Fampaherezam-panahy 2024
Hafatra aminʼny fampaherezam-panahy ho an’ny tanora


7:42

Hafatra aminʼny fampaherezam-panahy ho an’ny tanora

Fampaherezam-panahy maneran-tany ho anʼny tanora

Alahady 3 nôvambra 2024

Akory ny hatsaran’izany hoe tafaverina eto BYU-Idaho izany, toerana fantatray tsara sy tianay tokoa. Tamin’ny fotoana naha filohan’ny Oniversite BYU-Idaho an’ny Loholona Bednar dia tanora ireo zanakay. Anio alina izahay dia tonga eto miaraka amin’ny sasany amin’ireo zafikelinay tanora! Mivavaka aho mba hiaraka amiko sy hiaraka aminareo ny Fanahy Masina eo am-pizarako hevitra sy fahatsapana sasantsasany izay tonga tato an-tsaiko sy tato am-poko.

Taona maro lasa izay, nanatrika fampaherezam-panahy nisy fanontaniana sy valiny izaho sy ny Loholona Bednar, niaraka tamina andiana tanora maro. Vao tsy ela aho no nanisy maso ireo fanontaniana an-jatony izay nalefa taty dia nanohina ahy ireo fanontaniana maro mifototra amin’ny tahotra, sy ny tsy fananana fahatokian-tena sy fitokiana, ary koa somary nisy ahiahin’ny tena manokana. Nanapa-kevitra aho ny hampifantoka ny hafatro amin’ny sasany amin’ireo fanontaniana ireo ary hizara aminareo hevi-baovao ara-tsoratra masina sy zavatra niainako manokana izay antenaiko fa hanampy eo amin’ny lalam-piainanareo, ankehitriny sy amin’ny ho avy.

Mety hahatsiaro ho voakasika angamba ianao raha mihaino ireto fanontaniana ireto:

  1. Ahoana no ahafahako manova ny tahotra ho lasa fitiavana sy finoana tahaka ny an’i Kristy?

  2. Ahoana no ahafahako mijanona ho mahery rehefa mahatsapa ho tena malemy?

  3. Ahoana no ahafahako mianatra mitoky amin’ Andriamanitra?

Azoko antoka fa samy efa nametraka izany fanontaniana izany daholo isika.

Ny soratra masina tiako hampiasaina ho fototry ny hafatro anio alina dia hita ao amin’ny Isaia 41:10, ary vao avy nihira nihira momba izany isika:

“Aza matahotra ianao, fa momba anao Aho; ary aza miherikerika foana, fa Izaho no Andriamanitrao; mampahery anao Aho sady mamonjy anao; eny mitantana anao amin’ny tanana ankavanan’ny fahamarinako Aho.”

Manantena aho, fa eo am-piarahantsika mandalina io soratra masina io mandritra ny minitra vitsivitsy dia handray fahatsapana ianao, izay hanampy anao hanolo ny tahotrao ho tonga fitiavana sy finoana tahaka ny an’i Kristy, sy hitahiry faharesen-dahatra lalina kokoa fa afaka mijanona ho mahery ianao rehefa mahatsiaro ho tena malemy, ary hahazo fahatokian-tena eo am-pianaranao mahatoky an’ Andriamanitra.

Hanombohana aloha, andao hodinihana ny tapany voalohany amin’ny Isaia 41:10.

“Aza matahotra ianao, fa momba anao Aho; ry aza miherikerika foana.”

Tsarovy ilay tantara ao amin’ny Lioka 24, tamin’ny andro nitsanganan’i Jesoa tamin’ny maty, raha nandeha avy any Jerosalema ny mpianany anankiroa, ho any amin’ny tananakelin’i Emaosy.

Teny an-dalana dia nisy vahiny iray tafaraka tamin’izy ireo ary nanontany ny antony mahatonga azy ireo tena malahelo be. Gaga izy ireo fa tsy nahafantatra na inona na inona mikasika izay nitranga tany Jerosalema io lehilahy io, ka notantarain’izy ireo taminy ireo zava-nitranga nandritra ireo telo andro lasa. Notantarain’izy ireo ny fomba nanendrikendrehana an’i Jesoa sy nanamelohana azy ho faty, sy ny nanomboana Azy ary avy teo ny nitsanganany tamin’ny maty tamim-pahagagana. Tsy fantatr’ireto lehilahy ireto raha tsy efa vita ilay dian’izy ireo iraika ambiny folo kilaometatra fa i Jesoa tafatsangana tamin’ny maty mihitsy no niara-dia tamin’izy ireo.

