Fivoriana fampaherezam-panahy tamin’ny 2021
Fahitana sy fifandanjana


Fahitana sy fifandanjana

Fampaherezam-panahy maneran-tany ho anʼny tanora tokan-tena sy ny mpivady vao herotrerony • 2 mey 2021 • Ivon-toeran’ny Mpamaky lay

Loholona Gary E. Stevenson: Ry anabavy sy rahalahy tanora malala isany, tena faly izaho sy i Lesa miarahaba anareo tonga soa amin’ity fivoriana fampaherezam-panahy maneran-tany ho anʼny tanora tokan-tena sy mpivady vao herotrerony ity. Eto am-panombohana dia mitondra ny fiarahabana avy amin’ny fo sy amim-pitiavana avy amin’ny Filoha Russell M. Nelson sy ny Fiadidiana Voalohany izahay. Tia anareo izy ireo, ary tia anareo izahay, ary miara-manaja sy manohana azy ireo isika.

Rahavavy Lesa Stevenson: Avy ety amin’ny toerana iray tsy manam-paharoa sy miavaka amin’ny tantarantsika Olomasin’ny Andro Farany no iarahanay aminareo. Ary tena “toerana” no tiako holazaina.

Loholona Stevenson: Eto amin’ny ivon-toeran’ny mpamaky lay izay vao notokanana akaikin’ny tsangam-bato eo amin’ny “This Is the Place” eto Heritage Park eo am-pototry ny tendrombohitra ety Salt Lake City, Utah no misy anay—ny toerana izay mankalaza ilay fanambarana lehibe nataon’ny Filoha Brigham Young hoe “Inty ilay toerana,”1 taorian’ny dia mafy nataon’izy ireo niaraka tamin’ireo mpamaky lay andiany voalohany efa ho 175 taona lasa izay.

Rahavavy Stevenson: Sady efa trotraka no nahonena ireo Olomasin’ny Andro Farany tany am-boalohany ireo no nandositra fanenjehana mahery vaika ka nitoetra teto amin’ity lemaka teto an’efitra ity. Alaivo sary an-tsaina ny endriky ny lemak’i Salt Lake izay niandry azy ireo. Ny tany karakaina midadasika miaraka amin’ireo ahitra maina dia naneho fa tsy ho mora ny hanorim-ponenana teto.

Loholona Stevenson: Na izany aza anefa dia voatahy tokoa izy ireo fa nanana fahitana avy any an-danitra izay tsy hay takarina, izay tohanan’ilay faminanian’i Isaia ao amin’ny Testamenta Taloha fa “hanangana faneva ho amin’ny firenena”2 ny Tompo. Ireo Olomasina mahatoky ireo dia mbola hahafantatra indray ny fiadanana sy ny tanjona, miaraka amin’ny fomba fijery avo kokoa momba ny filazantsara, mbola avo lavitra noho ny tampon’ny tendrombohitra nihanihan’izy ireo hihazo ny lemak’i Salt Lake.

Rahavavy Stevenson: Ireo mpamaky lay ireo sy ireo izay tonga tao aoriany dia hametraka tantara raikitra amin’ity toerana amin’ny tany hay ity. Nitahy azy ireo Andriamanitra raha nanomboka ny fanangonana an’i Isiraely.

Loholona Stevenson: Na amin’izao aza dia mbola hita ao amin’ny Olomasin’ny Andro Farany ihany io fanahy sy fijerin’ny mpamaky lay io amin’ny toerana rehetra manerana izao tontolo izao.

Vao herinandro vitsy lasa izay i M. Russell Ballard, Filoha mpisolo toerana an’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo, no nanokana ity Ivon-toeran’ny mpamaky lay vaovao ity.

Eto ny olona sy ny fianakaviana dia afaka tonga sy misintona ny zavatra lehibe vitan’ireo Olomasin’ny Andro Farany tany am-boalohany raha niatrika zavatra mafy. Tsy nanana fahafahana hanao na inona na inona intsony izy ireo. Niantso ny Tompo andro aman’alina ny mpamaky lay raha nandroso hamafy sakafo izy ireo, mamily ny rano avy any amin’ny tendrombohitra, manorina trano sy fialofana, sekoly sy trano fivoriana, ary tempoly mihitsy.

Rahavavy Stevenson: Sarotra loatra ny mandinika ny zavatra nataon’izy ireo. Fahitana masina, izay nomen’ny Tompo ny mpaminany velona, nitahy ny fiainan’ireo zanany voafidy hanatanteraka ny tanjony.

Loholona Stevenson: Araka ny hitanareo dia metatra vitsivitsy miala eto amin’ny toerana itsanganako eto amin’ny Ivon-toeran’ny mpamaky lay no misy ilay fitaratra lehibe mahatazana ilay tsangambaton’ny “This Is the Place.” Ary tsinjontsika mamirapiratra eo ambanin’izany ny tanàna iray izay nanomboka natsangan’izy ireo efa ela be. Ary raha mijery mihoatra izany ianareo dia afaka mahatazana, manana fahitana mihitsy, miankandrefana mitodika any amin’ny faravodilanitry ny masoandro milentika. Io fijery nohatsaraina kokoa io raha atambatra amin’ny fahatakarantsika ny lasa dia manitatra sy manampy fahalalana amin’ny fomba fijerintsika ny fahitan’ireo mpamaky lay. Azo atao fanoharana ihany koa izany hanampy antsika hampahalalina kokoa ny fomba fijerintsika manokana ny filazantsara sy hanampy antsika rehefa miatrika ireo fanapahan-kevitra sy fanamby amin’ny fiainantsika. Tao anatin’ny andro vitsy taorian’ny nanambaran’ny mpaminany hoe “Ity ilay toerana,”3 dia nanomboka tanteraka tsikelikely ny fahitana azo momba ny tempoly, sy ny foiben’ny Fiangonana, ary ny toerana ho lasa faneva ho amin’ny firenena.

