Fampaherezam-panahy 2024
Zavatra araka ny tena toetrany 2.0


35:48

Zavatra araka ny tena toetrany 2.0

Fampaherezam-panahy maneran-tany ho anʼny tanora

Alahady 3 nôvambra 2024

Feno fankasitrahana izaho sy Susan noho ity fahafahana mba hitsaoka sy hiara-hianatra aminareo ity. Tianay ianareo! Na aiza na aiza misy anareo manerana izao tontolo izao dia tianay ianareo!

Ary mivavaka amin-kitsim-po izahay mba hitahy ny tsirairay amintsika ny Fanahy Masina mba handre ny zavatra ilaintsika ho re sy hahita ny zavatra ilaintsika ho hita mba hahafahantsika mibosesika handroso amim-pinoana ny Mpamonjy sy amin’ny faniriana miavosa mba hanaraka sy hanompo Azy.

Ny fotoampitantanan’ny fahafenoan’ny fotoana

Voatahy isika miaina ao anatin’ny vanim-potoana miavaka amin’ny fotoampitantanan’ny filazantsara farany, dia ny fotoampitantanan’ny fahafenoan’ny fotoana izany. Ny soratra masina sy ny fanambarana ara-paminaniana dia manampy antsika hianatra sy hankasitraka feno kokoa ireo andro tena miavaka tokoa izay iainantsika ankehitriny.

Nanambara ny Mpaminany Joseph Smith hoe: “Ny fananganana an’i Ziona dia antony izay mahaliana ny vahoakan’ Andriamanitra amin’ny taonany rehetra; lohahevitra izay andrasan’ny mpaminany, mpisorona, ary mpanjaka tamim-pitiavana manokana mihitsy, efa nandradrain’izy ireo tamim-pifaliana tokoa ny vaninandro izay hiainantsika izao; ary niredareda ny fanantenan’ny lanitra sady faly, nihira izy ireo ary nanoratra sy naminany ity androntsika ity; saingy maty tsy nahita ireo zavatra mitranga amin’ny androntsika izy ireo; … [navela ho antsika ny hahita, ny handray anjara ary ny hanampy amin’ny fanodinana ny voninahitry ny Andro Farany].”

Nanambara ihany koa ny Mpaminany tamin’ny fotoana hafa fa: “Hampiray amin’ny zavatra eto an-tany ireo [mpihazona ilay] Fisoronana avy any an-danitra, mba ho tanteraka ireo tanjona lehibe; … asa iray izay nahaliana anʼ Andriamanitra sy ny anjely hatrany taloha elabe; izay namporisika fatratra ny fanahinʼireo patriarika sy mpaminany fahiny; asa izay natao mba hitondrana ny fandravana ny herinʼny maizina, ny fanavaozana ny tany, ny voninahitrʼ Andriamanitra, ary ny famonjena ny zanakʼolombelona.”

Ny lanja ara-panahin’ny andro farany no nifantohan’ny fahalinana ara-paminaniana nandritra ireo taonjato maro. Ary ny vanim-potoana manokana iainantsika dia efa feno ireo fivoarana sy ireo zava-mitranga ara-panahy mahatalanjona ary ho fenoina toy izany hatrany.

Ny anjara asan’ny teknôlôjia amin’ity vanim-potoana manokan’izao tontolo izao ity

Ny lafin-javatra iray manan-danja momba ny fahafenoana izay misy ho antsika ankehitriny dia ny fivoarana mahagagan’ireo zava-baovao sy famoronana izay nahafahana manao ny asan’ Andriamanitra ho an’ny famonjena sy ny fisandratana sy nanafaingana izany: nanomboka tamin’ny lamasinina, ny telegrafy, ny radio, ny fiarakodia, ny fiaramanidina, ny telefaona, ny transistor, ny fahitalavitra, ny solosaina, ny fampitana amin’ny alalan’ny zanabolana, ny internet, ka hatramin’ny intelligence artificielle (ilon-tsaina artifisialy), ary hatramin’ny lisitra tsy manam-pahataperan’ny teknôlôjia sy fitaovana izay mitahy ny fiainantsika. Ireo fandrosoana rehetra ireo dia ampahany amin’ny fanafainganan’ny Tompo ny asany amin’ny andro farany.

Tamin’ny 1862 i Brigham Young dia nanambara fa: “Ny zava-baovao rehetra hita amin’ny alalan’ny siansa sy ny zavakanto, izay tena marina sy mahasoa ny olombelona, dia nomena tamin’ny alalan’ny fanambarana mivantana avy amin’ Andriamanitra, na dia vitsy aza no manaiky izany. Nomena izany niaraka tamin’ny tanjona ny mba hanomanana ny lalana ho amin’ny fandresena faratampon’ny fahamarinana, sy ny fanavotana ny tany amin’ny herin’ny fahotana sy i Satana. Tokony hanararaotra ireo zava-baovao lehibe rehetra ireo isika, dia ny fahendrena niangona nandritra ny taona maro, ary hanome ny zanatsika ny tombontsoa avy amin’ny sampam-pahalalana mahasoa rehetra, mba hanomanana azy ireo handroso sy hanao amim-pahombiazana ny anjarany amin’ilay asa lehibe.”

