Fampaherezam-panahy tamin’ny 2020
Misafidy faniriana tsara


Misafidy faniriana tsara

Fampaherezam-panahy maneran-tany ho anʼny tanora sy mpivady vao herotrerony

Alahady 3 mey 2020

Ry anabavy sy rahalahy malala, voalohany aloha dia te hisaotra ny vadiko aho noho izany torohevitra sy sosokevitra mahafinaritra izany. Misaotra betsaka Lynette.

Tena fitahiana sy tombontsoa lehibe ny miaraka aminareo anio hariva. Miaina marina ao anaty vanim-potoana tsy mahazatra isika izao, ary tena mino aho fa notaizana ho amin’izao vanim-potoana izao ianareo. Vao tsy ela izay ny Filoha M. Russell Ballard no nilaza hoe “Mino aho fa ity no taranaka tanora tokan-tena tsara indrindra teo amin’ny tantaran’ny Fiangonana. Mahatsapa aho fa marina izany.”1 Taranaka miavaka ianareo izay nobeazina ho afaka handeha amin’ny fotoana mikorontana sy hanampy eo amin’ny fanomanana izao tontolo izao amin’ny fiavian’i Jesoa Kristy fanindroany. Fantany tsara ianareo ary tiany.

Ny androntsika

Anio alina raha nandeha teto amin’ity fampitana ity izahay dia nolazaina fa naharay tweet aman’hetsiny mametraka fanontaniana momba ny Fanahy sy momba ny fanambarana ho an’ny tena manokana. Manantena aho fa anio hariva rehefa mihaino ny vadiko sy ny tenako ianareo dia ho afaka mamaly ireo fanontaniana ireo izahay. Mivavaka aho ny mba hahafahan’ny Fanahy Masina, ilay mpampianatra, mamaly azy tsirairay.

Tato anatin’ny andro sy volana vitsivitsy izay isika amin’ny maha fiarahamonin’izao tontolo izao antsika dia niaina fijaliana sy ahiahy sy fifanjevoana ary olana tsy mahazatra. Ireo fotoana ireo dia efa nambara mialoha efa ela be, ary hiafara amin’ilay Fiavian’ny Mpamonjintsika Fanindroany amim-boninahitra. I Jesoa mihitsy no naminany ireo fotoana ireo. Hoy Izy: “Ianareo koa dia handre ady sy tabataban’ady; aoka tsy hatahotra ianareo, fa tsy maintsy mitranga izay rehetra efa nolazaiko taminareo. … Miteny Aho noho ny amin’ny olom-boafidiko; fa hitsangana ny firenena hamely firenena … ; hisy mosary sy areti-mandringana ary horohoron-tany amin’ny toerana samihafa. … Hihamangatsiaka ny fitiavan’ny olona. … Ho tanteraka avokoa [ny teniko].2 Fomba fijery iray monja momba izany rehetra izany no tiako hozaraina. Lesona nosintonina avy amin’ny tantaran’ny Fiangonantsika izy io.

Vao niova fo ho ato amin’ny Fiangonana i Amanda Barnes Smith sy i Warren vadiny ary ireo zanak’izy ireo dimy raha nanao ny dia ho any Missouri. Nitambatra tamin’ireo Olomasina izy ireo tao Haun’s Mill, andro vitsivitsy monja mialohan’ny nahatongavan’ny andiana mpihetraketraka izay namono olona maro tao. Anisan’ireo maty voavono tamin’izany ny vadin’i Amanda sy ny zanany lahy 10 taona. Naratra mafy ny zanak’izy ireo lahy iray hafa. Nandray fanambarana momba ny fomba hanavotany ilay zanany lahy naratra i Amanda. Nandritra izany fotoam-pahoriana lehibe izany dia izao manaraka izao no nosoratany:

“Tao anatin’ny fahoriana lalina nisy anay dia inona moa no azonay vehivavy atao ankoatry ny mivavaka? Ny vavaka no hany loharanom-piononana nanananay; ary ny Raintsika any An-danitra no hany mpanampy anay. Tsy misy afa-tsy Izy no afaka mamonjy sy manafaka anay.

“Indray andro nisy mpihetraketrana anankiray tonga avy any amin’ny fitotoam-bary nitondra ilay didy navoakan’ny kapiteny. [Sady nanozona izy no nitrena hoe]: “Hoy ny kapiteny, raha tsy hatsahatrareo vehivavy ny … vavaka ataonareo, dia haniraka andian’olona izy hamono anareo … tsirairay!”

“Ary tsy misy hafa amin’ny famonoana anay ny fanakanana anay vehivavy nahantra toa anay tsy hivavaka amin’izao fotoanan’ny fahoriana lehibe izao.

“Nobitsibitsihana tao anatin’ny horohoro ireo vavakay. Tsy sahinay ny namela ny feonay ho re rehefa nitalaho tamin’ Andriamanitra izahay. Afaka nivavaka tao am-pandriana aho na nivavaka mangina, saingy tsy ho vitako ny hanohy tahaka izao. Ilay fahanginana tsy misy an’ Andriamanitra dia mavesatra lavitra mihoatra noho ilay alina nisy fandripahana.

“Tsy zakako intsony izy ity. Niandrandra fatratra ny handre ny feoko aho mitalaho amin’ny Raiko any An-danitra.

“Nitsaitsaika nidina tany an-tanin-katsaka aho ary nandady nisitrika tao anaty katsaka [nivangongo]. Miova tsy toy ny tempolin’ny Tompo izany ho ahy tamin’io fotoana io. Nivavaka tamin’ny feo avo aho, feno fientanam-po indrindra.

“Rehefa nivoaka avy tao amin’ilay katsaka aho dia nisy feo nivantana tamiko. Feo mazava mihoatra noho izay efa reko hatrizay. Tsy fahatsapana mangina sy mahery vaika avy amin’ny fanahy akory, fa feo namerina andininy iray amin’ny fihirana[ntsika] nanao hoe:

Tolory an’i Jesoa ny fiainanao,

‘Fa tsy handao anao mandrakizay Izy;

Na manangoly aza i Satana,

Na oviana na oviana tsy ho foiny ianao!3

“Nanomboka tamin’ io fotoana io aho dia tsy natahotra intsony. Tsapako fa tsy nisy afaka handratra ahy.”4

Mety mampivarahontsana ireo fotoana ireo saingy fantaro fa izay marina tamin’i Amanda Barnes Smith dia marina aminao. Na inona na inona zava-mitranga manodidina anao, na toy ny ahoana na toy ny ahoana ny fitsapana mila zakainao dia Andriamanitra no mpanamory. Tsy hahafoy anao Izy, ary tsy mila matahotra ianao raha mahatoky sy manandra-peo Aminy. Izany mihitsy no tiako horesahana aminareo anio hariva.

