Fampaherezam-panahy tamin’ny 2020
Miatrika ny safotofotom-piainana amin’ny fananana ny Fanahy Masina ho namana


Miatrika ny safotofotom-piainana amin’ny fananana ny Fanahy Masina ho namana

Fampaherezam-panahy maneran-tany ho anʼny tanora sy mpivady vao herotrerony

Alahady 3 mey 2020

Manao ahoana ry ranadahy sy rahavavy! Tena feno fankasitrahana aho noho ilay hira teo. Anisan’ny ankafiziko indrindra izy iny ary nanome ahy fitoniana sy fitiavana amin’izao fotoana izao. Tiako ihany koa ny haneno ny fanetrentenako sy ny fitiavako noho ny maha eto aho miaraka aminareo amin’izao takariva izao. Amin’ny fahalalana olona maro manerana izao tontolo izao dia mampanetry tena tokoa ny mahafantatra ireo vavaka izay notononina. Ary te-hampita ny fitiavako ho an’ireo zafikelinay izay tsy hitanay nandritra ny volana maro aho. Enga anie izy ireo hihaino sy hahafantatra ny halehiben’ny fitiavanay azy ireo.

Raha teto izy ireo dia ho nijoro ho vavolombelona fa tiako ny toetrandro, ireo karazana toetrandro rehetra: ny masoandro mibaliaka, ny rivotra mitsoka, ny tafio-dranomandry, ny tafio-drivotra eny fa na ny tafio-dranomasina avy any avaratra andrefana izay mitondra onja vaventy mikapoka amin’ny moron-dranomasina aza. Nandritra ny 45 taona lasa izahay dia nipetraka tamin’ny faritra maro isan-kazarany teto Etazonia sy manerana izao tontolo izao, ary ny toerana tsirairary dia samy manana ny olana ara-toetrandrony avy. Ao Etazonia, amin’ny ilany andrefana dia ny kotro-baratra mahery sy ny rivo-mahery izany, any atsimo atsinanana dia ny tadio izany, any avaratra atsinanana dia rivo-mangatsiaka izany, sy orana mamanala ary tafio-dranomandry, any andrefana dia haintany sy horohorontany izany. Tany Afrika Andrefana dia nisy orambe arahin-kotroka sy tafiotram-pasika avy amin’ny Harmattan, tany Eorôpa dia nisy ny orana, ny orana mamanala, ny oram-panala ary ny masoandro mibaliaka izay indraindray miara-mitranga amin’ny andro iray; ary avy eo tany Asia izahay dia nahatsapa ny herin’ny rivo-doza. Ireo zavatra niainana tamin’ireo karazana toetrandro ireo dia nampientanentana ahy hatrany! Ataoko ahoana ary fa dia tiako ny toetrandro!

Izany eo ihany fa tahaka ny fiandrandrako fatratra ny hiaina ireo zava-mitranga lehibe ara-boajanahary izaho koa dia manana fanajana lalina ho an’ny hery sy ny mety ho loza izay mpitranga mandritra ny fahasiahan’ny toetrandro. Tsy hampidi-doza ny aiko mihitsy aho na eo aza ny fakam-panahy na koa ny hatsarana hitako anatin’izany hery izany. Tsy hanao fanahy iniana mihitsy aho hisafidy ny ho eny afovoan’ny kianja an-kalamanjana mba hijery ny fiseho mahatalanjon’ny tselatra; tsy hiroboka anaty ranomasimbe aho raha mikapoka amin’ny fomba mampidi-doza amin’ny sisin-dranomasina ireo onja mahery sy mijoalajoala, ary tsy haka fanahy ny zava-boahary aho ka tsy hialoka rehefa mandalo ny rivo-doza na ny tadio. Tena miaiky aho fa bitika tokoa aho raha oharina amin’ny hery lehiben’ny toetrandro izay misy manodidina ahy.