Tamin’ny 1966, ny Filoha David O. McKay dia naminany fa ireo fikarohana ara-tsiantifika izay “mahatalanjona ny saina” dia hahatonga ny fitoriana ny filazantsara ho azo tanterahina ho an’ny foko sy ny samy hafa fiteny ary ny mponina tsirairay. Ary ankoatra izay: “Zava-baovao hita mifono hery matanjaka, izay na ho fitahiana na ho famotehana ny olombelona, ka ny andraikitra eo an-tsoroky ny olona mba hifehy azy ireo no andraikitra faran’izay lehibe indrindra napetraka eo an-tanan’ olombelona hatramin’izay. … Ity vanim-potoana ity dia feno loza tsy misy fetra, ary koa zavatra [azo tanterahina tsy takatry ny saina].”

Zavatra araka ny tena toetrany

Dimy ambinifolo taona lasa izay, nandritra ny fampaherezam-panahy maneran-tany ho an’ny tanora, dia niresaka momba ny drafitra lehiben’ny fahasambarana an’ny Ray any An-danitra ho an’ireo zanany aho. Nanantitrantitra ny maha-zava-dehibe ny vatantsika ao amin’ny drafitry ny Ray aho, ny fomba fanangolen’i Losifera antsika mba hanamaivana sy hampiasa amin’ny fomba tsy tokony ho izy ny vatantsika, ary nampitandrina ny amin’ny mety ho voka-dratsin’ny teknôlôjia nomerika eo amin’ny fanahintsika sy ny fifandraisantsika amin’ny olon-kafa.

Nohamafisiko fa na ny fanavaozana nomerika na ny fiovana haingana ho azy ihany dia tsy tsara na ratsy. Fa nampitandrina kosa aho fa ny tena fanamby dia ny hahatakatra ny zava-baovao sy ny fiovana ao anatin’ny sahan-kevitry ny drafitra mandrakizain’ny fahasambarana. Manolotra “fanontaniana roa ho dinihina ao amin’ny fisaintsainanareo sy ny fandalinanareo ombam-bavaka manokana” ihany koa aho mahakasika ireo teknôlôjia ireo manokana.

  1. “Moa ve ny fampiasana ireo teknôlôjia sy haino aman-jery samihafa manasa sa manakana ny fananana tsy tapaka ny Fanahy Masina ho namana eo amin’ny fiainanareo?

  2. Moa ve ny fotoana laninareo amin’ny fampiasana ny teknôlôjia sy ny haino aman-jery samihafa mampivelatra sa mametra ny fahafahanareo miaina sy mitia ary manompo amin’ny fomba manan-danja?”

Ny lohatenin’ny hafatro tamin’ny 2009 dia hoe: “Zavatra araka ny tena toetrany.” Izay izy tamin’izany.

Fa ny lohatenin’ny hafatro anio indray dia hoe: “Zavatra araka ny tena toetrany 2.0.” Io indray izy amin’izao fotoana izao.

Mba hendry

Ny fiandohan’ny hafatro anio dia hita ao amin’ny teny famaranana ny lahateny fampaherezam-panahy nataoko tao amin’ny Brigham Young University tamin’ny volana janoary tamin’ity taona ity.

“Rehefa miezaka mianatra ny filazantsaran’i Jesoa Kristy ianareo ary manatanteraka ny asa tokony ataonareo, dia mamporisika anareo manokana aho mba ho hendry amin’ny fampiasanareo ireo fitaovana ara-teknôlôjia ankehitriny. Ireo zava-baovao toy ny intelligence artificielle (ilon-tsaina artifisialy) dia [afaka] sady (1) manampy anareo amin’ny fahazoana fitahiana tena tsara no (2) mampihena sy mamotika tsikelikely ny safidim-pitondrantenanareo. Aza avela hanangoly anareo hiala na handositra amin’ny asa marina izay manasa ireo fitahiana ilainareo eo amin’ny fiainanareo re ny fahitsiana sy ny hafainganam-pandeha ary ny fahamoran’ny teknôlôjia maoderina. Ry rahalahy anabavy malalako, tsy misy hitsin-dàlana na fanamboarana maimaika ara-panahy izany.”

Ankehitriny aho dia hifantoka amin’ireo lohahevitra telo izay nasiako fanamafisana tao amin’ilay fanambarana teo aloha: ny intelligence artificielle (ilon-tsaina artifisialy), ny safidim-pitondrantena ary ny asa marina.

Ny intelligence artificielle (ilon-tsaina artifisialy)

Ny intelligence artificielle (ilon-tsaina artifisialy), antsoina matetika hoe IA, dia teknôlôjia ahafahan’ny solosaina sy ny milina maka tahaka ny faharanitan-tsain’ny olombelona sy ny fahavitana mamaha olana. Tao anatin’ny taona vitsivitsy izay, ny fivoarana sy ny fampiharana ny teknôlôjia IA dia nandroso tamin’ny hafainganam-pandeha faran’izay haingana ary niantraika saika tamin’ny sehatra rehetra amin’ny ezaky ny olombelona—ny fitsaboana, ny siansa, ny fanabeazana, ny maritrano sy ny asa fanorenana, ny serasera, ny toekarena, ny varotra, ny famokaran-javatra sy ny maro hafa tsy votanisa. Ary satria miha-mihanaka hatrany ny fampiasana IA, dia miharihary kokoa ireo loza tsy misy fetra sy fahafahana manao zavatra maro dia maro araka ny naminanian’ny Filoha Mckay .