Koa amin’izao takariva izao isika dia hampiasa ny lasa, ny fahitan’ireo razambentsika mpamaky lay, mba hanampiana antsika hanana fahitana mazava ny amin’ny hoavintsika. Toa tena manan-danja amin’ny zavatra horesahintsika anio hariva ireo teny manentana ny fanahy nolazain’i Winston Churchill hoe: Arakaraka ny fahitantsika ny lasa no hahitantsika bebe kokoa ny hoavy.4

Rahavavy Stevenson: Tsy azo isalasalana fa miatrika savorovoron-tsaina isika eo amin’izao tontolo izao. Saika efa ho herintaona sy tapany mahery niatrehana valanaretina tsy misy toa azy dia inona no miandry antsika ao aloha ao? Isika tsirairay dia mila manana ilay fahitana masina sy fitarihan’ny lanitra niainan’ireo Olomasina tany am-boalohany ireo rehefa mijery ny hoavy.

Loholona Stevenson: Mety tsy ho azonao antoka hoe aiza no haleha. Mety manana faniriana mafy hanao asa fitoriana ianao izao, na handranto fianarana, na hanomboka hiditra eo amin’ny sehatry ny asa. Na mety hieritreritra ny ho raiki-pitia aman’olona, hanambady sy hanana fianakaviana, ary hahita ireo fitahian’ny tempoly ho tonga aminao sy ireo olona lalainao. Na mety efa nanomboka nanana fianakaviana mandrakizay ianao ary miaina ireo fanamby amin’ny fitaizana ankizy madinika.

Mitovy ny tanjontsika farany: ny handroso eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana, hiomana amim-pahatokiana amin’ny fisandratana. Ny fananana fijery araka ny filazantsara dia manome ahy sy ianao fahitana mazava izany lalana izany.

Rahavavy Stevenson: Rehefa niresaka momba ny fijanonana eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana ny Filoha Russell M. Nelson dia niteny hoe: “Ny fanalahidy dia ny manao sy mitandrina fanekempihavanana masina. Misafidy ny hiaina sy handroso eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanan’ny Tompo isika ary hijanona eo amin’izany. Tsy fomba sarotra izany. Izany no lalana mankany amin’ny tena fifaliana eto amin’ity fiainana ity sy any amin’ny fiainana mandrakizay any ankoatra.”5

Loholona Stevenson: Noho izany izahay dia manantena ny hizara aminareo ny sasany amin’ireo zavatra niainanay manokana izay mety hanolotra fitarihana rehefa mandeha ao amin’ireo zavatra takin’ny fiainanareo ianareo ka hanampy anareo handroso hatrany miaraka amin’ny fahitana sy fifandanjana.

“Ndao ry Olomasina mba hiasa”—hirain’ny Fianakaviana Bonner:

Ndao ry Olomasina mba hiasa;

Tohizo re ny dia.

Na sarotra aza re ny andronao,

Omeny soa, havotra.

Aoka re tsy hanahiahy,

Tohizo fa aza manahy.

Ho feno hafaliam-po,

Tsara re! Tsara re!

Nahoana no sarotra ny asa?

Toa, tsy marina.

Moa hanantena valin’asa ve,

Raha tsy miezaka?

Tafio ny rariny, herimpo,

Tsy handao antsika ny Tompo.

Ho voarakitra tokoa,

Tsara re! Tsara re!

Nomanin’ny Ray ‘lay toerana,

Any andrefana.

Tsisy handratra, hatahorana,

Fa fitahiana.

Ho velon-kiram-piderana

An’ Ilay Andriamanitra.

Venteso re ny hiranao,

Tsara re! Tsara re!

Raha ho faty an-dalana re,

‘Zany no Andro soa!

Loholona Stevenson: Ny hoe “’Zany no andro soa!”6 dia filazana fahitana tena mahatalanjona tokoa nataon’ireo mpamaky lay tany am-boalohany. Ny fijerin’izy ireo hoe milamina tsara ny zava-drehetra eo anivon’ireo fanamby sy fahoriana maro dia mitombina satria nanana fomba fijery araka ny filazantsara izy ireo.

Afaka mandany ora iray isika hiresahana momba ny hoe fahitana izay lazain’ny sasany ho “ny fahaizana mahita zavatra tsy hitan’ny hafa.”7 Mitarika ho amin’ny fanontaniana iray izay tsy maintsy hapetrakareo rehetra amin’ny tenanareo izany: “Inona izao no hitako mahakasika ny tenako manokana ao anatin’ireo taona ho avy? Taiza aho? Ary ho aiza aho?”

