Fampaherezam-panahy tamin’ny 2018
Ny lanjanao tsy misy fetra sy ny fitiavan’ Andriamanitra tsy misy fetra


Ny lanjanao tsy misy fetra sy ny fitiavan’ Andriamanitra tsy misy fetra

Takariva hiarahana amin’ny Loholona Patrick Kearon

Fampaherezam-panahy maneran-tany ho anʼny tanora tokan-tena sy ny mpivady vao herotrerony • 6 mey 2018 • Ivon-toeran’ny Oniversiten’i Brigham Young–Idaho

Misaotra ny amboaram-peo noho izany hiram-piderana ny Mpahary antsika mampientam-po izany.

Tena fifaliana tanteraka sy voninahitra ny miaraka aminareo rehetra amin’ity takariva ity. Ankafizinay ny fahafahana miaraka amin’ireo tanora tokan-tena sy ny mpivady vao herotreron’ny Fiangonana. Tinay tsotr’izao ianareo! Tena mahafinaritra ny hoe mpiara-mandray anjara mazoto aminareo ao amin’ny vanim-potoana mientanentana toy izao ao anatin’izao famerenana amin’ny laoniny ny filazantsaran’i Jesoa Kristy mitohy izao.

Na tanora na antitra isika dia samy mankamamy angano, indrindra fa rehefa tantaram-pitiavana izany. Tsy maintsy milaza aho fa tantara tasara sy tsy nampoizina tanteraka ny tantaram-pitiavanay. Lehibe tao Californie aho ary lehibe tany Angeleterre sy Arabie Saoudite ny vadiko. Nobeazina tato am-piangonana hatramin’ny nahaterahako aho; ary mpikambana niova fo tato amin’ny Fiangonana tany antenantenan’ny taona faha-20 tany ny vadiko. Tafahaona tao amin’ny tanàna lehibe diai Londres ny avy tany amin’ny kaontinanta roa samy hafa. Vao roa taona no naha-mpikambana azy tamin’ izany ary nanatrika ny paroasin’ny tanora tokan-tena tany Londres rehefa tonga tao aho mba hianatra nandritra ny enim-bolana ny tantaran’ny asa-kanto sy literatiora anglisy nandritra ny enim-bolana. Tsy mbola nieritreritra na nanantena ny ho latsa-pitia aho nandritra ny fianarako tao Royaumes Unis, kanefa mety mitsimbadika tampoka—amin’ny fomba mahatalanjona—ny fiainana.

Izaho koa dia tena feno fankasitrahana ny Tompo tamin’ny nampifanojoany anay. Natao mariazy tao amin’ny Tempolin’i Oakland Californie izahay, ary nifindra avy hatrany tany Angleterre aho, ka nipetraka tany nandritra ny 19 taona manaraka izahay, mandra-piantsoana ny vadiko ho manam-pahefana ambony tamin’ny taona 2010.

Manan-janaka efatra izahay. Nodimandry ny zanakay lahimatoa, rehefa nodidiana fo, 19 andro izy tamin’izay. Hita nandritra ny fitondrako vohoka ny tsy fahatomombanan’ny fony, ary ny ady tsy tapaka nataonay tamin’ny fiainana izay fohy dia fohy dia nampianatra anay momba ny fahagagana, ny sitrapon’ Andriamanitra, ary ny fisiana manokan’ny Sorompanavotana sy ny Fitsanganan’i Jesoa Kristy tamin’ny maty.

Manaraka ny zanakay lahy mamy ireo zanakay vavy sarobidy anakitelo, izay tianay, sy hajainay, ary mianatra avy amin’izy ireo izahay isan’andro. Harena ho anay izy ireo. Tamin’ny finoana tsy manam-paharoa, dia nifindra tamin-tsitrapo izy ireo—nandritra ny taona naha-zatovo azy ireo manontolo—avy tany an-tranony tany Angleterre nankaty Utah, nankany Allemagne, ary izao miverina eto Utah indray, rehefa nahazo iraka hanompo amin’ny lafiny samihafa ato amin’ny Fiangonana ny rain’izy ireo.