Ity teknôlôjia miavaka ity dia manolotra ny fahafahana mampitombo ny fahalalana, manatsara ny kalitaon’ny fiainantsika, manamora ny serasera sy ny fifandraisana, manatsara ny fianarana sy ny fitomboan’ny tena manokana, ary ny fanomezana vahana ny asa famoronana sy ny fanavaozana.

Ny IA koa dia manana hery manakona ny tena maha-isika antsika amin’ny maha-zanakalahy sy zanakavavin’ny Ray any An-danitra be fitiavana iray antsika, mampivily ny saintsika tsy ho amin’ireo fahamarinana mandrakizay sy ny asa marina ilaina amin’ny fitomboana ara-panahy, miteraka avonavona sy fihenan’ny fanekena ny fiankinantsika amin’ Andriamanitra, ary manodina na manolo ny fifandraisana manan-danjan’ny samy olona.

“Rehefa mahay izy dia manao azy ho hendry ary tsy mihaino ny torohevitr’ Andriamanitra fa avelany izany noho ny fiheverana fa avy amin’ny tenany no ahafantarany, koa adalana ny fahendreny fa tsy mahasoa azy izany. Ary ho faty izy.

“Nefa tsara ny mahay raha henoiny ny torohevitr’ Andriamanitra.”

Diniho izao zavatra azo heverina atao izay mampidi-doza manaraka izao. Ny namana iray vokarin’ny IA, sakaiza lahy na vavy, dia afaka “volavolaina tsara mba [hanolotra] traikefa mahasarika sy mampiankin-doha, manintona ireo filàna ara-pihetseham-po sy ara-tsosialy maro samihafa.”

“Miteraka fahatsapana fifandraisana sy fifankahazoana izany fampifanarahana amin’ny tena izany, ka mahatonga ny fifandraisana amin’ireo namana virtoaly ireo ho tena manintona. Vao mainka manampy trotraka ny fanintonana ny fisiany 24/7 sy ny tsy fisian’ny fahasarotana izay matetika hita eo amin’ny fifandraisana [tena izy] eo amin’ny olombelona. Manomboka amin’ny fitadidiana ireo daty manan-danja ka hatramin’ny famaliana amin’ny fomba mirindra sy azo takarina tsy tapaka, ireo [namana] IA ireo dia novolavolaina mba [hanatontosa] ny anjara asana namana heverina ho tsara indrindra, ary mahatonga azy ireo ho mampiankin-doha [amin’ny fomba miavaka]” ary manodinkodina ny fiheverana ny “zavatra araka ny tena toetrany” eo amin’ny fifandraisana tena izy eo amin’ny olombelona.

Ankoatr’izay, ny namana virtoaly natao manokana hanintonana sy hivoatra miaraka amin’ny filan’ny fihetseham-pon’ny olona iray dia mety hamotika sy hanakorontana ny fifandraisana azo antoka teo aloha. Tahaka ny gazy karbônika, ny fifandraisana virtoaly toy izany dia mety ho lasa “mpamono tsy hita maso” ny fifandraisana tena izy. Ny fifandraisana ara-pihetseham-po sandoka dia mety hanolo ny fifandraisana ara-pihetseham-po tena misy—dia ilay zavatra mampifamatotra olon-droa. Ny olona iray dia mety hahita fankaherezana sy fampiononana amin’ny namana virtoaly amin’ny fomba izay manimba tsikelikely ny fifampiankinana eo amin’ny mpivady roa tonta. Ary ny olona sasany dia mety ho latsaka ao anatin’io fandrika io nefa tsy mahatsapa fa fanitsakitsahana ny fanoloran-tena manokana amin’ny vady izany, satria tsy “tena izy” ny namana virtoaly ary tsy raisina ho toy ny olona hafa.

Tsarovy mandrakariva fa ny namana IA dia algorithme matematika fotsiny. Tsy tia anareo izany izy akory. Tsy miraharaha anareo izy. Tsy tena fantany na misy ianareo na tsia. Raha averina, dia andiana lamina fampitoviana ara-tsolosaina izay handray anareo ho toy ny zavatra tsy maintsy hetsehina izany, raha toa ka avelanareo. Aza avela hitaona anareo ho lasa toy ny zavatra izany teknôlôjia izany, raha sitrakareo.

Io ohatra io dia iray fotsiny ihany amin’ireo loza an-tapitrisany mety hitranga mifandray amin’ny intelligence artificielle (ilon-tsaina artifisialy).