Ny solomason’ny vadiko

Araka ny efa nambarako dia ankafiziko ny fanatrehan’ny vadiko miaraka amiko eto amin’ity hariva ity. Zava-dehibe indrindra eo amin’ny fiainako izy. Tany amin’ny Lycée izahay no nifankahita taona maro lasa izay. Rehefa nivoaka fianarana tany amin’ny Lycée izahay dia nianatra tany amin’ny Ricks College tany Rexburg Idaho izy, ary izaho kosa tany BYU tany Provo, Utah. Tamin’ny taona voalohany naha-tany amin’ny oniversite anay dia nanapa-kevitra aho ny hamangy azy any Rexburg tamin’ny faran’ny herinandro indray mandeha. Nampianariny lesona iray tena manan-danja aho tany.

Tsy nanana fiara izy ary efa ela ihany izay izy no tsy afaka nitondra fiara. Rehefa niala tao amin’ny trano misy azy izahay dia niangavy ahy izy raha afaka mitondra ny fiarako. Hoy aho hoe: “Mazava ho azy.” Nanomboka nitsotsorika tamin’ny fidinana iray teo akaikin’ny toerana nonenany izahay. Teny an-tsasa-dalana tamin’ilay fidinana dia nanontany ahy izy hoe: ‘Misy takela-by Stop ve amin’ny faran’ity lalana ity?” Tena tazana tanteraka ilay takela-by, ka namaly avy hatrany aho hoe: “Ie, misy stop io.” Hoy izy: “Hay, izay koa no noeritreritreretiko. Saingy tsy hitako ilay izy.” Nanontany aho hoe: “Nahoana ianao no tsy mahita an’io?” Namaly izy, “Satria tsy manao solomaso aho, ary tsy mahita tsara aho rehefa tsy manao solomaso.” Avy eo aho dia niteny zavatra tahatahaka izao: “Dia maninona ary no tsy anaovanao ny solomasonao?” “Satria tsy tiako ny endriny rehefa anaovako, kanefa adinoko hoe tsy mahita tsara aho rehefa tsy manao azy.” Hoy aho: “Aleo izaho no mitondra.” Tsotra ilay lesona: ho tandindomin-doza foana ianao, raha tsy hoe angaha afaka mahita mazava tsara.

Ankehitriny aho dia manontany anareo “Ahoana no fomba hitondranareo ny fiainanareo mba handrosoana?” Moa ve mitondra ny fiainanareo ianareo manao ny solomaso ilaina mba hahafahana mahita tsara ny zava-misy? Tao amin’ilay tanàna fahinin’i Laodikia ireo Olomasina dia tsy nanana fahotana nivandravandra na hita maso, saingy nomelohin’ny Tompo izy ireo hoe matimaty teo amin’ny maha-mpianatra azy ireo. Nihambo izy ireo noho ireo zava-bitany sy ny fahaizany araka izao tontolo izao ka lasa afa-po amin’ny tenany ary tsy niantehitra tamin’ Andriamanitra. Na dia nalaza tamin’ny fahaizany manokana mitsabo maso aza ilay tanàna dia hoy ny Tompo tamin’izy ireo: “[Mividiana] odi-maso hahosotrao ny masonao mba hahiratanao.”5 Ny fanontaniana toa manan-danja ho antsika tsirairay dia ity: “Moa ve aho mahita ny fiainako amin’ny fomba fijery aterak’ireo fahamarinan’ Andriamanitra sy ireo didiny ary ireo fanekempihavanany sa kosa amin’ny masoko manokana? Moa ve aho mihaino ny feony isan’andro izay voaray amin’ny alalan’ny vavaka sy ny fanambarana ho an’ny tena manokana avy amin’ny Fanahy, sa mihaino ny feon’ny tenako manokana, sa ny feon’ny fahendren’ity izao tontolo izao ity izay mihiaka fa ny fomban’ Andriamanitra sy ireo mpaminaniny koa aza dia diso toerana, maha monamonaina, tsy ilaina, tsy miraharaha, na koa aza araka ny fisainan’izao tontolo izao hoe mamitaka sy feno fankahalana?”

Niteny i Joseph Smith indray mandeha hoe: “Ny Devoly dia hampiasa ny faraheriny rehetra hamandrihana ireo Olomasina. … Hanova ny zavatra manodidina izy amin’ny fomba izay hahatonga ireo izay manao ny sitrapon’Andriamanitra hivanàka.” Raha tsy eo ny fanampiana’Andriamanitra sy ny fanambarany dia tsy ho hitanareo tsotra izao ireo “zavatra araka ny tena toetrany, sy … araka ny ho tena toetrany.”6 Ny fahavalo dia tapa-kevitra hanao izay hampivanàka anareo eo anatrehan’ireo izay manao ny sitrapon’Andriamanitra. Tapa-kevitra izy hanakana anareo tsy hahita sy tsy hahatakatra ny marina sy ny ho toetrany, sy hanakana anareo tsy hahita fa ianareo dia zanaka lahy sy zanaka vavin’Andriamanitra tena tiany. Ny faniriany dia ny hanao izay hanekena an’izao tontolo izao; izay hahatonga anareo handà an’ Andriamanitra na tsy tena hafana fo hiantehitra Aminy; ary indrindra indrindra izay hahatonga anareo hamaritra ny tenanareo sy ny dianareo eto amin’ny fiainana amin’ny alalan’ny zava-katsahina ara-pôlitika na ara-kolotsaina, na araka izao tontolo izao, na koa tsy firaharahiana tsotra izao.

