Fampaherezam-panahy amin’ny 2023
Mijoroa amin’ny fahamarinana


Mijoroa amin’ny fahamarinana

Fampaherezam-panahy maneran-tany ho anʼny tanora

Alahady 21 mey 2023

Filoha Dallin H. Oaks: Misaotra noho ilay hira mahafinaritra teo. Ary misaotra noho ny fampahafantarana feno fitiavana, ry Mpitantana Gilbert.

Ry tanora malala, tafiditra ao anatin’izany ireo mpianatra efa hahavita fianarana ao amin’ny lisea, faly tokoa izaho sy Rahavavy Oaks maneho ny fitiavanay anareo sy miresaka aminareo amin’ity fampaherezam-panahy manan-danja ity. Fotoana mampisy rarin-tsaina ho antsika rehetra izao fotoana izao, kanefa ny filazantsaran’i Jesoa Kristy dia manome antsika antony lehibe mba hampahery antsika. Tamin’ny alalan’ny mpaminaniny dia nanome antsika fanamby Andriamanitra mba hikiry handroso ao anatin’ny fahoriana, ary ny fampianaran’i Jesoa Kristy dia manazava ny lalana mba handresena mankany amin’ny anjara masin’ny fiainana mandrakizay ho antsika.

I.

Raha niresaka tamina mpanatrika tahaka anareo ny Filoha Russell M. Nelson dia nanome ity toromarika manan-danja ity: “Raha toa izao tontolo izao ka mivoatra ho amin’ny ara-nofo kokoa ary mihamarefo amin’ny ara-panahy, ny fivoaranareo kosa dia tokony hirona kokoa amin’ny ara-panahy ary hanena ny eo amin’ny ara-nofo. Miezaha mba ho mpitandrina fitsipika fa aza mikatsaka ny hanao izay hitiavan’ny olona maro anareo.”

Dia nanome ity fanamby ity izy avy eo, izay ampiasaintsika mba ho lohatenin’ny fampaherezam-panahintsika: “Mahafantatra ny fahamarinana aho ary miaro izany, na dia tsy mahazo sitraka amin’ny besinimaro aza ny fahamarinana.”1

Ny tanjontsika eto amin’ny fiainantsika eto an-tany sy ny lalana tokony arahantsika mba hahazoana fandresena dia omena ao amin’ny drafitry ny famonjena, ary vao tsy ela izay, dia nomena ao amin’ny “Ny Fianakaviana: Fanambarana ho an’izao tontolo izao.” Diniho ny fomba fijery ato anatin’ity famintinana manan-danja nataon’ny Filoha Nelson ity:

“Tsy tantara an-tsehatra indray miseho ny fiainana. Tena misy tokoa ilay fotoan’ny fiainana talohan’ny nahaterahana. Ary tena misy tokoa ny fiainana aorian’ny fahafatesana. Ny fiainana talohan’ny nahaterahana sy ny fiainana an-tany dia savaranonando fotsiny ihany ho an’ny fiainantsika aorian’ny fahafatesana. Ny fahalalana ireo ambaratongam-boninahitra telo, araka ny nambaran’ireo mpaminany, dia manome antsika fahatakarana kely mikasika izay azontsika ahatongavana aorian’ny fiainana an-tany. Be voninahitra ny fiainana mandrakizay ary tena mendrika ny hanaovana ireo ezaka takina hahazoana izany.”2

Amin’ny maha-Olomasin’ny Andro Farany antsika dia manana fanambarana maoderina isika izay manome antsika fahatakarana misimisy kokoa momba ny tanjon’ity fiainana an-tany ity. Tahaka izay nolazain’ny Filoha Nelson, isika dia tsy mijery izany ho toy ny tantara an-tsehatra indray miseho. Ho antsika dia misy fizarana telo farafahakeliny ao anatin’ny diantsika mandrakizay. Ny fizarana 1 dia ny fisiantsika talohan’ny nahaterahana. Ny fiainantsika eto an-tany amin’izao fotoana izao no manaraka, toy ny fizarana faha-2. Ny fiainantsika aorian’ny fahafatesana no fizarana faha-3. Ity fizarana farany ity dia ahitana Fitsanganana amin’ny maty ara-bakiteny ho an’ireo rehetra izay efa niaina ary Fitsarana Farany izay manendry antsika ho any amina fanjakam-boninahitra iray izay ny asantsika sy ny fanapahan-kevitsika ary ny faniriantsika no nahatonga antsika ho mendrika hahazo izany.

Ny filazantsaran’i Jesoa Kristy naverina tamin’ny laoniny no hany manome fahafahana ahafantarana ny fahamarinana momba ny drafitry ny famonjen’ny Raintsika any An-danitra ho an’ireo zanany.

Ny tanjon’ny fiainantsika eto an-tany, ilay Fizarana faha-2 dia ny hivoatra mankany amin’ny fiainana mandrakizay izay toerana hiafarantsika. Ny fomba hanaovantsika izany dia amin’ny alalan’ny fandresena ilay fariparitan’ny Bokin’i Môrmôna hoe fifanoherana amin’ny zava-drehetra, isan’izany ireo fakam-panahy maro handika ny didin’ Andriamanitra. Ny fiatrehana sy ny fandresena ny fakam-panahy, sy ny fanatonana akaiky kokoa an’ Andriamanitra amin’ny alalan’ny safidy tsara sy ny fibebahana amin’ireo safidy ratsy dia manampy antsika hahatratra ny fivoarana ara-panahy izay tanjon’ny fiainan’ireo zanak’ Andriamanitra eto an-tany.