Rahavavy Stevenson: Indraindray isika dia mila miaiky fotsiny fa manana fahitana lehibe kokoa mikasika ny zavatra azo atao rehefa manana fomba fijery araka ny filazantsara sy ny fanomezana ny Fanahy Masina. Izany no mitranga rehefa nirotsaka tamin’ny ezaka ara-pianarana sy arak’asa izay ataonareo amin’izao ianareo, na dia toa vao mitsapatsapa ny lalanareo aza ianareo.

Loholona Stevenson: Nandalo tamin’izany aho tany am-piandohan’ny tontolon’ny asako. Nanomboka ny fiainako arak’asa aho niaraka tamin’ny namana iray tamin’ny fahazazana raha mbola mpianatry ny oniversite, nanafatra kojakoja fanao fanomezana avy any Azia. Tao anatin’ny 30 taona mahery taorin’izay dia niova tanteraka sy niroborobo be ny orinasanay. Ny fanontaniana matetika napetraka taminay dia hoe: “Raha nanomboka ny orinasanareo ianareo, moa ve tao anatin’ny vinanareo izany?” Ny valiny tsotra dia hoe “tsy tena izay.”

Mila amboarina matetika ny vina. Nila tsara vintana be sy nanova matetika ny fomba fijerinay teny antsefantsefany teny ny fiantombohana ho orinasa kely mpanafatra kojakoja momba ny fanomezana vita amin’ny varahana ary avy eo lasa orinasa lehibe mpamokatra fitaovana momba ny fitaizam-batana. Ny fialana tamin’ny drafitra iray sy ny famoronana drafitra iray vaovao, sy ny famoronana zavatra indray ary ny fanamboarana ny drafitra dia tena tanjaka fa tsy fahalemena.

Rahavavy Stevenson: Kanefa dia eo no hanamafisanay ny maha-zava-dehibe ny tombontsoa zarainay amin’ny fitrandrahana ny fahitantsika. Satria manana fahalalana ny filazantsara ianareo, tahaka ireo mpamaky lay, dia manana fomba fijery araka ny filazantsara ianareo. Ny tombontsoanareo dia ny mahita ny dianareo amin’ny fiainana an-tany amin’ny fomba fijery izay tena an’ny lanitra ara-bakiteny.

Loholona Stevenson: Ny fomba fijery mibanjina ny mandrakizay na araka ny filazantsara dia mitondra fahazavana manampy izay tsy ananan’ny hafa, na dia amin’ny resaka ara-nofo toy ny fianarana sy ny asa aza izany. Tianay ny haneho izany an-tsary fa tsy amin’ny teny.

Ka mba tianay ny hijerenareo ity sary ity. Inona izao no hitanareo? Fantatrareo ve hoe inona no asehon’io sary io?

Eto indray, manome fanazavana bebe kokoa ho anareo ve io fomba fijery vaovao io? Eo daholo ve ny tokony ho hitantsika? Ahoana ny hevitrareo? Andao indray ary hojerentsika ilay izy rehefa misokatra tsikelikely, dia jereo tsara ary.

Loholona Stevenson: Amin’ny alalan’io fampiharana tsotra io ianareo dia afaka mahita mihoatra izay hitanareo maso mivantana amin’izao. Mihatsara kokoa ny fijerinareo rehefa mandeha lavitra kokoa ianareo.

Misy fomba fiteny iray feno fahendrena sy malaza izay ao amin’ny Ohabolana izay milaza hoe: “Raha tsy misy fahitana, dia atondraka hanaram-po amin’izay tsy mety ny olona.”8

Io fitsipika marina io dia nohazavain’ny Filoha M. Russell Ballard kokoa rehefa nilaza izy hoe: “Ireo izay nahavita be teto amin’ity izao tontolo izao ity dia ireo izay manana fijery lavitra momba ny fiainany.”9 Tena marina tokoa izany!

Ny fijerintsika ara-panahy izay avy amin’ny fomba fijerintsika araka ny filazantsara dia manome hevi-baovao amin’ny laharampahamehan’ny fiainana rehetra. Mamela antsika hampifanitsy ireo laharampahamehana ireo izany ary handanjalanja tsara izany. Izany no antony ahitantsika fifandraisana akaiky dia akaiky eo amin’ny fahitana sy ny fifandanjana.

Te hizara aminareo ny fitsipiky ny fifandanjana aho amin’ny alalan’ny fitantarana zavatra iray niainako.

Misy namako iray izay manana ny lazany amin’ny asany, no sady mpanamory angidimby mahay sy be traikefa ihany koa. Indray fararano, ary tsara ny andro tamin’izay, dia niantso izy ary nilaza taminay fa hisidina ho any Salt Lake City ary nanontany raha te haterina tany amin’ny tranonay iray teny amin’ny tendrombohitra izay handalovany izaho sy ny mpiara-manao raharaham-barotra tamiko.

Adiny roa vao ho tonga tany raha nandeha fiara be. Raha mandeha angidimby anefa dia 15 minitra dia tonga. Ka dia nanapa-kevitra ny handeha izahay.

Tsara ny andro tamin’izay ka nahafahana nisidina tsara. Afaka nahita ny lokon’ireo ravin-kazon’ny fararano izahay rehefa nanomboka nipetraka. Iray minitra latsaka tsy hipetrahanay tamin’ny tany dia tsy nandeha tsara ny tangolimihodina teo amin’ny rambon’ilay angidimby. Nihodinkodina tsy voafehy ilay angidimby noho izany. Toe-javatra tena nampivarahontsana izany.