Matetika aho no manontany tena hoe: “Inona no nahatonga an’i Nefia ho lasa mpino fa tsy ho lasa Lamana na Lemoela?” Izy telo mirahalahy ireo dia samy nateraka ray aman-dreny tsongoin’olombolo. Indray alina dia reko fa voavaly ny fanontaniako. Namita iraka tany Bangkok, Thailande aho niaraka tamin’ny Filoha M. Russell Ballard raha nizara ity soratra masina ity izy:

“Ary ny zava-nitranga dia izaho Nefia, … nanam-paniriana lehibe ny hahafantatra ny mistery momba an’ Andriamanitra, noho izany aho dia nitalaho tamin’ny Tompo; ary indro Izy tonga namangy ahy sy nampahalefaka ny foko hany ka nino ny teny rehetra izay efa nolazain-draiko aho; koa tsy nikomy taminy tahaka ny rahalahiko aho.”7

Izay no valiny nandrasako. Miseho amintsika Andriamanitra araka ny faniriantsika. I Nefia dia naniry ambonin’ny zava-drehetra ny hahafantatra ireo fahamarinana sy misterin’ Andriamanitra ary nahazo ny fanatrehan’ Andriamanitra, ny fifaliany sy ny heriny ary ny fahamarinany. I Lamana sy Lemoela dia naniry ny endrika ivelany an’izao tontolo izao ka nandray ny valisoan’izany. Raha toa ianareo ka te hiaraka amin’ Andriamanitra dia tsy maintsy mampiray ny fanirianareo amin’ny sitrapony.

Ny toerana sy ny sehatra hametrahanareo ny fanirian’ny fonareo no hamaritra ny fomba hahafahanareo mahazo hery handrosoana sy hahombiazana eo amin’ny fiainana. Noho izany, anio hariva aho dia te hanasa anareo hisafidy ny handrafitra ny fiainanareo amin’ny alalan’ny faniriana manohana anareo hiova fo sy hankahery ny hafa. Mety tsaroanareo angamba fa izao no nangatahan’ny Mpamonjy tamin’i Petera izay filohan’ny Apôstôliny raha nilaza Izy hoe: “Ry Simona, ry Simona, … Satana efa nilofo nitady anareo hokororohiny toy ny vary. Nefa Izaho nangataka ho anao, mba tsy ho levona ny finoanao; ary rehefa [miova fo] ianao dia ampaherezo ny rahalahinao.”8

Ny faniriana ny hiova fo sy hampahery ny hafa

Tsy ho hadinoko na oviana na oviana ny fotoana nanaovana mpikambana iray ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifololahy efa ela niasana dinidinika anay mivady mikasika ny fahavononako hanompo ho filohan’ny misiôna. Zavatra maro tamin’izany no teo an-dalam-pahatanterahana teo amin’ny fiainanay mivady. Tamin’ny fotoanan’ny dinidinika dia tao anatina olana tena sarotra teo amin’ny fifandraisana teo amin’ny fianakaviana izahay, nanolo-tena tamina hetsika maro hanampiana olona manerana izao tontolo izao izahay izay nitaky betsaka tamin’ny fifantohanay sy ny fanananay, ary izaho dia mpiara-miombona antoka filoha mpitantana tamina orinasa iray mpamatsy vola maneran-tany, raha tsy hilaza ireo antso rehetra tao amin’ny Fiangonana izay nosahaninay. Nihevitra aho hoe efa nanao izay rehetra azonay natao izahay. Rehefa niara-nipetraka teo tamin’ity Apôstôly malala ity izahay tamin’io andro io ary nieritreritra ny zava-drehetra izay mitranga teo aminay, dia samy niteny tamim-pahalalam-pomba izahay hoe tsy io angamba no fotoana tsara indrindra hanaovanay asa fanompoana. Tsy nisalasala akory ity mpikambana ao amin’ny Roambinifololahy ity nitodika tany amin’ny vadiko sady niteny hoe: “Lynette, ho lasa misiônera lehibe sy ho namana mpiara-mitory ho an’ny vadinao ianao.” Avy eo izy dia nitodika taty amiko sy niteny hoe: “Hitanao, tena tsy azonao mihitsy ilay izy. Ny Tompo dia miantso anao hamonjy ny ainao. Ka na ianao hiaina ny fiainanao amin’ny alalan’ny fanaovana fanekempihavanana na amin’izay mampetipety anao. Tsy misy mihintsy izany fotoana mety indrindra hanompoana izany. Resaka finoana izy ity. Na ianao mino fa ny Tompo dia hitahy ny fiainanao amin’ireo fitahiana ilainao rehefa ataonao izay laharampahamehana Aminy, na ianao tsy mino.”

Nipetraka tamim-pahanginana aho sady talanjona. Vao avy nolazaina tamiko teo fa ny Tompo dia niezaka hanavotra ny aiko. Tsara ny fiainana niainako, kanefa tena tsy mifandanjalanja mihitsy. Tamin’io takariva io rehefa nandao ny biraon’ilay Apôstôly izaho sy i Lynette, dia nody izahay handinika amim-bavaka ny fomba izay hiainanay ny fiainanay. Nanao safidy haingana izahay ny hanompo sy hiaina ny fiainanay amin’ny alalan’ny fanekempihavanana, ka hanao izay zavatra rehetra angatahan’ny Tompo aminay. Ny fiainana araka ny fanekempihavanana dia fiainana voalanjalanja kokoa, iainana araka ireo laharampahamehan’ Andriamanitra fa tsy araka ny fanirianay manokana. Niova ny fiainanay nanomboka teo. Tena notahiana tanteraka tamin’ny fitiavany sy ny fampianarany izahay. Raha misy zavatra fantatro, dia fantatro fa ho azonareo koa io fitahiana io raha toa ianareo mijanona amim-pahatokiana eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanany. Te hamonjy ny ainao Andriamanitra.