Isika izay manana ny fanomezana ny Fanahy Masina sy ny fitarihan’ny fanambarana maoderina dia omena fahatakarana maro. Ohatra, ny Bokin’i Môrmôna dia mampanantena fa ireo izay mikatsaka amim-pahazotoana “no hahita; ary hovelabelarina aminy amin’ny alalan’ny herin’ny Fanahy Masina ny mistery momba an’ Andriamanitra.”3 Mivavaka aho hoe enga anie ireo olona rehetra tiako, ary tafiditra ao anatin’izany ny zanak’ Andriamanitra rehetra izay mandre ny feoko, mba hanaiky izany fanasana mba hitady sy hamantatra ny fahamarinana izany.

II.

Mahakasika ny fanambadiana ny fahamarinana voalohany. Ny fanambadiana dia tena manan-danja amin’ny tanjon’ny fiainana an-tany sy izay hitranga aorian’izany. Isika dia zanaky ny Ray any An-danitra be fitiavana izay nahary antsika ary nomeny fahafahana hanaraka ilay didiny mba hihabetsaka sy hameno ny tany isika ao anatin’izany. Ny herin’ny fahariana dia isan’ireo fanomezam-pahasoavana sarobidy indrindra izay ananantsika eto amin’ny fiainana an-tany. Kanefa mitana anjara fototra ao amin’izany fanomezam-pahasoavana izany ny lalàn’ny fahadiovam-pitondrantena, ilay didy mba tsy hampiasana afa-tsy ao anatin’ny fanambadiana eo amin’ny lehilahy iray sy ny vehivavy iray ny hery ahafahantsika miteraka. Izany didy izany dia tena manan-danja ao amin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy. Izany zava-misy izany dia manazava ny antony ananantsika soatoavina isan-karazany sy hialana amin’ireo fitondrantena sasantsasany izay toa zary efa mahazatra eo anivon’ny maro manodidina antsika.

Ohatra amin’izany ny fomba fisainantsika eo anatrehan’ny famaritana ny fanambadiana sy mahakasika ny fanambadiana mihitsy. Ny mpitarika ao amin’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy dia manahy tsy misy toa izany ny amin’ireo fiovana tato ho ato amin’ny toetoetra sy ny lanjan’ny fanambadiana ao Etazonia. Tafiditra ao anatin’izany ny fitomboan’ny fironan’ireo olom-pirenena ao Etazonia, isan’izany ireo tanora lehilahy sy vehivavy Olomasin’ny Andro Farany sasany, hanemotra fanambadiana. Mba hampisehoana izany fironana izany, dia andeha isika hijery kisary roa mikasika ny fanambadiana. Na dia ho an’i Etazonia aza ireo sary ireo, dia maneho olana maneran-tany izany.

Ity kisary voalohany ity dia maneho ny fihenana lehibe amin’ny isan-jaton’ireo olom-pirenena ao Etazonia izay efa nanambady. Tao anatin’ireo 30 taona farany dia nihena valo ka hatramin’ny sivy isan-jato io isan-jato io na ho an’ny lehilahy na ny vehivavy. Hita mazava fa mitotongana ny fanambadiana ao Etazonia.

Ity kisary faharoa ity dia mampiseho fitomboana mifandray amin’izany eo amin’ny taona hanambadian’ireo tanora Olomasin’ny Andro Farany. Izy ity dia maneho ny salan-taonan’ireo lehilahy sy vehivavy Olomasin’ny Andro Farany tamin’ny fotoana nanaovan’izy ireo ny fanambadiany voalohany. Maneho fitomboana eo amin’ny dimy taona eo na ho an’ny lehilahy na ho an’ny vehivavy izy ity.4

Saintsaino ny zavatra tsy azon’ireo tanora Olomasin’ny Andro Farany rehefa iniana ahemotra mandritra ny fotoana maharitra ny fanambadian’izy ireo: fahafahana hanao zavatra no very ary mihemotra ny fahazoana fitahiana. Ny dikan’izany dia hoe fihemoran’ireo fivoaran’ny tena manokana manan-danja izay mitranga ao anatin’ny fiarahan’ny mpivady, dia ny fivoarana amin’ny toetra toy ny fahafoizan-tena sy ny fanetrentena. Ny hevitr’izany dia hoe fihenan’ireo fahafahana hiara-hiasa mba hanangana ny fanjakan’ Andriamanitra. Ary ny tena manan-danja, dia midika izany hoe vitsy kokoa ireo zanaka teraka mba hihalehibe miaraka amin’ireo fitahian’ny filazantsara. Fantatrareo izany rehetra izany, ary tokony ho fantatrareo fa ireo mpitarika anareo dia mahafantatra fa maro amin’ireo tanora tokan-tenantsika no tsy nanambady aloha noho ny antony tsy azon’izy ireo nanoharana. Hiresaka bebe kokoa mikasika izany aho avy eo.

Kristen, manasa anao mba hizara ny hevitrao momba izany.

Rahavavy Kristen M. Oaks: Eny ary! Raha ny marina dia fanomezana ny fanambadiana. Ny fanambadiana dia tsy vitan’ny hoe manome antsika fahafahana hanan-janaka fotsiny, fa manome antsika ihany koa fahafahana sy risi-po hanomboka dia hiarahana mivoatra. Vitsy ihany no fomba hafa ahafahantsika mianatra mahafoy tena sy manompo araka izay tsara vitantsika.

Fony aho tokan-tena dia nitady fahafahana araraotina hanompoana foana aho. Amin’izao fotoana izao, isaky ny hariva rehefa misakafo dia mipetraka mifanatrika amiko mivantana ilay tetikasa fanompoana tokony hataoko. Mianatra mitia sy manampy kokoa ny vadiko aho. Manana namana iray hiarahana mihomehy sy mitomany aho. Manana mpisolovava sy mpampianatra ary mpanohana mankahery aho, izay manampy ahy koa. Ny fanambadiana dia fahafahana tena manan-danja hianarana fifandraisana sy fomba fijery. Lasa mihatsara ny fiainana rehefa lasa mifandray amina zavatra lehibe kokoa noho ny tenantsika ny fanambadiantsika ary manakaiky kokoa ny Mpamonjintsika. Ary tena iriko ho anareo rehetra izany fitahiana izany.