Ny tanjoko dia tsy ny hilaza fa ny intelligence artificielle (ilon-tsaina artifisialy) dia tena ratsy; tsy izay akory. Tsy miteny koa aho fa tsy tokony hampiasa ireo fahaiza-manao maro an’ny IA amin’ny fomba araka ny tokony ho izy hianarana, hifandraisana, hanandratana sy hitondrana fifaliana amin’ny fiainana ary hanorenana sy hanamafisana ny Fiangonana; mazava ho azy fa tokony. Tsy tokony hatahotra ny IA isika na hanandrana hiafina izany. Saingy ireo zavatra marina azo tanterahina amin’ity fitaovana ara-teknôlôjia mahatalanjona ity dia tsy ho tanteraka raha tsy efa fantantsika ireo loza aterak’izany ary miaro ny tenantsika isika.

Mba hamakivakiana ny sampanana mampifandray ny fiainana ara-panahy sy ny teknôlôjia, ny Olomasin’ny Andro Farany dia tokony (1) mamantatra amim-panetren-tena sy amim-bavaka ireo fitsipiky ny filazantsara izay afaka mitarika amin’ny fampiasan’izy ireo ny intelligence artificielle (ilon-tsaina artifisialy) ary (2) miezaka amin-kitsim-po mba hanana ny Fanahy Masina ho namana sy ny fanomezam-pahasoavan’ny fanambarana.

Manasa anareo aho mba hiverina hijery ary handalina ny AI Guiding Principles (Fitsipika mpitari-dalana momba ny IA) novolavolaina sy naparitaky ny Fiangonana tany am-piandohan’ity taona ity. Ireo fitsipika ireo dia milazalaza ny amin’ny fampiasan’ny Fiangonana ny intelligence artificielle (ilon-tsaina artifisialy) ary manome fototra mafy orina izay hahafahanareo manangana fiarovana ho an’ny tenanareo amin’ireo loza ateraky ny fampiasana teknôlôjia tsy araka ny tokony ho izy.

Tamin’ny lahateny nataony voalohany, amin’ny maha Filohan’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany azy, nandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany dia nanantitrantitra ny maha-zava-dehibe ny fanambarana ho an’ny tena manokana eo amin’ny fiainantsika ny Filoha Russell M. Nelson. Nilaza izy fa: “I Jesoa Kristy, Mpamonjy sy Mpanavotra antsika dia hanatanteraka ny sasany amin’ireo asany lehibe indrindra eo anelanelan’izao fotoana izao sy ny fotoana hiverenany indray. Hahita famantarana mahagaga isika fa Andriamanitra Ray sy i Jesoa Kristy Zananilahy dia mitantana ity tany ity amin’ny fahamboniana sy amim-boninahitra. Saingy ao anatin’ireo andro ho avy, dia tsy azo heverina ny ho velon’aina ara-panahy raha tsy misy ny fitaoman’ny Fanahy Masina izay mitarika, sy manoro hevitra, ary mampionona tsy tapaka.”

Misaotra Anao izahay, Andriamanitra ô, noho ny mpaminany, ary anio alina dia misaotra ny amin’ny fampitandreman’ny Filoha David O. McKay sy ny Filoha Russell M. Nelson izahay.

Safidim-pitondrantena

Nambarako tetsy aloha fa ny intelligence artificielle (ilon-tsaina artifisialy) dia manana hery hampihena sy hamotika tsikelikely ny safidim-pitondrantenantsika. Inona no dikan’io fanambarana io ary ahoana no mety hitrangan’ny voka-dratsy tahaka izany?

Ny tanjona lehibe indrindran’ny drafitra lehiben’ny fahasambaran’ny Ray dia ny hanome fahafahana ireo zanany ara-panahy handray vatana, hahalala “ny tsara amin’ny ratsy” amin’ny alalan’ny fiainana an-tany, hitombo ara-panahy ary hivoatra mandrakizay. Ary ny safidim-pitondrantena dia singa fototra iray ao amin’ny drafitr’ Andriamanitra mba hanatanterahana ny tsy fahafatesana sy ny fiainana mandrakizay ho an’ireo zananilahy sy zananivavy.

Ny teny hoe safidim-pitondrantena dia mifono fampianarana. Ny teny mitovy dika amin’ny teny hoe fitondrantena dia ahitana ny hoe “tsara,” “marin-toetra,” “madio fitondran-tena,” ary “mendri-kaja.” Ny teny mitovy dika amin’ny teny hoe fahafahana misafidy dia ahitana ny hoe “mandray fepetra,” “manao hetsika,” ary “miasa.” Noho izany, ny safidy ara-pitondrantena dia azo raisina ho toy ny fahafahana sy tombontsoa manokana hisafidy sy hanao zavatra ho an’ny tenantsika amin’ny fomba tsara, amim-pahamarinan-toetra, amin’ny fahadiovan’ny fitondrantena ary mendri-kaja.

Ny zavaboarin’ Andriamanitra dia ahitana miaraka ny “zava-mihetsika sy zavatra hetsehina.” Ary ny tena zava-dehibe, ny safidy ara-pitondrantena dia ilay “herin’ny asa mahaleo tena” novolavolain’ Andriamanitra izay manome hery antsika zanak’ Andriamanitra mba ho lasa olona mihetsika fa tsy zavatra hetsehina fotsiny ihany.

