2010
Ny Tsodranon’ny Patriarika Nomena Anao
Febroary 2010


Ho an’ny Tanora

Ny Tsodranon’ny Patriarika Nomena Anao

Ny Filoha Monson dia mamaritra ny tsodranon’ ny patriarika ho toy ny “Liahona an’ny tenanao manokana, izay hamaritra ny lalanao sy hitari-dalana anao.” Noho izany dia inona izany tsodrano izany, ary ahoana no ahafahany mitarika ny fiainanao?

Inona no atao hoe tsodranon’ny patriarika?

Misy tanjona roa lehibe ny tsodranonao. Voalohany dia hanambara ny firazananao izany, na hoe fokon’iza ao amin’ny mpianakavin’i Isiraely no misy anao. Faharoa, hahitana fampahalalana izay hitarika anao izany. Ny tsodranonao dia mety ahitana fampanantenana, fampitandremana na fanairana.

Firy taona aho no tokony hahazo ny tsodranon’ny patriarika?

Tsy misy taona voafetra napetraka ho an’izany, saingy tokony mba ho efa lehibe ihany ianao mba hahatakaranao ny maha masina an’ilay tsodrano. Maro ny mpikambana no mbola ao amin’ny maha zatovo azy dia efa manomboka mieritreritra ny fahazoany ny tsodranony.

Ahoana no fomba ahazoana ny tsodrano?

Voalohany, miresaha amin’ny evekanao na ny filohan’ny sampanao. Rehefa vonona sy mendrika ianao, dia hahazo fahazoan-dalana. Aorian’izay, dia afaka manao fotoana amin’ny patriarika ao amin’ny faritra misy anao ianao.

Ataoko inona ilay tsodranoko?

Apetraho any amin’ny toerana azo antoka izany, ary vakio matetika. Tadidio, fa masina sy anao manokana ny tsodranonao. Afaka mizara izany amin’ny fianakavianao akaiky ianao, saingy tsy tokony hozarainao ampahibemaso izany. Ny tsodrano rehetra ao anatin’ny tsodranon’ny patriarika nomena anao koa, dia miankina amin’ny fahatokianao sy ny fandaharam-potoanan’ny Tompo.

Hamoaka printy