Ho ahy dia fifanahafana manan-danja momba ny fiainana ny herin’ny fiovan’ny toetrandro. Rehefa mivoaka ny varavarana izaho sy ianao isan’andro dia samy mitsena antsika na ny fitrangan’ny toetrandro ara-bakiteny tsy hay fehezina, na ireo hery ara-panahy mampisafotofoto sy ireo fakam-panahy mahery vaika hatrany. Na dia mety ho samy hafa aza ny toe-draharaha misy ny tsirairay aminareo, dia tokony hahatonga anareo hanontany izany hoe: “Ahoana no afahafahako miomana tsara amin’ireo fisafotofotoana andavanandro izay manemitra ny fiainako?”

Mino aho fa manao izany isika amin’ilay torohevitra mahery vaika nataon’ny Filoha Nelson mpaminanintsika, tamin’ny fihaonambentsika vao tsy ela, mba hanaraka ilay “fanambarana mifono hevitra lalina izay nanokatra ity fotoampitantanana ity, [raha] hoy … Andriamanitra hoe: “ -Ity no Zanako Malalako. Henoy Izy!Joseph Smith—Tantara 1:171

Mety tsy ho hitantsika na ho takatsika tanteraka izay mety hifofofofo manatona antsika na eo ambonintsika na ao aoriantsika, na mety tsy ho afaka foana isika ny hamantatra mialoha ireo hery matanjaka sy tsy hita maso izay ho eo amin’ny lalantsika, kanefa afaka ny hanana toky isika eo amin’ny diantsika andavanandro raha toa isika “[mihaino] Azy.” Matetika ny Loholona Boyd K. Packer no rentsika niteny hoe: “Raha ny hany fantatrao dia izay zavatra hitanao amin’ny masonao voa-janahary sy renao amin’ny sofinao voa-janahary, dia tsy hahafantatra betsaka ianao.”

Fahamarinana lehibe amin’ny Fahitana Voalohany ity zava-misy ity: Raha miankina fotsiny amin’ny fahitanao sy ny fahalalanao samirery ianao, dia tena ho voafetra ny tenanao amin’ny fahitana ilay sary lehibe kokoa izay manodidina anao, ary dia tandindomin-doza ny fanahinao. Tamin’ny fihaonambe vao tsy ela ny Filoha Nelson dia mbola niteny hoe:

“Tsy mbola nisy fotoana mihoatra noho ny amin’izao ankehitriny izao ny hoe tsy maintsy hamantarana kokoa ny fomba hiresahan’ny Fanahy aminareo. Ao amin’Ny Andriamanitra dia ny Fanahy Masina no mpampita hafatra. Izy no hitondra eritreritra ao an-tsainareo izay tian’ny Ray sy ny Zanaka hovoarainareo. Izy no Mpampionona. Hitondra fahatsapana fiadanana ao am-ponareo Izy. Mijoro ho vavolombelona ny amin’ny fahamarinana Izy ary hanamafy izay marina rehefa mandre sy mamaky ny tenin’ny Tompo ianareo.

“Havaoziko indray ny fiangaviako anareo mba hanao izay rehetra tokony hatao mba hampitomboana ny fahafahanareo ara-panahy mandray fanambarana ho an’ny tenanareo manokana.”2

Fotoana maro lasa izay, tamin’ny alalan’ny fampianarana ara-panahy tanatina olan’ny tena manokana sy valim-bavaka dia lasa nahafantatra aho ny tena fisian’ity zava-misy sy fahamarinana lalina ity: Mba hanampiana antsika hahita sy hiomana amin’izay mety ho toetrandro mifofofofo na tafiotra, Andriamanitra dia manome antsika ny fampanantenana sy ny fanomezan’ny Fanahy Masina ary ny fanambaran’ny tena manokana. Izany dia fanomezana sarobidy amin’ny fiainantsika andavanandro izay afaka ny “hampiseho amin[tsika] ny zavatra rehetra izay tokony hataon[tsika].”3