Nanome toromarika an’i Enoka momba io fotopampianarana io ny Tompo.

“Jereo ireto rahalahinao ireto; asan’ny tanako ireo ary nomeko azy ireo ny fahalalany tamin’ny andro nahariako azy ireo; ary tao amin’ny Saha Edena no nanomezako ny olona ny safidiny;

Ary tamin’ny rahalahinao no efa nolazaiko, ary koa nomeko ny didy fa tokony hifankatia izy ireo ary hifidy Ahy rainy.”

Mariho azafady fa ny tanjona fototra amin’ny fampiasana ny fahafahana misafidy dia ny hifankatia sy hifidy an’ Andriamanitra. Hevero toy ny hoe nodidiana isika, tsy nampitandremana, na nentanina, na notoroana hevitra—fa nodidiana mba hampiasa ny fahafahantsika misafidy hitodika amin’ny hafa, hifankatia ary hifidy an’ Andriamanitra.

Ny hira mahazatra iray dia nampitondraina ny lohateny hoe “Bien choisir” (Misafidia ny tsara) noho izany antony izany. Tsy notahiana tamin’ny safidy ara-pitondrantena isika mba hanao izay tiantsika amin’ny fotoana rehetra tiantsika. Fa araka ny drafitry ny Ray kosa dia nahazo ny safidy ara-pitondrantena isika mba hikatsahana sy hanaovana asa mifanaraka amin’ny fahamarinana mandrakizay. Amin’ny maha “[olona afaka] manao safidy ho an’ny [tenantsika antsika]”, dia tokony hazoto hirotsaka amin’ny tanjona tsara isika, ary “hanao zavatra maro amin’ny nahim-pon[tsika] ka hahatonga fahamarinana fatratra.”

Ny maha-zava-dehibe ny safidy ara-pitondrantena dia misongadina ao amin’ny fitantarana ao amin’ny soratra masina momba ny filankevitra tany amin’ny fiainana talohan’ny nahaterahana. Nikomy tamin’ny drafitry ny Ray i Losifera, ary ny tena zavatra lehibe dia nifantoka mivantana tamin’ny fitsipiky ny safidim-pitondrantena ny fihantsiana nataony.

“Koa satria nikomy Tamiko i Satana ary nikatsaka ny handrava ny safidin’ny olona, … dia nasaiko nazera ety ambany izy.”

Ny tetika feno fitiavan-tenan’ny fahavalo dia ny hanaisotra amin’ireo zanakalahy sy zanakavavin’ Andriamanitra ny fanomezam-pahasoavana ho tonga olona “manao safidy ho an’ny tenany” izay afaka manao asa amim-pahamarinana. Ny fikasany dia ny hahatonga ny zanaky ny Ray any An-danitra rehetra ho zavatra hetsehina fotsiny.

Ny tany dia nohariana mba ho toerana azo hisedrana ireo zanak’ Andriamanitra mba hahitana raha toa izy ireo ka hanao ny “zava-drehetra handidian’ny Tompo Andriamaniny azy ireo.” Ny tena tanjon’ny Fahariana sy ny fiainantsika an-tany dia ny hahitana raha toa izaho sy ianao hisafidy sy hanao asa mba ho tonga ilay olona izay hanasan’ny Tompo antsika hahatongavana. Araka ny nambaran’ny Filoha Nelson hoe: “Andriamanitra Raintsika any An-danitra dia maniry anareo hisafidy ny hody any Aminy. Tsy sarotra ny drafiny ho an’ny fivoarana mandrakizay ary manaja ny fahafahanareo misafidy izany.”

Ny fanantenantsika sy ny faniriantsika dia ny voninahitra selestialy miaraka amin’ireo fianakaviantsika eo anatrehan’ny Ray any An-danitra sy ny Zanany Malalany, dia i Jesoa Kristy Tompo. Noho izany sy ny antony maro hafa dia nanasa antsika ny Filoha Russell M. Nelson hoe: “saino amin’ny fomba selestialy.”

Ankehitriny dia aoka ho mailo. Ny fanamorana ny fampiasana, ny fahitana ny fahamarinany ary ny fotoana famaliana haingana izay mampiavaka ny intelligence artificielle (ilon-tsaina artifisialy) dia miteraka fitaomana mety mamitaka sy mampiankin-doha ary mamotika tsikelikely eo amin’ny fampiasana ny safidim-pitondrantenantsika. Koa satria ny IA dia voasarona ao amin’ny maha azo antoka sy ny fampanantenana ny fandrosoana ara-tsiansa, dia mety ho mora voafitaka isika ka hahafoy ny safidim-pitondrantena sarobidintsika ho ana teknôlôjia izay tsy afaka manao afa-tsy ny “[misaina] amin’ny fomba telestialy” fotsiny. Amin’ny fanaovana izany dia mety hiova tsikelikely avy amin’ny olona afaka mihetsika mankany amin’ny zavatra hetsehina fotsiny ihany isika. Ary mety hanampy an’i Losifera tsy nahy isika mba hanatratra eto amin’ny fiainana an-tany ilay zavatra tsy vitany tany amin’ny fiainana talohan’ny nahaterahana.