Soa ihany ho anay fa efa saika nandeha ho azy tamin’ilay mpanamory ny fiofanana momba ny fipetrahana vonjy maika. Fantany fa raha ny lohan’ilay angidimby na ny kibony no tafapetraka voalohany dia tsy ho tafavoaka velona tamin’ny fipetrahan’ny angidimby izahay.

Raha mbola nihodinkodina tsy voafehy ilay izy dia hainy tsara ny nampitongilana ilay angidimby, ka nianjera teo amin’ny tany izahay.

Nisy solika nitete ary nisy afo nivoaka avy tao amin’ny maotera. Afaka namono ny maotera izy ary nivoaka avy tao amin’ilay angidimby tsy nipoaka izahay. Tamin’ny alalan’ny asa nataon’ilay mpanamory sy ny tanan’ny Tompo dia voatahy izahay ka tafavoaka velona tamin’ilay fianjeran’ilay angidimby.

Nianatra zavatra betsaka momba ny angidimby aho hatramin’io andro io. Ny zavatra niainanay tamin’ilay fianjeran’ny angidimby dia vokatry ny tsy fiasan’ny tangolimihodina teo amin’ny rambon’ny angidimby araka ny tokony ho izy izay niteraka tsy fifandanjana teo amin’ireo singa manan-danja izay mihazona ilay angidimby hitsingevana. Rehefa mifandanja ny hafainganam-pihodinan’ny tangolimihodina fototra sy ny tangolimihodina eo amin’ny rambony, ary ny “angle” dia mety hahafinaritra tokoa ny misidina amin’ny angidimby. Fa raha tsy izay dia tena mampatahotra be! Afaka mijoro ho vavolombelona manokana ny amin’izany aho.

Andeha hanokana fotoana kely hamoaboasana amin’ny antsipiriany kokoa ireo singa manan-danja ireo.

Ny tangolimihodina fototra no voalohany. Miteraka hery manainga sy hery manohitra ny fihodinana sy ny halavan’ny lelan’ny tangolimihodina. Kanefa ilay hery manohitra ateraky ny tangolimihodina fototra dia tsy maintsy misy hery hafa manohitra azy, raha tsy izay dia hihodinkodina tsy ho voafehy ilay angidimby.

Rahavavy Stevenson: Izay no antony mampisy tangolimihodina eo amin’ny rambon’ny angidimby. Miteraka hery manohitra ilay hery manohitra iray vokarin’ireo lelan’ny tangolimihodina eo aloha izany. Ny hafainganam-pandehan’ilay tangolimihodina fototra dia fehezin’ny mpanamory amin’ny alalan’ny tanana iray. Ny hafainganam-pandehan’ilay tangolimihodina eo amin’ny rambo dia fehezin’ny tongotr’ilay mpanamory. Tena ilaina ny mampifandanja tsy tapaka ny hafainganam-pandehan’ireo tangolimihodina roa ireo.

Fa raha tsy izany, averiko indray, dia ho ratsy ny vokatr’izany.

Loholona Stevenson: Ny familiana (manche) no manaraka. Ny familiana no mifehy ny “angle” an’ilay angidimby, ary ny angle avy eo no mifehy ny lalana hitodihan’ilay angidimby sy ny fahafahany mivily ary ny fifandanjan-kery eo aminy mba tsy hianjera, izay miara-mifandrimbona amin’ny tangolimihodina fototra sy ny tangolimihodina eo amin’ny rambony. Mibaiko ny familiana amin’ny tanany havanana ilay mpanamory.

Farany, ny havesaran’ny angidimby sy ny angle no mamaritra ny hafainganam-pandeha sy ny hery takina avy amin’ny tangolimihodina fototra sy ny tangolimihodina amin’ny rambony.

Rahavavy Stevenson: Rehefa mirindra avokoa ireo singa ireo dia tsara ny fifandanjana misy. Mahatohitra tanteraka ny hery misintona avy amin’ny tany ny fiaraha-miasan’ny tangolimihodina fototra, ny tangolimihodina amin’ny rambony, ny familiana, ny lanjany, ary ny angle.

Ahoana no ahafahanareo mampifandray io sidina mahafinaritra kanefa tena sarotra an’ny angidimby io amin’ny fifandanjana eo amin’ny fiainanareo?

Loholona Stevenson: Mamelà ahy hizara hevitra vitsivitsy izay nakana aingam-panahy avy amin’ny hafatra iray nozarain’ny Filoha Gordon B. Hinckley nandritra ny fivoriamben’ny mpitarika iray izay natrehako taona maro lasa izay. Mety hampisy io fifandraisana io ho anareo izany.

Nofariparitana fa “ny tsirairay avy amintsika dia manana andraikitra miisa efatra. Voalohany, manana andraikitra amin’ny fianakaviantsika isika. Faharoa, manana andraikitra amin’ireo mpampiasa antsika isika. Fahatelo, manana andraikitra amin’ny asan’ny Tompo isika. Fahaefatra, manana andraikitra amin’ny tenantsika isika.”10

Amin’ny fampiasana ilay fifanahafana momba ny fifandanjana amin’ny alalan’ny fifampiankinan’ireo singa manan-danja amin’ny angidimby, andeha hojerentsika amin’izany fomba izany koa ireo andraikitra efatra ireo.

