’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany. Hiezaka hanao ilay karazana fanompoana izay sarobidy sy tsy azo tombanana isika izay hieritreretantsika sy hivavahantsika ary hanampiantsika an’ireo izay nanomezana andraikitra antsika mba hokarakaraintsika.

Ny faharoa dia ilay karazana asa fanompoana izay safidintsika manokana amin’ny nahipontsika. Fanitarana ilay voalohany ity, izay ho tafiditra ao amin’ny zavatra ataontsika sy ny fifaneraserantsika andavanandro rehetra rehefa miezaka manadino ny tenantsika isika ary mitodika mijery ny hafa. Tsy misy fanendrena ôfisialy izany, fa samy entanin’ny faniriana hanaraka an’i Kristy isika, manomboka amin’ny fanehoana hatsaram-panahy kokoa sy ny firaharahiana ny manodidina antsika. Ireo fihetsika maneho hatsaram-panahy sy ny hamoram-po malefaka dia hanova fo ary hitarika finamanana mahafinaritra sy manan-danja kokoa.

Ny fahatelo dia ny asa fanompoana ampahibemaso. Na amin’ny taonanareo aza ianareo dia afaka manompo ao amin’ny filankevi-pitantanana ao amin’ny sekoly misy anareo, ny fikambanana mpanao asa soa, ary ao amin’ny governemanta eo an-toerana sy amin’ny faritra ary amin’ny firenena. Te hamporisika ny lehilahy sy ny vehivavy aho mba hirotsaka amin’ny zavatra toy izany. Raha misy ny fahafahana hanao izany, dia mandraisa anjara amin’ny pôlitika ary mifantoha amin’ny asa fanompoana sy ny fampatanjahana ny isambatan’olona ary ny fiarahamonina. Fadio ny fiandaniana ara-politika mampivoitra saranga izay tena lasa mampisara-bazana sy mahazo vahana ary manimba ny fiarahamonina sy ny firenena ary ny kaontinanta. Miaraha amin’ireo mpanao politika hafa izay mikatsaka tombontsoa iraisana mba hanampiana ireo fiainana sahirana eo amin’ny sehatra misy azy sy ny ivelany. Afaka ny ho feon’ny fandanjalanjana sy ny fahatongavan-tsaina ianao, miaro ny rariny amin’ny lafiny rehetra amin’ny fiarahamonina. Tsy mitsaha-mitombo ny filanao mandrotsaka ny herinao ao amin’ity karazana fanolorantena mendrika ho an’ny firenena ity.

Rehefa mamaky vaovao isika dia mety hahita fa miharatsy izao tontolo izao. Raha manao zavatra amin’ny fomba rehetra isika tsirairay isan’andro, dia afaka manova ny tontolontsika sy ny an’ireo izay manodidina antsika. Rehefa manampy ny manodidina anareo ianareo sy manompo miaraka amin’ireo mpifanolobodirindrina aminareo, dia hahazo namana izay manana ny faniriana hanampy toa anao. Ho lasa finamanana matanjaka izany, izay mampitombo fifandraisana eo amin’ny kolontsaina sy ny finoana.

Nilaza i Antoine de Saint-Exupéry hoe: “Nampianarin’ny fiainana isika fa ny fitiavana dia tsy midika ho fifampijerena fotsiny fa ny fiarahana mijery ny hafa. Tsy misy finamanana raha tsy amin’ny alalan’ny fiarahana miray hina amin’ny ezaka ambony iray. Na dia amin’ny vanim-potoantsika ara-materialy aza izany dia tsy maintsy toy izany, raha tsy izany, dia ahoana no hanazavantsika ny fifaliana tsapantsika amin’ny fizarantsika ny sakafokelintsika amin’ny hafa any an-tany foana?”12

Famaranana

Raha toa ka mamaly ilay fanasana mba hanompo tahaka ny nataon’i Jesoa ianareo, dia hiova, ho lasa mpiahy bebe kokoa ny hafa fa tsy ho tia tena. Ho hitanareo ny fifaliana azo avy amin’ny fanompoana amin’ny fomban’ny Mpamonjy, ka havelanareo any ireo tebitebinareo sy ireo fisalasalanareo ary ny alahelonareo avy amin’ny tsy fahatanterahanareo ivelany.