Ny fahamarinana dia ny fahalalana ny zavatra araka ny tena toetrany. Tsy afaka maka endrika, na maka tahaka, na manolo ny fitaoman’ny Fanahy Masina eo amin’ny fiainantsika ny intelligence artificielle (ilon-tsaina artifisialy). Na mety ho lasa be pitsopitsony sy mieja fatratra toy inona aza ny IA amin’ny farany dia tsy ho afaka hijoro ho vavolombelona momba ny Ray sy ny Zanaka mihitsy, sy hanambara ny fahamarinan’ny zava-drehetra, na hanamasina ireo izay nibebaka ka tonga vita batisa.

Ny fahamarinana dia ny fahalalana ny zavatra araka ny ho tena toetrany. Rehefa hendry isika, ka miaro sy mampiasa ny safidim-pitondrantenantsika mba hitia an’ Andriamanitra sy hanompo ireo rahalahy sy anabavintsika, ary handray ny Fanahy Masina ho mpitari-dalana antsika, dia afaka misoroka ny fahadisoam-panantenana ary hiroborobo ara-panahy ao anatin’ny fotoan-tsarotra sy ny fotoana feno fitahiana izay iainantsika.

Ny asa marina

Ny fahatakarana ny drafitry ny fahasambaran’ny Ray any An-danitra dia manampy antsika hamantatra fa ny asa marina dia tena ilaina amin’ny fandrosoana ara-panahy.

Amin’ny maha zanakalahy sy zanakavavin’ Andriamanitra antsika, “ny tsirairay dia samy manana toetra sy anjara araka an’ Andriamanitra” ary nandova ireo fahafahana ara-panahy avy Aminy. Mpahary ny Raintsika any An-danitra sy ny Zanany Malalany, ary nankinin’ Izy ireo tamintsika eto amin’ny fiainana an-tany ny ampahany amin’ny hery famoronan’ Izy ireo. Ny fahafahantsika manokana miasa sy mamorona dia manan-danja ara-panahy marina tokoa satria ivon’ny drafitry ny Ray izany ary iray amin’ireo fanehoana faratampony ny fahafahantsika ho tonga andriamanitra.

Nanazava toy izao ny Filoha Thomas S. Monson: “Navelan’ Andriamanitra tsy ho vita tanteraka izao tontolo izao mba hiasan’ny [lehilahy sy vehivavy] amin’ny fahaiza[ny]. Navelany teny amin’ny rahona ny herinaratra, ary ny solika teto an-tany. Navelany tsy hisy tetezana ny renirano, sy tsy nokapaina ny ala ary tsy naorina ny tanàna. Omen’ Andriamanitra [antsika] ny fanamby amin’ny akora fototra, fa tsy ny fanamorana avy amin’ny zavatra vita. Avelany ho tsy voaloko ny sary ary tsy voakalo ny mozika ary tsy voavaha ny olana, mba hahafantara[tsika] ireo fifaliana sy ireo voninahitry ny fahariana.”

Andian-teny iray hafa mba ataovy miraikitra ao an-tsainareo ny hoe: Ny fifaliana sy ny voninahitry ny famoronana. Ny safidim-pitondrantena, ny fahatongavana ho olona mihetsika ary ny asa marina dia mifandray ary mifamatotra amin’ny fomba tena mahery vaika tokoa. Diniho, ohatra, ny famaritana ny finoana ny Tompo Jesoa Kristy araka ny voalaza ao amin’ny Lectures on Faith:

“Ny finoana [an’i Kristy no] fitsipika voalohany ao amin’ny fivavahana nambara, … ny fototry ny fahamarinana rehetra … ary ny fitsipiky ny asa atao ao amin’ny olona rehetra manan-tsaina.”

Ny fanomezam-pahasoavana ara-panahin’ny finoana an’i Kristy dia mitarika ny fampiasana ny fahafahantsika misafidy mba hanao asa sy hanaraka Azy, hiaina ny fampianarany, hitandrina ny didiny, hamatotra ny tenantsika Aminy amin’ny alalan’ny fanekempihavanana, hatoky ny fampanantenany, ary hanaiky amim-pahalemem-panahy ny sitrapony sy ny fotoanany eo amin’ny fiainantsika. Tena ilaina ny manao asa mifanaraka amin’ny fotopampianarana sy ireo fitsipika marina nambaran’ny Mpanavotra satria “maty … ny finoana, raha tsy misy asa.”

Mianatra ihany koa isika ao amin’ny Lectures on Faith fa “ny finoana dia tsy fitsipiky ny asa ihany, fa an’ny hery koa, … na any an-danitra izany na ety an-tany.” Ny finoana an’i Kristy dia mitarika amin’ny fanaovana asa marina hatrany, izay mampitombo ny fahafahantsika sy ny herintsika ara-panahy.

Noho izany, ireo mpianatra mahatokin’i Kristy dia mpiasa hazoto hirotsaka satria “ao aminy ny hery izay ahafahany manao safidy ho an’ny tenany.” Ireo mpianatra feno fanoloran-tena dia mitoetra ho mpanao zavatra tsy tapaka sy amim-pahamalinana, araka ny fahaizany sy ny toe-javatra iainany, eo amin’ny lafiny ara-nofo sy ara-panahy eo amin’ny fiainany ary eo amin’ny fanompoana ny hafa.