Rahavavy Stevenson: Atombotsika amin’ny tokantrano sy ny fianakaviana, singa manan-danja tokoa amin’ny fiainantsika tsirairay. Zava-dehibe ny tsy hanaovanareo ambanin-javatra ny fianakavianareo. “Tsy misy zavatra sarobidy mihoatra izany. … Ny fifandraisana eo amin’ny fianakaviana no entinao … mankany amin’ny fiainana any ankoatra.”11 Maro ny zavatra efa nataon’ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana tao anatin’ireo taona faramparany mba hanamafisana ny maha-zava-dehibe ny tokantrano sy ny fianakaviana.

Ny fitarihana vao tsy ela mahakasika ny fifandanjana vaovao eo amin’ny fampianarana ny filazantsara ao an-tokantrano sy ny fiangonana ary ny fandaharam-potoan’ny fivoriana izay nasiam-panovana dia fanehoana amin’ny fomba lehibe fa tokony horaisina ho toy ny tangolimihodina fototra eo amin’ny fiainantsika ny fianakaviana sy ny tokantrano.

Nampanao fanamby antsika ny Filoha Nelson mba “[h]iasa amim-pahavitrihana hanamboatra ny tokantrano[ntsika] ho lasa ivon-toerana fianarana ny filazantsara.” Rehefa manao izany isika dia nampanantena izy fa “ho tena fahafinaretana ny andro Sabatanareo rehefa mandeha ny fotoana. Hazoto hianatra sy hiaina ireo fampianaran’ny Mpamonjy ny zanakareo ary hihena ny fitaoman’ilay fahavalo eo amin’ny fiainanareo sy any an-tokantranonareo. Ho lehibe sy hampahery ireo fiovana ao amin’ny fianakavianareo.”12

Loholona Stevenson: Manaraka izany dia andeha hojerentsika ny asanareo sy ny fiainanareo arak’asa, ny asa sahaninareo, na raha mpianatra ianareo dia ny fianarana rantovinareo izay hitarika any amin’ny asanareo amin’ny fotoana feno. Mazava ho azy fa manatsara ny fahafahanareo miasa ny fianarana. Ny asa dia mamela anao hikarakara ny tenanao sy ny fianakavianao ary ny hafa. Mitarika ho amin’ny fizakan-tena ny asa, na ara-nofo na ara-panahy. Ao amin’ny tontolon’ny asa misy anao dia manana adidy amin’ny mpampiasa anao ianao ny ho marin-toetra sy tsy mivadika, ny hanolotra ireo vokatra andrasana izay anakaramana anao. Miezaka manao izay tsara indrindra vitanao ianao amin’ny asanao.

Amin’ilay sariohatra nampiasaintsika dia raiso ho toy ny tangolimihodina eo amin’ny rambon’ny angidimby ny asa.

Rahavavy Stevenson: Mba ho lasa ilay olona tsara indrindra ho anareo sy ny fianakavianareo dia manampy ny fanaovana izay tsara indrindra vitanareo ao amin’ny asanareo. Mifandray akaiky izy roa ireo, ary tena manan-danja ny hisian’ny fifandanjana eo amin’izy roa. Mihamaro hatrany ireo mpampiasa sy manam-pahaizana momba ny haifiarahamonina ary ny mpanoro hevitra eo anivon’ny orinasa izay manaiky ny fisian’ny ny tombontsoa avy amin’ny fifandanjana eo amin’ny fiainana arak’asa.

Loholona Stevenson: Ny singa fahatelo mampisy fifandanjana manan-danja eo amin’ny fiainana dia ny Tompo sy ny asany. Isan’ireo tanjona fototra nahatongavantsika tsirairay avy eto an-tany izany. Tonga ety isika mba hitia, hanaja, hankatò ary hanompo Azy sy ireo zanaky ny Ray any An-danitra, ireo rahalahy sy anabavintsika manerana izao tontolo izao. Mila ny ezaka ataontsika sy ny talentantsika ny Tompo mba hananganana ny fanjakany.

“Tantano ny fotoana anananao mba hanomezana lanja ireo andraikitrao ao amin’ny Fiangonana.”13 Hitako ho mampiana-javatra kokoa ny teny hoe mitantana. Mitaky safidy voasaina tsara avy amintsika izany mba “hanokana fotoana” ho an’ny fanompoana ny Tompo sy ny Fiangonany ary koa handrindra izany fotoana izany.