Ao amin’ilay tantara an-tsehatra Les Misérables dia ahitana andalana iray manao hoe: “Rehefa mitia ny olon-kafa isika dia mahita ny tavan’ Andriamanitra.”5 Tsy misy toerana hafa hitrangan’izany amin’ny fomba tsara kokoa mihoatra noho ny ao amin’ny fanambadiana.

Filoha Oaks: Raha lazaina amin’ny teny tsy mifandray amin’ny finoana, ny fanemorana ny fananan-janaka, hatramin’ny fampihenana be ny lanjan’izany aza, dia miharihary ao amin’ilay fironana izay vao notaterina nandritra ny fitsapan-kevi-pirenena manan-kaja iray izay maneho fa ny maha-zava-dehibe ny fananan-janaka ho an’ireo olon-dehibe dia nihena niainga tamin’ny 66% ka nidina ho 33% tao anatin’ireo 25 taona farany.6

Izaho sy i Kristen dia nieritreritra ny lanjan’izany fampihenan-danja manerana ny firenena ny maha-zava-dehibe ny zanaka izany ho an’ny Fiangonana naverina tamin’ny laoniny rehefa niresadresaka mikasika ny fanamarihana iray nataon’ny zafikeliny lahy ny rahavavin’i Kristen. Rehefa niaraka namaky ny Namana izy ireo ary nijery sarin’i Jesoa iray, dia nandinika be an’i Jesoa niantso ny ankizy hanatona Azy ny rahavavin’i Kristen. Tamin’ity fanazavana nentanim-panahy ity no namalian’i Anders, efa-taona, izany hoe: “Tsy azonao ve ilay izy? Tia ny ankizy i Jesoa.”

Tadidio fotsiny fa manana drafitra ho an’ireo tanorany ny Ray any An-danitra be fitiavana, ary isan’izany drafitra izany ny fanambadiana sy ny zanaka.

Mba hampifalifaly antsika izao, dia tianay ny hizara ny zavatra izay nampianarinay indray mandeha momba ny fifankahafantarana kokoa sy ny fiarahana mandehandeha. Inty misy horonan-tsary mikasika ny zavatra nolazaiko tamin’ny 2005, tamin’ny fotoana naha-mbola 12 taona teo ho eo ny tanora zokiny indrindra miaraka amintsika eto androany, ary ny sisa taminareo dia mbola ankizy na tsy mbola teraka akory.

Nandritra ny taona maro dia nanoro hevitra ny zatovo mba tsy hifankahafantatra bebe kokoa alohan’ny faha-16 taonany ny Fiangonana. Angamba ny tanora sasany, indrindra fa ny lehilahy, dia nandray io torohevitra feno fahendrena io tamin’ny fomba diso tafahoatra ka nanapa-kevitra ny tsy hifankahafantatra bebe kokoa amin’olona alohan’ny faha-26 taonany, na ny faha-36 taonany mihitsy aza. Izao aho dia hanasa anareo hiaraka hanao tamberina amiko ary hijery ity horonan-tsary tany amin’ny taona 2005 ity.

Filoha Oaks [horonan-tsary]: “Ry lehilahy, raha efa nahavita ny asa fitoriana ianareo kanefa mbola manaraka ilay fomba fiainana zazalahy-zazavavy izay nasaina narahanareo fony ianareo 15 taona, dia fotoana izao mba hahamatotra anareo amin’izay. Angony ny herim-ponareo dia mitadiava olona iray hifankahafantarana. Atombohy amin’ny fifankahafantarana isan-karazany amin’ny zatovovavy samihafa izany, ary rehefa hahazoana zavatra tsara antenaina ho an’ny ho avy izany dingana izany, dia mirosoa amin’ny fampiarahana. Fotoan’ny fanambadiana amin’izay fotoana izay. Izany no kasain’ny Tompo ho an’ireo tanora zanakalahiny sy zanakavaviny. Ny lehilahy no manao ny dingana voalohany, ary tokony hiroso amin’izany ianareo lehilahy. Raha tsy fantatrareo ny atao hoe fifankahafantarana bebe kokoa, dia hanampy anareo angamba ity famaritana ity. Henoko avy amin’ny zafikelivaviko 18 taona izy ity. Ny atao hoe -fifankahafantarana bebe kokoa- dia tsy maintsy mandalo sedra miisa telo : (1) efa voaomana mialoha, (2) nandoavam-bola, ary (3) nataon’olon-droa. …

“Ry namako tanora tokan-tena, manoro hevitra anareo izahay mba hampifantoka ny fiarahanareo amin’ny olona tsy mitovy fananahana aminareo amin’ireo lamin’ny fifankahafantarana bebe kokoa izay manana fahafahana ny ho lasa fanambadiana, fa tsy amin’ny lamin’ny fiarakarahana eny fotsiny izay mivoatra lasa ekipa kely miara-manao fanatanjahan-tena tsotsotra eny fotsiny. Tsy fiaraha-mientana ataona vondrona ny fanambadiana—marina izany mandra-pahatonga ny zanaka maro ao an-trano.”7

[End Video]

Ry anabavy isany, toa faly ery ianareo tamin’ireo torolalana nomena ny lehilahy tokan-tena. Izao dia manana teny vitsivitsy ho an’ireo vehivavy tokan-tena i Kristen.