Nahoana no manan-danja io tantara io? Satria mino aho fa miara-dia aminao sy amiko i Jesoa eo amin’ny diantsika mamakivaky ny fiainana, matetika kokoa noho izay mety ho fantatsika. Miaraka amintsika Izy. Ahoana no fomba ahafahantsika manolo ny tahotra ho lasa fitiavana sy finoana tahaka ny an’i Kristy? Tsarovy ireto teny ao amin’ny Isaia ireto:

“Aza matahotra ianao, fa momba anao aho: ry aza miherikerika foana.”

Andeha hojerentsika ary izao ny tapany faharoa amin’io soratra masina io:

“Fa Izaho no Andriamanitrao; mampahery anao Aho sady mamonjy anao.”

Fony izahay nonina teto Rexburg taona maro lasa izay, dia nitondra fiara ho any Salt Lake aho hamonjy ny zanakavavin’ny anadahin-dreniko ny ampitson’ny andro nandidiana ny fon’ny vadiny. Fotoana tena sarotra tamin’izany, ary rehefa avy nahita ny vadiny aho dia azoko ny antony naha sahiran-tsaina azy. Tsy nety nihatsara izy ka dia nanapa-kevitra ireo dokoterany fa tokony homena rà izy.

Mbola tsy nahita olona omena rà izany aho hatrizay dia gaga aho mahita ilay rà mitete tsimoramora anaty fantsona manify mankao amin’ny lalan-dràny. Raha nandinika teo aho dia nieritreritra ny Mpamonjy ary nanontany tena hoe ràny im-piry mitete no nalatsany ho ahy. Tao anatin’ny adim-pamataranandro maromaro dia hitako maso ny aina vaovao sy tanjaka ary hery nentin’ilay fanomezan-drà.

Amin’ny lafiny iray, ary amin’ny fomba izay tsy tena takatro na azoko tanteraka no hanomezan’ny sorompanavotan’i Jesoa Kristy antsika hery sy fanampiana antsika hanao zavatra sarotra. Sambatra isika afaka manao zavatra izay tsy eritreretintsika hoe vitantsika. Ahoana no fomba ahafahantsika mijanona mahery rehefa mahatsiaro ho tena malemy? Tsarovy ireto teny ao amin’ny Isaia ireto:

“Fa Izaho no Andriamanitrao; Mampahery anao Aho sady mamonjy anao.”

Mamelà ahy hizara hevitra momba ireo teny farany ao amin’ny Isaia 41:10:

“Eny, mitantana anao amin’ny tanana ankavanan’ny fahamarinako Aho.”

Ny tanana ankavanana mazàna dia entina hilazana ny tanan’ny fanekempihavanana. Noho ny fifandraisana ara-panekempihavanana misy eo amintsika sy Kristy dia afaka matoky isika fa hitantana sy hanohana ary hanampy antsika ny Mpamonjintsika.

Mampahatsiahy ahy izany an’ilay tantara ao amin’ny Matio 14 raha teo ambony sambo teo afovoan’ny ranomasina ireo mpianatr’i Jesoa, natopatopan’ny rivotra sy ny onja. Hitan’i Petera i Jesoa mandeha eo ambony rano ka niangaviany i Jesoa handidy azy hanatona Azy. Notanterahin’i Jesoa ilay fangatahana, ka dia nanomboka nandeha teo ambony rano i Petera hanatona Azy Nahazo aina tsara aloha izy raha mbola nifantoka tamin’i Jesoa. Saingy rehefa nahita ny tafiodrivotra i Petera dia nanomboka nilentika ary nihiaka niantso an’i Jesoa hamonjy azy. “Ary naninjitra ny tanany niaraka tamin’izay Jeso[a], dia nandray azy.” Ary dia tena mino aho fa handray antsika koa Izy.

Ahoana no ahafahantsika mianatra mitoky amin’ Andriamanitra? Tsarovy ireto teny ao amin’ny Isaia ireto:

Mitantana anao amin’ny tanana ankavanan’ny fahamarinako Aho.”

Mijoro ho vavolombelona aho fa mahafantatra sy tia antsika ny Raintsika any An-danitra. Mijoro ho vavolombelona aho fa i Jesoa Kristy no Mpamonjy sy Mpanavotra antsika. Miara-mandeha amintsika Izy; mampahery antsika ary manampy antsika. Ary mahazo matoky isika fa hitantana sy hanohana ary hanampy antsika Izy rehefa tsaroantsika ny fifandraisana ara-panekempihavananana misy eo amintsika sy Izy. Fantatro fa ny Fanahy Masina dia mpanambara ary mitondra hevitra ao an-tsaintsika sy fahatsapana ao am-pontsika. Fantatro fa nantsoin’ Andriamanitra ny Loholona Bednar, tamin’ny alalan’ny faminaniana, ary tamin’ny fametrahan-tanana. Apostolin’i Jesoa Kristy Tompo izy.

Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.