Rahavavy Stevenson: Ny fisian’ny mpitarika manompo an-tsitrapo sy ny fanompoana dia roa amin’ireo singa mampiavaka ny Fiangonan’i Jesoa Kristy naverina tamin’ny laoniny. Ho asaina hitondra anjara biriky amin’ny fomba isan-karazany ao amin’ny fanjakana ny tsirairay avy aminareo. Ireo antso ho azonareo sy ireo olona hafa ao amin’ny fianakavianareo dia mety ho tonga amin’ny fotoana izay toa tsy mampety azy. Kanefa “raha manam-paniriana ny hanompo an’ Andriamanitra ianareo dia antsoina ho amin’ny asa.”14

Ankoatra izay, ny mpaminany malalantsika, ny Filoha Nelson, dia nampianatra antsika fa miova hatrany ny tontolontsika, ary tahaka izany koa ny fanompoana ataontsika ao amin’ny Fiangonan’ny Tompo. Namporisika antsika izy mba hanaiky “fiaingana vaovao.” Nampanao fanamby antsika izy ny “[hanompo] ny hafa. Hanana tanjona ho amin’ny mandrakizay. [Ary hilofo] amin’ny antso ananan[tsika].”15

Loholona Stevenson: Io famporisihana io dia manome fahitana ho antsika tsirairay avy mba hanao ny zavatra niantsoana antsika mba hataontsika, fa manoro hevitra antsika ihany koa mba hanana fomba fijery mibanjina ny mandrakizay, izany hoe hampifandanja izany amin’ireo andraikitsika maika hafa. Amiko ny fanompoana ao amin’ny Fiangonana dia toy ilay familiana amin’ny angidimby, izay sady mampitombina tsara antsika no mitarika antsika.

Rahavavy Stevenson: Ny singa farany mba hampisiana fifandanjana dia ny andraikitra amin’ny tenantsika.

Mety ho be atao be isika eo amin’ny fiainana. Zava-dehibe ny handehanantsika moramora kokoa indraindray mba hanavao hery sy hijery akaiky ireo zavatra ilaintsika manokana, toy ny fakana aina, ny fitaizana vatana, ny fakan-drivotra, ary ny fivoarana ara-panahin’ny tena manokana. Vao tsy ela ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana no nanome soso-kevitra manan-danja sy azo ampiharina mba hanampiana antsika hanao izany.

Loholona Stevenson: Eny, tena nanao izany izy ireo ry Lesa. Vao tsy ela ny Filoha Ballard no nanoro hevitra fa zava-dehibe ny mitady fotoam-pahanginana. Hoy izy:

“Na dia fitahiana foana aza ny teknôlôjia teo amin’ny fiainako dia afaka ny ho fanelingelenana ihany koa izany izay mametraka sakana eo amintsika sy ny fahafahantsika mihaino ny feon’ny Tompo. Lazaiko ireo zafikeliko fa tokony hametraka fotoana iray hanginana izy ireo isan’andro mba hieritreretana ny fiainany ary hisaintsaina ny zavatra tian’ny Tompo hataon’izy ireo. …

“… Tsy afaka mifandray amin’ny lanitra ao anaty korontana be aho. … Rehefa … miezaka ny ho tony aho, dia eo vao mahazo fahatsapana.”16

Niresaka momba ny vavaka feno fanoloran-tena ny Loholona Jeffrey R. Holland. Hoy izy: “Misy lesona lehibe iray ao amin’ny … vavaka iray maika sy feno fanoloran-tena hiady ao anatin’ny … fanoheran’ny fahavalo, na ireo olana isan’andro, na ireo zavatra mahavariana ny saintsika.”7

Rahavavy Stevenson: Rahavavy Jean B. Bingham, filohan’ny Fikambanana Ifanampiana maneran-tany, dia nanoritsoritra singa telo izay tena samy manan-danja avokoa mba hanampiana ny tenantsika.

Voalohany, manasa ny Fanahy amin’ny alalan’ny soratra masina izy. Hoy izy hoe: “Anisan’ireo zavatra ataoko isa-maraina mba hananana ny Fanahy ny famakiana ny soratra masina. Manampy ahy hanana fisainana tsara izany mba hahazoako mandray fanambarana.”

Ny singa faharoa nolazainy dia ny fitsaohana any amin’ny tempoly. “Fomba iray hafa mahatalanjona mba hahafahana maheno ny feon’ny Mpamonjy mazava kokoa ny fandehanana any amin’ny tempoly. Indraindray rehefa mipetraka ao amin’ny tempoly aho dia tsy maintsy mahazo valim-bavaka iray na misy zavatra tonga ao an-tsaina rehefa tena mbola mihaino ny Fanahy aho.”

Fahatelo, hoy izy hoe: “Ny hira … dia manampy ahy haheno ny feon’ny Mpamonjy. Tiako ny maheno ireo fihirana, na dia feon-kira tsy misy toniny fotsiny aza no henoko. Fantatro ny tonony satria efa nohiraiko efa ela izany, ka tonga ao an-tsaiko.”18

Loholona Stevenson: Toa ny manokana fotoana ho an’ny tenantsika no matetika sarotra indrindra kanefa manan-danja be. Efa reko nofaritana ho toy ny fiatoana lava be amin’ny asa fanatsofana izany mba hamparanitra ny lelan’ny tsofa.

Rahavavy Stevenson: Fitahiana ny fahatsiarovana fa manana andraikitra amin’ny tenantsika sy ny fampidirana izany tsikelikely amin’ny fiainantsika isika. Hitako fa rehefa mivoatra ara-batana sy ara-pihetseham-po ary ara-tsaina aho, dia tsy hoe mitondra tombontsoa ho ahy manokana fotsiny izany fa mamela ahy hikolokolo ny fianakaviako sy ny namako ihany koa.

Jereo ny fisosan’ireo lafin-javatra efatra eo amin’ny fiainantsika ireo rehefa atao amin’ny fahitana sy ny fifandanjana! Tena mifameno tsara izy ireo, sa tsy izany?