Ny lanjanao tsy misy fetra sy ny fitiavan’ Andriamanitra tsy misy fetra

Ankehitriny, moa ve misy zavatra izay tsy tianareo fony ianareo zaza ka tianareo rehefa lehibe ianareo izao? Ahoana ny amin’ny torimaso antoandro? Mino aho fa tsy tia naka torimaso kely amin’ny antoandro ianareo fony mbola zaza. Izaho aloha tsy tia e! Kanefa fahasambarana be izany fahafahana haka torimaso kely fanampiny izany amin’izao! Nolalaiko ny torimaso antoandro. Eny ary e, ary ny broccoli na ireo sakafo hafa izay tsy tianareo fony mbola zaza? Ahoana, tianareo ve izany ankehitriny?

Na eo aza izay eritreritrareo momba ny torimaso kely amin’ny antoandro na ny broccoli, dia misy zavatra tsy tianareo fony mbola zaza—izay maro tokoa— ary mbola tsy tianareo izao lehibe izao. Tsy tiantsika na oviana na oviana ny mianjera sy kiaka lohalika. Tsy tiantsika na oviana na oviana ny manandrana miditra ao amin’ny ekipa ara-panatanjahantena iray ka tsy tafiditra ao amin’izany. Tsy tiantsika na oviana na oviana ny adalaina, akoraina, avela irery, na ratrain’ny olona iray tsotra izao. Ary mbola tsy tiantsika izany.

Tsaroako tany amin’ny ambaratonga fototra fa azo lazaina ho nahomby ara-pianarana aho tao an-dakilasy, kanefa mpandihy aho, ary tsy nahay fanatanjahantena mihitsy rehefa miakatra eny ambony kianja. Afaka nanao sora-dihy aho, fa tsy afaka nanipy baolina—na nitifitra, na nanipy, na nitaty, na nilalao baolina. Nanome solon’anarana ho ahy ny ankizy sasany ary nihomehy ny sandriko nahia. Nahia ny sandriko, marina izany, kanefa mbola mandratra izany! Tsaroako miavaka tsara fa raha toa ka nasaina nisafidy ny ekipanay izahay ho amin’ny fifaninana ara-pianarana, dia anisan’ireo voalohany nosafidian’ireo namako aho. Saingy raha toa ka nasaina nisafidy ekipa ho an’ny fifaninan’ny atleta izahay, dia nosafidiana farany indrindra aho. Tena nampalahelo izany!

Izao dia, inona no antony hizarako izany rehetra izany aminareo, am-polo taonany maro aty aoriana? Satria, araka ny hitanareo, dia miraikitra ao am-pontsika ny zavatra toy izany. Tsaroantsika izany hoe lavina izany na tsy tiana na tsy eken’ny namantsika, ary angamba, izay tena loza tokoa, raha nataon’ireo olona ao amin’ny fianakaviantsika. Ary tsy miova izany satria nitombo sy lasa olon-dehibe fotsiny isika. Mety ho nahatsapa izany ianao omaly. Ny namana, ray aman-dreny, iray tampo, vady, mpampianatra, mpiara-miasa—afaka milaza na manao zavatra izay mankarary fo lalina tokoa izy rehetra. Matetika izany no tsy nahy. Kanefa indraindray dia mety ho natao tamin’ny nahim-po izany. Ary mamaly faty isika indraindray.

Manan-danja eo amin’ny fiainantsika ara-pihetseham-po manontolo sy ny mahasoa antsika ara-panahy ny fianarana mitady sy mahatsapa ary mahatakatra ny lanjantsika manokana na inona na inona mety ho eritreretin’ny olona hafa na lazainy momba antsika. Rehefa avelantsika handidy ny fahatsapantsika momba ny tenantsika ny tenin’ny hafa sy ny fihetsiny ary ny heviny momba antsika, dia manjary lasa lasibatra mora tohina isika, tsy mahafantatra na oviana na oviana ny fotoana hivadian’ny fankatoavan’olona iray antsika ho zary tsinontsinona.

Torak’izany koa, raha toa ka mifototra amin’ny zava-bitantsika, sy fahaizantsika manao zavatra, na ireo fanomezam-pahasoavana hita maso ananantsika ny lanjantsika, dia tsy hahomby sy ho diso fanantenana isika raha vantany vao tsy mahatontosa zavatra na tsy eny amin’ny voalohany.