Inona no dikan’ny hoe miova fo sy ny hoe miaina araka ny fanekempihavanana fa tsy arak’izay mampetipety anao? Hoy Jesoa, “Banjino Aho amin’ny eritreritra rehetra.”9 Araky ny voalazan’ny mpampianatra hendry iray tamiko indray mandeha hoe: “Tsy niteny Izy hoe, ‘Eritrereto tsindraindray tadiavina aho dia hiaraka aminao ny Fanahiko.’ Fa hoy Izy: ‘Ary raha mahatsiaro ahy mandrakariva ianareo dia hanana ny fanahiko hiaraka aminareo.’”10 Midika izany fa raha mahatsiaro Azy ianareo dia hanana mandrakariva ny herin’ny lanitra hiaraka aminareo hanampy anareo isan’andro amin’ireo olana bitika na manafotra rehetra izay hatrehanareo na manao ahoana na manao ahoana fiantraikan’izany aminareo. Ao anatin’izany izay mety ho tahotra, na fiankianan-doha, na tsy fahandriam-pahalemana, na izay mety ho rindrina toa tsy hay ho dinganina manoloana anareo. Noho izany dia saintsaino izao ankehitriny izao izay zavatra mety ho manan-danja indrindra tokony hataonareo mba hahatsiarovana Azy tanteraka kokoa ary manaova asa hanatanterahana izany.

Ny namako indrindra niara-lehibe tamiko no nampahafantatra ny vadiko tamiko. Tany amin’ny Lycée dia izaho no nanao batisa azy ho lasa mpikamban’ny Fiangonana saingy hitany foana hoe sarotra ny tena manolo-tena tanteraka hiaina ny filazantsara, ary nanamari-tena hatrany izy hoe tsy mbola nanao zavatra tena ratsy zany mihitsy. Kanjo indray alina tanatina fety, dia mamo be izy ka nianjera tampoka tanaty hantsana dia maty. Nitovy taona amin’ny maro aminareo izy. Tsy tokony ho nitranga mihitsy ary tsy ho nitranga mihitsy io loza io raha toa ka ny fanekempihavanana no nitarika ny fiainan’ilay namako fa tsy izay mampetipety azy.

Aiza ho aiza ny no fetra hamaritanareo izay hoataonareo sy izay tsy hoataonaoreo eo amin’ny fiainana raha ny mikasika ny didin’Andriamanitra? Angamba ny sasany aminareo dia mahita ny fiainanareo tahaka ny fijerin’ny ankamaroantsika ny fitandremana ireo fetran’ny hafainganam-pandeha tsy azo hihoarana eny amin’ny autoroute. Moa ve nisy efa nieritreritra hitondra fiara amin’ilay fetran’ny hafainganam-pandeha tsy azo hihoarana voalaza? Tsia. Fa tiantsika ho fantatra hoe mahatratra firy kilaometatra isan’ora mihoatra an’ilay fetra isika izay vao voasazy. Tahaka izany no niainan’ilay namako akaiky ny fiainany. Eo amin’ny filazantsara dia tsy tokony hoeritreretintsika mihitsy hoe hatraiza amin’izao tontolo izao no azontsika ekena ka tsy mandika an’ilay fetra nofaritana. Tokony hamoy an’izao tontolo izao tsotra fotsiny isika.

Rehefa mandray ireo fanekempihavanan’ Andriamanitra eo aminireo ihany ianareo vao hanana maso ahafahanareo mahita mazava tsara na dia eo aza ilay loto misarika an’izao tontolo izao. Mampianatra ny Baiboly hoe “Fa izao no fitiavana an’ Andriamanitra, dia ny hitandremantsika ny didiny.”11 Ireo izay mivelona amin’ny alalan’ny fanekempihavanana dia tsy midika mihitsy hoe manana fiainana tonga lafatra fa manatsara ny fiainany amin’ny alalan’ny fibebahana isan’andro izy ireo. Ny fihatsarana tahaka izany dia manokatra ho azy ireo ireo fitahiana tsara indrindra avy amin’ Andriamanitra sy ny tena herin’ny lanitra. Moa ve misy aminareo izay mihaino amin’izao hariva izao, amin’izao fotoana mikorontana izao, no tsy mila ny fitarihan’ Andriamanitra sy ny heriny?

Taona maro lasa izay nisy mpiara-miombona antoka tamiko teo amin’ny asa, izay narary ka nilaza tamiko fa tonga tao an-tranony ny Filoha Boyd K. Packer hanome tsodrano azy. Hoy izy, “Raha nanatitra azy ho eny amin’ny fiarany aho, dia nilaza ny Filoha Packer hoe: “Aza miverina haingana loatra avy ao Getsemane. Ianaro ireo lesona hita ao.’” Nanontany ahy avy teo ilay namako, “Inona no heverinao fa tiany hambara?” Mialohan’ny ahafahako mamaly dia nanampy fotsiny izy hoe “Mino aho fa ny tiany hambara dia ny hoe mila manao fotsiny ny sitrapon’Andriamantra isika, dia izay ihany no tiako hatao.”

Rehefa nilaza ireo teny ireo ilay mpiara-miombona antoka tamiko dia fantatro fa marina ny azy. Fitsapana farany ho an’ny fiainantsika ny hoe handeha hanoa ny sitrapon’ Andriamanitra ve isika sa hanao araka ny sitrapontsika. Efa ela izay ny loholona Neal A. Maxwell no nampianatra hoe “Ny fampandeferana ny sitrapon’ny tena no tena ilay hany zavatra tena antsika manokana izay tokony hatolotsika eo ambony alitaran’ Andriamanitra.”12

Saingy inona no atao hoe vonona ny hanao ny sitrapon’ Andriamanitra? Avy amin’ny zavatra niainan’ny Mpamonjy antsika tao amin’ny Sahan’i Getsemane no inoako fa isika, amin’ny ampahany, dia tokony hahatakatra fa ny fanekena ny sitrapon’ Andriamanitra dia midika fa izaho sy ianao dia tsy maintsy mijaly sy maharitra hatramin’ny farany na inona na inona angatahan’ Andriamanitra amintsika, na dia tsy noho ny hadisoantsika aza no nahatongavan’ilay zavatra angatahana hiaretantsika. Mety ho tafiditra amin’izany ny zavatra toy ny kilema ara-batana na fironana voajanahary, na fanendrikendrehana tsy mitombina, na fitsaratsarana, na famelezana miverimberina ataon’ireo namana, na mpitarika, na fianakaviana koa aza.