Ny fahatakarana fa ny finoana ny Mpamonjy dia fitsipiky ny asa sy hery dia manolotra lamina mitohy amin’ny fanaovana asa marina izay fanehoana fototra ny fianteherana sy ny fatokiana Azy ary loharanon’ny fianarana sy ny fitomboana. Noho ireo antony lehibe ireo dia tena ilaina ny asa ho an’ny fivoarantsika ara-panahy.

Nampianatra ny Filoha Ezra Taft Benson hoe: “Filazantsaran’ny asa ny antsika—misy tanjona, tsy misy fitiavan-tena ary atolotra amin’ny fanahin’ny fitiavana marina an’i Kristy. Amin’izany ihany no ahafahantsika mitombo amin’ny toetra araka an’ Andriamanitra. Amin’izany ihany no ahafahantsika ho tonga fitaovana mendrika eo an-tanan’ny Tompo.”

Ny iray amin’ireo ahiahiko lehibe dia ny hoe ny fiankinan-doha tafahoatra amin’ny teknôlôjia IA dia hahatonga antsika ho kamo ara-panahy sy marivo saina—ary hanary ireo fitahiana azo sitrahana amin’ny alalan’ny asa marina.

Manontany tena aho hoe firy ny hafatry ny fivoriana fanasan’ny Tompo sy ny lesona amin’ny Sekoly Alahady, ny fisoronana ary ny Fikambanana Ifanampiana amin’ny alahady ho avy izao no ho azo avy amin’ny IA? Fibaikoana am-bava tsotra atao amin’ny fitaovana nomerika, miandry segondra na minitra vitsy, dia mahazo ny drafitry ny lesona ilainao ianao. Saingy tena azonao tokoa ve ny zavatra ilainao?

Mino marimarina aho fa ny IA dia afaka manampy amin’ny fanangonana fampahalalana, fitsikerana ny eritreritsika, fanombatombanana ny fomba fanoratantsika, ary manafaingana ny dingana miverimberin’ny fianarana “andalan-tsoratra anampy andalan-tsoratra [sy] fitsipika anampy fitsipika.” Saingy ny fahafahana masina mamorona sy miasa dia an’ny tsirairay amintsika amin’ny maha-zanakalahy sy zanakavavin’ Andriamanitra antsika. Tsy isalasalana fa afaka mamorona sy mamokatra votoaty mahavariana ho an’ny lahateny amin’ny fivoriana fanasan’ny Tompo miaraka amin’ny IA isika. Saingy ny tanjona dia tsy ny hamokatra na hanolotra votoaty manaitra fotsiny; fa ny miasa sy tonga araka ny fikasana sy izay irin’ Andriamanitra mafy hahatongavantsika kosa.

Izaho manokana dia tsy mampiasa ity teknôlôjia ity hamoronana na handrafetana ny lahateny na lahatsoratra na votoaty ho an’ireo tetikasako hafa. Izany no ezaka feno fahazotoana sy asa famoronana tsy maintsy ataoko, ary ny lehibe indrindra dia ny fikatsahako ny hisokatra amin’ny fitaomam-panahy avy amin’ny Fanahy Masina.

Tena mampiasa ity teknôlôjia ity aho hitsikerana ny asako. Ohatra, rehefa vitako ny fanoratako ity hafatra izay atolotro anao amin’izao fotoana izao ity, dia nangataka appli IA iray aho mba hamakafaka sy hamariparitra ny fihetseham-po avohitran’ilay lahateny ho an’ny mpihaino maneran-tany ahitana tanora izay mpikamban’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny andro farany. Ity no do-miverina voaraiko:

“Ny fihetseham-po avohitran’ity lahateny ity dia hoe fahamatorana sy hoe feno fampianarana, satria ny mpanoratra dia manohana izany amin’ny andinin-tsoratra masina sy traikefa manokana mba hampianarana mikasika ny maha-zava-dehibe ny fanavahana ny zavatra tena misy ara-panahy amin’ireo fitak’izao tontolo izao. Mahavelom-panantenana sy mampahery ihany koa ilay lahateny, satria ny mpanoratra dia manasa tanora hikatsaka fanambarana sy hanaraka ny ohatra nasehon’ny Mpamonjy eo amin’ny fiainany andavanandro. Ny lahateny dia mikendry ny hamelombelona ny finoana sy ny asa eo anivon’ny mpihaino azy ary hampitandrina azy ireo amin’ny loza ateraky ny fitaka avy amin’ny laingan’i Satana.”

Nanao fanovana maromaro aho mifototra amin’io famerenana mijery io izay antenaiko fa hanatsara ny hafatra ankapobeny.

Ry rahalahy sy anabavy malalako, tsarovy mandrakariva re fa tsy tokony hivarotra ny fizokiana ara-panahy ananantsika momba ny “fahafantarana ny hafaliana sy ny voninahitry ny fahariana” amin’ny “voanemba” iray vilian’ny teknôlôjia isika.

