2010
Mitantana Amim-pahendrena an’izay Ananana ary Misoroka ny Fanaovan-trosa
Febroary 2010


Hafatra ho an’ny Famangiana Isan-tokantrano, Febroary 2010

Mitantana Amim-pahendrena an’izay Ananana ary Misoroka ny Fanaovan-trosa

Ampianaro ireo soratra masina sy teny nindramina ireo, na raha ilaina, dia mampianara fitsipika iray hafa izay hitahy ireo rahavavy vangianao. Mijoroa ho vavolombelona momba ny fotopampianarana. Asao ireo izay ampianarinao mba hizara ny zavatra tsapany sy nianarany.

Mitantana an’izay Ananana

“‘Ny fomba fiainana izay mitsinjo ny hoavy’ … dia midika hoe [fitsitsiana] an’izay ananana, fandrindrana amim-pahendrena ny lafiny ara-bola, fananana izay ilaina rehetra eo amin’ny lafiny fahasalaman’ny tena manokana, fiomanana tsara ho an’ny fianarana sy fampivelarana ny asa aman-draharaha, fanokanam-potoana araka ny tokony izy amin’ny famokaran-javatra sy fitahirizana sakafo sy kojakoja ao an-tokantrano, ary koa ny fampivelarana ny fahaiza-mifehy ny lafiny ara-pihetseham-po taorian’ny zava-nitranga iray. … Raha miaina ao anatin’ny fahendrena sy fintsinjovana ny hoavy isika dia ho voaro toy ireny hoe tazoniny eo amin’ny Felatanany ireny mihitsy.”1

Filoha Spencer W. Kimball (1895–1985).

“Inona avy ireo fahaiza-manao ilaintsika mba hanampiana antsika ho lasa mizaka tena? … Tany am-piandohan’ny Fiangonana, dia niangavy ireo rahavavy i Brigham Young mba hianatra hisoroka ny aretina ao amin’ny fianakaviana, mba hamboly sy hanamboatra zavatra izay azo atao any an-tokantrano ary hianatra fiandraiketana toebola sy firaketana ny fandehan’ny vola, sy fahaiza-manao hafa. Mbola mihatra ireo fitsipika ireo amin’izao fotoana izao. Mbola mitohy ho tena zava-dehibe ny fianarana. …

“Nanontany eveka maro aho hoe inona ireo fahaiza-manao mahakasika ny fizakan-tena izay tena ilain’ireo rahavavy any amin’ny paroasiny, dia nilaza izy ireo hoe, ny fitantanam-bola. Mila mahatakatra ny vokatry ny fividianan-javatra trosaina sy ny tsy fiainana amin’izay vola ananana ny vehivavy. Ny fahaiza-manao faharoa notanisain’ireo eveka dia ny fandrahoan-tsakafo. Ny sakafo atao sy hanina any an-trano dia tsy mandany vola be amin’ny ankapobeny, ary mahasalama kokoa sy manamafy orina kokoa ny fifandraisan’ny fianakaviana.”2

Julie B. Beck, filohan’ny Fikambanana Ifanampiana maneran-tany.

Misoroka ny Trosa

“Misy dingana dimy omeko ireto mba hananana filaminana ara-bola. …

“Voalohany, aloavy ny fahafolonkarenanao. …

“Faharoa, aza mandany vola mihoatra noho izay raisinao. …

“Fahatelo, mianara manao tahiry. …

“Fahaefatra, efao ireo adidinao ara-bola. …

“Fahadimy, ampianaro ny zanakao mba hanaraka ny ohatra asehonao.3

Loholona Joseph B. Wirthlin (1917–2008) tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo.

“Rehefa midi-trosa isika dia manary ny lafiny sasany izay sarobidy sy tsy voavidy vola ao amin’ilay safidy malalaka nomena antsika ary mametraka antsika ao anatin’ny fanandevozana izay anerentsika ny tenantsika. Manery ny fotoanantsika, ny herintsika sy izay eo am-pelatanantsika isika mba hamerenana izay nindramintsika—zavatra izay tokony nampiasaina mba hanampiana ny tenantsika sy ny fianakaviantsika ary ny hafa. …

“Ny fandoavana ny trosantsika sy ny fisorohana ny trosa amin’ny hoavy dia mitaky ny fampiharantsika ny finoana ny Mpamonjy—tsy hoe mba hivoarana amin’ny tsara kokoa fotsiny fa mba ho lasa tsara kokoa. Mitaky finoana lehibe ny miteny ireto teny tsotra ireto dia ny hoe: ‘Tsy mahatakatra izany izahay.’ Mitaky finoana ny fahatokiana fa ny fiainana dia ho tsaratsara kokoa rehefa mampandefitra ny zavatra tiantsika manokana isika mba hahafahana hanome izay tena ilaintsika sy ilain’ny hafa.”4

Loholona Robert D. Hales ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo.

Fanamarihana

  1. “Welfare Services: The Gospel in Action,” Ensign, Nôv. 1977, 78.

  2. “The Welfare Responsibilities of the Relief Society President,” Basic Principles of Welfare and Self-Reliance (2009), 5.

  3. “Earthly Debts, Heavenly Debts,” Liahona, Mey 2004, 41, 42.

  4. “A Gospel Vision of Welfare: Faith in Action,” Basic Principles of Welfare and Self-Reliance (2009), 1.

Fanampiana ho an’ny Mpamangy Isan-tokantrano

Resaho amin’ny namana miara-mamangy aminao ny fomba handrindrana tsara ity hafatra ity mba hifanaraka amin’ny toe-javatra iainan’ny rahavavy tsirairay. Inona avy ireo fahaiza-manao ahafahana mizaka tena azonao zaraina aminy?

Fiomanan’ny tena manokana

Malakia 3:10

Matio 6:19–21

Lioka 12:15

F&F 38:30; 88:119

Ho fampahalalana misimisy, dia jereo All Is Safely Gathered In: Family Finances (item no. 04007).

Hamoaka printy