Tao amin’ny Sahan’i Getsemane ny Ray any An-danitra dia nangataka an’ny Mpamonjy antsika hitelina kapoaka mangidin’ny fahotana sy fahoriana izay tsy Azy. Tao anatin’io dingana io i Jesoa dia lasa “ory indrindra” noho ny zavatra izay hoatrehany. Nahatsiaro ho “fadiranovana … toy ny efa maty” Izy ka nivavaka “raha azo atao” ny “mba hialan’izany ora izany aminy,” ka niteny tamin’ny Ray hoe “Ny zavatra rehetra hainao; esory amiko ity kapoaka ity.” Kanefa nampiany hoe: “Nefa aoka tsy ny sitrapoko anie no hatao, fa ny Anao.”13 Amin’ny izao androntsika izao, tao amina fanambarana nomena an’i Joseph Smith, dia nilaza ny Mpamonjy hoe “Niriko ny mba tsy hisotroako ilay kapoaka mangidy sy hitakemotra—Kanefa, voninahitra anie ho an’ny Ray, ary nosotroiko izany ary novitaiko izay efa nomaniko ho an’ny zanak’ olombelona.”14

Ny misotro sy mamita izay nomanin’ny Ray ho antsika, na mangidy manao ahoana aza, dia anisan’ny dafitry ny Ray hitondrana fahasambarana mandrakizay ho antsika. Moa ve ianao mihevitra na mino ianao fa ny Ray any An-danitra dia hiaro anao tsy hiharan’ireo fotoanan’ny fanaintainana sy fahoriana izay ilaina hanampiana anao hitovy kokoa Aminy? Nilaza ny Filoha John Taylor fa niteny taminy ny Mpaminany Joseph Smith hoe: “Handalo fitsapana maro isan-karazany ianareo. … Hikaroka anareo Andriamanitra, ka hihazona anareo ary hisedra ireo fanirana lalina indrindra ao am-ponareo.” Izany hoe mpianatr’i Kristy izany dia midika hoe “mankatò, malemy paika, manetry tena, miaritra, feno fitiavana, vonona hanoa amin’ ny zava-drehetra izay hitan’ ny Tompo fa mety ampitondraina [antsika].”15

Vao tsy ela ny mpaminany malalantsika, ny Filoha Russell M. Nelson no niteny hoe: “Efa ho avy ny andro sarotra. Tsy ho fahita firy any amin’ny hoavy ny hahamora na hampalaza izany hoe ho tonga Olomasin’ny Andro Farany mahatoky izany. Hotsapaina avokoa ny tsirairay avy amintsika. … Ireo izay manaraka amin’ny zotom-po ny Tompo “dia henjehina.”16 Izany fanenjehana izany dia na mety hahalavo anao amin’ny fahalemena tsy re tsaika, na mandrisika anao ho lasa ohatra sy be risim-po eo amin’ny fiainanao andavanandro. Ny Fomba fiatrehanao ny fitsapana eo amin’ny fiainanao dia hampivelatra ny finoanao.”17

Ny Apôstôly Paoly no nametraka an’ity fanontaniana ity: “Iza no hahasaraka antsika amin’ny fitiavan’i Kristy? Fahoriana va, sa fahantrana, sa fanenjehana, sa mosary, sa fitanjahana, sa loza, sa sabatra?”18 Raha amin’ny fiteny ankehitriny dia mety ho izao no hilazantsika azy: “Moa ve hahasakana ahy ny olana eo amin’ny fitadiavana olona ho vadiana, na ny faniriana hiaina fiarahana iray tsy hankatoavin’ Andriamanitra, na ny tranga iray teo amin’ny tantaran’ny Fiangonana, na ny zavatra tsy voahevitra nataona mpitarika na mpampianatra, na ireo faniriako araka izao tontolo izao, na ny fahaverezana asa, na ny aretina miteraka olana, na ny fahoriana mahavaky fo, tsy hanarahana ny Mpamonjy amim-pahazotoana sy tsy handray anjara feno amin’ny Fiangonany?”

Ireo fahotanao rehetra, ireo fahorianao sy fijalianao ary rofinao rehetra dia ampahan’ilay antsoin’ny Loholona Maxwell hoe “asa marika mahatsiravina ao amin’ny Sorompanavotan’ [i Jesoa Kristy],”19 asa marika izay nolazainy fa tsy hay kajiana raha tsy atao hoe “goavana ampitimboana tsy hita isa.20 Ny tsy fahazoanao aina na ny olana sedrainao eo amin’ny fiainana dia tsy hidina ambanin’ny Azy mihitsy. Noho izany, ny fanontaniana apetraky ny lanitra aminao dia hoe moa ve ianao hanaraka ny dian’ny Mpamonjy ka hiara-hiteny Aminy hoe: “Nefa aoka tsy ny sitrapoko anie no hatao, fa ny Anao.”20

Ny fomba iray hafa hilazana azy dia mety ny fanontaniana hoe “Moa ve aho hahatoky an’ Andriamanitra ka hahatoky koa ireo drafiny ho an’ny fiainako?”

Eo am-pihatrehanao ireo olana sy sedra, fantaro fa Andriamanitra dia manana ny hery rehetra hanohanana anao—eny fa na dia tsy miova aza ireo toe-javatra manodidina anao. Mampanantena Izy, fa na dia eo anivon’ny sedra mampijaly sy mahory ny fanahy aza, dia “hohamaivani[ny] … ny enta-mavesatra izay apetraka eo an-tsorokareo, ka tsy hahatsapa izany ny lamosinareo, … mba hahazoanareo mahalala marina tokoa fa Izaho, Tompo Andriamanitra, dia mamangy ny oloko ao amin’ ny fahoriany.”22 Aza miahiahy mihitsy hoe sao ny Tompo tsy afaka manokatra varavarana mahomby, na hanome toky anao ao anatin’ireo fanontaniana misedra finoana, na hanampy anao hiantoka ny asa, sy ny fianarana ary ny tanjaka entina miaina amim-pahamarinana, na inona na inona zavatra hafa mety hilainao hahatratraranao izay tena tokony hahatongavanao. Nampanantena ny Mpamonjy fa hanome lalana Izy.23 Misy olon-kafa ve na zavatra hafa afaka manome anao fampanantenana mitovy amin’izany? Matokia Azy fa hitantana sy hanohana anao Izy rehefa manaiky amim-panetrentena ny sitrapony ianao.

