2010
Ny Andraikitsika amin’ny Fandraisana Anjara amin’ny Asa atao any amin’ny Tempoly sy ny Fanaovana Tetiarana
Desambra 2010


Hafatra ho an’ny Famangiana Isan-tokantrano, Desambra 2010

Ny Andraikitsika amin’ny Fandraisana Anjara amin’ny Asa atao any amin’ny Tempoly sy ny Fanaovana Tetiarana

Halalino ity hafatra ity, ary raha azo atao dia ifanakalozy hevitra amin’ny rahavavy izay vangianao. Ampiasao ireo fanontaniana mba hanampy anao hampahery ireo rahavavinao sy handray ny Fikambanana Ifanampiana ho anisan’ny fiainanao

Sary
Relief Society seal

Finoana • Fianakaviana • Fanampiana

Nandritra ny taonjato maro lasa dia maro ireo olona no maty tsy nahafantatra ny filazantsara. Ny sasany tamin’ireo olona ireo dia havanao akaiky na lavitra. Izy ireo dia miandry anao hanatanteraka ireo fikarohana ilaina mba hampifandraisana ny fianakavianareo mba ho lasa iray ary hanatanterahana ireo ôrdônansin’ny famonjena ho azy ireo.

Ny ankamaroan’ny tempoly manerana an’izao tontolo izao dia tsy mbola tena be asa loatra. Ny Tompo dia nampanantena fa ny fonao dia hitodika amin’ireo ray raha tsy izany dia hofongorana tanteraka ny tany manontolo amin’ ny fiaviany (Jereo F&F 2:2–3).

Misy fitahiana maro ho an’ny tena manokana azonao vokatry ny fandraisanao anjara amin’ny asa atao any amin’ny tempoly sy ny fanaovana tetiarana. Ny iray amin’ireo dia ny hafaliana tsapanao rehefa manompo ireo razambenao ianao. Ny iray hafa dia ny fahafahanao mahazo ny fahazoan-dalana mankany amin’ny tempoly, izay maneho ny fahamendrehanao eo anoloan’Andriamanitra. Ireo izay tsy mendrika ny tombotsoa hanana ny fahazoan-dalana ankehitriny dia tokony hiara-hiasa amin’ny eveka na ny filohan’ny sampana mba hahatonga azy ireo ho mendrika ny hanana izany faran’izay haingana indrindra. Aoka isika mba tsy ho isan’ny tsy manana izany fahazoan-dalana tena manan-danja izany isika. Mijoro ho vavolombelona aho fa ny Sorompanavotana dia tena nisy ary afaka ho voavela ny fahotana rehefa misy ny fibebahana marina.

Rehefa mandray anjara amin’ny asa atao any amin’ny tempoly sy ny fanaovana tetiarana isika, dia azontsika antoka fa manana ny Fanahy mba hampahery antsika ao anatin’ireo olantsika ary hitarika antsika eo amin’ny fandraisana fanapahan-kevitra manan-danja. Ny asa atao any amin’ny tempoly sy ny fanaovana tetiarana dia tafiditra ao anatin’ilay asantsika amin’ny fanampiana na fanompoana ny razambentsika.

Avy amin’ny Tantarantsika

“Ny Mpaminany Joseph Smith dia nilaza hoe: ‘Ny andraikitra lehibe indrindra eto amin’ity izao tontolo izao ity izay napetrak’Andriamanitra eo amintsika dia ny hikaroka ireo razambentsika’ (History of the Church, 6:313). Hatrany am-piandohana, ireo rahavavy ao amin’ny Fikambanana Ifanampiana dia efa nandray anjara tamin’izany asa lehibe izany. Tao Nauvoo tamin’ny taona 1842, ny fanirian’i Sarah M. Kimball hanampy ireo mpiasa nanangana ny tempoly dia nahatonga ny vondrona rahavavy maromaro hifandamina mba hahafahan’izy ireo hanampy amin’ny fomba mahomby kokoa. Raha nanomboka nivory izy ireo, dia naorin’ny Mpaminany … ny Fikambanana Ifanampiana voalohany araka ny lamin’ny fisoronana. Nanomboka tamin’izay fotoana izay dia nanampy tamin’ny fampandrosoana ny asa tao amin’ny Tempolin’i Nauvoo ireo rahavavy ao amin’ny Fikambanana Ifanampiana. …

“Tamin’ny taona 1855, valo taona taorian’ny nahatongavan’ny Olomasina tao Utah, dia tafatsangana ny trano fanatanterahana ny Fanafiana Masina. I Eliza R. Snow, izay iray tamin’ireo mpikambana voalohany tao amin’ny Fikambanana Ifanampiana ary nitahiry ny firaketan’izany vondrona izany dia nantsoin’ny Filoha Brigham Young tamin’ny taona 1866 mba ho filohan’ny Fikambanana Ifanampiana maneran-tany. Izy sy ireo rahavavy hafa dia mpiasa nahatoky tao amin’ny Trano Fanatanterahana ny fanafiana Masina. Avy eo rehefa vita ny tempolin’i St. George, sy Logan, ary Manti, dia nandeha tany amin’ireo tempoly tsirairay ireo ireo rahavavy ireo mba hahafahany manatanteraka asa ho an’ny maty ao anatin’izany.”1

Fanamarihana

  1. Mary Ellen Smoot, “Family History: A Work of Love,” Ensign, Martsa 1999, 15.

Inona no Azoko Atao?

  1. Inona no azoko hanampiana ireo rahavaviko hikaroka ireo razambeny ary hanatanteraka ny ôrdonansy ho azy ireo any amin’ny tempoly? Jereo ny toe-javatra iainan’ireo rahavavy tsirairay rehefa misaintsaina ny fomba hanampiana azy ireo ianao. Azonao eritreretina koa hoe matetika dia afaka mankahery ireo mpikambana vaovao sy ireo vao niverina ary ireo malaindaina ny fanavoana tetiarana.

  2. Oviana ny asa atao any amin’ny tempoly sy ny fanaovana tetiarana no nampahery ahy tao anatin’ny olana natrehiko na nitarika ahy tamin’ny fandraisana fanapaha-kevitra manan-danja?

Ho fanampim-pahalalana bebe kokoa dia mitsidiha ny www.reliefsociety.lds.org.

Hamoaka printy