Rahavavy Oaks: Filoha Oaks, tena efa nilaozan’ny toetrandro iny horonan-tsary momba ny fifankahafantarana bebe kokoa iny, saingy tsy miova ny fitsipika momba izany, mbola mandeha alohan’ny fanambadiana ihany ny fifankahafantarana bebe kokoa.

Noho izaho 53 taona vao nanambady, dia fantatro hoe toy ny ahoana izany miandry namana mendrika hiara-dalana amin’ny tena izany, sy ny faniriana sy ny ratram-po ary ny ranomaso teo amin’ny ondako izay niaraka tamin’izany matetika. Afaka mijoro ho vavolombelona momba ny fitiavan’ny Tompo an’ireo rahavavy mahery fo izay miandry aho, satria efa tsapako izany. Ary mangoraka ireo anadahy mahatoky izay maniry izany ihany koa ny foko. Tena misy tokoa ny tolona atrehana isan’andro. Ny fifankahafantarana bebe kokoa na ny tsy fahafahana manao izany dia mety hampisy rarin-tsaina.

Rehefa toa nosedraina ny finoako sy ny hoaviko, rehefa nanontany tena aho hoe nahoana ny fiainana no mafy tokoa nefa nanao izay vitako amin’ny fiainana ny filazantsara aho, dia matetika aho nahatsapa hoe tena nisy zavatra tsy mety ataoko. Tsy hoe nisy zavatra tsy nety nataoko anefa.

Hoy ny Rahavavy Michelle D. Craig hoe: “Ny fisian’ny fitsapana dia tsy midika hoe tsy mahomby ilay drafitra.” Isan’ny mandrafitra ilay drafitra ny fivoarana ary natao hanampy antsika hikatsaka an’ Andriamanitra. Nampian’ny Rahavavy Craig hoe: “Mahaliana ny Ray any An-danitra kokoa ny hampivoatra [anareo], amin’ny maha-mpianatr’i Jesoa Kristy [anareo], mihoatra noho izay hampitsotsotra [anareo].”8

Raha toa ianao ka manohy ny fiainanao andavanandro fotsiny miandry izay fotoana hanananao fahafahana hiroso amin’ny fanambadiana, dia atsaharo ny fiandrasana ary manomboha miomana. Omano amin’ny fiainana ny tenanao, amin’ny alalan’ny fianarana, ny fananana traikefa, ary ny fanaovana drafitra. Aza miandry ny fahasambarana atototra eo aminao. Mikatsaha fahafahana manao asa fanompoana sy mianatra. Fa ny manan-danja indrindra dia matokia ny Tompo, “amin’ny fiantsoana ny anaran’ny Tompo isan’andro sy amin’ny fiorenana mafy tokoa amin’ny finoana an’ilay hoavy.”9 Mampanantena anareo aho fa rehefa manao izany ianareo dia ho tonga aminareo ny fahasambarana.

Filoha Oaks: Nanome torohevitra vitsivitsy manan-danja ho anareo i Kristen ry anabavy isany. Maharaka ny toetrandro ny torohevitra nomeny. Ary raha ny marina dia maharaka ny toetrandro ihany koa ny torohevitra nomeko ny lehilahy tokan-tena. Ireo mpitarika ato amin’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy dia mbola tena manome lanja ny fanambadiana tahaka ny nanomezanay lanja izany tamin’ny 20 taona lasa izay. Isan’ny mampanahy anay ireo antony, toy ny tsy fahampian’ny trano amin’ny vidiny takatr’ireo mpivady vao sy ny fitomboan’ny trosan’ny mpianatra.

Fantatrareo tanora tsara fa tsy ianareo no antony mahatonga ireo toe-javatra iainana ireo, fa ianareo kosa no iharan’izany. Inona no hatao raha sendra izany? Mandrosoa amim-pinoana, ary ataovy izay tsara indrindra vitanareo eo amin’ny toe-javatra misy mahakasika ny tsenan’ny fampananan-trano izay tsy dia tsara raha oharina amin’ny zavatra niainanay sy ireo ray aman-drenibenareo tamin’ny fahatanoranay. Ary ataovy indrindra indrindra izay hanaovana ezaka mba hanakelezana ny trosan’ny mpianatra.

Afaka mahazo ny zavatra rehetra isika ao amin’ny drafitr’ Andriamanitra, fa tsy araka ny filaharana izay toa andidian’izao tontolo izao izany. Te hanampy izahay amin’ny alalan’ny fampahatsiahivana anareo ny drafitr’ Andriamanitra sy ireo ohatra mendrika nasehon’ireo izay niaina talohantsika. Ireo mpamaky laintsika tany aloha tany dia namoy ny tranon’izy ireo sy ny fananany mba hitondrana ny fianakaviany tany amin’ny toerana azo antoka ara-panahy tao amin’ireo Tendrombohitra Andrefana. Ankehitriny dia mamporisika anareo izahay mba tsy handao ny toerana azo antoka ara-panahy sy ny fianakaviana mba hahazoana fananana ara-nofo.

III.

Izao aho dia handeha hiresaka fanahiana vitsivitsy ho an’ireo mpianatra tena tiana any amin’ny lisea izay manatrika eto.

Ireo izay mitovy taona aminareo manerana izao tontolo izao dia ampahorian’ny tebiteby, mora alaim-panahy hampiasa zava-mahadomelina, miankin-doha amin’ny tambajotran-tserasera, ary mikatsaka torohevitra tsy mbola nisy toy izany. Misy fiantraikany aminareo ireo fitaomana ireo, saingy ho anareo dia betsaka kokoa ny vaovao tsara raha oharina amin’ny ratsy.