Taona maro lasa izay, nanao izao fanamarihana milentika anaty izao ny Filoha Henry B. Eyring : “Raha tsy miorim-paka tsara ao am-pontsika ny fototra iorenan’ ny finoana dia hirodana ny hery ahafahana maharitra.”24 Ny finoana dia fitsipiky ny asa, ary ny finoana dia safidy. Ny finoana dia tsy refesina amin’ny hoe firy ny fivoriana atrehantsika na firy ny fombafomba tandremantsika. Ny finoana dia tsy hoe fiaikena akory aza hoe velona Andriamanitra sy i Jesoa Kristy. Fa ny finoanao dia ny refin’ny hoe hatraiza ny fitokisanao sy ny fianteheranao tanteraka amin’ Andriamanitra sy i Jesoa Kristy Mpamonjy anao. Isika rehetra dia samy na maharitra na mirodana arakaraka ny haavon’ny fahatokiantsika sy fianteherantsika manokana amin’ Izy Ireo.

Mba hanorenana finoana Azy ireo, dia ilainao hatao ny manaisotra eo amin’ny fiainanao izay mety ho fihetsika manamarin-tena rehetra. Mila tompon’andraikitra amin’ny fiainanao ianao fa tsy hamela ny hafa handidy anao amin’izay zavatra ataonao sy safidinao. Ny fomba fijerinao, ny fihetsikao, ny fanehoan-kevitrao, ny fahatsapana anananao, ny eritreritrao ary ny finoanao dia zavatra fehezinao avokoa. Ny fahatafintohina sy ny fivadihana dia tsy avy amin’ Andriamanitra. Manasa antsika foana ny feony manao hoe “manaraha Ahy!” Andriamanitra dia efa vonona ny hamaly izay fanontaniana ananao, hankahery amin’izay tolona ataonao, ary hanavotra ny olona rehetra. Tsy misy fahadisoana na tolona tsy ho sitrana amin’ny alalany. Ny fikarohana rehetra atao amin’ny internet eto amin’ity izao tontolo izao ity ao amin’ireo tranonkala efa ho an-davitrisany mahery dia tsy afaka milaza aminao raha toa ka marina ity Fiangonana ity na raha toa ka velona i Jesoa Kristy. Andriamanitra irery ihany no afaka manambara izany aminao. Ary izao no tena manan-danja: tsy hilaza fahamarinana iray aminao Andriamanitra, dia avy eo fahamarinana hafa amiko. Valiny mitovy avokoa no azontsika rehetra rehefa mikaroka sy mikatsaka Azy amin-kitsimpo sy am-pinoana omban’ny tena finiavana isika. Izany no ataonareo, amin’ny ampahany, rehefa manala ireo tantara manamarin-toetra rehetra anananareo ianareo.

Taona maro lasa izay, raha namita iraka tany Afrika aho, dia naheno tatitra mahakasika ny lehilahy iray izay nitatitra jirafy roa tao amin’ny kamiôny. Ny jirafy iray dia lava lavitra kokoa noho ilay iray hafa. Rehefa nandeha teo amin’ny lalam-be izy dia nandeha teo ambanina tetezana izay nanapaka teo ambonin’ilay lalam-be, saingy iva loatra ho an’ilay jirafy ngezangeza ny haavon’ilay tetezana. Rehefa nandalo tao ambanin’ilay tetezana ilay kamiô dia nidona tamin’ilay tetezana ilay jirafy lava kokoa ary maty teo noho eo. Taty aoriana dia nanontaniana an’ilay mpamily hoe nahoana no tsy nitandrina kokoa izy mba hisorohana ny fahafatesan’ilay jirafy. Hoy izy “Tsy hadisoako izany. Nataon’izy ireo iva loatra ilay tetezana.”

Mety hahatsikaiky ny fanamarinan-tenan’io lehilahy io, saingy moa ve ianao tsy mbola nirediredy tsy misy hafa amin’izany hanamarina ireo safidy ratsy nataonao? Aza melohina ny tetezana iva loatra noho fisehon-javatra. Fa katsaho kosa ny hisondrotra hahatratra ny hery anaty rehetra anananao amin’ny alalan’ny famenoana ireo fepetra rehetra ilaina ho an’izay hery sy fitahiana ary fahagagana rehetra avy any an-danitra nampanantenaina, amin’ny alalan’ny fitomboana eo amin’ny finoana maharitra na ny fahatokiana Azy. Hoy ny Tompo tamin’i Joseph Smith: “Impiry akory no … nanekenao ny fandresen-dahatry ny olona. … Tsy tokony ho natahotra ny olona mihoatra noho Andriamanitra ianao. Na dia ataon’ny olona tsinontsinona aza ny torohevitr’ Andriamanitra ary hamavoiny ny teniny—dia tokony ho nahatoky ianao; ary dia ho namelatra ny sandriny Izy ka ho nanohana sy ho niaro anao tamin’ny zanatsipika mirehitra rehetra an’ny fahavalo; ary dia ho niaraka taminao Izy tamin’ny fotoan-tsarotra rehetra.”25

Izao dia te hanitatra aho mihoatra ny fandinihan-tena ka hametraka aminareo ny tenivavolombeloko fa anisan’ny fiainana ny fanekempihavanana sy ny fanekena ny sitrapon’ Andriamanitra koa ny fahavononana hieritreritra mihoatra noho ny tena samirery ary hanao araka izay nolazain’ny Tompo tamin’i Petera, dia ny “[h]ampaher[y] ny rahalahinao.” Vao tsy ela ny Filoha Nelson no niteny hoe “Tokony ho mpanorina ny finoan[a] … an’ … i Jesoa Kristy Tompo [sy] ny Fiangonany isika. … Tokony hanorina ny Fiangonana sy ny fanjakan’ Andriamanitra eto an-tany isika.”26 Nijoro ho vavolombelona ihany koa izy fa “tsy misy zavatra mitranga manan-danja kokoa noho [ny fanangonana an’i Isiraely] eto amin’ity tany ity amin’izao fotoana izao. Tsy hisy zavatra hanan-danja kokoa noho ny vokatra hoentin’izany. Tena tsy hisy. Izany fanangonana izany no zavatra tokony hanan-danja indrindraho anareo. Izany no iraka nanirahana anareo ety an-tany.”27 Tahaka izany koa, nanadina an’i Petera ny Mpamonjy hoe “Moa tia Ahy va ianao?” ary avy teo hoe “Fahano ary ny ondriko.”28