Fony aho mbola vao herotrerony, dia nieritreritra aho fa ny fanambarana dia natao ho an’ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana ihany: ny mpaminany, apôstôly, eveka, sy ireo olona zokiny kokoa, fa tsy mba natao ho ahy tanora mihitsy. Ankehitriny dia tsy mitovy amin’izany ny fahalalako, ary mijoro ho vavolombelona aho amin’izao takariva izao fa ny fanambaran’ny tena manokana dia fitahiana izay tsy maintsy katsahintsika. Rehefa manetry tena sy manaiky ampianarina ary misokatra ombam-pinoana an’i Jesoa Kristy ny fontsika sy ny saintsika, dia hampianarina antsika ireo fahamarinana ary hotarihan’ny Fanahy Masina isika. Misy aminareo no mety mahatsapa ho tsy mendrika ny feo fitarihan’ Andriamanitra. Mety hahatsapa tahaka an’i Lamana sy Lemoela ianareo hoe tsy hataon’ Andriamanitra ho “fantatrareo” ny feony. Aza mino izany. Natao ho an’ny rehetra ny Fanahiny. Vao tsy ela ny Loholona D. Todd Christofferson no nilaza hoe: “Tsy mila … fahaiza-manao kely na hatsaram-panahy kely akory isika dia efa tonga ny fanampian’ Andriamanitra—fanampiana avy Aminy izay afaka ny ho azo[nareo] isan’andro isan’ora.”4 Ho hitan’ Andriamanitra eo amin’izay misy anao ianao, tsy misy fepetra. Nilaza i Jesoa hoe: “Mangataha dia hahazo ianao”5 Mazava ho azy fa ny lanitra dia hanakaiky kokoa ary hisokatra kokoa rehefa mikatsaka amim-panentrentena sy amim-pahazotoana ianao ny hahatakatra sy hitandrika ireo didiny.

Ho voatahy ny fiainanao sy ny an’ny hafa rehefa manao asa am-pahasahiana ianao araka ireo fitaomana omena anao amin’ny alalan’ny Fanahy. Afaka mizara zavatra niainana iray izay nampianatra ahy io fahamarinana io ve aho taona maro lasa izay? Taona maro lasa izay, fony mpianatra tao amin’ny Oniversiten’i Utah ny zanakay vavimatoa, dia taitra tamim-pahatoniana tamin’nymisasak’alina aho ary naharay bitsika mivantana sy tony momba azy. Taitra tsara aho kanefa tsy nahatsapa tahotra, fa fitiavana fotsiny ho azy, kanefa nahazo fitaomana aho hoe mety ho tandindomin-doza izy. Nipetraka tany Connecticut izahay, ary izy dia tany lavitra, tany Utah. Avy eo dia tonga tamiko ny eritreritra hoe: “Antsoy ny mpitandro ny filaminana. Anontanio izy ireo raha afaka mandefa fiaran’ny mpitandro ny filaminana hanamarina ny faritra manodidina ny fonenany.” Nisalasala aho nandritra ny iray minitra, niezaka ny hahatakatra, dia nahare indray ilay feo hoe: “Antsoy ny mpitandro ny filaminana.” Ka dia nataoko fotsiny izany. Niantso ny mpitandro ny filaminana aho. Tsy afaka ny nanazava mazava tamin’ilay mpitandro ny filaminana aho hoe nahoana, fa nilaza taminy aho hoe ankasitrahako indrindra raha mba afaka mandefa fiara izy hanamarina ny faritra manodidina ny tranon’ny zanako vavy. Nanome toky ahy izy fa hanao izany ka dia niverina natory tamim-pitoniana aho. Nifoha aho ny ampitson’io ary zara raha nahatsiaro ny zava-nitranga nandritra ny alina.