Fantatrareo fa zanak’ Andriamanitra ianareo, izay lova tsy manam-paharoa avy amin’ Andriamanitra. Tia anareo Andriamanitra. Mpampianatra tena mahay Izy, ary nampanantena anareo Izy ny hanampy anareo raha toa ianareo ka mitady Azy amin’ny fomba izay nampianariny. Ataovy miraikitra ao an-tsainao sy ao amin’ny laharam-pahamehanao manokana ilay fahamarinana manan-danja fa zanaka malalan’ Andriamanitra ianao. Ny fitiavany dia manome anareo ny fanomezan-kaja ny tena, ny tanjaka, ary ny risi-po handroso manoloana izay mety ho olana atrehanareo eo amin’ny fiainanareo. Ary aza hadinoina velively fa tia anareo ireo mpanompony. Tianay ianareo.

Vao avy nahazo taratasy manan-danja avy amin’ny zazavavy iray 16 taona aho, izay mipetraka any amina faritra iray izay vitsy ny mpikamban’ny Fiangonantsika ao. Ho antsoiko hoe Amy izy. Manan-danja ilay taratasiny satria miresaka fahatsapana iombonana ao amin’ireo zatovo manerana ny Fiangonana izy. Isan’ireo zavatra hita ao amin’ilay taratasy lava be nosoratan’i Amy ireto ampahany ireto. Nangataka ny iray amin’ireo namanareo aho hamaky ny teniny.

Amy: “Tsapako ho toy ny mahazo hafatra tsy mifanaraka amin’ny tokony ho izy sy mampisafotofoto saina avy amin’ny Fiangonana aho indraindray. Amin’ny fiainako isan’andro aho dia mahita mpikamban’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany ao amin’ny tambajotran-tserasera izay manao zavatra toy ny hoe tsy isan’ny miaina ity filazantsara ity izy ireo. … Tsapako ho toy ny hoe izaho irery no zatovovavy ao amin’ny paroasiko izay mahita ireo zavatra izay hitako fa tsy mety eto amin’izao tontolo izao. … Tena azoko ny antony mahatonga ny zatovo maro ato amin’ny Fiangonantsika tsy mahita olana amin’ireo olona izay manova ny maha-lahy na ny maha-vavy azy isaky ny roa andro, ny manao fifankahafantarana bebe kokoa amin’ny olona vavy raha vavy izy na amin’ny olona lahy raha lahy izy, na milaza ny tenany ho sady tsy lahy no tsy vavy. …

“Any amin’ireo fiaraha-mentana ho an’ny zatovo ao amin’ny paroasy na tsatòka dia misy manontany ahy ny anarana fiantso ahy hoe lahy ve aho sa vavy sa ankoatra izay, na rehefa any am-pianarana aho dia angatahina handihy miaraka amin’ny ankizivavy iray izay mihevitra ny tenany ho ankizilahy. Fantatro fa isika dia tokony ho tia ny olon-drehetra sy haneho fanajana azy ireo, ary manao izany foana aho. Fa tsapako [fotsiny] fa misy zavatra diso tafahoatra. … Tiako raha mba mahare lahateny misimisy kokoa momba io olana io avy amin’ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana izahay.”10

Filoha Oaks: Izy ity dia taratasy avy amina zatovovavy izay mitovitovy taona amin’ireo ao amin’ny kilasy famaranana any amin’ny lisea izay manatrika eto. Fa nahoana ilay taratasiny no tena nanohina ahy? Te hanao izay tsara izy, saingy tsapany ho voahodidin’ny soatoavina sy fitondrantena izay tsapany ho ratsy izy, ary tsy fantany izay tokony hatao amin’izany. Te hijoro amin’ny fahamarinana izy saingy tsy mahafantatra ny fomba hanaovana izany amim-pitiavana. Nandritra ny Fampaherezam-panahy iray ho an’ny tanora tao amin’ny Ensign College, izaho sy ny Loholona Clark G. Gilbert dia namariparitra io fanamby amin’ny fijoroana ho mafy orina amim-pitiavana io rehefa manambara ny fahamarinana. Mbola afaka mitia ny hafa foana isika ary mitady marimaritra iraisana kanefa tsy mampandefitra ny fahamarinana izay fantatsika.11

Ao amin’ny taratasiny i Amy dia manoratra momba ireo naman’ny Fiangonana izay misavorovoro saina momba ny maha-lahy na maha-vavy azy, izay toe-javatra iainana iray antsoina hoe dysphorie de genre. Io safotofotoan-tsaina io dia mety haka endrika samihafa amin’ny fotoana samihafa eo amin’ny fiainan’ny olona iray. Ireo olona tratran’izany sy ireo olona ao amin’ny fianakaviana tratran’izany noho izany dia tokony hieritreritra ny hoavy sy hikatsaka ny hiantehitra sy hampihatra ireo fitsipika mandrakizay. Efa nisaintsaina ireo lohahevitra ireo nandritra ny fotoana maromaro aho. Ankehitriny, noho ny fitiavana tsapako ho an’ireo izay manana olana amin’ireo lohahevitra ireo, dia nahatsapa ho notaomin’ny Fanahy aho mba hampiasa ity fotoana ity hanantitranterana ireo fahamarinana sarobidy izay ambaran’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy mba hanampiana antsika amin’ny safotofotoan-tsaina toy izany.

