2010
Eo Am-piomanana Ara-panahy
Febroary 2010


Hafatra avy amin’ny Fiadidiana Voalohany, Febroary 2010

Eo Am-piomanana Ara-panahy

Torohevitra avy amin’ny Mpaminanintsika

Fototra Iorenan’ny Finoana

“Rehefa tsy manana fototra mafy iorenan’ny finoana sy fijoroana ho vavolombelona matanjaka momba ny fahamarinana isika, dia mety ho sarotra amintsika ny fiatrehana ny oram-baratra mahery vaika sy rivotra mamanalan’ny fitsapana izay tsy azo ihodivirana fa tonga amintsika tsirairay avy.

“Ny fiainana eto an-tany dia fotoam-pisedrana, fotoana hanaporofoantsika fa mendrika ny hiverina eo anatrehan’ny Raintsika any an-danitra isika. Mba hisedrana antsika dia tsy maintsy miatrika fanamby sy olana isika. Mety hanimba antsika izany ary mety ho kivy ny fanahintsika—izany no miseho rehefa tsy tafapetraka lalina ao anatintsika ny fototra iorenan’ny finoantsika sy ny fijoroantsika ho vavolombelona momba ny fahamarinana.”1

Misintòna Lesona avy amin’ny Lasa

“Eo am-pitadiavana ny tsara indrindra avy amintsika dia fanontaniana maro no hitarika ny saintsika: Moa ve aho toy ilay niriako hahatongavana? Moa ve aho akaiky kokoa ny Mpamonjy noho ny omaly? Moa ve aho mbola ho lasa akaiky kokoa rahampitso? Moa ve aho manana risim-po hiova amin’ny tsaratsara kokoa? …

“Efa taona maro no nandalo ary taona maro no lasa, saingy mbola mitohy ho tena zava-dehibe ny filana fananana fijoroana ho vavolombelona momba ny filazantsara. Rehefa mandroso hatrany mankany amin’ny hoavy isika, dia tokony tsy hanadino ireo lesona avy tamin’ny lasa.”2

Ilay Liahona an’ny Tenanao Manokana

“Anao ary anao irery ihany ny tsodranon’ny patriarika nomena anao. Mety ho fohy izany na ho lava, na tsotra na mifono zavatra lalina. Tsy ny halavany na ny voambolana no zava-dehibe ao anatin’ny tsodranon’ny patriarika. Ny Fanahy no manome ny tena dikany. Ny tsodranonao dia tsy natao ho tsara valona ary hampirimina any. Tsy natao ho fonosina na hatonta ho an’ny besinimaro akory izany. Fa kosa natao ho vakiana. Natao ho tiavina. Natao ho arahana. Hitantana anao ao anatin’ny haizim-pito ny tsodranon’ny patriarika nomena anao. Hitantana anao ao anatin’ireo loza manamban’ny fiainana izany. … Ny tsodranon’ny patriarika nomena anao, dia Liahona an’ny tenanao manokana, izay hamaritra sy hitarika ny lalanao. …

“Mety ilaina ny faharetana rehefa mandinika an’ilay fitahiana nampanantenaina izay ho tanteraka isika ary rehefa miandry sy miasa hahazoana izany.”3

Manatòna Azy

“Tsarovy fa tsy mandeha irery ianao. … Rehefa mamakivaky ny fiainana ianao dia mandehana foana mankamin’ny hazavana ary hianjera ao aorianao ireo aloky ny fiainana. …

“Rehefa namaky soratra masina [aho] mba hahazo fitaomam-panahy, dia nisy teny filaza mandidy miavaka tsara hatrany tao. Ireo teny ireo dia manasa antsika hanatona Azy. Hoy ny Tompo hoe, ‘Mankanesa aty amiko.’ Hoy Izy hoe, ‘Mianara Amiko.’ Nilaza koa Izy hoe, ‘Avia manaraha Ahy.’ Tiako izany teny fanasana hanatona Azy izany. Ny fangatahako dia ny mba hanatonantsika ny Tompo.”4

Fanamarihana

  1. “Fototra Mafy Orina,” Liahona, Nôv. 2006, 62.

  2. “Tonga Amin’ilay Tsara Indrindra ao Amintsika,” Liahona, Apr. 2006, 3, 5.

  3. “Your Patriarchal Blessing: A Liahona of Light,” Ensign, Nôv. 1986, 66.

  4. 16-stake fireside, Brigham Young University, Nôv. 16, 1986.

Mampianatra avy amin’ity Hafatra ity

Ny Enseignement, Pas de Plus Grand Appel dia milaza hoe: “Ny mpampianatra mahay dia tsy mieritreritra hoe: … ‘Inona no hampianariko anio?’ fa kosa hoe: ‘Ahoana no fomba hanampiako ny mpianatro hahita izay zavatra tokony ho fantany?’”([1999], 61). Mba hanampiana ny tsirairay hianatra zavatra avy amin’ity lahatsoratra ity, dia omeo taratasy sy penina izy ireo ary omeo fotoana avy eo hamakiana ny tenin’ny Filoha Monson sy hanoratana ny fahamarinana hitan’izy ireo momba ny fiomanana ara-panahy. Afaka manao sary ny zavatra nianarany ny ankizy kely. Asaivo zarainy ny zavatra nosoratany na nataony sary.

Hamoaka printy