Andro maromaro taty aoriana dia nankany Utah izahay, ary rehefa nandeha nizotra nankany amin’ny trano fandraisam-bahiny hivantananay izahay dia nahare tamin’ny vata fandraisam-peo fa nahatratra lehilahy iray ny mpitandro ny filaminana izay misy hifandraisany tamin’ny fanafihana izay nitranga nanodidina ny trano akaikin’ny faritry ny Oniversiten’i Utah. Nilaza ilay vaovao fa nisy zatovovavy iray izay novonoina tamin’ny fomba mampalahelo indray takariva tamin’io herinandro io. Nivadi-po aho, ary avy hatrany dia nahatsiaro ilay antso misasak’alina nataoko tamin’ny mpitandro ny filaminana andro maromaro talohan’izay. Tsy fantatro raha tamin’io takariva io izany. Tsy fantatro hoe ny fitoerana nisy azy ve dia anisan’ireo trano lasibatra. Tsy ho fantatro tsara ny zava-nitranga tamin’iny alina iny, fa ny fantatro kosa dia nisy bitsika tony izay nanaitra ahy tanatin’ny alimbe ary nanosika ahy hiantso an-tariby mba hakana antoka ny fiarovana ny zanako vavy tao anatin’ny toe-javatra izay toa tsy azo antoka.

Ny tafiotran’ny fiainana dia mety hanafotra antsika indraindray, kanefa tsy misy hery maharesy ny herin’ny fisoronana sy ny fanomezan’ny Fanahy Masina eo amin’ny fiainanao amin’izao fotoana izao. Tamin’ny alin’ny Sorompanavotana nataony, ny Mpamonjy dia nampianatra fa ny fanomezan’ny Fanahy Masina sarobidy avy amin’ny Ray dia omena mba hitondra “fiadanana” sy “hankahery” ny fanahinao, “hampianatra … ny zavatra rehetra” ary “hampahatsiaro anareo ny zavatra rehetra,”6mba “hitari-dalana anareo ho amin’ny marina rehetra” ary “ny zavatra ho avy aza dia hambarany aminareo.”7 Omena ny Fanahy Masina isika mba “hameno fifaliana ny fanahin[tsika].”8

Ireny fitahiana ireny dia mampanetry tena ahy sy mameno ny foko indraindray. Moa ve mahagaga raha manasa antsika ny Filoha Nelson mba hanao izay rehetra azontsika atao mba handraisana fanambarana ho an’ny tena manokana sy hihaino ny feon’ Andriamanitra amin’ny alalan’ny Fanahy Masina eo amin’ny fiainantsika? Tsikaritrareo ve ny fipoiran’ny lohahevitry ny fanambarana ho an’ny tena manokana sy ny torohevitra mba hamantatra ny fanomezam-pahasoavana avy amin’ny Fanahy eo amin’ny fiainana tamin’ireo fihaonambe tanatin’ny telo taona farany lasa? Izaho nahatsikaritra ary feno fankasitrahana lalina aho amin’ireo torohevitra mba hampifikitra ny fijoroantsika ho vavolombelona sy ny fiainantsika amin’ny fanomezana manokan’ny fahazavana sy ny fanahy izay antsika manokana sy feno tanjona.

Amin’ny andro sy taona ho avy dia hiaina zavatra ianareo izay haneho amin’ny fomba samy hafa ny asa sy teny ataon’ny Fanahy eo amin’ny fiainanareo. Aza atao tsinontsinona ireny fitaomana ireny. Mety ho bitsika kely izany na fanairana feno fitiavana. Mety ho fahatsapana izany na eritreritra, na torolalana mivantana sy mazava mihitsy aza. Mety ho fitaomana miverimberina izany na anaran’olona. Ny Fanahy Masina dia tena mitondra faharanitan-tsaina sy fahatakarana mipololotra izay manazava ny saintsika. Izaho manokana dia efa niaina ny ankamaroan’ireo fisehony ireo ary nianatra aho fa raha misy anarana na endrik’olona miverimberina ao an-tsaina, dia mila mandray ny finday aho ary miantso azy ireny. Nianatra ny hanaraka ny eriteritra sy fitaomana aho, eny na dia rehefa tsy misy vokany mazava afaka hitako aza. Nampitandrina ahy tsy handeha amin’ny toerana sasany sy hivily hiala amin’ny fanaovana zavatra sasany ny Fanahy Masina. Zavatra iainana mandritra ny androm-piainana manontolo ny fananana ny Fanahy Masina mibitsika aminao sy miresaka aminao. Tsy mitranga indray mandeha monja izany. Mila imbetsaka ianao no mianatra ny mamantatra ny zavatra renao sy ny fomba hitarihana anao.