Ry tanora lahy sy vavy, ireo mpitarika sy mpampianatra anareo ao amin’ny Fiangonana sy ao amin’ny seminera sy institiota ary ireo ray aman-dreninareo dia manana andraikitra sy fanentanam-panahy hampianatra anareo ny fahamarinana ao amin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy naverina tamin’ny laoniny. Manana ilay kiboky sarobidy Ho zatovo mahery! ianareo, izay miorina amin’ireo fitsipika ao amin’ny drafitry ny famonjen’ny Raintsika any An-danitra, ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy, ary ireo fanekempihavanana izay nataontsika tamin’ny nanaovana batisa antsika ary havaozintsika isaky ny Sabata amin’ny alalan’ny fandraisana ny fanasan’ny Tompo. Ny pejy voalohany ao amin’izany dia ahitana ity fampanantenana ity: “Raha ireo fahamarinana ireo no mitarika anao dia afaka manao safidy entanim-panahy izay hitahy anao mandritra ny mandrakizay ianao.”12

Rehefa nanontaniana i Jesoa hoe inona no didy lehibe indrindra, dia nanome anankiroa Izy. Ny voalohany dia ny mitia an’ Andriamanitra, izay asehontsika amin’ny alalan’ny fitandremana ny didiny. Ny faharoa dia ny mitia ny namantsika.13 Tsy maintsy manao azy roa ireo isika, ary tsy mora izany. Maro amintsika no manana fironana tsy dia hiraharaha loatra ny fitiavana ny namantsika ary manantitrantitra diso tafahoatra ny fitandremana ny lalàna (didy). Azo antoka fa izany no fironana ananako noho ny fiofanana momba ny lalàna nataoko. Sady raha ny marina dia ny fitiavana an’ Andriamanitra sy ny fanehoana ny fitiavantsika an’ Andriamanitra amin’ny alalan’ny fitandremana ny didiny no didy lehibe voalohany. Ary marina fa mora amintsika ny mitsara ny tenantsika sy ny hafa raha toa isika ka mitandrina ny didy na tsia. Kanefa manan-danja ihany koa ho antsika tsirairay avy ny mitandrina ny didy faharoa, izay “tahaka azy ihany,”14 dia ny mitia ny namantsika tahaka ny nitiavan’i Jesoa antsika.15

Ny ohatra masina tiako indrindra amin’ny fanakambanana sy ny fitandremana ireo didy roa lehibe ireo dia ny zavatra nataon’ny Mpamonjy rehefa niatrika ity olana ity Izy. Ny toko faha-valo ao amin’ny bokin’i Jaona dia mitatitra ny fomba nitondran’ny andiana mpanora-dalàna sy Fariseo vehivavy iray mba hotsarain’i Jesoa. Ny tanjon’izy ireo dia ny hamandrika an’i Jesoa amin’ny fisafidianana ny hanohitra na ny lalàn’i Mosesy na ny lalàna tao Roma, izay tsy namela ny hampiharana ny fanamelohana ho faty araka izay andidian’ny lalàn’i Mosesy amin’ny toe-javatra toy izany. Saingy ny lanjan’ilay ohatra ho antsika anio dia ny fomba nisorohan’i Jesoa ilay fandrika sy ny nampianarany lesona mafonja mikasika ny fomba hampiharana ireo didy roa lehibe.

Voalohany, ny Mpamonjy dia nahavita nanala ny fitaovam-pamonoana teny amin’ireo izay nikatsaka ny hampiharana avy hatrany ilay lalàna. Nanao izany Izy tamin’ny alalan’ny famporisihana azy ireo handini-tena. “Izay tsy nanota eo aminareo,” hoy Izy, “no aoka hitora-bato azy voalohany.”16 Rehefa lasa ireo vahoaka izay nahatsiaro ho menatra, dia nampihatra ny herin’ny fitiavana ny Mpamonjy. Nolaviny tamim-pamindram-po ny hanameloka ilay vehivavy, ary nampahery azy mba hiaina fiainana vaovao izany fihetsika feno fitiavana izany. Hiseho any aoriana ny fampiharana ny lalàna, rehefa hotsaraina mahakasika ny fiainany manontolo izy (tafiditra ao anatin’izany ny fibebahana). Saingy tamin’izay fotoana tany aloha izay dia naneho fitiavana sy indrafo ny Mpamonjy tamin’ny alalan’ny tsy fanamelohana ary avy eo dia nanamafy ny lalàna tamin’ny alalan’ny filazana hoe “mandehana, ary amin’izao sisa izao dia aza manota intsony.”17

Misy hatrany ny filàna manambatra sy mampihatra ny lalàna sy ny fitiavana, amin’ny fotoana izay anentanan’ny Fanahy. Nampahatsiahy antsika ny Loholona Christofferson fa “ny fametrahana ny didy voalohany ho lohalaharana dia tsy mampihena na mametra ny fahafahantsika mitandrina ny didy faharoa. Ny mifanohitra amin’izany mihitsy, mampitombo sy manamafy ny fitandremantsika ny didy faharoa izany. … Ny fitiavantsika an’ Andriamanitra dia mampitombo ny fahafahantsika mitia feno sy tanteraka kokoa ny hafa satria raha ny tokony ho izy dia mpiara-miasa amin’ Andriamanitra isika amin’ny fiahiana ireo zanany.”18

Diniho ireto teny nambara anankiroa ireto. Ny iray dia nolazain’ny mpanao lahateny iray vao haingana tao BYU ary ny iray dia tao anatina lahateny iray tany aloha izay nataona Manampahefana Ambony.