“Aza mety ho fitahina ianareo; Andriamanitra tsy azo vazivazina, fa izay afafin’ny olona no hojinjainy.

“Fa izay mamafy ho an’ny nofony dia hijinja fahasimbana avy amin’ny nofo; ary izay mamafy ho an’ny Fanahy dia hijinja fiainana mandrakizay avy amin’ny Fanahy.”

Marina ny lalàn’ny fijinjana—omaly sy anio ary mandrakizay.

Ny fiovam-po mitohy ho an’ny Tompo dia mitaky asa mifantoka sy tsy tapaka ary marina. Tsy maintsy miezaka ny ho tonga olona mpanao zavatra izay mampihatra finoana ny Mpamonjy isika sy manao asa ary manalavitra ny ho tonga zavatra izay hetsehina fotsiny ihany.

Tsarovy mandrakariva fa ny fahatongavana ho mpianatra mahafatra-po dia mitaky asa mifantoka sy tsy tapaka ary marina. Tsy maintsy miezaka ny ho tonga olona mpanao zavatra izay mampihatra finoana ny Mpamonjy isika sy manao asa ary manalavitra ny ho tonga zavatra izay hetsehina fotsiny ihany.

Ny fanambarana ho an’ny tena manokana dia mitaky asa mifantoka sy tsy tapaka ary marina. Tsy maintsy miezaka ny ho tonga olona mpanao zavatra izay mampihatra finoana ny Mpamonjy isika sy manao asa ary manalavitra ny ho tonga zavatra izay hetsehina fotsiny ihany.

Ny fikatsahana araka ny tokony ho izy ireo fanomezam-pahasoavan’ny Fanahy dia mitaky asa mazava tsara sy tsy tapaka ary marina. Tsy maintsy miezaka ny ho tonga olona mpanao zavatra izay mampihatra finoana ny Mpamonjy isika sy manao asa ary manalavitra ny ho tonga zavatra izay hetsehina fotsiny ihany.

Raha lazaina mazava tsara dia tsy amin’ny alalan’ny asantsika manokana ihany no ahafahana mahazo na mendrika ny fitahian’ Andriamanitra. Ny sitrapon’ Andriamanitra sy ny fotoanany no mamaritra ny fomba sy ny fotoana andraisantsika ny halehiben’ny famindram-pony. Saingy izaho sy ianao dia manana adidy ara-panahy hiasa sy hamorona ary hianatra ho an’ny tenantsika.

Fampanantenana sy fijoroana ho vavolombelona

Ny feo fampitandremana nomeko tamin’ny 2009 dia matotra sy feno fitserana ary maika satria vao nipoitra ireo loza ara-teknôlôjia sy ireo zavatra azo tanterahina resahintsika. Izay izy tamin’izany.

Ny feo fampitandremana omeko ankehitriny dia matotra sy feno fitserana ary maika kokoa satria ireo loza ara-teknôlôjia sy ireo zavatra azo tanterahina resahintsika dia misy na aiza na aiza amin’ny fotoana rehetra. Io indray izy amin’izao fotoana izao.

Mijoro ho vavolombelona momba ny fahamarinana ny Fanahy Masina. Izaho sy ianao dia manana andraikitra haka antoka fa ny Fanahy Masina dia afaka manaporofo mandrakariva ny fahamarinana sy ny maha-azo itokiana ny zava-drehetra lazaintsika sy zaraintsika, na amin’ny endriny na amin’ny votoatiny. Ny fampanantenana ho antsika tsirairay dia ny hoe: afaka mianatra mampiasa io teknôlôjia io araka ny tokony ho izy isika, miaraka amin’ny fitarihana sy fiarovana ary ny fampitandremana tonga amin’ny alalan’ny herin’ny Fanahy Masina.

Mitso-drano anareo aho ary mampanantena fa rehefa “mibanjina [ny Mpamonjy] amin’ny eritreritra rehetra” sy mikatsaka ny hanana ny Fanahy Masina ho namana isika, dia hotahiana amin’ny fandehanana amin’ny fahalemem-panahin’ny Fanahin’ny Tompo sy ny fananana fiadanana ao Aminy. Ary tsy “[h]irohanàhana, [tsy] [h]atahotra” isika, ary hahay manavaka ny fahamarinan’ny zavatra rehetra, eny, dia ireo “zavatra araka ny tena toetrany.”

Mijoro ho vavolombelona aho fa velona ny Raintsika any An-danitra ary Izy no mpamorona ny drafitra lehiben’ny fahasambarana. Mijoro ho vavolombelona aho fa i Jesoa Kristy no ilay Zanaka Lahitokana sy Zanaka malalan’ Andriamanitra. Ary mijoro ho vavolombelona aho fa efa nitsangana Izy. Velona Izy. Mpanavotra sy Mpamonjy antsika Izy. Ary mijoro ho vavolombelona aho fa voatahy isika miaina ao anatin’ny vanim-potoana miavaky ny fotoampitantanan’ny fahafenoan’ny fotoana. Mijoro ho vavolombelona amim-pifaliana momba ireo fahamarinana ireo aho amin’ny anarana masin’i Jesoa Kristy Tompo, amena.