Fantatrareo izany, kanefa ianareo izay manana olana amin’izany dia mila maheno izany matetika sy mahazo toky momba ny lanjanareo tsy misy fetra, izay tsy mifandray tanteraka amin’izay zava-bitanareo, fa mifampitohy tokoa amin’ny fifandraisanareo amin’ Andriamanitra. Inona no dikan’ny hoe tsy misy fetra ? Tsy misy fefy, tsy misy fiafarana. Ianareo tsirairay dia manana lanja tsy misy fefy, tsy misy fiafarana. Amin’iza? Amin’ilay olona mandrabiraby anareo eny ambony kianja filalaovana ve? Tsia. Ianareo dia manana lanja tsy misy fefy, tsy misy fiafarana amin’ny Rainareo any An-danitra, ilay hany Tokana mahafantatra tsara anareo, na inona na inona mety eritreretin’ny hafa na lazainy momba anareo. Avelao ny hakanton’izany fahamarinana izany, sy ny maha-mbola marina izany hatrany, hitambesatra eo amin’ny fanahinareo mandritra ny fotoana fohy. Ianao dia “sarobidy eo imaso[ny].”1

Rehefa mandratra anareo ny olona iray, na miaina karazana tsy fahombiazana ianareo, dia mankanesa eo amin’ny toerana izay tsy handavana anareo na handrabirabiana anareo na oviana na oviana. Tia anareo ny Rainareo any An-danitra, na iza ianareo na iza, na inona na inona manahirana anareo. Ao tsara ianao! Ao tsara ianao! Tiany amin’ny maha-anao anao ianao, izao ankehitriny izao, rahalina, ao anatin’ny korontana mahafinaritra misy anao. Kanefa ampy koa ny fitiavany anao mba tsy hamelanao anareo araka ny misy anareo eto sy izao ankehitriny izao. Manana drafitra lehibe kokoa ho anareo Izy! Ianareo dia “mpandovan’ Andriamanitra, no mpiray lova amin’i Kristy,”2 ary noho izany tsy maintsy manohy mianatra hanaja ireo didy ianareo, manao fahadisoana, mitombo, sahirana, ary miova mandra-pahatratraranao ny tanjonao masina, voatefy sy voadio—ary indray andro mandrakizay any ho tanteraka—amin’ny alalan’ny fahasoavan’i Kristy.3

Raha toa ka apetratsika ny rafitry ny fiainantsika manokana, dia azo antoka fa hanao drafitra ho an’ny tenantsika mba hanana fiainana feno fifaliana, fahombiazana, ary fahatsorana eo amin’ny fifandraisana, angamba miaraka amin’ny fahasahirana malefaka etsy sy eroa izay azontsika resena ka tsy mila ezaka be. Iza no te hiaina tsy fahombiazana, olana, na karazana famoizana na fahoriana? Iza no te hanao zavatra sarotra? Raha toa ka miaina ny fiainana tiantsika iainana isika dia ho voaray amin’ireo oniversite tsara indrindra tiantsika, hahazo ny asa nofinofisintsika, ary hanambady ny taolan-tehezantsika tonga lafatra izay tsy hifanditra amintsika na oviana na oviana isika. Tsy mila mitolona amin’ny antso ao am-piangonana isika, hijanona ho miova fo sy fanahy ao amin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy ireo olon-tiantsika, ary ho vita batisa ao anatin’ny herinandro izay olona nizarantsika ny finoantsika. Tsy ho voan’ny homamiadana ny renintsika, tsy handao antsika ny raintsika, ary tsy ho faty ao anatin’ny loza mahatsiravina ny iray tampo amintsika. Tsy hamoy ireo zazakelintsika amin’ny fandidiana fo isika, ary tsy mila miandry ny fotoan’ny Tompo. Azonareo an-tsaina izany. Saingy tsy hivoatra mihitsy isika amin’ny faharetana, fangorahana, fanetrentena, lempim-panahy, hatsaram-panahy, faharetana hatramin’ny farany, fifehezantena, tsy fitiavan-tena, na finoana, fanantenana, ary fiantrana. Ho niverina tany amin’ny Raintsika any An-danitra amin’ny toetra nialantsika teo anatrehany isika, satria tsy niaina na inona na inona izay nitaky fiovana na fitomboana isika na nahatontosa sy nahatanteraka fiankinana amin’ Andriamanitra.