“Ny asa manontolon’ny drafitry ny famonjena, izay miafara amin’ny sorona fanavotana lehibe nataon’i Jesoa Kristy Tompo, dia ny hamela antsika ho lasa olon’ny fitiavana ao anatin’ny endriky ny fifandraisana lalina indrindra amin’ny hafa. …

“Izany dia mampianatra antsika fa ny didy sy ny fitarihan’ny mpaminany rehetra, isan’izany ireo fahamarinana sarobidy ao amin’ilay fanambarana momba ny fianakaviana, dia natao mba hitarika antsika amin’ny fomban’ Andriamanitra mba hahatongavantsika ho olon’ny fitiavana.”19

Ilay lahateny iray hafa izao:

“Famadihana ny filaharan’ny didy lehibe voalohany sy faharoa ny fanaovana izay hahafaly ny hafa aloha, vao izay hahafaly an’ Andriamanitra. Fanadinoana izay tokony hitodihantsika ny fanaovana izany. Nefa dia samy nanao izany fahadisoana izany daholo isika noho ny fahatahorana ny olona. …

“Nitodika tany amin’ny Rainy foana ny sain’ny Mpamonjy, ilay Ohatra lehibe ho antsika. Nitia sy nanompo ny mpiara-belona taminy Izy saingy nilaza hoe: -Tsy mandray laza avy amin’olona Aho- (Jaona 5:41). Tiany hanaraka Azy ireo olona nampianariny, saingy tsy nikatsaka ny hahazo laza avy amin’izy ireo Izy.”20

Ireo famaritana ny fitiavana sy ny lalàna ireo dia samy mpitari-dalana marina amin’ny zavatra izay didian’ Andriamanitra mba hataontsika. Teo aloha teo aho dia efa niresaka ilay “[fiezahantsika] hatrany handanjalanja ireo didy roa lehiben’ny fitiavana sy ny lalàna,”21, fa izao aho dia mino fa ho voalaza amin’ny fomba tsaratsara kokoa izany tanjona izany raha faritana hoe fiezahana ny hiaina ireo didy roa ireo indray miaraka amin’ny fomba feno kokoa. Na iza na iza olona tsy mitondra amim-pitiavana sy amim-pahitsiana ireo olona izay manana olana amin’ny maha-izy azy ireo amin’ny maha-lahy na ny maha-vavy azy ireo dia tsy manaraka ny fampianaran’ny didy lehibe voalohany sy faharoa. Noho izany, raha ny mahakasika ny lalàn’ Andriamanitra, dia mila mahatsiaro isika fa Andriamanitra dia nanambara hatrany hatrany fa lahy sy vavy no noforoniny.22 Ary mahakasika ny adidintsika mba hitia ny namantsika, dia mila mahatsiaro isika fa nandidy antsika Andriamanitra mba hitia na dia ireo izay tsy mitandrina ny didy rehetra aza.

Raha toa ianao, na ny olona iray ao amin’ny fianakaviana, na ny namana iray ka manana olana mahakasika izany olan’ny safotofotoan-tsaina momba ny maha-izy ny tena izany, dia mamporisika anao aho mba hampihatra miaraka ny lalàn’ny filazantsara sy ny fitiavana sy ny famindram-pon’ny Mpamonjy sy Mpanavotra antsika, izay hanampy sy hitarika anao raha toa ianao ka mandeha amim-paharetana eo amin’ny lalany. I Jesoa Kristy izay nilaza fa Izy no “fahazavan’izao tontolo izao,”23 dia mampianatra antsika ny lalana tokony harahintsika mba hahatsapantsika ireo fitahiana tsara indrindra avy amin’ny Raintsika any An-danitra. Mampianatra antsika Izy amin’ny alalan’ny soratra masina, amin’ny alalan’ireo mpaminaniny, ary amin’ny alalan’ny fanambarana ho an’ny tena manokana. Tia antsika Izy ary hitarika antsika rehefa mikatsaka ny hanaraka Azy any amin’izay itarihany antsika isika.

IV.

Olana iray mifandray amin’izany sy be mpahafantatra kokoa ny fahatsapana ho voasarika hitia vehivavy raha vehivavy ny tena na hitia lehilahy raha lehilahy ny tena. Marina fa rehefa tsy manao zavatra mahakasik’izany isika dia tsy fahotana izany. Kanefa ahoana no iatrehana izany fahatsapana izany, eo amintsika na eo amin’ny hafa?

Ny torohevitro voalohany dia ny mahatsiaro fa na manao ahoana na manao ahoana ny tsy fitoviantsika ao anatin’ny fahasamihafan’ireo zavaboarin’ny Raintsika any An-danitra, dia tia antsika rehetra Izy ary manana toerana ho an’ny rehetra ny drafitry ny fahasambarana lavorary izay nataony. Maneho ny fitiavantsika Azy isika amin’ny alalan’ny fitandremana ny didiny, isan’izany ny fitiavana ireo zanany.

Rehefa misy olona sy olona ao amin’ny fianakaviana manana fahatsapana toy izany, dia tokony hitandrina amin’ny fanomezana anarana hamaritana ny tena izy ireo. Niresaka momba izany ny Filoha Russell M. Nelson nandritra ilay fampaherezam-panahy tamin’ny taona lasa. Nampianatra izy fa ny fanomezana anarana hamaritana ny tena dia tsy ahafahan’izao tontolo izao mivoatra satria mampizarazara sy mametra ny fomba ieritreretan’ny olona ny tenany sy izy samy izy. Vokatr’izany, hoy izy nampianatra dia “Tsy misy famantarana tokony hamindra, na hanolo, na ho lasa laharam-pahamehana mihoatra noho ireto anarana telo maharitra ireto: -zanak’ Andriamanitra,- -zanaky ny fanekempihavanana,- ary -mpianatr’i Jesoa Kristy.-” Nampitandrina izy avy eo hoe:

“Ny famantarana rehetra tsy mifanaraka amin’ireo anarana fototra telo ireo dia handiso fanantenana anao amin’ny farany. Ny anarana apetaka hafa hamaritana ny tena dia handiso fanantenana anao rehefa mandeha ny fotoana satria tsy manana hery hitarika anao mankany amin’ny fiainana mandrakizay ao amin’ny fanjakana selestialin’ Andriamanitra izy ireny.”24