Angamba raha nihaino ianareo dia nisy anarana na toe-javatra iray tonga tao an-tsainareo. Mety fanasana avy amin’ny Fanahy izany, ary angamba efa nahazo izany ianareo taloha. Manolora tanana, mitadiava olona ampiana ary hampitrakao izy ireo. Safidio ny hamaly izany fanasana izany ary mivavaha anio mba hahafantatra ny zavatra tokony hatao. Rehefa hitanareo sy tsapanareo ireo fitahiana entin’izany ho anareo sy ho an’ireo izay tompoinareo, dia ho tianareo ny hanao izany ho fomba fanao andavanandro.

Ny ezaka lehibe sy tsara indrindra ataontsika dia ny mizara ny hazavana, ny fanantenana, ny fifaliana, ary ny tanjona amin’ny filazantsaran’ i Jesoa Kristy amin’ireo zanak’ Andriamanitra rehetra ary ny manampy azy ireo hahita ny lalana hodiana. Ny fanampiana sy ny fanompoana azy ireo no fanehoana ny fampiharana ny filazantsara. Rehefa ataontsika fomba fiainana izany, dia ho hitantsika fa tena miavaka ny fahafinaretana azo avy amin’izany ary izany no fomba ahitantsika ilay fiadanana sy fifaliana izay tsy teo amintsika intsony.

Mamelà ahy ianareo hamerina ny zavatra nampanaovin’ny Filoha Nelson antsika tsirairay: “Ny toetra iray mampiavaka hatrany ny Fiangonan’ny Tompo izay marina sy velona dia ny asa iray izay voarindra sy misy mitarika hatrany hanompo ny zanak’ Andriamanitra tsirairay sy ny fianakavian’izy ireo avy. Koa satria Fiangonany ity, dia isika, amin’ny maha-mpanompony antsika, no hanompo ny tsirairay tsy misy hafa amin’ny nataony. Hanompo amin’ny anarany isika, miaraka amin’ny heriny sy ny fahefany, ary ilay hatsaram-panahiny feno fitiavana.”13

Izany no fomba niainan’ny Mpamonjy ary izany no antony niainany, dia ny hanolotra ny balsama tonga lafatra sy ny fanasitranana faratampony amin’ny alalan’ny sorompanavotana lehibe sy tsisy fetra nomeny ho anao sy ho ahy. Enga anie isika hanaraka an’ilay Kristy velona amim-pahazotoana kokoa sy amim-pahombiazana kokoa eo am-piezahantsika ny ho lasa tena mpianany marina amin’ny alalan’ny fanompoana tahaka ny hataony.

Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena

Fanamarihana

  1. Russell M. Nelson, “Manompo amin’ny hery sy fahefan’ Andriamanitra,” Liahona, mey 2018, 69.

  2. Spencer W. Kimball, “The Abundant Life,” Ensign, July 1978, 4.

  3. Spencer W. Kimball, “The Abundant Life,” Ensign, July 1978, 3.

  4. Asan’ny Apostoly 10:38.

  5. Asan’ny Apostoly 10:38.

  6. Matio 4:20nampiana fanamafisana.

  7. Jaona 21:6.

  8. Russell M. Nelson, “Fanambarana ho an’ny Fiangonana, fanambarana ho an’ny fiainantsika,” Liahona, mey 2018, 95.

  9. Jean B. Bingham, “Manompo tahaka ny ataon’ny Mpamonjy,” Liahona, mey 2018, 104.

  10. Jereo ny William M. Allred, ao amin’ny “Recollections of the Prophet Joseph Smith,” Juvenile Instructor, Aug. 1, 1892, 472.

  11. M. Russell Ballard, “Mahita fifaliana amin’ny alalan’ny asa fanompoana feno fitiavana,” Liahona, mey 2011, 49.

  12. Antoine de Saint-Exupéry, Airman’s Odyssey (1939), 195.

  13. Russell M. Nelson, “Manompo amin’ny hery sy fahefan’ Andriamanitra,” Liahona, mey 2018, 69.

Hamoaka printy