Kanefa tsy miaina fiainana mora nofaritantsika manokana isika. Miaina ny fiainana izay norafetan’ Andriamanitra hahazoantsika fifaliana sy fivoarana araka izay betsaka indrindra isika. Koa matokia fa ny fitiavana tsy manam-petra sy malemy paika avy amin’ Andriamanitra dia hanasa anareo hanao fiovana eo amin’ny fiainanareo amin’ny alalan’ny traikefa ho avy eo aminareo na ho mamy izany na mangidy. Kanefa Izy dia hanasa antsika hiova hatrany amin’ny fomba feno fitiavana, sy mankahery, ary manohana. Aza mihaino ireo feo ao anatin’ny lohanareo—izay mety efa tao hatramin’ny fahazazana—izay miteny aminareo fa tsy afaka miova ianareo, tsy mendrika na inona na inona, ary tsy hahomby indray. Ny bitsiky ny Fanahy Masina ihany no henoy sy “ny teny mahafinaritra izay an’ Andriamanitra … izay manasitrana ny fanahy maratra”4 izay manamarina ny lanjanareo tsy misy fetra sy ny toky omen’ Andriamanitra indray fa afaka manao izany ianao.

Rehefa trotraky ny fiainana ianao ka mahatsapa tena ho tsy mahita mangirana amin’ireo ezaka ataonao amin’ny fiainanao amim-pahamarianana dia aza milavo lefona. Aza Mampandefitra ny nofinofinao sy ireo tanjonao. Ampitomboy ny finoanao fa tsy matiantoka ny miandry ny fotoan’ny Tompo.

Ary rehefa mitranga tokoa eo amin’ny fiainanareo ireo zavatra mahatsiravina, mampanaintaina, ary loza be, ary tsy fantatrareo ny fomba hiatrehana ilay lalan’i Getsemane anao manokana, dia tsarovy fa i Kristy, Ilay Voahosotra, dia efa nitondra ny fahorianareo sy nibaby ny alahelonareo.5 Izy dia notorotoroina noho ny helokao, ary ny dian-kapoka taminy no nahasitranana anao.6 Fantany, manokana ireo fanaintainana zakainareo. Izy no ilay Lahimatoan’ny Ray, ary Izy no mizaka voalohany ny fijalianareo manontolo, na ara-tsaina, na ara-batana, na ara-pihetseham-po, na ara-panahy. Aza manahy velively ny amin’ireo fampanantenany hanome fanantenana sy fanasitranana. Nohariana hanana fiainam-pifaliana sy fahafenoana ianareo.Tsy misy fetra ny lanjanao, torak’izany koa ny fitiavan’ Andriamanitra.

Ho fehiny

Tena faly aho fa nanana fahafahana nandre ny vadiko ianareo. Tiako ho fantatrareo—izay manan-danja amin’ny taona sy ny sokajy misy anareo eo amin’ny fiainana, rehefa mampiaraka sy manambady ianareo—fa io lehilahy izay tiako tokoa io dia tsara fanahy tsy tapaka tamiko nandritra ny 27 taona nivadinay. Tsy mbola nanao izay hahatsapako ho kely na tsy tiana na oviana na oviana, na indray mandeha aza, izy ary tsy mbola nandrabiraby ahy na oviana na oviana. Manantena aho fa afaka ny hianatra amin’izany ianareo.

Tiako ny hilaza ny finoana velona ananako momba ilay Kristy Velona, izay tena “fahazavana, fiainana, ary fanantenan’izao tontolo izao. Ny fombany no lalana mitondra mankany amin’ny fahasambarana eto amin’ity fiainana ity sy any amin’ny fiainana mandrakizay any amin’ilay tontolo ho avy.”7 Ity no Fiangonany, izay tarihin’ny Mpaminaniny .

Amin’ny anarana masina sy manavotr’i Jesoa Kristy, amena.

Hamoaka printy