Ny zavatra manana hery hitarika antsika mankany amin’ny fiainana mandrakizay dia ireo fanekempihavanana ataontsika. Mbola nampianatra antsika indray ny Filoha Nelson vao tamin’ny taona lasa hoe:

“Rehefa manao fanekempihavanana amin’ Andriamanitra izaho sy ianao, ny fifandraisantsika Aminy dia lasa tena akaiky kokoa noho ny talohan’ny fanekempihavanantsika. Mifamatotra isika izao. Noho ny fanekempihavanantsika amin’ Andriamanitra, dia tsy ho reraka mihitsy Izy amin’ny ezaka ataony hanampiana antsika, ary tsy ho lany mihitsy ny faharetany feno famindram-po amintsika. Samy manana anjara toerana manokana ao am-pon’ Andriamanitra isika tsirairay avy.”25

Ary vao volana vitsy lasa izay, dia mbola nampahatsiahy antsika indray ny Filoha Nelson fa “ny fanaovana sy ny fitandremana fanekempihavanana raha ny marina dia tena manamora ny fiainana! Ny olona tsirairay izay manao fanekempihavanana … dia mampitombo ny fahafahana hahazo ny herin’i Jesoa Kristy.”26

Manatevin-daharana ny herin’ny tena manokana izay azo avy amin’ny fitandremana fanekempihavanana ny fampianarana mahatalanjon’ny Mpamonjintsika fa ao anatin’ireo olana eto amin’ny fiainana an-tany, dia tokony “[hatoky]” 27isika.

Nandritra ny lahateny nozaraina maneran-tany iray, volana vitsy lasa izay, dia nampahatsiahy antsika ny Loholona Jeffrey R. Holland fa i Jesoa dia nanome izany fampianarana izany ny alina talohan’ny Fanomboana Azy. Ahoana no ahafahany miresaka momba ny fifaliana tao anatin’ireo fahoriana rehetra niainany? Nanazava ny Loholona Holland hoe:

“Na dia tamin’ilay fotoana nangirifiry izay nanjaka nandritra ilay Fanasana farany aza dia mbola nampahatsiahy ireo mpianany ihany i Kristy ny amin’ny antony sy ny adidin’izy ireo -mba hatoky- [Jaona 16:33]. …

“Azo antoka fa izany fanehoany ny finoany sy ny fanantenany ary ny fiantrany izany dia noho ny fahafantarany ny hiafaran’ny tantara. Fantany fa mandresy foana ny fahamarinana rehefa amin’ny farany. Fantany fa ny hazavana dia mandresy foana ny haizina mandrakizay mandrakizay.”28

Kristen, afaka mizara teny famaranana amin’ity vondrona maha-te ho tia ity ve ianao?

Rahavavy Oaks: Afaka mitondra fitahiana eo amin’ny fiainantsika ny zavatra rehetra nolazaintsika teto. Isika rehetra dia samy mahafantatra ilay tantara momba ireo zanak’ Isiraely izay nokakerin’ny bibilava misy poizina tany an-tany efitra. Fa anio hariva izany dia tantaranareo koa. Araka ny didy nomen’ Andriamanitra dia nanamboatra tehina lava izay naneho ara-tsarinteny ny Mpamonjintsika Jesoa Kristy i Mosesy. Avy eo dia niantso ny olona rehetra i Mosesy mba hiandrandra hijery izany dia ho sitrana amin’ny ratra nahazo azy izy ireo.

Izao takariva izao, tahaka ireo Isiraelita mihitsy, dia ianjadian’ny fanafihana isika noho ireo zavatra isan-karazany inoantsika izay sarobidy amintsika. Mangataka anareo koa aho mba hijery an’ Andriamanitra ka ho velona. Jereo ireo teny nozaraina androany hariva, ny tenin’ny mpaminanintsika, ny soratra masina, ny drafitry ny famonjena, ary ny tsodranon’ny patriarika nomena anareo. Mivavaha dia hiaraka aminareo ny Tompo. Tsy midika akory izany hoe tsy hisy na inona na inona hahazo antsika, fa ny dikan’izany dia hoe tsy ho irery isika, ary handroso isika ka hotarihina sy harovana amin’ireo faharatsiana manodidina antsika. Midika izany fa hahafantatra ny fahamarinana sy hianoka ny fahatsapana ny Fanahy isika. Manasa anareo aho mba hijery an’ Andriamanitra ka ho velona.

V.

Filoha Oaks: Niresaka momba ny drafitry ny famonjena izahay, ireo fizarana telo rehetra izay efa nambara, indrindra fa ny tanjon’ity fiainana an-tany ity.

Niresaka mikasika ny anjara asa sy ny fotoana hanambadiana sy hiterahana izahay.

Nampianatra izahay fa tokony hikatsaka amim-pahazotoana ny hahafantatra an’i Jesoa Kristy isika, ny hahatsapa ny fitiavany, ary ny hino Azy sy ny fitarihany amim-pitiavana eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana mankany amin’ny anjarantsika mandrakizay.

Niresaka mikasika ireo didy roa lehibe izahay, dia ny mitia an’ Andriamanitra sy mitia ny namantsika, ary nampianatra fa samy tokony hotandremana izany.

Eo anatrehan’ireo fanahiantsika rehetra, eo am-piezahantsika miatrika ireo olantsika rehetra, dia mamporisika izahay ny hananantsika fahatokiana, satria efa naharesy izao tontolo izao Izy. Afaka manao izany koa isika. Tadidio fa drafitry ny fahasambarana ny drafitry ny Raintsika any An-danitra.

Mijoro ho vavolombelona ny amin’ny Mpamonjy Jesoa Kristy aho, izay lalana sy fahamarinana ary fiainana. Amin’ny anarana masin’i Jesoa Kristy, amena.

Hamoaka printy