Loholona Stevenson: Marina izany. Na dia miresaka momba ny fifandanjana aza isika amin’ireo lafiny samihafa amin’ny fiainantsika ireo, dia tokony hataontsika amin’ny fomba fijery marina izany.

Ny Loholona David A. Bednar dia namintina izany tamin’ny toe-javatra tena misy tamin’ny zavatra naeliny vao tsy ela tao amin’ny tambajotran-tserasera. Hoy izy: “Indraindray isika dia mieritreritra ireo andraikitsika rehetra ao an-tokantrano, any an-tsekoly, any am-piasana, ary any am-piangonana ary manontany tena hoe ahoana no ahafahantsika mahita fifandanjana eo amin’ireo zavatra maro mifaninana izay mitaky ny fotoanantsika. Tsy tokony hanototra ny tenantsika amin’ny fiezahana manao indray mandeha ny zavatra rehetra isika fa tokony hamantatra ireo zavatra vitsivitsy izay tena laharampahamehana indrindra amintsika. Afaka miezaka manolotra ny fifantohana ilaina amin’izany isika avy eo ho an’ny tsirairay amin’izany, ary atao tsirairay.”19

Lesa, mampahatsiahy ahy zavatra iray niainako niaraka tamin’ny raiko izany izay tsy hay hadinoana. Ray vao herotrerony aho tamin’izay ary vao voantso ho eveka sady nanana orinasa nihalehibe izay nitaky be ny fotoanako. Indray alina dia tara aho tamin’ny fahatongavana tamina fetim-pianakaviana fankalazana fitsingerenan-taona. Nanenika ilay toerana ireo zanakay sy ny zanaky ny mpiray tampo aminay. Saingy niditra tao amin’ilay trano aho tsy nifantoka ary nandeha dia nipetraka teo amin’ny zoron’ilay efitra, niasa saina tamin’ireo ahiahy momba ny raharahan’ny orinasa tamin’izany fotoana izany sy izay nitranga tao amin’ny paroasy.

Nanatona ahy ny raiko ary nilaza tamiko tamin’ny feo somary hentitra izay tsy mahazatra hoe: “Gary, fa inona no ataonao?” Rehefa noresahiko azy ireo ahiahy momba ireo andraikitro rehetra any am-piangonana sy amin’ny asa dia nanantena aho fa ho niombom-pihetseham-po tamiko izy. Tsy izany anefa. Raha ny marina dia nipetraka teo akaikiko izy ary nilaza tamiko fa niahiahy ny amiko izy ary nila fanamboarana aho mba tsy ho variana ka lasa tsy hifantoka amin’ny fianakaviako rehefa miaraka amin’izy ireo. Tadidinao ve izany ry Lesa?

Rahavavy Stevenson: Tadidiko tsara mihitsy.

Loholona Stevenson: Hoy izy: “Rehefa ao an-trano ianao, dia ny ao an-tokantrano no ataovy laharampahamehana, fa tsy ny any am-piangonana na ny any am-piasana. Rehefa any am-piasana ianao, dia safidio ny hanao ny asa ho laharampahamehana, fa tsy ny tokantrano na ny fiangonana. Rehefa any am-piangonana ianao, dia safidio ny hanao ny fiangonana ho laharampahamehana, fa tsy ny asa na ny tokantrano.”

Sarotra ny nampihatra izany torohevitra izany ary na amin’izao fotoana izao aza dia tsy mbola tena mahatontosa tsara izany aho, saingy tena nanampy ahy izany. Nampihena ny enta-mavesatro izany ary niteraka voka-tsoa maro teo amin’ny fiainako. Ka dia manasa ny tsirairay aminareo aho mba hieritreritra izany sy hiezaka manokana hanao izany.

Mahavariana fa saika ho nitovy tanteraka tamin’ny torohevitra nomen’ny Loholona Bednar tao amin’ilay zavatra naely vao tsy ela tao amin’ny tambajotran-tserasera izany. Hoy izy hoe: “Mety ho toa tsotra izany, saingy tsy tokony ho sorena isika ka handany ezaka sy fotoana hanandrana hahatratra ny fifandanjana tonga lafatra amin’ireo zavatra manan-danja tokony hataontsika. Rehefa mivavaka amin-kitsim-po isika mba hahazo ny fanampian’ Andriamanitra mba hamantatra izay tena manan-danja indrindra, dia hitarika antsika Izy ary hanampy antsika hifantoka amin’ireo ezaka ataontsika isan’andro isan’andro.”20

Rahavavy Stevenson: Izao aho dia hizara vaovao somary ratsy. Raha manaraka io torohevitra io ianareo ary mandroso miaraka amin’ny fifandanjana sy ny fahitana, dia mbola hiaina tsy fahombiazana vitsivitsy ihany. Tsy maintsy hisy zavatra ratsy hahazo anareo.

Mety hisy fotoana toy ny hoe takonan’ny lalana manjavozavo ny fahitanareo, na mety tsy hitombina tsara intsony ny fiainanareo. Saingy ity anefa ny vaovao tsara: Zanakalahy sy zanakavavin’ny Ray any An-danitra be fitiavana ianareo.

