2010
Afaka Mahita an’i Kristy ve Isika?
Desambra 2010


Hafatra avy amin’ny Fiadidiana Voalohany, Desambra 2010

Afaka Mahita an’i Kristy ve Isika?

Indray hariva raha teo am-pamakiana tantara ho an’ity zafikeliny vavy ity raibe iray dia niandrandra ilay zaza ary nilaza hoe: “Dadabe, Jereo ireo kintana!” Nitsiky ilay lahy antitra ary nilaza taminy hoe: “Ato an-trano isika sombinaiko. Tsy misy kintana izany ato.” Kanefa dia mbola nanitrikitrika ihany ilay zaza: “Misy kintana ato amin’ny efitranonao! Jereo!”

Nitraka ary nijery ity raibe, ary akory ny hagagany, fa nahita taratra mangirangirana avy amin’ny vy teo amin’ny valindrihana izy. Tsy tazana izany matetika, fa rehefa mitaratra ny hazavana, dia tena tahaka ny rakotra kintana ireny tokoa ilay izy. Nila ny mason’ilay ankizy vao nahita izany, kanefa dia efa teo izany. Ary nanomboka tamin’izay fotoana izay, rehefa miditra ao amin’ity efitrano ity ilay raibe ka mitraka, dia hitany ireo zavatra izay tsy fahitany teo aloha.

Miditra amin’ny vanimpotoan’ny Krismasy mahafinaritra indray isika izay feno hira sy jiro mirehitra, fety sy fanomezana. Kanefa raha eo anivon’ny olon-drehetra, isika mpikamban’ny fiangonana izay mitondra ny anaran’ny Mpamonjy dia mila mijery mihoatra ilay endrik’ilay vanimpotoana ety ivelany ary mila mahita ilay fahamarinana lehibe sy ny hakanton’izany vanimpotoana izany.

Manontany tena aho hoe firy tamin’ireo tao Betlehema no nahafantatra hoe teraka ny Mpamonjy, teo akaikin’izy ireo teo? Ilay Zanak’Andriamanitra, ilay Mesia nandrasana sy nampanantenaina hatry ny ela—teo anivon’izy ireo Izy!

Tadidinao ve ny nolazain’ny anjely tamin’ireo mpiandry ondry? “Fa Mpamonjy no teraka ho anareo anio ao an-tanànan’i Davida, dia Kristy Tompo.” Ary dia nifampiresaka ireo mpiandry ondry nanao hoe: “Andeha isika hankany Betlehema ka hizaha izany zavatra vao tonga izany” (Lioka 2:11, 15).

Tahaka ireo mpiandry ondry fahiny, dia mila miteny ao am-pontsika isika hoe: “Andeha hizaha izany zavatra vao tonga izany” Mila maniry izany ao am-pontsika isika. Ndeha isika hijery ilay Iray Masin’i Isiraely ao amin’ny trano fihinanam-bilona, sy ao amin’ny tempoly, sy eny an-tendrombohitra, ary eo amin’ny hazo fijaliana. Tahaka ireo mpiandry ondry, ndeha isika hanome voninahitra sy hidera an’Andriamanitra noho izany vaovao lehibe mahafaly indrindra izany!

Matetika ny zavatra sarotra jerena indrindra dia ireo izay teo anoloantsika foana hatramin’izay. Tahaka ilay raibe izay tsy nahita ireo kintana teny amin’ny valindrihana, isika koa indraindray dia tsy mahita izay mibaribary.

Isika izay efa nandre ny hafatra feno voninahitra momba ny fiavian’ny Zanak’Andriamanitra, isika izay nandray ny Anarany ho eo amintsika ary efa nanao ny fanekempihavanana fa handeha amin’ny lalany toy ny mpianany—dia tsy maintsy manokatra ny fontsika sy ny saintsika ary tena mahita Azy tokoa.

Ny fotoan’ny Krismasy dia mahafinaritra amin’ny endriny maro. Vanimpotoan’ny fihetsika feno fiantrana hanehoana hatsaram-panahy sy fitiavana izany. Vanimpotoan’ny fisaintsainana bebe kokoa momba ny fiainan’ny tena manokana sy ireo fitahiana marobe izay azontsika izany. Vanimpotoan’ny famelana heloka sy fandraisana famelan-keloka izany. Vanimpotoana hankafizana ireo mozika sy jiro marobe izany, ireo fety sy ireo fanomezana. Kanefa ny famirapiratan’io vanimpotoana io dia tsy tokony hanakona ny fahitantsika sy hanakana antsika tsy hahita marina ilay Andrian’ny Fiadanana ao anatin’ny Fahamboniany.

Ndeha isika hanao ity vanimpotoan’ny Krismasy ity ho fotoan’ny fifaliana sy fankalazana, fotoana izay hankasitrahantsika ilay fahagagana izay nandefasn’Andriamanitra Tsitoha ny Zanany Lahitokana, Jesoa Kristy, hanavotra izao tontolo izao!

Hevitra ho an’ny Fampianarana avy amin’ity Hafatra ity

  1. “Azo ampiasaina ny atrik’asa misarika ny saina mba hisintonana ny fahalianana ary hanampiana ireo mpianatra hampifantoka ny sainy amin’ny lohahevitry ny lesona. … Ny sary dia fitaovana manan-danja entina hanamafisana ny hevi-dehiben’ny lesona ary hanampiana ny mpianatra hifantoka hatrany” (Teaching, No Greater Call [1999],160, 176). Rehefa manomboka mizara ity hafatra ity ianao, dia manaova asa misarika ny saina tahaka ny fampisehoana sary na fizarana andalan-tsoratra masina ary asaovy dinihin’ilay fianakaviana ny fifandraisan’izany amin’ilay hafatra.

  2. “Tokony ho isan’ny iray amin’ireo tanjonao manan-danja indrindra ny hanampy ny hafa hampihatra ny fitsipiky ny filazantsara eo amin’ny fiainana andavanandro. … Ampio ireo mpianatra mba hitrandraka ny fitahiana izay tonga amin’ny alalan’ny fiainana ny filazantsara” (Teaching, No Greater Call, 159). Aorian’ny fizarana ity hafatra ity, dia asao ny olona ao amin’ny fianakaviana hizara ny zavatra niainan’izy ireo rehefa nifantoka tamin’ny Mpamonjy izy ireo nandritra ny vanimpotoan’ny Krismasy.

Hamoaka printy