Ao amin’ny filazantsara nosoratan’i Jaona, dia hitantsika ny fotoana nampananantsoin’i Maria sy Marta ny Mpamonjy rehefa narary mafy i Lazarosy anadahin’izy ireo. Nitalaho tamin’i Jesoa ireo mpianany mba tsy handehanany satria nikatsaka ny haningotra ny ainy ireo Jiosy, saingy nandeha nankany amin’ny fasan’i Lazarosy ihany i Jesoa. Tany dia nitomany ny Mpamonjintsika ary niara-ory tamin’ireo namany. Avy teo, tamin’ny herin’ Andriamanitra dia nandidy an’i Lazarosy Izy hitsangana amin’ny maty ka nanao hoe: “Ry Lazarosy, mivoaha!” Avy eo ny soratra masina dia mirakitra hoe “Dia nivoaka ny maty nisy fehim-paty ny tànany sy ny tongony. … [Ary] hoy Jesosy tamin’ny olona: Vahao izy, ka avelao handeha.”29

Ry namako malala, tsy misy manolotra aina mihoatra noho ny fizarana ny Fahazavan’i Kristy sy ny fahazavan’ny Filazantsarany. Tsy misy afaka mitondra fandriam-pahalemana, na manafaka an’izao tontolo izao amin’ny fahantrana, na mampivoatra olona iray ho amin’ny fahasambarana maharitra, mihoatra noho ny filazantsaran’i Kristy. Ireo fikambanana izay miasa amin’ny alalan’ny fitsipika hafa noho izany dia handamoaka. Ny filazantsara ihany no afaka manaisotra ny “fehim-patin’” ireo manodidina anareo. Asao ho any amin’ny fahazavany ny hafa. Rehefa manao izany ianareo, dia mampanantena Andriamanitra fa ianareo dia hitondra “famonjena kosa ho an’ny fanahi[nareo],”30 fa ho voavela ny fahotanareo,31 ary haniraka ny anjeliny Izy “hanodidina anareo … mba hanohana anareo.”32

Fanantenana

Ankehitriny dia takatro tsara fa na dia eo aza ny finiavana tsara avy aminareo, na avy amiko, na avy amin’ iza na iza, dia mety hihoam-pampana ny faneriterena hanaraka ny hevitr’izao tontolo izao fa tsy ny didin’ny Tompo. I Petera, tao anatin’ny fahatapahan-kevitra tanteraka, no niteny tamin’i Jesoa hoe “…Na dia tafintohina noho ny aminao aza ny olona rehetra, izaho tsy mba ho tafintohina mandrakizay. … Na dia hiara-maty aminao aza aho, tsy mba handà Anao tokoa aho.”33 Saingy fotoana fohy taorian’izay i Petera dia nitakemotra ka nandà ny Mpamonjy in-telo. Inona no tokony hianaranareo amin’izany?

Mino aho fa tian’ny Tompo ianareo hahafantatra fa takany fa ny fanekena ny sitrapony, na ny fiainana araka ny fanekempihavanana na ny fahatongavana ho niova fo tanteraka, dia dingana izorana, fa tsy zava-mitranga indray mandeha. Nanolotra ny ainy i Jesoa mba tsy handrefesantsika ny fiainantsia amin’ny fahalementsika sy ny tsy fahatanterahantsika, fa mba hahafahantsika mibebaka isan’andro ary mitombo tanjaka amin’ny alalan’ny fibebahana mba hananana finoana tsy voahozongozona. Mety ho tianareo ny hirakitra ao am-ponareo ity toromarika mifono hevi-baovao nomen’ny Loholona Jeffrey R. Holland ity tamin’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany tamin’ny volana aprily 2016:

“Mahazo fampaherezana isika noho ny amin’ilay hoe, raha toa ka ny tena mahatoky tanteraka ihany no omen’ Andriamanitra valisoa dia tsy dia hisy olona firy ao anatin’ilay lisitry ny tokony homena valisoa. Mba tsarovy rahampitso ary amin’ireo andro rehetra aorian’izany fa ny Tompo dia mitahy ireo izay maniry ny hivoatra, manaiky ny filana ireo didy sy miezaka mitandrina azy ireo, ary manome lanja an’ireo toetra tahaka ny an’i Kristy sy miezaka araka izay azony atao mba hanana azy ireo. Raha toa ianao ka solafaka ao anatin’ny fanatanterahana izany dia mba tratran’izany koa ny rehetra. Raha mianjera ianao dia angataho ilay heriny.”34

Niara-nipetraka tamin’ny Loholona Holland izaho sy i Lynette tany Johannesbourg raha nisy rahavavy tanora tokan-tena tafaverina avy nitory filazantsara iray nitsangana ary nijoro ho vavolombelona hoe “Efa lasa lavitra aho ka tokony handroso hatrany.” Miangavy aho, tsarovy, “na inona na inona olana izay hatrehanao ankehitriny … mandrosoa hatrany. Miezaha hatrany. Matokia hatrany. Minoa hatrany. Mivoara hatrany. … Mamporisika anao ny lanitra anio sy rahampitso ary mandrakizay.”35 Eo am-pelatanan’ Andriamanitra ianareo, ary afaka manafaka anareo avy ao anatin’ny memy mirehitra afo Izy.