Mampianatra antsika ny soratra masina hoe: “Fa tsy nomen’ Andriamanitra fanahy osa isika, fa fanahy mahery … ary fahononan-tena.”21 Ary aza hadinoina ity torohevitra manan-danja avy amin’ny Tompo mivantana ity hoe: “Koa mahereza, ary aza matahotra, fa Izaho Tompo dia momba anareo, ka hijoro eo anilanareo.”22 Ka noho izany dia manana loharanon-kery tsy miova avy amin’ Andriamanitra ao amin’ny Mpamonjy malalantsika ianareo, dia i Jesoa Kristy.

Loholona Stevenson: Henoy ary ny fankaherezana avy amin’ny fitaomam-panahy ho anareo tsirairay izay manatrika eto androany avy amin’ny Filoha Nelson. Hoy izy: “Fantatr’Andriamanitra … fa tsy ho mora ny hahita na ny hijanona eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana. Noho izany dia nandefa ny Zanany Lahitokana Izy mba hanavotra antsika sy hampiseho amintsika ny lalana. Ilay hery araka an’ Andriamanitra izay afaka ny ho azon’ireo rehetra izay tia sy manaraka an’i Jesoa Kristy no hery hanasitranana antsika, hampatanjahana antsika, hanadiovana antsika amin’ny fahotana, ary mampitombo ny herintsika hanao ireo zavatra tsy ho vitantsika irery velively.”23

Rahavavy Stevenson: Avelao ny fahalalanareo hoe iza marina ianareo, ary iza no miaraka aminareo, mba hanampy anareo hiaina ny fiainanareo amin’ny fahitana mazava tsara sy ny fifandanjana tsy miovaova. “Hampitombo ny fahafahanareo manao zavatra sy hampivelatra ny fijerinareo ary hankahery anareo”24 ny Tompo.

Loholona Stevenson: Eny ary, tena nahafinaritra ny niaraka taminareo teto androany hariva. Ary tianay ny hamarana ity fotoana ity amin’ny fanehoana ny fankasitrahanay sy ny fanomezana fanasana ho anareo tsirairay avy ary ny fanolorana ny fijoroanay ho vavolombelona. Manasa anao aho voalohany indrindra mba hieritreritra ny fomba hanomezan’ny fomba fijerinao araka ny filazantsara toky sy fanamafisana aminao fa zanakavavy na zanakalahin’ Andriamanitra ianao.

Faharoa dia diniho ny fomba andraisanao ireo andraikitrao miisa efatra izay hataonao amin’ny tokantrano sy ny fianakaviana, ny fianarana sy ny asa, ny Fiangonana, ary amin’ny tenanao.

Fahatelo, manasa anao aho hitady toerana mangina hanoratana ireo fahatsapana sasany tonga tao aminao nandritra ity fampaherezam-panahy ity. Tadidio fa amin’ny maha-mpikamban’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany dia nomena ny Fanahy Masina ho namanareo ianareo tsirairay avy.

Rahavavy Stevenson: Rehefa manatanteraka ny zavatra nanasan’ny Loholona Stevenson anareo ianareo dia aza hadinoina ireo mpamaky lay izay tonga talohantsika—ireo izay noresahantsika fa nanorim-ponenana teto amin’ity lohasaha ity sy ireo izay ao amin’ny fianakavianareo sy ny firenena niavianareo tsirairay avy. Ny fanahin’ny mpamaky lay sy ny ohatra nasehon’izy ireo tamin’ny fanaovana zavatra sarotra dia afaka manome fatokian-tena ho anareo mba hanao zavatra sarotra ihany koa.

Loholona Stevenson: Tahaka ireo Olomasin’ny Andro Farany tany aloha dia miambina isika. Mikaroka isika. Ary mandinika isika mba hahazo fijery araka ny filazantsara sy fifandanjana.

Rahavavy Stevenson: Mizara ny fijoroako ho vavolombelona aho fa afaka mahazo izany “fanantenana mamirapiratra sy lavorary”25 izany ianareo. Fa fantatry ny Ray any An-danitra amin’ny anaranareo ianareo tsirairay avy ary tia anareo Izy. Mizara ny tenivavolombeloko momba an’i Jesoa Kristy aho fa Izy no Zanaka Lahitokan’Ilay Andriamanitra velona ary ataoko izany amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.

Loholona Stevenson: Amena. Misaotra ry Lesa. Mizara ny fijoroako ho vavolombelona sy ny tenivavolombeloko aminareo koa aho ry zandrinay tsara tarehy isany. Mijoro ho vavolombelona aho fa zanaky ny ray aman-dreny any an-danitra be fitiavana isika, fa tia anareo ny Ray any An-danitra, ary ny fotopampianaran’ny Ray dia hoe maniry ny hiverenan’ireo zanany rehetra any Aminy Izy.

Io fotopampianarana io dia azo tanterahina noho ny Zanany, ny Mpamonjintsika be fitiavana, dia i Jesoa Kristy. Amin’ny alalan’ny Sorompanavotany no ahafahantsika miverina ho eo anatrehan’ny Raintsika any An-danitra be fitiavana. Mizara ny fijoroako ho vavolombelona momba izany aminareo aho. Mizara ny fijoroako ho vavolombelona ny amin’i Jesoa Kristy sy ny anjara asany masina amin’ny maha-Mpamonjintsika sy Mpanavotra antsika Azy aho. Ary ataoko izany amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.

Hamoaka printy