Nahoana aho no nisafidy ny hiresaka aminareo momba izany? Tahaka ny tsy fahafahantsika mahita na mandre feno ny endriky ny toetrandro ratsy eny amin’ny lanitra sy ny tsy fahafantarantsika lalandava ireo toe-javatra hitranga tsy ho ela, raha toa isika mampiasa fotsiny ny masontsika sy sofintsika voa-janahary hahatakarana ny toe-draharaha, dia tsy ho vonona isika manoloana ireo hery sy tafiotran’ny fiainana izay manodidina antsika. Mahatalanjona ahy ny hoe ny hany fiteny marina izay tokony horenesintsika sy ho fantatsika ary ho takarintsika rehetra dia ny fitenin’ny Fanahy Masina. Enga anie ianareo hianatra ny handre sy hahatakatra izany fiteny izany eo amin’ny fiainanareo. Rehefa manao izany ianareo dia hotarihina, sy hoarovana ary hampaherezina amin’ny fomba rehetra ilaina.

Ry namana malala, ry ranadahy sy rahavavy malalako, tsy manam-pahaizana aho. Tsy tapi-pahaizana amin’ny soratra masina aho. Fa izaho dia mpino. Fantatro fa ity no Fiangonan’i Jesoa Kristy marina sy velona, tena misy ny fanambarana, ary misokatra ho anareo ny lanitra. Fantatro fa i Jesoa Kristy no Mpamonjy ahy. Izy no Mpamonjy antsika, ary maniry ny hitahy , sy hiaro anareo, ny hifona ho anareo, hitarika ary hampitraka anareo Izy. Rehefa tsy misy mahatakatra izay ao am-ponareo, dia Izy kosa mahatakatra. Izy dia mahatakatra. Mitaona anareo am-pitiavana aho mba hitodika any amin’ny Mpamonjy isan’andro fa tsy any an-kafa. Mitodiha Aminy amim-pinoana an’ireo fahamarinana izay fantatrareo fa marina. Aza avela hampivily anareo hanalavitra ny fiarovana sy ny herin’ny Fanahy Masina sy ireo fampanantenan’i Jesoa Kristy Mpamonjy antsika ireo ahiahinareo, ireo tahotrareo, na ireo zavatra izay tsy mampatory anareo. Ny tsirairay aminareo dia tena tian’ny Raintsika any An-danitra sy ny Mpamonjy antsika tokoa.

Mivavaka aho mba hamaly ny vavakareo tsy tahaka ny hatrizay Andriamanitra ary hanome anareo izay fanomezam-pahasoavana rehetra avy amin’ny Fanahy Masina ilainareo mba handrosoana eo amin’ny fiainana ary milaza izany am-pitiavana lehibe ho anareo tsirairay aho. Hisy fotoana mafy sy sarotra amin’ny ho avy. Kanefa mampanantena aho fa hisy andro maro kokoa izay tsara sy feno fifaliana sy fitoniana ravahin’ny lanitra manga sy rivo-malefaka raha toa ianareo mitodika amin’Izy izay manana ny hery rehetra ambonin’ny lanitra sy ny tany.

Ireo zavatra ireo dia lazaiko amim-pitiavana amin’ny anarana masin’i Jesoa Kristy Tompo, amena.

Hamoaka printy