Mbola niresaka famindram-po feno fitiavana iray fanampiny ny Loholona Holland sy fanomezan-toky avy amin’ny Tompo izay mety ho tianao horaketina lalina ao am-ponao:

“Ny Fanahy dia tsy voasakana virosy, na sisin-tany, na vinavina ara-pahasalamana. [Misy] fanomezam-pahasoavana avy any an-danitra izay tsy voasakan’ny korontana eo amin’ny tany na ny aretina eny amin’ny rivotra. … Izy izay nahary an’ity tany mahatalanjona ity izay honenantsika dia afaka miteny amin’izay mety ho akora eo amboniny hoe: “Hatreto dia hatreto ihany.” Izany no ho teneniny amin’ity valanaretina izay atrehantsika ity. Eo anatrehan’ny fiandrianany, na dia ny zava-baory kely noho ny atoma aza dia tsy maintsy miondrika—na dia an-keviny fotsiny—ary samy “hiaiky” amin’ny fombany avy fa i Jesoa no Kristy, Ilay Zanak’ Andriamanitra, Ilay Mpanavotra lehibe an’izao tontolo izao. Eo ambany fitarihan’ny Rainy, dia ny Mpamonjy no miandraikitra ny hoavin’ity izao tontolo ity. Eo am-pelatanana tena azo antoka sy feno fitiavana isika.”36

Fehin-kevitra

Tiako ny hamarana tamin’ny fomba nanombohako azy. Inoako fa ianareo no taranaka tanora tsara indrindra teo amin’ny tantaran’ny Fiangonana. Mety ianareo koa no taranaka izay miatrika olana goavana indrindra. Eo am-pandinihanareo ireo olana manodidina anareo, dia tsarovy fa Andriamanitra dia niteny hoe “Fa Izaho Tompo dia hitsara ny olon-drehetra araka ny asany, araka ny fanirian’ny fony.”37 Afaka manampy anareo ny Fanahy hikolokolo ireo fanirianao, fa ianao ihany no misafidy izay ho fanirianao, ary ianao ihany no tompon’andraikitra eo anatrehan’ Andriamanitra noho io safidy io. Izy ihany koa no nanambara fa “araka ny fanirianao … ho tovina aminao izany.”38 Midika izany fa “tsara ho anao ny maniry ireo fiantraikan’izay zavatra iri[nao]!”39

Faranako amin’ity zavatra niainako sy fijoroana ho vavolombelona teo amin’ny fiainako ity. Taona maro lasa, fony aho taona faharoa tany amin’ny oniversite, dia namerin-desona ho an’ny fanadinana faran’ny taona aho, irery tao an-tranoko. Nafana ny andro tamin’izay, ary teo am-pandinihana ireo taratasiko aho kanjo nisy bibikely nanomboka nanenoneno teo anoloan’ny tavako. Nanomboka nahasorena ahy tokoa ny fikirizan’ilay bibikely. Nony farany dia tofoka aho. Novelariko ireo tanako roa ka nosamboriko ilay bibikely dia novonoiko. Tsy haiko hazavaina hatramin’izao ny zavatra nitranga taorian’izay: nodinihako ilay bibikely maty teo am-pelatanako dia nahatsapa fangorahana lehibe aho. Hoy aho anakampo: “Tsy nilaina ny hahafatesan’ity bibikely ity. Maty fotsiny izy noho ny fahasorenako sy tsy faharetako.” Avy eo aho dia nandihalika sy nivavaka tamin’ Andriamanitra ny mba hamelany ahy ary hamela izany bibikely izany ho velona indray. Rehefa nofaranako ilay vavaka, dia nanidina niala teo amin’ny tanako ilay bibikely.

Nanontany tena an-taonany maro aho hoe fa nahoana no nanao izany tamiko Andriamanitra? Valiny maro no tonga, saingy tsy nisy nanan-danja noho ity: tiany ho takatro hatrany anatiko lalina, fa manana ny fahefana rehetra Izy hanangana ahy na olona hafa, eny fa na dia izay bitika indrindra aza. Tiany ho fantatro fa manana fangorahana tanteraka Izy noho ireo fahalementsika ary voaisany na dia ny volon-dohantsika aza. Ankehitriny, raha mety hanangana bibikely izy, dia tsy hanary anao na oviana na oviana Izy—na aiza na aiza no misy anao eo amin’ny dingan’ny fiainana.

Aza manao toa an’ireo Laodikiana ka mamela ny fahafinaretana hibaiko anao. Izany no fijoroako ho vavolombelona aminareo. Rehefa ahilikao ny fanamarinan-tena sy ny hambom-po, rehefa mikaroka sy mihaino ny Feony ianao, fa tsy ny feonao, eo am-panarahanao ny Lalany, dia ho hitanao araka izay tena maha-izy azy ny zava-drehetra. Rehefa maniry ny hiezaka am-pahamatorana ianao hiova fo, miaina araka ny fanekempihavanana fa tsy izay mampetipety, ary amim-panekena ny sitrapon’ Andriamanitra sady mampahery ny hafa, dia ho hitanao ireo fitahiana sy fahagagana rehetra ilainao hahombiazana eo amin’ity fiainana ity ary ho afaka hiverina hody any amin’ny Rainao any An-danitra ka handray fifaliana maharitra mandrakizay.

I Jesoa Kristy no Mpamonjy antsika. Velona Izy. Ity no Fiangonany ary ity ilay fiangonana horaisin’ny Mpamonjy amin’ny fiverenany fanindroany. Ny Raintsika any An-danitra dia tsy mba Ray tsy eo lava. Ny drafiny no hany drafitry ny fahasambarana. Amin’ny alalan’ny Fanahy Masina no ahafahanao mahafantatra ny fahamarinan’ny zava-drehetra sy ny zava-drehetra izay tsy maintsy ataonao. Ny vavaka ataoko dia ny hanananao risi-po hibebaka amin’izay mety ho fanirian-dratsy ary hanova izany ho faniriana araka an’ Andriamanitra mba hiainana araka ny fanekempihavanana ary hanaiky sy haharitra amin’ny tanany manefy eo amin’ny fiainanao. Mijoro ho vavolombelona aminareo aho amin’izao hatanoranareo izao, tahaka ny nijoroan’i Almà ho vavolombelona tamin’i Helamàna zananilahy, tao amin’ny fahatanorany, hoe “Fantatro fa na zovy na zovy no hametraka ny fitokiany amin’ Andriamanitra dia hotohanana izy amin’ny fizahan-toetra azy sy ny fahasahiranany ary ny fahoriany, ary hasandratra izy amin’ny andro farany.”40

Ny vavaka ataoko dia enga anie Andriamanitra hitahy anareo rehetra, amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.

Hamoaka printy